Misy ve Dieu?

101. tealala ( 11/02/2016 13:27)

rhaj0:

Da tsy haiko ny iainanao sy hitanao (ao @ imagination-nao) ao k'lou, hoe fa maninona no lian-drà be tahak'io ianao, @ anaran'izay Andrmntra ivavahanao ao izany... Fa izaho aloha aty miara-miasa amina Irakiana sy Pakistanais ary Algeriana sy Toniziana sy Syriana koa.. fa miara-monina tsisy raorao ny aty eee... (mivoaha ho'a avy tao @ io box-kely io...)

tsy hoe lian-drà hoy aho fa mampitsahatra aza no hatao, rehefa marary ny nify dia tsaboina na amboarian izay lo na tonga dia alana e avy mitsako am piadanana..
ny anao anie marary lo eo ilay nify dia safosafona omena tambitamby eo, dia mihevitra ianao fa ho sitrana ilay izy aveo.
102. tealala ( 11/02/2016 13:39)
Mbola anampiako ny maha religieux anao dia ianao ko miheritreritra fa izany Andriamanitra izany dia "fitiavana" ie misy fitiavana izy, saro-piaro fa raha izay fotsiny dia idôlatre ianao sy ny olona mijanona eo (mifankatiava ianareo tahaka ny itiavako anareo) tazomina kel ao ihany aloha ny maha athé an ingahy rhaj0 e, fa aza boribory be ohatr'izany rehefa resaka Andriamanitra satria izy koa dia "Justice".
103. rhaj0 ( 11/02/2016 13:53)
hi hi hi... ny eritreretiko re ry Tealala dia ny ao @ imagination (collective) anareo a... Ilaina indray ve ny milaza fa @ Atheista dia TSISY izany Andrmntra izany ???
104. tealala ( 11/02/2016 13:56)
Haha, aoka aloha tsy azon'i rhaj0 ilay zavatra nolazaiko.
ny kristianina nanandratra "olona ho andriamanitra"
ny athé dia "olona andriamanitry ny tenany"
mazava ve?
105. tealala ( 11/02/2016 14:01)
tahaka ity nolazain'i RBNIR ity izao "JESOSY no fanaporofoana ho an'izao tontolo izao fa tena misy Andriamanitra" jesosy nofo sy "sang"(sao dia lazain'i rhaj0 fa liana be eo aho) olombelona.
dia avy teo nisy ny représentant an'i jesosy dia i herinirina..asa i jesosy ve izany dia azafady amin'ity teny ratsy fa "mpisolo tena an'Andriamanitra". misy olona afaka misolo tena ve izy "izay mahita ahy hoy izy dia mahita ny raiko" ho ahy izany dia nanahaka an drainy ilay zaza.
106. rhaj0 ( 11/02/2016 14:11)
ho ho ho.. ilay notion hoe "Andriamanitra" mihintsy no TSY mitovy amiko sy aminao eee... amiko izany dia TSISY fa revirevin'ny Mpino fotsiny.

Ka tsy azoko ny lojikan'i Tealala hoe, manandratra ny tenako ho TSISY aho ve ???

107. tealala ( 11/02/2016 14:25)
tsy mandratra ilay teny ka, ilay teny hoe andriamanitra=tsisy aiko fa tsy misy izany aminao.
fa izaho anie nampitovy anao t@ ireo kristianina fotsiny e diso aho izany ko (ilay hoe jesosy io no nahatonga ahy hieritreritra izany, i jesosy no tonga teto dia izy ilay andriamanitra tsy makany an danitra ry RBNIR raha tsy amin'ny alalany takona ilay andriamanitra izany e)
fa ny anontaniko anao indray aza dia porofoy fa tsy misy izy e :)
108. rhaj0 ( 11/02/2016 15:00)
Io indray dia toa ny hoe, mangataka ahy ianao hanaporofo
1- ohatra fa TSY MISY orana rahampitso..
2- na hoe, ohatra, ahoana ho'a ny valin'ny baolina AS Cheminot nifanandrina t@ Zambiana t@ alahady farany teo fa TSY MISY mahafantatra (satria mbola tsisy nampita ny score)

Dia hoy aho hoe, rehefa TSY MISY (mahafantatra) dia TSY MISY. Teboka.

