Grave le fitiavana!!!!

101. bibidia ( 19/08/2009 13:33)
io fitiavana io anie mavesatra e ka mahaiza milanja azy tsara fa tsy misy mangidy toy sakay refefa tenierana telina ihany na mpirafy io na iza ??
FA AMIKO ALOHA NA MAPIRAFY IRAY NA MIAMPY ROA AZA MBOLA ANTONONY
... fa olana eo @ fihara monina sa....
102. Papoose ( 19/08/2009 13:54)
tena gravy wa le fitiavana e!
103. soanja ( 19/08/2009 14:11)
Tsotra be ny hevitro e. Rehefa matahotra ny masony dia aza mividy ny lohany.

Ny olana matetika dia ny tsy fahatokisan-tena izay trotroan'ny Tahotra.

Ny resako teto dia ho an'izay olona mbola tsy latsaka tao anaty arato nefa mila ho latsaka. Tsara ny milaza mialoha ny mahazo anao amin'ny vady. Fa rehefa kosa efa nanannn tany ianao ka hilaza amin'ny vady izany tsy mialoha dia mazava tsara mihitsy fa haratra tanteraka ny fony satria nohitsakitsahinao ny momba azy.

Tsy misy resaka mariazy an-deglizy ity resako ity fa raha izay dia tsy tokony hisy akory zany resaka sex any ivelany izany. Izay no mijanganjanga na mahafantatra ia na tsia. Ny fanambadiana kosa dia tsy voatery natao any an-degilizy vao hoe nivady ny olona roa. Fa na fomba any anaty ala aza ka rehefa nifanaraka ny roa fa hivady dia izay no fanambadiana ary samy Masina ireo amiko. Ny fifanjana, ny fifankazahoana, ny fiombonana, ny fitiavana ary ny fanantenana no mahamasina azy. Ny Kolontsaina no afaka manome fahamasinana izay misy azy avy amin'izany.

Ny vahaolona atolotro dia betsaka ny tsy mahazaka azy satria tsy nahazatra sy tsy hita andavanandro araka ny voalazan'i Tess saingy io ihany no hitako fa mety handamina an'i xxx.

Rehefa manaiky ny vady hoe afaka manao sipa any ivelany ianao dia izay ihany no possible hilaminan'ny fiainanareo ka ahafahanao hanana sipa any ivelany, ny ankoatr'izay dia tsy mankaiza fa dia hiroboka ao anaty fotaka mandentika.


104. tess ( 19/08/2009 14:35)
Tsotra be ny hevitro e. Rehefa matahotra ny masony dia aza mividy ny lohany.
FOMBA FITENY IHANY izany indraindray fa tsy hahasakana ny olona tsy hividy ny lohany na matahotra ny maso aza! toa misangisangy an'io daholo ny ankabeazan'ny olona rehetra fa refa tra-tehaka ny natao vao mifandamina ka mety hilamina mety ho rava.... :-P c'est la vie
Ny resako teto dia ho an'izay olona mbola tsy latsaka tao anaty arato nefa mila ho latsaka.


ity ve izany????
Vao miala any ny fahatsapana hafahafa momba ny olona iray hafa ohatra hoe tia miredareda na tahak'izay dia lazaina aminy hoe misy an'ity olona ity mifandray amiko, dia mifanoratra izahay, sns sns.... toa mitady ho tara aminy izany aho... indraindray manonofy azy... mahafinaritra be ahy izy saingy izany akory tsy midika hoe izy dia tiako noho ianao izy..... dia hita eo izay hevitr'ilay vady.

mI EXISTE io fa cas tena efa hafa kely hors nomre mitsy hihihih
Tsy misy resaka mariazy an-deglizy ity resako ity fa raha izay dia tsy tokony hisy akory zany resaka sex any ivelany izany. Izay no mijanganjanga na mahafantatra ia na tsia. Ny fanambadiana kosa dia tsy voatery natao any an-degilizy vao hoe nivady ny olona roa. Fa na fomba any anaty ala aza ka rehefa nifanaraka ny roa fa hivady dia izay no fanambadiana ary samy Masina ireo amiko. Ny fifanjana, ny fifankazahoana, ny fiombonana, ny fitiavana ary ny fanantenana no mahamasina azy. Ny Kolontsaina no afaka manome fahamasinana izay misy azy avy amin'izany.

