BATISA MARINA ???

81. rhaj0 ( 03/08/2015 17:44)
Ny olona izao ohatra, mety mi-inspirer azy ny tantaran'i Harry Potter.. Inona moa no maharatsy @ izany, raha ohatra ka hamarinina/hamafisina @ siansa ny zavatra ho atao? Ireny ny revirevin'ny Start Trek lasa misy application siantifika.

Fa tsy hoe, ny hanaovana zavatra iray, dia "satria hozy ny Gobblins Paul"

ka eritrereto tsara.. Na ianao azany ve ho'a tsy manao toatoa ny kristiana hafa namanao ihany ka :

NY SAIM-PANTANY NO LAZAINY FA "TENIN'ANDRIAMANITRA" HONO.
82. bor2lais ( 03/08/2015 17:59)
RBNIR:

Ry namana, rehefa voalaza fa 1 ny batisa dia tsy maintsy 1 ihany batisa no nanaovana an'i Jesosy sy izay olona rehetra natao batisa fahiny....Tsy possible mihitsy hisy diso ao amin'Andriamanitra satria Izy no parfait ary tompon'ny fahamarinana....

:-)
Tsy ny ao amin'Andriamanitra ange no olana RBNIR fa ao amina(re)o e !
Ampitovian'i RBNIR ve izany ny batisan'i Jesoa sy ny batisa Kristiana ?
:-)
83. gasy1zay ( 03/08/2015 18:34)

rhaj0:

toetra intrinseque @ finoana (kristiana) no "olana" amiko (sy ny atheista sy siantista... sasany)... "mahare feo" sy ny "divine inspiration", "mahita Atra @ rahona" sy izay resaka hita efa mazavabe fa absurde (na zaza garabola aza ho kofona).. dia IZANY anefa no anankinana ny fi(s)ainana... Ny saim-pantany no lazainy fa "tenin'A.tra" hono. Ary ireo Kristiana milaza-tena ho "tena izy" indrindra no tena danger public mpanao an'io.

Misy situation iray.. dia ahoana ny approche-nao?

Ny fahitako azy, raha mba sahala @ Obama, ka hoe "inspiration" ny finoana, fa hamarinina sy hamafisina siansa/teknolozia/sosiolozia/pisikolozia/... dia OK aho. Fa io nefa rahefa atao ny kaonty, raha ny fahitako azy, dia "approche siantifika" ihany farany no ataon'i Obama.. good.

Ka io rehefa tsy hainao ny momba ilay finoana na fivavahana dia izay "saim-patanao" no lazainao fa toetran'ny kristianina na ambaran'ny baiboly, fiangonana kristianina taiza no nilaza fa nahita an'Andriamanitra teny @ rahona? Raha mitranga izany dia efa faraandro isika izao raha ny fampianarana kristianina.

Izaho manokana izao tsy mbola nahare feo na divine inspiration fa tsy midika izany hoe tsy mbola nahazo valimbavaka aho fa izaho dia resy lahatra ary sahy mijoro vavolombelona hoe ny zavatra rehetra nangatahiko t@ Andriamanitra dia ny ankabeazany mba tsy ho lazaiko hoe izy rehetra dia tanteraka daoly na tsy tanteraka fa nahazo tsara lavitra noho ilay nangatahiko aho.

Amiko aloha ry rhaj0 rehefa fantako hoe mamaly vavaka ilay Andriamanitra ivavahako dia ampy ahy izay , mino ny fisiany aho, mino ny fitiavana, mino ny baiboly nahafahako nahalala azy, mino ny famonjen'i JK, mino ny fiainana mandrakizay

Tsy mila maheno feo aho ary tsy mila inspiration na sary eny @ rahona araky ny nambaranao ary indrindra tsy mila manamarina ny fisiany @ "siansa/teknolozia/sosiolozia/pisikolozia", misy Andriamanitra satria tsapako eo @ fiainako ny fisiany, fitiavany, ny heriny ...