Fa hoy izao ianao hoe, hozy ny Torah hoe toatoa izao izy io, fa ny Torah mantsy mahita volana alohan'i Bibi... sa ahoanoa hoe no hanaporofoinao an'ireo "TSY MISY" ireo??
109. tealala ( 11/02/2016 15:35)
somary azoko ihany fa ny anao izany dia ara materialy ilay izy no raisina, porofoy ara materialy ary fa tsy misy izy e, satria ara materialy no ahafantarana azy dia ohatra ny big bang hitanao ve izany?
dia misy rohy kelin'i Einstein ity : http://www.harissa.com/fun/lenomdujeunehommeeinstein.htm
dia aveo jereo amin'ny google fa athé ko ingahy io.
110. rhaj0 ( 11/02/2016 17:31)
Ny @ Einstein dia efa noresahina tato ee... aza mba manao toa an'i RBNIR ho'a, ka tsindrotsindrohana izay hitahita any (Einstein jeune homme) ampametimety ny baolina e....

http://forum.serasera.org/forum/message/m558048822e21b

Ny olona re mivoatra eee...
111. tealala ( 11/02/2016 17:36)
Ady hevitra hafa mihitsy izany fa tsy dia hoe resaka mino i Einstein na tsy misy fa ilay fanazavana t@ ilay rohy no mba nasaiko nojerenao
112. rhaj0 ( 11/02/2016 17:42)
Efa nojereko eee... Fa matsirobasio intelektoaly ny fahitako azy tao, araka ny lazainao hoe, ny ahy dia ara-materialy no jereko..

Ka izao ny ara-materialy.. rahefa TSY hay, na TSY fantatra, dia TSY hay sy TSy fantatra ho'a, point à la ligne, fa tsy lasa mamoromporona finoanoam-poana ao, dia miantsampy sy mamikitra (tahaka ny constipé) amin-draha tsihaitsihay ao...
113. RBNIR ( 11/02/2016 23:07)
rhaj0:

Ka ilay "fandripahana" anie h@ zaza sy ny malemy/farofy eee... raha samy miaramila dia "ady" fotsiny izany. Ka dia "genocide' no fiantsoana an'izanynataon'ilay Andrmntr'Israely (raha marina ny ao anaty Baiboly)... Fa t@ l'an-zero moa, mbola tsisy vokabolary, ka dia...

Araho tsara ilay dinika rhajo a!

Manontany ianao hoe misy v Andriamanitra, dia hoy aho hoe "misy" ary "JEsosy no porofo" nalefany!!!

Miteny indray ianao hoe Jesosy dia belazao, dia valiako hoe "tsia satria naka vavolombelona maro IZY" izay nanamarina ny zavatra rehetra nataony sy ny fampianarana izay nampianariny,

Dia nony hitanao fa manangasanga ny fisian'ILAY Andriamantra dia manomboka kianinao indray izay mety ho "toetrany", ka lazainao fa tsy mahalala kely sady mpandripaka.....

Dia hoy aho taminao hoe « Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amosa 3:7)
Tsy mamely ampitaka IZY fa efa nambarany mialoha amin'ny olona ny momba ny toetrany sy ny zavatra andrasany amin'ny isam-batan'olona ...
Ary manome fotoana malalaka be ho an'ny isam-batan'olona IZY (izay ilay fitiavana, faharetam-po ary famindra-po) izay vao mety tonga amin'ilay fahatezerana
« Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy. » (Mpit.8:11)

Koa izao no lazaiko aminao rhajo, dieny mbola tsy mamaly anao IZY noho ny tsy finoanao, dia mandiniha tena ary mieritrereta.....

