Andriamanitra tokoa ve i Jesoa ? Fizaràna voalohany : Inona no nolazain'i Jesoa momba ny tenany ?

1. Nehemiah ( 23/03/2013 07:25)
Efa mba nifanena t@ olona izay manitona ny fijery any @'izay rehetra alehany ve ianao ? Manana toetra feno mistery, tsy mety faritany izy izay mampisongadina azy @ olon-drehetra. Tahak'izay no niheveran'ny olona an'i Jesoa avy any Nazareta 2 000 taona lasa izay. Nefa kosa tsy ny toetoetran'i Jesoa ihany no nahatalanjona ny olona rehetra izay nihaino Azy. Ireo olona izay nahita ny fiainany sy naheno ny teniny dia mitantara antsika fa nisy zavatra momba an'i Jesoa Kristy izay tsy nitovy t@ olombelona hafa rehetra.

Tsy afaka mirehareha @'inona na inona i Jesoa, raha jerena @ fomba fijerin'ny olombelona. Tsy mba nanoratra boky izy na nanana fananana betsaka na nitarika tafika na firehana pôlitika. Nivezivezy 150 km farafahabeny miala @ tanàna nipetrahany Izy @ andavanandro, ary nanitona vahoaka maro be izay talanjona t@ teniny mihaiky sy ny asany mampitolagaga.

Kanefa mazava hatr@ voalohany ho an'izay rehetra nahita sy nihaino Azy ny fahalehibeazany. Adino anaty boky tantara ny ankabetsahan'ny olo-manga fahiny, nefa kosa, 2 000 taona aorian'ny nandalovany tety ambony tany, mbola lohahevitry ny boky aman'arivony izy ary mampisakorokoroka izaitsizy ny haino aman-jery ny momba azy. Ary ny mahatonga azy hisakorokoroka tahak'izao dia ny filazàna hentitra nataon'i Jesoa momba ny tenany (filazàna izay sady nahavaky vava ny mpomba azy no nahavaky vava ny fahavalony).

Ireo filazàna tsy manan-paharoa ireo no nahatonga ny mpisorona Jiosy sy ny manam-pahefàna Romana hihevitra azy ho loza. Zara fa fantatra avy aiza Izy, tsy nanana hery pôlitika Izy, tena tsy misy inona na inona azony ireharehana raha ny fijerin'olona Azy, kanefa, ao anatin'ny 3 taona monja nanaovany ministera, nanova an'izao tontolo izao @ fomba lalina Izy ary mbola hita maso ny vokatry ny fiovàna nentiny 2 000 taona aorianany. Mba nisy mpitondra fivavahana sy filôzôfa nitondra fiovàna t@ tantaran'ny olombelona, kanefa tsy misy na 1 aza afaka mitaha @'ity zanaka mpandrafitra tsy fantampantatra avy @ tanàna tsy fantampantatra t@ zanatany romana tsy dia manan-danja firy.

Inona angaha no nampiavaka an'i Jesoa Kristy ? Vitan'ny olo-manga fotsiny ve izy, sa misy zavatra hafa ankoatran'izay ?

Mipetraka ny fanontaniana : iza marina ary io lehilahy io ? Ny sasany dia mieritreritra fa mpampianatra fitondrantena goavana fotsiny Izy, ny sasany koa dia mieritreritra fa mpitondra an'ilay fivavahana goavana indrindra eran-tany Izy. Betsaka kosa ny mino fa ambony lavitra nohon'izay Izy. Mino ny Kristiana fa nanjary olombelona i Andriamanitra ary nitsidika antsika. Ary mino izy ireo fa manohana an'izay ny zava-misy.

Nandinika tsara mihitsy ny fiainana sy ny filazan'i Jesoa ilay mpampianatra tany @ oniversiten'i Cambridge sy mpandà an'Andriamanitra fahiny C.S. Lewis, ary nanatsoaka hevitra mahavariana indrindra izay nanova ny fizotran'ny fiainany 1 manontolo. Ka iza marina izany i Jesoa ? Maro ny olona izay hamaly an'izay fanontaniana izay hoe mpampianatra ara-pitondrantena lehibe Izy. Ka raha mandinika lalindalina kokoa ny momba an'ilay olona niteraka sakorokoroka be indrindra t@ tantaran'izao tontolo izao, mipetraka ny fanontaniana :

Mpampianatra ara-pitondrantena lehibe fotsiny ve i Jesoa ?

Na dia ny olona avy @ fivavahana hafa dia miaiky an'i Jesoa ho mpampianatra ara-pitondrantena faran'izay lehibe. Tena nanaja ny fiainana feno fahamarinana sy ny teny feno fahendren'i Jesoa ilay mpitondra karàna, Mahatma Gandhi.
Joseph Klausner, Jesus of Nazareth(New York: The Macmillan Co., 1946), 43, 44:
"It is universally admitted … that Christ taught the purest and sublimest ethics … which throws the moral precepts and maxims of the wisest men of antiquity far into the shade."

Marihina etoana fa Jiosy tsy kristiana i Joseph Klausner.

Nisy olona nilaza fa ny Toriteny teny @ Tendrombohitra nataon'i Jesoa no fampianarana momba ny fitondran-tenan'ny olombelona goavana indrindra izay naloakan'ny vavan'olombelona 1. Raha ny tena marina, ny ankamaroan'ny hevitra izay antsointsika hoe "fitovizan-jo" ankehitriny dia vokatry ny fampianaran'i Jesoa.

Will Durant, The Story of Philosophy(New York: Washington Square, 1961), 428.:
He lived and struggled unremittingly for ‘equal rights’; in modern times he would have been sent to Siberia. ‘He that is greatest among you, let him be your servant’—this is the inversion of all political wisdom, of all sanity.

Marihina etoana fa tsy kristiana ilay mpahay tantara Will Durant.

