Misy ve Dieu?

61. tealala ( 09/02/2016 17:17)
Ie mino aho, fa ny fomba hinoko azy dia izao
i Noa : somary ty tena, vao notenenina hoe manamboara sambo fiara fa ho aripako ny olona dia tonga dia nanambôtra.
i Abrahama : ho aringana ny olona tao sodoma, mbola nitsetra ireo olona, somary niady varotra kely
i Mosesy : mpiady an tsena, nahafaty ejiptiana...mbola niady t@ ireo olona teo amin'ilay fatsakana iny.
=>i Noa anefa nanana 120 taona izy ka niteny t@ ny olona hoe miova fa ho aringana "izay tsy miova"( mitovitovy amin'izao hiainantsika izao, mifanambady lahy sy lahy vavy sy vavy, miray amin'ny biby sns)/ ny biby tsiroaroa nampidirina tao anaty dia raiso hoe karazan'olona tahaka anao ihany.
i Abrahama, niady varotra izy satria tsy navelany hanao ny asany (Abrahama io a) i =>Andriamanitra (asa = hampiova ireo olona tao sodoma = mitovitovy amin'izao hiainantsika izao, mifanambady lahy sy lahy vavy sy vavy, miray amin'ny biby sns) ho fitsinjovana ireo olona afaka nanova ireo olona ireo => tsy niasany saina ireo olona be fahadisona ireo fa zarany aza angamba ripaka tany fa saika hamono ny havany.
=>i Mosesy : Tahaka an'i Noa ihany niady ho an'ny vahoakany...sady ilay anarana mitovy "sense" samy avotra t@ ny rano
62. rhaj0 ( 09/02/2016 18:00)
Izay fandraisanao azy ka mampetimety ny conscience-nao, na koa ny valeur-nao izany, dia ataovy ee... Fa ny "inoanao" ao moa izany dia nisy olona NARINGANA, h@ antitra ka h@ zaza amam-behivavy... satria ve ho'a diso conception i Atra dia aringana ny fanafodiny.

Dia mody ganga ianao rahefa toa izay koa no mentalité-n'ny mpandringana aty aoriana (croisade sy djihad). Izany no nampinoana azy, ary ilay sefo-be mihintsy no manome exemple, koa inona indray...
63. tealala ( 09/02/2016 18:08)
rhaj0:

Izay fandraisanao azy ka mampetimety ny conscience-nao, na koa ny valeur-nao izany, dia ataovy ee... Fa ny "inoanao" ao moa izany dia nisy olona NARINGANA, h@ antitra ka h@ zaza amam-behivavy... satria ve ho'a diso conception i Atra dia aringana ny fanafodiny.

Dia mody ganga ianao rahefa toa izay koa no mentalité-n'ny mpandringana aty aoriana (croisade sy djihad). Izany no nampinoana azy, ary ilay sefo-be mihintsy no manome exemple, koa inona indray...

Tsy hoe diso "conception", nomena "libre arbitre" anie ny olona fa nanaonao foana e,(ianao izao dia afaka mino afaka tsy mino=> a/tra ny tenanao ianao aminao)...
Fa ianao mihantra "terroriste" io, gadrao anie izy e, dia avy eo izy hiverina any ami'ny taniny, dia iverina handringana anao indray...ny fihantrana ny ratsy fanahy ry rhaj0 ny fampianarana avy amin'ny katesizy a..ho ahy aleo foanana toy izay hifotoran'ny rambony eo... raha ohatra ka izy samy izy (ry mpitondra lakroa sy ry djyhad) anie no mifanery hino ao tsy mapaninona e, fa raha mikitikitika ny hafa dia haringana ko.
64. rhaj0 ( 09/02/2016 19:38)
fa ilay olona "mandringana" ho'a toa mahalikiliky anao, nefa ny Andriamanitrao MANDRINGANA toa vao mainka azany hosoranao menaka ee..
Nefa ho'a ny Andrmntrao ihany no nianarany teo.

Fa ianao moa io hitako lian'ady lian-drà... f'izany angamba no nitaizana anao ao @ finoanao ao, ka dia ao ianao izany eee...


Fa ny aty @ tany mandroso koa ry Tealala dia misy ny atao hoe "rehabilitation" sy "reinsertion" aaa...