na natao taiza ny mariazy na natao am fomba ahoana ny fanambadiana refa mivadika ny voady teny ampanaovana mariazy dia efa famlitahana e! na hiodikavia na hiodi-kavanana :-P
teo SAROMANA hoe fomba ilay manambady maro ka tsy fampirafesana dia izao lasa hoe tys mariazy otrzao fa fa mariazy otrzao, refa miaraka amin'ny olona hafa ankoatra ilay vaotondro ho vadinao iny dia efa fampirafesana sy famitahana daholo izany....
Rehefa manaiky ny vady hoe afaka manao sipa any ivelany ianao dia izay ihany no possible

KANEFA dia tsy tsy ho possible am be sy ny maro io araka ny fanazavàna ny antony etsy ambony, efa fantatra fa tsy hanaiky izany fampirafesana katsahanao izany ny vadinao dia efa tsy avy izy hiresaka izany e! lojika,
dia efa nazavaiko hoe matoa misy ny fifampiresahana dia ity no antony:
Matoa tonga amin'ny sehatra fifampiresahana, ilay mpivady, hifanaraka fa hanao sipa ny ankilany, dia efa misy olana goavana azo tsapaintanana tsy azo hialàna ao, na misy kilemany ilay vady na antitra loatra noho izy na mifanalavitra toerana be izy roa noho ny atony hafa.... dia raikitra hatreo ny fifampiresahna ka ça passe ou ça casse , ankoatra izay resabe fotsiny ilay hoe fomba ny manambady maro, efa nilaozan'ny toetrandro izany amzao fotoana izao.....NILAOZAN'ny toetrandro = tsy fivoarana amin'ny lafin'ny tsy fahalalàna ny mombz momba ny fiainana.

ny ankoatr'izay dia tsy mankaiza fa dia hiroboka ao anaty fotaka mandentika.
ka tsy maitsy ho izay no hiafaràny, ela nitoratorahana mahavoa mason'angatra, ka il faut assumer ninona vokany mitranga eo
105. ravonjison ( 19/08/2009 14:58)
Hoan\' i xxx: atsofoy ao anaty rano managatsiaka ny loha, @ izay mangatsiatsiaka.

Sangisangy ihany izany, fa izao no torohevitra :

1- Aza lazaina aminy izany ilay fiarahana miafina. Raha sanatria miseho ilay tranga faha-4 ( izay tsy voalazako etsy ambony), dia ratsy dia ratsy ny toerana misy anao

2- Fantaro fotsiny , iza no tianao, dia izay no fidio. Raha toa ianao mifidy ilay sipa miafina, aza lazaina @ sipanao izany fa misaraha aloha ianao aminy. Avy eo vao miaraka ianareo sy ilay sipa miafina. Fanambaniana tokoa mantsy ny fahenoana fa ny olontianao te hisaraka aminao satria nahita olon-kafa !!!

3- Raha toa mbola tsy tapakevitra ianao , dia miandry aloha ka tsy maintsy hitanty ny vokany. Ho hiatano afaka fotona fohy hoe iza @ izy ireo no tianao.

4- Raha ny sipanao kosa no tianao dia tapaho avy hatrany ilay fiarahana miafina .
106. soanja ( 19/08/2009 15:14)
tess:



na natao taiza ny mariazy na natao am fomba ahoana ny fanambadiana refa mivadika ny voady teny ampanaovana mariazy dia efa famlitahana e!


Ka miankina aminareo anie izany e. Ny voady anie ka isanisany ny mpivady manoratra sy manao azy rehefa miteny azy amin'ny mariazy na amin'ny fanambadiana araky ny fomba ataon'ny olona. Mety ny Kristianina ihany io hoe ianao irery mandrakizay io fa tsy voatery ny hafa rehetra akory.

Ny atao hoe Fitaka dia manao zavatra tsy ampahalalana ny hafa izay mifandray sy tafiditra ao anatin'ilay zava-natao.