Betsaka ny olona tahakan'i Gandhi izay nanandrana nampisaraka ny fampianaran'i Jesoa momba ny fitondran-tena sy ny filazany momba ny tenany, ary mino fa olo-manga izay nampianatra fepetra ara-pitondrantena tsara be fotsiny izy. Izay izao no fomba fijerin'ny filoha amerikana Thomas Jefferson, anisan'ny "Founding Fathers" an'ny Etazonia. Izy dia nanety ary nametaka t@ lakôly (nanao "copier-coller" :) ) Testamenta Vaovao ary nesoriny teo ny andininy rehetra izay neveriny ho niresaka momba ny maha-Andriamanitra an'i Jesoa, sady navelany teo ny andininy momba ny fampianaran'i Jesoa ara-pitondran-tena. Nentiny miaraka @ foana itony Testamenta Vaovao "copié-collé" io, sady nankalaza an'i Jesoa @ maha-mpianatra ara-pitondran-tena lehibe indrindra t@ tantaran'izao tontolo izao.

Raha ny tena marina, niorim-paka t@ fampianaran'i Jesoa manao hoe manan-danja goavana dia goavana sady mitovy eo anatrehan'Andriamanitra ny olombelona rehetra, na lahy na vavy, na fotsy na mainty na mavo hoditra, na mpanana na mahantra, ny tenin'i Jefferson @ Fanambaràna Fahaleovan-tena Amerikana.
Fanambaràna Fahaleovan-tena Amerikana:
We hold these truths to be self-evident, that all men are created equal, that they are endowed by their Creator with certain unalienable Rights …
.

Kanefa misy fanontaniana iray izay mipetraka ary tsy novalian'i Jefferson : raha nandainga i Jesoa rehefa nilaza ny tenany ho Andriamanitra dia mba mpampianatra ara-pitondran-tena tsara ihany ve Izy ? Kanefa, mba nanon-tena ho Andriamanitra tokoa ve Izy ? Alohan'ny andinihantsika ny zavatra nolazainy, tsy maintsy mandinika antsika raha :

Mpitondra fivavahana lehibe fotsiny ve i Jesoa Kristy ?

Mahagaga fa tsy mba nanonon-tena na niseho ho mpitondra fivavahana lehibe i Jesoa. Tsy mba nidikiditra t@ resaka pôlitika ara-pivavahana na nanohana fandaharana pôlitika Izy, ary ivelan'ny rafitra ara-pivavahana efa nipetraka no nanaovany ny ministerany (tsy mba tahakan'i Rasendrahasina sy Razanakolona :) ).

Rehefa ampitahaina @ mpitondra fivavahana lehibe hafa i Jesoa dia misy fahasamihafàna misongadina. I Ravi Zacharias (tsy tangalamena io an :) ), izay notaizàna t@ kolon-tsaina hindoue, dia nianatra ny momba ny fivavahana eran'izao tontolo izao, ary nahita fahasamihafàna ifotony raha nampitaha an'i Jesoa Kristy sy ny mpamorona ny fivavahana lehibe hafa @'izao tontolo izao :

Ravi Zacharias, Jesus among Other Gods (Nashville, TN: Word, 2000), 89:
“In all of these, there emerges an instruction, a way of living. It is not Zoroaster to whom you turn; it is Zoroaster to whom you listen. It is not Buddha who delivers you; it is his Noble Truths that instruct you. It is not Mohammad who transforms you; it is the beauty of the Koran that woos you. By contrast, Jesus did not only teach or expound His message. He was identical with His message.”

Miharihary ny hamarinan'ny hevitr'i Zacharias rehefa mahatsikaritra antsika fa matetika dia matetika dia fintinin'i Jesoa hoe "Minoa Ahy" na "Manaraha Ahy" @ Evanjely. Sady nataony mazava fa tonga hamela ny heloky ny olombelona Izy, ary Andriamanitra irery no mahavita an'izany.

Huston Smith, in "The World's Great Religions":
Only two people ever astounded their contemporaries so much that the question they evoked was not ‘Who is he?’ but ‘What is he?’ They were Jesus and Buddha. The answers these two gave were exactly the opposite. Buddha said unequivocally that he was a mere man, not a god—almost as if he foresaw later attempts to worship him. Jesus, on the other hand, claimed … to be divine.

Ka mitondra antsika @ fanontaniana manaraka izany :

Nanonon-tena ho Andriamanitra tokoa ve i Jesoa ?

Ka inona izany no maharesy lahatra ny manam-pahaizana maro fa nanonon-tena ho Andriamanitra i Jesoa ? Manazava ilay mpanoratra John Piper fa naneho ny tenany ho manana fahefàna izay natokana ho an'Andriamanitra i Jesoa :

John Piper, The Pleasures of God (Sisters, OR: Multnomah, 2000), 35:
Jesus’ friends and enemies were staggered again and again by what he said and did. He would be walking down the road, seemingly like any other man, then turn and say something like, ‘Before Abraham was, I am.’ Or, ‘If you have seen me, you have seen the Father.’ Or, very calmly, after being accused of blasphemy, he would say, ‘The Son of Man has authority on earth to forgive sins.’ To the dead he might simply say, ‘Come forth,’ or, ‘Rise up.’ And they would obey. To the storms on the sea he would say, ‘Be still.’ And to a loaf of bread he would say, ‘Become a thousand meals.’ And it was done immediately."

Kanefa, inona marina no tena tian'i Jesoa tenenina @'ireny filazàna ireny ? Soa dia mba mpaminany tsotra tahakan'i Mosesy na Elia na Daniela Izy ? Kanefa indray, na dia vakiana maimaika fotsiny ny Evanjely dia efa ahitàna fa nanonon-tena ho ambony lavitra noho ny mpaminany tsotra Izy. Tsy mbola nisy mpaminany nanao filazàna toy izao momba ny tenany hatrizay ; raha ny tena marina, tsy mbola nisy mpaminany izay nanonon-tena ho Andriamanitra hatrizay.

