Ny Baiboly

141. ikaretsaka ( 12/02/2008 13:34)
na ny karana....
142. rakaroka ( 12/02/2008 15:31)
prime:

rakaroka> iza ilay tany sasany? fa ny firenena manan-karena indrindra ary lohalaharana amin'ny lafiny maro maneran-tany dia mpamaky baiboly ny ankamaroany ary manorina ny fiainany amin'izany...:) ny firenena any eoropa avaratra rehetra koa dia mpamaky baiboly ary fantatra fa izy ihany koa no lohalaharana raha any eoropa amin'ny lafiny rehetra...

Ary raha ny Malagasy no tianao asiana tsindrim-peo, ny fanontaniana tena mipetraka dia hoe mpamaky baiboly sy mpanorina ny fiainany amin'ny baiboly tokoa va ny vahoaka Malagasy???... kely finoana ny amin'izany aho...



Manao ahoana i Prime :-*.

Asa na azonao précisé-na ny firenena Européana mpamaky baiboly lazainao izany. Izaho miaina eto Europa: tsy ho zovianao hoe "comment les Européens ils vivent.".Ary rizareo aza niaiky hoe mivavaka ny gasy mitaha amin'ny aty. Mety hiteny angamba ianao hoe "Etats-Unies" plutôt no mpamaky baiboly. Ka ny bokin'ny cycle ambony rehetra anie ka saika hafarana any, ary ny rahavavy Soanja rahateo no nanamafy fa feno olona ny bibliothèque ary ireo olona ireo tsy misy na iray aza mifantoka amin'ny baiboly. Zava-misy iainana izany.
Izaho anie ry Prime tsy miteny kosa hoe "Akifio any ny "Baibolinareo e" fa raha ny mode de vie aty kosa aloha no volanina tsy amin'ny lainga dia "TSY MISY ILANA BAIBOLY' izany mihitsy: Izay no teny MAHITSY tokony ho nolazaina saingy no modéré-na hoe "tsy ampy" ilay izy mba tsy ho varianina sy ho arirarira amin'izany ireo tokony mbola hihevitra zavatra maroloha mila omanina iatrehana ny fiainana.
Heu...FANTATRO tsara ny "Hasina"n'io boky io ho anareo: Ary izaho io aza mihevitra sy niandrandra fiara-miasa mba hoe hisy "Base biblique" omena ny ankizy hoentiny miaina fa atao mazava sy voahevitra tsara ialana t@ fampianarana "sadasada" nanahirana hatramin'izay. Na i Jesoa aza efa nahatsikaritra ny tsy fahazoan'ny olona ny voambara donc mila saisie tsara amin'ny "message" tokony ampitaina.
143. ikaretsaka ( 12/02/2008 16:07)
Izay!!
144. pissoa ( 12/02/2008 16:13)
lizabeth:
=> ampy ahy ny baiboly satria hitako ao ny tadiaviko. tsy miteny anao mihitsy aho hoe tsy haiko ny Baiboly voasoratra. Tsy mbola nahavaky ny Baiboly hatramin'ny voalohany hatramin'ny farany aho ka tsy hirehereha aminao hoe fantatro daholo ny antsipiriany.

Fa za angaha moa niteny hoe niteny ianao hoe hainao ny baiboly voasoratra e ? Nolazaiko aza ianao fa ny tsy fahaizanao an'io baiboly io dia tsy midika mihitsy fa ampy io ! :-D
Ankoatra izay, ny fahitako azy dia tsy azonao akory ny anontaniana. Tsy ny "ampy anao" no anontaniako, fa ny "Ampy". Tsy ny ilainao no tadiavin'ny olona fa Andriamanitra sy ny mikasika Azy. Ka ampy amin'izany ve ny baiboly. Hi hi, toa efa in-2 nazavaina fa enga anie mba ho azo amin'izay.

lizabeth:
=> eh ! par ironie no hanaovako hoe raha misy tome 2 dia hihazakazaka aho satria mino aho fa raha nisy izany dia tsy ho nafenina ! fa raha miteny anao aho hoe "misy ny fiainana any an-danitra ary Jesosy no Tompon'ny fiainako" dia misy implications BE DIA BE eo amin'ny fiainana izany fa tsy araka ny hevitrao hoe "fitiavan-tena" miandry fahafatesana fotsiny na tsy rarahiko ny zavatra hafa!

:-D:-D:-D
Ny fandraisako ny tome 2 lazainao dia ny zavatra ivelan'ny baiboly. Ka io "tome 2" io dia tsy afenina mihitsy ! Raha afenina io dia tsy ho fantatro fa izaho olona badraodra kely ity :-D
Asehoy fa rarahinao ny zavatra hafa ary e ! Ny resakao sy ny ohatra omenao anie hoa dia izay mikasika ny famonjena ihany e. Tsy izaho no namorona teo hoe raha misy miteny hoe izay no handehanana any an-danitra dia hihazakazaka ianao ...

lizabeth:
=> eo indrindra mantsy isika ! amiko tsy resaka culture izy ity ka hoe resaka quantité-na connaissances no ilaina. Raha izay mantsy dia nila nanao théologie daholo. Tsy mitady hanampy ny baiboly mihitsy aho satria ampy ahy io fa ianareo no tiako hanome exemple concret fa tsy hitako mihitsy hatramin'izao ! lazao ahy ohatra hoe tsy misy resaka...ohatra hoe "fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty" ao !!! na hoe "didy faha iraikambin'ny folo" ...

