BATISA MARINA ???

121. gasy1zay ( 06/08/2015 13:34)

RBNIR:

rhaj0:

RBNIR:
mbola ho avy raha sitrapon'ny Tompo e

Fa h@ izao izany dia tena TSISY sitrapoNY izany eee...

hi hi hi... mila manao hypnotisma (miavavaka) be ianao hampiova hevitra AZY.. :-)

Mila manaiky tarihin'ny Fanahy Masina isika fa tsy mirangorango an, ny olombelona anie tsy robot ka afaka miassimiler zavatra b dia b ao anatin'ny 1 journée e!!!

Mahareta, miandrasa tantana, io miraparapa io ihany dia avy eo voky loatra dia mandoha dia tsy misy tavela intsony ao ankibo tsy tonga nofo fa lasa zavatra hafa......

Mba zarao koa ry RBNIR hoe ahoana ny fitarihan'ny Fanahy Masina anao sao mba voatariny koa ny hafa, indrindra ireo namantsika tsy mino ireo
122. Hajarilala7 ( 06/08/2015 14:44)
Ny batisan'i Jaona dia batisan'ny rano ho fibebahana ary milaza izay avy aoriany dia Jesosy => Tsy nanao batisa tamin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy Fanahy Masina no nataon'i Jaona, ny Fanahy Masina tsy mbola nomena.

Ny batisa taorian'ny niakaran'i Jesosy Tompo tany amin'ny voninahiny dia TSY MAINTSY amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany satria mba ahazoan'ny olona ny Fanahy Masina ihany koa, raha marina ny "batisa" nanaovana azy batisa.

Tsy tamin'ny anaran'ny Ray sy ny zananka sy ny Fanahy Masina fa tamin'ny anaran'i Jesosy Tompo, satria :

- Tsy anarana ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina fa ny anarana lazain'ireo no ilaina.
- Ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina dia manambara an'i Jesosy.
- Ny batisa no ahazoana famelan-keloka ary tsy misy anarana hafa ahazoana famelan-keloka afa-tsy ny anaran'i Jesosy irery ihany.

Ho aminareo ny fahasoavan'ny Tompo!
123. Hajarilala7 ( 06/08/2015 15:23)

RBNIR:

Fanampiny
Inona no batisa nataon'i Jaona? « dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka. » (Mar.1:4)

Araka io teny io dia batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka....

Inona kosa ny batisa nataon'ny apostoly?
« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa.2:38)

Vakio tsara Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa....mba hahazo famelana ny helokareo....

Inona no mahasamihafa an'izany amin'ny nataon'i Jaona...

P.S : Eto tsy voalaza hoe Ray Zanaka Fanahy Masina fa voalaza fotsiny hoe amin'ny anaran'i Jesosy Kristy....

Inona no antony? « [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana; » (Joe.3:1)

Eto JEHOVAH (RAY) = Fanahy Masina ihany

« Izaho sy ny Ray dia iray ihany. » (Jao.10:30)
Eto indray kosa, JESOSY (ZANAK) = JEHOVAH RAY IHANY....

Farany....

« Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana. » (2 Kor.3:17)

Ilay FANAHY MASINA dia tsy IZA fa i Jesosy Kristy Tompo ihany.....

Noho izany RAY = ZANAKA = FANAHY MASINA.......Mitovy ihany ilay hoe manaova batisa amin'ny anaran'ny Ray Zanaka sy Fanahy Masina sy ny hoe Manao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.....

Izany tsy midika hoe lasa hafa amin'ilay batisa nataon'i Jaona satria ilay izy tsy niova fa batisan'ny fibebahana ho famelan-keloka foana..........

TSIA, TSIA : Tsy mitovy ny manaova batisa amin'ny anaran'ny Ray Zanaka sy Fanahy Masina sy ny hoe Manao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.

