Voasoratra ao @ BB "afo fandiovana,"tambazako izay mahita !

41. pissoa ( 31/01/2008 17:58)
efa notenenin'i hery io dia toa efa novaliany ka :-D
42. piste ( 31/01/2008 18:24)
Ny teny izay nampianarina eto dia voasoratra ao anaty baiboly avokoa,tambazako izay mahita soratra miteny hoe " ny afo fandiovana dia izao..."
Tsy sanatria aho miantsy ady a,fa mba tiako ho voavonjy daholo isika,tsy avy amiko izany fa avy amin'i kristy irery.

Alaivo ny baibolinareo ary jereo izay misy soratra hoe ny afo fandiovana dia izao
Hitady famonjena :....
Hitady fitiavana.....
Hitady famelan-keloka...
Hitady afobe....
omeko daholo ireo.
hitady afo fandiovana ....omeo hoe azafady.
tsy parabola na fanoharana .Raha izay dia tsy izy.
Ohatra hoe Kristy dia zanak'Atra .....
misaotra antsika rehetra


Rehefa vizana mitory teny lava be ve ry Niryna, (na dia sehatra tsy tokony hanaovana izany aza eto) dia mi-provoquer olona indray.
Mba amboary ihany ny toetra fa maha-menatra. Tsy arakaraky ny zavatra torinao ny toetranao. Sady mitory fahambanian-toetra no tsy fanajana ny hafa.
Ianao dia manana tendance hanao Auto-référence foana. Ka raha vao miala @ zavatra inoanao dia tsy izy. Dia inona no mahasamy hafa anao @ ireo fondamentaliste na integriste radicale.
Maninona raha mamorina site manokana ianareo sy Kiranil, atao hoe : anti-Catholique ny anarany @ izay mba mitombo ny finoanareo sy hahatarika olona ianareo. Sady @ izay mba misy zavatra atao koa é.
43. ikaretsaka ( 31/01/2008 18:56)
[quote-pissoa]Ankoatra izay, aza midongy ho mpampianatra na mpanoro na mpanampy sns ahy ... ! Miadiva fotsiny hevitra dia ampy izay.[/quote]

izay mihitsy manko Ranabavy,
44. LazaDaddy ( 31/01/2008 21:10)
niryna:
tambazako izay mahita !
[quoteniryna]tambazako hoy aho and I mean it.[/quote]averiko indray fa miendrika fihantsiana na dia ilay fomba firesakao fotsiny aza. Tandremo sao voasarika amin'ny fifandaniana. Iangaviana aoka tsy ny "coco" anao no mitondra an'io fa ny Fanahy.
45. ikaretsaka ( 31/01/2008 21:37)
ka ny fanahy ao aminy hono izany no mitamby ko inona ary.. ny fanahy ao aminao tsy mitamby.. dia hajano ny fanahy ao aminy!:roll:
izay no ahitany azy.. izay no toe panahiny
46. ikaretsaka ( 31/01/2008 21:40)
Maninona raha mamorina site manokana ianareo sy Kiranil, atao hoe : anti-Catholique ny anarany @ izay mba mitombo ny finoanareo sy hahatarika olona ianareo. Sady @ izay mba misy zavatra atao koa é.


eny tokoa hoa..efa eeeeeeeela aho no nanoro io hevitra io fa e e e..

tsapany fa tsy hahazo olona ve? tsy hampitombo ny finoana ve? ....
tsy haiko satria tsy mbola nisy le izy! fa aleo manao de ndao ty izy!:wink:
47. fijo ( 31/01/2008 23:14)
izay anie le olana aminareo mpino kristianina e.
samy milaza fa mpanaradia an'i lery.
nefa le fototra hiaingana hanarahana dia azy dia efa gidraka.ny sasany dia ilay boky ihany dia minoa fotsiny.ny hafa dia hoe jereo aby fa ahitana azy izao tontolo izao.
izany hoe raha azoko tsy ampiantsarambelatsia dia tsy misy dikany ifotony io firaisampiangonana dradraina io?????
48. ikaretsaka ( 31/01/2008 23:56)
ka rehefa mpanaradia an'i lery ange letsy tokony mifanaja e.. raha samy nanao ny site ny tany izao de izany no nivoy ny fanarahan-dia azy.. naninona?
dia ny tsy nazava no nanontaniana tato... naninona?
49. xxx ( 31/01/2008 23:57)
hita wa ry fijo
tsy hay tsony izy ty :-D
50. niryna ( 01/02/2008 08:38)
LazaDaddy:

niryna:
tambazako izay mahita !
[quoteniryna]tambazako hoy aho and I mean it.
averiko indray fa miendrika fihantsiana na dia ilay fomba firesakao fotsiny aza. Tandremo sao voasarika amin'ny fifandaniana. Iangaviana aoka tsy ny "coco" anao no mitondra an'io fa ny Fanahy.
[/quote]
:D ny tiako ho tenenina dia hoe asehoy ao anatin'ny baiboly izany teny izany izay milaza mahita " Afo fandiovana:D

51. niryna ( 01/02/2008 08:39)
ikaretsaka:

ka ny fanahy ao aminy hono izany no mitamby ko inona ary.. ny fanahy ao aminao tsy mitamby.. dia hajano ny fanahy ao aminy!:roll:
izay no ahitany azy.. izay no toe panahiny



=))=))
52. niryna ( 01/02/2008 08:43)
ikaretsaka:

Maninona raha mamorina site manokana ianareo sy Kiranil, atao hoe : anti-Catholique ny anarany @ izay mba mitombo ny finoanareo sy hahatarika olona ianareo. Sady @ izay mba misy zavatra atao koa é.


eny tokoa hoa..efa eeeeeeeela aho no nanoro io hevitra io fa e e e..

tsapany fa tsy hahazo olona ve? tsy hampitombo ny finoana ve? ....
tsy haiko satria tsy mbola nisy le izy! fa aleo manao de ndao ty izy!:wink:

tena diso hevitra tanteraka aloha izay miteny an'izany an'i kiranil sy izay asiana hamorona site.Tsy misy miala eto raha tsy izaho no miala,hafatra sy fanazavana ny fahamarinana no omena ny olona.Ela loatra izay fahandalitra izay,tsy mahita zavatra hi-back-up azy hianao satria tsy misy mitombona daholo ilay tsimpotsimpona rehetra nomenao.
Avelao ny voa no hitsarana azy.Efa fantatra fa izao no atao ho ,hanohitra daholo ireo izay manaraka ny .... ary na izany aza dia aza kivy fa tsy maintsy tonga ny fitoriana ny tenin'Atra hatramin'ny farany.
Aza adino tokoa ry ika no manontany azafady e,ahoana hono no atao mba ahazoana famonjena ?

53. niryna ( 01/02/2008 08:46)
fijo:

izay anie le olana aminareo mpino kristianina e.
samy milaza fa mpanaradia an'i lery.
nefa le fototra hiaingana hanarahana dia azy dia efa gidraka.ny sasany dia ilay boky ihany dia minoa fotsiny.ny hafa dia hoe jereo aby fa ahitana azy izao tontolo izao.
izany hoe raha azoko tsy ampiantsarambelatsia dia tsy misy dikany ifotony io firaisampiangonana dradraina io?????

marina izany ny vy tsy mikitrana irery,matoa mahita ny marina ny iray ,dia tsy maintsy misy manohitra foana iny.Raha izaho indray aloha no asianao teny dia tsotra ny ahy :arrow: hitory ny filazan-tsara an'i kristy,hampahafantatra izay mino sy mihaino fa any aminy irery no misy ny fiainana ho mandrakizay,raha misy milaza fa misy fiainana hafa dia avelao izay hanaraka fa tsy misy olana ka.


