FANTARO NY AMPITSO IZAY HO AVY TSY HO ELA.....

121. RBNIR ( 14/03/2016 01:48)
endriny:

Ary mbola tsy tonga ihany ilay ho avy tsy hoe ela ohatran'ny volan'ny CNAPS

Aleo angamba hotohizana amin'izay, kanefa alohan'izany dia aleo fintinina ihany ireo voalaza teo aloha,
Ny asan'ireo anjely 3 no hitan-tsika teo:
Ny anjely voalohany
hampahafantatra ny olona hoe IZA marina tokoa ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA ka tokony hiankohofana, hatahorana ary homena voninahitra IZAY tsy iza fa i JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY....

Hisy araka izany olona hofidian'i Jesosy mivantana indray hamerina hampianatra indray ilay fampianarana tsy misy kilema izay efa very nandritra ny taon-jato maro dia maro ary ireny olona ireny dia hitaona ny olona hitandrina ny didin'Andriamanitra, sy hitana ny finoana an'i JESOSY.....

Ny anjely faharoa kosa dia handrava an'i babylona ilay fivavahana lehibe indrindra ankehitriny.....Izany hoe handrava ireo andriamanitra tsy izy rehetra fa hampody kosa ireo olona rehetra hiverina amin'ILAY TOKANA SADY MARINA voalaza ery ambony.....

Ny asan'ireo anjely 2 ireo araka izany dia hampiala ny olona amin'ny andriamanitra tsy izy rehetra ary kosa hampody ny olona rehetra ambonin'ny tany amin'ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA dia i JEHOVAH ANDRIAMANITRA ILAY NAHARY NY LANITRA SY NY TANY......

Hizotra mankany amin'ny Finoana sy fanompoana Andriamanitra tokana araka izany izao tontolo izao....

Ao anatin'izay no hiasa ilay anjely fahatelo satria ny devoly dia hifidy an'ilay bibidia (olona tsara fanahy be tsy misy otran'izany saingy ambodia mitafy hodi-janakondry Be satria hitaona ireo filohampirenena rehetra eto amin'izao tontolo izao hanenjika, sy hampamono ireo olona rehetra tsy mety miankohoka (manaiky ny fampianarany) ...Vakio ato....

Aiza ho aiza ary isika amin'izao fotoana izao???

Efa manomboka ny fifidianana sy fampianaran'i JEsosy an'ireo olona izay hitory ilay filazan-tsara fahiny ka hampahafantatra ny olona rehetra ILAY ANDRIAMANITRA TOKANA SADY MARINA sy hitaona ny olona hiankohoka, hatahotra ary hanome voninahitra io ANDRIAMANITRA IO......

Efa manomboka haseho ireo Andriamanitra tsy izy ka efa taomina hiverina hody ny olon'Anandriamanitra......

IZAY REHETRA MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY REHETRA MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!
122. RBNIR ( 14/03/2016 01:50)
https://www.infochretienne.com/le-nombre-de-musulmans-se-tournant-vers-jesus-christ-na-jamais-ete-aussi-eleve/
123. stahtam ( 14/03/2016 10:43)