Misy ny manantitra fa tsy mba niteny mihitsy i Jesoa hoe : "Andriamanitra Aho" @ Evanjely. Marina aloha fa tsy niteny mivantana mihitsy Izy hoe : "Izaho dia Andriamanitra." Fa kosa, tsy niteny mivantana mihitsy Izy hoe : "Olombelona tsotra Aho" na "Mpaminany tsotra Aho". Kanefa tsy azo lavina fa olombelona Izy, ary nihevitra Azy ho mpaminany tahakan'i Mosesy na Elia ny mpanaraka Azy. Ka @'izao aloha, tsy azontsika mandà biraingina fa Andriamanitra Izy nohon'ny antony hoe tsy niteny an'izay mivantana Izy, ary tsy azontsika lavina koa fa mpaminany Izy.

Raha ny tena marina, tsy mifandraika @ hevitra hoe i Jesoa dia olo-manga na mpaminany fotsiny ny filazany momba ny tenany. Nilaza imbetsaka ny tenany ho Zanak'Andriamanitra Izy. Rehefa nanontaniana i Bono, izay mpihira @ tarika rock irlandey fanta-daza U2, raha eritreritiny ho hafahafa izany hoe Zanak'Andriamanitra i Jesoa dia namaly izy hoe :

Bono:
“No, it’s not far-fetched to me. Look, the secular response to the Christ story always goes like this: He was a great prophet, obviously a very interesting guy, had a lot to say along the lines of other great prophets, be they Elijah, Muhammad, Buddha, or Confucius. But actually Christ doesn’t allow you that. He doesn’t let you off the hook. Christ says, No. I’m not saying I’m a teacher, don’t call me a teacher. I’m not saying I’m a prophet….I’m saying I’m God incarnate.” And people say: No, no, please, just be a prophet. A prophet we can take.”

Alohan'ny andinihana ny filazan'i Jesoa, tsy maintsy azontsika fa nataony tao anatin'ny contexte-n'ny finoana Jiosy @ Andriamanitra tokana (monothéisme) ireo filazàna ireo. Tsy misy Jiosy mahatoky izay hino Andriamanitra mihoatra ny 1. Ary nino an'Andriamanitra tokana i Jesoa, sady rehefa nivavaka t@ Rainy Izy dia nantsoiny hoe "Andriamanitra tokana sady marina". (Jn. 17:3).

Kanefa @'iny vavaka iny ihany no miteny i Jesoa fa niaraka talohan'ny fahariana an'izao tontolo izao Izy 2 (Jn. 17:5). Ary rehefa nangataka Azy mba haneho azy ireo ny Ray i Filipo dia novaliany hoe : "Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?" (Jn. 14:9)

Ka ny fanontaniana mipetraka eo izany dia : nanonon-tena ho ilay Andriamanitry ny Hebreo izay lazaina ho namorona an'izao tontolo izao ve i Jesoa ? Ary izay no ho fakafakaintsika @ fizaràna manaraka.
novalian'i smileyah ny 04/04/2013 07:31
2. Tefigasy ( 26/03/2013 10:35)
Raha mba te hahafantatra anao aho, dia tsy andeha handany andro hanontany ireo olona marobe manodidina anao, fa aleoko tonga dia ianao mihitsy no atonina, resahina, hanontaniana, hiaraha-monina, dia sur aho fa tena ho fantatro ianao.

Toa izany koa io Andriamanitra io: maro ny olona no te hahalala Azy, te hahafantatra Azy, nefa tsy manatona Azy akory, tsy miara-miaina Aminy akory, fa ny olona manodidina, ny antokom-piangonana etsy sy eroa no tetezina daholo: dia tsy mahagaga raha voajono isaky ny mihetsika izy ireny.

Tokana ny lalana raha te hahalala ny momba an'io Andriamanitra io ny olona iray: tsy mijery documents mameno disque dur na mandany bande passante, na boky mameno trano, na lova-tsofina etsy sy eroa fa : "manatona Azy, mandray Azy, manontany Azy ny sitra-pony, miara-mandeha Aminy ary Izy irery ihany fa tsy mila afangaroharo amin'izao vongan-javatra rehetra izao" Raha ireo no vitanao dia sur 100% aho fa hilaza ianao hoe "Jamba aho teo aloha fa mahiratra aho izao" ; "hitako ny lalantsara ka hizorako, azoko ny famonjena ka ho tanako"

Izao nefa no tsarovy: ety sy tery ny lalana mizotra makany Aminy ka sarotra ho an'ny olona ny mizotra amin'izany !
Sur
3. Nehemiah ( 26/03/2013 13:45)
Azoko an-tsaina tsara ny tianao tenenina namana. Kanefa ao koa ny 1 Pet. 3:15 sy ny 2 Kor. 10:5, izay manainga antsika mba hijoro hiaro ny finoana kristiana.

Ka ity lohahevitra ity dia tsy dia nataoko hitoriana ny Filazantsara loatra, fa ho apôlôjetika, izany hoe hiarovana ny finoana, mba hahita valiny ny olona tia karokaroka, ary mba hanoherana ny faniratsiran'ny tsy mpino.
4. didi10 ( 28/03/2013 06:46)
Toa variana eo amin'ny sehatry ny finoana tokoa isika Kristiana, tsara ny mandalina ny finoana, betsaka ny tombontsoa azo avy aminy na amin'ny ara-nofo na ara-panahy saingy efa niteny Jesosy fa tsy ny finoana ny lehibe indrindra na ny fanantenana fa ny fitiavana, fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeNY ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy, (Jao 3,16) raha nahavonjy ny fijanonana teo amin'ny finoana dia tsy tonga tety an-tany Jesosy, fa maty Izy mba hamonjy antsika ary nitsangana izy ho famantarana fa Izy tokoa ilay zanak'Andriamanitra velona hahatonga ny finoana.

