BATISA MARINA ???

201. endriny ( 13/08/2015 05:50)
Betsaka loatra ireo olona mampiasa ny hoe: "nirahin'Atra sy nampahitan'Atra" mba hamiravirana ity izao tontolo izao ity ho eo ambany fiahiany.

I Odon Razanakolona ohtra dia niteny fa izy no lehibe sady mpitandrina ny finoana katolika teto ary nitondra ny Malagasy amin'izao fahavoazana mangitsokitsoka izao... Izany ve no fiadanana katsahin'Atra ho an'izay mino azy?
202. Hajarilala7 ( 13/08/2015 06:15)

RBNIR:

Hajarilala7:

RBNIR:

Hajarilala7:

RBNIR < Na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina???? Ahoana indray izany??? Misy olona ve tsy nirahin'ny Ray fa nirahin'ny Fanahy Masina sns.... Sao dia mamato-tena ary ianao amin'ny farany. Misy olona ve tsy nirahin'ny Zanaka fa nirahin'ny Ray???

Tsy namorona aho fa ireo ny toko sy andininy efa nozaraiko e!
Jaona sy Jesosy nirahan'ny Ray hanao batisa....
Ny apostoly nirahan'i Jesosy (Zanaka) hanao batisa.....
I Filipo koa nirahan'ny Fanahy Masina hanao batisa ilay tandapa....
Ka inona ny tsy marina amin'izany sa hamorona indray isika fa nisy ankoatran'ireo (olombelona ihany) manana droit haniraka olona hanao batisa????
Raha tsy diso aho tsy mbola nisy apostoly naniraka olona hanao batisa ao sa??? ahitsiho aho raha diso fa tsy maninona e!!!!
< Ny filazanao azy no hafahafa "na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina", toa tsy mahafantatra ireo ianao no tiako ho lazaina! Nirahin'Andriamanitra izy, no marina. Ireo telo ireo no manambara an'Andriamanitra ary ao amin'i Jesosy no misy ny fahafenoiny. Izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra an'Andriamanitra Tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay efa nirahiny" Jaona 17 /3 no milaza io.

Hoy ianao : "Jaona sy Jesosy nirahan'ny Ray hanao batisa...."
Jesosy anie ka tsy nirahina hanao batisa sady tsy nanao batisa fa ny mpianany é!

Filipo anie ka tsy nirahana hoe "mandehana ataovy batisa ilay tandapa Etiopiana é!" Ilay tandapa no nangataka mba atao batisa. Io misy rano, hoy izy, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa. Tahakan'i Jaona tsy nirahina hanao batisa ny Fariseo, fa ireo no nanantona.

Faly misera namana,
1- Mahafinaritra rehefa voarainao fa Andriamanitra = Ray= Zanaka = Fanahy Masina Fehiny ny mpanao batisa dia tokony olona voahirak'Andriamanitra mivantana.....
2- Hafa ilay nolazain'ny fariseo mikasika ilay hoe nanao batisa i Jesosy (Jao.4:1,2) sy ilay hitan'ny mpianatr'i Jaona « ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. » (Jao.3:26)
3- Niainga avy tamin'ity ny baiko azon'i Filipo (famonjena an'ilay tandapa no tanjona) « Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asa.8:29)
Io tandapa io tsy mahafantatra na inona na inona (anisany ny momba ny batisa)
« Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. » (Asa.8:31)
Nampianatra azy i Filipo (anisany ny batisa) ka raha vao nahita rano mitovy amin'ilay nampianarin'i Filipo izy dia nilaza hoe « Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? » (Asa.8:36)
Fanamarihana fanampiny : io tandapa io dia handeha lavitra (noho izany azo antoka fa tsy maintsy nivatsy rano nefa tsy nampiasa izany rano izany izy namana) misy antony manokana izay....

