Voasoratra ao @ BB "afo fandiovana,"tambazako izay mahita !
62. tywa68
(
01/02/2008 17:04)
cutie : mazava mihitsy ô ? :wink:
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&Toko=3&andininy=13&dika=
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=IKORINTIANA&Toko=3&andininy=13&dika=
65. niryna
(
01/02/2008 19:19)
soanja:
Io I Petera 18 io no tsapako mahalaza tsara ny tian'ny afo fandiovana resahina.
Ny marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra.
aiza ao amin'ny 1 Pet izany? dimy ihany ny epistily ao fa tsy 18 ? sao dia diso i soanja fa mba jereo kely hoe azafady?
:roll: inona no hidiran'ny afo fandiovana amin'izany?
Ny marina? I kristy irery no marina,tsy misy marina na iray aza.
Ny marina hamonjy ny tsy marina mba hitondra antsika amin'Atra?
I kristy no marina,i kristy no efa namonjy antsika teo amin'ny hazofijaliana,i kristy no efa tonga nofo ary nampianatra antsika mba hibebaka sy hanatona an'ny ray,eny i Kristy no lalana mankany amin'ny ray.
Moa ve isika izay tsy marina manaiky ny ho voavonjy?
Manaiky ny tenininy,ary mitaona ireo izay namana mbola ao anaty ny maizina
Izay no fahafantarako io tenin'i soanja io,eny tsy misy marina na iray aza fa i Kristy irery(Izany no antony nahasolo ny fanatitra biby tsy manan-kilema izay Izy no natao sorona an'ny rehetra) He is the Lamb of God..
Ary dia nampianariny ihany koa ny mpianany sy isika rehetra fa izay rehetra "Mandehana,mitoria ny filazantsara @ izao tontolo izao ka ataovy ho mpianatro ny firenena rehetra ":arrow: dia io fa nisy ny serasera.org hitoriana ireo namana eran-tany,tsy io ihany fa maro ny web ....tafita ihany ny hafany amin'ny farany fa tsy kivy isika :D
Izay nomen'Atra ny teniny no hizara izany ho an'ny rehetra na mpino na tsy mpino.Afafy fotsiny dia izay mandray tsara .
Ny tsy marina ? isika rehetra ka izay manan-tsofina hihaino,mana-maso hijery,manan-tongotra hitondra ny teny eny rehetra eny,manana ny fanahy masina,hanazava ny tenin'Atra ..
Tompo o ,manamasina anay amin'ny fahamarinana fa ny teninao no fahamarinana.Ny lalanao no sitraky ny ray,tariho lalana izahay mba hanara-dia anao.Amena
66. niryna
(
01/02/2008 19:27)
1 Pet 1
16 satria voasoratra hoe: "Ho masina hianareo, satria masina Aho" (lev. 11. 44).
17 Ary raha ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo ety;
18 fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin'ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin'ny nentin-drazana,
19 fa ny ra soan'i Kristy, toy ny ran'ny zanak'ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina;
20 Izay fantatra rahateo, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo,21 Izay mino an'Andriamanitra amin'ny alalany, dia Ilay nanangana Azy tamin'ny maty ka nanome voninahitra Azy, mba hiorenan'ny finoanareo sy ny fanantenanareo amin'Andriamanitra.
23 fa efa teraka indray hianareo, tsy tamin'ny voa mety ho lo, fa tamin'ny tsy mety ho lo, dia ny tenin'Andriamanitra, izay velona sady maharitra. Fa "ny nofo rehetra dia tahaka ny ahitra, Azy izay mety ho voninahiny dia tahaka ny vonin'ny ahitra. Malazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny;:roll::cry:
1 Pet 4
17 Fa tonga ny andro hiantombohan'ny fitsarana hatrao amin'ny ankohonan'Andriamanitra; ary raha miantomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran'izay tsy manaiky ny filazantsaran'Andriamanitra?
18 Ary "raha saiky tsy voavonjy ny marina, aiza no hisehoan'ny ratsy fanahy sy ny mpanota?" (Oha. 11. 31).

68. niryna
(
01/02/2008 19:45)
cutie:
mbola handalo any daholo zany isika rehetra ry soanja :wink:
Raha ny fandambolambon'ireo mpitondra izay mino an'izany dia izao ry cutie a.