Aza mijanona eo amin'ny fitoriana ny finoana namana fa midira amin'ny famonjena, torio ny famonjena dia ny fibebahana, ny batisan'ny rano ary ny batisan'ny fanahy masina ary ny faharetana amin'ny finoana mba tsy hihemotra.
5. smileyah ( 28/03/2013 07:20)
Didi10>> Mametraka ianao eto : batisan'ny rano ary ny batisan'ny Fanahy Masina. Misy batisa roa samihafa izany? Ary andro samihafa no anaovana azy ve? Ary misy koa milaza hoe batisan'ny fibebahana. Ahoana izany?
6. didi10 ( 28/03/2013 08:15)
Mahafinaritra ny fanontanianao ka ho valiako am-pitiavana.

Samy hafa ny atao hoe Batisan'ny rano na batisan'ny fibebahana sy ny Batisan'ny Fanahy Masina,

Ny batisan'ny rano na antsoina koa hoe batisan'ny fibebahana dia ianao no misafidy ny fotoana hanaovana azy rehefa avy nianatra ny sitrapon'Andriamanitra ka nahalala ireo fahotana izay mila diovina amin'ny alalan'ny fibebahana, ny fibebahana (miaiky heloka, mivoady fa tsy hamerina intsony ary tsy handika ny didy intsony) dia famantsihana ny tenan'ny ota miaraka amin'i Kristy eo amin'ny hazo fijaliana mba ka namafany ny fahotantsika amin'ny ràNY. Ny fanitrihana anaty rano dia fandevenana anao maty amin'ny ota ary ny fivoahana ao anaty rano dia fahaterahana ho lasa olom-baovao tonga zanak'Andriamanitra.

Ny batisan'ny Fanahy Masina dia angatahina, fanomezana ny Fanahy Masina ary Jesosy ihany no afaka mahafantatra ny fotoana mety hilatsahany voalohany aminao, tsy voatery any am-piangonana, na eny am-panaovana Batisa na hametrahan-tànana fa mety ho azonao n'aiza n'aiza hanirianao Azy ho tonga ao aminao. Marihina anefa fa matetika dia ny olona mafana amin'ny vavaka sy mivavaka maharitra ary mangetaheta fatratra ihany no mora mahazo azy.

Mahereza namana, mazotoa amin'ny fandraisana ny famonjena.
7. smileyah ( 28/03/2013 12:55)
Didi10>> Hoy i Jesoa : izay mino ka hatao batemy dia ho voavonjy. Iza amin'ireo batemy voalazanao ireo ary no lazainy?
8. didi10 ( 28/03/2013 13:04)

smileyah:

Didi10>> Hoy i Jesoa : izay mino ka hatao batemy dia ho voavonjy. Iza amin'ireo batemy voalazanao ireo ary no lazainy?

iZY 2
9. smileyah ( 28/03/2013 14:41)
Didi10>> Raha zohina ny fanazavanao dia tsy ho voavonjy izany izay tsy vita batemy faha2( batemy Fanahy izay mety mbola any aoriana zay vao azo),na dia vita batemy voalohany (rano). Satria izay minop ka hatao batemy ihany no ho voavonjy ary ianao dia milaza fa le batemy izy roa io lazaina eto io izay tsy andro iray no anaovana azy fa andro samihafa.
10. Ratsirano ( 29/03/2013 13:56)
Nehemiah:

Efa mba nifanena t@ olona izay manitona ny fijery any @'izay rehetra alehany ve ianao ? Manana toetra feno mistery, tsy mety faritany izy izay mampisongadina azy @ olon-drehetra. Tahak'izay no niheveran'ny olona an'i Jesoa avy any Nazareta 2 000 taona lasa izay. Nefa kosa tsy ny toetoetran'i Jesoa ihany no nahatalanjona ny olona rehetra izay nihaino Azy. Ireo olona izay nahita ny fiainany sy naheno ny teniny dia mitantara antsika fa nisy zavatra momba an'i Jesoa Kristy izay tsy nitovy t@ olombelona hafa rehetra.

Tsy afaka mirehareha @'inona na inona i Jesoa, raha jerena @ fomba fijerin'ny olombelona. Tsy mba nanoratra boky izy na nanana fananana betsaka na nitarika tafika na firehana pôlitika. Nivezivezy 150 km farafahabeny miala @ tanàna nipetrahany Izy @ andavanandro, ary nanitona vahoaka maro be izay talanjona t@ teniny mihaiky sy ny asany mampitolagaga.

Kanefa mazava hatr@ voalohany ho an'izay rehetra nahita sy nihaino Azy ny fahalehibeazany. Adino anaty boky tantara ny ankabetsahan'ny olo-manga fahiny, nefa kosa, 2 000 taona aorian'ny nandalovany tety ambony tany, mbola lohahevitry ny boky aman'arivony izy ary mampisakorokoroka izaitsizy ny haino aman-jery ny momba azy. Ary ny mahatonga azy hisakorokoroka tahak'izao dia ny filazàna hentitra nataon'i Jesoa momba ny tenany (filazàna izay sady nahavaky vava ny mpomba azy no nahavaky vava ny fahavalony).

Ireo filazàna tsy manan-paharoa ireo no nahatonga ny mpisorona Jiosy sy ny manam-pahefàna Romana hihevitra azy ho loza. Zara fa fantatra avy aiza Izy, tsy nanana hery pôlitika Izy, tena tsy misy inona na inona azony ireharehana raha ny fijerin'olona Azy, kanefa, ao anatin'ny 3 taona monja nanaovany ministera, nanova an'izao tontolo izao @ fomba lalina Izy ary mbola hita maso ny vokatry ny fiovàna nentiny 2 000 taona aorianany. Mba nisy mpitondra fivavahana sy filôzôfa nitondra fiovàna t@ tantaran'ny olombelona, kanefa tsy misy na 1 aza afaka mitaha @'ity zanaka mpandrafitra tsy fantampantatra avy @ tanàna tsy fantampantatra t@ zanatany romana tsy dia manan-danja firy.

