Fihetsika manoloana ny fanamelohana ho faty !

101. rakapy ( 16/02/2010 16:52)
Hoy AdriambyII
Tsy rehefa vono ve dia heloka ra fijo ??

Betsaka ny maty voazeran'ny trano sns tany Haiti sy Sri Lanka sy Thailand sns... Voa-janahary ilay famonoana.
Meloka koa ve izany A/tra?
102. ikaretsaka ( 16/02/2010 17:27)
Bord> de raha izay anefa ny sora-piainana hitondran'Atra ny tantaram-piainan'ialahy dia ahoana?
handa ny sitrapony?
103. ikaretsaka ( 16/02/2010 17:31)
ohatran'ny hoe samy manana ny asany araka ny nanendren'ny fiainana ( na ilay nahary azy) azy Profesora, pastora, Mpiasam-panjakana, Mpandroaka fako , mpitari-posy.......
dia misy koe hoe "bourreau"

de ahoana?
104. rakapy ( 16/02/2010 17:40)
Hoy Bor2lais
tsy misy maniry haka ny toeran'i Jodasy angamba isika tsi11 an !

Izaho aloha dia maniry ary midera tanteraka ny herim-pony e! Raha nanda ny tsy hanao mission i lery, angamba tsy toa izao ny populariten'i Rajesosy. Mety lasa mpivarolava tao Jerosalema tao angamba no niafaranay .Ry Petera sy ny akamany izany moa dia nitsaoka sy nody fanina fotsiny t@ ilay afera.
105. ikaretsaka ( 16/02/2010 17:58)
de izay..samy manana ny zara tendriny io.. de ny fanataterahao ny adidinao no tena manan-danja fa tsy noe ooooayyy le ka de hamono olona ve zany na oooay kle ka deee handroaka fako ve na oooay leee ka de hanao cremation olona ve...
zay ny tendrin'asa de zay no tokony atao..
le fandavana tsy mety hanao io ko no tsy mampi-tourne tsara ny tany anie
106. bor2lais ( 17/02/2010 09:34)
ikaretsaka:

ohatran'ny hoe samy manana ny asany araka ny nanendren'ny fiainana ( na ilay nahary azy) azy Profesora, pastora, Mpiasam-panjakana, Mpandroaka fako , mpitari-posy.......
dia misy koe hoe "bourreau"

de ahoana?

----------
Izaho manokana aloha tsy maniry ny ho "bourreau" e ! Tsy asa izany AMIKO !

:D
107. bor2lais ( 17/02/2010 09:45)
rakapy > izay no nanaovako azy hoe "angamba" : hay tokoa moa misy ny tahaka anao izany izay maniry ny toeran'i Jodasy kou ! :D

Ny tiako lazaina amin'ilay resaka Jodasy (sy Pilato) ange dia ny hoe : fantatrao izao fa tsy meloka ilay olona nefa dia atolotrao ho vonoina ihany izy nohon'ny fitiavam-bola (na fiarovan-tseza) ...
108. ikaretsaka ( 17/02/2010 15:01)
Bord> misy ireo asa ao anatin'ny sokajin'ny hoe "tsy manam-pidiny" izany hoe tsy ianao loatra no afaka misafidy ny hoe tiako ity ka ataoko na tsy tiako de tsy ataoko fa efa anisan'ny risk le izy

Ohatra hoe raha mpitarika posy ny asanao ka sendra ny olona vaventy nefa efa raikitra ny fifanarahana .. de tsy maintsy hitarika satria izay no kandra!

na hoe mpamily ny asanao ka en panne tampoka any @ dezaka any ny fiara nefa tsy tianao ny hanao mecano!
na tantsambo very any ankodahoda any de tsy maintsy mihinana (cadavren'ny akama ohatra) ny tsy fihinana sy misotro ny tsy fisotro mba haha velona !

na hoe mompera na pastera ka lasa manao "absoute" ny nahitanao masoandro!

rhefa tena hoe tsy maintsy atao le izy.. tsy maintsy atao! fa tsy hoe tsary nisoratra to anaty descroption an'asa io de tsy atao...
Misy izany!
109. rakapy ( 18/02/2010 09:14)
Hoy i Bor2lais
rakapy > izay no nanaovako azy hoe "angamba" : hay tokoa moa misy ny tahaka anao izany izay maniry ny toeran'i Jodasy kou !