P.S: misy marina ny filazanao satria dia ny olona tokoa no mila manantona hatao batisa fa tsy ilay olona mpanao batisa no manantona ireo hatao batisa saingy na izany aza tena voahiraka i Jaona hanao batisa fa tsy hoe nanira-tena akory « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jao.1:33)

Izay ilay izy, namana, raiso am-pitiavana fa tsy fanenjehana an'iza n'iza akory izao fa ho fampianarana, fifampitaizana ary koa ho fanitsiana izay diso....« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Manasa an-tsika rehetra hikaroka ilay tena olomboafidy marina mba hanao batisa an-tsika amin'izao andro izao.....Ato misy iray hitako (tsy izy irery fa efa misy iray koa any am-pitandranomasina any ary ny hahafantaranao azy dia manana fampianarana mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy 100% ilay olona)....Ireo aloha no voalazan'i Jesosy ankehitriny, mbola tsy maintsy hiampy fa aza matahotra......

RBNIR > Hoy ianao : Manasa an-tsika rehetra hikaroka ilay tena olomboafidy marina mba hanao batisa an-tsika amin'izao andro izao.....Ato misy iray hitako (tsy izy irery fa efa misy iray koa any am-pitandranomasina any ary ny hahafantaranao azy dia manana fampianarana mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy 100% ilay olona)....Ireo aloha no voalazan'i Jesosy ankehitriny, mbola tsy maintsy hiampy fa aza matahotra......

Ianareo dia mila manatona ny Tompo, mibebaka, fa mitory olona fa tsy i Kristy ("hikaroka ilay tena olomboafidy marina....."???) Hanatona anao (na ianareo) izany no tanjona , sao lahy dia diso ianareo é! Hanatonan'ny olona an'i Kristy Jesosy no ilaina! Raha ny Tompo no mamonjy dia voavonjy ilay olona ary izy maniraka ny mpanompony, izay ilay asan'ny Fanahy. Vao eo ambony eo ianao nilaza an'i Filipo sy ilay tandapa Etiopiana, i Filipo no nirahin'ny Tompo, Petera koa sy ry Kornelio, ny Tompo Jesosy no maniraka ny mpanompony.

Hoy ianao RBNIR > 1- Mahafinaritra rehefa voarainao fa Andriamanitra = Ray= Zanaka = Fanahy Masina Fehiny ny mpanao batisa dia tokony olona voahirak'Andriamanitra mivantana....." < Ianao ihany aza no nibolisatra ary izaho no nanitsy anao tamin'ny nilazanao hoe "na ny Ray na ny Zanak, na ny Fanahy no maniraka"! Mila fanetre-tena ny manompo an'Andriamanitra! Izay manetry tena no asandratra fa izay manandra-tena dia haetry!

"Raha mba fantatrao mantsy Izay mangataka aminao , hoy Jesosy tamin'ilay vehivavy Samritana (Jaona 4), dia ianao no tokony hangataka amiko fa tsy izaho no mangataka aminao! Diniho tsara é!

Be dia be ny olona manao batisa, raha marina ny batisa dia tsy ny batisa marina ihany no ilaina fa ny teny (fampianarana sy toriteny avy amin'i Kristy) izay manome "finoana masina indrindra". Raha resy lahatra ilay olona izay hitoriana teny na fampianarana dia izy ihany no miteny. Batisa marina tsy misy finoana masina tsy mahavonjy ary raha tsy maharitra hatramin'ny farany dia tsy vonjena!

Hoy ianao RBNIR : "tsy izy irery fa efa misy iray koa any am-pitandranomasina any ary ny hahafantaranao azy dia manana fampianarana mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy 100% ilay olona)" Tsy any am-pitan-dranomasina izany ka hanao iza indray koa no any. Tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy => tsy mila maka "soupape" any am-pitan-dranomasina na mankany vao mahita ny marina
203. RBNIR ( 13/08/2015 06:15)
endriny:

Betsaka loatra ireo olona mampiasa ny hoe: "nirahin'Atra sy nampahitan'Atra" mba hamiravirana ity izao tontolo izao ity ho eo ambany fiahiany.

I Odon Razanakolona ohtra dia niteny fa izy no lehibe sady mpitandrina ny finoana katolika teto ary nitondra ny Malagasy amin'izao fahavoazana mangitsokitsoka izao... Izany ve no fiadanana katsahin'Atra ho an'izay mino azy?

