Voasoratra ao @ BB "afo fandiovana,"tambazako izay mahita !

141. niryna ( 01/02/2008 23:10)
LazaDaddy:

fijo:
raha ity dinikareo eto ity no mbola mitohy ka tonga ety an tany "tokoa "izany jesoa izany,dia minoa ahy ianareo kristianina fa i fijo ;rabilabila ,cutie ary rakapy ,no hoentiny hanaraka azy,
Enga anie ka hanaiky ho entiny tokoa ianareo namana :-*

fijo:
fa ianareo avelany eo....mba...; e,tohizo moa
Misy ho tsakoin'izay tsy banga ny hafatr'ise fa misaotra. Izay minia ho banga aleo hanao telomoka vaonina zavoka rehefa izay ny safidiny



=)) manao solonify izy ka :miam:


142. niryna ( 01/02/2008 23:11)
fijo:

sao tsy averiny toa ilay boky ve?


sady loza adinon'i fijo tao ilay vola,efa lasa angaha ny fitsarana hakana an'ilay vola k'ty :D
143. cutie ( 01/02/2008 23:15)
:-D:-D:-D:-D:-D
144. niryna ( 01/02/2008 23:24)
cutie:

nyrina
fa nga tsy we mpalena heloka indray Izy?


mamela heloka izy rehefa mifona aminy,tsy manatona azy aza isika dia efa fantany ny ao antsaintsika kou.
Fantany daholo anie isika rehetra ato e,na dia miafina amin'ny xxx aza ohatra rehefa manao teny mampalahelo azy.

Hoy izy hoe "Avia hifandahatra amiko ,na dia mena toy ny jaky aza ny fahotanareo dia ho fotsy toy ny oram-panala ..."
Izany hoe ,tantarao ahy daholo izay nataonao,aza afenina fa ho diovin'ny ran'ny Zanako,ka tsy ho tsarovako intsony,raha miaiky ny fahotanao amiko hianao "If you confess your sins,he is just and faithfull ,and he will cleanse all our unrighteousness,and remember no more"
Tena mamela heloka tokoa izy na inona na inona izany.
Une fois voavelany iny,mino hianao fa naheno sy nitaraina ary nibadabada nivavaka tao am-po nangataka ilay famelan-keloka tamin'iny ota nataonao iny dia tsy mifona aminy intsony fa dia mitohy indray ny tolona,miezaka ny hanao ny marina sy hanaraka ny didiny,tsy mahatohitra ny fakam-panahy moa satria isika olombelona mifono nofo sy ra dia mivavaka ,mifona aminy ainga.
Rehefa mino Azy isika dia ny fanahiny no miaraka amintsika ary io fanahiny io no mampahatsiahy antsika hoe e,cutie ? inona ity mitady ataonao? mampahatsiahy foana izy dia lasa miverin-dalana isika .

Ny fanahy masina no mitomany rehefa manao toetra tsy mifanaraka ny sitrapon'Atra isika,ary ny anjely any an-danitra no mihira sy mifaly rehefa misy olona iray voavonjy.

145. niryna ( 01/02/2008 23:27)
rabilabila:

Sy ilay volako adino tao anatiny tao !!:-D

iza no tompon'ny vola hianareo roa lahy e, i fijo sa rabilabila ? sa lasa boky roa ilay izy :D
ka rahoviana vao ho tonga ny fitsarana raha izany,double be izao no indray mitory =))

146. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:29)
avereno ny volan'olona
147. niryna ( 01/02/2008 23:35)
fijo:

sao dia tsy hainy izay tena hoataony e?

Andao aza isika hivavaka e,tompo o mamindra fo aminay fa tsy fantatray izay ataonay.Toroy lalana izahay mba ahalala ny marina.

Fa kristy aloha dia mino 100% aho fa fantany ny nataony e.
sady voasoratra ao ny hakamarony:
nanasitrana ny marary
nampahiratra ny jamba
nampamalady ny marenina
namoaka ny demonia
nidina tany amin'ny fiainantsi-hita ary niverina ka lasa mpandresy ny fahafatesana
nanao fahagagana ny rano tonga divay
namahana olona tsy omby 2000 tamin'ny trondro roa sy mofo dimy.:roll:

Hatramin'izao fotoana izao izy dia mbola tsy mitsahatra manome ny fahagagana foana sy manamporofo ny fitiavana
Izaho no manaiky sy resy lahatra amin'izany dia mitory eto izao.