Rehefa maty hono dia hivavahana indray,dia miantso ireo izay efa maty indrindra ireo masina masina,ary ireo no haka ny fanahin'ireo havana efa lasa any amin'ny afo fandiovana.Izany hoe izay maty rehetra izany dia hivavahana satria tsy misy mahalala ireo na lasa any na lasa any amin'Atra :roll:
Manao fararakitra dia ireo mpitondra ao amin'ilay fiangonana no mivavaka ,miaraka ny maty,miaraka ny masina rehetra :idea::idea::roll::roll:
Ahoana no hanaporofoko fa tonga any ny vavako?
Ahoana no hanaporofoko fa afaka miditra ao amin'ilay afo (fire..)ilay fanahin'ilay olona efa maty ?
Tsotra ny teniko amindry,raha tsy manambola izany ny olona,satria betsaka ny tsy mahazo miditra ny fiangonana any amintsika rehefa tsy mahaloa adidim-piangonana ilay maty,eny amin'ny sisitosy no nataon'ilay ranamana ny fanaovam-beloma:cry::cry:
Amiko,mijoro aho fa tsy misy izany afo fandiovana izany,mijoro aho fa ny ran'i kristy ,ny diakampony no nanasitrana ahy,mijoro aho fa izaho afaka mitory ny filazantsara eto dia tsy avy amin'ny herin'ny tenako fa avy amin'ny herin'ny fanahy masina,ary mijoro aho fa izy nampianatra antsika fa izy no lalana sy fahamarinana ary fiainana ho mandrakizay
Izay mino ahy hoy izy no ho vonjena:arrow: maninona indray no diovina atsy ,diovina aroa,dia anaiky izany ve ny eritreritrao hoe ho faty aho indray andro any,aiza re izaho izao no andeha e?
Izaho mino Azy:arrow: izay mino Azy dia hanana fiainana mandrakizay:arrow:Maty miaraka aminy aho:arrow:tsy matahotra ny ho faty intsony na miahiahy ny andeha ho aiza:arrow:miaraka aminy ny fanahiko dia any ankoatra izany no ihira sy hidera hiaraka an'i kristy sy ireo izay rehetra mino Azy.
Mahereza,ny fanahin'ny tompo anie homba anao sy hitaridalana ary hanazava ny sainao.
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao dia ataony ho lavorary sy tanteraka izay rehetra ataonao.
Ataovy ny fanandramana. Azoko antoka io,raha novonjeny aho tao anaty fahantrana,mino koa aho fa hamonjy anao sy ireo izay mamaky ity tantara ity koa Izy
^:^ Hosana any amin'ny avo indrindra ,fa lehibe ny fitiavan'i kristy sy ny famindrampony.Izay manan-tsofina aoka izy ihaino,izay mana-maso aoka izy hamaky ,izay te ho voavonjy,izao dia manomana ny fibebahana ,ny fiaikina fa tsy mendrika ny hiantso ny anarany akory,ary ny fahatokina aminy fa I Kristy irery ihany no lalana mankany amin'ny Ray.Raha mino Azy,minoa fotsiny ihany hoy Izy,tsy niteny asa izy,na manaova an'izao,mino,eny mino dia ho voavonjy.
69. niryna
(
01/02/2008 19:51)
ikaretsaka:
amiko dia ..yup!
fa ianao mety mahazo 2 minitra.. izhao siekla maro:°)
Satria hoy ny teny :ny fihevitro tsy fihevitrareo,ary ny fisainako tsy fisainanareo.
Amin'ny sasany ny afo fandiovana na purgatory, teny latina purgore=to clean,to purify na koa ho diovina na sasana
Natao inona ny ran'i kristy raha izany?
Ny rany no nanadiovana antsika rehetra ?
70. ikaretsaka
(
01/02/2008 20:01)
ie.. fa aminao izany rehefa nadio isika de afaka migafy indray izany fa satria .. efa nodiovin ran'i kristy ko..
de hisy ra handio antsika foana eo ? peuh!:roll:
de hisy ra handio antsika foana eo ? peuh!:roll:
72. ikaretsaka
(
01/02/2008 20:07)
cutie> ka aminy izany tsy maninona na hivadika eo aza enao fa efa avotra izany fa efa voadio ko...
