Endriky ny Firaisam-pinoana: Jesoa fa tsy Jesosy

41. niryna ( 05/08/2007 04:45)
ikaretsaka:

niryna:

Ka na Jesosy na Jesoa dia tonga dia mahalala izay resahina ny olona fa Kristy izany.



ka raha hiteny @ olona anakiroa momba ana finoana dia teny 1 no ampiasaina ka

ohatran'i niryna (gasy) miteny @ sinoa aty ihany io.. dia par convention dia ny teny angalisy no ampiasaina! (nefa iza no angalisy aminareo )





:roll:=)) Ianao ity dia mampihomehy ahy.
"Jesus" no ilazana Azy nohagasiana Jesosy ka inona no olana amin'izany,rehefa tonga any amin'ny olona fotsiny ny filazantsara dia ampy izay.
Moa adinonao fa teny iray no nitenenana fahiny?Fantatr'Atra fa hiraisain-dratsy ny olona ary dia nomeny teny maro mba tsy hiaraka hisaina amin'ny ratsy.
42. Fiffi ( 05/08/2007 06:36)
"niryna":
"Jesus" no ilazana Azy nohagasiana Jesosy ka inona no olana amin'izany
de efa lazaina niryna hoe JESOA fa tsy Jesosy de zay ny olana.....
"niryna":
Fantatr'Atra fa hiraisain-dratsy ny olona ary dia nomeny teny maro mba tsy hiaraka hisaina amin'ny ratsy.
aza miteniteny foana ry niryna an ! de aiza ao anaty baiboly njay zany hoe "nomeny teny maromba tsy hiaraka hisaina am ratsy" zany ? :roll::roll:
43. naughtyboy ( 05/08/2007 10:22)
zao kosa e,efa tafita le hafatra ngamba fa ny tsy azo adino kosa de safidiny ts1.1 tsy azo esorina na inn fihevitry ny rehetra na inn fa hajaina :wink:
44. Fiffi ( 05/08/2007 13:02)
marina zany......fa ity no tsy azoko an !
"niryna":
Fantatr'Atra fa hiraisain-dratsy ny olona ary dia nomeny teny maro mba tsy hiaraka hisaina amin'ny ratsy.
45. hery ( 05/08/2007 14:02)
Izaho dia niteny fotsiny hoe endriky ny firaisam-pinoana sahady io.

Raha zavatra kely fotsiny toa io aza dia efa tsy vitan'ny sasany ny manaraka azy, mbola tsisy resaka votoatim-pampianarana sns, vao mainka fa hoe tena mikasika ny finoana?

Dia tiako haseho koa hoe ny iza marina no tena miandrandra firaisana.

Izaho aloha manomboka ho kivy amin'ity Firaisana Firaisana ity. Raha tsy i Jesoa no niteny hoe Aoka mba ho iray izy ireo... tsy nanao ezaka hivakla amin'izany mihitsy aho.

Tenin'i Jesoa koa io firaisana io ka dia manao ezaka... fa tsy hoe ny tenin'i Jesoa sasany ihany no arahina fa ny sasany izay mikitikitina ny momba ny tena odiana tsy hita.

Baiboly koa izany e. :-)
46. Fiffi ( 05/08/2007 15:05)
"hery":
endriky ny firaisam-pinoana sahady io.
io de marina fa tsy ity kosa aloha an !
"niryna":
Fantatr'Atra fa hiraisain-dratsy ny olona ary dia nomeny teny maro mba tsy hiaraka hisaina amin'ny ratsy.
.....
47. ikaretsaka ( 05/08/2007 15:06)
Dia tiako haseho koa hoe ny iza marina no tena miandrandra firaisana?

Eo indrindra koa no maha lasa saina ahy!
Jesoa iray ihany hono
Tompo 1 ihany
Raikitra ary , dia hoe andao hiezaka iray
avy eo vao . no! tampoka indray
dia tsy azoko intsony!

Tenin'i Jesoa koa io firaisana io ka dia manao ezaka... fa tsy hoe ny tenin'i Jesoa sasany ihany no arahina fa ny sasany izay mikitikitina ny momba ny tena odiana tsy hita.

dia amin'izay ny tenanao no inoanao fa tsy i AJesoa sy ny Tompo intsony(Md Augustin)
48. Fiffi ( 05/08/2007 20:43)
ikaretsaka:

Eo indrindra koa no maha lasa saina ahy!
Jesoa iray ihany hono
Tompo 1 ihany
Raikitra ary , dia hoe andao hiezaka iray
avy eo vao . no! tampoka indray
dia tsy azoko intsony!
de eo indrindra isika zao....samy mitazona ny azy ?


