Hanao inona aty ary ?
81. soanja
(
28/09/2009 13:59)
ikaretsaka:
Soanja> satria isika 'ary'..raha nahary isika de afaka nanontany ihany... ohatran hoe manao archi...ny design ko tsy manontany anahy fa za no tompon'antoka @ iny rehefa misy olana....ohatra
Raha afaka misaina ny zavatra namboarinao dia hanontany anao ny antony saingy tsy afaka izy dia izay.
Izay no iavian'ny hoe raha tsy misaina ny zavatra amboarinao dia ny olona hafa misaina ankoatranao- satria ianao moa izay efa nisaina momba izany matoa nahavita izany- hanontany ny antony sy mombamomba ilay zavatra namboarinao mba ahafahany mahafantatra tsara na ilaina- daholobe na olona manokana na biby sns sns ilay zavatra namboarinao sa tsia.
Matoa manontany ny olombelona hoe nahoana isika no "Hary" sy tamin'ny fomba ahoana dia ny mba ahafahany mahalala hoe inona ireo zavatra ilana azy ireo sy hahafahana mahafantatra ny sitrapon'ny Mpahary.
Mbola azo apetraka aza anie ny fanontaniana hoe " Nohariana" ve isika sa " nisy" fotsiny ihany.
82. soanja
(
28/09/2009 14:03)
rijadolly:Soanja>>> Tsy nanota marina iJesoa zay no maha Kristy azy,fa kosa nitondra ny otatsika rehetra dia izay ny nahatonga ny Ràny ho latsaka,hatramin\'aiNy aza mba hanafaka ahy sy ianao ary ny olon-drehetra izay mino AZY .
Le fahafatesana alou eto raha araky ny fahalalako azy de midika tsy fifohazam-panahy fa tsy we maty tena maty akory e
Cutie>>>>Mitovy fijery an\'ise za eo amin\'ilay hoe nandresy ny fahafatesana Jesoa ary nanao ny sorona ny aiNy.
[/quote]
Ka raha nitondra ny otantsika rehetra izy dia madio izany isika izao kooo!!!! Efa nodioviny tsinona izay nisy sy misy ary hisy. Sa tamin'iny ihany no nodioviny?
83. cutie
(
28/09/2009 19:31)
Ka raha nitondra ny otantsika rehetra izy dia madio izany isika izao kooo!!!! Efa nodioviny tsinona izay nisy sy misy ary hisy. Sa tamin'iny ihany no nodioviny?
efa ka fa ze mahatsapa an'io ihany no madio :)
84. soanja
(
28/09/2009 19:56)
cutie:
Ka raha nitondra ny otantsika rehetra izy dia madio izany isika izao kooo!!!! Efa nodioviny tsinona izay nisy sy misy ary hisy. Sa tamin'iny ihany no nodioviny?
efa ka fa ze mahatsapa an'io ihany no madio :)
Izay tsy mahatsapa zany maloto?
:-D :-D :-D
86. rijadolly
(
28/09/2009 19:59)
Soanja , oh tena sarotra ny mamaly ny fanontanian'ise satria azo valiana ihany.Ny antony ilazako izany dia oh ilay Fanafahana marina no lasa aloha ho antsika ankehitriny.Ka na in ataotsika na in v dia tsy olana intsony satria efa vita ny famonjena?
Misy tenin'ny namako iray zay manao hoe "Ho antsika,hoy izy,dia miverina mamantsika an'Jesoa eo ambony hazo fijaliana indray raha miverina manota,ilay ota efa nangatahanao fanafahana iny." Ny tiako lazaina dia efa vita ny Famonjena, sy Asa Fanadiovana;fa anjaratsika , asakasatsika raha hanolotra sy ihaiky ny fahotatsika isika ( mino Azy). :arrow: tsy afaka milaza isika hoe voadio raha tsy manolotra izany loto izany ho dioviNY.Mampatsiahy ahy an'ilay hiran( Daniel ray zay hoe: "Ambarao² @ Tompo ny mahazo anao dia tantarao amin'Jesoa ny manjo anao,tsy miteny ianao tsy mivolana,ataony ahoana ny amaha ny olanao,mivava dia lazao Azy , tsy ho ela Jesoa dia ho avy."
Cutie, tsy mifananohitra indray amiko ny hevitsika sy se.
Samy nanaiky anefa isika fa tsy sitrak'Andriamanitra ny nanary an-tsika ,ka isaraka aminy ka ny ahafaty antsika tena nofo aman-drà fa ny hitohetra eo Aminy mandrakariva.ny ota no nahatonga an'io fahafatesana nofo aman-drà izay alevina any am-pasana iny.Ka eo aùin'ilay antsangana ny maty dia manaiky ihany koa ra mbola velona ilay olona hoe niala ny ratsy fanaony dia ny mbola ety an-tany izy.f ra efa maty izy dia antsangana ny maty.Efa naseho fa nisy ireo maty tany am-pasana no natsangana izay hanaporofoin'Jesoa Kristy fa misy izany ary ho avy ny andro ahitatsika indray izany zavatra izany izay efa nampanantenainy antsika.

