BATISA MARINA ???

181. rhaj0 ( 12/08/2015 01:14)
RBNIR:
Ny batisa indray dia mizara roa : misy ny batisan'ny rano (ilay nataon'i Jaona sy notohizan'i Jesosy) misy kosa ny batisan'ny Fanahy Masina...

Ary ahoana ilay "batisa @ afo" ao @ Matio 3:11 nolazainao taloha teo ry RBNIR ?

hi hi hi ... izay vao tena ho sola daholo ny kristiana... Dia h@ viavy koa ve ? :-)

Sa indray i JC ihany no manao an'io "batisa @ afo" io ?

Fa na izany azany dia ... izany izany no miandry anareo ee... f'aza matahora fa mety tsy mandoro anie ny "afo" (imaginaire) an'i JC eee... mety tsy mba sahala @ "afo" any @ "afobe"

Sa indray metaphore meta-fort ilay izy ? (dia meta-fort h@ FM koa izany?)

Aoka ho'a... io ho'a mafanafana fo tany i Matio t@ izany fotoan'androny, dia miteniteny foana eo io, nefa dia lazainy tateriny fa i JC hono no miteny... dia ao tokoany nareo dia mandray mino ara-baki-teny, dia mampiady karajia lavabe eo.. ny taona efa 2015... ka na hi-spin havia io na hi-spin havanana io, dia ... ao izany nareo eeee.... :-)
182. RBNIR ( 12/08/2015 02:44)

rhaj0:

Faly misera namana rhajo,
Niniako mbola tsy noresahina ny batisan'ny afo izay voalaza fa i Jesosy Kristy ihany tokoa no manao azy,
Antony 2:
1- eto dia ny batisan'ny rano no lohahevitra....
2- Ny miantoka ny fidiran'ny olona ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra dia batisan'ny rano sy ny batisan'ny Fanahy Masina....
Zava-dehibe rehefa mahafantatra tsara an'ireo ny olona iray,

Ny batisan'ny Fanahy Masina koa aleo tsy atao eto amin'ny Forum sao hisy hiteniteny foana ka tsy ho voavela heloka mandrakizay.........
183. Hajarilala7 ( 12/08/2015 06:44)

RBNIR:

Hatreto aloha dia izao no mbola nolazaiko teto,
Olona voairak'Andriamanitra mivantana ny mpanao batisa
Jao.1:33 (Jaona ohatra dia voairak'i Jehovah Ray) ary dia izy irery no nanao ny batisa tamin'ny fotoan'androny
Jao.7:16 Jesosy koa dia voairak'i Jehovah Ray (notoizany ny batisa nataon'i Jaona)
Mat.28:18,19 Ireo apostoly indray kosa dia voairak'i Kristy,
Asa.8:29 Farany ny Fanahy Masina koa dia maniraka olona indraindray hampanao batisa izay olona tian'Andriamanitra hovonjena....

Ny mpaniraka araka izany dia na ny Ray, na ny Zanaka na ny Fanahy Masina

Tsy voatery hoe rehefa olomboahosotra na olomboafidy dia manana zo sy alalana hanao batisa eny fa na dia olona nofidin'Andriamanitra mivantana aza ilay olona 1 Kor.1:17 (ohatra velona amin'izany i paoly apostoly izay nilaza mazava fa izy dia tsy voairak'i kristy hanao batisa ka dia nitandrina mafy tamin'ny andrompiainany tsy hanao batisa afatsy olona vitsy dia vitsy ihany (amin'izao fotoana izao dia ny mifanohitra amin'izay no misy fa dia mihazakazaka izao rehetra izao hanao batisa olona (ny sasany aza anefa tsy olomboahosotra akory) ?????) Iraka avy taiza, fahefana avy taiza???? Samia mandinitena e!!!!

Ny batisa indray dia mizara roa : misy ny batisan'ny rano (ilay nataon'i Jaona sy notohizan'i Jesosy) misy kosa ny batisan'ny Fanahy Masina izay Jesosy irery no manao azy Jao.3:5 (ireo no takiana mba hahafahan'ny olona iray miditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra).

Hatreto ny fizarana dia tsotra, raha olona tsy voairak'Andriamanitra mivantana no nanao batisa anao dia mbola tsy vita ilay batisa original na ilay batisa marina ianao izay (ireo tenin'Andriamanitra nozaraina teto no manamarina izany......