49. ikaretsaka ( 05/08/2007 23:46)
dia hita amin'io izany izay tsy te ho iray ko.. nefa sorena ery rehefa antsoina hoe sekta!
ny fiangonana foibe efa miantso ny akohony hiverina fisoko.. fa ilay akoho mihitsy no sova sova sy be doika izany ko
50. LazaDaddy ( 06/08/2007 04:50)
Hery> Ataoko fa tsy zava-baovao aminao ary fantatrao tsara fa tsy "Tompo" velively ny dikan'ny hoe "Adonai".

Masina loatra ny Anaranao ka tsy sahiko tononina
51. Rasiligaoma ( 06/08/2007 04:54)
maninona tsy atao hoe Adonai aza?
ka ilay tsy hahasahiana tononina azy izay indrindra no anoloana azy ho Tompo... aiza ary ralaza izany? misavoana any an-danitra?
52. Fiffi ( 06/08/2007 05:10)
hery:

Raha zavatra kely fotsiny toa io aza dia efa tsy vitan'ny sasany ny manaraka azy, mbola tsisy resaka votoatim-pampianarana sns, vao mainka fa hoe tena mikasika ny finoana?
izay indrindra manko....


53. Rasiligaoma ( 06/08/2007 05:17)
vitany ilay ezaka raha ataony fa be doika izy..
azony fa fanahy iniany tsy atao
fantany fa ilaina fa tsy ataony!
54. Fiffi ( 06/08/2007 06:19)
io no nolazaiko hoe "volonté" de milamina ny rehetra.....
55. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:30)
o no nolazaiko hoe "volonté" de milamina ny rehetra.....
ka tsy ny volonte an'ny olombelona no mahamarina sy mahadiso ny finoana iray anie ry Fiffi e :) Raha tsy hoe finoana atao tandrametaka angaha.
56. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:35)
Misy volonte Hino aloha, dia misy volonte hanaiky, dia misy volonte hiezaka hanao ilay asa...
Izay no finoana
57. Mandefitra ( 06/08/2007 06:40)
Za aloha manao hoe tsy ny anarana no hitarafana ny atao hoe firaisampinoana.Raha tsy zany tsy nasiana fanavahana na ny anaram-piangonana aza fa nantsoina fotsiny hoe "Fiangonana Kristianina" ohatra zay fiangonana rehetra manaiky fa Kristy dia zanak'Andriamanitra, mety an zany ve ny Katolika Romana?
Na ny Baiboly aza samihafa, ny fomba nandikana ny teny tao, ka raha tena firaisampinoana no tadiavina, ataovy Baiboly tokana koa e.
Ka hoy aho hoe, aza hasarotina fa ny fototry ny finoana dia ny Jaona 3:16 "Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very zay rehetra mino Azy...".
58. Mandefitra ( 06/08/2007 06:46)
De Batemy sa Batisa? De Fanasan' ny Tompo sa Sorona masina? De sekoly alahady sa katesizy sa sekolin-tsabata?de sabotsy sa alahady ny sabata?
Ty le tonga @ hitan'ny sareraka hoe :
inn no tianareo rankizy?afokasika sa zalumety? bonbon sa vatomamy? :lol:
59. ikaretsaka ( 06/08/2007 06:51)
Manaiky daholo ka!
Fa maninona Ohatra ny Frantsay rehetra dia Jesus daholo na inona finoany na inona
maninona ny angalisy Jesus daholo koa? na samihafa aza ny finoana

dia itsika gasy efa hifanarahana izao hoe Jesoa no atao na samihafa aza ny finoana .. dia tsy ampiharina ? nefa efa nifanarahana tsara izao?

dia ambaka ve isika? Dia aiza ny fiombonana amin'ny fanahy masina @ izany?

aza entina amin'ny doika fa jereo @ io lafiny io!

60. LazaDaddy ( 06/08/2007 06:56)
ka rehefa manaiky daholo dia raikitra izany fa Jesosy ny iantsoana Azy :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0447