Fihetsika manoloana ny fanamelohana ho faty !

21. bor2lais ( 28/01/2010 17:06)
Hoy ANARIM :
"avahana 2 tsara hoy aho :
1- tsy heloka amiko ny fampiharana ny sazy miendrika fanamelohana ho faty
2- heloka amiko ny famonoana olona tsotra izao"
--------
Azoko tsara ny tianao lazaina eto.

Amiko indray ny fanamelohana ho faty dia tsy isan'ny sazy intsony fa fanalana ain'olona mihitsy, satria ny sazy, araka ny fiheverako azy, dia ao anatin'ny fanitsina na fampieritreretana ilay olona hanao ny mety (amin'ny ho avy) ! Ka raha vonoinao izy dia tsy voasazy intsony !

Noho izany dia mitovy ihany amiko ireo 1 sy 2 lazainao ireo !

Hevitro ihany anefa izay !
22. ikaretsaka ( 28/01/2010 17:41)
rakapy:

Ka efa hoe A/tra irery hono no tokony hanapaka ko. Ary tsy maintsy miandry sy mihaino ny tenin'i jesosy ko hono fa izy irery no afaka hanoro lalana antsika. Ohatran'ny marionette ireny izany e! :-D :-D :-D

ka raha niteny i Jesosy hoe helohy ho faty izy ry zanako de ahoana?
:-D :-D :-D :-D
(eto moa izany tsy hoe namporisika ny jiosy Atra @ hanamelohana an'i Jesoa ho faty mba hahatanteraka ny voalazan'ny mpaminany...fa kosa namporisika ilay mpitsara lzy [izay mety ho ianao] mba hanameloka ilay mpanao ratsy ho faty satria ny ho voaheloka ho faty no ao anary lahatry ny fiainan'ilay olona)

dia iza no manda ny sitrapon" Atra raha izay cas izay no mitranga ohatra?
23. fijo ( 28/01/2010 20:37)
hiandry izay jesoa tsy ho avy eo ve nefa ny zaza efa nosimbainy ,fa dia karakaraina ny aminy e
24. ikaretsaka ( 28/01/2010 22:20)
izay mantsy no somary mahagaga ahy kely ihany hoe hihazohazo lalandava ve izany raha hoe "mpivavaka"
25. bor2lais ( 29/01/2010 08:08)
Hoy i Ika ery ambony ery :

"Ka raha tany ity hoe lahatry ny Tompo ny hahameloka ho faty an ilay zalahy voaheloka de ahoana?
hoe "voaheloka ho faty" no any anaty "convocation"-ny....
tsy misy mahalala fa mety izany anefa no "voasoratra any ho any" @ anjara sy lahatr'ilay bandy!"
------------
METY ho lahatry ny Tompo tokoa ny hiantso azy amin'ny alalan'ny fanamelohana ho faty, saingy tsy misy maniry haka ny toeran'i Jodasy angamba isika tsi11 an !

Voalaza koa hoe :

"de miverina amin'ny fanontaniana aho
Vox populi..Vox Dei ny ahy! de izay izany!"
------
Ny olana amin'ny Vox populi dia tsy fiable à 100%, ka eto amin'ity tranga ity dia "irréparable" ny mety ho fahadisoana ! Raha azoko tsara (mety diso aho angamba) dia tsy mampaninona an'i Ika ny manao tahaka an'i Pilato izany !
26. bor2lais ( 29/01/2010 08:13)
Hoy i fijo :

"raha lehilahy lehibe nametaveta zazakely ohatra no homelohina,na izaho aza no hanapaka ny lohany ,tsy misy inona mihintsy mampanahy ahy"
--------

Raha io no arahina Ra-fijo dia mety ho tapitra maty daholo tokoa angamba ny olona eto ambonin'ny tany araka ny voalazan'i niryna (valinteny 7) ery ambony an ! :D
27. bor2lais ( 29/01/2010 08:27)
Hoy rakapy :

"Tsy tokony hamono olona na @ endriny manao ahoana ny olombelona iray raha ny lalana ao @ baiboly sy ny finoana maro no jerena. Nefa ny fanamelohana hofaty kosa dia matetika dia lalan'olombelona na firenena iray matetika, izay tsy misy idiran'ny finoana na ny baiboly na dia kely aza Satria lalana notapahina mba hifehy firenena iray mba tsy hihoa-pampana ny adalan'ny olona izay monina ao aminy. "
-----------
Ka eo indrindra isika rakapy a !