Raha sitrapon'ny Tompo dia hiditra amin'ny antsipirihany amin'izay isika fa anontanio tsara aloha ilay nanao batisa anao hoe iza amin'IZY TELO ireo no naniraka azy hanao batisa anao????
RBNIR < Na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina???? Ahoana indray izany??? Misy olona ve tsy nirahin'ny Ray fa nirahin'ny Fanahy Masina sns.... Sao dia mamato-tena ary ianao amin'ny farany. Misy olona ve tsy nirahin'ny Zanaka fa nirahin'ny Ray???
184. RBNIR ( 12/08/2015 07:48)
Hajarilala7:

RBNIR < Na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina???? Ahoana indray izany??? Misy olona ve tsy nirahin'ny Ray fa nirahin'ny Fanahy Masina sns.... Sao dia mamato-tena ary ianao amin'ny farany. Misy olona ve tsy nirahin'ny Zanaka fa nirahin'ny Ray???

Tsy namorona aho fa ireo ny toko sy andininy efa nozaraiko e!
Jaona sy Jesosy nirahan'ny Ray hanao batisa....
Ny apostoly nirahan'i Jesosy (Zanaka) hanao batisa.....
I Filipo koa nirahan'ny Fanahy Masina hanao batisa ilay tandapa....
Ka inona ny tsy marina amin'izany sa hamorona indray isika fa nisy ankoatran'ireo (olombelona ihany) manana droit haniraka olona hanao batisa????
Raha tsy diso aho tsy mbola nisy apostoly naniraka olona hanao batisa ao sa??? ahitsiho aho raha diso fa tsy maninona e!!!!
185. Strong3 ( 12/08/2015 08:47)
« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

rehefa lasa ny apostoly izany dia iza no handimby azy?

« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16)
« [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Marka 16:17)
« [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] » (Marka 16:18)
« [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] » (Marka 16:19)
« [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena] » (Marka 16:20)

1/IZAY MINO SY ATAO BATISA HOY IZY NO HOVONJENA.
2/ IZAO FAMANTARANA IZAO NO HANARAKA IZAY MINO , ny mino ve tsy hanao ny asan'ny Tompony?
ka olona manokana sy voatondro ahana ity resahinao ity?
i Paoly marina niteny hoe tsy voatendry hanao batisa izy, nefa nisy nataony ihany vitsivitsy...
ahoana ary, notendrena izy sa tsia?
dia validé sa tsia ilay nataony vitsivitsy?
186. RBNIR ( 12/08/2015 09:38)
Strong3:

« koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Matio 28:19)

Efa voavaly, apostoly 11 lahy no nitenenana an'io
Strong3:

rehefa lasa ny apostoly izany dia iza no handimby azy?

Tsy tokony hampiova ny rafitra napetrak'Andriamanitra ny fahalasanan'ny apostoly, afaka mifidy olona hatrany Izy hanao ny batisa....
Strong3:

« [Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina] » (Marka 16:16)
« [Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;] » (Marka 16:17)
« [handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny] » (Marka 16:18)
« [Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra] » (Marka 16:19)
« [Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitori-teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena] » (Marka 16:20)

1/IZAY MINO SY ATAO BATISA HOY IZY NO HOVONJENA.
2/ IZAO FAMANTARANA IZAO NO HANARAKA IZAY MINO , ny mino ve tsy hanao ny asan'ny Tompony?
ka olona manokana sy voatondro ahana ity resahinao ity?
i Paoly marina niteny hoe tsy voatendry hanao batisa izy, nefa nisy nataony ihany vitsivitsy...
ahoana ary, notendrena izy sa tsia?
dia validé sa tsia ilay nataony vitsivitsy?

Efa voavaly ilay paoly, nanana ny Fanahy Masina tahaka an'i Filipo koa izy...

Farany, « Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)
izao teny izao dia miantefa ho an'izay olona aty aoriana rehetra..
Ireo olona taloha tsy hovoakasik'izao mihitsy satria hotsarain'Andriamanitra amin'ny izay fantany izireo....
Ankehitriny kosa i Jesosy Kristy Tompo dia miverina indray mampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema nampianariny 2000 taona lasa (tsy misy afats'i Jesosy irery no mahafantatra an'io fampianarana tsy misy kilema io....)
Mba hahatanteraka ity teny ity no antony « Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)
Vakio tsara fa tsy ho tonga ny farany raha tsy toriana indray ilay filazantsara notoriany fahiny (tsy hafa fa ilay taloha ihany satria hoy i Jesosy hoe ity filazan-tsara..... ity)....