Raha miteny aminareo ve ny olona hoe ataovy amin'ny anaran'ny "dadanareo" ny adressen'ny taratasy dia hanoratra hoe : "dadanareo" fa raha fantatrao ny adiresin'ny dadanao dia ny anarany tokoa no ataonao eo. Fa raha tsy fantrao ny anaran'ny dadanao dia mila hanontanianao hoe : "Iza kay ny anaran'i Dada? fa hanoratra taratasy aho.
124. bor2lais ( 06/08/2015 18:07)
RBNIR:

Inona moa ny atao hoe kristianina : moa tsy ny mpanaradia an'i Kristy ve? ary iza no hataon'i Kristy batisa amin'ny Fanahy Masina? moa tsy ireo krisianina ?

Noho izany ireo nataon'i Jaona batisa izany dia tsy iza fa kristianina ihany.

:-)
Mba hafa koa ny famaritana(re)o izany a !

Ny Kristiana RBNIR tsy nisy raha tsy efa vita ny asam-pamonjen'ny Tompo a (izany hoe maty Izy) ! Ny fandraisana amin'ny finoana io famonjena vitaNY teo amin'ny hazo fijaliana io no (fototra) maha-Kristiana. Ary raha mamaky tsara ianao dia ahita fa any amin'ny Asa vao misy resaka Kristiana ao amin'ny Baiboly.
:-)
Dia miandry ny valinteny teboka 3. indray ary ! :-)
125. RBNIR ( 07/08/2015 05:59)
bor2lais:

Faly misera namana,
Aminao ary valio mazava : ireo apostoly petera sy ny namany v kristiainina sa tsia?

Raha nanao batisa i Jesosy ka hitan'ny mpianatr'i Jaona mpanao batisa dia izao no nambaran'izireo tamin'i Jaona....
« ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. » (Jao.3:26)

Raha batisa samihafa tamin'ny nataon'i Jaona no nataon'i Jesosy tamin'io fotoana io tsy maintsy niteny izireo hoe indro manao batisa hafa noho ny anao Izy.......
126. RBNIR ( 07/08/2015 06:04)
Fa hoy izireo hoe indro manao batisa izy. Mazava be izany gaga ireo mpianatr'i Jaona satria nanao batisa tahakan'ny nataon'i Jaona ihany koa Izy....
127. RBNIR ( 07/08/2015 06:08)
Fanampiny, « [Ny niovan'i Saoly ho Kristiana] Ary Saoly mbola nifofofofo fandrahonana sy famonoana tamin'ny mpianatry ny Tompo ihany, dia nankao amin'ny mpisoronabe izy » (Asa.9:1)
Efa nisy ny kristiana tamin'ny andro nanenjehan'i Saoly izay niova ho paoly....
Iza ary ireo voalaza ho kristiana tamin'izany?????
Diniho tsara ny fampianaran-tsika namana sao dia lasa mpampianatra sandoka tsy fidiny eo fa adinin'Andriamanitra amin-tsika daholo anie izany e,
Izaho moa no haninona fa ianao no mampalahelo ahy....
Torohevitra mianara tsara aloha ny fampianara tsy misy kilema (raisina mivantana avy amin'i Jesosy tsy misy mpanelanelana)....efa natoroko ny misy azy....
Jesosy irery ihany no mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'izao fotoana izao fa ny sisan'izay mpandainga daholo....
128. RBNIR ( 07/08/2015 08:55)
RBNIR:

Fa hoy izireo hoe indro manao batisa izy. Mazava be izany gaga ireo mpianatr'i Jaona satria nanao batisa tahakan'ny nataon'i Jaona ihany koa Izy....

Entre parenthese kely fotsiny koa ity (amin'ilay resaka batisa tena izy na batisa tena marina),
Gaga ireo mpianatr'i Jaona satria raha ny tena marina dia olona voafidin'Andriamanitra mivantana sy mahazo baiko mivantana avy amin'Andriamanitra ihany no mahazo manao batisa.....

