Fihetsika manoloana ny fanamelohana ho faty !

1. bor2lais ( 27/01/2010 08:45)
Mahavelom-panontaniana tokoa ny mamaky ny dinika mandalo eto ka mahatonga ny tena manokatra ity lohateny vaovao ity (izay mety misy fifandraisany amin'ny dinika sasany ihany).

Inona no ataonao raha toa ka :
- monina sy miasa ao amin'ny firenena mampihatra ny fanamelohana ho faty ianao
- mpitsara no asanao na voantso ho isan'ny "jurés" mikasika izany ianao : io didim-pitsarana io no lanin'ny be sy ny maro fa hampiharina ?

Misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara !
répondu par ikaretsaka le 05/03/2010 17:30
2. ANARIM ( 27/01/2010 09:07)
"aza mamono olona" hoy ny voalaza ao amin'ny didy folo, ka mety avy amin'io no mahatonga an'ise nanokatra ny lohahevitra ...

amiko dia tokony avahana roa mazava tsara ity resaka ity!!!

raha ilay fanamelohana ho faty eto dia sazy, dia rehefa lanin'ny be sy ny maro fa io no sazy dia mampihatra sisa izany, misy ny critère hoe rehefa hatramin'izao ny degré an'ilay heloka dia mihatra ny fanamelohana ho faty, raha tsy mihatra koa ny sazy, tsy fay ireo be vinany!!!

ny voalaza ao amin'ny didy folo kosa hoe "aza mamono olona" dia heloka tokoa raha vonoan'olona tsotra izao no atao (ohatra : sakanako ny taxi 1 dia entiko any am mangingina dia vonoiko ho faty ilay saofera mba hangalarako ny fiara)

donc, amiko, azo ampiharina ny fanamelohana ho faty (efa nisy hatrany amin'ny testamenta taloha io, ilay ahantona eny am sampana fidirana mankao an-tanana ireo olondratsy ka dia maty eo zareo ary itan'izay miditra sy mivoaka izany) fa kosa mila fahendrena ny fanatanterahana izany fa tsy ataotao foana!!!
de toutes manières mihatsara kokoa foana ny voka-bary rehefa esorina ny ahi-dratsy ...
3. bor2lais ( 27/01/2010 10:44)
ANARIM > misaotra anao amin'ny fanazavana nentinao.

Raha azoko tsara ny tianao lazaina izany dia arakaraka ny "fifanarahan'ny be sy ny maro" no maha heloka na tsia ny famonoan'olona ?

Izany hoe "izay metimety" (araka ny filazan'ny namana Ika izay) amin'ny "be sy ny maro" ihany no maha heloka azy na tsia !
4. rzakarivola ( 27/01/2010 11:05)
Inona no hataoko ?
Manontany ny Tompo hoe \"inona no hataoko?\"
Mivavaka mba ho tonga ao ny finoana ny fitsanganan\'ny tena amin\'ny maty
5. bor2lais ( 27/01/2010 12:41)
Misaotra an-drzakarivola mandray anjara eto.

Voalaza teo fa :
" Manontany ny Tompo hoe "inona no ataoko?""

-> rehefa Kristiana kosa angamba dia io no atao voalohany.

Raha azoko tsara ny valinteny arosonao dia azo raisina ho toy ny "valinteny avy Aminy" izany ilay didim-pitsarana manameloka ho faty raha ny tranga eto no resahina ? Dia lasa ho toy ny fahafatesana rehetra ihany io fanamelohana ho faty io ?

Izany hoe ny tohiny no tsara banjinina : "Mivavaka mba ho tonga ao ny finoana ny fitsanganan'ny tena amin'ny maty" hoy ianao ...
6. ikaretsaka ( 27/01/2010 20:28)
eo @ le hoe "manontany ny Tompo indrindra"...