Mifohaza ary Miomana daholo fa tena efa akaiky ny fotoana.......

Ny Tompo anie hitahy an-tsika rehetra.....
187. rhaj0 ( 12/08/2015 10:33)
RBNIR:
« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mat.24:14)
Vakio tsara fa tsy ho tonga ny farany raha tsy toriana indray ilay filazantsara notoriany fahiny

Dia raha "mitory" ianareo, nefa tsisy manaraka, na akoriny azany, tsisy mandraharaha, dia ... "ho tonga ihany ve ny farany" ??

Jereo ihany ny sitatistika @ "firenena rehetra" fa ny TSY-kristiana no mitombo isa kokoa...

Ka raha izany, dia TSY ho avy mihintsy izany ny i Fara eeeee... ouf.. "avotra" daholo isika mianakavy :-)
188. RBNIR ( 12/08/2015 10:39)

« Ary tahaka ny tamin'ny andron'i Noa, dia hisy toy izany koa amin'ny andron'ny Zanak'olona: » (Lio.17:26)
« nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin'ny andro izay nidiran'i Noa tao amin'ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra. » (Lio.17:27)
Mitovy amin'ny zava-nisy tamin'ny andon'ny Noa (Ireo tsy miraharaha no ho maro an'isa)...
Tsy nahasakana ny safodrano ho tonga anefa izany (olona valo mianaka no avotra)....
189. bor2lais ( 12/08/2015 10:42)
Averiko indray
RBNIR >
1. Jaona ve nanao batisa tamin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ?
2. Natao ho an'iza io batisa amin'ny Anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina io ary Iza no naniraka hampanao azy ?
3. Mba azona(re)o omena ve ny hevitra ara-panahy fonosin'io batisa io ?

Efa niezaka namaly ireo 2 voalohany ihany ianao fa ilay 3 tsy nokitihinao mihitsy ! :-)

Ny tiako tenenina dia izao : fampianarana Kristiana ve no omen'ilay "Paoly_bis" anareo ao ? Izany hoe fantatrao ve ny foto-pinoana Kristiana ?

Raha ny fototry ny fampianarany ("Paoly_bis") mantsy dia dradradradrainao fa io Matio 24.14 io. Saingy ny olana aminareo anefa dia ny nanampian'i "Paoly_bis" ny voasoratra hoe "INDRAY" ary dia natelinareo soa aman-tsara satria nilaza tena izy fa nampianariNY mivantana dia lasa izao ilay Matio 24.14 aminareo :

"Ary hotorina amin'izao tontolo izao INDRAY ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."

Avy eo daholo no miainga ny fampianaranareo (hisy apôstoly lehilahy 12 vaovao, sns) ka isan'ny nandavanareo ny batisa Kristiana vita taminareo.

Izay midika fa tsy izy ny asa fitoriana nataon'ny Kristiana nandritra izay 2000 taona mahery izay satria lazaina fa fampianaran'olombelona fa tsy noraisina mivantana tahaka ny an'i "Paoly_bis".

Asa na inona no fandraisanareo izany Fanahy Masina izany !
:-)
Am-pitiavana be
:-)
190. rhaj0 ( 12/08/2015 10:50)
K'hozy ianao RBNIR hoe "tsy ho tonga ny farany raha tsy toriana"... Ka dia "torianao" aiza k'lou izy izany eee.. jereo kely ny tabilao...

Mba ampiasao kosa ilay fiteny hoe, "@ saina tsy miangatra" eee.. ianao Kristiana io izany dia mihevitra fa aharesy lahatra ny Hindus sy Muslims ???? Ny Atheists mitombo isa haingana andro aman'alina azany tsy hitanao akoriny koa... ary na ilay 0.2% Jiosy azany tsy hainao resahina akoriny, nefa ireo azany mba mino ny A.tr'i Abrahama toa anao...

Dia ao iana(re)o izany eee.... Satria dia ianareo samy Kristiana ao ihany no mifampitory ilay "tena izy" ao, mba tratran'i Fara ao....
Izahay hafa rehetra manohy miriaria eto an-tany fa TSY mahakasika anay izany..
191. RBNIR ( 12/08/2015 11:13)

Ianao izao efa naheno dia izay no zava-dehibe....
Anjaranao sisa fa efa vita ny "fitoriana" taminao namana....
192. rhaj0 ( 12/08/2015 11:56)
dia hoenjehin'ny eritreritrao, tsia, enjehin'ny imagination-nao ao izany ianao, satria dia TSY afaky ny "hitory" izany asaina torianao izany, @ ireo Buddhist sy Hindus sy ny hafa marobe ireo...

