BATISA MARINA ???

221. rhaj0 ( 13/08/2015 16:00)
gasy1zay:
zavatra manandanja mety hiankinan'ny famonjena no tsy nosorotany

esy e ry Gasy1zay.. ianao ihany no niteny tatsy toatoa ny hoe "rahefa TSY mahay mampiasa ny baiboly sy fivavahana ianao" dia "tsy responsabilitén'Andriamanitra" izany.

Dia loza ity fa, hotry ny "mitady hanome tsiny an'i JC" anie ianao izany io ambony io eee... hoe fa maninona no "tsy nosorataNY" ? na hoe fa maninona no "tsy nampianarin'i JC manokana ireto mpanoratra ny baiboly" ???

... pataloha tery ve no (nahataf)idiranao ao, sa... pataloha mangovitra ny ao eeee ?? :-)
222. RBNIR ( 13/08/2015 18:10)
Misaotra an'Andriamanitra mbola afaka ny hanohy amin'ny antsipirihany indray ny momba ity batisa ity....
2 « iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa, » (Efe.4:5)
Raha araka ny soratra masina dia iray tahaka ny maha iray ny Tompo ny batisa...
Hiaraha-malala anefa fa dia maro ireo karazana batisa hita amin'izao fotoana izao koa dia andeha hofantarina araka ny soratra masina ilay batisa tena marina na ilay original....
« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.» (1 Jao.2:6)
Izay mitoetra ao amin'i Jesosy dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany ihany koa...
Ahoana ary ny nanaovana batisa an'i Jesosy?
« Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. » (Mat.3:13)
>>>>Nanantona Izy hatao batisa
« Ary raha vao natao batisa Jesosy, dia niakatra avy teo amin'ny rano niaraka tamin'izay Izy; ary, indro, nisokatra taminy ny lanitra, ary hitany ny Fanahin'Andriamanitra nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. » (Mat.3:16)
>>>>> niakatra avy teo amin'ny rano Izy (matoa niakatra Izy dia tsy maintsy nidina aloha..

Teboka 2 ireo mila:
1- manantona ny rano Ilay atao batisa
2- ary mila midina mankao anaty rano dia avy eo miakatra avy ao......

Voamarina v izay tamin'ireo olona natao batisa?
Nanantona ny rano marina v ny olona sa nentina tany amin'izireo ny rano?
« Ary Jerosalema sy Jodia rehetra mbamin'ny tany rehetra amoron'i i Jordana dia nivoaka nankany amin'i Jaona, » (Mat.3:5)
Araka io teny io dia nanantona an'i Jaona ireo olona hatao batisa. I Jaona tamin'io fotoana io dia tao amin'ny onin'ny jordana
« Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy? » (Mat.3:7)
Ny fariseo koa dia "nanantona" mba hatao batisa.

Nidina ary niakatra avy ao anaty rano tahaka an'i Jesosy marina v ireo olona ireo?
« Dia nasainy najanona ny kalesy; ary izy roa lahy, dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. » (Asa.8:38)

« ........ dia Filipo sy ilay tandapa, nidina ho eo amin'ny rano; dia nataony batisa izy. » (Asa.8:38)
« Ary rehefa niakatra avy teo amin'ny rano izy roa lahy, ...... » (Asa.8:39)

Ireo ny zavatra tsy maintsy hita rehefa hatao batisa ny olona iray,
Ny mpanao batisa tsy maintsy ao anaty rano
Ilay olona hatao batisa mila manantona ny rano mankeny amin'ilay mpanao batisa
Mila midina ao anaty rano ilay olona hatao batisa ary mazava ho azy mila miakatra avy ao rehefa avy eo....

Eto aloha avy dia tsorina avy hatrany fa n'iza n'iza izany ka natao batisa tany ampiangonana (tsy nanantona rano, tsy nidina tao ary tsy niakatra avy tao avy eo) dia avy dia tsorina fa tsy tafiditra ao amin'ilay hoe vita batisa tahaka an'i JEsosy (tsy vita ilay batisa original)
Mbola hitohy raha sitrapon'Andriamanitra.......

