Endriky ny Firaisam-pinoana: Jesoa fa tsy Jesosy

1. hery ( 03/08/2007 08:39)
Hita ao amin'ny dikateny iombonana DIEM fa Jesoa no anarana iantsoana an'i Jesoa fa tsy Iezo na Jezo na Jeso (Fampiasan'ny katolika amin'ny bokiny hatrizay ireo http://baiboly.katolika.org ) ary tsy Jesosy koa (Fampiasan'ny protestanta indray io).

Efa betsaka ny katolika mampiasa an'io Jesoa io ary efa maro koa ny protestanta mampiasa azy.

Anisan'ny endriky ny fahasahiana handeha amin'ny firaisam-pinoana hatrany izany na dia zavatra madinika aza.

http://hery.blaogy.com
répondu par ikaretsaka le 14/08/2007 14:56
2. hery ( 03/08/2007 08:43)
Toa izany ihany koa:

Tompo (izay dikan'ny hoe "adonai") fa tsy Iahveh na Jehovah.

Tamin'ny baiboly taloha (hebreo) dia tsy notononina mihitsy ny soratra IHWH (http://en.wikipedia.org/wiki/Tetragrammaton) fa nosoloina hoe adonai izay midika hoe Tompo. Ka mba ho marimaritra iraisana dia tsy napetraka ao amin'ny baiboly iombonana ny Iahveh na Jehovah fa nosoloina hoe Tompo.

Anisan'ny endriky ny fahasahiana handeha amin'ny firaisam-pinoana hatrany izany na dia zavatra madinika aza.
3. bozyboleta ( 03/08/2007 08:47)
Efa nampianarina an'io koa ny Protestanta hatr@ vao hoe asiana dikanteny iombonana.
Jesoa no ampiasaina na mamaky teny na mihira.
4. rhina ( 03/08/2007 09:36)
ka r zareo ar tsy hanaraka anzany ka anina nareo e
efa fantatrareo foana hatramin'izay fa ny anzareo ony jesosy.

d oz zany le zazakely tao amnay zay iz zany mbola tsy malala oe misy zany fjkm, s karazampiangonana afa zany a iz tsina vo 3 taona fa fetsy ny fianakamsa zany samy manana ny finony

d rehefa mresaka : jesosy ki zao
d mamaly ndray ny afa: ao @ soratramasina ary oe i Jesoa sns

d oz le dadatonay zay : i Jehovah mints no nilaza...

d oz le zaza: fa iza taoly kay r neny zany ola resahanareo zany d aiza r zareo no tsy makaty amtsika mintsy.

tapatsinay ny iray trano fa le renin'ilay zaza teztra be d oz i Jesoa anaka olona 1 iany fa r dadatona s nenitonao manana Jesoa afa mintsy ony d afeniny any fa i Jesoa iany no izy

d teztra be le dadatoa fa oe mamaandalitra n zanany ony le maman'ilay zaza d tapaka n resaka fa lasa ad le iz

mahay le zazakely e
fa le olondehibe no kely lo
sa aona oz nareo
5. fahamarinana ( 03/08/2007 11:08)
Dia tsy haiko tokoa fa misaotra nampahalala fa za zao miangona amin'ny fpma dia jesosy foana no ampiasaina hatreto aloha,ary na misy fotoampivavahana firaisampinoana dia misy mopera moa eo miteny hoe jesoa dia ny pasteur miteny hoe jesosy dia tsy haiko hoe rahoviana no ho-appliquer na am fotoana inona marina e.
6. bozyboleta ( 03/08/2007 11:17)
Efa nampiharina hatr@ ela. Fa le izy koa nge mila fahazarana e! Eo koa moa le kamo hiova, indrindra le pasitera soarasoara reny!
Raha ny hira protestanta indrindra @ fihirana fanampiny defa JESOA daholo.
Na ny vavaka aza efa JESOA daholo.
Teneno zareo fa tara be.
7. Mandefitra ( 03/08/2007 12:04)
@ FLM aloha raha ny hatrizay ka hatrizao dia Jesosy.Ny antony tsy haiko avokoa, fa ny hany fantatro dia ny hoe:ny baiboly ampisaina mbola Jesosy no soratra ao ka hikaviavia be ihany rehefa hamaky azy raha Jesoa no tononina.
Tsy mampiasa DIEM ny FLM , asa nga tahotra ny "lost in transalation" araky ny filazan i Karetsaka azy.Ary tsy mampiasa fihirana fanampiny koa (ny ankabeazany), satria ny hira ao @ FFPM aza 800 mahery tsy hay, na ny feony na ny tonony.
Zany tsy mahasakana ny firaisam-pinoana, rehefa misy ny fotoana tokony hiraisana.
8. princesseN ( 03/08/2007 12:06)
raha zà alou de tsy mandà an'izany fa efa nahazatra ahy fotsiny ny JESOSY satria efa zay no nahazatra ahy h@ mbola kely de tsy mahazatra ahy intsony ny hanao oe JESOA
9. ari.malala ( 03/08/2007 12:11)
dia miezaka mizatra e! toa antsika fony mbola kely iany io, tsy nahay nandeha fa nikaviavia sy niahotrahotra aloha fa rehefa ela ny ela dia zatra iany :D
10. Mandefitra ( 03/08/2007 12:38)
sarotra ka, indrindra @ finoana tsy mety ny miahanahana. Ka raha efa Jesosy no anarana niantsonao ny mpamonjy hatrizay, sarotra ihany ny hivadidela tampoka eo.