Olombelona mety manana ny finoany no asaina manatanteraka io lalan'olombelona io. Ny tena tiana ahatongavana dia ny hoe : ampandeferinao ve ny finoanao manoloana ny tombon-tsoan'ny be sy ny maro na dia hitanao sy tsapanao fa mifanohitra amin'ny finoanao aza izany ?
28. rakapy ( 29/01/2010 08:56)
Hoy Bor2lais
Ka eo indrindra isika rakapy a !

Olombelona mety manana ny finoany no asaina manatanteraka io lalan'olombelona io. Ny tena tiana ahatongavana dia ny hoe : ampandeferinao ve ny finoanao manoloana ny tombon-tsoan'ny be sy ny maro na dia hitanao sy tsapanao fa mifanohitra amin'ny finoanao aza izany ?


Raha izay no tianao ahatongavana dia hoy aho hoe: Miankina @ feon'ny fiheritreretan'ilay hanatanteraka azy fa indrindra ireo mpanome baiko sy mpanapaka.

Misy ny olona sasany dia tsy mety miova mihitsy na dia efa nigadra im-betsaka sy nanao adalana maro aza. Inona no vokany eo fiaraha-monina? Lasa sakana eo @ fiaraha-monina ny fisian'izy ireny ao anaty fiaraha-monina. Raha gadraina koa anefa dia mandany ny volam-bahoaka ,lasa entan-mavesatry ny fiaraha-monina sy ny firenena izy ireny... Dia eo matetika no mitranga ilay hevitra na fanapahan-kevitra hanameloka ho faty raha any @ tany sasany no jerena.

29. ANARIM ( 29/01/2010 09:33)
rzakarivola:

==> Mazava izay ny hevitrao. Ahoana ny hevitr' Andriamanitra ?

en harmonie tanteraka amin'ny finoako ilay Andriamanitra inoako ireo hevitro ireo!!! tsy misy fifandirana anaty hoe sao sanatria ho lasa heloko eo anatrehan'Andriamanitra ao amiko raha mijoro amin'ireo aho!!!

30. ravonjison ( 29/01/2010 10:23)
rakapy:

Hoy Bor2lais
Ka eo indrindra isika rakapy a !

Olombelona mety manana ny finoany no asaina manatanteraka io lalan\'olombelona io. Ny tena tiana ahatongavana dia ny hoe : ampandeferinao ve ny finoanao manoloana ny tombon-tsoan\'ny be sy ny maro na dia hitanao sy tsapanao fa mifanohitra amin\'ny finoanao aza izany ?


Raha izay no tianao ahatongavana dia hoy aho hoe: Miankina @ feon\'ny fiheritreretan\'ilay hanatanteraka azy fa indrindra ireo mpanome baiko sy mpanapaka.

Misy ny olona sasany dia tsy mety miova mihitsy na dia efa nigadra im-betsaka sy nanao adalana maro aza. Inona no vokany eo fiaraha-monina? Lasa sakana eo @ fiaraha-monina ny fisian\'izy ireny ao anaty fiaraha-monina. Raha gadraina koa anefa dia mandany ny volam-bahoaka ,lasa entan-mavesatry ny fiaraha-monina sy ny firenena izy ireny... Dia eo matetika no mitranga ilay hevitra na fanapahan-kevitra hanameloka ho faty raha any @ tany sasany no jerena.





Io voalazan-dRakapy io dia hiombonako tokoa. Ao mihitsy ilay olana : raha gadraina izy dia lasa enta-mavesatry ny fiaraha monina, raha tsy gadraina izy dia hamono olon-kafa koa avy eo.
Ohtra : raisiko ilay tranda nolazain \' i Fijo : olona namono zazakely. Dia eritrereto hoe : ny rain\' ilay zazakely izany efa maty zanaka,no mbola handoha hetra hikarakarana ilay mpamomo olona ao ampigadrana koa ?

