Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?

61. mbaliana ( 30/07/2007 10:04)
ari.malala> mitovy hevitra isika roa :-*
62. mbaliana ( 30/07/2007 10:05)
Ny tena mampalahelo dia lasa 2 eme class indray Jesosy amin'ny sasany fa lasa ireo masina be dia be ireo no mibahana.


ianao ohatry ny mitsara olona nefa tena tsy misy azonao ny tian'le olona hambara....Ny olo-masina dia ohatry ny namanao angatahinao fanampiana... fa tsy nisolo an'i JC...


Ianareo anie manda ny tenin'Atra mafy mihitsy e,tsy ny olona milaza ny zava-misy sy lany fotoana mba ahazahoanareo famonjena any amin'ny Tompo mihitsy no ho maty antoka fa Izay rehetra tsy mety mandray Azy


Fa iza aloha le mandà le tsy mety mandray an'i Tompoe... ny Olomasina anie noho ny finoany an'i JC no naha-masina azy....dia mba alaiko namana izy ireo angalako ohatra amin'ny fitondratenako.. fa tsy mivavaka aminy akory za


Afaka manao fahagagana daholo ny olona rehetra ,ny faniriana fotsiny satria tsy misy faotin'iza na iza anie io e,ny fampianarana no nahatonga ny sasany hivoana ary dia tsy mety manaiky fa mivavaka mamerimberina ny anarany.
Izao fotsiny ary andramo ,maninona na inona no mahazo anao raha ohatra ianao tsy miantso ny anaran'i Mary raha mivavaka?


tsy nisy niteny hoe raha tsy miantso an'i Mary ianao dia mahazo an'izao sy zao....safidy io hoe tiako hiaraka hivavaka amiko i Maria na tsia... fa za mino fa tsy mbola nandà i JC hatramin'izao raha nisy olona niaraka nangataka tamin'ny masina Maria zay mety hahasoa azy

Possible hoe nahavita fahagagana isika amin'ny fiovankevitra, ny toetra andavanandro noho ny fanampiantsika ny hafa.. fa ny fahagagana natao eto dia ilay fahagagana tsy mbola nisy nahavita mihitsy... nande ny nalemy, sitrana ny marary ecc... sa efa nahavita an'izay ianao?

[
quote=mbaliana]
(mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin'ny andro ahafatesanay
Iza no hivavaka ho antsika eto?
Misaotra


ianao tokoa mantsy tsy mahay ny Raozery ...fa iza moa no iadivantsika hevitra eto zao? tsy i maria renin'Atra ve? Maria no angatahina hivavaka ho an'ireo izay mangataka aminy...

miala tsiny fa tsy mahay teny anglisy za... ka tsy misy azoko ny tianao tenenina teo amin'io lava be io...
Mino ahy fa matoa nametraka hevitra ho dinihina eto ianao dia tsy hitsara ny hevitry ny sasany na hanambany ny hrvitry ny hafa ka hanasoasoa ny anao... ary fizarana zay experience kely zay mba ananany ny eto... rehefa tsy mino ianao dia tsy mino ...tsy hitorabato anao zahay rehefa tsy convaincue ianao
ny ahy ny fiainako hatrizay no angalako lesona hitondrako ny fiainako.. tsy mbola namadika anefa zany fombako zany ary nahatsapa fa mbola mitohy ihay ny fitahin'Atra ahy...
63. boraingy ( 30/07/2007 10:13)
Tohiny kely ho an'i ari-malala sy mbaliana

Araka ny loha-hevitra moa dia fitaratra ny Tenin'Andriamanitra. Tenin'Andriamanitra ve ny raozery? Sary toy inona no heverinao hangatahinao vavaka io? Ilay Vazaha fotsy misarom-boaly ametrahanao voninkazo io ve? Mbola velona ve izy io hatramin'izao?

Eo amin'ny tena izy. Fotsy sa mainty Jesoa sy ny Reniny? inona no endrika hita sary ao an-tsaina raha mangataka amin-dreniny?