@ "saina tsy miangatra" ho'a. tsy hitanao ve hoe, ka dia tena ho ridicule be ianao raha mitonantonana mankany? Tsy takatrao ve fa ireo olona ireo efa manana tradition lavabe ary efa lasa lalina @ finoany koa... ary ny finoany dia tena samy hafa be @ finoanao, ny A.tra samy hafa, ny soatoavina samy hafa...

Dia ho hoz'ianao sisa izany hoe, "efa naheno" izy eee... efa namaky gazety izy ka mahalala hoe, mi-existe izany kristianisma izany... dia izay dia basy eeee...

ekena azany kouh... raha izay no mampilamina ny sainao ao, eo ampiandrasana an'i Fara ao... dia tsy maninona ho'a eeee... tsy mahakasika ny olona izany fa dia reveo ao azany ny anao kouh...
193. rhaj0 ( 12/08/2015 12:13)

Dia jereo @ io hoe fa, araka ny tombatombana, dia TSY mitombo hono ny %-n'ny Kristiana eto an-tany e... Voan'ny moslimo manjamanja mihintsy k'lou izany nareo eee.. Dia efa io ny "faminaniana" eeee...

hi hi hi.. rahefa samy ampitahorina ihany, aleon'ny olona latsaka anaty vilanin-drano mangotraky ny moslimo, toa izay vita barbecue ao @ afobe-kristiana.. :-)
194. RBNIR ( 12/08/2015 12:18)
rhaj0:

dia hoenjehin'ny eritreritrao, tsia, enjehin'ny imagination-nao ao izany ianao, satria dia TSY afaky ny "hitory" izany asaina torianao izany, @ ireo Buddhist sy Hindus sy ny hafa marobe ireo...

@ "saina tsy miangatra" ho'a. tsy hitanao ve hoe, ka dia tena ho ridicule be ianao raha mitonantonana mankany? Tsy takatrao ve fa ireo olona ireo efa manana tradition lavabe ary efa lasa lalina @ finoany koa... ary ny finoany dia tena samy hafa be @ finoanao, ny A.tra samy hafa, ny soatoavina samy hafa...

Dia ho hoz'ianao sisa izany hoe, "efa naheno" izy eee... efa namaky gazety izy ka mahalala hoe, mi-existe izany kristianisma izany... dia izay dia basy eeee...

ekena azany kouh... raha izay no mampilamina ny sainao ao, eo ampiandrasana an'i Fara ao... dia tsy maninona ho'a eeee... tsy mahakasika ny olona izany fa dia reveo ao azany ny anao kouh...

« Ary nilaza zavatra maro taminy tamin'ny fanoharana Izy ka nanao hoe: Indro, nivoaka ny mpamafy mba hamafy; » (Mat.13:3)
« ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana; dia avy ny vorona ka nandany azy. » (Mat.13:4)
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany marivo ambony vatolampy; dia nalaky nitrebona ireny, satria tsy nisy tany lalina. » (Mat.13:5)
« Fa rehefa niposaka ny masoandro, dia nalazo ireny, ary satria tsy nanam-paka, dia maty izy. » (Mat.13:6)
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tsilo; ary ny tsilo naniry ka nangeja azy. » (Mat. 13:7)
« Ary ny sasany dia voafafy teny amin'ny tany tsara, dia namoa: ny sasany avy zato heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny. » (Mat.13:8)
195. RBNIR ( 12/08/2015 12:54)
bor2lais:

Averiko indray
RBNIR >
1. Jaona ve nanao batisa tamin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ?
2. Natao ho an'iza io batisa amin'ny Anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina io ary Iza no naniraka hampanao azy ?
3. Mba azona(re)o omena ve ny hevitra ara-panahy fonosin'io batisa io ?

Efa niezaka namaly ireo 2 voalohany ihany ianao fa ilay 3 tsy nokitihinao mihitsy ! :-)

Ny tiako tenenina dia izao : fampianarana Kristiana ve no omen'ilay "Paoly_bis" anareo ao ? Izany hoe fantatrao ve ny foto-pinoana Kristiana ?

