Endriky ny Firaisam-pinoana: Jesoa fa tsy Jesosy

61. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:59)
ka efa nanaiky daholo anie fa Jesoa no atao e e! (jereo ny nolazain;i hery io ambony io)
tsy haiko hoe ny inon-dry laza no mamaky nefa efa efatra ny masony
62. Mandefitra ( 06/08/2007 07:01)
ka ny Jesoa avy @ hoe Jesus (teny frantsay), ny Jesosy avy @ teny anglisy ... ary ao anaty Baiboly protestanta fa tsy DIEM, mbola Jesosy, ny anaty fihirana toy zany koa ... Ka zay no ataoko hoe ataovy Baiboly tokana aloha, de @ iny tsy misy intsony ny fahasamihafana.
63. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:03)
Ka zay no ataoko hoe ataovy Baiboly tokana aloha, de @ iny tsy misy intsony ny fahasamihafana.
Dia firy ny isan'ny Boky ao amin'io? Efa nanaiky daholo ve?
64. Mandefitra ( 06/08/2007 07:05)
ka zay ndrindra, any no tokony amboarina voalohany fa tsy @ endrika ivelany ...
65. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:13)
endrika ivelany ...
io endrika IVELANY io ilay ataoko atsy ambadika hoe "fihatsarambelatsihy"
66. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:15)
Raha teny anglisy nogasiana ny Jesosy tokony hoe Jizaosy ka!

ohatran'ny hoe Jesus nataon'ny katolika fahiny hoe Zezo

fa novaina ilay izy taty afara...

tadidio fa tsy ny katolika no namorona ny Jesoa fa ny azy nataony hoe Zezo!

fa nanaiky izy rehefa hoe Jesoa no ndeha atao fiantsoana Azy

67. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:16)
endrika ivelany ...
68. Mandefitra ( 06/08/2007 07:22)
infinniment petit @ firaisam-pinoana ny fanavahana ireo anarana ireo amiko, satria samy manondro ny Zanak'Andriamanitra.
@ FLM, zany anarana Jesosy zany, miasa tsy ankijanona @ fiainam-pinoana rehetra : @ vavaka, @ vakiteny, @ fanasitranana, @ fanalana devoly.Efa tena raiki tapisaka sy milentika ampo ary tsy afaka ambava fa tsy endrika ivelany hifampiantsoana fotsiny, ka ngamba tsy avona rahambola tsy mety aloha hatreto ny hanova ilay anarana ho Jesoa.
69. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:31)
dia tsy azo ezahina ve izany.
ny katolika izao Raiki tapisaka tao ny heo Zezo .... ary nampiasaina t@ fiainam-pinoana rehetra koa.
fa voaova..
dia ambaka noho izany ve ianareo?
inoako angamba fa tsia kosa e
70. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:32)
Dia firy ny isan'ny Boky ao amin'io (Baiboly)? Efa nanaiky daholo ve?
71. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:35)
nasiana section hafa mihitsy ireo boky tsy hitambarana ka..
mahazo mamaky ny andaninysy ny ankilany arakarak'izay tiany...
72. LazaDaddy ( 06/08/2007 07:38)
hay tazomina ilay tsy fitambarana? Misy ny "andaniny" sy ny "ankilany"?

Voaporofo hatrany fa fihatsaram-belatsihy ny firaisam-pinoana
73. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:42)
fifanajana izany ..
ohatran'i paoly sy piera, tsy mitovy hevitra indraindray fa mifanaja... napetraka ny hevitr'i paoly dia napetraka ny an'i piera dia raha te haka ny hevitr'i paoly dia maka, raha te haka ny an'i piera dia maka

tsy mihatsara velatsihy izany anefa izy mirahalahy fa samy manaiky fa misy ilaina ireo hevitra 2 ireo
74. Mandefitra ( 06/08/2007 07:46)
De atao ahoana ry Piera sy Petera?sy Jaona sy Joany?ry Isaia sy Izaia? .... ny evanjely sy ny soratra Masina?
Tsy hoe rehefa lasa Jesoa ilay Jesosy de vita ny firaisam pinoana, zay no ataoko "epsilon:ε" ra zay monja.
75. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:52)
Samihafa aloha ny Evanjely sy ny Soratra masina
Evanjely=evangile (ireo boky 4 misy ny tantaran'i jesoa)
Soratra masina =Scripture (ireo boky rehetra ao anaty baiboly)

misy ny atsy no raisina dia misy ny aroa amin'ireo teny hafa ka...
Ohatra hoe ny Isaia, sy ny Mosesy mijanona
Jaona,
Piera
Paoly
kaisara...

lava be fa aleo ireo tena spesialistra no hamelabelatra fa ny ahy intro fotsiny
76. Fiffi ( 06/08/2007 08:24)
LazaDaddy:

Voaporofo hatrany fa fihatsaram-belatsihy ny firaisam-pinoana
porofoy !
77. Mandefitra ( 06/08/2007 12:44)
Samihafa aloha ny Evanjely sy ny Soratra masina

Filazantsara sy Evanjely mantsy e, diso le fampitahana teo.
lava be fa aleo ireo tena spesialistra no hamelabelatra fa ny ahy intro fotsiny

Mandrampiandry ny spesialistra aloha zany, aleo ihany aloha Jesosy ka.
"Zaro @ lalana tokony halehany ny zaza, ka na efa lehibe aza izy tsy hiala @ zany" :D
78. ari.malala ( 06/08/2007 13:42)
Dia aleo ve misaratsaraka toy izany foana nefa ny Tompo aza nivavaka "mba ho iray izy rehetra"? mampalaelo!
79. tywa68 ( 06/08/2007 13:43)
"Zaro @ lalana tokony halehany ny zaza, ka na efa lehibe aza izy tsy hiala @ zany"


F'angaha tsy ho an'ny zaza tokony atao batemy io fa ho an'izay mananihany (tsy te-halala) :-D Asa re !
80. ikaretsaka ( 06/08/2007 15:45)
ari.malala:

Dia aleo ve misaratsaraka toy izany foana nefa ny Tompo aza nivavaka "mba ho iray izy rehetra"? mampalaelo!

Izay mantsy..
Ny sitrapon'ny Tompo te ho iray..
isika misaraka.. tsy haiko aloha na sitrapon'iza na iza ilay te hisaraka eto e

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1363