Nanafatra i Jesosy hoe:

41. Miharena ( 17/09/2013 15:19)
Hitanao namana Nehemiah! na ny fandraisana io teny ao amin'ny Genesisy io aza dia tsy mitovy ny fandraisaintsika azy. Ka mainka fa ny Jiosy izay nilazani' Jesoa hoe andriamanitra ianareo?

Ny manana Nehemiah izao no hitako voalohany toy ireo Jiosy ireo sartia tsy nihevitra mihitsy izy ireo hoe efa misy Sorata manambara fa zanak'Andriamanitra ry zareo tao anaty Boky. Dia nolaviny vao nilaza Jesoa hoe Andriamanitra IZY satria hoy izy ireo hoe olona ihany ianao koa no mialaz ny tenanao ho Andriamanitra?

Menarana hoy ianao : lainga tokoa io teny io hoe hitovy amin'Andriamanitra ianareo raha mihinana ny hazo. Izay endrik'Andriamanitra tsy mila mihinana hazo vao hitovy AMINY. Io lainga io no nampisarahan'ny menarana antsika tamin'Andriamanitra ary Jesoa milaza mazava hoe andriamanitra ianareo no marina.

Ka asa aloha hoe heverin'ny namana Nehemiah olona midehaka angaha moa izay milaza fahamarinana toy izany sa ahoana? Fa raha milaza izany aho namana dia noho ny fahatsapako fa fanetren-tena lehibe izany ary izay no hahafantarako ilay Jesoa tompoiko fa mety tsy araka ny fiheveranao azy. Izy dia nanasa ny tongotry ny mpianany fa tsy nitoetra teo ambony seza fiandrianana. Izy no milaza fa Mpiandry tsara mitady ny very nefa Andriamanitra ary manana tanjona ny hahafantaran'ny olona tsirairay fa zanak'Andriamanitra izy avy io. NahasahiaNY niteny hoe tiava ny fahavalonareo. Midika ao ambadika hoe endrik'Andriamanitra toa anao ihany ireny fa ny heviny no hafa mety tsy mitovy amn'ny anao.
42. Nehemiah ( 18/09/2013 05:34)
Manahaka an'Andriamanitra ny olombelona fa tsy Andriamanitra. Tsy misy olombelona mahavita mamorona zaka avy @ habaka @ herin'ny tenany izany.

Mitombina anie ny famoahan-kevitro. Inona no maha-krizy anao amin'izany ?
43. voromailala ( 18/09/2013 07:32)
Nehemiah> Marina fa isika izao dia manahaka an'Andriamanitra daholo, kanefa kosa afaka hotonga Kristy isika toa an'i Jesoa izay lasa nitambatra tamin'Andriamanitra, dia lasa Andriamanitra.

Tsy avy amin'ny alalan'ny nofo sy ra anefa no ahatongavantsika amin'izany fa avy amin'ny alalan'ny fanahintsika.

Tadidio fa ny fanahy no namorona ny nofontsika fa tsy ny nofotsika no namorona ny fanahy.

Ary i Jesoa azany niteny mihintsy hoe raha ambony ny finoantsika dia afaka manetsika tendrombohitra isika, izany midika fa rehefa lasa Kristy isika dia mahavita zavatra tsy eritreretin'ny saina hoe hovitantsika.


44. Nehemiah ( 18/09/2013 07:45)
Tsy "nitambatra tamin'Andriamanitra" i Kristy satria Andriamanitra rahateo, hatr@ talohan'ny nahariana an'izao tontolo izao.

Tsy isika no mahatonga ny tenantsika ho zanak'Andriamanitra (fa tsy hoe Andriamanitra) fa ny Fanahy Masina no manova antsika.

Tiako marihina koa fa tsy manome antsika alalana hangataka izay danin'ny kibontsika ny Mt. 17:19-20
45. Miharena ( 18/09/2013 08:30)
Nehemiah:

Manahaka an'Andriamanitra ny olombelona fa tsy Andriamanitra. Tsy misy olombelona mahavita mamorona zaka avy @ habaka @ herin'ny tenany izany.

Mitombina anie ny famoahan-kevitro. Inona no maha-krizy anao amin'izany


Tsy dia hoe krizy aho namana Nehemiah fa milaza izay fantatro aminao fotsiny.