Raha ny fototry ny fampianarany ("Paoly_bis") mantsy dia dradradradrainao fa io Matio 24.14 io. Saingy ny olana aminareo anefa dia ny nanampian'i "Paoly_bis" ny voasoratra hoe "INDRAY" ary dia natelinareo soa aman-tsara satria nilaza tena izy fa nampianariNY mivantana dia lasa izao ilay Matio 24.14 aminareo :

"Ary hotorina amin'izao tontolo izao INDRAY ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany."

Avy eo daholo no miainga ny fampianaranareo (hisy apôstoly lehilahy 12 vaovao, sns) ka isan'ny nandavanareo ny batisa Kristiana vita taminareo.

Izay midika fa tsy izy ny asa fitoriana nataon'ny Kristiana nandritra izay 2000 taona mahery izay satria lazaina fa fampianaran'olombelona fa tsy noraisina mivantana tahaka ny an'i "Paoly_bis".

Asa na inona no fandraisanareo izany Fanahy Masina izany !
:-)
Am-pitiavana be
:-)

Ilay "fomba fijery" mihitsy no an'olombelona namana....Normal be ny valiteninao satria ny fiheviny tsy fihevitrao.....Mila manetry tena mandray izay fiheviny fa tsy ny fihevitsika (fomba fijerintsika)
196. gasy1zay ( 12/08/2015 13:37)

RBNIR:

Hatreto aloha dia izao no mbola nolazaiko teto,
Olona voairak'Andriamanitra mivantana ny mpanao batisa
Jao.1:33 (Jaona ohatra dia voairak'i Jehovah Ray) ary dia izy irery no nanao ny batisa tamin'ny fotoan'androny
Jao.7:16 Jesosy koa dia voairak'i Jehovah Ray (notoizany ny batisa nataon'i Jaona)
Mat.28:18,19 Ireo apostoly indray kosa dia voairak'i Kristy,
Asa.8:29 Farany ny Fanahy Masina koa dia maniraka olona indraindray hampanao batisa izay olona tian'Andriamanitra hovonjena....

Ny mpaniraka araka izany dia na ny Ray, na ny Zanaka na ny Fanahy Masina

Tsy voatery hoe rehefa olomboahosotra na olomboafidy dia manana zo sy alalana hanao batisa eny fa na dia olona nofidin'Andriamanitra mivantana aza ilay olona 1 Kor.1:17 (ohatra velona amin'izany i paoly apostoly izay nilaza mazava fa izy dia tsy voairak'i kristy hanao batisa ka dia nitandrina mafy tamin'ny andrompiainany tsy hanao batisa afatsy olona vitsy dia vitsy ihany (amin'izao fotoana izao dia ny mifanohitra amin'izay no misy fa dia mihazakazaka izao rehetra izao hanao batisa olona (ny sasany aza anefa tsy olomboahosotra akory) ?????) Iraka avy taiza, fahefana avy taiza???? Samia mandinitena e!!!!

Ny batisa indray dia mizara roa : misy ny batisan'ny rano (ilay nataon'i Jaona sy notohizan'i Jesosy) misy kosa ny batisan'ny Fanahy Masina izay Jesosy irery no manao azy Jao.3:5 (ireo no takiana mba hahafahan'ny olona iray miditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra).

Hatreto ny fizarana dia tsotra, raha olona tsy voairak'Andriamanitra mivantana no nanao batisa anao dia mbola tsy vita ilay batisa original na ilay batisa marina ianao izay (ireo tenin'Andriamanitra nozaraina teto no manamarina izany......

Raha sitrapon'ny Tompo dia hiditra amin'ny antsipirihany amin'izay isika fa anontanio tsara aloha ilay nanao batisa anao hoe iza amin'IZY TELO ireo no naniraka azy hanao batisa anao????

Tena ohatrany misy tsy mitombina izany fomba fijerinao zany ry RBNIR an!

ny Fanahy Masina koa dia maniraka olona indraindray hampanao batisa izay olona tian'Andriamanitra hovonjena....
??? Fa nga ry RBNIR tsy tian'Andriamanitra ho vonjena daoly ny olombelona? Tsy izay ve no nanirahany an'i Jesoa Kristy tety an-tany?

Faharoa, Jesoa efa niakatra tany an-danitra, ny apostoly maty martiora daoly ny ankabeazany, ka ny olona kristianina nanomboka teo @ taona 50 ka mandrakanio izany dia aona ny batisa natao taminy?