Ny fanamelohana ho faty io olona io dia misakana ny olana mbola ho ataony any aoriana ( indrindra ny famonoana olona)

Ka eo @ io resaka famonoama olona io dia sarotra ny raharaha: Raha ny didy folo ao @ baiboly no harahina ny interptretena , dia olana tokoa, satria tsy fantatra hoe aiza ilay faritra farany azo hilazana ny atao hoe famonoana olona : direct sy indirect !!!! ( tsotsoriko )
Ohatra : raha nandray antsy ny olona iray ka namono olona iray dia mazava fa famonoana olona direct iny . Tsy misy olana.
Raha raisiko ny tranaga misy tao Irak. Ny amerikana dia tapakevitra fa hanala an\' i Sadam Hussein. I Sadam Hussein dia fantatra fa namono ny vahoakany ( indrindra ireo Kurdes). Mazava fa namono olona i Sadam Hussein. Fa ny Amerikana kosa, raha tsy nesoriny i Sadama hissein, ka na velany namono olona hatrany , dia mpamono olona koa ny Amerikana satria tsy nanakana izany famonoana olona izany ( indirect). Ka eo ilay olana : izay rehetra tsy nanakana ny famonoana olona ve dia mpamono olona koa , araka ny baiboly ? Toy izany koa ny ady rehetra misy erantany.
Tsoriko : raha tsy melohina ho faty ilay olona , raha tsy sakanana ny famonoana olona izay mbola hataony any aoriana, tsy mpamono olona koa ve izany ireo izay mamela iny olona iny ho velona ka kamono olona indray any aoriana ? Aiza ilay faritra ahazoana milaza izany , araka ny baiboly ?

Ny fahitako azy dia tsy manana valinteny @ io ny baiboly , fa ny interpretation no betsaka.
Ka mety tsara ihany raha ny fiarahamonina no miaramanapaka ny atao hoe : meloka ho faty na tsia .

31. rzakarivola ( 29/01/2010 11:38)
rakapy:

Hoy Rzakarivola
Amin' Andriamanitra, ny hadalana na dia kely monja aza dia sakana tsy hidirana ao amin'ny fanjakàNy, izany hoe tsy fanakanana mba tsy hihoa-papana no ilaina, fa famongorana tanteraka ny hadalàna

Mifoaza @ zay Rzakarivola fa mbola eto an-tany anie isika izao e! ^^ ^^

==> Tena ilaina tokoa ny mifoha, fa tsy ho eto an-tany mandrakizay isika
32. rzakarivola ( 29/01/2010 11:46)
ikaretsaka:

->ary raha hoe sitrapon'Andriamanitra no niantso ilay olona ho any aminy @ alalan'ny fanamelohanao azy ho faty?

==> Marina mihitsy fa ny olona rehetra dia antsoin' Andriamanitra ho any amiNy. Ary izany no ilazaNy hoe : "Miomàna hihaona amin' Andriamanitrao". Samy hifanatri-tava amin'i Jesoa Kristy (dia tsy iza fa Andriamanitra) daholo.
Ny sitrapon' Andriamanitra dia izao : mba hanana fiainana mandrakizay izay mijery ny Zanaka ka mino Azy, ary IZy hanangana azy @ andro farany.

ikaretsaka:

izay no tendrin"Atra @ fiainan'ilay olona dia ianao no fitaovana nindraminy hanao izay tendry izay
dia tsy manaiky ianao?
Tsy hay tsy hay!

==> Andriamanitra ihany no tsy maintsy ekena sy henoina, ka izay lazaiNY dia tsy maintsy hatao.
Efa niteny Andriamanitra hoe "aza manameloka dia tsy hohelohina ianao", koa aoka tsy izaho mihitsy no hanameloka na iza na iza.
Raha ny Lalàn' Andriamanitra no manameloka, raha milaza ny lalàn' Andriamanitra aho dia tsy izaho no manameloka, fa Andriamanitra no mitsara, ary Izy mpitsara marina, tsy manao ny ratsy ho tsara na ny tsara ho ratsy.
33. rzakarivola ( 29/01/2010 11:52)
rakapy:

Ka efa hoe A/tra irery hono no tokony hanapaka ko. Ary tsy maintsy miandry sy mihaino ny tenin'i jesosy ko hono fa izy irery no afaka hanoro lalana antsika. Ohatran'ny marionette ireny izany e! :-D :-D :-D

==> Ny zanaka mifidy hankato ray aman-dreny dia marionette ny ray aman-dreniny.
Ny mpiasa misafidy hanaiky ny mpampiasa azy dia tsy maintsy marionette ny Mpampiasa azy amin'izay anekeny azy.
Ny Mpivarotra iray mivarotra tsy marionetten'izay mahatonga azy hivarotra.
Ny olona tsy maintsy misafidy ho marionnette, fa izay misafidy ho marionetten' Andriamanitra dia mahita ny lalana alehany.

