Nanafatra i Jesosy hoe:

81. Miharena ( 20/09/2013 17:29)
Namana Nehemiah, raha ilay endrika fahatelo no resahanao dia efa misy zavatra fantatrao ve hoe tena izany mihitsy no izy? Raha zohina ny tantara dia nisy fisehoana taorian'ny niakaran'i Jesoa : I Saoly niova ho Paoly no nahita AZY.
Ka raha ny contexte izany no jerena dia tsy nisy fiandrasana ela akory dia niverina IZY ary niasa tao amin'ny Mpianatra hatramin'i Saoly izay nanenjika AZY.

Ny fiverenaNY tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina koa ve tsy azo raisina ho fiverenana sahady?

Ny tiana ambara dia hoe misy zavatra mahavery ny olona eo amin'ny voambolana ambara ao anaty Baiboly ao. Raha tamin'ny fotoanan'ny Apostoly dia voambara ny fiverenaNY dia mety efa tanteraka matoa nahavita asa fitoriana lehibe ny Apostoly.

Ny zavatra hita mitranga fotsiny isaky ny misy fisehoana na fitoriana lehibe dia tsy maintsy misy ny manohitra ka manjary tsy maintsy mamerina indray na mifidy olona hampita ny fisiaNY sy ny fikasaNY hatrany i Jesoa. Azo lazaina fa marina ilay tononkiran'ny mpino FJKM hoe : Miasa IZY tsy mba matory. Ka izany no itenenako hatrany hoe sao dia diso contexte izay milaza fa mbola hiverina IZY.
82. Nehemiah ( 21/09/2013 06:20)
Ka ny fiverenany @ rahon'ny lanitra hitsara ny velona sy ny maty anie no resahiko
83. Miharena ( 22/09/2013 03:39)
Dia eo indrindra namana Nehemiah no tokony hazavaina tsara fa tsy atao manjavozavo.
Raha jerena tsara ny filaharan'ny resak'i Jesoa dia nilaza Izy talohan'ny nandaozany ny tany hoe manana ondry hafa ivelan'ity vala ity Aho. Koa raha izany dia tsy mbola vita ny asaNY fa mitohy satria tsy maty IZY.

Ny tiana ambara amin'izany dia manana fironana mitory Jesoa maty ny Krisitianina ankehitriny. Nefa mazava ny teny ary matetika anefa ireny dia tsy raisin'ny Mpitandrina maro ara-bakiteny. Ohatra : hoy Jesoa tamin'ilay jiolahy niara-nihantona tamiNY : anio dia hihaona Amiko any am-Paradisa ianao. Io teny io dia nisy nanome hevitra be dia be fa tsy tonga dia noraisina mivantana hoe izay marina no izy.

Dia toy izany isika rehefa manao interpretation fa tsy mandray am-pahatsorana. Lasa toy ny manohana vato tsy hianjera ireny. Ny tiana ambara eto dia hoe voahozongozona amin'ny karazam-petra-kevitra ny fahamarinana tokony ho tsotra sy mazava.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3836