223. RBNIR ( 13/08/2015 18:50)
Dia misaotra an'Andriamanitra hatrany isika.
Misy ihany anefa amin'ireo olona atao batisa ao ampiangonana no manantona ny rano, midina ao avy eo miakatra avy ao (ireo atao batisa ao anatin'ny link textbaptistère no tiako ambara eto).....
Azo lazaina fa vita batisa tahaka an'i Jesosy koa ary v izy ireny satria ilay mpanao batisa dia tao anaty rano marina, izireo koa dia nidina tao anaty rano ary niakatra avy tao avy eo....
Rano inona moa no nanaovana batisa an'i JEsosy???
« Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. » (Mat.3:13)
« ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. » (Mat. 3:6)

Eto dia voalaza hoe ony no nanaovana batisa an'i JEsosy,

Mbola tsy afaka loatra aloha isika hilaza hoe ony tahaka ny ahoana io ony io satria tamin'izany fotoana izany dia efa nahavita karazana bassin na piscine artifisialy ny romana....

Karazana ony inona ary io ony io???
« Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. » (Jao.3:23)

Tsy hoe tao jordana ihany Jaona no nanao batisa fa efa nanao tao Ainona ihany koa izy satria "NISY LOHARANO MARO TAO"....

Io ny karazana rano ilaina rehefa hanao batisa "LOHARANO" raha adika dia RANO azo avy amin'ny LOHARANO na tsorina hoe RANO VOAJANAHARY.....

Ny rano eny amin'ny baptistère dia rano tarihina (tsy nisy loharano tao fa rano avy ety ivelany no nentina tao)....

Ny hany azo antoka dia ny rano efa nisy teo hatrizay nahatany ny tany (efa taonjato maro no nisiany teo amin'ilay toerna ary Andriamanitra no efa nampitoetra na nampandalo azy teo fa tsy olona akory........RANO AVY AMIN'NY LOHARANO NA RANO VOAJANAHARY....

Antony iray hafa tsy maha mety ny baptistère ihany koa dia ilay olona no tokony hanantona ny rano nefa ao amin'ilay baptistère indray kosa dia ilay rano no entina manantona ny olona (ranon'ny JIRAMA mazava ho azy)....

Tsy mety ihany koa araka izany ny manao batisa amin'ny bassin (na piscine) artifisialy satria tsy rano avy amin'ny loharano no ampiasaina amin'izy ireny eny rano notaomina ihany koa.......

N.B : Tsy hoe akory maka rano eny amin'ny loharano koa dia mety fa ianao mihitsy no mila manantona eny amin'ny toerana misy ilay rano avy amin'ny loharano dia eo amin'ilay toerany eo ianao no atao batisa.......Satria averina hatrany ny olona no mila manantona ny rano fa tsy ny rano no ampanantonina ny olona......

Eto izany dia efa raraka ihany koa ireo rehetra natao batisa tamin'ny baptisère rehetra (na tao ampiangonana na tany anaty piscine ivelan'ny fiangonana) satria tsy mitovy amin'ilay rano voalaza ao amin'ny baiboly ny rano nanaovana batisa azireo.....Koa ampanetretena re no anekeo ry namana isany fa izy re ny fahamarinana a, isika tsy mamorona fa izy voasoratra no manambara ny marina rehetra.....
224. RBNIR ( 13/08/2015 18:57)
Mbola hitohy (raha sitrapon'ny Tompo)........
225. Hajarilala7 ( 14/08/2015 06:18)

Strong3:

RBNIR:

Strong3:

« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

Efa voavaly, apostoly 11 lahy no nitenenana an'io
Strong3:

rehefa lasa ny apostoly izany dia iza no handimby azy?

Tsy tokony hampiova ny rafitra napetrak'Andriamanitra ny fahalasanan'ny apostoly, afaka mifidy olona hatrany Izy hanao ny batisa....
Strong3:

« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16)
« [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Marka 16:17)
« [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] » (Marka 16:18)
« [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] » (Marka 16:19)
« [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena] » (Marka 16:20)

1/IZAY MINO SY ATAO BATISA HOY IZY NO HOVONJENA.
2/ IZAO FAMANTARANA IZAO NO HANARAKA IZAY MINO , ny mino ve tsy hanao ny asan'ny Tompony?
ka olona manokana sy voatondro ahana ity resahinao ity?
i Paoly marina niteny hoe tsy voatendry hanao batisa izy, nefa nisy nataony ihany vitsivitsy...
ahoana ary, notendrena izy sa tsia?
dia validé sa tsia ilay nataony vitsivitsy?

Efa voavaly ilay paoly, nanana ny Fanahy Masina tahaka an'i Filipo koa izy...