Ny olona tahaka ny tavoahangy manana safidy, raha misafidy tsy hasiana na inona na inona izy dia tsy misy ilàna azy. Raha misafidy hasiana menaka izy dia lasa tavoahangy-menaka, raha misafidy hasiana rano izy dia lasa tavoahangin-drano.
Izay misafidy hofenoina ny Fanahin' Andriamanitra dia lasa olon' Andriamanitra. Izay misafidy hofenoina zava-poana (zavatra tsy mahasoa) dia tonga olom-poana.
34. rzakarivola ( 29/01/2010 11:55)
bor2lais:

Hoy ANARIM :
"avahana 2 tsara hoy aho :
1- tsy heloka amiko ny fampiharana ny sazy miendrika fanamelohana ho faty
2- heloka amiko ny famonoana olona tsotra izao"
--------
Azoko tsara ny tianao lazaina eto.

Amiko indray ny fanamelohana ho faty dia tsy isan'ny sazy intsony fa fanalana ain'olona mihitsy, satria ny sazy, araka ny fiheverako azy, dia ao anatin'ny fanitsina na fampieritreretana ilay olona hanao ny mety (amin'ny ho avy) ! Ka raha vonoinao izy dia tsy voasazy intsony !

Noho izany dia mitovy ihany amiko ireo 1 sy 2 lazainao ireo !

Hevitro ihany anefa izay !

==> Marina tokoa aloha fa raha misy olona voaheloky ny fitsarana hoe "hovonoina ianao", dia mihena dia mihena ny fotoana ahafahany mandini-tena mba hitady an'i Jesoa, nefa iriako ery mba ho tahaka an'ilay Jiolahy iray nahita an'i Jesoa izy ka hahazo paradisa.
Indrisy, loza ny an'ireo izay tsy manam-po akory fa ho faty rahariva, rahampitso ... fa variana amin'ny fihinanana sy ny fisotroana ary ny fiahiahiana izao fiainana eto an-tany izao.
35. rzakarivola ( 29/01/2010 12:04)
ikaretsaka:

ka raha niteny i Jesosy hoe helohy ho faty izy ry zanako de ahoana?
:-D :-D :-D :-D

==> Ary manaiky ve ilay melohina ho faty raha lazaina aminy ny tenin'i Jesoa ?
Ireo navotan'i Moïzy avy tany Egypte rehefa nanompo sampy sous pretexte hoe nanjavona i Moïzy nandritra ny andro maro, dia nasain'i Moïzy naringana, araka ny baikon' Andriamanitra.
Ankehitriny, misy ireo navotan' i Jesoa niala t@ fanandevozan'izao tontolo izao, kanefa miverina @ sampy sous pretexte hoe tsy mahita an'i Jesoa ... hoe tsy ho avy izany Jesoa izany, moa ve tsy asain' i Jesoa hanatsoaka ny sabany ireo mino an' Andriamanitra mba hahafaty ireo mpivadika ireo ?
Ny Tenin' Andriamanitra dia maranitra tahaka ny sabatra roa lela.

ikaretsaka:

(eto moa izany tsy hoe namporisika ny jiosy Atra @ hanamelohana an'i Jesoa ho faty mba hahatanteraka ny voalazan'ny mpaminany...fa kosa namporisika ilay mpitsara lzy [izay mety ho ianao] mba hanameloka ilay mpanao ratsy ho faty satria ny ho voaheloka ho faty no ao anary lahatry ny fiainan'ilay olona)

dia iza no manda ny sitrapon" Atra raha izay cas izay no mitranga ohatra?

==> Ireo jiosy nampamono an'i Jesoa 2000 taona lasa izay mbola nanana chance ho voavela heloka, satria hoy i Jesoa hoe : "Izay miteny ratsy ny Zanaka, mbola hahazo famelan-keloka ihany, fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masina dia tsy hahita famelana ny helony".
Ankehitriny, misy Kristiana mbola mitady izay hamonoana ny fanahin'i Kristy ihany, na any am-piangonana na eny rehetra eny, eo @ fiainany mihitsy ... Tsy azo hampibebahana intsony izay manombo fanindroany ny Zanak' Andriamanitra.
Izay manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino.
36. rzakarivola ( 29/01/2010 12:06)
fijo:

hiandry izay jesoa tsy ho avy eo ve nefa ny zaza efa nosimbainy ,fa dia karakaraina ny aminy e

