Fihetsika manoloana ny fanamelohana ho faty !

141. bor2lais ( 25/02/2010 16:38)
Ika >
Ndeha ataontsika sary an'ohatra indray ary ny tiako lazaina (raha toa ka tsy mazava aminao ny resako hatramin'izay).

Te-hitondra anao (satria tiaNY ianao) miala ao amin'ny toerana iray A ho any amin'ny toerana hafa B Izy (izay ilay planina). Alohan'ny hiaingana anefa dia efa nafaraNY ihany ianao hoe aza mandeha ary ananona fa ratsy làlana be any ry Ika ka ho sahirana any tokoa ianao. Nefa ianao tsy nihaino Azy fa vao maika nisisika nandeha any amin'ilay làlan-dratsy nolazaiNY ihany (satria nisy nilaza fa tsara làlana be any sady mahafinaritra be ny paysage) ... Noho ny FitiavaNY anefa dia nataoNY tonga tany amin'ny toerana B ihany ianao (satria izay no lamina efa masaka : ny ahatongavanao any amin'ny toerana B).

1. Midika ve izany fa raha tsy naka iny làlan-dratsy iny ianao dia tsy ho tonga tany amin'ny toerana B (izay tiaNY alehanao) mihitsy ?

2. Azo lazaina fa lahatra ho anao ve ny nandeha tany amin'ilay làlan-dratsy ?

Izay no tiako lazaina ka asa raha azonao na tsia ! :D
142. ikaretsaka ( 25/02/2010 18:54)
Valim-panontaniana...eny lahatra ilay izy na nisafidy aza aho (io le resaka illusion sy mba hahaliana ilay tantara fotsiny) ..sinon nataony tsy ho fantatro akory hoe misy sy mi existe ny lalana hafa
143. bor2lais ( 26/02/2010 07:35)
Ika > "Valim-panontaniana...eny ..."
-----
-> Dia io izany ny lahatra ho anao (mamaly "eny") ! :D
144. ikaretsaka ( 26/02/2010 22:05)
misy zavatra efa hita ohatra fa ilaina esorina fa mody anontaniana ihany ianao na izany aza hoe esorina sa tsy esorina?

na ohatra hoe aretina efa tsy avotra fa mody anontaniana le olona de fika fanomezana korazy le hoe "afaka misafidy" nefa efa hita fa iny no tsy maintsy hiafarana

eo ilay hoe "efa voatendry le lahatr"a fa zesta fotsiny le hoe mody "asaina misafidy"
145. bor2lais ( 28/02/2010 12:45)
Mitady hihitatra amin'ny resaka "euthanasie" indray izy izany rehefa jerena akaiky an ! :D
146. ikaretsaka ( 28/02/2010 17:57)
Aza mamoha fota mandry fa resaka hafa mihitsy ny eto ka...le safidy anarany fotsiny. No resaka eto fa tsy euthanasie...

Misy infection ohatra sanatria ny tananao de efa hay fa miha mihitatra le izy de mety hahazo hatrany @ aina raha tsy tapahina le tanana ... fa mbola anontanian I doko ihany ianao na hanapaka izao aza izy ary mbola alainy fanahy eo ampanaovana sonia anle taratasy maro hooe hotapahina ny decision anao aaa....

Na ohatra hoe (malaza moa zao ity ny horohorontany) de atao hoe coince tao @ zavatra nihotsaka tao. Ny tongotrao de le zavatra eo amboninao koa efa hihotsaka eo amboninaotsy ho ela raha tsy miala teo malaky ianao... ka ny hany haha avotra anao de kantsanana le tongotra....

Izay le hoe safidy lahatra tiako hotenenina...
Azo @ zay?
147. bor2lais ( 01/03/2010 14:35)
Voalaza teo :
"Aza mamoha fota mandry fa resaka hafa mihitsy ny eto ka...le safidy anarany fotsiny. No resaka eto fa tsy euthanasie..."
------
Eny ary e ! (Na dia hoe ...) :D

Momba ilay safidy lahatra nanaovan'i Ika ohatra indray dia izao no fandraisako azy :
- tsy resaka safidy intsony io fa efa famonjena (tsy maintsy atao) mihitsy ka !

Fa ny fanontaniana tokony apetraka angamba dia ny hoe :
- ahoana no nahatonga ilay olona ho tonga amin'ilay "situation" misy azy io ?