Fitapitaka ny fampirafesana. Ny fanambadiana maro kosa dia eken'ny fiarahamonina be dia be, indrindra any Madagasikara aza rehefa tafiditra ao anatin'ny kolontsaina izany. Ny tsy tafiditra moa dia io resahiko io fa vakio ny atao hoe "open marriage " dia maharaka amin'izay ianao.

Tadidio fa tsy voatery izay tsy zakanao akory dia tsy ho zakan'ny hafa. Samy manana ny fisainany ny olona. Ao ny manaiky ampirafesina izay betsaka matoa be ny vehivavy mangalatra vadin'olo ao Mada fotsiny ohatra no raisiko ary ao ny tsy manaiky.


107. tess ( 19/08/2009 15:59)
Ny fandanianandro tsy misy tanjona mazava amiko dia isan'ny fositra manimba ny tokatrano. Ialana ny fomba malalaka ahitana sy hitarika fakam-panahy ka hitondra anao anaty aratom-pitiavana tsy misy ilavana azy. Ny tsaty lava aloha dia amiko tena NO NO amin'ny vadiko e. Ny serasera mahafinaritra, blogy ok fa ny tchat NO be mihitsy, lehilahy tsy misy atao, tsy manambady no manao izany amiko.

ha ha ha! no no no! ouzy Amy minehouse zay!
fangah kosa de tsy maitsy ohatran'i cas n'i soanja dool ny zvtr retra...
mety mba any ampesàna izy no mifapiresaka mitsaty am lay sipany na any am cyber na refa tsy ao lay vadiny.....
108. tess ( 19/08/2009 16:06)
Ka miankina aminareo anie izany e. Ny voady anie ka isanisany ny mpivady manoratra sy manao azy rehefa miteny azy amin'ny mariazy na amin'ny fanambadiana araky ny fomba ataon'ny olona. Mety ny Kristianina ihany io hoe ianao irery mandrakizay io fa tsy voatery ny hafa rehetra akory.

FAMPIRESAHANA DOOL IZANY amiko fa raha ny nivady teny ampiandohàna dia ataoko fa fitiavana be mirompampana no nisy ka tsy tao antsaina mitsy izany hiaraka am olona hafa izany , matoa nieritreritra izany dieny mialoha dia interét fotsiny no nivadiana ilay olona
Ny atao hoe Fitaka dia manao zavatra tsy ampahalalana ny hafa izay mifandray sy tafiditra ao anatin'ilay zava-natao.

rehefa fitaka dia fitaka na fantatr'i na vady na tsia e! rehefa nivadika ny nifanarahana dia efa fitaka, averiko fa tsy nisy mihitsy olona nivady na tam fomba ahoana io na tam fomba ahoana ka hieritreritra sahady hattreny amboalohany hoe zà hampirafy anao an! tssssss resabe oà ka hatao, tsy d'acc
Fitapitaka ny fampirafesana. Ny fanambadiana maro kosa dia eken'ny fiarahamonina be dia be, indrindra any Madagasikara aza rehefa tafiditra ao anatin'ny kolontsaina izany. Ny tsy tafiditra moa dia io resahiko io fa vakio ny atao hoe "open marriage " dia maharaka amin'izay ianao.

any amin'ny nipoirany sy ny nivaviany ary ny mbola manaraka izany fomba izany angamba no mbola mampiasa izany fanambadiana ofisialy izany...HORS norme ka vitsy ny mpanao azy donko cas tena hafa kely ....
Tadidio fa tsy voatery izay tsy zakanao akory dia tsy ho zakan'ny hafa. Samy manana ny fisainany ny olona. Ao ny manaiky ampirafesina izay betsaka matoa be ny vehivavy mangalatra vadin'olo ao Mada fotsiny ohatra no raisiko ary ao ny tsy manaiky.