Efa nazavaiko : Ray = Zanaka = Fanahy Masina

Jaona mpanao batisa (Jehovah Ray no naniraka azy mivantana) « Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin'ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan'ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin'ny Fanahy Masina. » (Jao.1:33)

Jesosy (Jehovah Ray no naniraka Azy mivantana) « Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy. » (Jao.7:16)

Apostoly (Jesosy no naniraka azireo mivantana) « koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina » (Mat.28:19)

I Filipo dia ny Fanahy Masina no naniraka azy hanao batisa an'ilay tandapa « Dia hoy ny Fanahy tamin'i Filipo: Andeha manatona ka mankanesa amin'io kalesy io. » (Asa.8:29)

Koa ho antsika mihevitra fa efa vita ny batisa Marina...Mba antonanio ihany hoe IZA tamin'ireo TELO ireo (RAY ZANAKA ARY NY FANAHY MASINA) no naniraka an'ilay olona nanao batisa anao?
129. Strong3 ( 07/08/2015 10:45)
hihihi ... izay ilay spapa nalaina tany amin'ny grand maitre tany ve :p :-)

ny Mark 16 ohatra dia milaza ny iraka hataon'ny mino
iza no mino? izay nomeny hery ho tonga zanany

ka iza no milaza aminao fa tsy maintsy dadanareo raHery ihany no tompon'ny laklé eto antany?
io izao ry episkopo fa milaza tompony koa dia iza aminareo izany notena tompony hihihi... :-)

mba ilay zavatra asaina azavaina azavaina fa tsy manindrahidra tena ohatran'io hoa fa tsy dia fahendrena lohatra ilay manandratena tafahoatra
nahoana no nasain'i Paoly nasaina naverina ny batisan'izay natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona raha nety ny an'i jaona?

saingy rehefa sarotra moa ny fanotaniana eto dia mody misitaka dia amin'izay adino iny dia avily ny resaka avy eo.

dia io manjanaka sain'olona io hoe: efa nilaza taminareo za zay ... sns hahaha ... :-) mdr tsss :-) :-)
mbola ho ela vao handroso ny fampielezan-kevitrareo raha izao
130. bor2lais ( 07/08/2015 10:58)
RBNIR:

Aminao ary valio mazava : ireo apostoly petera sy ny namany v kristiainina sa tsia?

Oadray ! Fa t@ iza no nisehoan'ny Tompo rehefa nitsangana t@ maty Izy ? Ary iza no nirahiny andeha hanao mpianatra ny firenena rehetra ka hanao batisa azy @ Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ?

Io batisa io no antsoiko hoe batisa Kristiana !

Ary iza no nahazo hery t@ filatsahan'ny Fanahy Masina ka sahy nitoriteny tamin'ny andro pentekosta ?

Io toriteny io no mahatonga ny finoana (ny asam-pamonjena vitan'ny Tompo teo @ hazo fijaliana : tsy miverina in-2 intsony).

Io finoana io dia manomboka @ fahatsapantena fa mpanota ka mila mibebaka amin'ny Ray, dia mino fa io ota io no efa nentin'ny Zanaka nofantsihina teo @ hazo fijaliana. Ny Zanaka izay naharesy ny fahafatesana mariky ny fahateraham-baovao ho an'izay mino Azy (izay antsoina hoe Kristiana). Izany fahatsapantena fa nateraka indray izany no (tokony) miteraka fiovam-po na fiovan-toetra ary asan'ny Fanahy Masina izany (mandeha araka ny Fanahy).

Izany no hevitra ara-panahy fonosin'ny batisa Kristiana RBNIR a !

Ny tiako hambara dia izao : ny batisa (n)atao (t)amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (na batisa Kristiana) dia feno sady ampy tsy mila averina fanindroany intsony satria toy ny manombo fanindroany ny Tompo ny famerenana izany !

Ary tsy ny habetsaky ny rano nanaovana ny batisa no zava-dehibe fa ny fahatsapana ny hevitra fonosiny.

Fiainana ny batisa satria fanehoana fa isan'ny zanak'Andriamanitra ianao !

RBNIR:

Diniho tsara ny fampianaran-tsika namana sao dia lasa mpampianatra sandoka tsy fidiny eo fa adinin'Andriamanitra amin-tsika daholo anie izany e,
Izaho moa no haninona fa ianao no mampalahelo ahy....
Torohevitra mianara tsara aloha ny fampianara tsy misy kilema (raisina mivantana avy amin'i Jesosy tsy misy mpanelanelana)....efa natoroko ny misy azy....
Jesosy irery ihany no mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'izao fotoana izao fa ny sisan'izay mpandainga daholo....