Inona angaha no nampiavaka an'i Jesoa Kristy ? Vitan'ny olo-manga fotsiny ve izy, sa misy zavatra hafa ankoatran'izay ?

Mipetraka ny fanontaniana : iza marina ary io lehilahy io ? Ny sasany dia mieritreritra fa mpampianatra fitondrantena goavana fotsiny Izy, ny sasany koa dia mieritreritra fa mpitondra an'ilay fivavahana goavana indrindra eran-tany Izy. Betsaka kosa ny mino fa ambony lavitra nohon'izay Izy. Mino ny Kristiana fa nanjary olombelona i Andriamanitra ary nitsidika antsika. Ary mino izy ireo fa manohana an'izay ny zava-misy.

Nandinika tsara mihitsy ny fiainana sy ny filazan'i Jesoa ilay mpampianatra tany @ oniversiten'i Cambridge sy mpandà an'Andriamanitra fahiny C.S. Lewis, ary nanatsoaka hevitra mahavariana indrindra izay nanova ny fizotran'ny fiainany 1 manontolo. Ka iza marina izany i Jesoa ? Maro ny olona izay hamaly an'izay fanontaniana izay hoe mpampianatra ara-pitondrantena lehibe Izy. Ka raha mandinika lalindalina kokoa ny momba an'ilay olona niteraka sakorokoroka be indrindra t@ tantaran'izao tontolo izao, mipetraka ny fanontaniana :

Mpampianatra ara-pitondrantena lehibe fotsiny ve i Jesoa ?

Na dia ny olona avy @ fivavahana hafa dia miaiky an'i Jesoa ho mpampianatra ara-pitondrantena faran'izay lehibe. Tena nanaja ny fiainana feno fahamarinana sy ny teny feno fahendren'i Jesoa ilay mpitondra karàna, Mahatma Gandhi.
Joseph Klausner, Jesus of Nazareth(New York: The Macmillan Co., 1946), 43, 44:
"It is universally admitted … that Christ taught the purest and sublimest ethics … which throws the moral precepts and maxims of the wisest men of antiquity far into the shade."

Marihina etoana fa Jiosy tsy kristiana i Joseph Klausner.

Nisy olona nilaza fa ny Toriteny teny @ Tendrombohitra nataon'i Jesoa no fampianarana momba ny fitondran-tenan'ny olombelona goavana indrindra izay naloakan'ny vavan'olombelona 1. Raha ny tena marina, ny ankamaroan'ny hevitra izay antsointsika hoe "fitovizan-jo" ankehitriny dia vokatry ny fampianaran'i Jesoa.

Will Durant, The Story of Philosophy(New York: Washington Square, 1961), 428.:
He lived and struggled unremittingly for ‘equal rights’; in modern times he would have been sent to Siberia. ‘He that is greatest among you, let him be your servant’—this is the inversion of all political wisdom, of all sanity.

Marihina etoana fa tsy kristiana ilay mpahay tantara Will Durant.

Betsaka ny olona tahakan'i Gandhi izay nanandrana nampisaraka ny fampianaran'i Jesoa momba ny fitondran-tena sy ny filazany momba ny tenany, ary mino fa olo-manga izay nampianatra fepetra ara-pitondrantena tsara be fotsiny izy. Izay izao no fomba fijerin'ny filoha amerikana Thomas Jefferson, anisan'ny "Founding Fathers" an'ny Etazonia. Izy dia nanety ary nametaka t@ lakôly (nanao "copier-coller" :) ) Testamenta Vaovao ary nesoriny teo ny andininy rehetra izay neveriny ho niresaka momba ny maha-Andriamanitra an'i Jesoa, sady navelany teo ny andininy momba ny fampianaran'i Jesoa ara-pitondran-tena. Nentiny miaraka @ foana itony Testamenta Vaovao "copié-collé" io, sady nankalaza an'i Jesoa @ maha-mpianatra ara-pitondran-tena lehibe indrindra t@ tantaran'izao tontolo izao.

Raha ny tena marina, niorim-paka t@ fampianaran'i Jesoa manao hoe manan-danja goavana dia goavana sady mitovy eo anatrehan'Andriamanitra ny olombelona rehetra, na lahy na vavy, na fotsy na mainty na mavo hoditra, na mpanana na mahantra, ny tenin'i Jefferson @ Fanambaràna Fahaleovan-tena Amerikana.
Fanambaràna Fahaleovan-tena Amerikana:
We hold these truths to be self-evident, that all men are created equal, that they are endowed by their Creator with certain unalienable Rights …
.

Kanefa misy fanontaniana iray izay mipetraka ary tsy novalian'i Jefferson : raha nandainga i Jesoa rehefa nilaza ny tenany ho Andriamanitra dia mba mpampianatra ara-pitondran-tena tsara ihany ve Izy ? Kanefa, mba nanon-tena ho Andriamanitra tokoa ve Izy ? Alohan'ny andinihantsika ny zavatra nolazainy, tsy maintsy mandinika antsika raha :

Mpitondra fivavahana lehibe fotsiny ve i Jesoa Kristy ?

Mahagaga fa tsy mba nanonon-tena na niseho ho mpitondra fivavahana lehibe i Jesoa. Tsy mba nidikiditra t@ resaka pôlitika ara-pivavahana na nanohana fandaharana pôlitika Izy, ary ivelan'ny rafitra ara-pivavahana efa nipetraka no nanaovany ny ministerany (tsy mba tahakan'i Rasendrahasina sy Razanakolona :) ).