Dia akoatran'ireo sy izay maro tsy voatanisa dia nanome hery ny zanany hitory ny teny ato amin'ny serasera. ary nanome hery ny rehetra fa mbola misy ny change ka ho voavonjy izy rehetra mino Azy ato =D=D^:^


148. fijo ( 01/02/2008 23:35)
de aza rovitina ny boky
149. cutie ( 01/02/2008 23:37)
ok:)
150. niryna ( 01/02/2008 23:37)
ikaretsaka:

avereno ny volan'olona

:D izay mahita azy no tompony

151. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:42)
ao fa zaraina ary e... anao ny face ilany de azy ny face ilany!
inona no tianao.. presidents sa buildings?
152. niryna ( 01/02/2008 23:43)
mmmhh:

Eny e, na fiangonana inona na fiangonana dia manana boky hafa ampianaràna, fa ireo dia fanazavana an'izay tsy azo (tsy mazava)anaty "baiboly" ary reefa manazava zvtra izy de tsy maintsy asiany réf avy anaty baiboly ao mba hanamarinany hoe "marina" ny teniny.

Zao zany conclusion n'io amiko e, ny katôlika dia mino ny "afo fandiovana" satria nampianarina azy io, na tsy ao anaty baiboly aza satria
hery:
Tsy fototra hiaingan'ny Kristianina rehetra koa ny baiboly. Ho an'ny katolika ohatra dia tsy ny Baiboly IRERY no ahitana ny fampianaram-pinoana.


Fa izaho TSIA, satria ny ahy ny fampianarana finoana dia mianga avy @ baiboly fôna, tsy manda ny boky hafa aho, fa raha amarinin'ilay mpanoratra avy @ andalan-teny avy anaty baiboly ny teniny de tsy mampaninona ahy.Donky, amiko "afo fandiovana" tsy misy:wink:



=D^:^^:^ ka eo no mipetraka ny olana,ry zareo tsy mba nampianarina soratra masina fa hafa ny katesizy.
ny dikany tsy tiany sy tsy zakany ny ref fa lazainy fa mitsimpona
Atra irery ihany no mahalala ny ao am-pon'ny tsirairay izay tia sy te hianatra ny soratra masina nolazainy.
153. ikaretsaka ( 01/02/2008 23:56)
ka misy sa tsisy e...
soratra masina atsy milaza fa misy... atsy milaza fa tsisy ny tsimpona...
2000 taona le izy nisy...
ny 2000 taona tsy atakaloko ny 500 taona aloha e
154. niryna ( 01/02/2008 23:58)
ikaretsaka:

dia io ny tsy azoko ... satria fampianaram-pinoana dia efa hita... talohan'ny baiboly!

efa nino ny olona vao nanoratra ny ninoany sy nandravona ny boky sy ny Soratra Masina ...hoe Baiboly

The Bible portraits Jesus Christ ,the Saviour of the world.It is God's written revelation of His will to men.Its central theme is Salvation through Jesus Christ

Izany hoe raha azavaiko dia ny baiboly dia hitazamana ny endriky i kristy ny momba an'i kristy ny fomba nataony namonjeny an'izao tontolo izao.:arrow: [b]Famonjena avy amin'i kristy no tena votoatiny ka mazava ho azy fa raha manana mpamonjy hafa sy manana olona hafa hinoana dia tsy hiraharaha izay tenin'Atra ao anaty baiboly izany satria ireo olona ao amin'ny fiangonana no hinoany (false religious made by man)

Nosoratan'ny olona ilay izy fa ny tsindrimandrin'Atra no nanome azy ireo ny sitrapony sy ny fahatongavan'izay tantara rehetra tao anaty baiboly,ny efa tonga(ny zanak'Israely niala tao Egypta ohatra,ny faminanina fa ho avy ny Mpamonjy dia i Kristy izany ,ny fitiavan'Atra ny olona ka ny fanomezana fotoana hibebahany,dia ny fitorian'ireo izay manaiky ho tompony ary ny fampahatsiahivana ny fibebahana foana ary izay zavatra rehetra voasoratra dia efa nitranga ,mitranga ary mbola hitranga dia ny fahatongavan'i kristy.
Ireo fiangonana izay manohitra ny tenin'Atra ary ireo olona izay manakana tsy hiteny ny tenin'Atra(manaova web site manokana ohatra dia efa hendrika iray oops)



155. fijo ( 01/02/2008 23:58)
ka io wa arakaraky ny fotoana misy eo ko
156. ikaretsaka ( 02/02/2008 00:03)
izay an'i fijo izay koa dia marina
157. niryna ( 02/02/2008 00:05)
fijo:

de aza rovitina ny boky


mbola tsy afaka mamerina fa mahazo taratasy vao miditra any an-tranony sao lazainy maka zavatra hafa eo koa :roll:
158. ikaretsaka ( 02/02/2008 00:10)
tsy mahazo taratasy izany ka
miteny @ Md Piera hoe mba Vohay anay fa "izy no mitazona ny lakile ka...
(Matio 16:18)

Izay ho tananareo ety an-tany dia voatana any an-danitra sy izay avelanareo aty an-tany dia avela koa hono any...

sambatra ianao Rapiera ho'zy
159. xxx ( 02/02/2008 00:57)
ikaretsaka:

ka misy sa tsisy e...
soratra masina atsy milaza fa misy... atsy milaza fa tsisy ny tsimpona...
2000 taona le izy nisy...
ny 2000 taona tsy atakaloko ny 500 taona aloha e

diso kaonty ny anjely aminao

160. soanja ( 02/02/2008 00:59)
xxx:

niryna:

Satria hoy ny teny :ny fihevitro tsy fihevitrareo,ary ny fisainako tsy fisainanareo.