Ny tiako lazaina amin'ilay resaka Jodasy (sy Pilato) ange dia ny hoe : fantatrao izao fa tsy meloka ilay olona nefa dia atolotrao ho vonoina ihany izy nohon'ny fitiavam-bola (na fiarovan-tseza) ...


Araka ny finoana xana dia voalaza fa efa voasoratra avokoa fa tsy maintsy i Jodasy no hanao ilay mission hamadika an'i jesosy. Ary i pilato no hitsara. Noho izany dia ataoko fa tsy ny fitiavam-bola na seza velively no nahatonga azy ireo hanao izany fa noho izy ireo voatendry hanatanteraka ny tian'A/tra hatao.

Ny antony niderako an'i jodasy manokana dia izy nanatanteraka ilay adidiny napetraka teo aminy eny fa na dia fantany aza fa handoto ny sariny sy ny hasiny ilay adidy. Asa sarotra tokoa izany.
110. bor2lais ( 18/02/2010 11:01)
Hoy rakapy :

\"Araka ny finoana xana dia voalaza fa efa voasoratra avokoa fa tsy maintsy i Jodasy no hanao ilay mission hamadika an\'i jesosy. Ary i pilato no hitsara.\"
-----
>> Mahaliana tokoa ity voalazanao ity saingy ny fahitako azy kosa dia izao :

1. ny hoe \"araka ny finoana xana\" dia toa hitsin-dàlana ihany kosa angamba satria raha ny fijeriko azy (ary izay no toa maharesy lahatra ahy) dia tsy io velively no niantsoan\'i Jesoa azy tamin\'ny voalohany

2. sao kosa mba resa-bola no antony lehibe nahasolafaka an\'i Jodasy. Mpitam-bola rahateo moa no andraikiny tao amin\'ny \"ekipa\" raha tsy diso aho ... :D

3. raha ny fijeriko azy izany dia toa resaka tsi-finoana an\'i Jesoa mihitsy no nahazo an\'i Jodasy raha tsorina ! (natakalony vola Izy)

Fomba fijeriko ihany anefa io an ! :D
111. rakapy ( 18/02/2010 14:32)
Hoy i Bor2lais
1. ny hoe "araka ny finoana xana" dia toa hitsin-dàlana ihany kosa angamba satria raha ny fijeriko azy (ary izay no toa maharesy lahatra ahy) dia tsy io velively no niantsoan'i Jesoa azy tamin'ny voalohany

Marina izany fa tsy xana no niantsony azy t@ izany andro fa taty aoriana kosa dia izay no fiantso azy. Ary baiboly dia boky xana ary ao anatin'io no milaza fa efa voasoratra ny tantaran'izao tontolo izao?
Hoy Bor2lais
2. sao kosa mba resa-bola no antony lehibe nahasolafaka an'i Jodasy. Mpitam-bola rahateo moa no andraikiny tao amin'ny "ekipa" raha tsy diso aho ...

Raha atao hoe resa-bola ary no antony nahatonga azy nanao izany, nefa anie toa tsy vola be akory no azony raha ny voasoratra ao anaty baiboly?
Efa voasoratra sy voalamina hoy ny baiboly ny tantaran'i jesosy. Hatramin'ny nahaterahany ka hatraminy nahafatesany. Ary i jodasy dia ataoko fa efa voatendry ho mpamadika an'i jesosy ka tsy afaka niala.

Ndeha ary ho raisina fa hoe niova hevitra tampoka i jodasy ka tsy namadika an'i jesosy. Ny iray t@ ireo namany no norohany (petera ohatra). Dia i petera no nalain'ny miaramila ka handeha hovonoina. I jesosy amin'io afaka nandositra, tsy maty,ary nety nanam-bady sns... Dia inona no nitranga???
Simba ny plan' A/tra. Ary mety tsy nisy ny xana.

112. ikaretsaka ( 18/02/2010 14:57)
Bord> efa mba nanontany tena tokoa ve ianao hoe na resa-bola na inona.. de naninona no i Jodasy fa tsy i Jakoba sy Joany, na i Matio ohatra?
I matio manko tena mpanao kaonty no asany
ny fianakavian'i Zebede manko no tena giravy koa t@ bizina fanjonoana teo amoron'i tiberiady teo

valiny-> satria izay no tendry!
113. bor2lais ( 18/02/2010 16:14)
rakapy, ika > mahaliana tokoa ny fizarana fa dia misaotra indrindra.