Aza hafangaro ny fangatahana amin'ny velona sy ny fangatahana amin'izay efa lasa nodimandry.
64. tywa68 ( 30/07/2007 10:21)
boraingy : aza miteny ho an'ny gasy ianao fa rehefa tsy te-hanao d avelao zay te-hanao izany hanohy, ilainy sy nahasoa azy io raozery io. Hainao ve aloha ny atao hoe raozery ? mijereva site katolika dia feno fanazavàna ao. Izany resaka fotsy sy mainty izany tsy mitombina @ resaka finoana, ary izay mihitsy no maha-olombelona antsika, mila miala @izany. Avereno vakiana tsara aloha vao mamaly :wink:
65. mbaliana ( 30/07/2007 10:35)
hozy boraingy
Amiko ho an'ny Gasy tsy ilaina ny raozery. Fivavahana noforonin'ny vazaha io.


Raha zay no tianao ho anao aza fefena ny hafa tsy hanana ny tiany...fa anga moa tsy vazaha koa no nitondra ny finoana kristiana tany Magadasikara... ny finoan'ny gasy dia Zanahary fa tsy nisy Jesoa kristy.

hozy niryna
Ianareo anie manda ny tenin'Atra mafy mihitsy e,tsy ny olona milaza ny zava-misy sy lany fotoana mba ahazahoanareo famonjena any amin'ny Tompo mihitsy no ho maty antoka fa Izay rehetra tsy mety mandray Azy.


niryna> iza le mandà ny tenin'ATRA?
fizarana experience angamba no tokony hatao eto fa tsy fitsarana... nanazava ny fomba fifandraisanay amin'ireo olona nahita fahasoavana tamin'ATra zahay...raha ohatra ianao ka tsy mahazohazo ny fombanay dia aza mitsara...

Afaka manao fahagagana daholo ny olona rehetra ,ny faniriana fotsiny satria tsy misy faotin'iza na iza anie io e,ny fampianarana no nahatonga ny sasany hivoana ary dia tsy mety manaiky fa mivavaka mamerimberina ny anarany.


fahagagana daholo na isika mbola afaka mifanakalo hevitra eto aza...nahavita fahagagana ny olona fa nanao ny internet afahana miresaka... fahagagana azo ianarana anefa zany , ao averina.... fa ny fahagagana tiako lazaina dia ireo fahagagana nanagatahina fanampiana vavaka tamin'ny OLomasina kanefa tsy hay ianarana na averina ..
sa i Niryna efa nahavita?

tamin'Ny alahady teo, ny lesona azoko tamin'ny baiboly dia hoe:raha misy misy olona mandondona ao amin'ny olona 1 amin'ny alina kanefa mandà ny tys hanome sy tsy hitsangana hamha azy ny tompontrano... raha mi-insiste le mpandondona dia hitsangana ihany ny tompontrano hanome zay tediaviny... imaginer-o hoe olona maromaro no hi insiste hangataka amin'Atra tsy ho voavaly aingana ve ny fangatahana'izy ireo?

za aloha tsy mahay teny anglisy sady tsy dia mivaky loha amin'ny filosofian'ny hafa... raha mifanaraka amin'ny experience niainako dia mizara hevitra aminy aho fa alohan'izany rehetra zany dia izay efa niainako nahitako vokatsoa no mbola tohizako...


boraingy>inona aloha le loza nihatra tamin'ny katolika zany fa tsy azoko e?
66. boraingy ( 30/07/2007 11:57)
Nisy lozam-piara-kodia nahafaty olona tao Madagasikara. Anjaranao no mitady azy satria ianao ao anatin'ny Katolika hoy ianao.

Ny hafatra noresahako dia ialana tsiny raha mandona fo anareo. Fa ny tena vontoatiny dia manomboka eto ny tsy fijerena loko fa ny fitazanana ny hafatr'i Jesoa Zanaka. "Ny ondriko hoy Izy mahalala ny feoko".

Tsy omena tsiny na iza na iza voataiza tamin'ny foto-pivavahana samy manana ny endrika ivelany. Ny tiana ampahafantarina dia io endrika ivelany io no fiasan'i Satana tsy ahitan'ny Kristiana ny Lohan'ny Fiangonana dia i Jesoa izany. Ankehitriny i Jesoa araka ny adi-hevitra rehetra izay mitranga ankehitriny no manao ny sedra farany hoe "Mahalala ny Feoko ve ny ondriko?". Betsaka ny anjely nazera ankehitriny handrodana ny fiangonana isanisany. Izany no mahatonga ny Aramagedona.