Ka raha tany ity hoe lahatry ny Tompo ny hahameloka ho faty an ilay zalahy voaheloka de ahoana?
hoe "voaheloka ho faty" no any anaty "convocation"-ny....
tsy misy mahalala fa mety izany anefa no "voasoratra any ho any" @ anjara sy lahatr'ilay bandy!

de miverina amin'ny fanontaniana aho
Vox populi..Vox Dei ny ahy! de izay izany!
7. fijo ( 27/01/2010 21:37)
raha lehilahy lehibe nametaveta zazakely ohatra no homelohina,na izaho aza no hanapaka ny lohany ,tsy misy inona mihintsy mampanahy ahy
8. niryna ( 28/01/2010 05:10)
bor2lais:

Mahavelom-panontaniana tokoa ny mamaky ny dinika mandalo eto ka mahatonga ny tena manokatra ity lohateny vaovao ity (izay mety misy fifandraisany amin'ny dinika sasany ihany).

Inona no ataonao raha toa ka :
- monina sy miasa ao amin'ny firenena mampihatra ny fanamelohana ho faty ianao
- mpitsara no asanao na voantso ho isan'ny "jurés" mikasika izany ianao : io didim-pitsarana io no lanin'ny be sy ny maro fa hampiharina ?

Misaotra mialoha amin'ny fandraisanao anjara !

bor2lais a,raha ny teny ao anatin'ny baiboly angamba no arahintsika dia tsy misy velona amin'ity tany ity ny olona ,ny teny ao anatin'ny tt taloha dia feno dia hovonoina ho faty izy,ny olona taloha rehefa manao ny tsy mety dia torambato tokoa, soa ihany fa tonga i kristy tsy andrava ny lalana fa hanambara ny tokony atao satria tsy misy marina na iray aza.Ny hoe fanamelohana ho faty aloha dia tsy dia d'accord amin'izany aho e,aleo izy hibaby ny vokany na ao an-tranomaizina mandra-pahafatiny aza.Misy koa anefa miandry aman-taonany maro vao vonoina ilay olona ka ,tsy tonga dia hoe vonoina.
9. ANARIM ( 28/01/2010 07:01)
bor2lais:

ANARIM > misaotra anao amin'ny fanazavana nentinao.

Raha azoko tsara ny tianao lazaina izany dia arakaraka ny "fifanarahan'ny be sy ny maro" no maha heloka na tsia ny famonoan'olona ?

Izany hoe "izay metimety" (araka ny filazan'ny namana Ika izay) amin'ny "be sy ny maro" ihany no maha heloka azy na tsia !




avahana 2 tsara hoy aho :
1- tsy heloka amiko ny fampiharana ny sazy miendrika fanamelohana ho faty
2- heloka amiko ny famonoana olona tsotra izao
10. rakapy ( 28/01/2010 09:56)
Tsy tokony hamono olona na @ endriny manao ahoana ny olombelona iray raha ny lalana ao @ baiboly sy ny finoana maro no jerena. Nefa ny fanamelohana hofaty kosa dia matetika dia lalan'olombelona na firenena iray matetika, izay tsy misy idiran'ny finoana na ny baiboly na dia kely aza Satria lalana notapahina mba hifehy firenena iray mba tsy hihoa-pampana ny adalan'ny olona izay monina ao aminy.
11. rzakarivola ( 28/01/2010 14:39)
bor2lais:

Raha azoko tsara ny valinteny arosonao dia azo raisina ho toy ny "valinteny avy Aminy" izany ilay didim-pitsarana manameloka ho faty raha ny tranga eto no resahina ? Dia lasa ho toy ny fahafatesana rehetra ihany io fanamelohana ho faty io ?

==> Ho antsika ao amin'i Kristy dia tsy manameloka (sady tsy voaheloka rahateo), satria "tsy misy fanamelohana intsony amin'izay ao amin'i Kristy".
Raha misy olona manameloka ho faty, raha toa Andriamanitra tsy manakana azy, tsy hahasakana azy izaho na ianao. Ny ZanaNy tsy nosakanaNy t@ fanamelohana ho faty mba hahafahan'izay maty rehetra (ka mino Azy) hatsangana amin'ny andro farany.
12. rzakarivola ( 28/01/2010 14:43)
ikaretsaka:

de miverina amin'ny fanontaniana aho
Vox populi..Vox Dei ny ahy! de izay izany!