Izay fandraisanao azy hoe zanak'Andriamanitra isika dia itoviantsika tokoa fa tsy mifanipaka fa ny momba ny fampiasanao ny genesisy no tsy itoviantsika fijery.

Fa eo ihany ianao milaza hoe tsy misy olona afaka mamorona avy amin'ny habaka amin'ny herin'ny tenany : Ny hany ambara fotsiny dia hoe ny herin'ny fanahy no iasan'ny olombelona satria izay no nomen'Andriamanitra azy, io na manahaka an'Andriamanitra ka tsy mahagaga raha nomena fahefana izy ireo dia izao hitantsika izao no asany avy. Ataonao fa tsy zavatra goavana angaha ireo rafi-pisainana rehetra noforonin'ny olombelona? Na dia ny famoronana ny vola fotsiny aza, ny kajy isan-karazany sy ny sisa dia mahatalanjona. Ireny no vokatry ny famoronana izay nomena ho fahefan'ny olombelona itovizany amin'ny Loharano nipoirany dia Andriamanitra izany.

Mila mahalala ny lova omena antsika koa isika mba tsy handairan'ny asan'ny mpamilivily hitadiavany tombony ho an'ny tenany amin'ny alalan'ny famonoana ny fanahin'ny maro ka hahazoany azy ireo ho eo ambany vahoany. Fahafahana no fitiavana lehibe indrindra omen'Andriamanitra. Ary tsy tokony hieritreritra mihitsy namana Nehemiah hoe izay danin'ny kibony no ataon'ny olona mahalala fa afaka mampiasa ny lovany avy amin'Andriamanitra. Ny mifanohitra amin'izany aza no miseho dia ny manasoa sy mizara mba ho afaka avokoa izay izaràna vaovao mahafaly.
46. voromailala ( 18/09/2013 08:37)
Nehemiah> jereo ny trinité. Iray, zanaka, fanahy. Andriamanitra izany 3 en 1. isika anie fanahy, isika resahako fa tsy ilay vatantsika, na ilay saintsika tsy ilay "Je".

Noho izany miverina lasa Andriamanitra isika rehefa mivoaka ny fanahintsika.

47. Nehemiah ( 18/09/2013 08:41)
Nahoana izany no tsy azon'izay " miverina lasa Andriamanitra" ny olo-masina @ Ap. 6:9-11 ? Mifanohitra tanteraka @ panthéisme (na ny panenthéisme aza) ny finoana kristiana e :-).
48. Nehemiah ( 18/09/2013 08:48)

Miharena:

Fa eo ihany ianao milaza hoe tsy misy olona afaka mamorona avy amin'ny habaka amin'ny herin'ny tenany : Ny hany ambara fotsiny dia hoe ny herin'ny fanahy no iasan'ny olombelona satria izay no nomen'Andriamanitra azy, io na manahaka an'Andriamanitra ka tsy mahagaga raha nomena fahefana izy ireo dia izao hitantsika izao no asany avy. Ataonao fa tsy zavatra goavana angaha ireo rafi-pisainana rehetra noforonin'ny olombelona? Na dia ny famoronana ny vola fotsiny aza, ny kajy isan-karazany sy ny sisa dia mahatalanjona

Na izany na tsy izany tsy misy olona mahavita mamorona zaka (na angovo aza) avy @ habaka :-)
49. Miharena ( 18/09/2013 08:54)
Inona moa ny atao hoe miara-manjaka ao amin'ny Apokalypsy namana Nehemiah?

Asa aloha na Kristianina izany na tsia. Sa ny hoe miara-manjaka dia hoe ianareo olomasina fa IZAHO Andriamanitra tsy azonareo ipetrahana io sezako io?

Hafahafa ohatra izay nahazo ilay naana Dahalo izay avy hatrany dia napetrak'i Jesoa teo ambony sezany. Hoy ilay ranamana hoe : tsy hipetraka eo aho fa aleo ho eto amin'ny tany ihany. Dia tsy navelaNY raha tsy nipetraka teo.

Toy ny nahazo an'i Petera ilay izy. Raha tsy sasako ny tongotrao hoy Jesoa dia tsy manana anjara amiko ianao.

Ka izy ity angamba tsy hoe fahaizana ilay karazana -isma -isma araka ny filazanao azy fa fanadihadiana izay tena tian'ny Soratra lazaina sy ny mitranga eo amin'ny olona izay fohazina.