==> Ianao no milaza fa tsy ho avy Izy, izaho no nandre ka milaza fa ho avy indray Izy hitsara ny velona sy ny maty. Naleo lavitra olona tsy nandre mihitsy mikasika an'i Kristy toy izay olona efa nandre Azy, indrindra nampianarina kanefa tsy nino.
37. rzakarivola ( 29/01/2010 12:09)
ikaretsaka:

izay mantsy no somary mahagaga ahy kely ihany hoe hihazohazo lalandava ve izany raha hoe "mpivavaka"

==> "Izay mandeha amin'ny mazava dia tsy tafintohina satria mahita ny lalany". Kristy no fahazavan'izao tontolo izao. Izay ao amin'i Kristy tsy misy fihanahanana fa mahazo antoka ny lalany sy ny ataony.
38. rzakarivola ( 29/01/2010 12:14)
bor2lais:
"de miverina amin'ny fanontaniana aho
Vox populi..Vox Dei ny ahy! de izay izany!"

==> Mety ho marina ihany io raha toa ka atao araka ny marina.
Ny zava-misy sy hataon'ny olona dia hoe : izay hevitry ny maro an'isa ... sa hoe tsy considére-na ho populi ny vitsy an'isa ?
Ohatra, misy fifidianana mitranga, ny 80% mifidy an'i candidat A, ny 20% mifidy an'i candidat B ... Dia lojika be ho an'ny olona ny hoe A no lany.
Fa raha atao @ marina ny hoe vox populi vox Dei, dia mila 100% vao lany ny candidat iray, raha tsy izany, tsy vahoaka izany ny 20% ?
Ka raha misy jurés anaki-10 ohatra, raha ampiharina ny vox populi vox Dei, raha vao tsy ny 10 no miara-mandany dia tsy azo ekena ho hevitr' Andriamanitra, na dia 9/10 aza no andaniana azy eo.

Tokana no ahitana ny hevitr' Andriamanitra, Jesoa Kristy ihany, sady raha kristiana marina tsy tokony hisalasala ny amin'izany.
39. rzakarivola ( 29/01/2010 12:23)
bor2lais:

Ka eo indrindra isika rakapy a !

Olombelona mety manana ny finoany no asaina manatanteraka io lalan'olombelona io. Ny tena tiana ahatongavana dia ny hoe : ampandeferinao ve ny finoanao manoloana ny tombon-tsoan'ny be sy ny maro na dia hitanao sy tsapanao fa mifanohitra amin'ny finoanao aza izany ?

==> Izao ny finoako : i Jesoa Kristy no tenin' Andriamanitra Velona. Ataoko fa ny kristiana marina rehetra dia samy miray finoana amiko amin'izay. Dikan'izany, ny tenin'i Jesoa Kristy no mila henoina, inoana, ary tanterahina.
Mikasika ny fanamelohana dia hoy izy :
Aza manameloka dia mba tsy ho voaheloka koa ianao.
Mikasika ny famonoana olona :
Efa renareo fa voalaza tamin'ny ntaolo hoe:" Aza mamono olona" (Eks.20.13); ary izay mamono olona dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana.

Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Izay rehetra tezitra amin'ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin'ny fitsarana; ary na zovy na zovy no hanao amin'ny rahalahiny hoe : Olom-poana hianao, dia mendrika hohelohina amin'ny Synedriona; ary na zovy na zovy no hanao hoe: Foka ialahy, dia mendrika ho ao amin'ny helo mirehitra afo.
[Matio 5:21-22]

Mety hanameloka ny mpamono olona ho mamono olona aho, fa mitovy fahamelohana aminy aho isaka ny tezitra amin'ny rahalahiko.
40. rzakarivola ( 29/01/2010 12:27)
ANARIM:

en harmonie tanteraka amin'ny finoako ilay Andriamanitra inoako ireo hevitro ireo!!! tsy misy fifandirana anaty hoe sao sanatria ho lasa heloko eo anatrehan'Andriamanitra ao amiko raha mijoro amin'ireo aho!!!

==> Marina izany, raha tsy en harmonie amin'ny Andriamanitra inoanao ireo dia tsy ho nitazona ireo hevitra ireo ianao fa nikaroka izay hevitr'ilay Andriamanitra ninoanao. Ny anton'ny fanontaniako dia mandinika aho raha i Jesoa Kristy no inoanao na tsia, somary manjavozavo amiko.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6756