Didy faha-11 hozy lay rahalahy be vazivazy zay "aza miveraka" zany hoe aza miahanahana.:wink:
11. ari.malala ( 03/08/2007 13:24)
tsy sarotra ka! taloha izahay nabosesika tao antsainay ny Iezo, Jeso arak'io nazavain'i Hery io, fa taty aoriana refa hoe Jesoa no tokony ho izy dia io no nisàrana sy niezahana dea zatra iany :Dandramo ka zahao :)
12. bozyboleta ( 03/08/2007 13:55)
Ampiana finiavana koa fa refa tsisy koa mantsy io de tsy tafa e!
13. ikaretsaka ( 03/08/2007 14:24)
izay mihitsy.
14. fahamarinana ( 03/08/2007 14:25)
Ny tena marina dia izao vao henoko izany resaka izany ary dia gaga tokoa aho anie,andraso mba hanadiady kely fa mino aho fa tsy misy mahay akory izany.Vao nanatrika fotoam-pivavahana tao paris aho,fpma nefa dia arak'izay nolazaiko zay koa.
15. ikaretsaka ( 03/08/2007 14:36)
fa ny tsy azoko ka mba tiako raha misy manazava:

Ho an'ireo efa mahafantatra:
HIta izany izao fa ekena ilay Jesoa sy ny Tompo, nefa Jesosy sy Jehova no lazaina sy mahazatra sy mbola tononina eny ampiangonana, ampianarina @ sekoly alahady, tabatabaina eny an-dalambe

dia mba lasa eritreritra aho hoe ilay "ezaka" @ firaisam-pinoana ve izany dia eo amin'ilay latabatra fanaovana fivoriana iny ihany no hoe ie ie .. Jesoa, Tompo tokoa no ilazana Azy, fa voa dila avy eo dia miverina "Jesosy" sy "Jehova" ihany?
Izany ve tsy karazan'ny fiatsarambelatsihy?:roll:
16. tywa68 ( 03/08/2007 15:23)
rhina : tena marina kosa ny tenin'ilay zaza e iza d aiza no tsy mankaty ... :-D:-D

Ika : ka atao ahoana fa ohatran'ilay olona mizizo sy tsy te-handray ny hafa ihany io e ! izay tiany ihany no izy d zay !:wink:
17. ikaretsaka ( 03/08/2007 15:29)
tywa: dia tsy haiko intsony hoe iza ny tolerant.. intolerant @ izany..
fa tadidiko t@ vo nanomboka ni appliquer an'io fa tena ezaka be mihitsy ho an'ilay zatra nanao "Iezo" fa vita ihany.
Toy izany koa ilay tapitra nahazo instructions aby ny mpitondra vavaka, na le tany ambany vohitra be ireny aza heo miova ny fanononana azy.. dia sarotra aloha ilay ezaka fa niezaka aby ..
dia eo no maha lasa saina ahy heo anninona no vitan'ny hafa sy naka fandavan-tena be ny hafa... fa tsy vitan'ny tena
nefa samy nifanaiky fa hanao an'izay tao?
18. naughtyboy ( 03/08/2007 17:31)
za manokana kalo tsy oe kamo anova zvhafa ,notezaina t@ protestant tao antrano ary katolika tany ampianarana nefa ny manavanana ahy de Jesosy zay mino za fa tsy misy olana @ tomponan'anarana na misy
fahasarotana Aminy ka tsy fahazarana tsony fa zay mintsy no fiantsoako azy,sarotra zany io amiko fa tsy oe tsy misy finiavana
19. booboo ( 03/08/2007 19:23)
Ny fg nitaiza anay ara-panahy efa Jesoa aby hatrizay mandritra ny litorjia. Ny fpma sasany andehanako (tsindrai²) kounkou efa misy manao Jesoa satria efa niova kounkou ny litorjia vao taona vitsy² zay.

Na zany na tsy izany, refa manao vavaka mangina dia Jesosy no mahavantana ny vavako kokoa :°)
20. fijo ( 03/08/2007 21:06)
za tsy mpino fa manohan akosa hoe tokony ho teny iray no iraisana raha hiresaka fikambanana finoana izany.
ary saodia tsy mbola mahalala kosa ary ny mpitarika rehetra fa efa misy io teny iraisana io???????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4001