:-D:-D:-D
Heverinao ve fa resaka cultures fotsiny no mahatonga ny olona mikaroka an'Andriamanitra sy ny mikasika Azy ? Anontanio ihany sao fitiavana fotsiny.
pissoa:
Hi hi hi - mianara mikasika ny katolisisma dia hahita . Ohatra iray fotsiny, ankoatra ny baiboly dia mi-considerer ny lovantsofina koa ny fiangonana Katolika.

ikaretsaka:
fa efa sujet ao ambadika ao io ary rakapy no anisan'ny namelabelatra sy nanontany... principen'ny Mariology, ny fahatanoran'i Jesoa, ny olona ivelan'i Edena , nankaiza i Kaina, avy aiza ny vadin izy 'ireo sns....

Saingy ny ohatra tadiavinao moa dia mifantoka amin'ny famonjena ihany ... tahaka ny Jesoa nitsangana, na raha misy didy hafa tokony arahina sns ;):-D:-D:-D
145. soanja ( 12/02/2008 16:47)
lizabeth:


fa ianareo miteny hoe tsy ampy ny baiboly anie tsy milaza mazava hoe inona ilay tsy ampy dia aiza no ahitana ilay fanampiny e ?



Eny ary ndao ary horesahantsika ny momba ny fahafatesana.

Nony nofantsihana i Jesoa dia tapitra ny aina. Maty izy ary nitsangana tamin'ny maty tamin'ny andro fahatelo.

Azonareo resahana akaiky ve io fahafatesan'i Jesoa io? Inona moa no dikan'ny fahafatesana ao anaty baiboly? afaka samy manome izay heviny eto ary tsy maninona ny kopikole.

Fa ny tiako ho fantatra akaiky raha maty izy tamin'izay dia inona no nitranga tamin'io? sa niotrika tao ampasany izy sy ny fanahiny sa ahoana? Sa nankaiza izy?

Miandry ny valiny ary!

146. ikaretsaka ( 12/02/2008 19:00)
izay indrindra manko... miandry koa aho
147. rakaroka ( 12/02/2008 19:06)
'zaho aloha dia mitsotra eto fa TENA MBOLA "MISTERY":?::roll:8O amiko mihitsy ilay "fahafatesan'i Jesoa", na dia efa impiry novakiana sy nohazavaina sy notoriana aza izany! ary sarotra ny "inoana" fotsiny ny zavatra tsy azo an-tsaina tsara akory!:?
148. LazaDaddy ( 12/02/2008 20:59)
rakaroka> firenena eraopeanina avaratra hoy i Prime raha namaky tsara aho. Angamba tsy tafiditra amin'izany pays bas, france, belgique, alemagne, pologne...dia tokony ho hitanao hoe iza izany? :)
rakaroka:
Izaho anie ry Prime tsy miteny kosa hoe "Akifio any ny "Baibolinareo e" fa raha ny mode de vie aty kosa aloha no volanina tsy amin'ny lainga dia "TSY MISY ILANA BAIBOLY' izany mihitsy: Izay no teny MAHITSY tokony ho nolazaina saingy no modéré-na hoe "tsy ampy" ilay izy mba tsy ho varianina sy ho arirarira amin'izany ireo tokony mbola hihevitra zavatra maroloha mila omanina iatrehana ny fiainana.
ikaretsaka:
Izay!!


rakaroka>ikaretsaka> aleo lavitra tokoa ny olona miteny hoe "tsy mila Baiboly" toa anareo; toy izay misarangotra (na misababaka) hoe "tsy ampy". Ny fitenenana hoe "tsy ampy" mantsy milaza an-kolaka fa efa voafehinao io. Izay no tiako ambara.
149. ikaretsaka ( 12/02/2008 21:02)
mots roa misy fikany samihafa samihafa ny hoe "tsy ampy" sy ny hoe "tsy voafehy"...
mba nahay ihany kosa ny gasy sy ny lingust nanavaka an'ireo :wink:
150. pissoa ( 12/02/2008 21:05)
rakaroka>ikaretsaka> aleo lavitra tokoa ny olona miteny hoe "tsy mila Baiboly" toa anareo; toy izay misarangotra (na misababaka) hoe "tsy ampy". Ny fitenenana hoe "tsy ampy" mantsy milaza an-kolaka fa efa voafehinao io. Izay no tiako ambara.

Raha izay no tianao hahatongavana (fa tsy hoe iza avy no mahafehy ny baiboly) dia efa betsaka no nilaza teo fa tsy voatery mahafehy an'io vao afaka mahalala izany ! Izaho isany. Mila mino fotsiny fa lehibe Andriamanitra, amin'ny lafiny be dia be, dia izay.


