Fihetsika manoloana ny fanamelohana ho faty !

41. rzakarivola ( 29/01/2010 12:32)
ravonjison:
Ka eo @ io resaka famonoama olona io dia sarotra ny raharaha: Raha ny didy folo ao @ baiboly no harahina ny interptretena , dia olana tokoa, satria tsy fantatra hoe aiza ilay faritra farany azo hilazana ny atao hoe famonoana olona : direct sy indirect !!!! ( tsotsoriko )

==> Raha mino an'i Jesoa ianao dia ho mora dia mora aminao izy, vakio ny [Matio 5:21-22].
42. ANARIM ( 29/01/2010 13:20)
rzakarivola : angamba tsy misy afaka miteny fa efa nifanatritava tamin'ilay atao hoe "Andriamanitra" ka afaka hampitovy hoe tena ilay Andriamanitro marina no Andriamanitr'i rzakarivola!!! Misy ny napetrak'isika olombelona ho "Trinité Masina" dia Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy Masina... raha mandeha any amin'ny FJKM dia io sary io no iraisana, raha mandeha any amin'ny silamo dia manana ny sary iraisany koa zareo!!! fa au fond ny finoan'ny tsirairay no mitondra an'io!!! dia eo aho no manavaka hoe raha ilay Andriamanitra inoako (sy arahako sns sns) satria amiko io dia tena miankina tanteraka amin'ny ao anaty fa tsy endrika ivelany azo tsapain-tanana ... zay le izy ry akama a!!!

bor2lais :
"Olombelona mety manana ny finoany no asaina manatanteraka io lalan'olombelona io. Ny tena tiana ahatongavana dia ny hoe : ampandeferinao ve ny finoanao manoloana ny tombon-tsoan'ny be sy ny maro na dia hitanao sy tsapanao fa mifanohitra amin'ny finoanao aza izany ?"
ankoatry ny finoana, dia tsy afa-miala ao anatin'ny fiaraha-monina ny zanak'olombelona, ka anjaran'ny tsi-1-1 ny mitady ny équilibre entre ny finoany sy ny société misy azy!!!

"Amiko indray ny fanamelohana ho faty dia tsy isan'ny sazy intsony fa fanalana ain'olona mihitsy, satria ny sazy, araka ny fiheverako azy, dia ao anatin'ny fanitsina na fampieritreretana ilay olona hanao ny mety (amin'ny ho avy) ! Ka raha vonoinao izy dia tsy voasazy intsony !

Noho izany dia mitovy ihany amiko ireo 1 sy 2 lazainao ireo !"


tena sazy ilay izy ka! fa sazy fara-tampony, izany hoe matoa efa fanamelohana ho faty no sazy dia izay no mendrika azy noho ilay heloka vitany!!!tsy ilaina intsony izy hampieritreretina sns sns!!!
43. bor2lais ( 29/01/2010 13:30)
rzakarivola > raha ny fahazoako azy dia azo fintinina amin'ilay hoe "aza mitsara mba tsy ho tsaraina" ny resakao rehetra !

Midika izany fa tsy ilaina ny tribonaly satria ny mpitsara ao dia tsy tokony hanameloka !

Ny olana anefa rahalahy dia napetraNY eto amin'izao tontolo izao isika. Noho izany, araka ny hevitro dia ny fomba iainantsika feno ny finoantsika Azy miaraka amin'ireo manodidina antsika no tsara dinihina (ary isan'izany ity lohateny ity) satria raha tsy diso aho tsy ny hialantsika amin'izao tontolo izao akory no vavaka nataoNY fa mba hiarovana antsika amin'ilay ratsy ... :D
44. bor2lais ( 29/01/2010 13:55)
ANARIM > "ankoatry ny finoana, dia tsy afa-miala ao anatin'ny fiaraha-monina ny zanak'olombelona, ka anjaran'ny tsi-1-1 ny mitady ny équilibre entre ny finoany sy ny société misy azy!!!"
--------
Miombon-kevitra tanteraka aminao aho eto. Ary izay indrindra no anton'ity lohahevitra ity !

Mikasika ilay sazy sy ny fanamelohana ho faty indray dia resaka tsy fitovian'ny famaritana ny antsika iny !