Fahatelo, ianao milaza hoe :"raha olona tsy voairak'Andriamanitra mivantana no nanao batisa anao dia mbola tsy vita ilay batisa original na ilay batisa marina ianao izay" iza no niteny taminao hoe natao an'io batisa io ny mpianatry ny Tompo? Izy nanao batisa no voalaza fa tsy nisy nilaza hoe natao batisa t@ rano, na nataon'i Jaona batisa izy ireo, dia aona? Tsy avotra ve izy ireo satria tsy vita batisa original?

Jereo tsara RBNIR ny zavatra fonosin'ilay batisan'i Jaona a! FIBEBAHANA ka na vita batisa 1 ianao na 2 na 100 ka tsy mbola nibebaka dia tsy hisy lanjany io na original na tsia, raha mbola misy ota ao anatinao dia tsy hitoetra ao ilay Fanahy Masina, ary matoa nisaraka ny batisan'ny fibebahana sy ny fandraisana ny Fanahy Masina teo aloha dia satria tsy mbola nomena ny Fanahy Masina, efa voasoratra io fa rehefa miakatra any an-danitra Jesosy izay vao irahiny ny Fanahy Masina, nanomboka teo izany dia feno ilay batisa satria sady mariky ny fibebahana no andraisanao ny Fanahy Masina, izay ilay batisa @ anarin'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina = nibebaka ianao, madio @ fahotana dia mandray ny Fanahy Masina. Ka io tsy misy hoe ranobe vao mibebaka fa misy olona nibebaka na tsy natao batisa aza dia io ilay jiolahy teo @ hazo fijaliana, ka raha ho marika ivelany fotsiny no andraisana ity batisa ity dia ho adino ilay tena antompisiany.
197. RBNIR ( 12/08/2015 13:43)
gasy1zay:

« Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka, » (Asa.17:30)

Izay fahamarinana fantany no hitsaran'Andriamanitra ny olona,

Izao vao miverina indray Jesosy mampianatra ilay fampianarana tsy misy kilema, Izay iantefan'ny antso no tokony handray (angah moa mijery ity forum ity daholo ny olona rehetra).... Na izany aza tsy maintsy handre izao tontolo izao fa ny fotoana sisa no andrasana ary rehefa tapitra handre an'ity fampianarana tsy misy kilema ity ny rehetra dia ho VITA amin'zay ny tantara.....« Ary hotorina amin'izao tontolo izao ity filazantsaran'ny fanjakana ity ho vavolombelona amin'ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany. » (Mati.24:14)

Mandrapahatongan'izay dia ny tsi11 tsarain'Andriamanitra amin'ny zavatra fantany avokoa...

198. RBNIR ( 12/08/2015 13:54)

gasy1zay:

Fahatelo, ianao milaza hoe :"raha olona tsy voairak'Andriamanitra mivantana no nanao batisa anao dia mbola tsy vita ilay batisa original na ilay batisa marina ianao izay" iza no niteny taminao hoe natao an'io batisa io ny mpianatry ny Tompo? Izy nanao batisa no voalaza fa tsy nisy nilaza hoe natao batisa t@ rano, na nataon'i Jaona batisa izy ireo, dia aona? Tsy avotra ve izy ireo satria tsy vita batisa original?

Hoy Jesosy tamin'izireo
« fa Jaona nanao batisa tamin'ny rano; fa ianareo kosa hatao batisa amin'ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy. » (Asa.1:5)
« Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Asa.11:16)

I Jaona koa dia nilaza hoe « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jao.1:33)

Batisan'ny rano = batisan'i Jaona...

Dia hoy i Jesosy hoe : « Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano(batisan'ny rano=batisan'i Jaona) sy ny Fanahy (batisan'ny Fanahy Masina), dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao.3:5)

Vita batisa tamin'ny rano ireo mpianatra ireo....

Ity no porofo « Moa misy olona mahazo mandrara ny rano tsy hanaovana batisa ireo, izay efa nandray ny Fanahy Masina tahaka antsika koa? » (Asa.10:47)

Na dia vita batisan'ny Fanahy Masina aza dia tsy maintsy mbola atao batisan'ny rano foana......

199. Hajarilala7 ( 12/08/2015 15:09)

RBNIR:

Hajarilala7:

RBNIR < Na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina???? Ahoana indray izany??? Misy olona ve tsy nirahin'ny Ray fa nirahin'ny Fanahy Masina sns.... Sao dia mamato-tena ary ianao amin'ny farany. Misy olona ve tsy nirahin'ny Zanaka fa nirahin'ny Ray???