Io indray kosa aloha dia samy hafa @ ilay "afak'ota-Kristiana". Ny an'ny Kristiana dia tonga dia misy manapaka any ho any fa voavela ny otany, mety i Mopera no manapaka @ io (confesse), mety ny vokatry ny incantation-n'ny tsy-tia-Mopera no mandidy (fesse-fesse). Ary dia tonga dia "afak'ota", ary dia "masina" akoriny azany ilay mpanota: ohatra extreme, ireo pretra-(sasany)-nanolana-ankizy.

Ny "rehabilitation" kosa, dia rehefa avy nandoa ny sazy sahaza anao ianao, dia amena chance ny hiverenanao @ sosaity.


io "rehabilitation/reinsertion sociale" io indray k'lou dia tsy takatry ny boky-tonta-de-l'an-zero eeee... koa na ry mpiventy-boky-tonta mpanaraka h@ izao an-2000 izao azany tsy mahatakatra an'izany..
65. RBNIR ( 09/02/2016 20:09)
rhaj0:

fa ilay olona "mandringana" ho'a toa mahalikiliky anao, nefa ny Andriamanitrao MANDRINGANA toa vao mainka azany hosoranao menaka ee..
Nefa ho'a ny Andrmntrao ihany no nianarany teo.

Fantaro aloha ny antony nahatonga an'Andriamanitra handringana ireny olona ireny...
« Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao. » (Deot.12:28)
« Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny, » (Deot. 12:29)
« dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. » (Deot.12:30)
« Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny. » (Deot.12:31)

Ny vahoakan'Israely no nampiasainy nandringana an'ireny ary tsy nisy tsiny izireo tamin'izany satria mission avy tamin'Andriamanitra no nataony....

Rariny Jehovah Andriamanitra raha nandringana satria tsy nanao araka ny Sitrapony ireny olona ireny....(tsy hitako izay olana amin'izany satria Andriamanitra Izy ary mpamorona) Manana droit tanteraka amin'izay noforoniny....

Izany tsy midika hoe afaka mandrikana avokoa izay te handringana satria raha nanao izany ireo zanak'israely dia nahazo fahefana mivantana.......

Ary noporofoin'Andriamanitra fa tsy miangatra IZY dia hoy IZY tamin'ny zanak'israely " Aza manao toy izay nataon'ireny hoy Izy"...

P.S : io koa no antony tsy tokony hanadihadiko lalina mikasika izay andriamanitra hafa notanisainao tany fa tsy Sitraky Jehovah ny fanaovana izany.....
66. RBNIR ( 09/02/2016 20:22)
Izao ange, no tsapako aminao rhajo e, raha vao hoe mandringana Andriamanitra dia tsy tianao ary tsy zakanao....
Izany hoe raha azoko tsara, na hitsahin'ny olona hatreny an-tampondoha aza Izy tokony hangina sy handefitra hatrany????
Izao no tsarovy Andriamanitra dia MARINA amin'ny fitsarany ka tsy manao zavatra raha tsy efa maniraka ny mpaminany mpanompony...
« Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony. » (Amo.3:7)

Tahaka ny ankehitriny dia mifidy olona indray izy mba halalan'ny olona ny fisiany marina ka raha tsy mino ianao dia horingana fa raha mino ianao dia ho avotra......

Ny famantarana dia ity: tsy misy intsony mahafantatra marina ilay fampianarana tsy misy kilema nampianarin'i Jesosy fahiny afatsy i JESOSY IRERY IHANY.....
Ka raha misy olona mahavita mahafantatra izany dia tsy avy amin'ny olona izany fa avy Amin'I JESOSY mivantana ihany,
IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!! FA EFA VOAFIDY INDRAY NY IRAKA VAOVAO HILAZA NY MARINA......
67. rhaj0 ( 09/02/2016 20:27)
RBNIR:
Ny vahoakan'Israely no nampiasainy nandringana an'ireny ary tsy nisy tsiny izireo tamin'izany satria mission avy tamin'Andriamanitra no nataony....

Eny ho'a eee... Ny Andmntr'Israely izany no commanditaire-n'ireny "fandringanana", h@ zaza tsy manan-tsiny, ka h@ ny osa sy ny malemy eeee...

