Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?

121. niryna ( 02/08/2007 07:00)
Misy teny tiako nalefako ato dia nisy namafa,tsy tiany alefa ilay izy.Na izany aza ,na inona ampiasan'ny satana,ny tenin'Atra dia tsy ho levona ary tsy maitsy mivoaka ihany ny fahalalana ny marina.lzay mamafa izany teny izany no hianjeran'ny fahatezeran'Atra
122. niryna ( 02/08/2007 07:09)
ikaretsaka:


Jesus christ is the mediator between us and god...

and who is the best mediator between us and Jesus? hmm?:wink:

Jesosy no nanao ny miracle fa tsy Masina Maria.. marina fa tsy mpanao miracle izy fa izy no mpiteny sy mpivavaka ary mpiteny any @ janany hanao miracle ary nataon'ny zanany izay nangatahiny!...
"Lany ny divay fa mihetsika ianao Zanako.. alefaso ny miracle" dia nanao i Jesoa

izy no nofidiany marina izany fa moa ve izy nijanona teo ihany fa tsy niteraka?

Aiza no misy mitantara fa nanan-janaka hafa naloaky ny kibony afa tsy ny Tompo i Maria ? Omeo source.

Ny teny hoe Rahalahy na Adelphos (Grika) dia midika hoe (next to kin)
Ny teny Hebrio sy ny teny aramaika dia tsy manana teny mahadika ny hoe "cousins" fa rehefa mifanakaiky sy mpihavana ny lahy dia mpirahalahy aby!

Profo profo! (ataoko Biblika aloha, tia azy manko i niryna)
Testamenta vaovao:
-ny Rahalahy voalaza ao @ Asa 3:17; Rom 9:3 dia ireo olona rehetra mpiray firenena
-Rehefa olona, na mpifanolo-bodirindrina dia natao hoe rahalahy (Mt 5:22; Lk 10:29)
-Olona mitovy tanjona dia natao heo rahalahy (Mt 5:47)
-Iray razambe, dia natao heo rahalahy (Acts 7:23,26; Heb 7:5)
-ny mpino rehetra dia natao hoe rahalahy (Mt 23:8; Acts 1:15; Rom 1:13; 1 Thess 1:4; Rev 19:10)

avadiko testamenta taloha indray!
- tantaran'i Lota: raha ampitoviana ny Genesisy 14:14 sy ny 11:26-7 dia i Lota izay nantsoin' Abrahama ho rahalahiny, dia "neveu-ny"
- i Jakoba dia niantso ny dadatoany, i Labana... ho rahalahiny(Gen 29:10,15)

I am the the way,the truth, and the lifeIzaho no lalana sy fahamarinana ary ny fiainana .Koa raha Izy no lalana nahoana no mbola mitady mpanelanelana ihany isika?

IZAO VAO HITAKO SY ANANAKO POROFO FA TENA TSY NAMAKY NY HAFATRA TALOHA TOKOA I NIRYNA FA NY AZY IHANY NO ASESISESINY!
Eny..mila mpanelanelana sy mpanampy sy mpitantana isika hanampy antsika handeha eo amin'ilay lalana
hery t@ izay andro izay:
raha misy mpanosika aho sy mpitantana sy mpanoro lalana aho manampy ahy amin'ny lalam-piainako, inona ny olana?:)


"Raha izay tianao ihany no alainao sy inoanao ao @ Soratra Masina, Fa izay tsy azoazonao dia arianao, Dia tsy ny Soratra masina intsony no ifantohanao sy inoanao fa ny tenanao (Md Thomas d'Aquin)
Izay no andalinana azy rehetra fa tsy anaovana tsimpona baibolista sy izay andalana nomen'i Pasitera ihany no vakiana... ary zahay mamaky baiboly anie fa tsy mitatata be fotsiny e, zahay raha miteny hoe tsy ampy sy tsy ao ihany no andalinana dia hitanay ao fa izany no lazainy ao:-D

ary izahay mandinika sy mamaky tsara vao miteny fa tsy mi wawawa @ porofo tsy marim-pototra!



