Misy ve Dieu?

41. tealala ( 08/02/2016 17:11)

rhaj0:

ka tena naturellement "violent" ve izany ny Torah, sa ny Andrmntrao ??

Tena TSY @ kapoakako ho'a izany eee...

raha namaky ianao dia ireo olombelona nahazo ny "libre arbitre" no niharan'izany
42. rhaj0 ( 08/02/2016 17:28)
Izay izany no nampinoana anareo. Hoe noforonin'Atrareo ianareo, dia nameny "libre arbitre", ary dia ataony mihinan'ny tsakaokany miaraka @ zavatra hafa noforoniny tao. Dia i Andrmntrareo @ io nefany TSY tompon'andraikitr'izay loza ao, na dia IZY izany hono no fototry ny zava-drehetra ao, ary na dia IZY izany koa hono no manam-pahefana na ny fahafaha-manao @ izay zava-drehetra eto.

io indray k'lou dia "n'engage que celui qui y croit." Ianao sy ny finoanao ao io ihany no mampanodiina ho borika ao io.

Fa rahefa voa izany nareo ao, dia hoy fotsiny izaho avy aty ivelany hoe, ny (n)ataonao ihany ho'a no mahavoa anao ao eee..
1- ny nataonao t@ izay zavatra tao, ohatra ny moka, sy
2- ny ataonao minomino raha foana ao io, ka nampatonga anao nanao io zavatra (kitoatoa sy vorika) ataonao ao io
43. tealala ( 08/02/2016 17:35)
miala tsiny kely fa somary ampiko kely ilay valiteniko teo ambony fa tsy ampy kely ilay izy, miampy hadisona be dia be ilay olona nomena ilay "libre arbitre"
44. tealala ( 08/02/2016 17:38)
t@ andron'i Noa sy ilay tany sodoma izao.. naringana ilay olona feno hadisona.
45. rhaj0 ( 08/02/2016 18:04)
.. h@ zazakely??

hi hi hi.. i Andrmntra no diso t@ nanao "design", hono, dia ny tsy manan-tsiny no nihinan'ny tsakaokany.

Ilay resaka Noa sy Sodoma ve kosa k'lou tsy efa kOpy ianao, fa tao Vallée de Canaan tao ihany no nitsokovy, fa ny tany alavitra rehetra, ny tatsy Kilimandjaro sy Everest ka hatrany Amazonie ka nivanitika fotsiny, satria ny Andrmntr'rizareo dia tsara fanahy koakoa?
46. tealala ( 09/02/2016 02:57)
Tsara ty ady hevitra ity :)
fa haitsiko kely fotsiny aloha i rhaj0, ilay fomba firesaka amiko aza tao tahaka ny miresaka amina kristiana.
47. RBNIR ( 09/02/2016 05:26)
1 Efa nentina ny porofo fa tsy "belazao" fa zava-nisy marina no nitranga tamin'ny taona zero ka nahatonga ireo olona nino.Nisy dia nisy ireo "vavolombelona" nanatrika izany, ka nametraka izany ho "rakitra ho an'ny fara-mandimby...

2- Ny olona dia manana ny safidiny, fa matoa mandraka androany misy hatramin'ny filoha, manampahaizana maro, olona ambony samihafa, ary olon-tsotra tsy hita isa, mino ary manaiky io lazainao "belazao" fahiny io, dia mipetraka ny fanontaniana hoe sao dia tokony mba ianao indray kosa no mametraka fanontaniana hoe "dia adala daholo izany ireo marobe ireo"???? tsy terena tsy vozonana, fa ny sasany aza mahavita manao tsinotsinona ny ainy mihitsy noho io lazainao fa belazao io?

3- Avy aiza ny virus zika?
VAKIO ATO

"Ao anatiny ao misy an'ity citation ity notsongaiko"
C'est par ailleurs le seul arbovirus pour lequel une transmission sexuelle a été mise en évidence.

Andriamanitra dia tsy mitsahatra maneho ny olona fa tsy sitrany ny manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony (oh sida sns.....)


« Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. » (Oha.19:3)

Rahoviana re vao ho tonga saina ny olombelona e! Maninona raha mipetraka tsara manao ny sitrapony dia vita, milamina ny saina???
48. rhaj0 ( 09/02/2016 11:27)
RBNIR:
Andriamanitra dia tsy mitsahatra maneho ny olona fa tsy sitrany ny manao zavatra tsy mifanaraka amin'ny sitrapony (oh sida sns.....)