Hilaza i rhaj0 hoe mahasoava ao ary e! dia hamaly aho hoe tena mahasoa ahy tokoa ny miaraka aminy e!
84. rhaj0 ( 03/08/2015 18:53)
Ka i Fihents izany efa mba nizara antsika teto ny valim-bavakany..

fihents:
fa tany an-tsaiko tany nisy niteny hoe aza maka lou, zay fotsin no teniny
rhaj0:
wow.. dia i A.tra izany "miteny anao" ao, hoz'ianao... dia i A.tra izany io nanome "business advice" anao io eee ...
fihents:
tsy hitady amin'olona na hisambotra fa manantena Anao aho.
rhaj0:
wow... dia nirahin'A.tra izany Ikala hanao business aminao eeee...

Mba tantarao (fanindroany) koa azany hoe ny anao ry Gasy1zay ? :-)
85. gasy1zay ( 03/08/2015 20:03)
Ooohhh oaayy eee! tena lava be raha ho tantaraina eto daoly fa hafoheziko ngamba na fintiniko @ grande catégorie

Fianarana :

Tena nivavaka foana isaky ny manala exam e!

Asa na coincidence firy raha izay exam vita zay fa dia afaka foana aloha hatreto raha exam fianarana, exam professionnel no nisy tsy afaka toy ny exam ENAM mpiasan'ny inspecteur des impôts

Asa :

Ny asa dia efa nolazaiko hoe rehefa nahavita fianarana ambony ny tena dia tsy nanana expérience afatsy stage, nentina ambavaka koa ny fitadiavana asa t@ izany, marina fa tsy voaray t@ asa noheritreretiko ho nety tamiko t@ voalohany, tsy kivy anefa fa nino foana hoe mbola hoavy ilay mahasoa sy valimbavaka, efa nahita asa tsy dia tiako aho no nivaly tampoka ilay asa efa nandrandraiko t@ mbola mpianatra, soa ihany fa mbola période d'essai t@ io ka afaka niala madiodio, tao @ io asa nahavoaray ahy io no nivoatra tsikelikely ny carrièreko dia zao tonga @ misy ahy izao, mbola misy dingana hafa miampy valimbavaka hafa teo antenantenany fa lava be raha tantaraina eto.
Fa raha fehiziko le resaka asa io dia izao, izaho na isika kristianina dia tsy mahalala ny hoavy, ny ampitso, ka izay no mety mahadiso antsika @ vavaka, mangataka asa heverintsika fa mety amintsika nefa Andriamanitra manana asa tsara lavitra noho iny fantany hoe TENA MAHASOA ANAO À LONG TERME. Nalahelo aho tsy voaray t@ ilay asa tsy nahavoaray ahy fa ankehitriny aho tena misaotra an'Andriamanitra tsy voaray t@ iny fa mety niova ny lalampiainako raha voaray tany za.

Aretina, fahasalamana, sns...

Izaho tsy hoe manao sport be, na manao régime santé loll, fa dia afaka ambarako hoe tsy mbola narary niditra hopital, tapaka , nididiana, sns izany, ka izany dia isaorako an'Andriamanitra daoly

Izany dia santinionany fotsiny fa mbola tsy noresahiko ny resaka vady sy tokantrano, ny fanambinana @ asa sy ny fivelomanay mivady fa tsy ny ahy fotsiny, ny fianaran'ny Ankizy sns sns ...

Raha ho tantaraina eto daoly ny soa rehetra azo t@ fanarahina ny Tompo mety tsy ampy ny fotoana sady ho lasa tsy anonyme intsony ny postko satria raha ny asa ohatra dia be mpahafantatra ilay niasako ary mora fantarina ilay olona eo @ ilay poste :D ny afaka ambarako dia betsaka no maniry te ho voaray @ toerana nahavoaray ahy fa raha izaho dia resy lahatra hoe valimbavaka no nahazoko io asa io fa tsy hoe izaho no mahay na mahafantatra olona na be diplaoma.
86. RBNIR ( 04/08/2015 04:58)

bor2lais:

RBNIR:

Ry namana, rehefa voalaza fa 1 ny batisa dia tsy maintsy 1 ihany batisa no nanaovana an'i Jesosy sy izay olona rehetra natao batisa fahiny....Tsy possible mihitsy hisy diso ao amin'Andriamanitra satria Izy no parfait ary tompon'ny fahamarinana....