Ankehitriny dia tsy lazan'olona no hotanteriko aminao fa zavatra iainako ary réel fa tsy nofinofy na noforoniko ry namana!!! (izay ihany koa no tena antony hifikirako mafy ka hijoroko amin'izao làlana nitondran'Andriamanitra ahy izao) .....
Tena misy IZY namana ary "miteny sy mananatra IZY" araka ity teny voasoratra ato ity...
« Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra* hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,» (Jao.14:16)
« dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. » (Jao.14:17)

Mety hiteny ianao hoe tratran'ny halucination collective ihany koa i RBNIR (tsy maninona) fa ny tiako atsipy aminao fotsiny (raha nanaraka tsara ny fizarana rehetra nataoko teto ianao) olona manana andraikitra ambony aho!!! ary tsy adala akory ny olona nametraka izany andraikitra izany tamiko rhajo!!!

Koa atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby, atsipy ny teny ho ao am-pon'ny mahalala,

Tsy misy tombotsoako velively ny hitarika anao ho any amin'ny lalana tsy marina, fa "fitiavako" anao ary koa mba tsy hisian'ny fanomezan-tsiny any aoriana any hoe nahafantatra ihany kanefa dia nangina namana!!!

Idem pour tealala misy zavatra hiainako tsy hiainanao tealala, marina fa mety tsy takatry ny saina tokoa hoe 3 v ho 1??? nefa ny zava-misy tonga amiko ankehitriny no manamarina fa ny 3 marina tokoa dia mety ho 1 ihany amin'Andriamanitra namana!!!

Adihevitra no natao teto, aoka mba tsy hisy ho tezitra na halahelo, ianao rahateo nanontany, izaho koa nahatsapa fa tsy tokony hangina namana!!!








114. rhaj0 ( 12/02/2016 12:00)
RBNIR:
Manontany ianao hoe misy v Andriamanitra, dia hoy aho hoe "misy" ary "JEsosy no porofo" nalefany!!!
Miteny indray ianao hoe Jesosy dia belazao, dia valiako hoe "tsia satria naka vavolombelona maro IZY" izay nanamarina ny zavatra rehetra nataony sy ny fampianarana izay nampianariny,
Dia nony hitanao fa manangasanga ny fisian'ILAY Andriamantra dia manomboka kianinao indray izay mety ho "toetrany", ka lazainao fa tsy mahalala kely sady mpandripaka.....

Fa nihevitra ve i RBNIR fa "convaincant" ny valin-teninao isan'isany ireo? Ny fihevitro avy aty dia TSISY mitombona ny asesinao rehetra ireo.. Raha feheziko io dia
- mamorona #1 iana(re)o (Atra)
- dia mamorona #2 (Jesosy, na ny marimarina kokoa, ny mazia-mazia-mirakla-a-la-Jesosy)
- dia hoz'ianao hoe, ilay "noforonina #1" dia voamarin'iilay "noforonina #2"
- dia mitantara ny mazia-mazia-mirakla, dia hoe, "marina" izany fa nisy "vavolombelona".. Koa nareo samy "mino" ihany no mifambosibosika ao.. Nisy "vavolombelona" indépendant dia ni-reproduire ny mazia-mazia-mirakla ve? izay mantsy no demarche-n'ny samy olona raha hanamarina fa "misy" ny zavatra iray. Valiny TSIA, satria "tokana" IZY.

Asa raha hitanao hoe,
- ny noforomporoninareo ao ihany no hanamarinanareo ny noforomporoninareo teo alohany,
- ary ny noforomporoninareo teo alohany no hanamarinanao ny noforomporoninareo aty aorianany
Izay ilay kiboribory-vetaveta-be-vata fataona(re)o.


RBNIR:
Mety hiteny ianao hoe tratran'ny halucination collective ihany koa i RBNIR (tsy maninona) fa ny tiako atsipy aminao fotsiny (raha nanaraka tsara ny fizarana rehetra nataoko teto ianao) olona manana andraikitra ambony aho!!! ary tsy adala akory ny olona nametraka izany andraikitra izany tamiko rhajo!!!