Farany, « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)
izao teny izao dia miantefa ho an'izay olona aty aoriana rehetra..
Ireo olona taloha tsy hovoakasik'izao mihitsy satria hotsarain'Andriamanitra amin'ny izay fantany izireo....
Ankehitriny kosa i Jesosy Kristy Tompo dia miverina indray mampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny 2000 taona lasa (tsy misy afats'i Jesosy irery no mahafantatra an'io fampianarana tsy misy kilema io....)
Mba hahatanteraka ity teny ity no antony « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)
Vakio tsara fa tsy ho tonga ny farany raha tsy toriana indray ilay filazantsara notoriany fahiny (tsy hafa fa ilay taloha ihany satria hoy i Jesosy hoe ity filazan-tsara..... ity)....

Mifohaza ary Miomana daholo fa tena efa akaiky ny fotoana.......

Ny Tompo anie hitahy an-tsika rehetra.....

dia sahy milaza ve isé fa ianareo irery no nirahina ? izay valiana dia ampy ahy

RBNIR ô naverinao ny tenin'ny Tompo hoe : tsy ho tonga ny farany raha tsy toriana indray ilay filazantsara notoriany fahiny (tsy hafa fa ilay taloha ihany satria hoy i Jesosy hoe ity filazan-tsara..... ity)....
< Inona no filazantsara??? Tsy fantatrao ny filazantsara raha izany!
Iza no hitory an'io ?? Tsy fantatrao koa ny hitory an'io Filazantsara notennin'ny Tompo io ka dia miteniteny foana ianareo!
226. RBNIR ( 14/08/2015 07:06)

Hajarilala7:

Tsy iandiankevitra be ngamba namana, ITY FILAZAN-TSARA ITY hoy ny Tompo midika izany fa TSY FILAZANTSARA HAFA fa ILAY NOTORIANY TAMIN'IO FOTOANA nitenenenany io...
227. bor2lais ( 14/08/2015 10:00)

RBNIR:

Dia misaotra an'Andriamanitra hatrany isika.
Misy ihany anefa amin'ireo olona atao batisa ao ampiangonana no manantona ny rano, midina ao avy eo miakatra avy ao (ireo atao batisa ao anatin'ny link textbaptistère no tiako ambara eto).....
Azo lazaina fa vita batisa tahaka an'i Jesosy koa ary v izy ireny satria ilay mpanao batisa dia tao anaty rano marina, izireo koa dia nidina tao anaty rano ary niakatra avy tao avy eo....
Rano inona moa no nanaovana batisa an'i JEsosy???
« Ary tamin'izay Jesosy dia avy tany Galilia ka tonga teo amoron'i Jordana, dia nanatona an'i Jaona Izy mba hataony batisa. » (Mat.3:13)
« ka nataony batisa tao amin'ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany. » (Mat. 3:6)

Eto dia voalaza hoe ony no nanaovana batisa an'i JEsosy,

Mbola tsy afaka loatra aloha isika hilaza hoe ony tahaka ny ahoana io ony io satria tamin'izany fotoana izany dia efa nahavita karazana bassin na piscine artifisialy ny romana....

Karazana ony inona ary io ony io???
« Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. » (Jao.3:23)

Tsy hoe tao jordana ihany Jaona no nanao batisa fa efa nanao tao Ainona ihany koa izy satria "NISY LOHARANO MARO TAO"....

Io ny karazana rano ilaina rehefa hanao batisa "LOHARANO" raha adika dia RANO azo avy amin'ny LOHARANO na tsorina hoe RANO VOAJANAHARY.....

Ny rano eny amin'ny baptistère dia rano tarihina (tsy nisy loharano tao fa rano avy ety ivelany no nentina tao)....

Ny hany azo antoka dia ny rano efa nisy teo hatrizay nahatany ny tany (efa taonjato maro no nisiany teo amin'ilay toerna ary Andriamanitra no efa nampitoetra na nampandalo azy teo fa tsy olona akory........RANO AVY AMIN'NY LOHARANO NA RANO VOAJANAHARY....

Antony iray hafa tsy maha mety ny baptistère ihany koa dia ilay olona no tokony hanantona ny rano nefa ao amin'ilay baptistère indray kosa dia ilay rano no entina manantona ny olona (ranon'ny JIRAMA mazava ho azy)....

Tsy mety ihany koa araka izany ny manao batisa amin'ny bassin (na piscine) artifisialy satria tsy rano avy amin'ny loharano no ampiasaina amin'izy ireny eny rano notaomina ihany koa.......