Miala tsiny aminareo aloha fa ity tsimpona ity no tonga ao an-tsaiko rehefa mamaky ny resatsika eto :

\"Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andria­manitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin\'izao anio izao, hamelona olona betsaka.\"

(resaka nataon\'i Josefa tamin\'ireo rahalahiny izay nivarotra azy ho andevo)

Ny ahy ilay lafiny fisainana manisy ratsy no lavin\'ny eritreritro, ny anareo kosa dia ny fisainan\'Andriamanitra nanova izany ho soa no ambaranareo.

Izany hoe raha azoko tsara ny lazainareo dia matoa nisy iny famadihana nataon\'i Jodasy iny dia efa lahatra avy amin\'Andriamanitra ahasoa ny olombelona !

Ny zavatra itoviantsika hevitra hatreto dia ny hoe : tsy maintsy tanteraka ny plan\'Andriamanitra (famonjena ny olombelona amin\'ny alàlan\'ny fahafatesan\'i Jesoa).

Saingy ny tsy itoviantsika kosa dia ny hoe : Andriamanitra no nanendry an\'i Jodasy hamadika an\'i Jesoa ! Amiko ilay tendry eto dia ny ahafaty an\'i Jesoa fa tsy ny famadihana ataon\'i Jodasy tsy akory.

Ny tiako lazaina dia izao : dia voatery handalo amin\'io fisainana manisy ratsy io foana ve vao ahazo ny soa avy Aminy ? Azo hitarina lavitra ilay resaka : fiainam-piangonana, fiainam-pirenena, sns. :D
114. rakapy ( 18/02/2010 17:17)
Hoy iBor2lais
Ny ahy ilay lafiny fisainana manisy ratsy no lavin'ny eritreritro, ny anareo kosa dia ny fisainan'Andriamanitra nanova izany ho soa no ambaranareo.

Izay vao mazava aminao ny tianay ambara.
Hoy i Bor2lais

Saingy ny tsy itoviantsika kosa dia ny hoe : Andriamanitra no nanendry an'i Jodasy hamadika an'i Jesoa ! Amiko ilay tendry eto dia ny ahafaty an'i Jesoa fa tsy ny famadihana ataon'i Jodasy tsy akory

Ka efa voasoratra anie fa @ alalan'ny fahafatesana no ahafahany hitsangana HONO. Midika izany fa tsy maintsy maty aloha izy vao afaka ny hitsangana @ maty sa????
Hoy Bor2lais
dia voatery handalo amin'io fisainana manisy ratsy io foana ve vao ahazo ny soa avy Aminy ?

Eo anatrehan'ny RATSY ny TSARA no hita mazava fa TSARA. Fa raha eo anatrehan'ny TSARA ny TSARA tsy hisongadina ho TSARA mihintsy.
Noho izany , mba hampamirapiratra tsara ilay TSARA dia ampitahaina @ RATSY izy @zay hita tsara ny difference-n'izy roa tonta.
115. ikaretsaka ( 18/02/2010 17:37)
Ny ahy ilay lafiny fisainana manisy ratsy no lavin\'ny eritreritro, ny anareo kosa dia ny fisainan\'Andriamanitra nanova izany ho soa no ambaranareo

IO ilay \"kapara\" ho\'zy ny Jiosy.. io nge no ezahinay sy i rakapy hazavaina, ary hamafisin\'ny tsimpona anao hoe tsy voatery hoe satria hoe bourreau de ratsy avy hatrany , fa vao mainka aza azo heverina koa hoe manampy an\'Atra @ fanatontosana ny tendriny.
Raha sitrak\'Atra no hahafaty ilay olona par methode hoe voaheloka ho faty, moa ianao no bourreau, de zay zany koa.. toa ireo Miaramila Romanina fahizany ..
tsy voatery hoe manisy ratsy le izy eto satria relatif hoa le ratsy sy tsara

Izany hoe raha azoko tsara ny lazainareo dia matoa nisy iny famadihana nataon\'i Jodasy iny dia efa lahatra avy amin\'Andriamanitra ahasoa ny olombelona !