[quote=RBNIR]
Jesosy koa dia nanao fanoharana hilazana fa nolavina ny jiosy ary nosoloina Jentilisa....
Lio.14:16-24
16 Fa hoy Jesosy taminy: Nisy olona anankiray nanao fanasana lehibe ka nanasa olona maro.
17 Ary naniraka ny mpanompony izy tamin’ ny fotoana fisakafoana hilaza amin’ izay efa nasaina hoe: Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana.
18 Fa izy rehetra dia nitovy saina, ka samy nanao fialàna. Hoy ny voalohany taminy: Efa nividy tany aho ka tsy maintsy mandeha hizaha azy; masìna hianao, ekeo ny fandavako.
19 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nividy omby folo aho ka handeha hamantatra azy; masìna hianao, ekeo ny fandavako.
20 Ary hoy ny anankiray koa: Efa nampaka-bady aho, koa amin’ izany tsy afaka mankany.
21 Ary nony tonga ilay mpanompo, dia nambarany tamin’ ny tompony izany. Dia tezitra ny tompon-trano ka nanao tamin’ ilay mpanompony hoe: Mandehana faingana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sakeli-dalana eto an-tanàna, ka ampidiro ny malahelo sy ny kilemaina sy ny jamba ary ny mandringa.
22 Ary hoy ilay mpanompo: Tompoko, efa natao izay nandidianao, ary mbola tsy feno ihany ny trano.
23 Ary hoy ny tompo tamin’ ilay mpanompony: Mandehana ho eny amin’ ny lalambe sy ny sisim-boly, ka tereo ny olona hiditra, mba ho feno ny tranoko.
24 Fa lazaiko aminareo: Tsy hisy hanandrana ny nahandroko ireny olona nasaiko ireny na dia iray akory aza.

Hoy ny Soratra Masina hoe.....« Tonga tany amin'ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy. » (Jao.1:11)

koa dia efa nolavina re ny Jiosy ry statham a, ary ankehitriny dia ireto no mitoetra....
Romana 9
6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.
8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.

koa aza gaga ianao raha mahita famonjena mipoitra avy amin'ny jentilisa ankehitriny.....satria tsy izay rehetra avy amin'ny isiraely no isiraely .....

Galatiana 3
28 Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany hianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.

Izay voasoratra dia voasoratra fa tsy azo amboamboarina io stahtam a!!!

[quote=stahtam]
Ataontsika mazava ihany sao dia misy diso fandray e!(Ataontsika farany aloha hoy aho ilay galatiana) Inianao afangaro izao eto ny hoe : voasoratra sy ny INTERPRETATIONS avy @ izay voasoratra. Mbola inianao atao safobemantsina (izy rehetra araka ny hevitrao) koa ilay hoe ny Jiosy tsy nandray ny fitoriana natao teo aminy, satria raha mivavaka i Paoly (Jiosy) mba hamonjena ny rahalahiny dia midika izany fa misy Jiosy nino, dia izy Paoly tenany koa lainga ilay hevitra ambadika toa tsy sahy mivoaka hoe ny Jiosy REHETRA no tsy nino. Io no fomba anakonana ilay teny hoe "mbola misy SISA".Ny toko sy andininy no-interpréter-nao izao dia any alohan'ny Romana 11 avokoa. Dia mba hazavao àry ny Romana 11/1-5 ary ampifandraiso @ fanazavana nataonao. Hazavao ilay hoe SISA, iza ireo?
Ilay fanoharana nataon'ny Mesia dia voasoratra ka tsy azo "amboamboarina" tokoa. Iza no oharina @ ilay mpanompo (and 17) nirahin'ilay olona anankiray (and 16); valiny: ny Jiosy, ireo no nitory sy nirahina hitory. Ny nandà kosa (and 18-20) ka nantsoina hoe: NASAINA dia ny Jiosy izay nitoriana fa tsy nandray (marobe ireo, ireo no natao hoe: ny azy tsy nandray azy). Ireo kilemaina sy teny an-dalambe... kosa (and 21 sy 23) dia ny Jentilisa. Dikany: Mbola tsy miova ilay lalàna na dia nisy jentilisa NITORIANA NY FAMONJENA AZA, ny MPITORY DIA TSY MIOVA FA MBOLA JIOSY IHANY. Io no noterena hekena ka ny Romana 11 no mandrava izay interprétations rehetra izay. Porofo manaraka izany ny tsy fisian'ny daty mazava nandraisan'ny Jentilisa ny "FITORIANA" ao anaty baiboly.'Izay mandray ny teny no "zanaky ny teny fikasana" fa tsy hoe izay jentilisa manora-tena hitory teny; raha marina fa nisy izany dia tsy hisandoka ho Jiosy na oviana na oviana izy ireo ao @ Apokalypsy (milaza ny tenany ho Jiosy) satria tsy hisy jentilisa hohenoin'ny olona izany mihitsy na oviana na oviana. Izay tsy mahafantatra lalàna angamba no hihaino azy ireo. Dia naleony nilaza ny tenany ho Jiosy mba "hanara-dalàna" kanjo tratra ihany fa Jentilisa (tsy izy fa Synagogan'i...). Ilay fipoiran'ny Jentilisa mitory teny ankehitriny izany dia fahatanterahan'ny faminaniana momba ny haben'ny tsy fankatoavan-dalàna ihany.
124. RBNIR ( 14/03/2016 12:25)
Stahtam,