Tsy manao politika isika namana, fa famonjena olona ihany no tanjona tokana....Tsy mampanantena zavatra eto an-tany koa fa ilay fiainana mandrakizay irery ihany ho an'izay rehetra tia azy.....
204. RBNIR ( 13/08/2015 06:25)

Hajarilala7:

RBNIR > Hoy ianao : Manasa an-tsika rehetra hikaroka ilay tena olomboafidy marina mba hanao batisa an-tsika amin'izao andro izao.....Ato misy iray hitako (tsy izy irery fa efa misy iray koa any am-pitandranomasina any ary ny hahafantaranao azy dia manana fampianarana mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy 100% ilay olona)....Ireo aloha no voalazan'i Jesosy ankehitriny, mbola tsy maintsy hiampy fa aza matahotra......

Ianareo dia mila manatona ny Tompo, mibebaka, fa mitory olona fa tsy i Kristy ("hikaroka ilay tena olomboafidy marina....."???) Hanatona anao (na ianareo) izany no tanjona , sao lahy dia diso ianareo é! Hanatonan'ny olona an'i Kristy Jesosy no ilaina! Raha ny Tompo no mamonjy dia voavonjy ilay olona ary izy maniraka ny mpanompony, izay ilay asan'ny Fanahy. Vao eo ambony eo ianao nilaza an'i Filipo sy ilay tandapa Etiopiana, i Filipo no nirahin'ny Tompo, Petera koa sy ry Kornelio, ny Tompo Jesosy no maniraka ny mpanompony.
[/quote]
Ahoana moa no nahitan'ny olona n'i Jaona mpanao batisa??? tsy resaka bouche à oreil v sa????
Tonga teo aminy daholo ny avy any any jerosalema sy ny avy any jodia rehetra « Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona, » (Mat.3:5)
Raha miteny aho hoe ary misy olona manao batisa mitovy amin'ilay nolazain'ny baiboly, dia mitory olona sa mitory ilay batisa???? hanao batisa tena marina no hitaomana ny olona ary ilay batisa no antony antongavan'ny olona ao amin'izay fotoana izay.....
205. RBNIR ( 13/08/2015 06:37)
Aza variana mitsongoloka teny ry namana fa rehefa hita fa marina dia mba ekeo e!!Mandroso anie ny fotoana hoy aho e!!! Mihazakazaka be mihitsy!!!! Sao variana eo!!! teny efa mazava be ireo tsy namboamboarina fa avy dia mahitsy!!!
206. endriny ( 13/08/2015 06:42)

RBNIR:

Aza variana mitsongoloka teny ry namana fa rehefa hita fa marina dia mba ekeo e!!Mandroso anie ny fotoana hoy aho e!!! Mihazakazaka be mihitsy!!!! Sao variana eo!!! teny efa mazava be ireo tsy namboamboarina fa avy dia mahitsy!!!

Dia mba ekeo ary fa marina ilay Odon e... fa aza variana mitsongoloka amin'ny teny
207. RBNIR ( 13/08/2015 07:21)

Ny tsi11 anie afaka manao izay tiany e, tsy voatery hoe kristianina ny olona iray dia hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema,
Anjaran'ny mpitazana kosa no manavaka izay tena izy marina!!!!
208. Strong3 ( 13/08/2015 08:00)

RBNIR:

Strong3:

« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

Efa voavaly, apostoly 11 lahy no nitenenana an'io
Strong3:

rehefa lasa ny apostoly izany dia iza no handimby azy?

