Nanafatra i Jesosy hoe:

21. Nehemiah ( 16/09/2013 08:01)
Ahoana indray ny rohy faha2 nomeko anao etsy ambony ?
22. voromailala ( 16/09/2013 08:40)

Nehemiah:

Ahoana indray ny rohy faha2 nomeko anao etsy ambony ?


Amin'ity indray mitoraka indray dia tena hangataka mihintsy izaho hoe ny Baiboly no hamaly, hoe omeo tokony andininy ao amin'ny baiboly, na apokrify azany mialaza hoe i Jesoa dia Andriamanitra, na koa hoe niteny i Jesoa hoe izaho no Andriamanitrareo?

23. Nehemiah ( 16/09/2013 08:49)
Vakio ho'aho ny rohy nomeko anao satria ao ny valiny, fa aza kamo ara-tsaina.
24. voromailala ( 16/09/2013 09:05)
Nehemiah> Tsy ankamoana aratsaina izany, afaka mamaly fotsiny anie ianao hoe tsy misy an'izany anaty baiboly dia izay.
Izany akory tsy manamaivana ny fanazavanao momban'i Jesoa Andriamanitra.

Ary izaho mino fa i Jesoa dia lasa Kristy , lasa Andriamanitra , ary sika rehetra afaka ho lasa Kristy daholo, izany hoe Andriamanitra, satria zanak'Andriamanitra.
25. Nehemiah ( 16/09/2013 14:24)
Ianao rehefa manome rohy momban'ireny filôzôfia New Age-nao dia tsy mazàna lava dia lava (tahakan'ilay farany momba ny fampianaran'i Gurdjieff) na ela be, kanefa tsy mahavita mahavaky an'ilay rohy nomeko ianao ? Inona ary ity mizàna tsindrin'ila ity ?

Eto izany dia tsotra ny tsoa-kevitra, dia ny malhonnêteté intellectuelle-nao
26. voromailala ( 16/09/2013 14:39)
Nehemiah> izay filazanao azy tsy maninona, fa nametraka fanotaniana aho, kanefa tsy voatery ianao hamaly izany.

Izaho manokana dia miezaka hatrany mamaly ny fanontaniana izay vao manome rohy, na dia efa tany anatin'ilay rohy azany ny valiteny.Fa tsy voatery anefa ianao hanao ohatra an'izany ihany koa.

27. Nehemiah ( 16/09/2013 14:42)
Mametraka fanontaniana ianao, omeko rohy mankany @ valiny aho mba tsy hanoratra lava be, tsy jerenao akory ilay izy fa tonga dia lavinao, ahoana no tokony iantsoako an'izay ?
28. voromailala ( 16/09/2013 14:48)
vizaka be ve ianao raha haverinao eto ilay voasoratra anatin'ilay rohy? ilay toko anaty baiboly milaza fa i Jesoa dia Andriamanitra? na le rohy fotsiny azany haverina raha tena kamo ianao.
29. Nehemiah ( 16/09/2013 14:57)
Vizaka be ve ianao raha mamaky en diagonale ilay rohy ?
30. voromailala ( 16/09/2013 15:06)
omeo azany ilay rohy dia vakiako en diagonale dia jereko raha vizaka be za na tsia :-)
31. Nehemiah ( 16/09/2013 15:20)
http://forum.serasera.org/forum/message/m514d58f5da1ee#m5151a6853444a, ilay lohateny farany hoe "Nanonon-tena ho Andriamanitra tokoa ve i Jesoa ?" no ilainao, misy fanampim-panazavàna koa ny http://forum.serasera.org/forum/message/m515c2a80b823d, indrindrindrindra ny amban'ny lohateny hoe "Karazana Andriamanitra manahoana kay ?"
32. voromailala ( 16/09/2013 15:31)
Misaotra anao amin'izay.

Ireto ny adininy hitako tao

Jaona 17:3

Jaona 14:9

Tsy nahita filazana aho tao hoe Izaho Jesoa dia Andriamanitra, fa hoe izay nahita ny Ray dia nahita ahy koa. Io ilay lazaiko hoe rehefa lasa Kristy ny olona iray dia lasa miray amin'Andriamanitra.


Ilay rohy faharoa izany tsy mandeha.


Izay aloha fa rahampitso indray.

33. Nehemiah ( 17/09/2013 08:06)
Afa-baraka fa diso ny rohy faha2... Ity no tena izy :
http://forum.serasera.org/forum/message/m515c2a80b823d

Raha ny voalohany fotsiny manko no vakiana dia toa tsy maharesy lahatra loatra fa ny faha2 mihitsy no manazava misimisy kokoa
34. voromailala ( 17/09/2013 09:13)
Nehemiah>Misaotra anao amin'ilay rohy.

Soratako eto daholo zay tororohy hitako tao.