Dia ganga ianao raha TSY rototra koa ny sanguinaire rehetra manao toa io.. inona moa fa tsy ny Andrmntr'Israely ihany no nianarany.

RBNIR:
Rariny Jehovah Andriamanitra raha nandringana satria tsy nanao araka ny Sitrapony ireny olona ireny

Fa mety ihomehezan'ny saka fotsiny koa anie ianao, fa zohio kely hoe ny Histoire raha misy ringana izany ny vahoaka ankoatry ny vahoakan'israely eee... Ao @ ilay angano-angano ampatoriana ny zaza (saina) ihany no manao io belazao io.. hi hi hi.. dia mino er? ianao :-)
68. rhaj0 ( 09/02/2016 20:31)
Averiko indray: zahavo ny Histoire raha nisy izany.. "genocide" nataon'Atr'Israely izany... sahy manao pari aminao aho fa TSISY an'izany, fa angano-arira-njaza (saina) fotsiny ho'a ny anao :-)
69. RBNIR ( 10/02/2016 04:34)

rhaj0:

Averiko indray: zahavo ny Histoire raha nisy izany.. "genocide" nataon'Atr'Israely izany... sahy manao pari aminao aho fa TSISY an'izany, fa angano-arira-njaza (saina) fotsiny ho'a ny anao :-)

Dia ny google v no hoentinao hanamarinana fa tsy nirahin'Andriamanitra handringana ireo rehetra izay tsy nanao ny sitrapony ireo zanak'i Israely???
70. rhaj0 ( 10/02/2016 12:05)
Dia lazao mazava azany e.. Iza no marina, a- sa b-.

a- tena n(amp)anao genocide ny Andrmntr'Israely. Ohatra: noringaniny ny zanak'Ejipsiana. Porofo: jereo ny Baiboly.

b- tsisy an'izany genocide izany, fa angano-arira fampitahorana ny zaza (saina) fotsiny ireo tantara anaty Baiboly ireo
71. RBNIR ( 10/02/2016 12:12)
« Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason'i Jehovah Andriamanitrao ianao. » (Deot.12:28)
« Rehefa aringan'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin'ny taniny, » (Deot. 12:29)
« dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin'ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan'ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany. » (Deot.12:30)
« Aza manao toy izany amin'i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan'i Jehovah, no nataony tamin'ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin'ny afo ho an'ny andriamaniny. » (Deot.12:31)

MIssion : handresy ireo firenen-tsamy hafa izay nanao "fahavetavetana teo himason'i Jehovah....
Nomen'Andriamanitra teo an-tanany ireo firenena samihafa ireo satria hoaringany....
72. RBNIR ( 10/02/2016 12:20)
N.B: Tamin'izany fotoana izany nampiasa olona Andriamanitra handringanany ny hafa,
Fa ao amin'ny apokalipsy 15 sy 16kosa dia hitondra loza 7 farany izy hamaizany izay rehetra hihankohoka amin'ny bibidia (tsy manaiky ilay fampianarana tsy misy kilema izay haverina hotorina indray.....
73. rhaj0 ( 10/02/2016 12:21)
okey dokey..

Ho an' RBNIR izany dia tena miombo-kevitra @ ity izy :
"tena n(amp)anao genocide ny Andrmntr'Israely. Ohatra: noringaniny ny zanak'Ejipsiana. Porofo: jereo ny Baiboly"

Ary tsy in-1 mandeha t@ Ejipsiana fotsiny io an... na t@ Noa na t@ Sodoma, dia tena ripadripaka ny "foko" iray manontolo tao @ vallee de canaan tao. T@ izany moa, mbola tsisy ny Nations-Unis, ary ny olona sy firenena hafa, tany Japana sy Bresila any rehetra any, dia tsisy nahalala, ka dia afa-maina ny mpanao genocide.

Ilay n(amp)anao genocide anefany, dia ny lalAna noandrianiny, dia ny "Aza Mamono Olona", ny lalAna noandrianiny ihany no nohoseny, an-kabibiana.