:-)
Averiko any aminao ny fanamarihanao !
:-)
131. Strong3 ( 07/08/2015 11:05)
hihihi :-)
132. RBNIR ( 07/08/2015 12:15)

Strong3:

hihihi ... izay ilay spapa nalaina tany amin'ny grand maitre tany ve :p :-)

ny Mark 16 ohatra dia milaza ny iraka hataon'ny mino
iza no mino? izay nomeny hery ho tonga zanany

ka iza no milaza aminao fa tsy maintsy dadanareo raHery ihany no tompon'ny laklé eto antany?
io izao ry episkopo fa milaza tompony koa dia iza aminareo izany notena tompony hihihi... :-)

mba ilay zavatra asaina azavaina azavaina fa tsy manindrahidra tena ohatran'io hoa fa tsy dia fahendrena lohatra ilay manandratena tafahoatra
nahoana no nasain'i Paoly nasaina naverina ny batisan'izay natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona raha nety ny an'i jaona?

saingy rehefa sarotra moa ny fanotaniana eto dia mody misitaka dia amin'izay adino iny dia avily ny resaka avy eo.

dia io manjanaka sain'olona io hoe: efa nilaza taminareo za zay ... sns hahaha ... :-) mdr tsss :-) :-)
mbola ho ela vao handroso ny fampielezan-kevitrareo raha izao

Misy filazana v ao amin'ny fizarako hoe i ranona na i ranona no tompon'ny lakile ? Mizara fotsiny aho hoe ny olona manao batisa araka ny soratra Masina dia tsy maintsy olona voahiraka mivantana (na nirahin'ny Ray, na nirahin'ny Zanaka na nirahin'ny Fanahy Masina)
Ireo telo ireo dia iray ihany......
hoy ianao hoe ny dadanao (midika v izany fa mino ianao fa nirahany marina tokoa izy????) Efa mahafinaritra raha mino ianao namana.....
133. RBNIR ( 07/08/2015 12:52)

Strong3:

nahoana no nasain'i Paoly nasaina naverina ny batisan'izay natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona raha nety ny an'i jaona?

Tsy hoe naverina ilay batisa fa tsy ampy, araka ity teny nataon'i Jaona ity « dia namaly Jaona ka nanao tamin'izy rehetra hoe: Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; » (Lio.3:16)
Mila atao batisa ami'n'ny rano dia avy eo atao batisa amin'ny Fanahy Masina

Izay no nahatonga an'i paoly niteny an'ity....« Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. » (Asa.19:4)

Vakio tsara fa isaky ny misy teny hoe batisa amin'ny anaran'i Jesosy dia miafara amin'ny fandraisana ny Fanahy Masina foana....« Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. » (Asa.19:5)
« Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. » (Asa.19:6)

Toy izany koa ity.....« Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina; » (Asa.2:38)

Izay no nahatonga an'i Jesosy niteny hoe « Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano (batisa amin'ny rano) sy ny Fanahy (batisa amin'ny Fanahy Masina), dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy. » (Jao.3:5)

Dikany nentina nilaza tamin'ny olona fa tsy ampy ny finoana ny batisan'ny rano fa tsy maintsy mino an'i Jesosy ihany koa ny olona mba handraisany ny batisan'ny Fanahy Masina....
134. RBNIR ( 07/08/2015 13:13)

bor2lais:

RBNIR:

Aminao ary valio mazava : ireo apostoly petera sy ny namany v kristiainina sa tsia?

Oadray ! Fa t@ iza no nisehoan'ny Tompo rehefa nitsangana t@ maty Izy ? Ary iza no nirahiny andeha hanao mpianatra ny firenena rehetra ka hanao batisa azy @ Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ?

Io batisa io no antsoiko hoe batisa Kristiana !

Ary iza no nahazo hery t@ filatsahan'ny Fanahy Masina ka sahy nitoriteny tamin'ny andro pentekosta ?

Io toriteny io no mahatonga ny finoana (ny asam-pamonjena vitan'ny Tompo teo @ hazo fijaliana : tsy miverina in-2 intsony).