Rom.9:6 Kanefa tsy lazaiko fa foana ny tenin’ Andriamanitra tsy akory. Fa tsy izay rehetra avy amin’ ny Isiraely no Isiraely.

Iza no avy amin'Israely : ny jiosy, nefa mazava io teny io tsy izay rehetra avy amin'ny jiosy no jiosy....

Rom.9:8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka.

iza no zanaky ny nofo : tsy ny jiosy ihany koa?? dia mbola mazava B ihany koa io tsy ny jiosy (ara-nofo) no zanak'Andriamanitra fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka....

Ireo dia samy manamafy avokoa ny gal.3:28

Romana 11 v?
Ireto ary.....
19 Ary hianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany sasany hanatsofohana ahy.
20 Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;

Iza moa no notapahina eto? tsy ny Jiosy v?

17 Fa raha notapahina ny sampany sasany, ary hianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky [Na: (fakany sy ny menaky)] ny hazo oliva

Iza koa no sampany voalaza fa notapahina eto? : mbola ny jiosy ihany....

Ka izao ny marina dia efa nolavina ny Jiosy saingy nasororatan'i paoly ny romana 11 MBA TSY HIREHAREHAVAN'NY JENTILISA.....satria ny faka (JESOSY) izay mitondra ilay sampana vaovao (hazo oliva naniry ho azy) dia tsy tia olona miavonavona sy mpirehareha........
Ny hazo oliva naniry ho azy moa dia tsy iza fa ny jentilisa.....ary tsy tian'i paoly hirehareha ny jentilisa dia izay no nahatonga ny teny......

MAZAVA BE io e, nolavina(notapahina, notsohaina sns....) ny jiosy saingy hanarina ny jentilisa tsy hirehareha na hiavonavona satria izy dia sampana naniry ho azy teny.....
125. stahtam ( 14/03/2016 13:11)

Efa manomboka azoko @ izay ny fomba fanazavanao baiboly ka hitako fa tsy dia mifanalavitra @ izay an'ny hafa efa tsy naharesy lahatra ahy satria nolovàna avy @ fisainan'ny hafa firenena ihany.
Jereo ange ireto:
a°) "Iza no avy amin'Israely : ny jiosy, nefa mazava io teny io tsy izay rehetra avy amin'ny jiosy no jiosy....":
Inona no hevitry ny hoe "tsy izay rehetra", hay ny fahazoanao azy eto izany dia hoe tsy izy avokoa izy REHETRA?
Io izany dia ahitsiko hoe "tsy izay rehetra avy @ Jiosy=tsy ny Jiosy 100% no Jiosy": izay nanaiky dia Jiosy fa ny tsy nanaiky dia tsy azo lazaina hoe Jiosy; koa satria marobe no tsy nanaiky dia natao safobemantsina hoe IZY REHETRA, iray izay;
b°) "Rom.9:8 Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak’ Andriamanitra; io dia atoroko avy hatrany: Ismaela io; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka: Isaka io.
koa ny fanazavanao manaraka dia diso satria noraisina ara-bakiteny fotsiny: "iza no zanaky ny nofo : tsy ny jiosy ihany koa?? dia mbola mazava B ihany koa io tsy ny jiosy (ara-nofo) no zanak'Andriamanitra fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka....: Raha "tsy ny Jiosy" no zanany dia asa raha sahinao àry ny milaza fa tsy zanany ireto Jiosy ireto: Asan'ny Apostoly 6/7. Ampiasao ilay teny hoe REHETRA na ny SASANY dia hazava tsara ny hevitra avoaka.
d°) " Ary hianao dia hanao hoe: Notapahina ny sampany SASANY hanatsofohana ahy. Marina ihany izany; ny tsi-finoany no nanapahana azy, ary ny finoanao kosa no itoeranao. Aza miavonavona, fa matahora;
Iza moa no notapahina eto? tsy ny Jiosy v?
Valiny : io ilay toe-tsaina MANAO SAFOBEMANTSINA satria mazava fa tsy hadino mihitsy na aiza na aiza eto ilay teny hoe: NY SASANY (izay tsy nino ihany) saingy nolazainao fa hoe: "tsy ny jiosy v"? Ny olona te-haka ny toeran'ny Jiosy @ fitoriana teny no manana izany toe-tsaina izany (ny hafa firenena te-handika lalàna)