45. bor2lais ( 29/01/2010 14:04)
rakapy:

Raha izay no tianao ahatongavana dia hoy aho hoe: Miankina @ feon'ny fiheritreretan'ilay hanatanteraka azy fa indrindra ireo mpanome baiko sy mpanapaka.

Misy ny olona sasany dia tsy mety miova mihitsy na dia efa nigadra im-betsaka sy nanao adalana maro aza. Inona no vokany eo fiaraha-monina? Lasa sakana eo @ fiaraha-monina ny fisian'izy ireny ao anaty fiaraha-monina. Raha gadraina koa anefa dia mandany ny volam-bahoaka ,lasa entan-mavesatry ny fiaraha-monina sy ny firenena izy ireny... Dia eo matetika no mitranga ilay hevitra na fanapahan-kevitra hanameloka ho faty raha any @ tany sasany no jerena.


--------
Misaotra anao amin'ny valinteny. Ilay lohateny moa dia eo amin'ny sehatry ny mpiasa na mpanatanteraka no nametrahana azy aloha (fa tsy ny mpanome baiko sy mpanapaka) satria raha hitarina araka ny hevitry ravonjison ilay izy dia mety ho lasa lavitra be.



46. bor2lais ( 29/01/2010 14:15)
ravonjison > misaotra anao amin'ny fanehoan-kevitra izay mazava dia mazava tokoa.

Saingy raha vao hitarintsika ivelan'ny firenena iray izay mampihatra izany fanamelohana ho faty izany ilay resaka dia mety ho lasa lavitra.

Izany hoe raha vao miresaka Amerikana sy Iraka ohatra ianao dia ho tonga eo koa ny resaka fitsabahan'ny firenena vahiny iray amin'ny raharaha tokantranon'ny hafa (fanonganam-panjakana, sns) ...
47. soanja ( 29/01/2010 14:28)
bor2lais:

Mahavelom-panontaniana tokoa ny mamaky ny dinika mandalo eto ka mahatonga ny tena manokatra ity lohateny vaovao ity (izay mety misy fifandraisany amin\'ny dinika sasany ihany).

Inona no ataonao raha toa ka :
- monina sy miasa ao amin\'ny firenena mampihatra ny fanamelohana ho faty ianao
- mpitsara no asanao na voantso ho isan\'ny \"jurés\" mikasika izany ianao : io didim-pitsarana io no lanin\'ny be sy ny maro fa hampiharina ?

Misaotra mialoha amin\'ny fandraisanao anjara !


Amin\'ny fiainana dia mila dinihina lalandava hoe inona no olana mahatonga izao zava-mitranga mampivarahontsana izao ary inona no tokony atao mba hisorohana azy. Izay no ezaka ataon\'ny fiarahamonina iray toy i Etazonia mba hanalefahana ny fiaraha-miaina tsy hisy herisetra sy fifamonoana be loatra. Tadidio lalandva fa tsy mitovy ny fomba fisainan\'ny olombelona ary tena misy tokoa ny tena mahavanon-doza na noho ny fitiavan-tenany sy filana mahery vaika any aminy na ao koa ny aretina mianjady aminy izay ara-tsaina.

Ireo rehetra voalaza ireo no adihadiahana sy karohana alohan\'ny hitondrana ny olona iray eo amin\'ny fitsarana. Ary matoa misy ny fitsarana miaraka amin\'ny olona vitsivitsy voafidy tao anatin\'ilay fiaraha-monina dia mba ialana ny fitsarana mibolila na miangatra na koa feno kolokolo sy fahafantarana olona izay misy matetika ao Madagasikara ohatra.
Aoka ny rehetra no hiara-midinika sy hijery amin\'ny mahaolona azy tsirairay ny fahitany io olana goavana io ary aoka ny demokrasia no hanjaka.