:-)
Tsy ny ao amin'Andriamanitra ange no olana RBNIR fa ao amina(re)o e !
Ampitovian'i RBNIR ve izany ny batisan'i Jesoa sy ny batisa Kristiana ?
:-)

Faly misera namana,
« Izay* milaza fa mitoetra ao aminy izy, dia tsy maintsy mandeha toy izay nandehanany koa.» (1 Jao.2:6)
Tahin'i Jesosy namana...
87. RBNIR ( 04/08/2015 05:40)
Fanampiny namana bor2lais,
Tsy hoe i Kristy irery no natao an'io batisa io (ka andeha hilaza isika hoe Azy irery iny batsa iny f a tsy natao ho an'ny kristianina) satria tamin'iny fotoana iny dia nisy olona maro dia maro natao Batisa teo....
Ary izaho mino fa tsy maintsy nitovy ny batisa nataon'i Jaona tamin'i Kristy sy ireo olona marobe nanantona azy.......
Enga anie mba hino isika namana....

88. Strong3 ( 04/08/2015 07:50)
inona no atao hoe vavaka?
ary inona no atao hoe valim-bavaka?

:-) :-) :-) ... hafahafa izy izany na dia tao tsy maintsy izay aza hihih
89. Hajarilala7 ( 04/08/2015 08:37)

Strong3:

inona no atao hoe vavaka?
ary inona no atao hoe valim-bavaka?

:-) :-) :-) ... hafahafa izy izany na dia tao tsy maintsy izay aza hihih

Izay ilay fanontaniana tsara fipetraka! Misy afaka mamaly ve io?
90. Strong3 ( 04/08/2015 10:14)
eny hoa toa hoe : nivavaka dia niandry valiny dia nahazo 4x4 ... de hoe aleloia
91. rhaj0 ( 04/08/2015 10:24)
Misaotra an'i Gasy1zay k'lou mizara..

gasy1zay:
izaho na isika kristianina dia tsy mahalala ny hoavy (...) Andriamanitra...fantany hoe TENA MAHASOA ANAO À LONG TERME.
Raha ny fahazoako azy izany dia
- na "nivavaka" ianao na "tsy nivavaka",
- izay "faniriana" nanananao na tsia,
- na koa izay "ezaka" rehetra nataonao na tsia,
dia azo lazaina hoe, TSISY dikany daholo izany, fa izao no izy :
izay tapa-keviNY any ihany no (ho) tanteraka eo, koa dia "inoy" ary mahatokisa fa "mahasoa" anao izany.

gasy1zay:
tsy mbola narary ... dia isaorako an'Andriamanitra daoly
Koa na h@ fahasalamanao azany, dia TSISY dikany izay ataonao (sport) na hohaninao, fa IZY ihany koa no mandamina ny zava-drehetra ho anao ao... Rehefa (rahatrizay) marary ianao, dia ... sitrapoNY na fanapaha-keviNY ao koa izany, ka dia izay izany ("mety mahasoa anao a long terme" akoriny azany izany).

Izay ve?

92. rhaj0 ( 04/08/2015 10:36)
izay tapa-keviNY any ihany no (ho) tanteraka eo, koa dia "inoy" ary mahatokisa fa "mahasoa" anao izany.

Dia fanampiny kely... raha mbola ny fahazoako ny revin'i Gasy1zay, na ny Kristiana (sasany) ihany, dia :
- raha "hendry" ianao, manao na manaraka ny fombafomba voafaritra ao @ Baibl, dia ... fantaNY ny tokony ataoNY.
- Fa raha "maditra" ianao, na manota izany na koa tsy-mino ohatra, dia fantaNY koa ny tokony ataoNY. Efa voafaritra ao @ Baibl koa izany

izay ve?
93. Strong3 ( 04/08/2015 10:44)
hihihih ... :-) i rhaj0 io an
94. RBNIR ( 04/08/2015 11:57)
rhaj0:

izay tapa-keviNY any ihany no (ho) tanteraka eo, koa dia "inoy" ary mahatokisa fa "mahasoa" anao izany.