Tsy izay tenenin-tsika no porofo amin'ny fivavahana ,tsy izay vavana no afaka manam-porofo ny tenin'Atra Tadidio fa ny adalan'izao tontolo izao no nomeny fahalalana mba hampahendry ireo izay miseho azy ho mitompo teny fatratra.Ny baiboly ihany no mahavaly ny baiboly,raha hoy izy hoe Jesosy irery ihany no lalana sy fahamarinana mankany amin'ny Ray dia aza am-pianarina hevi-diso ny olona satria lasa mivarina manaraka ny mpamadika an'i Jesosy koa izy ireo.
Tsy misy mpanelanelana antsika intsony tonga dia express io
Isika:arrow:Jesosy:arrow:Andriamanitra.
Aiza amin'io no asianao ny saplet sy Maria?
Aza gaga raha toa ka tsy misy Fanahy Masina manampy antsika satria isika mivavaka amin'ny sampy,ny vongan-javatra ,ny a/tra kely.Mbola manginy fotsiny koa aza ny a/tra ny olona izay mihoatra ny Atra Ray
123. ikaretsaka ( 02/08/2007 08:13)
ny saplet sy ny raozery manampy @ fandinihina ny baiboly.. "baiboly vakana iny"

Aza gaga raha toa ka tsy misy Fanahy Masina manampy antsika satria isika mivavaka amin'ny sampy,ny vongan-javatra ,ny a/tra kely.Mbola manginy fotsiny koa aza ny a/tra ny olona izay mihoatra ny Atra Ray


tsy mivavaka @ sampy fa manaja azy, ary tsy andriamanitra mihitsy akory i Maria..
ohatran'ianao tsy mivavaka @ baiboly fa manaja ny baiboly!

ny anao boky mitondra ny hafatr'andriamanitra..
ny ahy vakana manampy ahy handinika ny hafatr'andriamanitra ao anaty bokinaosy ny fiainako tontolo.

Samy natao ilay izy 2000 taona lasa, ary ny 1500 taona voalohany dia niara nanao isika, fa avy eo ianareo tsy nety nanao intsony!

Tsy haiko ny hoe iza sy iza no lasa any, ireo nanao ve sa ireo tsy nanao, satria tsy mbola tany an-danitra aho!

fa fantatro kosa anefa fa manome advantage ahy ny manao raozery fa karazan'ny fanomezan-tosika ny fivavako sy ny fanahiko.
mamaky baiboly sy mivavaka aho aho dia ampiako tosika amin'ny fandinihina ny baiboly amin'ny alalan' ny raozery ny fandinihiko ny baiboly @ alalan'ny izy fotsiny..
tsy zarako aza.. mba "double pont ny fiarako" mandeha eo @ lalana sy fahamarinana ary fiainana
124. todisoa2 ( 02/08/2007 08:42)
niryna:

Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra ,raha mamaky,mijery,mianatra ary mamerimberina ny teniny.Ny tenin'Atra no mampiseho antsika ny zavatra tsy mety ataontsika ary ny fampiasana azy sy ny fianarana azy dia manampy antsika ny hanao ny marina,hiala amin'ny tsy mety.
Indraindray ny olona dia miresaka,miresaka ny tenin'Atra kanefa tsy mampiasa izany ary Jesosy efa nanao fanoharana fa aza miantsaravela-tsihy toy ny fariseo.Izay hafa ny teneniny kanefa lalan-kafa no hizorany.

Ity misy tantara kely iray:Mijery ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy fa tsy mahita.
Rehefa nijoro teo amin'ny fitaratra iho dia gaga fa tsy nahita ny tenako.Namaky soratra izahay nahatonga ahy ahita ny momba ahy aho ka tsy tiako ilay izy.Nitanondrika aho,tsy niteny no tsy nivavaka akory.Nibitsika ahy mangina Atra"tokony hivavaka io olona eo amin'ny fitaratra io ianao."toy izy mivavaka ny hafa.Fantatro ny tiany no tenenina satria nisy namako iray izay naniry ny mba hivavaka olona toy ny ataoko."tokony hiresaka teny fampaherezana @ io olona io ianao ,hoy Izy izay toy ny firesahany amin'ny hafa.".Toa tsapako ny tanany nihazona ny soroko ary niteny indray hoe"tokony ho tia an'io olona io ianao,tahaka ny itiavako azy".Nijery niatrika aho ary nijery ny tenako teo amin'ilay fitaratra.



Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra. Lalina izany. Ny fitaratra no hany fomba ahafahantsika mijery manoloana ny tenantsika, @ lafiny rehetra. Eo no ahitantsika ny mety sy ny tsy mety @ntsika. Toy izany ny Teniny. Ao no ahitana ny lalàna sy ny Filazantsara. Ny lalàna dia tsy misy ataony afa-tsy ny maneho an-karihary ny maha-mpanota antsika. Ny filazantsara kosa no manambara ireo fahasoavana azontsika maimaim-poana. Fitaratra izany ny Tenin'Atra noho izy maneho ny maha-mpanota antsika an-danininy, sy ny maha-marina antsika (isaina ho marina) an-kilany.
125. ikaretsaka ( 02/08/2007 16:40)
niryna:

Miala tsiny aho miala fondro fa misy vaovao lazaiko ity
Efa naheno foana isika ary efa voasoratra ao anaty baiboly fa tokony hanambady ny olona,tsy misy fanankanana ny tsy hanambady.
Vakio ny baiboly I Timoty 4:1-4 Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihiemotra amin'ny finoana ny sasany,manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia amin'ny fihatsarambelantsin'ny mpilaza lainga ,ka voapetaky ny vy mahay may ny vavanyizay mandrara tsy hanam-bady;ary mampifady hanina ,izay nataon'Atra ho an'izay mino sady mahalala ny marina,mba ho raisiny amin'ny fisaorana.Fa ny zavatra rehetra nataon'Atra rehetra dia tsara avokoa,ka tsy misy tokony hovalivna ,raha raisina amin'ny fisaorana ( I Tim 4:1-4)


Tsy voarara ny manambady fa ireo izay manao asan'ny tompo kosa dia namporisihina tsy

dia miala tsiny aho miala fondro fa voalaza ao anaty baiboly koa ny hoe:
(1 kor 7:8)
Fa hoy izaho amin'ny tsy manam-bady sy ny mpitondratena kosa: Tsara aminy raha mitoetra tahaka ahy izy.


1 Kor 7:28-29
Nefa na dia hanam-bady aza hianao, dia tsy manota tsy akory; ary na dia hanam-bady aza ny virijina, dia tsy manota izy. Kanefa kosa hanam-pahoriana amin'ny nofo ireny. Fa izaho miantra anareo.
Fa izao no lazaiko, ry rahalahy: Efa fohy ny andro, mba ho toy ny tsy manambady ny manana amin'izao sisa izao;


I kor 7:32-33
Fa tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady dia miahy ny an'ny Tompo mba hahafaly ny Tompo.
Fa izay manam-bady kosa miahy ny an'izao fiainana izao mba hahafaly ny vadiny.
(Ny tompo sa ny vady?)

Samy avy ao amin'ny taratasin'i paoly ireo! fa tsy hita be ihany!
aoka ny conscience sy ny fanazavan'ny Fanahy masina no mitondra azy
126. mbaliana ( 02/08/2007 18:28)
hozy Niryna
mbaliana a,araho ny ao anaty baiboly,mbola manana fotoana ianao hiderana sy hianaranao azy tsara,tsy manome tsiny anao anie aho e,toy ireny fianakaviana maro tsy mahalala ireny e,raha te ahita izany fitiavan\'i Jesosy antsika izany ianao,mianara miantso ny anarany fotsiny irery,,mianara manantona Azy tsy manisy mpanelanelana.



iza no milaza aminao fa tsy miantso azy aho...

iza koa no milaza aminao fa TSY MBOLA NAHITA NY FITIAVAN\'I JESOA aho?
sa ianao te hilaza amiko hoe Za no efa Voavonjy fa ianao tsy mbola.. za tsy mpanota intsony fa ianao dia mpanota be...

samy mbola miaina eto antany isika.... Samy mbola olombelona mila ny fitiavan\'Atra...samy manana ny fiainana efa nodiaviny ary amy mbola handia fiainana amin\'ny ho avy ... samy mbola hangataka ny fitahiany koa...samy manana ny lalany fa tsy TOKONY HITSIKERA NY AN\'NY SASANY... MBA VAKIO ZAY NOSORATAKO FA AZA NY ERITRERITRAO NO HAVOAKANAO HITSARANAO AHY...

Raha izaho mbaliana no no miresaka aminao dia ny experience-ko no lazaiko anareo rehetra eto...ka aza tsaraina na generaliser-na amin\'ny olonkafa...na ny an\'ny olonkafa generaliser-na dia tafiditra ao koa ny AHY .. samy manana ny fomba niainany nahitany ny FITIAVAN\'ATRA .. TSY VOATERY NY LALANA NODIAVINAO IRERY NO MARINA fa lalana samy hafa no nitondrany ny fiainatsika tsirairay avy...nahita fahasoavana tany aminy aho niarahako nangatahina tamin\'ny Masina Maria...DIA TOHIZAKO ZANY FA I MASINA MARIA AKORY TSY NOFORONIKO ...FA MANARAKA NY TOROHEVINY AHO...ZAY HITAKO FA TSY MIVOANA AMIN\'NY FAMPIANARANA SY OHATRA NOMEN\'I JESOA...