17 Fa raha notapahina ny sampany SASANY, ary hianao izay tahaka ny hazo oliva maniry ho azy kosa no natsofoka teo aminy mba niombona ny fakan’ ny menaky [Na: (fakany sy ny menaky)] ny hazo oliva
"Iza koa no sampany voalaza fa notapahina eto? : mbola ny jiosy ihany....": nahoana no ninianao NALATSAKA ilay teny hoe SASANY? Satria efa nino ilay fampianaran'ny te-haka ny toeran'ny Jiosy ianao dia ny Jentilisa izany.
e°) "MAZAVA BE io e, nolavina(notapahina, notsohaina sns....) ny jiosy": dia hoy aho hoe: NY Jiosy rehetra sa ny sasany? Ampidiro foana io teny hoe ny sasany io raha tena manana fijery tsy manova izay voasoratra ianao!
Ary farany: hazo sampona ny hoe fakany dia tonga dia sampany, mbola misy ny vatany manelanelana azy roa ireo, izay lazaina fa miombona ny fakan'ny menaky ny hazo oliva: ireo no mpitory, jiosy ireo ary tsy misy vatan'ny hazo notapahina mihitsy eo fa ny sampany (izay tsy nino) ihany. Ny sampany (olona nitoriana ny famonjena ihany ka nandray) no natsofoka fa ny vatany tsy mab natsofoka. Izay sampany nino (Jiosy Araka ny Asa 6/7) dia tsy hotapahina velively satria tena sampany.
Noho izany tsy azo amboamboarina io RBNIR a, voasoratra ity voambolana ity saingy noezahina sy mbola ezahina mafy hatao masobe tsy mahita: "NY SASANY". Dia manodina ny hevitr'io ny maro ankehitriny mba hanovàna azy hoe IZY REHETRA: IZAY ILAY TETIKA. Mino aho fa mazava io resaka io, rehefa mipetraka tsara izay vao azo idirana ny Galatiana 3/28.
126. RBNIR ( 14/03/2016 13:38)
Dia mbola ampiako hampahazava azy fa tsy maninona...
« Fa tsy izay araka ny miseho no Jiosy, ary tsy izay miseho eo amin'ny nofo no famorana; » (Romana 2:28)
« fa izay araka ny miafina no Jiosy, ary ny famorana dia amin'ny fo, amin'ny fanahy, fa tsy amin'ny soratra; ny fiderana ireny tsy avy amin'ny olona, fa avy amin'Andriamanitra. » (Romana 2:29)

Ka iza ary ilay Jiosy???? ilay voafora fo....sa ilay voafora nofo....Iza avy no voafora fo (ka mahazo dera avy amin'Andriamanitra (fa tsy dera avy amin'ny soratra)...

Ianao mantsy eto dia mitady mafy ireo Jiosy izay tononina hoe Jiosy araka ny voasoratra fahiny, fa izaho koa mitady ny Jiosy (voafora fo) araka ny dera avy amin'Andriamanitra.....