Io finoana io dia manomboka @ fahatsapantena fa mpanota ka mila mibebaka amin'ny Ray, dia mino fa io ota io no efa nentin'ny Zanaka nofantsihina teo @ hazo fijaliana. Ny Zanaka izay naharesy ny fahafatesana mariky ny fahateraham-baovao ho an'izay mino Azy (izay antsoina hoe Kristiana). Izany fahatsapantena fa nateraka indray izany no (tokony) miteraka fiovam-po na fiovan-toetra ary asan'ny Fanahy Masina izany (mandeha araka ny Fanahy).

Izany no hevitra ara-panahy fonosin'ny batisa Kristiana RBNIR a !

Ny tiako hambara dia izao : ny batisa (n)atao (t)amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (na batisa Kristiana) dia feno sady ampy tsy mila averina fanindroany intsony satria toy ny manombo fanindroany ny Tompo ny famerenana izany !

Ary tsy ny habetsaky ny rano nanaovana ny batisa no zava-dehibe fa ny fahatsapana ny hevitra fonosiny.

Fiainana ny batisa satria fanehoana fa isan'ny zanak'Andriamanitra ianao !

RBNIR:

Diniho tsara ny fampianaran-tsika namana sao dia lasa mpampianatra sandoka tsy fidiny eo fa adinin'Andriamanitra amin-tsika daholo anie izany e,
Izaho moa no haninona fa ianao no mampalahelo ahy....
Torohevitra mianara tsara aloha ny fampianara tsy misy kilema (raisina mivantana avy amin'i Jesosy tsy misy mpanelanelana)....efa natoroko ny misy azy....
Jesosy irery ihany no mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'izao fotoana izao fa ny sisan'izay mpandainga daholo....

:-)
Averiko any aminao ny fanamarihanao !
:-)

Mbola tsy niditra lalina isika aloha hatreto fa raha sitapon'ny Tompo dia hohitantsika ny tsy mahamety ny batisa sasany raha araka ny baiboly, ary ho hitantsika fa tena misy dia misy tokoa ireo izay noheverina ho batisa nefa tsy izy ry namana ary amin'izay tsy hoe averina atao batisa akory ilay olona fa izy mihitsy izy vao tena vita amin'ilay batisa tena takian'Andriamanitra......
135. gasy1zay ( 07/08/2015 13:56)
RBNIR > fa ianareo ve izany rehefa atao batisa dia tsy misy rano sa tsy hoe @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? koa inona no tsy ampy raha sady nisy rano no natao t@ anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina?

Efa noezahin'ny namana nazavaina io fa tsy mitovy ny niainan'ny olona t@ andron'i JK sy ny tao aorianan'ny pentekoty ka tsy mitovy ny batisa talohan'io sy taorianany, mazava be hoe i Jaona nanao batisa hoan'ny fibebahana marika hita maso t@ zany hoe niova fitondratena ny olona iray,
"Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana"

tsy mbola nisy Fanahy Masina teo satria rehefa niakatra any an-danitra Jesoa zay vao haniraka ny Fanahy Masina :

Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy at? aminareo ny Mpananatra ; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho at? aminareo Izy

"fa ny Mpananatra , dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo."

"fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy."

Efa tonga ilay nilatsahan'ny Fanahy Masina efa ho 2000 taona lasa izay ka afaka atao ny batisan'ny rano sy ny fandraisana ny Fanahy Masina fa tsy voatery hisaraka intsony

"Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina"

Ka io ry RBNIR izao no hiainantsika taorian'ny pentekoty fa tsy misy hoe batisa @ rano dia avy eo batisa @ Fanahy Masina hafa indray.