Rehefa ampitahaina @ mpitondra fivavahana lehibe hafa i Jesoa dia misy fahasamihafàna misongadina. I Ravi Zacharias (tsy tangalamena io an :) ), izay notaizàna t@ kolon-tsaina hindoue, dia nianatra ny momba ny fivavahana eran'izao tontolo izao, ary nahita fahasamihafàna ifotony raha nampitaha an'i Jesoa Kristy sy ny mpamorona ny fivavahana lehibe hafa @'izao tontolo izao :

Ravi Zacharias, Jesus among Other Gods (Nashville, TN: Word, 2000), 89:
“In all of these, there emerges an instruction, a way of living. It is not Zoroaster to whom you turn; it is Zoroaster to whom you listen. It is not Buddha who delivers you; it is his Noble Truths that instruct you. It is not Mohammad who transforms you; it is the beauty of the Koran that woos you. By contrast, Jesus did not only teach or expound His message. He was identical with His message.”

Miharihary ny hamarinan'ny hevitr'i Zacharias rehefa mahatsikaritra antsika fa matetika dia matetika dia fintinin'i Jesoa hoe "Minoa Ahy" na "Manaraha Ahy" @ Evanjely. Sady nataony mazava fa tonga hamela ny heloky ny olombelona Izy, ary Andriamanitra irery no mahavita an'izany.

Huston Smith, in "The World's Great Religions":
Only two people ever astounded their contemporaries so much that the question they evoked was not ‘Who is he?’ but ‘What is he?’ They were Jesus and Buddha. The answers these two gave were exactly the opposite. Buddha said unequivocally that he was a mere man, not a god—almost as if he foresaw later attempts to worship him. Jesus, on the other hand, claimed … to be divine.

Ka mitondra antsika @ fanontaniana manaraka izany :

Nanonon-tena ho Andriamanitra tokoa ve i Jesoa ?

Ka inona izany no maharesy lahatra ny manam-pahaizana maro fa nanonon-tena ho Andriamanitra i Jesoa ? Manazava ilay mpanoratra John Piper fa naneho ny tenany ho manana fahefàna izay natokana ho an'Andriamanitra i Jesoa :

John Piper, The Pleasures of God (Sisters, OR: Multnomah, 2000), 35:
Jesus’ friends and enemies were staggered again and again by what he said and did. He would be walking down the road, seemingly like any other man, then turn and say something like, ‘Before Abraham was, I am.’ Or, ‘If you have seen me, you have seen the Father.’ Or, very calmly, after being accused of blasphemy, he would say, ‘The Son of Man has authority on earth to forgive sins.’ To the dead he might simply say, ‘Come forth,’ or, ‘Rise up.’ And they would obey. To the storms on the sea he would say, ‘Be still.’ And to a loaf of bread he would say, ‘Become a thousand meals.’ And it was done immediately."

Kanefa, inona marina no tena tian'i Jesoa tenenina @'ireny filazàna ireny ? Soa dia mba mpaminany tsotra tahakan'i Mosesy na Elia na Daniela Izy ? Kanefa indray, na dia vakiana maimaika fotsiny ny Evanjely dia efa ahitàna fa nanonon-tena ho ambony lavitra noho ny mpaminany tsotra Izy. Tsy mbola nisy mpaminany nanao filazàna toy izao momba ny tenany hatrizay ; raha ny tena marina, tsy mbola nisy mpaminany izay nanonon-tena ho Andriamanitra hatrizay.

Misy ny manantitra fa tsy mba niteny mihitsy i Jesoa hoe : "Andriamanitra Aho" @ Evanjely. Marina aloha fa tsy niteny mivantana mihitsy Izy hoe : "Izaho dia Andriamanitra." Fa kosa, tsy niteny mivantana mihitsy Izy hoe : "Olombelona tsotra Aho" na "Mpaminany tsotra Aho". Kanefa tsy azo lavina fa olombelona Izy, ary nihevitra Azy ho mpaminany tahakan'i Mosesy na Elia ny mpanaraka Azy. Ka @'izao aloha, tsy azontsika mandà biraingina fa Andriamanitra Izy nohon'ny antony hoe tsy niteny an'izay mivantana Izy, ary tsy azontsika lavina koa fa mpaminany Izy.

Raha ny tena marina, tsy mifandraika @ hevitra hoe i Jesoa dia olo-manga na mpaminany fotsiny ny filazany momba ny tenany. Nilaza imbetsaka ny tenany ho Zanak'Andriamanitra Izy. Rehefa nanontaniana i Bono, izay mpihira @ tarika rock irlandey fanta-daza U2, raha eritreritiny ho hafahafa izany hoe Zanak'Andriamanitra i Jesoa dia namaly izy hoe :

Bono:
“No, it’s not far-fetched to me. Look, the secular response to the Christ story always goes like this: He was a great prophet, obviously a very interesting guy, had a lot to say along the lines of other great prophets, be they Elijah, Muhammad, Buddha, or Confucius. But actually Christ doesn’t allow you that. He doesn’t let you off the hook. Christ says, No. I’m not saying I’m a teacher, don’t call me a teacher. I’m not saying I’m a prophet….I’m saying I’m God incarnate.” And people say: No, no, please, just be a prophet. A prophet we can take.”

Alohan'ny andinihana ny filazan'i Jesoa, tsy maintsy azontsika fa nataony tao anatin'ny contexte-n'ny finoana Jiosy @ Andriamanitra tokana (monothéisme) ireo filazàna ireo. Tsy misy Jiosy mahatoky izay hino Andriamanitra mihoatra ny 1. Ary nino an'Andriamanitra tokana i Jesoa, sady rehefa nivavaka t@ Rainy Izy dia nantsoiny hoe "Andriamanitra tokana sady marina". (Jn. 17:3).