Dia fanampiny kely... raha mbola ny fahazoako ny revin'i Gasy1zay, na ny Kristiana (sasany) ihany, dia :
- raha "hendry" ianao, manao na manaraka ny fombafomba voafaritra ao @ Baibl, dia ... fantaNY ny tokony ataoNY.
- Fa raha "maditra" ianao, na manota izany na koa tsy-mino ohatra, dia fantaNY koa ny tokony ataoNY. Efa voafaritra ao @ Baibl koa izany

izay ve?

Ary raha apetraka aminao ny fanontaniana dia ny consciencenao no mamaly dia ahoana hoy ny consciensanao?
95. bor2lais ( 04/08/2015 12:55)
RBNIR > :-)
1. Jaona ve nanao batisa tamin'ny Anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina RBNIR ?
2. Natao ho an'iza io batisa amin'ny Anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina io ary Iza no naniraka hampanao azy ?
3. Mba azona(re)o omena ve ny hevitra ara-panahy fonosin'io batisa io ?
96. rhaj0 ( 04/08/2015 13:05)
rhaj0:
izay tapa-keviNY any ihany no (ho) tanteraka eo, koa dia "inoy" ary mahatokisa fa "mahasoa" anao izany.

Dia fanampiny kely... raha mbola ny fahazoako ny revin'i Gasy1zay, na ny Kristiana (sasany) ihany, dia :
- raha "hendry" ianao, manao na manaraka ny fombafomba voafaritra ao @ Baibl, dia ... fantaNY ny tokony ataoNY.
- Fa raha "maditra" ianao, na manota izany na koa tsy-mino ohatra, dia fantaNY koa ny tokony ataoNY. Efa voafaritra ao @ Baibl koa izany

izay ve?
RBNIR:
Ary raha apetraka aminao ny fanontaniana dia ny consciencenao no mamaly dia ahoana hoy ny consciensanao?

Conscience:
Perception chez l'homme de sa propre existence et du monde qui l'entoure.
Sens moral, jugement de valeur de ses propres actes.

Ny "perception"-ko sy ny "jugement de valeur"-ko dia miorina @ "vivre et laisser vivre" (entre autres)... izay ve mahavaly ny fanontanian'i RBNIR ?

(ny anareo kristiana (sasany) izao, raha ny fahazoako azy, dia ... famaritan-dRalarosy izany conscience izany fa peho ho A.tra/Baibl dia basy eee...)
97. gasy1zay ( 04/08/2015 13:31)

rhaj0:

Misaotra an'i Gasy1zay k'lou mizara..

gasy1zay:
izaho na isika kristianina dia tsy mahalala ny hoavy (...) Andriamanitra...fantany hoe TENA MAHASOA ANAO À LONG TERME.
Raha ny fahazoako azy izany dia
- na "nivavaka" ianao na "tsy nivavaka",
- izay "faniriana" nanananao na tsia,
- na koa izay "ezaka" rehetra nataonao na tsia,
dia azo lazaina hoe, TSISY dikany daholo izany, fa izao no izy :
izay tapa-keviNY any ihany no (ho) tanteraka eo, koa dia "inoy" ary mahatokisa fa "mahasoa" anao izany.

gasy1zay:
tsy mbola narary ... dia isaorako an'Andriamanitra daoly
Koa na h@ fahasalamanao azany, dia TSISY dikany izay ataonao (sport) na hohaninao, fa IZY ihany koa no mandamina ny zava-drehetra ho anao ao... Rehefa (rahatrizay) marary ianao, dia ... sitrapoNY na fanapaha-keviNY ao koa izany, ka dia izay izany ("mety mahasoa anao a long terme" akoriny azany izany).

Izay ve?

"Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana."

"Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany."

Ka raha misy ireo teny mamy ireo ve ry rhaj0 dia tsy hangataka ianao fa dia hanao arizato ampandriana ao? tena mampitombo ny finoana koa anie hoe ilay zavatra nangatahinao t@ vavaka iny mihintsy no nivaly e!

