Nanafatra i Jesosy hoe:

1. voromailala ( 12/09/2013 09:27)
"Jésus déclarait à la foule: « Je vous le dis, à vous qui m'écoutez : Aimez vos ennemis, faites du bien à ceux qui vous haïssent.
Souhaitez du bien à ceux qui vous maudissent, priez pour ceux qui vous calomnient.
À celui qui te frappe sur une joue, présente l'autre. À celui qui te prend ton manteau, laisse prendre aussi ta tunique.
Donne à quiconque te demande, et ne réclame pas à celui qui te vole.
Ce que vous voulez que les autres fassent pour vous, faites-le aussi pour eux.
Si vous aimez ceux qui vous aiment, quelle reconnaissance pouvez-vous attendre ? Même les pécheurs aiment ceux qui les aiment."

Lalina io zavatra notenenin'i Jesoa io, firy amintsika no afaka hanaraka an'io lazainy io?

Izaho manokana aloha, mbola vitsy no zavatra afaka arahako anatin'io fa miezaka miandalana eny.
novalian'i Miharena ny 22/09/2013 03:39
2. bor2lais ( 12/09/2013 12:49)
"1. Aimez vos ennemis, faites du bien à ceux qui vous haïssent.
2. Souhaitez du bien à ceux qui vous maudissent,
3. priez pour ceux qui vous calomnient."
Hoy ilay olona nizara momba an'io izay :
Rehefa mahavita ny 1. ianao dia mandeha ho azy ny sisa ! :-)
Raha sarotra aminao ny manao ny 1. dia mba ataovy kosa ny 2. ...
Raha mbola miifikifidoha ianao amin'io 2. io dia ataovy ny 3. ...
Raha mbola tsy vitanao ihany ny 3. dia mieritrereta tena hoe mbola Kristiana aho ve sa tsia !! :-)
3. voromailala ( 12/09/2013 13:28)
bor2lais> :-) iny indray no tsy hitako. Tsara ilay hevitra.

raha misy mametaka ve ny takolakao avia dia homenao koa ny havanana? ary raha mbola asiany koa ny havanana, dia omena indray ve ny havia? :-)
4. Nehemiah ( 12/09/2013 14:14)

voromailala:
raha misy mametaka ve ny takolakao avia dia homenao koa ny havanana? ary raha mbola asiany koa ny havanana, dia omena indray ve ny havia? :-)

Fanamarihana kely : tsy midika mihitsy ny Mt. 5:39 fa tokony ho masochiste na manaiky lembenana ny kristiana
5. voromailala ( 12/09/2013 14:31)
Nehemiah> raha sipa manja be kosa be mamelaka ny takolakao :-), hoy ny gasy hoe felak'olontiana na marary aza hiafiana.


6. Nehemiah ( 12/09/2013 14:49)
Ny tiako iaviana dia tsy maintsy zohina ny kolon-tsaina nanoratana azy : kavanana ny ankamaroan'ny olona, ka raha mitehaka ny olona 1 @ takolaka havanana ny olona 1 dia ahoana ny anaovany azy ? Mamely @ vohon-tanana izy, ary neverina ho ompa ratsy be izany t@ Proche-Orient t@ andron'i Jesoa.

Ilay tena tian'ny andininy tenenina dia hoe aza mangala-tahaka ny mpanao ratsy, fa asio soa izy ireo
7. bor2lais ( 12/09/2013 16:27)
voromailala:

raha misy mametaka ve ny takolakao avia dia homenao koa ny havanana? ary raha mbola asiany koa ny havanana, dia omena indray ve ny havia?

Andramo anie rehefa avy mametaka ny takolakao havia izy dia atolory (atodika) azy ny havanana fa somary sahirana izy a ! :-)
8. moustaraf ( 12/09/2013 17:34)
Ekena fa misy an'io soratra io tokoa!
ary aza adino fa io toko sy andininy io no NAMPIASAN' IZAY FIRENENA KRISTIANA NANDEMY ny sain'ny firenena ho baboiny, sy nafafy t@ alalan'ireo misionera, mba ho kristiana bonaika sy tsy manana hambom-po intsony any am-parany!