Kanefa @'iny vavaka iny ihany no miteny i Jesoa fa niaraka talohan'ny fahariana an'izao tontolo izao Izy 2 (Jn. 17:5). Ary rehefa nangataka Azy mba haneho azy ireo ny Ray i Filipo dia novaliany hoe : "Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?" (Jn. 14:9)

Ka ny fanontaniana mipetraka eo izany dia : nanonon-tena ho ilay Andriamanitry ny Hebreo izay lazaina ho namorona an'izao tontolo izao ve i Jesoa ? Ary izay no ho fakafakaintsika @ fizaràna manaraka.

Tena ilaina tokoa ny hahalalantsika ny marina momba an'i Jesosy. Nahoana ? Satria hoy ny Baiboly ao amin'ny Jaona 17:3 : "Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra Tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." Nivavaka tamin-dRainy i Jesosy tamin'io ary hitantsika fa tsy ny tenany, fa ilay Rainy an-danitra no nolazainy hoe :"Andriamanitra tokana sady marina".
Na efa nitsangana tamin'ny maty aza i Jesosy ka niseho tamin'ny Maria Magdalena, dia mbola izao ihany no nolazainy : Jaona 20:17 : " Hoy Jesosy taminy : Aza manendry Ahy ; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho ; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo".

Ity andiniteny ato amin'ny Jaona 1:1,2 ity no mahatonga antsika hihevitra hoe Andriamanitra i Jesosy : "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany." Toy izao no nandikan'ny Baiboly iray hafa io andiniteny io : "Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin'Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Niaraka tamin'Andriamanitra izy tany am-piandohana." Iza àry no dikan-teny marina ? Ilay mifanaraka amin'ny Baiboly manontolo satria ny andiniteny ao amin'ny Baiboly, izay azo antoka fa Tenin'Andriamanitra dia tsy mifanipaka velively. Arakan'ny voalaza ao amin'ny Jaona 1:14 dia i Jesosy ilay "Teny".
Inona àry no tian'ny apostoly Jaona holazaina ao amin'ny Jaona 1:1 ? I Jesosy ihany ve no Andriamanitra, na Andriamanitra iray ihany ve i Jesosy sy ny Rainy ?
Hoy ny apostoly Jaona ihany, ao amin'ny Jaona 1:18 : "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Efa nisy olona nahita an'i Jesosy Kristy ve ? Mazava ho azy ! Nilaza àry ve i Jaona fa i Jesosy ihany no Andriamanitra ? Tsia ! Hoy izy raha mamarana ny teniny ao amin'ny Jaona 20:31 : "Voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra."
Nantsoin'i Jesosy hoe "Andriamanitra tokana sady marina" ny Ray ao amin'ny Jaona 17:3, ary atao hoe "andriamanitra" i Jesosy noho izy maneho taratry ny toetran'ny Rainy.
Mirary soa ho antsika rehetra.
11. Ratsirano ( 29/03/2013 14:38)

12. didi10 ( 30/03/2013 05:07)

smileyah:

Didi10>> Raha zohina ny fanazavanao dia tsy ho voavonjy izany izay tsy vita batemy faha2( batemy Fanahy izay mety mbola any aoriana zay vao azo),na dia vita batemy voalohany (rano). Satria izay minop ka hatao batemy ihany no ho voavonjy ary ianao dia milaza fa le batemy izy roa io lazaina eto io izay tsy andro iray no anaovana azy fa andro samihafa.

Isika namana tsy miala amin'ny voasoratra mba hanohanana ny hevitra:

Lioka 3;16

Izaho manao batisa anareo amin'ny rano, fa avy Izay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo; 17 eny an-tànany ny fikororohany hanadiovany tsara nyao am-pamoloany ka hanangonany ny vary ho any amin'ny sompiny; fa ny akofa sy ny mololo hodorany amin'ny afo tsy azo vonoina

Romana 8;9

9 Fa hianareo tsy ao amin'ny nofo, fa ao amin'ny Fanahy, raha ny Fanahin'Andriamanitra no mitoetra ao anatinareo. Fa raha misy kosa tsy manana ny Fanahin'i Kristy, dia tsy Azy izy.

Ary ao amin'ny Apokalipsy dia ireo voaisy tombon-kase (nandray ny Fanahy Masina) ihany no nisaina ho isan'ireo voavonjy.

Efe 1;13

13 Ao aminy koa hianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo, - eny, ao aminy koa hianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nalainy ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.

Apok 7
4 Ary nahare ny isan'izay voaisy tombo-kase aho: efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely rehetra. 5 Avy tamin'ny firenen'i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase. Avy tamin'ny firenen'i Robena roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Gada roa arivo amby iray alina. 6 Avy tamin'ny firenen'i Asera roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Naftaly roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Manase roa arivo amby iray alina. 7 Avy tamin'ny firenen'i Simeona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Levy roa arivo amby iray alina. 8 Avy tamin'ny firenen'i Zebelona roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Josefa roa arivo amby iray alina. Avy tamin'ny firenen'i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.
9 Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany,

Mahereza amin'ny fikatsahana ny Fanahy Masina namana.

13. karandoha ( 31/03/2013 20:23)
reto koa tsy mahay manazava teny gasy izay valitenin ilay mpametraka fanontaniana no avelao ho azy lol
14. Nehemiah ( 02/04/2013 07:10)

didi10:

Toa variana eo amin'ny sehatry ny finoana tokoa isika Kristiana, tsara ny mandalina ny finoana, betsaka ny tombontsoa azo avy aminy na amin'ny ara-nofo na ara-panahy saingy efa niteny Jesosy fa tsy ny finoana ny lehibe indrindra na ny fanantenana fa ny fitiavana, fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeNY ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy, (Jao 3,16) raha nahavonjy ny fijanonana teo amin'ny finoana dia tsy tonga tety an-tany Jesosy, fa maty Izy mba hamonjy antsika ary nitsangana izy ho famantarana fa Izy tokoa ilay zanak'Andriamanitra velona hahatonga ny finoana.