Ary na dia nisy "vavolombelona" azany, na dia nisy ny "raki-tsoratra", dia ny Baiboly, dia tsy nisy mihintsy fiampangana ny n(amp)anao genocide, fa vao mainka azany IZY nohosorana menaka.
74. RBNIR ( 10/02/2016 13:04)
« Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mahadiso hevitra anareo ny tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina na ny herin'Andriamanitra. » (Mat.22:29)

Misy toetran'Andriamanitra tokony fantarina fa nafenina tamin'ny olona hatramin'izay...

Marina fa FITIAVANA IZY, ary tena MAHARIPO sy BE FAMINDRAPO, nefa tokony hofantarina ihany koa fa « Raha tsy ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana] » (Sal.7:12)

Tsy manavaka IZY amin'izay fa dia tompon'Andraikitra avokoa ny rehetra (ary ny Ray aman-dreny dia tompon'Andraikitra amin'ny Zanany)...« Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; » (Eks.20:5)

Efa napetrany mazava ny fitsipika rehetra, anjaran'ny tsi11 no mandinika!!!


75. rhaj0 ( 10/02/2016 13:21)
"FITIAVANA ... FAMINDRAPO" ... ve ho'a ny genocide ry RBNIR aaaa ????

ntss... pli-vava sy incantation sisa ny an'i RBNIR, fa raha izay qualite, na koa azany, raha izay lalAna sy soatoavina noandrianina ao, kay TSY norahirahian'ilay n(amp)anao genocide...

Dia ny sanguinaire moa ho'a nianatra ny nataoNY..

Fa ny olona kosa dia naka lesona, ka @ izao taona 1900-2000 izao, dia raha miady ny tany, dia misy ihany ny convention, nifanarahana ary ifanajana, ka ny sivily sy ny zaza (amam-behivavy) ary ny osa sy malemy, dia TSY azo vonovonoina ao.. ny samy miaramila sy ny debadebany nanapa-kevitra @ io ady io no mahazo mifamono ao raha te-hifamono.. dia ny lagera simika sy nokoleary koa iadiana..

ka mba takatry ny Baiboly, na ny toe-tsaina de l'an zero, na akoriny azany, takatry ny Andrmntr'Israely ve izany revy izany eee ???...

Dia hotry ny izaho ho'a no Irainizeloza rahefa milaza fa.. avelao any @ izay ho'a io "toe-tsaina de l'an zero" io, sady io koa moa dia mifototra amina angano-arira fampitahorana ny zaza (saina) ao fotsiny...
76. tealala ( 10/02/2016 14:30)
ao anatin ilay boky tonta ao ilay porofo ry rhaj0 a
ny genocide nataon'ny olona moa izany dia vao aingana kely t@ ady lehibe faharoa, 6millions de juifs fotsiny (antony race inférieur) ataovy "rehabilitation" sy "reinsertion" ny olona nanao izany dia avohay rehefa voaloha ny volany na vita ny peine ny :)
tahaka ny any frantsa ampidirina daholo ireo arabo dia, tsy fantatra intsony hoe iza no manao fampihorohorona
ao anatin'ilay boky tonta maha voan'ny sery manko ireo olona ireo ilay hoe nanaovana génocide hahahaha satria zareo nanolana zaza vavy kely tsy ampy taona...
fa ny progres ny siansa nao ko anie ka tena lasa alavitra mihitsy e, tahak'ireo fitaovana mahatonga riska ana cancer, ny "insémination artificiel" ie ho lasa mpivady daholo ireo ray ray atsy ho atsy :) aleo tohizana fa tena progression be dia be, tsy haiko moa na tsara izany na ratsy fa izay no marina e.
77. tealala ( 10/02/2016 17:09)
"Ny "rehabilitation" kosa, dia rehefa avy nandoa ny sazy sahaza anao ianao, dia amena chance ny hiverenanao @ sosaity."
Anontanio an'i RBNIR ilay fampianaranareo (raisko ho kristianina ihany aloha i rhaj0 amin'ilay manohana io hevitra io e) ilay hoe raha misy mmaninona moa ilay takolaka havanana dia atolotra koa ny avy angamba izy izay. io no voizina amin'ilay hoe "rehabilitation" sy "reinsertion".
78. rhaj0 ( 10/02/2016 17:16)
Dia mamerina foana aho hoe, mba mivoaha @ izay avy ao @ box-kely ao, ary aok'izay ity mihevoka boky tonta ity, fa ny tany anie izao ka efa mivoatra eee..