Mikasika ilay hoe iza no naniraka indray dia mba vakio ity teny ity :
"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray"
Ahoana ny fahazoanao io? Miteny ve izy hoe izay apostoly, na izay mpianatro, na izay isehoko? Ka raha mahatsapa ianao hoe mino azy dia tokony mahatsiaro tena ho voahirany satria efa mazava be io hoe izy efa nankany @ Ray ka tsy ho hitantsika mivantana intsony.Fa marina ny anao hoe mila mivavaka mafy sy mitandrina tsara mba tsy hiteniteny zavatra tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra na ny tenin'ny baiboly.
136. Hajarilala7 ( 07/08/2015 15:47)

gasy1zay:

RBNIR ô ! Raha vao mivoaka ny Soratra Masina hoy Paoly Apostoly ny fanambarana na fahitana sns... dia mieoebo izany olona izany, 1 Korintiana 4/ 6
137. rhaj0 ( 07/08/2015 20:54)
[size=8]
Hajarilala7:
Raha vao mivoaka ny Soratra Masina hoy Paoly Apostoly ny fanambarana na fahitana sns... dia mieoebo izany olona izany, 1 Korintiana 4/ 6

Io izany ilay hoe, mihidy "anaty box-kely" i Rakrisy.. dia tena asian'i Paoly mafy hoe mieboebo raha vao mitady hivoaka ao.
Dia ahoana izany rahefa @ izao taona 2000 izao, mba mampirisika ny r-a-d sy ny mpanabe na ny sefo hoe "Think Outside The Box" ?
ok ok ... hors-suzE eee... :-)[/size]
138. RBNIR ( 08/08/2015 05:36)

Hajarilala7:

gasy1zay:

RBNIR > fa ianareo ve izany rehefa atao batisa dia tsy misy rano sa tsy hoe @ anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina? koa inona no tsy ampy raha sady nisy rano no natao t@ anaran'ny Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina?

Efa noezahin'ny namana nazavaina io fa tsy mitovy ny niainan'ny olona t@ andron'i JK sy ny tao aorianan'ny pentekoty ka tsy mitovy ny batisa talohan'io sy taorianany, mazava be hoe i Jaona nanao batisa hoan'ny fibebahana marika hita maso t@ zany hoe niova fitondratena ny olona iray,
"Izaho dia manao batisa anareo amin’ ny rano ho amin’ ny fibebahana"

tsy mbola nisy Fanahy Masina teo satria rehefa niakatra any an-danitra Jesoa zay vao haniraka ny Fanahy Masina :

Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy at? aminareo ny Mpananatra ; fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho at? aminareo Izy

"fa ny Mpananatra , dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo."

"fa Jaona nanao batisa tamin’ ny rano; fa hianareo kosa hatao batisa amin’ ny Fanahy Masina, rehefa afaka andro vitsivitsy."

Efa tonga ilay nilatsahan'ny Fanahy Masina efa ho 2000 taona lasa izay ka afaka atao ny batisan'ny rano sy ny fandraisana ny Fanahy Masina fa tsy voatery hisaraka intsony

"Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary hianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina"

Ka io ry RBNIR izao no hiainantsika taorian'ny pentekoty fa tsy misy hoe batisa @ rano dia avy eo batisa @ Fanahy Masina hafa indray.

Mikasika ilay hoe iza no naniraka indray dia mba vakio ity teny ity :
"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray"
Ahoana ny fahazoanao io? Miteny ve izy hoe izay apostoly, na izay mpianatro, na izay isehoko? Ka raha mahatsapa ianao hoe mino azy dia tokony mahatsiaro tena ho voahirany satria efa mazava be io hoe izy efa nankany @ Ray ka tsy ho hitantsika mivantana intsony.Fa marina ny anao hoe mila mivavaka mafy sy mitandrina tsara mba tsy hiteniteny zavatra tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra na ny tenin'ny baiboly.

RBNIR ô ! Raha vao mivoaka ny Soratra Masina hoy Paoly Apostoly ny fanambarana na fahitana sns... dia mieoebo izany olona izany, 1 Korintiana 4/ 6

Tsy azoko , izaho v no valianao eto namana sa ny namana gasy1zay???
139. RBNIR ( 10/08/2015 07:20)
gasy1zay:

Mikasika ilay hoe iza no naniraka indray dia mba vakio ity teny ity :
"Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray"
Ahoana ny fahazoanao io? Miteny ve izy hoe izay apostoly, na izay mpianatro, na izay isehoko? Ka raha mahatsapa ianao hoe mino azy dia tokony mahatsiaro tena ho voahirany satria efa mazava be io hoe izy efa nankany @ Ray ka tsy ho hitantsika mivantana intsony.Fa marina ny anao hoe mila mivavaka mafy sy mitandrina tsara mba tsy hiteniteny zavatra tsy mifanaraka @ sitrapon'Andriamanitra na ny tenin'ny baiboly.