N.B : Tsy hoe akory maka rano eny amin'ny loharano koa dia mety fa ianao mihitsy no mila manantona eny amin'ny toerana misy ilay rano avy amin'ny loharano dia eo amin'ilay toerany eo ianao no atao batisa.......Satria averina hatrany ny olona no mila manantona ny rano fa tsy ny rano no ampanantonina ny olona......

Eto izany dia efa raraka ihany koa ireo rehetra natao batisa tamin'ny baptisère rehetra (na tao ampiangonana na tany anaty piscine ivelan'ny fiangonana) satria tsy mitovy amin'ilay rano voalaza ao amin'ny baiboly ny rano nanaovana batisa azireo.....Koa ampanetretena re no anekeo ry namana isany fa izy re ny fahamarinana a, isika tsy mamorona fa izy voasoratra no manambara ny marina rehetra.....

:-)
Izao izany ilay hoe : "Quand on pèche sur le fond, on se rattrape par la forme" !
Am-pitiavana be ! :-)
228. RBNIR ( 14/08/2015 10:28)
bor2lais:

Izao izany ilay hoe : "Quand on pèche sur le fond, on se rattrape par la forme" !
Am-pitiavana be ! :-)

Izany hoe miaiky ny fahamarinan'ny teny nozaraina ianao izany namana? mahafinaritra ary aza menatra manetry tena, mbola ho avy ilay fond (raha sitrapon'Andriamanitra) mbola vao misasaka ny fizaran-tsika namana.....
229. bor2lais ( 14/08/2015 11:51)

Aza mampiteny zavatra tsy nolazaiko kely ange RBNIR a !
:-)
230. rhaj0 ( 14/08/2015 12:02)
:-) mahafinaritra ho'a ny ankizy rehefa mifankatia eeee... :-)

RBNIR Bor2lais
231. Strong3 ( 14/08/2015 12:19)
hahahah .... miaiky ny zvatra nolazako enao izany namana? :-) :-)
232. gasy1zay ( 14/08/2015 13:34)

rhaj0:

gasy1zay:
zavatra manandanja mety hiankinan'ny famonjena no tsy nosorotany

esy e ry Gasy1zay.. ianao ihany no niteny tatsy toatoa ny hoe "rahefa TSY mahay mampiasa ny baiboly sy fivavahana ianao" dia "tsy responsabilitén'Andriamanitra" izany.

Dia loza ity fa, hotry ny "mitady hanome tsiny an'i JC" anie ianao izany io ambony io eee... hoe fa maninona no "tsy nosorataNY" ? na hoe fa maninona no "tsy nampianarin'i JC manokana ireto mpanoratra ny baiboly" ???

... pataloha tery ve no (nahataf)idiranao ao, sa... pataloha mangovitra ny ao eeee ?? :-)

Fa i rhaj0 zany tena tia siansa loatra tany ampianarana dia adinony hatr@ fomba fanoratana sy ny atao hoe "conditionnel" lol, izaho aloha tsy miombonkevitra @ RBNIR mintsy hoe ny fomba fanaovana batisa araky ny filazany sy @ izay olona tokony hanao izany (voahiraka manonkana sns ) ihany no tena "marina", ka dia tsy mitombina mintsy ny hoe matahotra aho tsy natao batisa t@ fanaon'ndry RBNIR na manontany tena hoe maninona no tsy voasoratra ao @ baiboly mazava izany satria dia tsy resy lahatra mintsy aho hoe mitombina ny fomba fijerin'ilay namantsika io, fa misaotra anao aloha t@ ilay post fa dia ianao izao no ohatrany manindry hoe tsy mitovy na tsy voasoratra ao @ baiboly ilay fampianaran'ny pasitera ao @ RBNIR na dia lazainy fa 100% original, mifanaraka @ fampianaran'i Jesoa Kristy aza. Tokony lazainy 100% koa hoe hoavina i Jesoa Kristy no nampianatra io na farafaharatsiny epistily aiza no mampianatra izany mazava.
233. gasy1zay ( 14/08/2015 13:37)

234. RBNIR ( 14/08/2015 21:50)

Avereno vakiana tsara namana....Efa ireo daholo ny toko sy andininy manamarina ny zavatra voalaza rehetra, nezahina mihitsy tsy asiana "interpretation" fa nezahina nampitaina tamn'ny fomba tsotra sady mahitsy ho takatry ny be sy ny maro......
235. Hajarilala7 ( 15/08/2015 05:06)

RBNIR:

endriny:

RBNIR:

Aza variana mitsongoloka teny ry namana fa rehefa hita fa marina dia mba ekeo e!!Mandroso anie ny fotoana hoy aho e!!! Mihazakazaka be mihitsy!!!! Sao variana eo!!! teny efa mazava be ireo tsy namboamboarina fa avy dia mahitsy!!!