Amin'ny sasany ny afo fandiovana na purgatory, teny latina purgore=to clean,to purify na koa ho diovina na sasana
Natao inona ny ran'i kristy raha izany?
Ny rany no nanadiovana antsika rehetra ?



Tsy "olona" hafa no mandio ny olona ao amin'ny Afo Fandiovana fa i Kristy Andriamanitra ihany. Ary izay tsy vitan'ny olona alohan'ny fahafatesana, dia tena vitan'Andriamanitra tokoa aorian'ny fahafatesana ... satria Andriamanitra Izy fa tsy Niryna :wink:

I Niryna no mihevitra fa tapitra eo amin'ny fahafatesana ny zava-drehetra. Taratra koa izany fiheveran'i Niryna izany rehefa miresaka ny asam-pamonjena. Mijanona eo amin'ny nahafatesan'i Kristy foana rehefa miresaka ny asa famonjena i Niryna. Fa izay fotsiny ve no nataon'Andriamanitra ? Izay hevitrao izay ve no hevitr'Andriamanitra ? . Mianara ianao Baiboly.


Nyrina> Amin'ny lafiny iray mampalahelo ahy indry satria tsy manana izany tena fitiavana izany.

Satrindry ny ahita fahadisoana eny amin'ny olona dia iny araraotina. Ny fitiavana anefa Nyrina dia tsy manampetra raha ao amin'i Kristy ary tsy natao hotanisaina ambava fa ampiharina amin'ny fiainana, na dia ny tsotra indrindra aza. Raha nandiso aho nandatsaka ny 3 ve dia hozy indry hoe io 1 Piera 18 no tiako lazaina nefa hitandry mazava fa teo ambonin'io ny teny tiako tsipihana. Mahavariana tokoa ny toetra Kristianina! Mazava raha toa ka mandositra ny Mpino ny tsy Mpino.

Amiko averiko indray ampitiavana fa ny fitiavana sy faharetana amin'Andriamanitra dia aseho amin'ny alalan'ny asa ety ivelany ny hatsarana rehetra ao anaty. Tsy taitaitra ary tony lalandava. Henoy sy jerena tsara ny resaka ifanaovana amin'ny namana ary ezahina fantarina izay mifamadika na tsy mampifandraika azy mba handinihana ny tena resaka. Mampalahelo ahy indry fa tsy tony eo amin'ny fiainana nefa io no tena zavatra iray takian'ny Fanahy Masina miasa ato amintsika, mba hananantsika faharetana ary ahitan'ny hafa ny hatsarana mamiratra eo amin'ny fiainana. Tsy maimaika nefa mandaitra!

Manarak'izany dia te hilaza amindry koa aho fa satria tsy nandalina ny Afo fandiovana indry satria indry aza milaza fa tsy misy izany ao amin'ny baibolindry dia tsara indrindra mihaino sy mamaky tsara ireo volazan'ny namana nanolotra ny heviny momba an'io. Tsy voatery hino mihitsy indry saingy kosa tsy hitsaratsara sy mandray antendrony ny finoan'ny hafa, izay mahafantatra fa manana ventiny amin'ny zavatra inoany.

Hilaza amindry aho fa ny fihevitry ny Kristianina Katolika momba ny Afo fandiovana dia tsy hoe ny namany no handio izany fahotany izany fa ny FAMINDRAPON'ANDRIAMANITRA no ivavahany ho an'ny fanahin'ny namany izay lasa any ankoatra. Ny fitiavan'Andriamanitra antsika tsy misy fetra izay averimberindry no ivavahany hihatra amin'ireo izay mandalo izany toerana izany.

Noho izany dia ny vavaka ataony dia miantefa any amin'Andriamanitra iray tsy toha, mahalala ny mety, be fitiavana ary tsy manary izay tiany. Fa tsy miantefa any amin'ilay fanahin'ilay olona direkta akory. Ilay fanahin'ilay olona no miandry ny andro hanomezanan'Andriamanitra famindram-po ho azy.

Averiko indray VOLEO FITIAVANA MAHARITRA NY FONAO FA HANANA FITONIA AMIN'I KRISTY IANAO. Ampitiavana no hanolorako anao izany anatra sy hevitra izany.

Mifalia lalandava ao amin'i Kristy iray tsy toha!



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0094