P.S : ezaho fintinina ihany raha azo atao....Na izany aza azoko tsara ange ny tianao holazaina e!!!
127. stahtam ( 15/03/2016 05:40)

Eny àry : i Paoly sy ny Apostoly ary ny Asa 6/7: voafora fo sa tsy voafora fo? raha eny ny valiny dia TENA MISY izany ny Jiosy voafora fo. Io no tadiavina havadika hoe "0% ny Jiosy voafora fo fa izy REHETRA (100%) dia nolavina daholo".
Eo @ Romana 3/1,2: namaritra @ izay i Paoly hoe: na samy voafora fo aza (na Jiosy io na Jentilisa) dia: NY JIOSY (VOAFORA FO SADY) VAFORA NOFO no NOTOLORANA ny TENINY ho ADIDINY: io ilay SOA azo AVY amin'ny FAMORANA (araka ny nofo) voalaza eo @ andininy 1.
128. RBNIR ( 15/03/2016 06:19)
N'iza n'iza voafora fo (na jiosy io na grika Gal.3:28) dia izireo no tononina fa Jiosy ao amin'ilay Rom.2:29.....

Ka inona no tsy andraisanao ireo jiosy ireo???
129. stahtam ( 15/03/2016 07:23)

[quote=RBNIR]
N'iza n'iza voafora fo (na jiosy io na grika Gal.3:28) dia izireo no tononina fa Jiosy ao amin'ilay Rom.2:29.....

Ka inona no tsy andraisanao ireo jiosy ireo???

[quote=stahtam]
Satria mazava ny Romana 3/1 fa ny Jiosy araka ny nofo (VOAFORA @ NOFO) dia nolazain'i Paoly (voafora araka ny nofo) hoe MANANA TOMBONY dia ny NANOMEZANA azy ireo IRERY ny TENINY ho ADIDINY. Izany hoe ny voafora FO: ikambanana iny na Jiosy na Jentilisa, fa ny FAHEFANA HIANDRAIKITRA ny fitoriana ny TENY kosa dia fahefana MITOKANA nomena izay VOAFORA ARAKA NY NOFO irery ihany. Raha ny filaharany dia mbola any aorian'ny Romana 2 ny Romana 3 ka dia mazava kokoa izany ny interprétation eo.
130. RBNIR ( 15/03/2016 07:29)
stahtam:

Koa inona moa no andraisanao ny teny avy amin'ny baiboly raha izany fa tsy aleo v miverina any amin'ny source ry stahtam a! Tsotra ange izany e, dia andraso ao fa tsy maninona!!!

Saingy mba efa nodinihinao v hoe Jiosy (ara-nofo) iza no efa nampianarin'i Jesosy an'ity anjely telo ity tahaka ny nampianarana an'ity olona ity amin'izao fotoana izao??

Sahiko ny miteny aminao fa mpandainga raha milaza fa mahafantatra an'io nefa tsy nampianarin'i Jesosy mivantana.....
131. RBNIR ( 15/03/2016 07:36)
« Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika] » (Kolosiana 3:11)
132. stahtam ( 15/03/2016 08:12)

RBNIR:

[quote=stahtam]

[quote=stahtam]
Satria mazava ny Romana 3/1 fa ny Jiosy araka ny nofo (VOAFORA @ NOFO) dia nolazain'i Paoly (voafora araka ny nofo) hoe MANANA TOMBONY dia ny NANOMEZANA azy ireo IRERY ny TENINY ho ADIDINY. Izany hoe ny voafora FO: ikambanana iny na Jiosy na Jentilisa, fa ny FAHEFANA HIANDRAIKITRA ny fitoriana ny TENY kosa dia fahefana MITOKANA nomena izay VOAFORA ARAKA NY NOFO irery ihany. Raha ny filaharany dia mbola any aorian'ny Romana 2 ny Romana 3 ka dia mazava kokoa izany ny interprétation eo.