TSAROVY FA tsy izay fomba fomba mety aminao koa akory ka hoe mety am be sy ny bobaka,

ny ahy ny jeriko eto dia ny zava-misy andavan'andro, ny cas mpitranga matetika isan'andro fa tsy ny cas indray miseho ao anatin'ny arivo olona .....
109. tess ( 19/08/2009 16:10)
- Aza lazaina aminy izany ilay fiarahana miafina. Raha sanatria miseho ilay tranga faha-4 ( izay tsy voalazako etsy ambony), dia ratsy dia ratsy ny toerana misy anao

IZAY MITSY NO mety, raha mahatsapa tena fa tsy mitondra mankaiza ilay fampirafesana ka mbola manana fitiavana ilay vadinao ianao dia adaboy ny hadalàna dieny mbola tsy miteraka olana amin'ny couple nareo, fa raha ohatra ka tena tsy revy intsony ilay vady ao atrano de miresaha hoe tsy lasa intsony ny antsika fa aleo misaraka efa manana olona tiana any ivelany aho...
FA TSY HANDEHA HITENY AMINY HOE hiaraka am kala kely zato aho ka hety ve ianao, hahatsiaro ho sambatra aho raha ekenao izany ary raha tena tia ahy ianao dia ekenao ,ny fiarahako aminy :-D
Manimba tanteraka ny ankilany izany,... raha tsy fatany dia ajanony ny fampirafesana rehefa tsy zakan'n loha sy sarotahotra.
110. soanja ( 19/08/2009 16:42)
tess:


NY ENDRINY no samy hafa fa ny tanjona am fampirafesana angamba iray ihany.



111. soanja ( 19/08/2009 16:53)
tess:

rehefa fitaka dia fitaka na fantatr'i na vady na tsia e! rehefa nivadika ny nifanarahana dia efa fitaka, averiko fa tsy nisy mihitsy olona nivady na tam fomba ahoana io na tam fomba ahoana ka hieritreritra sahady hattreny amboalohany hoe zà hampirafy anao an! tssssss resabe oà ka hatao, tsy d'acc
Fitapitaka ny fampirafesana. Ny fanambadiana maro kosa dia eken'ny fiarahamonina be dia be, indrindra any Madagasikara aza rehefa tafiditra ao anatin'ny kolontsaina izany. Ny tsy tafiditra moa dia io resahiko io fa vakio ny atao hoe "open marriage " dia maharaka amin'izay ianao.

any amin'ny nipoirany sy ny nivaviany ary ny mbola manaraka izany fomba izany angamba no mbola mampiasa izany fanambadiana ofisialy izany...HORS norme ka vitsy ny mpanao azy donko cas tena hafa kely

TSAROVY FA tsy izay fomba fomba mety aminao koa akory ka hoe mety am be sy ny bobaka,

ny ahy ny jeriko eto dia ny zava-misy andavan'andro, ny cas mpitranga matetika isan'andro fa tsy ny cas indray miseho ao anatin'ny arivo olona .....


Andraso fa entiko eto rehefa malalaka ny Fomba Bara, Betsileo, Antemoro sy ny hafa maro izay manome anao ny fahafantarana fa afaka manambady maro ny olona iray ary efa mahalala izany mialoha aby ny vehivavy ary efa mivonona amin'izany. Efa tafiditra ao anatin'izany ny fomba atao rehefa raikitra izay. Ny saina aby no mitondra an'io.

Aza heverina hoa hoe ny ao Tana sy ny manodidina ihany no Gasikara. Indry no tsy maharaka dia tsy d'acc amzany dia ekeko izany satria akory atao indry ara tsy maharaka kooo ahoana no hanaiky izany. Ny bobaka be eto koa mety tsy maharaka izany dia ekeko. Tsy omentsiny ny tsy fahaizana izany fa ny fahafantarana fa afaka misy izany ary mety ny iray ao anatin'ny arivo ny vadinao dia possible izany rehefa nahalala ianao.

Ny "Open marriage" dia efa nisy efa ela tokoa ary betsaka ny aty Amerika no manao an'io.

Aleo rehefa malalaka aho dia hosokafako le resaka fantasma fa izay angamba no mety ahitantsika mahiratra momba ny resaka fisipana/ fiarahana any ivelany ekena. Indry tsinona toa manaiky izany ihany ery ambony ny fisiany.


