BATISA MARINA ???

141. rhaj0 ( 10/08/2015 11:17)
F'angaha tsy efa hoe, "avotra" daholo ny olona izao, fa "tsisy izy" ny batisa vita h@ izay fa tsy dans les normes (bibliques)... :-)
142. RBNIR ( 10/08/2015 11:23)
bor2lais:

:-) Naverina angaha ny batisa Kristiana natao tamin'i RBNIR satria nolazaina fa tsy izy ve ?

Tsy misy batisa averina izany fa izay rehetra mbola tsy vita an'ilay batisa original (ilay batisa marina) natao tamin'i Jesosy sy ireo mpianatra fahiny dia mbola tsy misy vita batisa daholo e!
« Anaka, aza avela hisy hamitaka anareo: izay manao ny marina no marina; eny, marina tahaka Azy. » (1 Jao.3:7)
« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa. » (1 Jao.2:6)
Adidin'ny tsi11 no mamantatra raha marina ny zavatra natao taminy na tsia....Raha marina : miaraba tena , raha tsy marina kosa manetre tena hanaiky hanao ny Marina!!!!

Tsy fanenjehana an'iza na iza, tsy hoe tsy fitiavana an'iza na iza fa filazana ny marina fotsiny ihany

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!
143. rhaj0 ( 10/08/2015 11:34)
... batisa "tsy manara-penitra" hono eeee.. :-)
144. RBNIR ( 10/08/2015 11:47)
Ho fampieritreretana,

Efa nisy nanao batisa v talohan'i Jaona?

Hoy i Jaona hoe « ......fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe.......» (Jao.1:33)

Nisy tamin'ireo mpianatra v voalaza fa avy dia nanao batisa raha tsy mbola nandray ity iraka ity????
« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat.28:19)

Tsy ataotao foana io batisa io namana isany fa miainga avy amin'ny Tsitoha ny iraka raha tsy izany dia........

Ny Tompo anie hampahiratra ny masontsika rehetra....
145. bor2lais ( 10/08/2015 12:12)
izaho:

Naverina angaha ny batisa Kristiana natao tamin'i RBNIR satria nolazaina fa tsy izy ve ?

RBNIR:

Tsy misy batisa averina izany fa izay rehetra mbola tsy vita an'ilay batisa original (ilay batisa marina) natao tamin'i Jesosy sy ireo mpianatra fahiny dia mbola tsy misy vita batisa daholo e!

:-)
Ka ny an'i RBNIR izany mitovy tamin'ny batisa natao tamin'ny Jesosy ?

Izao no voasoratra ao amin'ny Marka 1 (raha mitovy ny Baibolintsika)

"9 Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana.10 Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.12 Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy."

Dia mitovy amin'io izany ny batisa natao tamin'i RBNIR ?

Ary maninona no tamin'ny batisaNY ihany no nisy tranga tahaka io fa tsy tamin'ny rehetra izay nataon'i Jaona raha lazainao fa mitovy ?

RBNIR:

Adidin'ny tsi11 no mamantatra raha marina ny zavatra natao taminy na tsia....Raha marina : miaraba tena , raha tsy marina kosa manetre tena hanaiky hanao ny Marina!!!!

Tsy fanenjehana an'iza na iza, tsy hoe tsy fitiavana an'iza na iza fa filazana ny marina fotsiny ihany

IZAY MANANA MASO AOKA HAHITA!!!! IZAY MANANA SAINA AOKA HISAINA!!!!!

:-)
Averina any aminao ireo soratrao ireo RBNIR a !
:-)
146. RBNIR ( 10/08/2015 12:24)

Batisan'ny rano no resahina eto!!! ny batisan'ny Fanahy Masina misy tranga isan-karazany fisehony.....
Misy aza mbola tsy vita batisan'ny rano dia efa ataon'i Jesosy Batisan'ny Fanahy Masina......Saingy na dia vita batisan'ny Fanahy Masina aza dia mbola tsy maintsy atao batisan'ny rano mba hanantanteraka ny famonjena.....
« Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? » (Asa.10:47)
« Dia nasainy natao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy izy. Ary nangatahin'ireo mba hitoetra ao aminy andro vitsivitsy izy. » (Asa.10:48)