Koa inona moa no andraisanao ny teny avy amin'ny baiboly raha izany fa tsy aleo v miverina any amin'ny source ry stahtam a! Tsotra ange izany e, dia andraso ao fa tsy maninona!!!

Saingy mba efa nodinihinao v hoe Jiosy (ara-nofo) iza no efa nampianarin'i Jesosy an'ity anjely telo ity tahaka ny nampianarana an'ity olona ity amin'izao fotoana izao??

Sahiko ny miteny aminao fa mpandainga raha milaza fa mahafantatra an'io nefa tsy nampianarin'i Jesosy mivantana.....

[quote=stahtam]
Hamaly ilay fanontanianao vaovao indray àry aho rehefa vita iny resaka iny:
"Koa inona moa no andraisanao ny teny avy amin'ny baiboly raha izany fa tsy aleo v miverina any amin'ny source ry stahtam a! Tsotra ange izany e, dia andraso ao fa tsy maninona!!!"
Asa raha source mitovy no eritreretintsika, fa raha ny salamo 147/19-20 aloha no jereko dia ny baiboly (teniny) nomeny ny taranak'i jakoba izany no hotadiaviko. Ny baiboly dikan-teny dia misy zavatra azoko raisina sy ampiasaina ihany toy ny fampiasako dictionnaire ao: documents io ka ampiasaiko izay ilaiko ao fa tsy voatery ho raisiko marina avokoa izay voambara ao. Ny baiboly dikan-teny malagasy mantsy izao dia misy versions 4 farafahakeliny; mampametra-panontaniana izany: diso ve ny versions sasany matoa natao ny versions hafa? dia ny an'iza no marina?
Ilay hoe: "dia andraso ao àry" dia izao no andaminako azy: karohina no marimarina kokoa fa tsy andrasana fotsiny satria raha oharina @ harena nafenina ny famonjena (any @ Jiosy) dia amidy ny fananana rehetra hividianana azy rehefa hita, araka ny fanoharana nambaran'ny Mesia no itenenako izany (Matio 13/44).
Valim-panontaniana manaraka indray @ ilay fanontanianao hoe "Saingy mba efa nodinihinao v hoe Jiosy (ara-nofo) iza no efa nampianarin'i Jesosy an'ity anjely telo ity tahaka ny nampianarana an'ity olona ity amin'izao fotoana izao??
Ny azo antoka dia izay VOASORATRA: Daniela 12/9: raha voahorona io dia azo antoka fa tsy maintsy hovahana aty @ andro farany, ka @ izao andro farany izao izany (tsy ho ela intsony) no hamahana an'io. Dia henoiko sy jereko avokoa izay rehetra "mamaha" io bokin'ny Apokalypsy io @ izao andro farany izao, ary ampiasako ilay sivana efa noresahiko tery aloha: Jiosy tahaka an'i Daniela ve ilay olona? Nahazo ilay fampianarana mivantana ve ilay olona? Mifanaraka @ faminaniana sy izay voasoratra ve ny filazan'ilay olona? Mandeha @ tora-po ve izy sa .......
Efa misy maromaro ihany izao no efa fantatro mampianatra sy mamaha io bokin'ny Apokalypsy io (Io olona nolazainao io, Episkopo, Pr Mailhol, FMFOI, ao amin'ny TNTV koa misy...) ka mino aho fa tsy maintsy ho hitako ihany izay tafiditra ao anaty mason-tsivana.
133. RBNIR ( 15/03/2016 08:41)
Izao izany ianao vao hahafantatra fa hay misy jiosy voafora fo fidin'i Jesosy ihany koa.....
Afaka mampitaha erak'izao tontolo izao ianao, raha ny fanambaran'i Jesosy 1 ihany ankoatran'io aloha izao no voafidy....Enga anie ka Jiosy ilay izy :-)
134. stahtam ( 15/03/2016 08:53)