Ny tenako dia efa nanao jury imbetsabetsaka ihany taty Amerika ary mahita fa raha misy azoko atao hoe fitsarana azo iafiaina indrindra ny fahamarinany sy ny fanantanterahana azy dia ny aty Amerika, eny fa na dia mbola eo aza ireo maizin-tsaina miezaka mampanjaka ny fanavakavahana sy ny hafa maro mifandraika amin\'io. Tsy ny fanjakana irery no mandindy manapaka fa misy be dia ireo olona ao anaty antokon\'asa sy fikambanana izay afaka koa manome ny heviny amin\'ny zavamisy iray ary afaka hanova izany hojerena akaiky raha sanatria ka misy ny fahitana ny tsy fetezan\'ilay lalana notapahina niaraka teo.

Araka ny voalazako dia matoa ny olona iray notsairana ka tonga amin\'ny sazy faratampony ny fanameloahana azy hofaty dia efa famonoana olona mampivarahontsana ary azo kilasiana mifandraika amin\'ny biby ny zavanisy ary ny rehetra dia tsy ahita fanafana intsony amin\'ny mahaolona an\'iny olona iny. Zany hoe azo heverina fa hanimba ny fiarahamonina ny fiverenany eo anivon\'ny maro ary koa tsy mendrika azy ny hovelomin\'ny fiarahamonina na ny ao amponja aza satria ny vola iasan\'ny tsirairairay ety ivelany no amelomana ireo izay ao amponja ao.

Raisiko ny ohatra, misy zanak\'olona fantatray dia efa hatramin\'ny 8 taona izy dia efa tia herisetra ary nandrongony tsy nisy ohatra\'izany. 15 taona izy nanao hadalana iray dia niteny izy fa aleony mipetraka any amponja toy izay ety ivelany satria any mahafinaritra kokoa hono. Rehefa nivoaka avy tao izy ny 18 taona dia nahatsapa ny tenana fa ho \" macho guy\" satria mahery ny avy any amponja hono. Nezahin\'ny fiarahamonina nahitsy foana izy fa tsy nety mihitsy. Indray mandeha izay novakiany ny toeram-piasanay dia lasany daholo ny fitaovana tao. Indray mandeha izay izy dia tratra nanolana zazavavy iray niaraka tamin\'ny namany maromaro izy ary tena kilamaina ilay zazavavy taty afara. Mbola afaka ihany anefa tafaran\'io nony nanao sazy tsotsotra ny fahitako azy . Nihalehibe ihany izy ary taty afara dia niafara tamin\'ny famonoan\'olona mahatsiravina sady tena tsy azo isainana mihitsy. Iny izy dia any amponja ary aoka hazava fa dia ny volan\'ny tax-nay no hamelomana azy mandrapahafatiny. Zany hoe hisasatra ianao ka handoa izao rehetra izao hanatsarana ny ao amponja mba hamelomana ireo izay namono olona goavana be ary nanao izany ampiheverana tokoa hanimbana ny fiainan\'ny maro. Ilay zanakolona fantatro aloha dia tsy nanao izany ampiheverana satria mamon-drongony izy teo ampanaovana izany.

Misy fetra tokoa ny vitan\'ny fonja fa tsy vahaolana ho an\'ny rehetra ny fonja. Ny fonja dia natao hanitsiahana fa raha ny olona iray tsapa fa tsy ho voahitsy intsony ary ny hafa mijaly nianjadian\'izany famonoana mahatsiravina izany no mbola hijaly koa hamelona izany olona namoafady izany dia aoka ao hilaza fa sazy ho an\'ny fiarahamonina izany.

Mila jerena akaiky fa mifandraika daholo ny fiainan\'olona rehetra ao anaty fiarahamonina voalarindra ara-panjakana. Koa na ianao vonona handoa sy hamelona ny mpamono olona na ianao hilaza fa misy fetra ny hamelomako ireo voasazy. Ka asa aiza ny tianao hanaovana izany? Fa ny ahy ny volako dia tiako lalandava hamelomana ny hafa raha toa ka mbola azoko atao ny hanana fanantenana amin\'olona iray eo amin\'ny fiainany. Matoa ny fiarahamonina nahita fa tsy avotra izy ary tsy mendrika ny ho velona izy dia mahatoky ny fiarahamonina aho satria izay no atao hoe demokrasia.