se hoe:Manaiky an'io tanteraka aho fa azo lazaina hoe matory ara-panahy ilay olona ra mbola velona nofo aman-drà.ary mbola ekeko ihany koa fa anisany atao hoe aizina ihany koa io fahafatesana io ra mbola velona nofo aman-drà iha,y koa ilay olona.
ny ahy mbola averiko ihany fa ny fahafatesana midika fa matory aram-panahy. Raha le resaka we fahafatesana no tambin'ny ota, ny fahazahoako azy de ny mbola fianteherana @ zao tontolo zao no mahatonga anao ho jamba tsy hahita ny real truth, dikan'ny fahafatesana eto midika haizina.
Samy nanaiky anefa isika fa tsy sitrak'Andriamanitra ny nanary an-tsika ,ka isaraka aminy ka ny ahafaty antsika tena nofo aman-drà fa ny hitohetra eo Aminy mandrakariva.ny ota no nahatonga an'io fahafatesana nofo aman-drà izay alevina any am-pasana iny.Ka eo aùin'ilay antsangana ny maty dia manaiky ihany koa ra mbola velona ilay olona hoe niala ny ratsy fanaony dia ny mbola ety an-tany izy.f ra efa maty izy dia antsangana ny maty.Efa naseho fa nisy ireo maty tany am-pasana no natsangana izay hanaporofoin'Jesoa Kristy fa misy izany ary ho avy ny andro ahitatsika indray izany zavatra izany izay efa nampanantenainy antsika.
87. cutie
(
28/09/2009 20:04)
Samy nanaiky anefa isika fa tsy sitrak'Andriamanitra ny nanary an-tsika ,ka isaraka aminy ka ny ahafaty antsika tena nofo aman-drà fa ny hitohetra eo Aminy mandrakariva.ny ota no nahatonga an'io fahafatesana nofo aman-drà izay alevina any am-pasana iny.Ka eo aùin'ilay antsangana ny maty dia manaiky ihany koa ra mbola velona ilay olona hoe niala ny ratsy fanaony dia ny mbola ety an-tany izy.f ra efa maty izy dia antsangana ny maty.Efa naseho fa nisy ireo maty tany am-pasana no natsangana izay hanaporofoin'Jesoa Kristy fa misy izany ary ho avy ny andro ahitatsika indray izany zavatra izany izay efa nampanantenainy antsika
Ka eto zany no tsy mampitovy antsika :)
88. rijadolly
(
28/09/2009 20:23)
misy tsy azoko angamba ny tian'ise tenenina.Ialako tsiny ra tsy ty ny hevitrao satria mety tsy azoko a! ok!
Tsy manaiky ve ise fa hoe misy izany atsangana amin'maty izany any amin' farany?
Oh fanotaniana tsy tokony hipetra ity manaraka ity nefa anotaniako ihany mba ahazava ny fanazavako ao ambony ao
Tsy manaiky ihany koa ve zany se fa misy izany maty nofo aman-drà izany?Averiko indray ny fialako tsiny cutie a! :-*

89. cutie
(
28/09/2009 20:33)
Tsy manaiky ihany koa ve zany se fa misy izany maty nofo aman-drà izany?
manaiky za satria efa zay ny lalan'ny natiora fa tsy we ny fahotanao no nahafaty anao :), eo le tsy mampitovy antsika, le dikan'le we fahafatesana no tambin'ny ota, tsy mitovy ny fandinihako azy ny fandinihan'se azy ( lasa nanao se koa za hihihihihihi )
Tsy manaiky ve ise fa hoe misy izany atsangana amin'maty izany any amin' farany
tsy mieritreritra an'zany za satria tsy mbola any :) le we atsangana sy tsaraina sy ny tariny sy ny helo sy ny blablabla, mbola tsy any ny saiko zao :)
90. cutie
(
28/09/2009 20:44)
Voalaza teo :
Tsy manaiky ve ise fa hoe misy izany atsangana amin'maty izany any amin' farany
tsy mieritreritra an'zany za satria tsy mbola any le we atsangana sy tsaraina sy ny tariny sy ny helo sy ny blablabla, mbola tsy any ny saiko zao
Ohatr'zao le izy raha zavaiko tsotsotra: ny androany alou no atrehina sy andaniana andro, katsaho alou ny androany, live in the present, refa mandeha tsara ny fiainanao araky ny fahamarinana, na ny mazava sns, tsy tokony hanahy ze any aoriana any we atsangana sns, sy ny we ho tafidtra any @ paradisa ve za , na we saha edena e sns. Ny fiananao anio no fiainano ao @ Tompo fa tsy hiandry azy any @ paradisa akory, lasa very maina fotsiny ny ra nalatsak'i jesoa lol :)
91. rijadolly
(
28/09/2009 22:21)
Mazava Cutie a! efa nahiko ihany ilay hevitr'ise (ilay "se" aza atao re ny ika fa bediny eo isika sady saro-piaro an'ise iny)Mitovy ihany marina ny hevitsika fa ny toiny no tsy itoviany.tsy te hanoy ilay resaka za Cutie nefa tsy mety fa avelao za iteny farany a! zany an!Misy tenin'Jesoa kristy zay milaza hoe:JAONA 14 :1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.2 Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.Dia nino an'izay teniNy izay aho satria Mino AZY.