Nalain'ny vazaha izay tsara rehetra tamintsika, dia avy @ io toko sy andininy io, Izay Gasy mba sahy manohitra indray aza no lazaina fa hafahafa, ary mandraka ankehitriny izany toe-tsaina izany!

Mila mahalala ny contexte isika:
1°Iza moa ireo vahoaka maro be izay nihaino t@ izany andro sy fotoana izany?
Ny jiosy, Samaritana, ny hafa firenena
Fantatra hatramin'ny fiverenana avy tany à fahababoana fa ny jiosy dia "Tsy manan-draharaha" @ samaritana satria olona hafa firenena mihitsy ireo no nampidirina tao Israely; mpifahavalo mihitsy aza raha @ fomba sy fanao =olona fady! maro ireo porofo ara-baiboly izay manazava an'io!
ka ny Objectif PRINCIPAL teto dia ny handrava an'izany fifandrafesana izany:
Tiavo ny fahavalonao, ataovy soa izay manisy ratsy anao....
Messages de réconciliation goavana io @ maha Mesia Mpampiahavana Azy, satria efa tena ratsy loatra ny fiarah-monina t@izany!
(Raha mitombona ny maha mpivavaka ny mpitondra eto M/kara dia io Message io ihany no afaka mamaha ny crise) avec AFFIRMATION

2°Io hafatra io koa dia fampihomanana ny vahoaka mpanara_dia azy ny @ hahafatesany:
Ny tenany io nolazainy io, ary isika rehetra mahalala fa izy no ilay" zanak'ondry moana teo an-tanan'ny mpanety azy"
Nahoana no tsy nisy révolte tao Jerosalema t@ namonoana Azy? Satria ny mpino tmin'izay dia efa nampihomaniny matetika fa tsy maintsy hijaly izy ary ho faty!
Ary ny ràny irery ihany no hanafaka @ fanandevazan'ny nofo!
9. Nehemiah ( 13/09/2013 06:08)
Maninona ho'aho no xénophobes tahak'izao ny gasy ankehitriny e ?
10. universal ( 13/09/2013 07:08)

voromailala - 12/09/2013 09:27
"Jésus déclarait à la foule: « Je vous le dis, à vous qui m'écoutez : Aimez vos ennemis, faites du bien à ceux qui vous haïssent.
Souhaitez du bien à ceux qui vous maudissent, priez pour ceux qui vous calomnient.
À celui qui te frappe sur une joue, présente l'autre. À celui qui te prend ton manteau, laisse prendre aussi ta tunique.
Donne à quiconque te demande, et ne réclame pas à celui qui te vole.
Ce que vous voulez que les autres fassent pour vous, faites-le aussi pour eux.
Si vous aimez ceux qui vous aiment, quelle reconnaissance pouvez-vous attendre ? Même les pécheurs aiment ceux qui les aiment."

Lalina io zavatra notenenin'i Jesoa io, firy amintsika no afaka hanaraka an'io lazainy io?



Ny lecture-ko amin'ireo voalazan'i Kristy ireo dia tsotra ihany: FITIAVANA, FANETRETENA ARY FANDEFERANA.

Anisan'ny nanatanteraka izany ary ny malaza indrindra amin'ireny dia i MAHATMA GANDHI izay tsy kristianina nefa dia afaka niaritra ny fampijaliana nianjady taminy ary tsy namaly mihitsy izy. Marobe ny olona naka azy ho modely ka nirona tany amin'ny "non-violence"toan-dry Martin luther King, Dalaî lama...