Fa naninona an'Andrmntrao kosany ilay ZAZA any ambohoka ry RBNIR
- no ataon'Andrmntrao kely loha, raha IZY no mahavita azy dia namorona ity Virus vicieux ity, na
- no avelan'Andrmntrao ho kely loha, raha IZY no (miseho) mahavita azy fa TSY namorona ity Virus vicieux ity

Dia arahinao latsa, hoe "fahadalan'ny olona" koa moa ny fahavoazany.. Tsara fa tohizo ry RBNIR aaa.. mahasintona olona ny fitiavana lehibenao (sy ny Andrmntrao).
49. RBNIR ( 09/02/2016 11:57)
Tsy fantatrao IZAY iadiavanao e, mibebaha dia mbola maharipo aminao IZY.......
50. rhaj0 ( 09/02/2016 12:09)
Izaho ve "miady" ry RBNIR aa... Izaho anie tsy sahala aminareo, ka hoe, rahefa avy eto dia mieritreritra "ady" sy "voninahitra".. Dia in-1-mpandeha koa dia, hoa'ianao hoe, izaho hoe ka tsy mahavita ny vitan'i Jesosy akoriny, ka mampiankohoka kristiana 2 milliards...

Mba ahoana koa azany ianao ao izany ry RBNIR aaa.. Ny ahy aloha eto dia sahala @ mijery baolina eny Mahamasina eee... Efa mba mpijery baolina eny Mahamasina ve ianao k'lou ee... :-)
51. RBNIR ( 09/02/2016 12:23)

rhaj0:

Izaho ve "miady" ry RBNIR aa... Izaho anie tsy sahala aminareo, ka hoe, rahefa avy eto dia mieritreritra "ady" sy "voninahitra".. Dia in-1-mpandeha koa dia, hoa'ianao hoe, izaho hoe ka tsy mahavita ny vitan'i Jesosy akoriny, ka mampiankohoka kristiana 2 milliards...

Mba ahoana koa azany ianao ao izany ry RBNIR aaa.. Ny ahy aloha eto dia sahala @ mijery baolina eny Mahamasina eee... Efa mba mpijery baolina eny Mahamasina ve ianao k'lou ee... :-)

Ay ianao mba mahalala matahotra Azy ihany, efa tsara fa efa début izany e, fa ny propos entinao no hilazako hoe miady Aminy ianao satria misy toetrany tsy tianao ka hoy ianao hoe "ny Andriamanitrareo sns"......
52. Sabatra-2-Lela ( 09/02/2016 13:03)
Manahoana,

Rehefa hita sy re eran'izao tontolo izao ny fisian'ny vahoaka ISRAELITA izay vavolombelona, de manaporofo fa tena misy Andriamanitra.
Tsy misy porofo anamarinana ny fisian'Andriamanitra ankoatran'ny vahoaka izay niara-niaina taminy teto an-tany.
Io ilay vahoaka voafidy sady tena mahafantatra ny momba io Andriamanitra io.
Fa tsy le israel amin'izao fotoana izao le khazara mipetraka any israel io no tena izy vakio Shlomo Sand Professeur, Historien.
53. rhaj0 ( 09/02/2016 13:13)
RBNIR:
ny propos entinao no hilazako hoe miady Aminy ianao

Imaginer-o azany hoe, ahoana izany hoe, "miady @ Harry Potter", na hoe "mitia an"i Blanche-Neige"... Fa (mety) marina ny anao: "miady @ habadoana" aho.

Sabatra-2-Lela:
Rehefa hita sy re eran'izao tontolo izao ny fisian'ny vahoaka ISRAELITA izay vavolombelona, de manaporofo fa tena misy Andriamanitra.

... eny, ny Andrmntry ny Israelita dia voaporofo fa misy... ao @ imagination (collective).

Ny Andrmntry ny gasy koa voaporofo @ fisianao io ry Sabatra-2-Lela aaa...
(dia efa hoe, sabatra-laser @ izay izao ho'a ny lamaody f'nareo kouh...)
54. RBNIR ( 09/02/2016 13:39)
rhaj0:

Imaginer-o azany hoe, ahoana izany hoe, "miady @ Harry Potter", na hoe "mitia an"i Blanche-Neige"... Fa (mety) marina ny anao: "miady @ habadoana" aho.

Dia aleho ary atao hoe tsy mahatsapa tena indray ianao izany fa raha ny fandiniko azy aloha (ary mino aho fa tsy izaho irery, dia halanao sady tsy hinoanao i Jesosy fa lazainao ho "belazao", ankoatran'izay indray rehefa tsy takatrao ny fihevitr'Ilay Andriamanitra Rainy dia lazainao hoe ny Andriamanitrareo otran'izao sy izao.......
Ka raha milaza ianao fa tsy miady sy mankahala Azy dia hoy aho hoe tsy mahatsapa tena intsony ianao izany....Fa ny mpitazana ange mandinika rhajo e, Mba mijereva ihany hoy aho fitaratra matetitetika e!
P.S: aza miinsiste rehefa tsy tafita ny hafatra fa manjary lasa tahakan'ireo mpanohitra be fahatany dia mampalahelo (hevitra efa mazava be lasa otran'ny hoe bado be isika tsy mahatakajavatra intsony)....
55. rhaj0 ( 09/02/2016 14:07)
Eny "tsy mino" an'i Jesosy aho. Raha ny marina, "mino" fa hoe ni-existe ixy, fa "tsy mino" ny (ankabeazan'ny) fampianarany sy kabariny izao.