92. cutie
(
28/09/2009 22:23)
tsy hiteny tsony zany za na de hafa aza ny fandraisako an'le we
tsara zany :)
Ao an-tranon'ny Raiko misy fitoerana maro:)
Dia nino an'izay teniNy izay aho satria Mino AZY.
tsara zany :)
93. rijadolly
(
28/09/2009 22:33)
Mitenena ary se fa tsy manina e! fa tsy azoko indray ilay ho tenen'ise e!
94. cutie
(
28/09/2009 22:41)
:-D :-D :-D :-D :-D
non aleo hijanona @ le ze voalaza ao ambony ihany e :-D

95. soanja
(
28/09/2009 22:57)
rijadolly:
Soanja , oh tena sarotra ny mamaly ny fanontanian'ise satria azo valiana ihany.Ny antony ilazako izany dia oh ilay Fanafahana marina no lasa aloha ho antsika ankehitriny.Ka na in ataotsika na in v dia tsy olana intsony satria efa vita ny famonjena?
Misy tenin'ny namako iray zay manao hoe "Ho antsika,hoy izy,dia miverina mamantsika an'Jesoa eo ambony hazo fijaliana indray raha miverina manota,ilay ota efa nangatahanao fanafahana iny." Ny tiako lazaina dia efa vita ny Famonjena, sy Asa Fanadiovana;fa anjaratsika , asakasatsika raha hanolotra sy ihaiky ny fahotatsika isika ( mino Azy). :arrow: tsy afaka milaza isika hoe voadio raha tsy manolotra izany loto izany ho dioviNY.Mampatsiahy ahy an'ilay hiran( Daniel ray zay hoe: "Ambarao² @ Tompo ny mahazo anao dia tantarao amin'Jesoa ny manjo anao,tsy miteny ianao tsy mivolana,ataony ahoana ny amaha ny olanao,mivava dia lazao Azy , tsy ho ela Jesoa dia ho avy."
Cutie, tsy mifananohitra indray amiko ny hevitsika sy se.se hoe:Manaiky an'io tanteraka aho fa azo lazaina hoe matory ara-panahy ilay olona ra mbola velona nofo aman-drà.ary mbola ekeko ihany koa fa anisany atao hoe aizina ihany koa io fahafatesana io ra mbola velona nofo aman-drà iha,y koa ilay olona.
ny ahy mbola averiko ihany fa ny fahafatesana midika fa matory aram-panahy. Raha le resaka we fahafatesana no tambin'ny ota, ny fahazahoako azy de ny mbola fianteherana @ zao tontolo zao no mahatonga anao ho jamba tsy hahita ny real truth, dikan'ny fahafatesana eto midika haizina.
Samy nanaiky anefa isika fa tsy sitrak'Andriamanitra ny nanary an-tsika ,ka isaraka aminy ka ny ahafaty antsika tena nofo aman-drà fa ny hitohetra eo Aminy mandrakariva.ny ota no nahatonga an'io fahafatesana nofo aman-drà izay alevina any am-pasana iny.Ka eo aùin'ilay antsangana ny maty dia manaiky ihany koa ra mbola velona ilay olona hoe niala ny ratsy fanaony dia ny mbola ety an-tany izy.f ra efa maty izy dia antsangana ny maty.Efa naseho fa nisy ireo maty tany am-pasana no natsangana izay hanaporofoin'Jesoa Kristy fa misy izany ary ho avy ny andro ahitatsika indray izany zavatra izany izay efa nampanantenainy antsika.
Tsy mandiso ny tenin'Ise aho ka. Azoko tsara ny finoana anananao momba an'i Kristy. Manaja an'izany aho. Resaka sangisangy fotsiny io natsidiko tery ambony io.