Gandhi: né le 2 Octobre 1869 à Porbandar, Goujerat et meurt le 30 Janvier 1948 (à 78ans).
il est plus connu et appelé en Inde "MAHATMA GANDHI" ( du Sanskrit, "Mahatma": Grande âme)
il était un dirigeant politique, mais aussi un important guide spirituel pour l'Inde et du mouvement pour l'indépendence de ce pays.
il a été un théoricien du Satyagraha (du Sanskrit, " étreinte de la vérité") (Satya=Vérité et Agraha=Saisie),la résistence à l'oppression à l'aide de la désobéissance civile de masse, fondé sur l'ahimsa (le fait totale de non violence) ce qui mena l'Inde à l'Indépendance.
Gandhi a aussi inspiré de nombreux mouvements dans le monde et de nombreuses personnalités, comme: Martin Luther King, le Dalaï Lama...
il a été reconnu comme le Père de la nation en Inde ils ont même fait de sa date de naissance une date férié. Cette date à été déclarée Journée International de la non- violence ( par l'Assemblée général des N ation Unies.


Morale de l'histoire: eto amin'ny forum tsy misy manome tefaka fa resaka no ifanakalozana, ka aza mora sendaotr'e, aza dia manandra-tena ho tena mahay raha e....
11. Nehemiah ( 13/09/2013 07:24)

universal:
Anisan'ny nanatanteraka izany ary ny malaza indrindra amin'ireny dia i MAHATMA GANDHI izay tsy kristianina nefa dia afaka niaritra ny fampijaliana nianjady taminy ary tsy namaly mihitsy izy.

Tiako marihina fa i Henry David Thoreau no nahazoan'i Gandhi aingam-panahy ho an'ny filôzôfiany mandà ny herisetra, ary mazava loatra fa avy t@ fampianaran'i Jesoa no nahazoan'i Thoreau an'izay aingam-panahy izay.
12. voromailala ( 13/09/2013 08:10)

bor2lais:

voromailala:

raha misy mametaka ve ny takolakao avia dia homenao koa ny havanana? ary raha mbola asiany koa ny havanana, dia omena indray ve ny havia?

Andramo anie rehefa avy mametaka ny takolakao havia izy dia atolory (atodika) azy ny havanana fa somary sahirana izy a ! :-)


:-)
izaho aloha mbola tsy nisy namelaka fa andraso rehefa hisy hamelaka andramako :-)

raha ireny ankizy voafelaka ireny ve no amanao izany mety hisy vokany?

13. universal ( 13/09/2013 09:23)

Nehemiah - 13/09/2013 07:24
Tiako marihina fa i Henry David Thoreau no nahazoan'i Gandhi aingam-panahy ho an'ny filôzôfiany mandà ny herisetra, ary mazava loatra fa avy t@ fampianaran'i Jesoa no nahazoan'i Thoreau an'izay aingam-panahy izay.




A titre d'information

1/ I Jesoa Kristy no niteny ireo teny ireo tao amin'ny baiboly fa tsy izy no namorona ny fitiavana, fandeferana sy ny fanetretena.

2/ Ny fitiavana sy ny fandeferana ary fanetretena dia efa taonjato maro talohan'i Kristy dia efa efa niainan'ny tatsinana,

3/ Ny tatsinana dia nilomano tanteraka tao anantin'ny "spiritualité", ary ny fototra iorenan'ny spiritualité dia ny fitiavana
- haka ohatra mazava aho: i Boudha Grand Maître Spirituel et ses disciples dia niaina 563ans avant JC dia efa niventy an'izany,
- Ny spiritualité dia efa nisy 4000 ans Avant JC, ary tsy misy ny spiritualité raha tsy misy ny fitiavana, maro ny Grands Maîtres spirituels nifandimby nandritra izany vanim-potoana izany.

3/ Miresaka foana aho Grand Maître any amin'ny tatsinana, ka araky ny tantara dia teo amin'ny faha 13 taonany i Kristy dia nanaraka caravane niatsinanana ary nandrato fiainana ara-panahy tany amin'ireo tatsinanana ireo, ary rehefa lasa Maître izy dia niverina tany amin'ny Jiosy ary ny zavatra nataony dia niantso disciples izy (fomba tatsinanana io schema Maître et disciple io fa tsy kristianina)ary niasa amin'izay. Arak'izany ny fampianaran'i Jesoa dia avy any Atsinanana.