50. Nehemiah ( 18/09/2013 08:56)
Miara-manjaka fa tsy hoe ho Andriamanitra
51. Miharena ( 18/09/2013 09:12)
Fa raha tsy manana ny lova tsara ianao dia hanorina fanjakana hafahafa rehefa hiaraka AMINY tokoa.

Mety mitovy ihany raha tonga dia atao amin'ny ohatra ankehitriny ilay izy. Hoy Jehovah, andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika. Dia natao ilay izy. Dia nanana ny heviny ireo dia izao zavamisy izao no nataony teo amin'ny fampiasana ny endrik'Andriamanitra. Efa nanjaka izany izy tsirairay avy. Tao ny namorona lalàna isaky ny ifrenena, tao ny namorona ady, tao no namorona ny vola sy fanjakazakana, tao no namorona ny fifaninanana. Dia io izy io, manomboka tsy voafehy satria ny sasany lasa malemy, ny sasany lasa materialista, ny sasany lasa manam-panahy an-dalàna...

Fa ny olana dia hoe tsy nisy nanana fahendrena izy ireo satria na dia izay fahalalàna an'Andriamanitra aza dia samy nanangana ny azy avy. Io ilay babela izay tsy hety ho tafatsangana mihitsy. Ka raha hiara-manjaka dia dia tokony ho afaka hanangana miaraka AMINY fa tsy ho lasa Babela faharoa tsy misy miorina eo.

Ny fahatsapana fa IRAY ao AMINY ihany no ahafahana manatanteraka ny sitrapoNY.
52. voromailala ( 18/09/2013 09:19)

Nehemiah:

Nahoana izany no tsy azon'izay " miverina lasa Andriamanitra" ny olo-masina @ Ap. 6:9-11 ? Mifanohitra tanteraka @ panthéisme (na ny panenthéisme aza) ny finoana kristiana e :-).

Ny olomasina anie ka ny olombelona no manapakevitra hoe lasa olomasina ranona sy ranona.

Ilay olona sy Andriamanitra irery ihany no mahafantatra hoe lasa niverina Andriamanitra izy, toy an'i Kristy zao.




53. Nehemiah ( 18/09/2013 12:51)
Miharena > Mazava loatra fa tsy hisy ny fahatsapàna raha tsy misy aloha ny fiverenana @ ;). Simban'ny ota ny endrik'Andriamanitra ao anatintsika (izany hoe izay zavatra mampitovy antsika @'Andriamanitra, fa tsy ny "sombin'Andriamanitry" ny mpandala ny New Age) ka tsy maintsy averina @ laoniny @ alalan'ny ran'i Jesoa Kristy. Na dia ny Jn. 17:22 dia efa milaza fa zavatra mbola tsy azo ny 'mah1' antsika sy Azy raha tsy miditra an-tsehatra Izy.

Voromailala > Tsy manova inona na inona izany fa tsy "miverina Andriamanitra" ny olomasina miverina @, ary tsy miharo anatin'Andriamanitra tahakan'ireny prôgrama hanin'ny Maître Contrôle Principal @ sarimihetsika Tron koa.
54. voromailala ( 18/09/2013 13:20)
Nehemiah> Ohatra ny tsy concetré izany ianao mamaly ahy. Tsisy teny avy amin'ny Baiboly :-).

Hoy izao ianao mantsy ahy hoe: rehefa mametraka teny amin'ny Baiboly aho lazainao fa baikon'ny baiboly, izao za tsy mametraka lazaina fa tsy concentré :-)

55. Nehemiah ( 18/09/2013 13:28)
Dia ?
56. voromailala ( 18/09/2013 14:14)
Nehemiah> Dia tapitra :-).
57. Nehemiah ( 18/09/2013 14:21)
?????

Tsy azoko mihitsy ny tianao iaviana
58. Miharena ( 18/09/2013 16:35)
Nehemiah:

Miharena > Mazava loatra fa tsy hisy ny fahatsapàna raha tsy misy aloha ny fiverenana @ . Simban'ny ota ny endrik'Andriamanitra ao anatintsika (izany hoe izay zavatra mampitovy antsika @'Andriamanitra, fa tsy ny "sombin'Andriamanitry" ny mpandala ny New Age) ka tsy maintsy averina @ laoniny @ alalan'ny ran'i Jesoa Kristy. Na dia ny Jn. 17:22 dia efa milaza fa zavatra mbola tsy azo ny 'mah1' antsika sy Azy raha tsy miditra an-tsehatra Izy.