Tsy tokony hampiova ny rafitra napetrak'Andriamanitra ny fahalasanan'ny apostoly, afaka mifidy olona hatrany Izy hanao ny batisa....
Strong3:

« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16)
« [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Marka 16:17)
« [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] » (Marka 16:18)
« [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] » (Marka 16:19)
« [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena] » (Marka 16:20)

1/IZAY MINO SY ATAO BATISA HOY IZY NO HOVONJENA.
2/ IZAO FAMANTARANA IZAO NO HANARAKA IZAY MINO , ny mino ve tsy hanao ny asan'ny Tompony?
ka olona manokana sy voatondro ahana ity resahinao ity?
i Paoly marina niteny hoe tsy voatendry hanao batisa izy, nefa nisy nataony ihany vitsivitsy...
ahoana ary, notendrena izy sa tsia?
dia validé sa tsia ilay nataony vitsivitsy?

Efa voavaly ilay paoly, nanana ny Fanahy Masina tahaka an'i Filipo koa izy...

Farany, « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)
izao teny izao dia miantefa ho an'izay olona aty aoriana rehetra..
Ireo olona taloha tsy hovoakasik'izao mihitsy satria hotsarain'Andriamanitra amin'ny izay fantany izireo....
Ankehitriny kosa i Jesosy Kristy Tompo dia miverina indray mampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny 2000 taona lasa (tsy misy afats'i Jesosy irery no mahafantatra an'io fampianarana tsy misy kilema io....)
Mba hahatanteraka ity teny ity no antony « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)
Vakio tsara fa tsy ho tonga ny farany raha tsy toriana indray ilay filazantsara notoriany fahiny (tsy hafa fa ilay taloha ihany satria hoy i Jesosy hoe ity filazan-tsara..... ity)....

Mifohaza ary Miomana daholo fa tena efa akaiky ny fotoana.......

Ny Tompo anie hitahy an-tsika rehetra.....

dia sahy milaza ve isé fa ianareo irery no nirahina ? izay valiana dia ampy ahy
209. RBNIR ( 13/08/2015 08:08)
Anomboka hiditra amin'ny antsipirihan'ny batisa amin'izay ary isika namana isany.....
1 - Ny batisa v miantoka ny famonjena sa tsia??
« Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina » (Mar.16:16)
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa.2:38)
Araka ireo teny ireo dia tsy maintsy miafara amin'ny batisa foana fa tsy ampy ny mino na mibebaka na dia zava-dehibe tokoa aza ireo amin'ny resaka famonjena....
Ny batisa araka izany no tena miantoka ny famonjena ny olona iray......
Hatreo ihany indray aloha fa dia hotohizana raha sitrapon'Andriamanitra......

210. Strong3 ( 13/08/2015 08:30)
tsy misy valiny??? :-)
211. RBNIR ( 13/08/2015 08:36)
Strong3:

dia sahy milaza ve isé fa ianareo irery no nirahina ? izay valiana dia ampy ahy

Efa nilaza kosa aho fa hoe misy 2 erak'izao tontolo izao e!
Raha mbola misy hafa hany dia tokony hitovy amin'ilay fampianaran'i Jesosy 2000 taona 100% ny azy raha tsy izany dia mbola halatahaka fotsiny ihany......
Jesosy mihitsy no tokony mampianatra mivantana fa tsy misy mpanelanelana satria i Jesosy irery ihany sisa no mahafantatra amin'ny antsipirihiny ilay fampianarana tsy misy kilema....
212. bor2lais ( 13/08/2015 09:43)

Dia mety mbola hisy Jodasy_bis indray ve @ ireo 12 ho fidiNY ireo RBNIR ? Izany hoe mety mbola hisy Golgota_bis ve ? :-)
213. RBNIR ( 13/08/2015 09:55)
bor2lais:

Golgot bis aloha tsy hisy fa ilay jodasy bis ange efa feno e, izay rehetra mivadika mamadika sy miverina miala amin'ny fahamarinana dia efa izy daholo.....
214. RBNIR ( 13/08/2015 09:57)
Tamin'ny andron'i Rasalama izao betsaka ny namadika dia otran'izay daholo io......
P.S : raha mbola tsy mandre izao fahamarinana tsy misy kilema izao ny olona dia mbola tsarain'Andriamanitra amin'izay fantany an! (sao mantsy diso fandray ny sasany)