Izay mihitsy , part an\'ny plan voasoratra any ho any io


Saingy ny tsy itoviantsika kosa dia ny hoe : Andriamanitra no nanendry an\'i Jodasy hamadika an\'i Jesoa ! Amiko ilay tendry eto dia ny ahafaty an\'i Jesoa fa tsy ny famadihana ataon\'i Jodasy tsy akory

Part an\'ilay Plan aby, raha hoe manendry ny zvtr rehetra Atra, ny hoe hisy an\'i Jodasy hamadika koa ka...
toy ny hoe ny olona 1 de zao taona no maty de eo am-pandriana na voadoana fiara na posy, na voatsatoka antsy sns... fa tsy hoe maty fotsiny le olona de zay mikaonty koa ny facteurs bedebe nahafaty azy!
efa voalamina aby ny momba izany na ny details farany kely aza

Ny tiako lazaina dia izao : dia voatery handalo amin\'io fisainana manisy ratsy io foana ve vao ahazo ny soa avy Aminy ? Azo hitarina lavitra ilay resaka : fiainam-piangonana, fiainam-pirenena, sns.

fa maninona kay no tonga de carder-nao hoe fisainana manisy ratsy io eto? velabelaro hoe?
116. bor2lais ( 19/02/2010 10:54)
ika > raha zohina ny resakao dia ny adalana rehetra ataon-draolombelona dia ao anatin'ny plan'Andriamanitra aby an : ny mpamono olona, ny dictateur, sns.

Amiko indray anefa tsy izay loatra : tsy avy Aminy ireny (tsy sitraNY), saingy haiNY raha sitraNY, ny manova ireny ho soa aty aoriana ...

Hoy rakapy :

"Eo anatrehan'ny RATSY ny TSARA no hita mazava fa TSARA. Fa raha eo anatrehan'ny TSARA ny TSARA tsy hisongadina ho TSARA mihintsy.
Noho izany , mba hampamirapiratra tsara ilay TSARA dia ampitahaina @ RATSY izy @zay hita tsara ny difference-n'izy roa tonta."
-------
>> Manomboka miseho tsikelikely ilay fanomezampahasoavana ao anaty an ! :D
117. rakapy ( 19/02/2010 11:24)
Hoy Bor2lais
Manomboka miseho tsikelikely ilay fanomezampahasoavana ao anaty an

Tsy hoe manomboka miseho tsikelikely ilay fanomezam-pahasoavana fa efa tao foana fa ianareo no tsy nandinika lalina izay nambarako hatri'zay. Nanilika lava satria izaho dia tsy ho xana mihintsy no tanjoko ary koa tsy hiino fa rajesosy no A/tra. Ary ny TSARA dia tsy voatery ho avy @ xana sy rajesosy irery ihany fa na olombelona tsotra izao aza dia afaka ny hanao ny TSARA ihany koa.
118. bor2lais ( 19/02/2010 11:58)
rakapy:

Tsy hoe manomboka miseho tsikelikely ilay fanomezam-pahasoavana fa efa tao foana fa ianareo no tsy nandinika lalina izay nambarako hatri'zay. Nanilika lava satria izaho dia tsy ho xana mihintsy no tanjoko ary koa tsy hiino fa rajesosy no A/tra. Ary ny TSARA dia tsy voatery ho avy @ xana sy rajesosy irery ihany fa na olombelona tsotra izao aza dia afaka ny hanao ny TSARA ihany koa.

-------------
>> Ary sao dia marina ihany tokoa aza ilay hoe pasitera afaka ! :D
119. rakapy ( 19/02/2010 12:27)
Hoy i Bor2lais
Ary sao dia marina ihany tokoa aza ilay hoe pasitera afaka

Izaho koa nama mba nanotany an'i mamanay fa tsy tadidiny koa hono :-D :-D :-D
120. ikaretsaka ( 19/02/2010 15:22)
bor2lais:

ika > raha zohina ny resakao dia ny adalana rehetra ataon-draolombelona dia ao anatin'ny plan'Andriamanitra aby an : ny mpamono olona, ny dictateur, sns.

Amiko indray anefa tsy izay loatra : tsy avy Aminy ireny (tsy sitraNY), saingy haiNY raha sitraNY, ny manova ireny ho soa aty aoriana ...



de tsy mitombina ange iznay lojikanao izany e!

de ahoana ary no ilazanao isaky ny manao Credo ianao hoe "nahary ny zavatra REHETRA" Atra?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1387