Faly misera namana,
Raha manao ny asa nataony marina ny olona 1 dia mila mahafantatra ny tena sitrapon'Andriamanitra...
Tsy namorona aho fa nitondra toko sy andininy mazava (tsy naolakolaka)....Nisy naniraka daholo ireo olona nanao batisa ao amin'ny baiboly ireo ....Ireto koa no mpaniraka voalaza ao fa tsy hafa akory (Jehovah Ray, Jesosy Zanaka, na ny Fanahy Masina)........
140. bor2lais ( 10/08/2015 09:36)

RBNIR:

bor2lais:

RBNIR:

Aminao ary valio mazava : ireo apostoly petera sy ny namany v kristiainina sa tsia?

Oadray ! Fa t@ iza no nisehoan'ny Tompo rehefa nitsangana t@ maty Izy ? Ary iza no nirahiny andeha hanao mpianatra ny firenena rehetra ka hanao batisa azy @ Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ?

Io batisa io no antsoiko hoe batisa Kristiana !

Ary iza no nahazo hery t@ filatsahan'ny Fanahy Masina ka sahy nitoriteny tamin'ny andro pentekosta ?

Io toriteny io no mahatonga ny finoana (ny asam-pamonjena vitan'ny Tompo teo @ hazo fijaliana : tsy miverina in-2 intsony).

Io finoana io dia manomboka @ fahatsapantena fa mpanota ka mila mibebaka amin'ny Ray, dia mino fa io ota io no efa nentin'ny Zanaka nofantsihina teo @ hazo fijaliana. Ny Zanaka izay naharesy ny fahafatesana mariky ny fahateraham-baovao ho an'izay mino Azy (izay antsoina hoe Kristiana). Izany fahatsapantena fa nateraka indray izany no (tokony) miteraka fiovam-po na fiovan-toetra ary asan'ny Fanahy Masina izany (mandeha araka ny Fanahy).

Izany no hevitra ara-panahy fonosin'ny batisa Kristiana RBNIR a !

Ny tiako hambara dia izao : ny batisa (n)atao (t)amin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina (na batisa Kristiana) dia feno sady ampy tsy mila averina fanindroany intsony satria toy ny manombo fanindroany ny Tompo ny famerenana izany !

Ary tsy ny habetsaky ny rano nanaovana ny batisa no zava-dehibe fa ny fahatsapana ny hevitra fonosiny.

Fiainana ny batisa satria fanehoana fa isan'ny zanak'Andriamanitra ianao !

RBNIR:

Diniho tsara ny fampianaran-tsika namana sao dia lasa mpampianatra sandoka tsy fidiny eo fa adinin'Andriamanitra amin-tsika daholo anie izany e,
Izaho moa no haninona fa ianao no mampalahelo ahy....
Torohevitra mianara tsara aloha ny fampianara tsy misy kilema (raisina mivantana avy amin'i Jesosy tsy misy mpanelanelana)....efa natoroko ny misy azy....
Jesosy irery ihany no mahay ny fampianarana tsy misy kilema amin'izao fotoana izao fa ny sisan'izay mpandainga daholo....

:-)
Averiko any aminao ny fanamarihanao !
:-)

Mbola tsy niditra lalina isika aloha hatreto fa raha sitapon'ny Tompo dia hohitantsika ny tsy mahamety ny batisa sasany raha araka ny baiboly, ary ho hitantsika fa tena misy dia misy tokoa ireo izay noheverina ho batisa nefa tsy izy ry namana ary amin'izay tsy hoe averina atao batisa akory ilay olona fa izy mihitsy izy vao tena vita amin'ilay batisa tena takian'Andriamanitra......

:-) Naverina angaha ny batisa Kristiana natao tamin'i RBNIR satria nolazaina fa tsy izy ve ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2534