Ilay hoe fiverenana no mety voambolana mahatonga antsika tsy mifankahazo. Toy ny heverina fa nandeha lavitra ny olona iray raha io fiverenana io lazaina. Fa inona moa no elanelana mety hisy ka hanalavirana an'Andriamanitra Tompon'ny rehetra?

Hoy IZY hoe ny fahotanareo no efitra mampisaraka Amiko aminareo. Efitra no lazaina fa tsy hoe manalavitra. rehefa ravàna ny efitra dia iray ihany fa ilay efitra fotsiny no mety matevina kokoa ho an'ny sasany dia milaza izy hoe lavitra ny RAY.

Azonao atao tsara ohatra ny manao efitra lamba, na efitra vy na efitra biriky matevina ary hitanao fa tsy mifanalavitra ianao sy ny olona ao an'ilan'efitra rehefa tena zohina fa ilay rindrina no manasarotra ny fifandraisana eo amin'ny roa tonta.

Ny fampianarana toy izany no tsy ampy amiko eo amin'ny fampifandraisana ny olona amin'ny Mpahary azy. Ilay fandrodanana ny efitra natsangana tao am-po no tiana lazaina eto Izay hahafahan'ny olona milaza fa tsy izy intsony no velona fa Kristy no velona ao anatiny satria iray izy ireo.

Ilay fomba fiheverana no mahatonga efitra matetika ary azontsika porofoina tsara izany eo amin'y olona roa tsy mitovy hevitra. Dia toy izany koa ny Ray sy ny olona izay manao ny azy samirery araka ny fiheverany azy na koa manara-driandrano miaraka amin'ny sarababem-bahoaka ka rehefa hoe tsy iraisana amin'ny besinimaro dia diso izay.
59. Nehemiah ( 19/09/2013 05:46)
Ka tsy ampy anie ny présence ara-panahy. Tsy hitanao ve fa nifanerasera nivantana t@'Andriamanitra i Adama sy Eva talohan'ny fahalavoana ? Ary tsy maintsy ho avy ny andro izay iverenan'i Jesoa ara-batana amin'izao tontolo izao. Ary na inona na inona hitranga dia hiaraka aminy mivantana mandrakizay ny mpino Azy.

Ny présence ara-panahy dia mbola tsy ilay tena "karama" fa "avance" fotsiny.
60. Miharena ( 19/09/2013 06:10)
Amiko indray dia tsy hoe tsy ampy ilay présence ara-panahy fa io no tsy misy eo amin'ny maro.

Raha miresaka an'i Adama sy Eva isika: ny fahatapahana dia eo amin'ny fomba fiheverana fa tsy teo amin'ny fifaneraserana tamin'i Jehovah. Azo raisina izany eo amin'i Kaina sy Abela ary ny fampianaran'i Adama sy Eva ny taranany hifandray hatrany amin'i Jehovah.

Izay no mahatogna ny teny hoe ilay endrika no misy manao exagération rehefa mitory teny ka hany ka lasa lavitra tokoa ny sain'ny olona manambara fa lavitra azy ny Ray. Ilay any an-danitra dia lasa hoe tena lavitra tsy takatra mihitsy. Na dia mivavaka isanandro aza izy amin'ny hoe Rainay izay any andanitra, hohamasinina anie ny Anaranao... Mahagaga fa lazaina fa lavitra any nefa resahana mivantana hanatanteraka ireo fikasana ao amin'ilay vavaka.

Ny mahagaga anankiray koa, tsy misy vavolombelona tsy nilaza fa sady afaka mankao amin'ny toerana misy ireo olona lazaina fa very no sady afaka mandeha any andanitra i Jesoa. Izany hoe tsy misy toerana tsy azony andehanana. Izay ilay hoe misy endrika ametrahana ilay fanahin'ny olona tsy ampy sy ampy eo. Ny tsy ampy no lasa voafefy f izay feno dia tsy voafefy na dia kely aza. Dia io no atao hoe efitra mila rodanina mba ho iray ny rehetra ao amin'ny RAY.

Ny dikan'izany dia hoe rodany ny rindrina dia andao hiaraka amin'ny RAY dieny eto fa tsy andrasana hodimandry vao hitady hoe aiza ny karama???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081