Mety ho tsy fidiny ho azy angamba, amin'izay fotoana izay dia antsoiko hoe lahatra ilay izy. Fa mety ihany koa vokatry ny safidy (tsy noterena tsy novozonana) noraisiny na dia fantany aza fa misy "risque" io safidiny io, izay ilay tsy lahatra intsony amiko ... :D

PS. Misy fanontaniana n°1 ery amin'ny valinteny 140 ery entiko mamaly ny fanontaniana napetraky Ika ho ahy ary amin'ilay lohateny "Paradisa" !
148. ikaretsaka ( 01/03/2010 15:20)
ka safidy sy lahatra ve ny famonjena ary...
ohatran'ny hoe hamonjy ny tany hi supprimer-na ilay olona voaheloka ho faty ny namonoana azy ohatra sy lahatra satria voalahatra hovonoina izy ary ilay bourreau no hamono azy!
149. bor2lais ( 01/03/2010 16:42)
Voalaza teo :
"safidy sy lahatra ve ny famonjena ary..."
-----------
Ho an'iza ? Ho an'ny mpamonjy sa ho an'ny vonjena ?

- raha ho an'ny mpamonjy dia safidy, fa raha ho an'ny vonjena dia lahatra ! Fomba fijeriko izay Ra-Ika a !

Voalaza teo ihany koa :
"ohatran'ny hoe hamonjy ny tany hi supprimer-na ilay olona voaheloka ho faty ny namonoana azy ohatra sy lahatra satria voalahatra hovonoina izy ary ilay bourreau no hamono azy!"

Ary mba ataovy mazava tsara moa ny fehezan-teny raha te-ahazo valiny mazava ise ! :D

PS. Averiko indray fa misy fanontaniana n°1 ery amin'ny valinteny 140 ery raha mba azonao valiana fa mba mahaliana ahy !
150. ikaretsaka ( 01/03/2010 16:55)
Efa novaliako teo @ 141 io ka
151. bor2lais ( 01/03/2010 17:20)
Hitanao amin'izany fa sarotra tokoa ny mahazo ny valinteninao : izaho izao mihevitra fa ilay fanontaniana n°2 ihany io novalianao ao amin'ny 141 io ! :D
152. ikaretsaka ( 01/03/2010 17:28)
Raha aravona le hevitra maro de: azafady fa paraphraseko fa manjary lavabe ho an'ny tsy mahadigni -draha ela

A) ny point de vue anao naokafanao ny sobjektra de hoe tsy mety @ le bandy akamanao le maha bourreau anazy satria "mamono olona" ... ok hatreo?

--> de ny namaliako anazy de hoe raha izao ary hoe:
- raha izay no efa "voasoratra any ho any" (=lahatra) momban'ny fiainan' ilay olona hovonoina ( izany hoe hangalatra na hanao izay ratsy rehetra mety hahameloka azy izy) dia ho voaheloka de ho faty
de ahoana?

-Raha izay koa no "efa voasoratra"(i.e lahatra) ao anaty tantaram-piainan'ilay bourreau, ilay mpitsara, ilay nisambotra , sy izay ni participer rehetra momban'ny hamonoana ilay zalahy mpanao ratsy
de ahoana?

De nandeha natao example @ zay ny resaka Jodasy, Jesoa, Josefa sns... sy ny hoe raha tsy nanao ireny dia ahoana mety ahoana ny niseho satria mazava ho azy fa tsy ho "araka ny voasoratra"?

de nihafara tany @ hoe ka lahatra ary ve izany ny safidy? eny hoy aho, tsia hoy ianao..

De nanome fanazavana ny hevitro zahako... de nanome ianao...
153. bor2lais ( 02/03/2010 08:02)
Misaotra anao niezaka nandravona !

Exercice sarotra io fandravonana io an : raha tsy mitandrina dia lasa manao tsimpona izay metimety aminy ihany ... :D

Aleoko ny ahy manao renvoi dia ilay mpamaky no mandray izay andraisany azy !

Mamerina ny fisaorana ho an'izay nandray anjara rehetra tamin'ity dinika ity !

Mirary soa indrindra ! :D
154. ikaretsaka ( 05/03/2010 17:30)
raha misy diso sy tsy voatsimpon nefa mety ho considerenao ho hevi dehive @ izay nosoratanao dia atsipazo (renvoie-o) eto ihany :wink: k'hony a
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3616