==> Raha ianao izany no Andriamanitra dia izay no vérité-nao.
Amiko, I Jesoa no tenin' Andriamanitra velona, Andriamanitra Ray no nilaza hoe "ity no zanako malalako izay sitrako, Izy no henoy". Avelan' Andriamanitra hiteny daholo izay te hiteny, fa iray ihany no feon' Andriamanitra.
13. rzakarivola ( 28/01/2010 14:46)
fijo:

raha lehilahy lehibe nametaveta zazakely ohatra no homelohina,na izaho aza no hanapaka ny lohany ,tsy misy inona mihintsy mampanahy ahy

==> Efa meloka ilay lehilahy ary meloka eo anatrehan' Andriamanitra noho ny fijangajangana toy izany.
Izay mamono olona koa dia meloka.
Na ny mpijangajanga na ny mpamono olona, raha mahita an'i Jesoa ka mino Azy, dia afaka hahazo ny paradisa.

Tsaroako eto ireo jiolahy anakiroa voahombo teo ankavia sy havanana, ny iray nahazo paradisa satria nino.
14. rzakarivola ( 28/01/2010 14:49)
niryna:
Ny hoe fanamelohana ho faty aloha dia tsy dia d'accord amin'izany aho e,...

==> Marina izany, isika kristiana tsy tokony ho d'accord afa-tsy @ Andriamanitra irery ihany. Ny antsika dia izao ihany : aoka Andriamanitra no hanapaka.
15. rzakarivola ( 28/01/2010 14:50)
ANARIM:

avahana 2 tsara hoy aho :
1- tsy heloka amiko ny fampiharana ny sazy miendrika fanamelohana ho faty
2- heloka amiko ny famonoana olona tsotra izao

==> Mazava izay ny hevitrao. Ahoana ny hevitr' Andriamanitra ?
16. rzakarivola ( 28/01/2010 14:52)
rakapy:

Tsy tokony hamono olona na @ endriny manao ahoana ny olombelona iray raha ny lalana ao @ baiboly sy ny finoana maro no jerena. Nefa ny fanamelohana hofaty kosa dia matetika dia lalan'olombelona na firenena iray matetika, izay tsy misy idiran'ny finoana na ny baiboly na dia kely aza Satria lalana notapahina mba hifehy firenena iray mba tsy hihoa-pampana ny adalan'ny olona izay monina ao aminy.

==> Nahalasa saina ahy ity teninao ity, hevitr'olona tokoa ny hoe fehezina mba tsy hihoa-papana ny hadalana, hadalana araka ny fijerin'ny olona. Amin' Andriamanitra, ny hadalana na dia kely monja aza dia sakana tsy hidirana ao amin'ny fanjakàNy, izany hoe tsy fanakanana mba tsy hihoa-papana no ilaina, fa famongorana tanteraka ny hadalàna.
17. rakapy ( 28/01/2010 15:49)
Hoy Rzakarivola
Nahalasa saina ahy ity teninao ity

Nahoana ianao anaka no lasa saina @ tenin'olombelona? Tsy tenin'i jesosy anie io fa tenin'i Rakapy e! :-D
18. rakapy ( 28/01/2010 15:53)
Hoy Rzakarivola
Amin' Andriamanitra, ny hadalana na dia kely monja aza dia sakana tsy hidirana ao amin'ny fanjakàNy, izany hoe tsy fanakanana mba tsy hihoa-papana no ilaina, fa famongorana tanteraka ny hadalàna

Mifoaza @ zay Rzakarivola fa mbola eto an-tany anie isika izao e! ^^ ^^
19. ikaretsaka ( 28/01/2010 16:16)
rzakarivola:

Ny hoe fanamelohana ho faty aloha dia tsy dia d'accord amin'izany aho e,...

==> Marina izany, isika kristiana tsy tokony ho d'accord afa-tsy @ Andriamanitra irery ihany. Ny antsika dia izao ihany : aoka Andriamanitra no hanapaka.


->ary raha hoe sitrapon'Andriamanitra no niantso ilay olona ho any aminy @ alalan'ny fanamelohanao azy ho faty?

izay no tendrin"Atra @ fiainan'ilay olona dia ianao no fitaovana nindraminy hanao izay tendry izay

dia tsy manaiky ianao?
Tsy hay tsy hay!

20. rakapy ( 28/01/2010 16:27)
Ka efa hoe A/tra irery hono no tokony hanapaka ko. Ary tsy maintsy miandry sy mihaino ny tenin'i jesosy ko hono fa izy irery no afaka hanoro lalana antsika. Ohatran'ny marionette ireny izany e! :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1977