O ry RBNIR... misy koa zazakely génie, fa ao @ fiche de santé-ny ho'a, dia mbola tsy voa-coché ilay "apte à vivre en société"
115. tealala ( 12/02/2016 12:01)

rhaj0:

Efa nojereko eee... Fa matsirobasio intelektoaly ny fahitako azy tao, araka ny lazainao hoe, ny ahy dia ara-materialy no jereko..

ny an i'rhaj0 izany dia ry bouda, ry kley malaza krishna mo izy izay, ireny izao materialy sady ireny vita @ pierre de jade na ko hazo kely na tsy aiko ny sasany aza olona tahaka i jesosy ao amin'ilay mety amin'i rhaj0 tsara mihitsy izao ireny..
izaho koa aloha raha "athé" dia anaporofoiko fa tena tsy mino ireny materialy kely ireny dia sahiko ny manopa kely azy hehehe!!! ary i rhaj0 ve sahy manao izay amin'ilay tsy misiko?
116. rhaj0 ( 12/02/2016 12:13)
ny pierre de jade sy ny vokovoko volamena na hazomena re dia representation-n'ilay finoana ao fotsiny e... mbola ny finoana sy ny cortege-ny daholo izany.. h@ ilay hoe boky "masina" sy tonta koa io...

Fa raha ny "manopa" kosa aloha dia... hi hi hi... rahefa "mivanitika" eto aho anie izao, (mety) lazain-dry mpino fa "manopa" azy eee...
117. tealala ( 12/02/2016 12:45)

endriny:

IO moa izany na genocide na tsy genocide dia mitovy ihany ny vokany sy ny zavatra nihantra e

Ny zavatra nihantra: fandripahana ain'olona
Vokany: Ripaka maty ny olona

Ary io tranga io dia hatramin'ny fanavotana an-dry zareo Jiosy avy tany Egipta ka hatramin'ny nakany ilay tany nampantenaina... ary hatramin'izao any Palestina any... dia toa izany koa ny fambaboan'ny kristianina ny tany tsy kristianina taty Afrika sy tany Amerika ary tany amin'ny Oseania tany e...

adinon'ingahy ny safo drano, ny sodoma, mba ianaro iany ilay chronologie e.
tokony nandevozina tany egipta tany ireo e? dia naringana t@ karavasy sns? efa saika hataon'Hitler zany anie e, fa tsy tanteraka :D..
"Ny zavatra nihantra: fandripahana ain'olona
Vokany: Ripaka maty ny olona" ny hovaliko an io dia ilay hoe "battre le feu par le feu" fa raha tsy manao contre feu ianao dia tapitra may eo nareo
118. tealala ( 12/02/2016 12:50)

rhaj0:

ny pierre de jade sy ny vokovoko volamena na hazomena re dia representation-n'ilay finoana ao fotsiny e... mbola ny finoana sy ny cortege-ny daholo izany.. h@ ilay hoe boky "masina" sy tonta koa io...

Fa raha ny "manopa" kosa aloha dia... hi hi hi... rahefa "mivanitika" eto aho anie izao, (mety) lazain-dry mpino fa "manopa" azy eee...

hahahaha, mba ahitako taratra fa tena tsy misy marina izy aminao e :D, ohatra izao hoe le ...drenin bouda bouda
119. RBNIR ( 12/02/2016 12:53)
Otran'ny sady efa namarana aho teo rhajo a, ka inona fa tsy dia manasa tanana aho izany sisa koa!!! Fa dia ao ianao izany koa.....
120. tealala ( 12/02/2016 12:57)
"Fa nihevitra ve i RBNIR fa "convaincant" ny valin-teninao isan'isany ireo? Ny fihevitro avy aty dia TSISY mitombona ny asesinao rehetra ireo.. Raha feheziko io dia"
Tena sambako ny hiteny amin'ny fo madio fa miombon-kevitra amin'i Mr rhaj0 aho eto.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1941