Tsy nitovy tamin'izay nitranga tamin'i Jesosy io nefa dia eken'Andriamanitra (saingy kosa tsy foronina araka izay tiana fa araka izay voasoratra ihany)........
147. tealala ( 10/08/2015 12:40)
Salama daholo e, izao ary, raha ohatra ka tsy batisa marina io anareo io ry RBNIR dia inona no zavatra mitranga? ohatra oa io fa tsy niteny aho hoe tsy marina io anareo io an.
148. bor2lais ( 10/08/2015 12:58)
RBNIR:

Tsy nitovy tamin'izay nitranga tamin'i Jesosy io nefa dia eken'Andriamanitra (saingy kosa tsy foronina araka izay tiana fa araka izay voasoratra ihany)........

:-)
149. RBNIR ( 10/08/2015 13:34)

tealala:

Salama daholo e, izao ary, raha ohatra ka tsy batisa marina io anareo io ry RBNIR dia inona no zavatra mitranga? ohatra oa io fa tsy niteny aho hoe tsy marina io anareo io an.

Faly misera namana,
Tsotra e! raha Kristy no nampianatra ilay olona dia ny fampianarany tsy maintsy mitovy amin'ny fampianaran'i Kristy....
Tsy possible mihitsy hoe hiverina i Kristy Jesosy dia mampianatra zavatra hafa noho izay efa nampianariny 2000 taona lasa!!!!!

Lojika B anie izany e, tsy aiko hoe ahoana no tsy hahatakaran'ny sain'ny maro an'izany!!!
150. RBNIR ( 10/08/2015 13:35)
Dia io ny baiboly entintsika hamantarana azy!!!......Tsy ampiana, ary tsy analana....
151. rhaj0 ( 10/08/2015 13:40)
RBNIR:
Efa nisy nanao batisa v talohan'i Jaona?

Efa noresahina io RBNIR a... Naka tahaka ny fomban'olona i Jaona (na i JC koa)

rhaj0:
http://pocm.info/pagan_ideas_baptism.html

Ka ni-s'inspirer t@ fomban'ny "pagan" hafa izany ny Kristiana eee. Satria ny "pagan" no nanao izany taohan'ny nanaovan'ny Kristiana Batisa koa.
152. tealala ( 10/08/2015 13:41)
Dia ra tsy manaraka ny fahamarinana ary le panao batisa e ?
153. RBNIR ( 10/08/2015 13:42)

rhaj0:

RBNIR:
Efa nisy nanao batisa v talohan'i Jaona?

Efa noresahina io RBNIR a... Naka tahaka ny fomban'olona i Jaona (na i JC koa)

rhaj0:
http://pocm.info/pagan_ideas_baptism.html

Ka ni-s'inspirer t@ fomban'ny "pagan" hafa izany ny Kristiana eee. Satria ny "pagan" no nanao izany taohan'ny nanaovan'ny Kristiana Batisa koa.

Ny tiako ambara dia mbola tsy nisy nanao talohan'i Jaona satria Andriamanitra mbola tsy naniraka olona afatsy i Jaona namana......
154. tealala ( 10/08/2015 13:43)

rhaj0:

RBNIR:
Efa nisy nanao batisa v talohan'i Jaona?

Efa noresahina io RBNIR a... Naka tahaka ny fomban'olona i Jaona (na i JC koa)

rhaj0:
http://pocm.info/pagan_ideas_baptism.html

Ka ni-s'inspirer t@ fomban'ny "pagan" hafa izany ny Kristiana eee. Satria ny "pagan" no nanao izany taohan'ny nanaovan'ny Kristiana Batisa koa.

io ilay nanontaniko t@ iny oe tsy "bain rituel" ihany ve le batisa
155. RBNIR ( 10/08/2015 13:43)
Ny tena batisa marina dia mianga avy amin'ny Tsitoha fa tsy halaintahaka akory!!!
Iraka mivantana io ary izay batisa izay no tena marina!!!!
156. tealala ( 10/08/2015 13:51)
Ny Kristianina izany dia maka fombafomba kely amin dr zareo Jiosy atao symbol, anefa le anaovana azy tsy dia mitovy
157. RBNIR ( 10/08/2015 14:22)
« Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany. » (Mat.6:33)

Zava-dehibe ny fahamarinan'Andriamanitra matoa asainy katsahina tahaka ny fanjakany.....

« Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy (Isa. 29. 13). » (Mat.15:9)

Hamarino tsara raha didy avy amin'Andriamanitra marina ny fampianarana natolotra anao na didy avy amin'olombelona fotsiny ihany!!!!

Samia ho tahin'ny Tompo namana!!!

158. gasy1zay ( 10/08/2015 14:45)

RBNIR:

Ho fampieritreretana,

Nisy tamin'ireo mpianatra v voalaza fa avy dia nanao batisa raha tsy mbola nandray ity iraka ity????
« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat.28:19)

Ny Tompo anie hampahiratra ny masontsika rehetra....

Tena nisy dia nisy tokoa ry RBNIR t@ ireo mpianatrin'ny Tompo nanao batisa toy ny an'i Jaona talohan'io Mat.28:19 io fa mba jereo tsara ny voasoratra.

Mba miangavy anao hamaky ito voasoratra ito Jaona 4 : 1-2 "Koa amin’ izany, rehefa fantatry ny Tompo fa ny Fariseo efa nahare fa Jesosy mahazo mpianatra maro sy manao batisa be noho Jaona (kanefa tsy Jesosy no nanao batisa, fa ny mpianany)" Mbola taloha lavitra ny nisamborana azy io ary ilay Matio 28:19 dia efa izy nitsangana t@ maty.
159. RBNIR ( 11/08/2015 02:39)

gasy1zay:

Marina izany namana gasy1zay satria izay no voasoratra ary isika tsy manohitra ny voasoratra mihitsy saingy niaraka tamin'i Jesosy izireo tamin'ny fotoan'androny noho izany na tsy voasoratra aza dia azo antoka fa nahazo halalana izireo fa tsy hoe nanapakevitra samirery...

(Immagineo fotsiny hoe mety v raha i Jesosy eo akaiky eo nefa ireo mpianatra manao zavatra tsy nampianariny na manao zavatra tsy nahazoana autorisation taminy nefa zava-dehibe toy izany ilay zavatra atao)????

Itony aza anefa mbola nieran'izireo tamin'i Jesosy ny hanaovana azy????
« Ary hoy Jaona taminy: Mpampianatra ô, nahita olona anankiray namoaka demonia tamin'ny anaranao izahay, ka noraranay izy, satria tsy nanaraka antsika. » (Mar.9:38)
« Fa hoy Jesosy: Aza mandrara azy; fa tsy misy olona izay hanao asa lehibe amin'ny anarako ka hahateny ratsy Ahy vetivety. » (Mar.9:39)
« Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. » (Mar.9:40)

Maika ka izany hoe hanao batisa olona izany???? Tsy kilalao anie io hoy aho e!!!!

Matoa koa nisy ilay didy tao amin'ny Mat.28:19 (officiel) dia misy antony manokana hanehoana fa miainga avy Aminy foana ilay iraka no miainga namana.....
160. RBNIR ( 11/08/2015 03:08)
Zavatra tsy hataotao foana ny batisa, fa tena misy olona irahina manokana sy mivantana mihitsy hanao batisa fa tsy hoe ny olona rehetra akory dia mahazo manao izany.....

Ity ohatra izao apostoly nefa nitsotra izy fa tsy nirahina hanao batisa fa hitory ny filazan-tsara no nanirahana azy,
« Fa Kristy tsy naniraka ahy hanao batisa, fa hitory ny filazantsara, tsy tamin'ny teny fahendrena, fandrao ho foana ny hazo fijalian'i Kristy. » (1 Kor.1:17)

P.S mba tsy hipetrahan'ny fanontaniana intsony hoe ka nahoana anefa i paoly no nanao batisa ihany tsindraindray dia vakio tsara ilay ohatra tamin'iny Filipo sy ilay tandapa izay nirahan'ny Fanahy Masina fa rehefa misy olona tian'Andriamanitra hovonjena dia miasa ny Fanahy Masina maniraka olona mampanao batisa...........

Rehefa tsy nirahiny mivantana tena tsoriko aza maimaika ny hanao batisa fa misy dia misy ny olona tena irahin'i Kristy manokana sy mivantana hanao batisa namana.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122