127. mbaliana ( 02/08/2007 18:40)
ZANY AKORY TSY MIDIKA FA I MASINA MARIA NO AMBONY NOHO I JESOA....matoa i Masina Maria nisy dia noho izy Atra Tompo Ray Zanaka Fanahy.... raha mivoana any aminy hafa ny fiarahana amin'i Masina Maria... tsy masina intsony izy... ARY TSY OLOMBELONA MIHINANA VOLONY AMAN-KODINY AKORY AHO KA TSY HAHALALA NY NY TENA SAFIDIKO DIA I JESOA ZANY...
128. simplex ( 02/08/2007 19:44)

mbaliana,
amen lesy e ^:^^:^
129. niryna ( 03/08/2007 06:25)
mbaliana:

hozy niryna
Raha tsy mino ny Maria izany ny olona iray dia tsy ho tonga any an-danitra?
: iza no niteny an'io teto? mba noforoninao kosa angamba io....
ohatry ny manaja ny Reninao ihany io... ataovy hoe nisy olona tena tia anao tinao mba namela hafatra na anatra ho anao... hitanao fa tena marina ny nolazainy .. tsy ho tadidinao foana ve? ampiasainao koa aza amin'ny fotona mahamety azy...


mbaliana ny hanampy ny namana no tiako atao eto,raha tsy mino moa tsy maninona.Asa tanan'olombelona daholo anie ireny sarivongana ireny e! Tsy miteny,tsy mamaly vavaka,tsy afaka hitondra ny hafatritsika ho any amin'Atra koa nahoana no manaiky ho rebireben'ny olona izao zavatra rehetra izao. Mbola tsy tara ary efa notoriana ny fahamarinana isika,vakio ny baiboly,jereo daholo ny tenenin'ny hafa.Anao ny safidy,tsy misy afaka ny hanery fa mitory fotsiny ihany no andraikitra.Tsy misy vola hiditra aty am-paosiny ny mpilaza ihany koa ,fa rehefa andraikitra ho antsika tsirairay ilay izy dia samy maka ny tandrifiny avy isika ary samy mizara ihany koa .Raha marina moa ny filazana dia izay mandray azy no mahazo tombotsoa,raha eritreretina fa diso moa ilay izy dia tsy maty antoka mihitsy ny mpilaza fa efa nafafy aloha izay ny voa.Atra irery no afaka manova antsika,isika moa nomena fahalalahana ary matoa isika mbola mandray anjara eto dia samy mbola mitady ny marina.Mangataha aminy,manandrama miresaka mivantana amin'i Jesosy,afaka manao experience ianao raha mbola tsy nanandrana satria Atra velona tokoa Izy.

130. niryna ( 03/08/2007 06:35)
mbaliana:

fa noraisiko le teldia izy lasa ... tohiny kely hihihi

niryna> asa na henonao koa hoe rehefa misy maintso hoe
Saint..... (inona ny tohiny?) mivavaha ho anay


Dia mbola mivavaka amin'ny olona maty tsy mamaly intsony indray izany ,vao maika mitombo ny olana:roll:
Vakio ny Mpitoriteny 9:5-6 Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona,ary tsy manana valim-pitia intsony izy,fa adino ny fahatsiarovana azy.
131. niryna ( 03/08/2007 06:44)
ikaretsaka:


Jesus christ is the mediator between us and god...

and who is the best mediator between us and Jesus? hmm?:wink:

Nobody,tsy misy na iray aza,fa aza fahanana lalitra ny olona fa mijaly,samy tiana ho voavonjy daholo ny namana.
Aza ahodikodina ny resaka fivavahana fa izay no nahatonga ny fisarahana satria nanitatra zavatra hafa ny fiangonana dia norebirebena hoe raha tsy mivavaka sy mandoha vola dia tsy ho voavonjy ny havanareo izay maty.:roll:


niryna:
I am the the way,the truth, and the lifeIzaho no lalana sy fahamarinana ary ny fiainana .Koa raha Izy no lalana nahoana no mbola mitady mpanelanelana ihany isika?