Tsy namorona aho fa ireo ny toko sy andininy efa nozaraiko e!
Jaona sy Jesosy nirahan'ny Ray hanao batisa....
Ny apostoly nirahan'i Jesosy (Zanaka) hanao batisa.....
I Filipo koa nirahan'ny Fanahy Masina hanao batisa ilay tandapa....
Ka inona ny tsy marina amin'izany sa hamorona indray isika fa nisy ankoatran'ireo (olombelona ihany) manana droit haniraka olona hanao batisa????
Raha tsy diso aho tsy mbola nisy apostoly naniraka olona hanao batisa ao sa??? ahitsiho aho raha diso fa tsy maninona e!!!!
< Ny filazanao azy no hafahafa "na ny Ray na ny Zanaka na ny Fanahy Masina", toa tsy mahafantatra ireo ianao no tiako ho lazaina! Nirahin'Andriamanitra izy, no marina. Ireo telo ireo no manambara an'Andriamanitra ary ao amin'i Jesosy no misy ny fahafenoiny. Izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra an'Andriamanitra Tokana sady marina sy Jesosy Kristy izay efa nirahiny" Jaona 17 /3 no milaza io.

Hoy ianao : "Jaona sy Jesosy nirahan'ny Ray hanao batisa...."
Jesosy anie ka tsy nirahina hanao batisa sady tsy nanao batisa fa ny mpianany é!

Filipo anie ka tsy nirahana hoe "mandehana ataovy batisa ilay tandapa Etiopiana é!" Ilay tandapa no nangataka mba atao batisa. Io misy rano, hoy izy, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa. Tahakan'i Jaona tsy nirahina hanao batisa ny Fariseo, fa ireo no nanantona.

200. RBNIR ( 13/08/2015 05:22)

Faly misera namana,
1- Mahafinaritra rehefa voarainao fa Andriamanitra = Ray= Zanaka = Fanahy Masina Fehiny ny mpanao batisa dia tokony olona voahirak'Andriamanitra mivantana.....
2- Hafa ilay nolazain'ny fariseo mikasika ilay hoe nanao batisa i Jesosy (Jao.4:1,2) sy ilay hitan'ny mpianatr'i Jaona « ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. » (Jao.3:26)
3- Niainga avy tamin'ity ny baiko azon'i Filipo (famonjena an'ilay tandapa no tanjona) « Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asa.8:29)
Io tandapa io tsy mahafantatra na inona na inona (anisany ny momba ny batisa)
« Fa hoy izy: Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra* ahy? Ary izy nangataka an'i Filipo hiakatra sy hipetraka eo aminy. » (Asa.8:31)
Nampianatra azy i Filipo (anisany ny batisa) ka raha vao nahita rano mitovy amin'ilay nampianarin'i Filipo izy dia nilaza hoe « Ary raha nandeha teny an-dalana izy, dia tonga teo amin'izay nisy rano; ary hoy ilay tandapa: Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa? » (Asa.8:36)
Fanamarihana fanampiny : io tandapa io dia handeha lavitra (noho izany azo antoka fa tsy maintsy nivatsy rano nefa tsy nampiasa izany rano izany izy namana) misy antony manokana izay....

P.S: misy marina ny filazanao satria dia ny olona tokoa no mila manantona hatao batisa fa tsy ilay olona mpanao batisa no manantona ireo hatao batisa saingy na izany aza tena voahiraka i Jaona hanao batisa fa tsy hoe nanira-tena akory « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jao.1:33)

Izay ilay izy, namana, raiso am-pitiavana fa tsy fanenjehana an'iza n'iza akory izao fa ho fampianarana, fifampitaizana ary koa ho fanitsiana izay diso....« Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana, » (2 Tim.3:16)

Manasa an-tsika rehetra hikaroka ilay tena olomboafidy marina mba hanao batisa an-tsika amin'izao andro izao.....Ato misy iray hitako (tsy izy irery fa efa misy iray koa any am-pitandranomasina any ary ny hahafantaranao azy dia manana fampianarana mitovy amin'ilay nampianarin'i Jesosy 100% ilay olona)....Ireo aloha no voalazan'i Jesosy ankehitriny, mbola tsy maintsy hiampy fa aza matahotra......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1796