[quote=RBNIR]
Izao izany ianao vao hahafantatra fa hay misy jiosy voafora fo fidin'i Jesosy ihany koa.....
Afaka mampitaha erak'izao tontolo izao ianao, raha ny fanambaran'i Jesosy 1 ihany ankoatran'io aloha izao no voafidy....Enga anie ka Jiosy ilay izy :-)

[quote=stahtam]
Tsy hoe izao vao hahafantatra, fa lalàna efa nipetraka sy fantatra hatry ny ela ny hoe misy SISA foana ny Jiosy voafora fo (Asa 11/1-5) fa ilay nofidiny sisa no fantarina araka ny critères rehetra omen'ny baiboly (anisan'izany koa ny indice omen'ny faminaniana amantarana ny toerana hipoirany, ny fomba ifidianana azy ...)
135. stahtam ( 15/03/2016 08:57)

[quote=RBNIR]
Izao izany ianao vao hahafantatra fa hay misy jiosy voafora fo fidin'i Jesosy ihany koa.....
Afaka mampitaha erak'izao tontolo izao ianao, raha ny fanambaran'i Jesosy 1 ihany ankoatran'io aloha izao no voafidy....Enga anie ka Jiosy ilay izy :-)
[quote=stahtam]
Tsy maintsy andrasana ilay hoe Jiosy fa fahadisoana goavana raha hieritreritra hoe sao dia tsy hisy Jiosy hipoitra eo ka andao isika hafa firenena no handray ity asa ity, erreur raha izany. Asa raha hitanao fa misy ilay verset hoe "mitoria ny filazantsara any @ firenena rehetra" dia nisy tsy nanara-dalàna ka nandeha par sentiment dia nampiandraiketiny asam-pivavahana na dia vehivavy aza. izay ilay erreur sorohina. Aleo miandry e!
136. RBNIR ( 15/03/2016 11:46)
Mila fantarina aloha ilay Jiosy nolazain'i Jesosy tamin'ity teny ity....« Hianareo mivavaka amin'izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin'izay fantatray, satria avy amin'ny Jiosy ny famonjena. » (Jao.4:22).

Raha mamaky ny teny nifanaovany amin'ilay ravehivavy izy dia ny Mesia no tena votoatin'ny resaka ao....

« Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena. » (Asa.4:12)

Ilay famonjena araka izany tsy raisina avy amin'ny olona fa raisina avy amin'ny Anaran'ny Mesia...

137. RBNIR ( 15/03/2016 11:49)
Manamafy izany:

Raha vao niteny Jesosy hoe avy amin'ny Jiosy ny famonjena, dia avy dia fantar'ilay ravehivavy fa ny Mesia no tiany horesahina..

« Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. » (Jao.4:25)

Ary Jesosy dia nanamafy :

« Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. » (Jao.4:26)

Io teny hoe avy amin'ny Jiosy ny famonjena io araka izany dia entina hilazana an'i Jesosy (fa tsy ny olomboafidy jiosy)........
138. RBNIR ( 15/03/2016 12:14)
Ary rehefa nilatsaka ny teny hoe Gal.3:28 « Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin'i Kristy Jesosy. » (Gal.3:28)

Dia lasa mitovy daholo ny olona rehetra fa tsy misy mampiavaka ny Jiosy intsony..

Tsy tamin'ny galatianina ihany no nanamafisana an'io
« Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika] » (Kol.3:11)

« Fa tsy misy hafa, na Jiosy na jentilisa*, fa iray ihany no Tompon'izy rehetra, sady manan-karena homeny izay rehetra miantso Ary Izy. [*Gr. Grika] » (Rom.10:12)

Ireo dia manamarina fa JIOSY = jENTILISA.....Izay teny fikasana nomena ny Jiosy dia efa nomena ny Jentilisa ihany koa.....