73. tywa68
(
01/02/2008 20:09)
niryna : tsy aritro fa tsy maintsy miomehy aho mahita ny famalinao. Hoe inona indray re no ho soratana eto e :°)
Dia ho averina indray ve ry Ikaretsaka sy Soanja hoe tsy zay misoratra anaty baiboly ihany no inoantsika ...:°):-D:-D
Dia maninona an'i niryna zao zahay raha te-hivavaka ho an'ilay fahanahin'ireo nialoha lalana anay, havanay sy namanay, mivavaka ho azy izahay hahazo an'ilay famindram-pò na dia hita aza fa tsy d nazoto t@zany vavaka sns zany fony velona izy ireo ! inona no olana :lol: zah aloha d faly raha misy mahatsiaro ambavaka izany na tsy eo intsony aza e (satria any @ fianan-tsi-hita):-D:-D

74. ikaretsaka
(
01/02/2008 20:12)
aiza ao amin'ny 1 Pet izany? dimy ihany ny epistily ao fa tsy 18 ? sao dia diso i soanja fa mba jereo kely hoe azafady?
1 piera 3 :18 io fa aiza mainka ho any @ 18
76. niryna
(
01/02/2008 20:20)
cutie:
lasa tsy mazava ndray @ ty tanisa bdb an'i nyrina ty:-D
io ambany io ny valin'ilay fanontaniandry ho an'i soanja.Hevitro io ka anjaranao no mandray sy maka ny marina.
Tenin'Atra no hitondrana azy fa tsy ny eritrerintsika na izay tiantsika. :D
77. ikaretsaka
(
01/02/2008 20:21)
sendra mba tsy nitsipika nanindry ny bokotrra misy ny tarehimarika 3 ny fanondro adala ankavian'i soanja de...
tsy hita izy ity e!:roll:
tsy hita izy ity e!:roll:
79. niryna
(
01/02/2008 20:24)
ikaretsaka:
ie.. fa aminao izany rehefa nadio isika de afaka migafy indray izany fa satria .. efa nodiovin ran'i kristy ko..
de hisy ra handio antsika foana eo ? peuh!:roll:
Aza ato misavorivory ny sain'ny olona ry ika ,hianao mahalala tsara ny tianao sy tanjona tianao ahatongavana.ampy izay.
Isika nofo sy ra ,manao fahadisoana isan'andro,anjarantsika no manitsy ny lalana tokony aleha,ny fanahy no manampy izany ho an'ireo izay misy ny fanahin'i kristy,raha tsy misy dia asa,izay miaraka aminy.
Tsy afaka amintsika ny fakampanahy raha tsy mikimpy ny maso,mifona indray fa aza manaiky ho rebireben'ireo hoe hivavahany,raha tsy manambola izany moa dia very amin'ny afobe raha izany kou.Tety an-tany nijaly tamin'ny fahantran'ny fiaianana, any an-koatra indray mbola tsy mahazo ny fanjakan'ny lanitra fa vidiana ilay izy =))=))=)) :snif::snif:
80. xxx
(
01/02/2008 20:25)
niryna:
Satria hoy ny teny :ny fihevitro tsy fihevitrareo,ary ny fisainako tsy fisainanareo.
Amin'ny sasany ny afo fandiovana na purgatory, teny latina purgore=to clean,to purify na koa ho diovina na sasana
Natao inona ny ran'i kristy raha izany?
Ny rany no nanadiovana antsika rehetra ?
Tsy "olona" hafa no mandio ny olona ao amin'ny Afo Fandiovana fa i Kristy Andriamanitra ihany. Ary izay tsy vitan'ny olona alohan'ny fahafatesana, dia tena vitan'Andriamanitra tokoa aorian'ny fahafatesana ... satria Andriamanitra Izy fa tsy Niryna :wink:
I Niryna no mihevitra fa tapitra eo amin'ny fahafatesana ny zava-drehetra. Taratra koa izany fiheveran'i Niryna izany rehefa miresaka ny asam-pamonjena. Mijanona eo amin'ny nahafatesan'i Kristy foana rehefa miresaka ny asa famonjena i Niryna. Fa izay fotsiny ve no nataon'Andriamanitra ? Izay hevitrao izay ve no hevitr'Andriamanitra ? . Mianara ianao Baiboly.