Fa isika eto kosa aloha efa nandre daholo fa tsy misy afaka ny hilaza hoe tsy nahafantatra aho e!!!
215. bor2lais ( 13/08/2015 10:33)
Dia tsy misy kilema ve ny fampianarana tsy tonga hatrany Golgota izany RBNIR ? Nefa lazainao fa feno Jodasy ny tanàna ! :-)
216. RBNIR ( 13/08/2015 10:39)

bor2lais:

Dia tsy misy kilema ve ny fampianarana tsy tonga hatrany Golgota izany RBNIR ? Nefa lazainao fa feno Jodasy ny tanàna ! :-)

Aza atao vazivazy hoy aho ilay resaka! misy zavatra fantatro , tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy iainanao,fa matoa aho mijoro dia fantatro Ilay inoako, tahaka ny fisianao miresaka amiko izao no fisian'Andriamanitra fa tsy fictifa akory namana!!!
Izay no porofom-pitiavana azoko atolotra anao fa dia anao ny sisa!!!!
217. rhaj0 ( 13/08/2015 11:12)
:-) mahafinaritra ny ankizy rehefa mifankatia eee...

RBNIR Bor2lais
218. bor2lais ( 13/08/2015 12:58)
RBNIR:

Aza atao vazivazy hoy aho ilay resaka! misy zavatra fantatro , tsy fantatrao, misy zavatra iainako tsy iainanao,fa matoa aho mijoro dia fantatro Ilay inoako, tahaka ny fisianao miresaka amiko izao no fisian'Andriamanitra fa tsy fictifa akory namana!!!
Izay no porofom-pitiavana azoko atolotra anao fa dia anao ny sisa!!!!

Azafady fa ianao no mihevitra fa vazivazy fa tsy izaho a ! :-)
219. gasy1zay ( 13/08/2015 13:52)
RBNIR > raha sanatria misy manjo an'i Pasitera Nirina dia tsy misy avotra intsony ve izany ao ampiangonana satria tsy misy voahiraka hanao batisa? Dia toy izany koa nony maty martiora ny mpianatry ny Tompo dia aona ny batisa satria tsy nisy Jesosy naniraka nivantana intsony? Mety niparitaka tonga hatraty madagasikara ve ny filazantsara raha tsy nisy ny asan'ny Fanahy Masina/Jesoa Kristy/Andriamanitra nadritry izay 2000 taona izay?

Jesosy mihintsy no nampianatra azy hoy ianao, dia ahoana izany ilay voalaza hoe "Anaka, vetivety foana no sisa hitoerako eto aminareo. Hitady Ahy hianareo, ary araka ny voalazako tamin’ ny Jiosy hoe: Izay alehako tsy azonareo haleha, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny."

Ary mbola haveriko ihany hoe ny zavatra nambaranao RBNIR tsy mbola hitako hoe inona no mampiavaka azy @ ireo efa fampianarana efa nisy nandritry ny 2000 taona latsaka talohan'ny nahatongavan'i Pasitera Nirina nefa ianao dia milaza fa ny azy no tena izy, mifanaraka 100% amin'ny an'i Jesoa.

Ka averiko anontaniana anao raha hitanao anaty baiboly, Jesoa Kristy no resahina eto fa tsy testamenta taloha :

1) Taiza ary hoaviana i Jesoa no niteny hoe mandoava fahafolonkarena?
2) Taiza ary hoaviana izy no nilaza ny fomba tokony hanaovana batisa araky ny fampianarana(re)o io (rano mandeha, sns...)
3) Taiza ary hoavina i Jesoa no nampitandrina mazava ny momba ny andro sabata araka ilay resantsika iny?
4) Tsy nampianarin'i Jesoa manokana ve izany ireo mpanoratra ny filazantsara no zavatra manandanja mety hiankinan'ny famonjena no tsy nosorotany?

220. RBNIR ( 13/08/2015 14:27)

gasy1zay:

Mendrika atao lohahevitra hafa mihitsy daholo anie izany ankabeazan'ny fanontanianao izany namana e, ilay momban'ny batisa dia ho avy tsy ho ela e (raha sitrapon'ny Tompo)....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1669