Fa ny hoe "mankahala" dia mbola asiako bemol kosany. Ny anao moa, reflexe sahala ny an'i olombaovao Kristiana Georges W Bush, ka raha vao tsy mitovy revy (Jesosy) aminao dia fahavalo sy "mankahala" daholo, ary lazainao fa "miady nhy olona", na koa ilàna(re)o ady.

Fa nareo ve ry RBNIR tsy mba mahay miaina @ taona 2000 @ izay, ka miaina ao anaty diversité d'opinion aaaa... Ireny politisiana rehetra aty ireny izany aminao dia mifankahala sy miady daholo... Efa hoe TSY sahala @ ao @ box-kelinao ao ho'a ny tontolo.

Dia izaho koa ho'a TSY hotr'anareo, ka "mitory" ka "mitory" fa nahazo baiko, ary mino fa raha "mitory dia avotra" ee... Izaho miteny sy mizara ny hevitro, manavoitra ny absurde/aberrant/ridicule... dia mivanitika...

Dia tena mila mivoaka @ box-kelinao mihintsy ianao re ry RBNIR, fa na ny fijerinao ny tontolo sy ny olona azany dia tsisy afa-tsy ny fahateren-tsaina sy fahaterem-piaina anaty box-kely: poretinao ho toa ana(re)o daholo ny olona..
56. RBNIR ( 09/02/2016 14:18)
Raha tsorina dia tsy fahatsapan-tena sy fahadisoan-kevitra no mahazo anao!!! Mila mba mijery fitaratra ihany hoy aho isika indraindray

Ary tsy hoe mihidy amin'ny box kely ny olona iray na terisaina na koa hoe zavatra hafa, fa mijoro amin'ilay fahamarinana nampianarina azy izy mba ho fahazavana ho an'ny hafa!!!

Misy aza mijoro hatramin'ny fahafatesana mihitsy mba hanavotana ny hafa!!! (fitiavana lehibe indrindra no anaran'izay ary i Jesosy no Tompony sy nampianatra azy!!!
« Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. » (Jao.15:13)
Ka fahabadoana na fahadalana fa fitiavana (sao mba hisokatra ihany ny mason'ny olona tahakan'i rhajo!!!

« Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan'izay miditra ny mazava. » (Lio.11:33)

Ny fijerinao azy mihidy ao anaty box, fa ny mahafinaritra dia natao ho hitanao miharihary ilay box fa tsy nafenina, ny olana, mbola sarotra dia sarotra aminao ny hanaiky hiditra ao satria absurde sns hoy ianao!!!
Na izany aza efa natao ho hitan'ny masoanao ilay box fa tsy nataony takona taminao akory!!!
57. rhaj0 ( 09/02/2016 14:41)
Mba mivoaha ho'a @ ilay box-kely dia mba (ianaro) fantaro
- ny Amerindiana sy ny Grand Manitou-ny, na ny Indiana sy ny Vishnu-ny, na koa ny Buddhist
- ry Einstein sy ry Mandela, sy ireo Siantista eraky ny U mandalina dia mamoaka fahalalana ampiharana @ fiainanao ao izao

Hafa ny ho'a ny taloha, ka hoe, mikatona anaty vohitra kely ianao, dia izay lazaina anao ao dia inoanao, satria mba ahoana tokoany moa no ahalalanao izay misy any ivelany any. Fa izao ianao misy internety io, dia mba ampiasao ilay izy... sy ny sainao eee... :-)
58. endriny ( 09/02/2016 14:53)

rhaj0:

Mba mivoaha ho'a @ ilay box-kely


hihihihih mety mivoaka ilay box misy ihany fa miditra amin'ny kelikely kokoa noho lay taloha...

Taloha: Mahafinaritra ny fiainana... im-piry hiaina fa ny tany fandalovana ka ataovy izay mety

Izao : Ny fiainan'izao tontolo izao mitondra amin'ny helo fa ialao tany...
59. tealala ( 09/02/2016 16:45)
Ilay hoe "violent"
ny "croiasade" hitako hoe violent, faty olona amin'ny anaran'i jesosy (olona ihany amiko)
ny "djihadisme" hitako hoe violent, faty olona amin'ny anaran'i Allah

dia vakio ilay boky tonta kely vakiko io dia tadiavo ao ny faty olona amin'ilay anaran'ilay Andriamanitra tsy manana endrika.
60. rhaj0 ( 09/02/2016 17:01)
Ka ianao mino an'i Noa sy Sodom ao ve... na koa i Mosesy sy ny zaza ejipsiana tsy manan-tsiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1259