112. remahity ( 19/08/2009 17:01)
ary toa i SOANJA sy TESS ihany no manao dialogue eto

sao ary dia mifankatia koa ary ianareo roa ireto ? ? ? ?

GRAVY MARINA LE FITIAVANA;

Atao akory fa fandrosoana @ resaka lamour iaby izao

bon courage SOANJA et TESS, marena tokatrano,
113. Papoose ( 19/08/2009 17:04)
sao ary dia mifankatia koa ary ianareo roa ireto ? ? ? ?

bon courage SOANJA et TESS, marena tokatrano,


odryiiiii!!!
114. tess ( 19/08/2009 17:16)
bon courage SOANJA et TESS, marena tokatrano,


c pas mon cas izay lazaiko eto e! :-D
ny zavatra hitako amin'ny fiainana adavan'andro no isotomako hevitra fa tsy hoe refa mamaly dinika dia aferanao akory ilay izy an! :^)
115. tess ( 19/08/2009 17:17)
ary toa i SOANJA sy TESS ihany no manao dialogue eto

izaho tia miady hevitra ka! raha dinika mahaliana ahy.... :wink: :^)
116. tess ( 19/08/2009 17:24)
Andraso fa entiko eto rehefa malalaka ny Fomba Bara, Betsileo, Antemoro

ny fomba taloha ry soanja tsy de misy mampiasa intsony ah! :-D taoko nisalaka aby ny olona taloha ka raha ho tazomina dool ny fomba taloha dia hitabatra daholo ny fanao sy ny tsy fanao rehtra retra :-D :-D
Ny "Open marriage" dia efa nisy efa ela tokoa ary betsaka ny aty Amerika no manao an'io.

tsy ny amerikan rehetra fa vitsy ihany angamba mba mahita ny fiainan'ny olona any ihany aho mantsy na tsy mipetraka any aza :^)
Aza heverina hoa hoe ny ao Tana sy ny manodidina ihany no Gasikara. Indry no tsy maharaka dia tsy d'acc amzany dia ekeko izany satria akory atao indry ara tsy maharaka kooo ahoana no hanaiky izany. Ny bobaka be eto koa mety tsy maharaka izany dia ekeko. Tsy omentsiny ny tsy fahaizana izany fa ny fahafantarana fa afaka misy izany ary mety ny iray ao anatin'ny arivo ny vadinao dia possible izany rehefa nahalala ianao.

izaho tsy miteny anzany hoe tana ihany no gasikara :-D
ny fiainana andavan'andro hoy aho no ahitako ny fomba fiainan'ny olona , ny ankabeazan'ny olona izany e! ka matoa tsy be mpanao intsony ilay fomba fomba manambady olona maro sns karazany etsetra dia efa somary lany andro....MBA manana havana akaiky ary niaraka niaina tamin'ny olona avy any anindrana ihany aho tam tany madà fa tsy nahita soritra izany fiainana izany hoe malalaka be ny manambady olona maro, tena marina io ny tanteko nanambady olona avy any am cote ary zà notezaina tao aminjareo mandra pahalehibeko ary mpande vacs any am indrana any donko tsary nahita anzany aho marô! :-D
leo rehefa malalaka aho dia hosokafako le resaka fantasma fa izay angamba no mety ahitantsika mahiratra momba ny resaka fisipana/ fiarahana any ivelany ekena. Indry tsinona toa manaiky izany ihany ery ambony ny fisiany.

raha resaka fantamse malalaka amizany ko ny saiko ka! efa betraka ny zavatra hitako donko tsy vaovao amiko ny resaka fantasame entre olona roa mifakatia :-P
117. ravonjison ( 19/08/2009 17:31)

Voalazan' i Soanja : "Andraso fa entiko eto rehefa malalaka ny Fomba Bara, Betsileo, Antemoro sy ny hafa maro izay manome anao ny fahafantarana fa afaka manambady maro ny olona iray ary efa mahalala izany mialoha aby ny vehivavy ary efa mivonona amin'izany. Efa tafiditra ao anatin'izany ny fomba atao rehefa raikitra izay. Ny saina aby no mitondra an'io. "