:roll: Inona izany no antony nonomezan'ATra ny Zanany ?Tsy hamonjy ny rehetra?
Miditra daholo ny reniny ,ny bebeny(Ann,maman'i Marie:roll:,sarivongana natao tanana dia amidy fa hoe mamaly vavaka io :roll:Aza amidy saka be loha intsony ny olona fa mampalahelo.

132. ikaretsaka ( 03/08/2007 07:33)
Dia mbola mivavaka amin\'ny olona maty tsy mamaly intsony indray izany ,vao maika mitombo ny olan
atsy mivavaka hoa fa miaraka mivavaka, sy mangataka amin\'ny alalany
Jereo boky faharoan\'ny Mpanjaka 13:21
Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin\'ny Moabita nananika ny tany amin\'ny fitsingerenan\'ny taona.
Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan\'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin\'ny taolan\'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin\'ny tongony.


Apokalipsa 8,3-4
Ary nisy anjely anankiray koa tonga ka nitsangana teo ambonin\' ny alitara ary nitondra lovia volamena fandoroana ditin-kazo manitra; ary nomena ditin-kazo manitra betsaka izy, hanaterany azy mbamin\'ny vavaky ny Saints rehetra eo ambonin\'ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra, izay eo anoloan\'ny seza fiandrianana.
Ary ny fofon\'ny ditin-kazo manitra mbamin\'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan\'ny anjely ho eo anatrehan\'Andriamanitra.

niryna momban\'ny fisian\'ny mpanelanelana:
Nobody,tsy misy na iray aza,fa aza fahanana lalitra ny olona fa mijaly,samy tiana ho voavonjy daholo ny namana
.
Nobody?Says who?
The bible ve ? Tsia ry Mpisandoka!8O:!:

:arrow:Nila \"intermediaires\" foana Andriamanitra, ary nila intermediaire foana koa isika

valio ary ireto fanontaniana ireto:

1) iza no nindramin\'andriamanitra nanoratra ny tantaran\'i jesoa ho vakianao?

2)iza no nanazava anao ny tantaran\'Andriamanitra sy ny baiboly?

3)Amin\'ny fomba ahoana no nidinan\'ny Fanahy masina tao aminao? tsy t@ nanoroana\'i Pasitera anao ve?

Porofo
Nila olona foana Andriamanitra ka, Nila an\'i Abrahama izy hanehoany ohatra ny finoana amin\'olombelona , nila ny mpaninany izy hampitany ny hafatra ho an\'ny vahoaka, nila niova ho olona izy rehefa tena tsisy hevitra intsony , nila olona izy hiteny @ ilay hiteraka an-janany, nila olona izy hiteraka an-janany nila olona izy namono azy, nila ..olona izy nanoro anao ny momba azy ... (tohiziko ihany??:wink:)
Intermediaire daholo izany tompoko o

3) iza no tena mamahana lalitra amin\'izany? Ry Mpiatsaravelatsihy! mpivavava-poana!8)

Tiako mba valian\'i niryna ireo fanontaniako ireo ary raha manohitra dia iangaviako azy mba ho avy miaraka @ porofo
133. ari.malala ( 03/08/2007 07:49)
Hoy i ikaretsaka:

Voalaza teo :

Jesus christ is the mediator between us and god...


and who is the best mediator between us and Jesus? hmm?


Nobody,tsy misy na iray aza,fa aza fahanana lalitra ny olona fa mijaly,samy tiana ho voavonjy daholo ny namana.
Aza ahodikodina ny resaka fivavahana fa izay no nahatonga ny fisarahana satria nanitatra zavatra hafa ny fiangonana dia norebirebena hoe raha tsy mivavaka sy mandoha vola dia tsy ho voavonjy ny havanareo izay maty.