4/ Farany i Gandhi dia guide spiriituel

14. voromailala ( 13/09/2013 10:04)
Taritin'i Nehemiah hoe avy amin'ny Jesoa na avy a min'ny baiboly daholo ny zavatra tsara rehetra ara spiritoaly. Araka filazan''i universal dia mety nianatra tany Inde mihintsy i Jesoa.

Io no nahatonga ny famafana ny tantaran'i Jesoa tao amin'ny baiboly 12 taona hatramin'ny 27 taona.

Izao kosa anefa, amiko dia i Jesoa no anisany Maitre Spirituel henjana indrindra.









15. Nehemiah ( 14/09/2013 06:44)

universal:
1/ I Jesoa Kristy no niteny ireo teny ireo tao amin'ny baiboly fa tsy izy no namorona ny fitiavana, fandeferana sy ny fanetretena.

2/ Ny fitiavana sy ny fandeferana ary fanetretena dia efa taonjato maro talohan'i Kristy dia efa efa niainan'ny tatsinana,

Raha azoko tsara tsy Andriamanitra Jesoa ? Kanefa impiry namerimberina Izy fa Andriamanitra. Nohon'izay dia na adala tsy misy toy izany Izy na mpandrebireby saim-bahoaka faran'izay lozabe.
Asakasakao aloha fa raha ny lôjika tsotra no arahina dia izay no izy, dia asa ny aiza @'ireto 3 ireto no inoanao.
16. Nehemiah ( 14/09/2013 06:51)

voromailala:

Taritin'i Nehemiah hoe avy amin'ny Jesoa na avy a min'ny baiboly daholo ny zavatra tsara rehetra ara spiritoaly. Araka filazan''i universal dia mety nianatra tany Inde mihintsy i Jesoa.

Io no nahatonga ny famafana ny tantaran'i Jesoa tao amin'ny baiboly 12 taona hatramin'ny 27 taona.

Ianao anie neveriko hoe "Tsy mino raha tsy mahita" e :-).
voromailala:
Izao kosa anefa, amiko dia i Jesoa no anisany Maitre Spirituel henjana indrindra.

Dia miverina amin'ny nolazaiko @ Universal etsy ambony isika : nilaza ny tenany impiry impiry ho Andriamanitra namorona an'izao tontolo izao Izy, kanefa raha tsy marina izay dia na adala izy na mpandainga, izany hoe tsy mba "Maitre Spirituel henjana indrindra".
17. bor2lais ( 14/09/2013 11:41)
universal:

Forum ny eto, samy afaka maneho hevitra daholo

:-)
18. universal ( 15/09/2013 11:24)

Nehemiah - 14/09/2013 06:44
Raha azoko tsara tsy Andriamanitra Jesoa ? Kanefa impiry namerimberina Izy fa Andriamanitra. Nohon'izay dia na adala tsy misy toy izany Izy na mpandrebireby saim-bahoaka faran'izay lozabe.
Asakasakao aloha fa raha ny lôjika tsotra no arahina dia izay no izy, dia asa ny aiza @'ireto 3 ireto no inoanao.



Miala tsiny aloha fa forum ny eto dia nilaza ny hevitro aho, ka arak'izany dia:
1/ tsy voatery horaisinao fa hevitra fotsiny ihany, hoy ny Ntaolo hoe: "ataovy toy ny voankazo an'ala e, raha mangidy re ario fa aza hoanina...
2/ Arak'izany, tsy tokony ifamaliana akory ny resaka, saingy hoy ianao: " Raha azoko tsara tsy Andriamanitra Jesoa ?" Raha tsy ho valiako ianao dia lasa miavonavona aho, ka dia hiezaka aho hamaly anao hoe: voasoratro tamin'ny fanehoan-kevitro ve fa tsy andriamanitra i Jesoa ? Heveriko fa tsy anjaranao ny mi-interpreter ny zavatra soratana eto amin'ny forum, na ny hiteny ny lojikako fa rehefa tsy mety aminao dia avelao fotsiny.

Manana ny fiheverako manokana an'i Jesoa aho ary mendrika izany Izy fa tsy ho resahiko eto mba tsy hisian'ny resabe.