Amiko dia madio isika rehetra eo imason'Andriamanitra. Isika dia samy hanana ny toerana halehantsika avy rehefa any ankoatra miankina amin'ny finoana sy fihiratana izay azontsika avy teo am-panaovana ny fiainana. Tia antsika Andriamanitra ary izay safidintsika dia hotanterahiny avokoa miankina amin'ny fifohazana ananana. Raha tia namono olona ny olona iray sanatria tety an-tany dia fanahy hijaly na fanahy tsy hilamina izy no miala eto ka mankany satria safidiny izany.
Ilaina ny fiovana sy fahatsapan-tena ary io fifohazam-panahy io mba halalan'ny tsirairay fa izay safidy tety dia mitohy any ankoatra koa satria izay no mahaFanahy anao. Ny nahatongavan'i Jesoa tety an-tany dia hilaza izany amintsika hoe FANAHY isika ary tsy eto ihany no izy fa mbola mitohy ny fiainantsika any ankoatra.
Fa ny fitiavan'Andriamanitra antsika dia tsy miova ary io safidy io no omeny laharapahamehana na aty na any.
96. ikaretsaka
(
28/09/2009 23:51)
cutie:
Tsy manaiky ve ise fa hoe misy izany atsangana amin'maty izany any amin' farany
tsy mieritreritra an'zany za satria tsy mbola any :) le we atsangana sy tsaraina sy ny tariny sy ny helo sy ny blablabla, mbola tsy any ny saiko zao :)
Ny olona tsisy atao@ ity fiainana ity no misavoana mieritreritra sahady ze mety ho ambadik'ity fiainana. Ity
97. cutie
(
29/09/2009 00:06)
Raha tia namono olona ny olona iray sanatria tety an-tany dia fanahy hijaly na fanahy tsy hilamina izy no miala eto ka mankany satria safidiny izany
ary ahona ndray nareo @ reny oul atao veloma farany any am-pengonana reny refa maty mba hovonjena ny fanahiny????
Mitombina ve ??? :D
Eto toa efa tsisy resaka safidy tsony manko :(
98. soanja
(
29/09/2009 01:56)

Raha ny finoako dia na maty aza ny vatan'olona iray ny fanahiny kosa dia miaina sy mitohy hatrany ankoatra. Raha miala aina ny olona iray ka maty dia tsy voatery tonga dia handeha any ankoatra tanteraka eo no eo fa mbola misy toerana mievaeva eo anelanelany, izay atao hoe "toerana fiandrasana." Io ankoatra io dia sarotra be manazava azy fa misy sokajiny ary izay lalana tianao aleha no alehanao tokoa. Ka ny fanahin'ireo izay ivavahan'ny havany dia afaka tokoa mahita ny havany mivavaka ho azy ary afaka mahatsapa fitiavana sy fahavononana hanova ny lalany ho amin'ny toerana tsaratsara kokoa hitany fa mifanaraka amin'ny fifohazany eo ampahatsapana fitiavana avy amin'ny hafa ho azy.
Miankina amin'ny fiainan'ilay ho faty amin'ny filaminana sy fitonian'ny fanahy ny fialany aina ary ny fipetrahany eo anaty evaeva. Io evaeva io no toerana ipetrahan'ireo fanahy izay indraindray mbola tsapantsika ny fiasany eto an-tany na amin'ny tsara na amin'ny ratsy izay heverintsika olombelona azy.
99. cutie
(
29/09/2009 02:32)

mazava tsara iny ry soanja a
@ le efa nandrasako ihany ny valin-tenin-jy :)
100. soanja
(
29/09/2009 02:53)
majesty:
Miandry an'i soanja zany :)
Tsy hita pesipesenina ny fanahy any amin'ny Universe satria isan-karazany ny fisiana nisy tany ary misy ary ny mbola hisy. Tsy azontsika antsaina ny fiainana efa nisy tany aloha na tsy ny tany ihany fa ny planeta hafa ary ny zavatra tsy takatry ny sain'olombelona. Mandrakizay no efa nisy ny Universe ary hisy foana fa miova arakaraky ny zavamisy ny tsapan-tsika olombelona fotsiny. Ny hafa tsy ho voateny eto akory.
Noho izany dia tsy ny efa teto ihany no miverina eto an-tany ho an'ireo fanahy lasa any ankoatra fa ireo Fanahy hafa efa nisy tany dia tonga koa hiaina ny fiainan'olombelona. Ireo fanahin'i biby aza dia mety hiverina koa ka hiaina ny fiainan'olombelona.
Koa raha bangoako maimaika ny fanontanianao ry Majesty dia izay no mahasamihafa antsika eto an-tany satria na iray aza isika rehetra eo an-tratran'Andriamanitra dia samihafa kosa ny toetra mahaFanahy antsika ary samy manana ny antony ahatongavany ety an-tany daholo ary samy hanana izay hifohazany ara-panahy rehefa niaina ny maha-olombelona azy ary rehefa maty dia mitohy ny dia arak'izay nisy teto tamin'ilay fifohazana.