Dia inona kay ny atoan'i niryna eto? tsy manelanelana ny olona @ ATra v enao zao? enoa mitory sns, nefa d hoe JEsoa irery no lalnaa mankany am Ray... ts mila anoa anie zany ra i JEsoa IRERYa o lalana e!!! ary refa miteny ianao fa hivavaka hoan'olona iray d ts manelanelana koa v enao fa tonga d le ol mivantana no miresaka @ ATra? sa enao miteny hoe ndana tonga d Atra mivantana tenenina sa hoe ndana JEsoa mivantana tenenina fa izy no lalana mankany @ Ray??? fa manin refa izahay Katolika no mangataka @ olomasina hivavaka hoanay d ts mety ny intermediaire? ary hono hoa ry niryna, ts finoan'ny gasy v kay ny hoe mitahy ny razana??? sa nareo efa ts mino anzany tsony??? d zay hoa, averiko iany ny fanontaniako ts nasinao valiny hoe manin refa miteny enao hoe hivavaka hoan'olona iray, hitondra am-bavaka olona iray ts manin, fa manin refa ny Renin'Andriamanitra na ireo olomasina sy olon-tsambatra no angatahina hivavaka d ts mety, fa raha ny samy mbola mpanota aza milaza fa mifampivavaka mino fa handaitra iny vavaka iny d manin ny olona masina sy efa any anilan'ny Tompo no tsy mety??? mba valio azafady!!!
134. ikaretsaka ( 03/08/2007 08:03)
za mo dia zendana ko! inona no ataony eto raha izany? raha aminy tsy mila elanelanina ny olona :roll:
mampiasa fitaovana fanelanelanana sy fampitana hafatra izy ..
no mampiasa ny tenany ko... mivavaka ho an'olona 1 izy, mbola mijoro ho mpanelanelana an'io olona io
mijor ho vavolombelona izy.. mbola manao panelanelana koa hampiseho ilay fitiavan'Atra ho an'ny olona amin'ny alalan'ny fanomezana example ny tenany
mpanelanelana double be anie izany e!
135. tywa68 ( 03/08/2007 09:03)
Niryna be doika :D satria mihevitra manana ny marina. Aza mirehareha sy mitsara ny olona tsy mitovy fanao aminao ianao, satria isika rehetra dia mbola samy ho tsaraina.

Mba novakianao tsara ve ny valinteny nataon’i Mbaliana sy Ikaretsaka momban’ny katolika ?

Matoa nefa ianao nametraka sujet atsy ambadika dia midika fa tsy ahoanao ny valiny entinay eto, satria ny famerenanao foana ny anao, dia midika fa te-hampisisika ny raisonnement-nao aty @ hafa ianao (na dia diso aza ny eritreritrao momban’ny katolika).

Tsy olana amiko satria efa nanao safidy aho, ary manantena famindram-pò sy fiainam-bao avy any Aminy, na dia heverinao fa be mpanelanelana aza entre-nay. Avelao Izy Tompo no hitsara fa misaotra anao @ resaka atao eto ; satria maika maha-lalimpaka ny finoako :-*
136. ikaretsaka ( 03/08/2007 14:59)
mivavaha ho azy!
137. mbaliana ( 03/08/2007 15:12)
niryna>
IANAO ITY TENA TSY MAHAY MAMAKY SY MANDRAY NY HEVITRY ZAY VOASORATRA MIHITSY KOA ... MPAMORONA ...
NEFA ZAO ATAONAO ZAO DIA TSY MITORY NY TENIN'ATRA FA MANOMPA NY OLONA ... MPANDAINGAMBA AHAFAHANAO MITSIKERA NY SASANY......

TSY MBA MISAINA ALOHA FA MANDRAY ANTENDRONY

REHEFA HITORY TENY DIA VAKIO TSARA FA MPANDIKA VILANA IANAO
138. tywa68 ( 03/08/2007 15:25)
aza tezitra mbaliana a :-*
139. ikaretsaka ( 03/08/2007 15:41)
mbaliana> kalma kalma .... efa tafita any aminy ny hafatra.. sao ndry koa no harary hisondro-po(...) eo!
fa ny tokony ataonao dia na mivavaka ho azy mba hampahiratra ny masony hijery izay tenenin'ny olona rehetra azy.
Raha tsapanao fa impossible izany , dia azonao koa ny mitondra na manoro azy azy ho any @ dokotera sao misy zavatra ny masony, na misy taintsofina ny sofiny na misy zavatra mi bloky ny fony sy ny lohany ka tsy afaka mandray ilay teneniny'ny namana marobe azy!

za mba misy taintsofina sy be loha, ary marary maso ihany, fa mba tonga saina rehefa tenenin'ny olona maro
140. mbaliana ( 03/08/2007 21:17)
ika sy tywa68> misaotra ry zalah...:-*:-*:-* noheveriko fa olona afaka iresahana kanjo ... :-D:-D:-D:-D
efa tony ny foko ka....:^):^)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0905