Dia mba ekeo ary fa marina ilay Odon e... fa aza variana mitsongoloka amin'ny teny

Ny tsi11 anie afaka manao izay tiany e, tsy voatery hoe kristianina ny olona iray dia hanaraka ny fampianarana tsy misy kilema,
Anjaran'ny mpitazana kosa no manavaka izay tena izy marina!!!!

TSY FANTATRAO ANGAHA FA NY LITERA IRAY AZA MISY VIDINY EO ANATREHAN'ANDRIAMANITRA! Tsy hainareo ny manompo an'i Jehovah Andriamanitra fa saro-piaro Izy ary tsy azo vazivazina. Tadidio fa ny Teny dia tonga nofo => Jeosy Kristy ka mila tsy misy kilema ny teny izay toriana. Ny teninao no hitsarana anao fa tsy misy ankadasitra io Filazantsra io, fa rehefa diso dia mibebaka!
236. rhaj0 ( 15/08/2015 14:00)
Hajarilala7:
Tsy hainareo ny manompo an'i Jehovah Andriamanitra fa saro-piaro Izy ary tsy azo vazivazina.

Io indray ry nama dia ho be vonton'orona ao ianao, sy ny toa anao, toa ireo moslimo extremista romotra be raha vao mahita caricature-n'i Mahomet... Fa ny olona dia hivazivazy foana eee...

Taiza koa IZY no niteny hoe "aza vazivaziana AHO", fa ianao no mpaka 19 ao dia be famaritra tsy nanontaniana :-)

Rahefa tsy te-hivazivazy ianao dia anao ao ny anao; fa @ olona k'lou efa kOpy efa elabe fa ny vazivazy sy ny tsikitsiky no mahasalama ee..
- maha-salama vatana fa mampisy ireo chemistry maha-sambatra
- maha-salama ny fiaraha-monina, fa mampisy ny chemistry mampiombona..
237. Hajarilala7 ( 17/08/2015 06:14)

[quote=RBNIR]
Tamin'ny andron'i Rasalama izao betsaka ny namadika dia otran'izay daholo io......
P.S : raha mbola tsy mandre izao fahamarinana tsy misy kilema izao ny olona dia mbola tsarain'Andriamanitra amin'izay fantany an! (sao mantsy diso fandray ny sasany)

Fa isika eto kosa aloha efa nandre daholo fa tsy misy afaka ny hilaza hoe tsy nahafantatra aho e!!!
[/quote RNIR ] > Hoy ianao raha mbola tsy mandre izao fahamarinana tsy misy kilema izao ny olona dia mbola tsarain'Andriamanitra amin'izay fantany an! (sao mantsy diso fandray ny sasany).

< Diso izany ary "mahadiso hevitra anareo ny tsy fahafantaranareo ny Soratra Masina!" Mba vakio ny taratasy soratan'i Paoly Apostoly Romana 10/ 18!
238. RBNIR ( 17/08/2015 07:18)

Tsy hitady lavitra aho hanamarinako ny teniko fa mbola misy maro no tsy mahafantatra any dia izao, isika mamaky eto azoko antoka fa ny ankamaroanay izao vao tena mahafantatra mikasika an'ireo batisa marina voalazako ireo........
239. RBNIR ( 17/08/2015 07:21)
Ary ny porofo fa marina izany voalazako izany dia satria maro eto no mitady hanohitra sady tsy te hino an'izany fahamarinana izany..........
Baiboly anefa hoy aho no nentiko teto (tsy nanampiana ary tsy nanalana) fa araka izay voasoratra ihany!!!!!
240. bor2lais ( 18/08/2015 10:51)
RBNIR:

Ary ny porofo fa marina izany voalazako izany dia satria maro eto no mitady hanohitra sady tsy te hino an'izany fahamarinana izany..........

:-)
Dia izay ve ny "conclusion" azonao tsoahina tamin'izay fifanakalozana lavabe izay RBNIR ?
:-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2267