54. niryna ( 01/02/2008 08:52)
Safidy ny fanarahana an'i kristy na tsia,safidy ny hanompo atra -ka na tsia ,safidy ny hino ny afo fandiovana na tsia.kely ny finoako raha hiandry ho faty aho vao hifonana sy hivavahana.
55. ikaretsaka ( 01/02/2008 13:26)
niryna:
namaly ilay nolazain'ny ankizy sy ny zahako hoe

Maninona raha mamorina site manokana ianareo sy Kiranil, atao hoe : anti-Catholique ny anarany @ izay mba mitombo ny finoanareo sy hahatarika olona ianareo. Sady @ izay mba misy zavatra atao koa é.


eny tokoa hoa..efa eeeeeeeela aho no nanoro io hevitra io fa e e e..

tsapany fa tsy hahazo olona ve? tsy hampitombo ny finoana ve? ....
tsy haiko satria tsy mbola nisy le izy! fa aleo manao de ndao ty izy!:wink:

tena diso hevitra tanteraka aloha izay miteny an'izany an'i kiranil sy izay asiana hamorona site.Tsy misy miala eto raha tsy izaho no miala,hafatra sy fanazavana ny fahamarinana no omena ny olona.Ela loatra izay fahandalitra izay,tsy mahita zavatra hi-back-up azy hianao satria tsy misy mitombona daholo ilay tsimpotsimpona rehetra nomenao.
Avelao ny voa no hitsarana azy.Efa fantatra fa izao no atao ho ,hanohitra daholo ireo izay manaraka ny .... ary na izany aza dia aza kivy fa tsy maintsy tonga ny fitoriana ny tenin'Atra hatramin'ny farany.
Aza adino tokoa ry ika no manontany azafady e,ahoana hono no atao mba ahazoana famonjena ?
[/quote]

ny mino sy ny miasa no ahazoana famonjena hoy i Md Jakoba..
maninona raha aompana amin'izany indray ny asa..
andramo aloha..
Efga miseho tsikelikely anie ny voa izao ry niryna e... tsy aritrareo ilay namokatra be


56. soanja ( 01/02/2008 15:35)
Ity dia mahalaza ny fisian'ny AFO FANDIOVANA.

Ny Afo fandiovana dia ny HADESA ao amin'ny baiboly. Ao ny fanahy no mandeha rehefa maty ny olona iray. Io no antsoin'ny baiboly nadika hoe Fianan-tsy-hita

Ireo fanahy tao an-trano maizina dia midika ny fanahy ao amin'ny fiainantsihita na ny Hadesa.

Raha maty i Jesoa nandritra ny telo andro dia namangy tany Izy nanohy ny asany.

I Petera 3:18-22


18 Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra, ka novonoina tamin'ny nofo, fa novelomina tamin'ny fanahy,
19 izay nandehanany sy nitoriany teny tamin'ireo fanahy tao an-trano-maizina,
20 dia izay tsy nanaiky fahiny, fony niandry ny fahari-pon'Andriamanitra tamin'ny andron'i Noa, raha mbola namboarina ny sambo-fiara, izay nidiran'ny olona vitsy, dia izy valo mianaka, ka dia namonjena azy ny rano.
21 izay mamonjy anareo koa ankehitriny, dia ny batisa, izay tenan'io tandindona io, tsy ny fanesorana ny fahalotoan'ny nofo anefa, fa ny fitadiavana ny fieritreretana tsara eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty,
22 Izay eo amin'ny tànana ankavanan'Andriamanitra; fa efa lasa ho any an-danitra Izy ka efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

Hoy ny Apokalypsy hoe

13 Ary ny ranomasina dia namoaka ny maty tao anatiny; ary ny fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita namoaka ny maty tao aminy; dia samy notsaraina araka ny asany izy.

Koa aza varimbariana mitsaratsara ny an'ny olona fa izay hitanao fa mandaitra amin'ny fanahin'ny Fahamasinana ao anatinao no inoy. Io no MAHERY ary dia nampiharin'Andriamanitra tamintsika rehetra na i JESOA zanany tiany aza.


57. soanja ( 01/02/2008 15:42)
Io I Petera 18 io no tsapako mahalaza tsara ny tian'ny afo fandiovana resahina.

Ny marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra.
58. cutie ( 01/02/2008 16:37)
mbola handalo any daholo zany isika rehetra ry soanja :wink:
59. ikaretsaka ( 01/02/2008 16:39)
amiko dia ..yup!
fa ianao mety mahazo 2 minitra.. izhao siekla maro:°)
60. tywa68 ( 01/02/2008 16:40)
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=APOKALYPSY&toko=20&andininy=13-13&dika=

Ty koa hanampiako an'ireo nosoratan'i Soanja ireo.

Aza tambazana n'inona² aho fa mino na tsy mbola nahita aza :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0089