Ny mbola tsy voavaly kosa dia hoe :
Ary ireo milaza fa ampy ny baiboly ve mahafehy ny rehetra mikasika an'Andriamanitra ka sahy milaza fa ao amin'io baiboly io daholo ny Teniny sns ?
151. ikaretsaka ( 12/02/2008 21:14)
miandry ny famaliana an'io koa aho..
"famaliana" fa tsy 'familiana" an:wink:
152. LazaDaddy ( 12/02/2008 21:19)
pissoa> ekeko tanteraka ny teninao hoe mila mino anAndriamanitra fotsiny..."ampy anao ny fahasoavako" hoy Kristy. Fa ny fitenenana kosa hoe "tsy ampy" ny baiboly kanefa tsy mahafehy ny ao akory dia "ironie" na aleo ataoko hoe "arrogance" no marimarina kokoa...izaho izao tsy mino ny Coran satria diso io amiko fa izaho tsy hiteny hoe "tsy ampy" io...dia torak'izay koa ilay nambaran-drakaroka sy ikaretsaka hoe "tsy ilainy ny baiboly". Aleo mitsotra toy izany toy izay "arrogant" eo anatrehan'Andriamanitra
153. pissoa ( 12/02/2008 21:33)
Izaho tsy niteny hoe Mila mino an'Andriamanitra fotsiny ... AZA AVILY NY TENIKO E[/B] !!! Hoy aho hoe "Mila mino fa lehibe Andriamanitra amin'ny lafiny be dia be".

Dia famaliana hono atao fa aza familiana ([b]ny teniko
) e ! :-D:-D:-D
154. ikaretsaka ( 12/02/2008 21:36)

tsy nisy niteny teo hoe tsy ilaina ny baiboly ... io indray interpretation anao amin'izao io..

ilaina io fa tsy ampy... raha ataontsika fanoharana @ fiainana andavanandro (ie parabole ) dia ohatran'ny hoe Ilaina ny Rano hahavelona fa tsy rano akory dia ampy ho foto-tsakafo... mila zavatra hafa koa... dia tsy mila mahafehy ny rano aloha aho vao hiteny hoe tsy ampy ny rano! na hoe mila laniko daholo ny rano!
155. LazaDaddy ( 12/02/2008 21:54)
pissoa> azafady fa tsy hoe mamily ny teninao fa ny fomba nitenenako azy angamba no samihafa koa ny fandraisantsika azy :) miala tsiny.
ikaretsaka:
tsy nisy niteny teo hoe tsy ilaina ny baiboly ...
tsy alavitra akory ny misy izany fa io ambony io :)
156. pissoa ( 12/02/2008 21:57)
LazaDaddy:
pissoa> azafady fa tsy hoe mamily ny teninao fa ny fomba nitenenako azy angamba no samihafa koa ny fandraisantsika azy miala tsiny.

tsy alavitra akory ny misy izany (ianao mamily ny teniko) fa io ambony io !!!
157. LazaDaddy ( 12/02/2008 21:59)
pissoa:
Mila mino fotsiny fa lehibe Andriamanitra, amin'ny lafiny be dia be, dia izay.
LazaDaddy:
ekeko tanteraka ny teninao hoe mila mino anAndriamanitra fotsiny..."ampy anao ny fahasoavako" hoy Kristy
io no nataoko hoe tsy mitovy ny nandraisantsika azy, fa tsy nihevitra ho namily ny teninao aho, ay izay no nialako tsiny.
158. ikaretsaka ( 12/02/2008 22:02)
LazaDaddy:

.
tsy nisy niteny teo hoe tsy ilaina ny baiboly ...
tsy alavitra akory ny misy izany fa io ambony io :)


tsy hitako...
tsy ampy no nolazaina teo fa tsy heo tsy ilaina
sa teny mitovy ireo aminao?


159. pissoa ( 12/02/2008 22:04)
OK !

dia efa mazava aza io ilay teniko, tsy mitovy amin'ny teninao mihitsy, ka tohizo amin'izay le dinika e :-D:-D:-D

pissoa:

rakaroka>ikaretsaka> aleo lavitra tokoa ny olona miteny hoe "tsy mila Baiboly" toa anareo; toy izay misarangotra (na misababaka) hoe "tsy ampy". Ny fitenenana hoe "tsy ampy" mantsy milaza an-kolaka fa efa voafehinao io. Izay no tiako ambara.

Raha izay no tianao hahatongavana (fa tsy hoe iza avy no mahafehy ny baiboly) dia efa betsaka no nilaza teo fa tsy voatery mahafehy an'io vao afaka mahalala izany ! Izaho isany. Mila mino fotsiny fa lehibe Andriamanitra, amin'ny lafiny be dia be, dia izay.


Ny mbola tsy voavaly kosa dia hoe :
Ary ireo milaza fa ampy ny baiboly ve mahafehy ny rehetra mikasika an'Andriamanitra ka sahy milaza fa ao amin'io baiboly io daholo ny Teniny sns ?

160. LazaDaddy ( 12/02/2008 22:05)
ikaretsaka:
tsy hitako...
:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0091