Marina ireo lazainao ry Soanja , betsaka ny olona mbola manana io fomba fisainana lazainao io ( na foko). Lazaiko avy hatrany anefa fa resaka fivoarana tokoa io ary mifandray @ fitovianjo eo lehilahy sy ny vehivavy.
@ itý tranaga eto itý izany dia tokony anontaniana i xxx raha toa ka foko bara, betsileo, Anemtemoro sns ilay sipany...satria raha izany dia azo ampiharina aminy ilay voalzanao. Fa raha tsy izay kosa dia miteraka olana goavana ny filazana fa manana sipa miafina ny tena.Ary mety hiseho ilay tranaga faha -4 izay tsy voalazako.

Tranga faha -4 : manaiky ilay sipan' i xxx fa azon' i xxx atao ny manana sipa hafa. Izany koa anefa dia midika fa razazavavy dia manantena fa tsy ho tezitra i xxx raha toa ka hanao sipa hafa koa izy atsy aoriana kely ( valifaty io).
Sarotra aminy ny manao izany kanefa hatao mba hitsapany an' i xxx. Avy eo dia mety hivaralila i xxx, ho hita eo raha mahatanty na tsia.
Eto dia ratsy dia ratsy ilay situation, satria mihasimba ilay relation. Ka tsy hitako mihitsy ilay antony hilazana izany @ ilay sipa.
118. tess ( 19/08/2009 17:40)
Marina ireo lazainao ry Soanja , betsaka ny olona mbola manana io fomba fisainana lazainao io ( na foko). Lazaiko avy hatrany anefa fa resaka fivoarana tokoa io ary mifandray @ fitovianjo eo lehilahy sy ny vehivavy.
@ itý tranaga eto itý izany dia tokony anontaniana i xxx raha toa ka foko bara, betsileo, Anemtemoro sns ilay sipany...satria raha izany dia azo ampiharina aminy ilay voalzanao. Fa raha tsy izay kosa dia miteraka olana goavana ny filazana fa manana sipa miafina ny tena.Ary mety hiseho ilay tranaga faha -4 izay tsy voalazako.

ka izay no efa nolazaiko etsy ambony hoe tsy ny fomba fomba fanaony akory dia ho hety amin'ny olona rehetra.... raha mbola hisy aza izany fomba fomba izany.....
119. ravonjison ( 19/08/2009 17:41)
xxx:

bonjour dôly, sendra sipa kely za nifanerasera tamiko teto @ tchat efa ho dimy taona lasa zay, ny grave d zay roa mifankatia be fa tsy afaka miaraka na oe mivady satria za efa manambady, izy any dago sady mbola celibat, izahay nefa tsy mety mihintsy fa tsy maintsy tohizana foana ny relation dia izy koa efa manana sipa , efa nihaona zahay mitsam tany dago fa famborahana fitiavana tsy misy ohatr' izany, ahoana ny hevitrareo?





Hono oa ny xxx, fantatrao ve , avy @ foko ( bara, betsileo , antemoro) na faritra aiza no fiavian' ilay sipanao ? Ilay sipanao ve manana fomba fisainana izay mieritreritra fa tsy maninona raha mampirafy ny lehilahy, vonona @ izany ve izy ?

Raha izay mantsy no izy dia azo ampiarinao aminy ilay hevitra voalazan' i Soanja etsy ambony : lazainao aminy fa manana sipa ianao.

Izaho mantsy mieritreritra fa tsy izay ilay cas, satria raha izay ilay izy dia tsy handany andro haka hevitra eto ianao, ary tsy nafeninao 5 taona ilay fiarahana, fa tonga dia nolazainao taminy fa manana sipa hafa ianao. satria fantatrao fa tsy hampaninona azy izany.

Fa matoa ilay izy nafeninao, dia fantatrao fa mety hiteraka olana.

Tena mila valiny !!!!!
120. nathie86 ( 20/08/2009 12:42)
refa hita fa tsy poin ôtrery d aleo tsy borahina mdrrr.Mampanaintaka ftsny nefa zavatra efa hita fa tsy ho any miintsy, sady efa misy distance ihany entre anareo roa avlao ho any. :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3785