Jaona 8:58
58 Hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho.


Jaona 11:25
25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.

Jaona 8:12
Ny nampianaran’ i Jesosy indray teo an-kianjan’ ny tempoly, sy ny nahatezeran’ ny lehibe taminy

12 Ary Jesosy niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina.

Jaona 14:6
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.

Eksodosy 3:14
14 Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Mosesy: IZAHO, IZAY IZY HATRIZAY HATRIZAY KA HO MANDRAKIZAY. Ary hoy koa Izy: Izao no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely: IZAHO IZAY Izy no efa naniraka ahy ho at? aminareo.

Jaona 10:33
33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy [Gr. blasfemia, izahao Mat. 9,3] , satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.



Ireo nalaiko teo ambony ireo ny soratra masina hitako tao, asa na mety misy hadinoko ve.

Raha valin'ilay fanontaniako hoe nisy soratra ve hoe ianao ry Jesoa dia Andriamanitra, na koa niteny i Jesoa hoe izaho ny Andriamanitrareo izany tsy misy.

Avy eo raha ny fanazavanao an'izy ireo tokoa no jerena dia azo lazaina fa Andriamanitra Jesoa, kanefa maro ny fanazava azo havoitra amin'ireo
fehezanteny notsogainao ireo.
35. Nehemiah ( 17/09/2013 12:53)
Eny e, maro ny hevitra mety avoaka fa 1 ihany no marina satria 1 ihany ny hevitra tian'ny Fanahin'Andriamanitra ampitaina rehefa milaza zavatra 1.
36. voromailala ( 17/09/2013 13:34)
Nehemiah> Raha misy olon-kafa izao manazava ireo ka mifanalavitra amin'ny fanazavanao dia ny an'iza no marina? za aloha maka anao e :-)
37. Miharena ( 17/09/2013 13:40)
Tsy azoko loatra ny hifamaliana eto amin'ity resaka hoe Andriamanitra Jesoa sa tsia.

Sao dia heverin'ny Kristianina aza fa Izy no ivavahana toy ny mitsaoka an'Andriamanitra RAY?

Raha nanontany AZY ny Jiosy ho milaza ny tenany ho Andriamanitra, tsy novaliany ve hoe na ny Soratra izay vakian-dry zareo tao amin'ny Sinagoga aza milaza fa andriamanitra ny olona ?

Ny fanetren-tena no voalohany ahafahana milaza izany teny izany satria mahalala fa Fototra iray no niandohana na IZY Jesoa aza, ka mifanompo no tokony hatao fa tsy hifanebaka. Io no fototry ny fahendrena rehetra ary na inona na inona karazana fivavahana misy dia io no fototra iorenany. Miainga avy amin'ny RAY/RENY vao misy zanaka.
38. Nehemiah ( 17/09/2013 13:58)

voromailala:

Nehemiah> Raha misy olon-kafa izao manazava ireo ka mifanalavitra amin'ny fanazavanao dia ny an'iza no marina? za aloha maka anao e :-)

Tsy dia any @'ilay hoe iza no mahay miady hevitra ny resaka, satria ny fahaiza-mandahatra dia tsy midika fananana ny marina, fa @ hamarinam-pototry ny hevitra aroson'ny ts11.

Ohatra rehefa miady hevitra @ Vavolombelon'i Jehovah @ serasera momba an'izay resaka izay indrindra aho dia tsy maintsy manao fisainana mitamberina foana izy ireo, izany hoe miainga avy @ petra-kevitra fa manana ny marina izy ireo mba hanaporofoana fa manana ny marina izy ireo.
39. Nehemiah ( 17/09/2013 14:08)

Miharena:
Raha nanontany AZY ny Jiosy ho milaza ny tenany ho Andriamanitra, tsy novaliany ve hoe na ny Soratra izay vakian-dry zareo tao amin'ny Sinagoga aza milaza fa andriamanitra ny olona ?

Tsy izay mihitsy no tian'ilay Sal. 82:6 notanisain'i Jesoa tenenina fa miresaka momba ny mpitsara tsy marina ilay salamo, ka ny tiany tenenina dia nomen'Andriamanitra ny fahefany hitsara ny mpitsara, satria ny voambolana elohim dia ampiasaina koa ilazàna ny mpitsara @ Testamenta Taloha, indrindrindra @ Pentatioka.

Iza no milaza fa Andriamanitra isika olombelona ? Ilay menaràna @ Gen. 3:15
40. voromailala ( 17/09/2013 14:45)
Nehemiah> Lalina io resaka famaharinana io, fa amiko manokana raha mbola avy amin'ny alalan'ny saina sy ny soratra dia tsy ahita fahamarinana hiombonana mihintsy.

Ny masompanahy ihany no mahatsapa ny tena fahamarinana hiombonana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0102