Jereo tsara ilay ohatra nambarako fa ilay faniriana nentina ambavaka dia TENA NIVALY TOKOA, fa ny endriny no tsy nitovy, asa A no nieritreretoko azo kanjo asa B no azoko saingy B tsara lavitra noho A, ary amiko raha samy efa nisy ilay asa A sy B t@ izao nivavaka voalohany dia efa B no nivavahako ho azo saingy t@ zany ilay asa A ihany no nisy sy afaka nipostulena.
Asa raha azon'i rhaj0 izany.

Fa io no nambarako hoe raha voaray t@ A za dia tsy voaray t@ B, ka amiko tena nahasoa ahy ny tsy voaray t@ A, saingy rehefa voaray t@ ilay Asa B aho dia tena nivaly ny faniriako, sy ny vavaka nataoko dia ny mba hahita asa tiako sy mba tsara e!

Tsy voatery mivavaka ianao raha mbola tsy mino sy tsy vonona ny hankato ny teniny fa raha tsy mivaly ilay izy dia vao maika ianao hilaza hoe tena tsy misy Andriamanitra sady tsy mamaly vavaka. Rehefa tena mangetaheta hitady an'Andriamanitra ianao dia izy eo foana miandry anao hiverindalana @ io tsy finoanao io.
98. rhaj0 ( 04/08/2015 13:44)
"Fa izay rehetra mangataka no mahazo"... f'izany hoe... raha TSY mahazo ianao na dia nangataka azany, dia ... izay indrindra no "tena mahasoa anao"... na koa "tsy izay angatahanao izay no zava-dehibe"

eny ho'a eeee... tena manana "amour inconditionnelle" marina amin'Atra ianao... fa tsy reciproque ilay izy, fa io anaovany "omeko-tsy-omeko" io ianao :-)
99. gasy1zay ( 04/08/2015 15:15)

Izay ilay finoana sy fahatokiana an'Andriamanitra hoe na tsy azo izao anio izao aza ilay nangatahinao dia mbola mino ianao fa ho azonao iny na ho ela na ho haingana Na hahazo tsara lavitra noho ilay nangatahinao ianao raha tsy mety aminao ilay noeritreretinao fa notadiavinao iny,

Tsy resaka omeko tsy omeko ry rhaj0 fa toy ny fitondranao ny zanakao ihany io a! Ny zanakao mangataka zavatra aminao, raha fantatrao hoe afaka omenao azy ilay izy dia omenao azy, fa raha zavatra tsy mety aminy ohatra hoe dangereux, na tsy mifanentana @ taonany, dia tsy omenao azy velively sao hanimba azy, raha tsy hoe izay nga ny fomba fitaizana aminao omena azy izay rehetra angatahiny. Ka raha ny olombelona aza mahay mandanjalanja hoe afaka omena ny zanako ity na tsia raha mangataka amiko izy ka maika va fa Andriamanitra?
100. Hajarilala7 ( 04/08/2015 15:16)

rhaj0:

"Fa izay rehetra mangataka no mahazo"... f'izany hoe... raha TSY mahazo ianao na dia nangataka azany, dia ... izay indrindra no "tena mahasoa anao"... na koa "tsy izay angatahanao izay no zava-dehibe"

eny ho'a eeee... tena manana "amour inconditionnelle" marina amin'Atra ianao... fa tsy reciproque ilay izy, fa io anaovany "omeko-tsy-omeko" io ianao :-)

Matio 6/ 33 dia milaza fa ny zanak'Andriamanitra dia tsy tokony zavatra momba ny eto an-tany no hangatahiny satria fantatry ny Rainy izay any an-danitra izay tokony ho azy. Ny jentilisa hoy Izy no mikatsaka izany fatratra. Ny Fanjakan'Andriamanitra no katsahiny ary izay zavatra rehetra tokony ahazoana izany no angatahina na katsahin'ny zanak'Andriamanitra!

Misy mantsy ny hivavahany dia ny hihinanany hanina na ahazo fiara, vady, asa eto an-tany sns... mampalahelo!

Ary eo no mahadiso ireo izay mitry

Ary
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1045