Tsy anjarako ny mitsara olona fa anjarako kosa ny miezaka manatsara ny fiarahamonina iraha-manana, adidiko izany ary heveriko fa adidin\'ireo izay miara monina amiko.
48. rakapy ( 29/01/2010 14:34)
Hoy Bor2lais
Ilay lohateny moa dia eo amin'ny sehatry ny mpiasa na mpanatanteraka no nametrahana azy aloha

Raha mpiasa mpanatanteraka no toerana misy anao dia izao no toro-hevitro:
1/ Raha tinao ny asanao ary tsy mitady rahaharaha hafa ianao dia tanterao antsakany sy andavany izay baiko azonao avy any ambony.
Executer!!! dia Executer-o zany no dikany, aza asiana sentiment point.

2/Raha tinao ny asanao nefa koa manenjika ny heriteritrao nohon'ny finoanao ny hanatanteraka ilay baiko dia manana safidy ianao.

-Na ianao hangina ka hanaraka ny baiko sy ny didi-mpitsarana (lanin'ny be sy maro)nefa mahatsiaro meloka eo anaterhan'A/tra.

-Na ianao hanohitra ilay didim-pitsarana.
Eo @ io farany io dia mila fahamalinana sy fahavononana ary fahaizana manazava ny heriteritrao . Mila fahaizana mandresy lahatra satria ianao dia hifamaly @ be sy maro.
49. bor2lais ( 29/01/2010 15:17)
soanja > misaotra amin'ny fizarana. Ianareo tokoa moa no miaina ity lohateny ity izany !

"Matoa ny fiarahamonina nahita fa tsy avotra izy ary tsy mendrika ny ho velona izy dia mahatoky ny fiarahamonina aho satria izay no atao hoe demokrasia."

-> Dia hajaina ny hevitrao !
-> io izany ilay Vox populi lazain'i Ika !
50. bor2lais ( 29/01/2010 15:23)
rakapy:


Raha mpiasa mpanatanteraka no toerana misy anao dia izao no toro-hevitro:
1/ Raha tinao ny asanao ary tsy mitady rahaharaha hafa ianao dia tanterao antsakany sy andavany izay baiko azonao avy any ambony.
Executer!!! dia Executer-o zany no dikany, aza asiana sentiment point.

2/Raha tinao ny asanao nefa koa manenjika ny heriteritrao nohon'ny finoanao ny hanatanteraka ilay baiko dia manana safidy ianao.

-Na ianao hangina ka hanaraka ny baiko sy ny didi-mpitsarana (lanin'ny be sy maro)nefa mahatsiaro meloka eo anaterhan'A/tra.

-Na ianao hanohitra ilay didim-pitsarana.
Eo @ io farany io dia mila fahamalinana sy fahavononana ary fahaizana manazava ny heriteritrao . Mila fahaizana mandresy lahatra satria ianao dia hifamaly @ be sy maro.

------------
Ny an'ilay ranamana izay moa dia hoe : aleony mametraka démission na mandeha mifindra Firenena hafa tsy misy fanamelohana ho faty !
:D
Marihiko fa "mpanatanteraka" Malagasy (mifindra monina) no resahintsika eto a !
51. bor2lais ( 29/01/2010 15:35)
H.S kely ity !

Mail voaraiko teo :

"Marcel fait du stop sur le bord de la route par une nuit très sombre, alors qu'il y a une terrible tempéte.
Hélas il n'y a pas de voitures qui passent ...

Trois heures plus tard, La tempéte et l'orage sont toujours si forts
qu'il est impossible de voir plus loin que 3 mètres devant soi.

Tout à coup il voit une voiture qui s'approche lentement et qui s'arréte.

Marcel sans se poser de questions monte dans la voiture, ferme la porte
et lorsqu'il se retourne, il se rend compte qu'il n'y a personne à la
place du conducteur.

La voiture démarre doucement, il ne voit rien devant mais sait qu'il y a un virage très sévère qui approche.

Effrayé, il commence à prier.

Il n'a pas fini d'étre étonné, lorsque juste avant d'arriver sur le virage, la porte du conducteur s'entrouvre et une main entre pour faire
tourner le volant dans le virage.