Somary hisitaka kely eto amin'ny forum aloha ny tenanay noho ny Andraikitra sahanina...

SPIRITUELLEMENT VOTRE...

19. Nehemiah ( 16/09/2013 07:11)

universal:
Miala tsiny aloha fa forum ny eto dia nilaza ny hevitro aho, ka arak'izany dia:
1/ tsy voatery horaisinao fa hevitra fotsiny ihany, hoy ny Ntaolo hoe: "ataovy toy ny voankazo an'ala e, raha mangidy re ario fa aza hoanina...

Hoy koa ny Ntaolo hoe : "Teny zato, kabary arivo, fa ny iray ihany no marina"
universal:
2/ Arak'izany, tsy tokony ifamaliana akory ny resaka, saingy hoy ianao: " Raha azoko tsara tsy Andriamanitra Jesoa ?" Raha tsy ho valiako ianao dia lasa miavonavona aho, ka dia hiezaka aho hamaly anao hoe: voasoratro tamin'ny fanehoan-kevitro ve fa tsy andriamanitra i Jesoa ?

Ka izaho anie tsy mieritreritra ny hifamaly mihitsy e. Lazaiko fotsiny ny zava-misy sy ny corollaire-n'ny lôjikanao @ fomba hentitra. Tsy misy fahavinirana ny foko na variraiventy aza. Raha mahita fahavinirana @ teniko ianao dia ialako tsiny, ialako fondro, ialako salohy impito, fa tompon'andraikitra @ hevitra voizin'ny teniko aho fa tsy @ famoahan-kevitra mandringadringa ataon'ny sasany. Raha nahatsiaro ny tenanao ho voa ianao dia averiko indray mandeha : aza fady, aza tsiny.

Tsy hoe nilaza nivantana ianao fa tsy Andriamanitra i Jesoa, fa na dia ny ankizy 6 taona dia afaka mahita fa raha arahina ny teninao dia tsy Andriamanitra Andriananahary i Jesoa. Entaniko ianao hiverina hamaky tsara ny zavatra nolazaiko @ fomba objective ka manao izay tsy entim-po.
Heveriko fa tsy anjaranao ny mi-interpreter ny zavatra soratana eto amin'ny forum, na ny hiteny ny lojikako fa rehefa tsy mety aminao dia avelao fotsiny.

ny teninao nampitsiky an'i Bor2lais iny:
Forum ny eto, samy afaka maneho hevitra daholo

Nohon'izay, rehefa maneho hevitra ny olona iray dia efa azo heverina fa mihevitra an'izay hevitra izay ho marim-pototra izy, ka tokony vonona ny hiaro azy amin'ny fanoherana entin'ny sasany na miaiky azy ho diso na farafaharatsiny manao fikarohana kely (indrindrindrindra @ vanimpotoan'ny Aterineto) raha heveriny fa tsy ampy ny antontan-kevitra ananany.
Raha ohatra ka tsy mety aminao ilay izy dia mbola azonao atao ny misintaka tanteraka @ resaka, satria tsy misy inona na inona manery anao hanohy. Zoanao izany ary tsy ianao no ho voalohany ianao an'izay.

Fa ny hoe "rehefa tsy mety aminao dia avelao fotsiny" dia tsy inona fa mizàna tsindrin'ila : "afaka maneho hevitra malalaka ianareo fa rehefa tsy mifanaraka @ anay dia akombony ny vavanareo !" Efa olana rahateo ny fahafahana maneho hevitra @'ity firenena ity, fa raha mbola hiseho @'ity serasera ity koa izany hoe "hurlez autant que vous voudrez du moment que vous hurlez avec les loups" dia asa fotsiny.
20. voromailala ( 16/09/2013 07:55)
Nehemiah> Teneno hoe aiza ho aiza ao amin'ny baiboly no misy soratra miteny hoe i Jesoa dia Andriamanitra. na niteny Jesoa hoe izaho no Andriamanitrareo? Fa tsy mino aho raha tsy mahita :-)

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0431