1- ny genocide nataon'ny Andmntr'Israely dia fomban-tany t@ l'an zero sy talohany. Rahefa miady ny tribu ao, na ao @ vallee de canaan izany, na hatrany @ izay alehan'i Roma, dia ringanina daholo ny vohitra iray manontolo (jereo ohatra eto)
==> dia izay ho'a no mba takatry ny mpanoratra Baiboly, dia izay no valeurs nahindrahindrany hoe... notandrovin'ny Andrmntrany tao. Hadinon'ireto mpanoratra-Baiboly ilay nasainy notenenin'ny Andrmntrany hoe, "Aza Mamono Olona".

2- ny @ rehabilitation/reinsertion, dia ampiasao kosany ilay saina ho'a fa tsy be-fo lava ao, dia rancunier sy lian-dra ao foana eee... raha 10 taona ny sazy, dia mila misaina ianao hoe, hiverina ao anaty sosaity ilay olona. Raha mbola poretinao izy, dia miverina manao heloka.

3- ny arabo miditra aty Eoropa sy Kanada k'lou dia... asory tao @ boky tonta tao ho'a ilay orona, fa aty izao ohatra, ilay fiangonana katolika mihintsy no mi-sponsor fianakams syriana, dia itadiavany trano/fanaka sy ikarakarany ny ankizy sy ny sekoliny. Fa tsy nampianarina compassion angaha nareo ao @ Torah ao rey olona aaa...

4- ny @ siansa sy h@ homo, raha izay no mahalikiliky anao ao, dia ... hi hi hi.. harary fo @ izany ao ianao fa ny olona miroso hatrany eee...
79. tealala ( 10/02/2016 17:38)
Hahaha!!! tena mba nanantena "argument" mafy sady tsara aho...
ilay hoe "Aza Mamono Olona" misy ny hoe miaro dia mamono mahafaty ry rhaj0...ary ny mamono ny mpamono olona noho ny ataony tsy tafiditra amin'ny hoe mamonomono foana, izany no atao hoe "justice" fa tsy "rancunier" sao mo tsy tokony hisy izany "justice" izany?
"ny arabo miditra aty Eoropa sy Kanada k'lou dia... asory tao @ boky tonta tao ho'a ilay orona, fa aty izao ohatra, ilay fiangonana katolika mihintsy no mi-sponsor fianakams syriana, dia itadiavany trano/fanaka sy ikarakarany ny ankizy sy ny sekoliny. Fa tsy nampianarina compassion angaha nareo ao @ Torah ao rey olona aaa..." = miala tsiny fa tsy afaka alako tao fa efa voasoratra e :D, hitambatra ny vy sy ny tany anefa tsy afaka hitambatra ireo ao ami'ny bokin'i Daniely izany (tadiavo ao)
"ny @ siansa sy h@ homo" rehafa mitondra vinanto sady zanaka ianao dia mifalia tsara e :D iaraka hifaly aminao ko "angamba" aho rehefa tonga izany
80. tealala ( 10/02/2016 18:14)
Mba manandrama anie e, misy "djihadiste" tratranao namono olona maro dia alefaso ilay théorie "rehabilitation" sy "reinsertion", vita ny peine dia alefaso mody any amin'ny taniny izy raha hiteny amin'ireo namany hoe "aimons nous les uns les autres"
Ny finoanao izany no mbola maha religieux anao, mitondra ilay filosofia hoe mitovy daholo isika mifankatiava ry rahalahy sy ranabavy, ny mpamelaka amin'ny takolaka havanana tolory ny takolaka havia dia ho lasa "monde de paix" ny tanintsika mifankatia ny lahy sy ny lahy ny vavy sy ny vavy ny olona sy ny biby...Marx, « la religion est l'opium du peuple » manonofinofy eo..
efa hita fa ny kristianina namono olona maro t@ anaran'i jesosy kristy
ny djihadista t@ allah
ary ny Jiosy, efa naheno ingahy hoe jiosy namono olona hoe inio ny Andriamanitro? (Jacob, Avraham, Isaac)?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.195