Cette fois il y croit au bon Dieu

Paralysé par sa peur il s'accroche de toutes ses forces à son siège.
Il reste immobile et voit que la méme chose arrive à chaque fois qu'il y
a un virage.
La tempéte augmente en force, alors à l'approche de son village, il descend de la voiture et part en courant entre dans un bar, demande deux tequilas doubles et en tremblant commence à raconter à tous ce qui lui est arrivé.
...
Une demi-heure plus tard arrivent deux gars complètement trempés, l'air
exténués et l'un dit à l'autre :

Regarde là-bas, c'est le connard qui est monté dans la voiture pendant
qu'on la poussait !!!"

Fin H.S
Miala tsiny indrindra amin'izay mety tohina an ! :D
52. rakapy ( 29/01/2010 15:57)
:-D :-D :-D Misy isainana ilay tantara ka!
Hoy Bor2lais
Ny an'ilay ranamana izay moa dia hoe : aleony mametraka démission na mandeha mifindra Firenena hafa tsy misy fanamelohana ho faty !

Matoa koa anie izy nifidy ilay asa dia tokony nahafantara ny andraikitra minadry azy ao e! Fa tsy hanao toy ilay hoe izaho tena tia hanao mecanicien nefa izaho tsy tia ho maintin'ny menaka.
53. ikaretsaka ( 29/01/2010 16:55)
misy hisainana tokoa ny tantaran'i bord.. miverina @ le fanamarihiko hoe aza ahilika any @ Atra aby zao havendrananao rehetra izao
54. fijo ( 29/01/2010 20:02)
bor2lais an,nahoana no ho ringana ny olona???ngaha gaigy saina daholo ny rehetra?
55. soanja ( 29/01/2010 23:33)
bor2lais:


-> io izany ilay Vox populi lazain'i Ika !


Aiza moa Andriamanitra fa tsy eo anivontsika ihany sady manerana!


56. bor2lais ( 30/01/2010 09:01)
fijo > azafady fa loi du talion no noheritreretiko tamin'io ka !
57. bor2lais ( 30/01/2010 09:10)
soanja:

bor2lais:


-> io izany ilay Vox populi lazain'i Ika !


Aiza moa Andriamanitra fa tsy eo anivontsika ihany sady manerana!


--------
resakay sy Ika indray io ka (valinteny 24) !

Raha te hiresaka momba ny Vox populi Vox Dei misimisy indray ianao dia lohateny hafa mihitsy angamba !

58. soanja ( 30/01/2010 14:24)
bor2lais:

soanja:

bor2lais:


-> io izany ilay Vox populi lazain'i Ika !


Aiza moa Andriamanitra fa tsy eo anivontsika ihany sady manerana!


--------
resakay sy Ika indray io ka (valinteny 24) !

Raha te hiresaka momba ny Vox populi Vox Dei misimisy indray ianao dia lohateny hafa mihitsy angamba !




Tsy hs mihitsy io resako io fa tena mbola mifandraika tsara amin'ny lohateny.

Ny fanontanianao dia manontany momba ny olona ao anaty firenena iray manao asa fanamelohan-keloka izay miafara amin'ny famonoana an'ilay olona.

Ny hevitro dia milaza fa Andriamanitra dia mitoetra ao amin'ireo vahoaka sy izay rehetra iainantsika ka ifandraisana amin'ny fanatsarana ny fiainana indrindra ny fifankatiavana sy fandriampahalemana. Ny fanantanterahana ny asa ampitiavana zany hoe ireo andraikitra nomena anao , izay nofidianao ilay asa dia mitory tokoa an'Andriamanitra velona. Ny fanehoan'ny vahoaka ny fahafahany iaina ampilaminana ary miara miasa sy mikaroka amin'izany ka tanteraka dia fanehoana an'Andriamanitra. Andriamanitra dia natao hiainana andavanandro ary indrindra amin'ny fanehoana ny asa atao sy ny fifandraisana eo anivon'ny be sy ny maro. Tsy mila mandeha lavitra dia mahita an'Andriamanitra, tsy ilaina akory hiova firenena vao ahita azy sy hidera azy!


59. fijo ( 30/01/2010 21:55)
bordelais ,ny fanamelohana ho faty tsy lalanan'ny talion ka
60. ikaretsaka ( 31/01/2010 17:06)
Miombonkevitra @ soanja...
Namaste
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1763