Ary ity no manamarina izany.....« Izany hoe: Tsy ny zanaky ny nofo no zanak'Andriamanitra; fa ny zanaky ny teny fikasana no isaina ho taranaka. » (Rom.9:8)

Izay rehetra teny fikasana nomena fahiny dia efa lasan'ny Jentilisa ihany koa.....
139. stahtam ( 15/03/2016 12:37)

[quote=RBNIR]
Manamafy izany:

Raha vao niteny Jesosy hoe avy amin'ny Jiosy ny famonjena, dia avy dia fantar'ilay ravehivavy fa ny Mesia no tiany horesahina..

« Hoy ravehivavy taminy: Fantatro fa avy ny Mesia (Ilay atao hoe Kristy); ka rehefa tonga Izy, dia hambarany amintsika ny zavatra rehetra. » (Jao.4:25)

Ary Jesosy dia nanamafy :

« Hoy Jesosy taminy: Izaho Izay miresaka aminao no Izy. » (Jao.4:26)

Io teny hoe avy amin'ny Jiosy ny famonjena io araka izany dia entina hilazana an'i Jesosy (fa tsy ny olomboafidy jiosy)........

[quote=stahtam]
Na dia aty alohan'ny Romana 3/1 aza ity verset ity dia hovaliana ihany. Izany hoe interpréter-nao izany fa "Ny Mesia irery ihany no olom-boafidy Jiosy fa ny olom-boafidy hafa dia tsy maninona na dia hafa firenena aza". Ny porofo rehetra ao anaty baiboly aloha dia maneho fa JIOSY avokoa no nirahiny na nisehoany (ny Apostoly 12, i Paoly). Raha tsy maintsy notohizana izany ny asa rehefa niakatra ho any an-danitra Izy dia tsy maintsy nisy olona nanohy t@ alalan'ny fanomezam-pahefana avy any aminy. Nahoana no tsy nirahiny io vehivavy samaritana io rehefa nino Azy? Nahoana no tsy nirahiny ilay kapiteny be finoana nampiaiky Azy hoe" tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho na dia teo @ Israely aza ", satria Izy mpankato lalàna. Matoa anaran'ny zanak'Israely 12 no misoratra eo @ vavahadin'i Jerosalema dia tsy misy mahaforona vavahady HAFA misy anarana Jentilisa izany fa TSY MAINTSY MANDALO @ IRAY @ IREO AVOKOA izany IZAY NOVONJENA REHETRA. Hainao angamba ny hevitr'izany raha @ ara-panahy!
Azonao valiana mitokana mihitsy ity fanontaniana ity: nahoana no nilaza ny tenany ho Jiosy ireo mpitondra fivavahana sandoka (nolazaina hoe Synagogan'i Satana) ao @ Apokalypsy 2 raha hoe ny Mesia ihany no tokony ho Jiosy fa ny mpitory ankoatra azy dia azo atao hafa firenena? Amiko dia izao no valiny: satria Jentilisa izy ireo ka tsy hisy hihaino azy mihitsy satria izay no lalàna: ny jentilisa dia MPIHAINO fa tsy natao hohenoina raha resaka fivavahana no resahina. Afaka mino izy ireo, miditra @ famonjena rehefa avy nitoriana. Noho izany tsy maintsy mivadika ho Jiosy (sandoka) izy ireo, kanjo moa dia tratra ihany. Jereo ny faminaniana rehetra fa efa nanondro izany làlana tsy azo ihodivirana izany: Isaia 2/2-3, Zakaria 8/23...
140. RBNIR ( 15/03/2016 12:58)
Dia tena misitery tokoa ilay izy stahtam, saingy hoy IZY hoe ny voany no hamantaranareo ny hazo....

1- Mbola tsy nisy hatramin'izao olona nahavita namerina nampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema afatsy iray ihany raha eto madagascar
2- Mbola tsy nisy ihany koa nahavita nandika ny bokin'ny apokalipsy mazava tsara tamin'ny fomba tsotra sady mahitsy ary mazava tsara (toy io ambony io) afats'io anankiray io ihany....

Koa dia izay e, ny voany no hamantarana ny hazo hoy IZY.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7413