Aza mijanona eo amin'ny fitoriana ny finoana namana fa midira amin'ny famonjena, torio ny famonjena dia ny fibebahana, ny batisan'ny rano ary ny batisan'ny fanahy masina ary ny faharetana amin'ny finoana mba tsy hihemotra.

Azoko an-tsaina ny tianao tenenina fa misy olon-kafa mahavitra mitory an'izay tsara lavitra noho izaho. Ny famonjena no zava-dehibe voalohany, fa avy aizy ny famonjena, avy @ fahasoavana vokatry ny finoana. Ka ny finoana izany no fepetra sin equa non mba ho vonjena. Io izany no "vavahady fidirana".

Samy manana ny fanomezam-pahasoavany avy antsika rehetra ka ny ahy izao dia ny fiarovana ny finoana kristiana. Efa tapa-kevitra aho fa tsy maintsy izay no ministerako. Mifandraika @ 1 Pet. 3:15 sy 2 Kor. 10:5 izany. Tsy hoe mahasolo ny fitoriana ny famonjena izany fa ilaina dia ilaina kosa.

Ny kisarisary azo raisina izao dia ity : takonan'ny fanontaniana betsaka ny hafatry ny famonjena, maro ny @'ireny fanontaniana ireny no mirefarefa @ tany. Ka araky ny filazako etsy ambony, valiana ireo fanontaniana ireo "amin’ ny fahalemem-panahy sy ny fanajana, ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo". Dia rehefa voafafa ny fanontaniana dia mazava indray ny hafatry ny famonjena. Ary tena misy fijoroana vavolombelona maro fa manamafy orina ny finoan'ny olona ny apôlôjetika. Misy ny sasany tena nahita famonjena mihitsy aza.
15. Nehemiah ( 02/04/2013 08:14)

Ratsirano:

Tena ilaina tokoa ny hahalalantsika ny marina momba an'i Jesosy. Nahoana ? Satria hoy ny Baiboly ao amin'ny Jaona 17:3 : "Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra Tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao." Nivavaka tamin-dRainy i Jesosy tamin'io ary hitantsika fa tsy ny tenany, fa ilay Rainy an-danitra no nolazainy hoe :"Andriamanitra tokana sady marina".
Na efa nitsangana tamin'ny maty aza i Jesosy ka niseho tamin'ny Maria Magdalena, dia mbola izao ihany no nolazainy : Jaona 20:17 : " Hoy Jesosy taminy : Aza manendry Ahy ; fa tsy mbola niakatra tany amin'ny Ray Aho ; fa mandehana mankany amin'ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin'ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin'Andriamanitro sy Andriamanitrareo".

Ity andiniteny ato amin'ny Jaona 1:1,2 ity no mahatonga antsika hihevitra hoe Andriamanitra i Jesosy : "Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra. Izy dia tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany." Toy izao no nandikan'ny Baiboly iray hafa io andiniteny io : "Tany am-piandohana ny Teny, ary ny Teny dia niaraka tamin'Andriamanitra, ary ny Teny dia andriamanitra. Niaraka tamin'Andriamanitra izy tany am-piandohana." Iza àry no dikan-teny marina ? Ilay mifanaraka amin'ny Baiboly manontolo satria ny andiniteny ao amin'ny Baiboly, izay azo antoka fa Tenin'Andriamanitra dia tsy mifanipaka velively. Arakan'ny voalaza ao amin'ny Jaona 1:14 dia i Jesosy ilay "Teny".
Inona àry no tian'ny apostoly Jaona holazaina ao amin'ny Jaona 1:1 ? I Jesosy ihany ve no Andriamanitra, na Andriamanitra iray ihany ve i Jesosy sy ny Rainy ?
Hoy ny apostoly Jaona ihany, ao amin'ny Jaona 1:18 : "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Efa nisy olona nahita an'i Jesosy Kristy ve ? Mazava ho azy ! Nilaza àry ve i Jaona fa i Jesosy ihany no Andriamanitra ? Tsia ! Hoy izy raha mamarana ny teniny ao amin'ny Jaona 20:31 : "Voasoratra izao mba hinoanareo fa Jesosy no Kristy, Zanak'Andriamanitra."
Nantsoin'i Jesosy hoe "Andriamanitra tokana sady marina" ny Ray ao amin'ny Jaona 17:3, ary atao hoe "andriamanitra" i Jesosy noho izy maneho taratry ny toetran'ny Rainy.
Mirary soa ho antsika rehetra.

Miala tsiny aminao fa tsy notoherinao mihitsy ny hevitra narosoko fa dia niainga t@ petra-kevitra fa manana ny marina ianao mba anaporofoana fa manana ny marina ianao.

Nefa moa hitako ianao Vavolombelon'i Jehovah, ary ny resaka Trinite no tena tianao toherina. Ka ireto misy rohy @ lohahevitra momba ny Trinite, izay mizara 3. Eo ianao no afaka mamaly an'izany tsara :
http://forum.serasera.org/forum/message/m5130b473df3f8
http://forum.serasera.org/forum/message/m513460bdd9d56
http://forum.serasera.org/forum/message/m513ed05475f68
16. Nehemiah ( 03/04/2013 14:28)
Io ny rohy mankany @ fizaràna voalohany ho an'izay liana :

http://forum.serasera.org/forum/message/m515c2a80b823d
17. smileyah ( 04/04/2013 07:31)
Didi10>> Izao namana ny olona atao batemy dia efa nandray ny Fanahy Masina rahateo satria "@ anaran'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina" no anaovana batemy ny olona. Ary tonga zanak'Andriamanitra satria efa nateraky ny Fanahy Masina. Ny rano dia marika ety ivelany ho fanadiovana.
Koa izany no mahavelom-panontaniana ahy @ bateminareo indroa miantoana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3087