Mila manaraka ny antsika Malagasy isika eo amin'ny Fitiavana Voalohany izay tena nambabo ny rehetra raha vao tonga ny Katolika vazaha teto. Ireo hira lazaiko ireo dia tena Fitiavana Voalohany.

Fitiavan-tena ihany ny manao hoe nahasoa ahy dia arahiko. Fitiavana ny Malagasy no nilazako ny hafatra ho azy.

Jereo daholo ny zava-miafina raiketin'ny Apokalypsy. Ireo fanomezana omen'i Jesoa ny Fiangonana. Identifieo sy sedrao ianao. Ny tenanao hoy aho fa tsy miankina amin'ny Fiangonana. Tsy milaza aminao aho hoe midira atsy na aroa fa mila mifampahery ny mpiara-mivavaka ankehitriny isam-piangonana hitana ny Satro-boninahiny.

Teny efa voadinika daholo ireo omeko ireo amin'izao taonjato iainantsika izao indrindra ho an'ny Malagasy. Ianareo no tapaka sy namana aloha satria ireo vazaha nitondra ny fivavahana dia fitaovana fotsiny ihany. Anjarantsika ny mamantatra ny Mazava raiketiny.

Samy hotahian'Andriamanitra daholo. Ireo singantsingany izay mahalala ny Feon'ny Tompony tsy misy mpanelanelana ankehitriny no hosedraina ka mba mailo fa potika eo daholo anie e! Miala tsiny amin'ny fitenenana!

Ifonana raha manafintohina satria i Jesoa raha novonoina dia hoy izy "Raiko o! avelao ny helony fatsy fantany izay ataony!".

Ankehitriny Izy miteny aminao izay malalany izay viravirain'i Satana mba hosedraina.

Hafartra fanampiny tonga ao antsaiko. Hira: Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny Marina, tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo.

Aza miandry fahagagana fa jereo ireo hira Malagasy ireo (indice ny fitiavana voalohany ho an'ny Malagasy Katolika).

Miady hevitra momba ny Fanahy isika ka mivoaka eto daholo ny hevitry ny Fanahy.

Miambena
67. ikaretsaka ( 30/07/2007 12:47)
Ny akamaroan'iio lazain'i niryna io dia tsy fahalalana be nefa fitia kritika be fotsiny

The rosary is a damnable heresy, nowhere taught in the Word of God. I am saddened that so many people have fallen hook, line, and sinker for the damnable teachings of the Roman Catholic religion. I say "damnable teachings" because they are NOT based upon the Bible, but rather upon traditions and superstitious fairytales (like Fatima). The following GREEN paragraph is from Jereo eto titled "The Fifteen Promises of the Rosary." I am going to refute these lies with the Bible, my responses will be in bold white type.

diso sady tsy hainy! ny zavatra rehetra lazaina rehefa manao rosary ... (fantaro ka zahao) dia based ao anaty Baiboly daholo. jereo aloha hoe inona no voalaza ao anaty raozery sy hoe iza no tena dinihina ...

manomboka amin'ny misitery 20 samihafa... ka hatr@ arahaba ry maria, rainay any an-danitra, fiekem-pinoana

1. To all those who shall pray my Rosary devoutly, I promise my special protection and great graces.

inona ny antony.?

1)ny Raozery dia fandinihina ny tantaram-pamonjena hatr@ niforonan'ny Tompo tao an-kibon'i Maria.. ny nahaterahan'ny tompo ka hatramin'ny nijaliany ka hatramin'ny nitsanganany ka hatramin'ny niakarany any an-danitra, nipetrahany eo ankavanan'ny Ray, Ka hatramin'ny fitahiany ny fiainantsika isan'andro... izay voalaza ao anaty baiboly 1 manontolo no jerena amin'izay fa tsy izay tiana fotsiny

2) rehefa manao ny Raozery am-po tokoa dia izany rehetra izany rehetra no dinihina.. ny ota, ny nataon'i jesoa. dia miaraka amin'ny fandinihin-tena lehibe sy vavaka tena lalina, sady ampian'i Masina Maria miara manao izany..

3) vokany, lasa focused amin'izay ny olona, afaka mandinin-tena sy mivavaka..
4) vokany faharoa.. rehefa lalina be ilay vavaka, tsy rehefa mivavaka sy mandinin-tena va no mahazo grace sy protection?

"But when ye pray, use not vain repetitions, as the heathen do..." -Matthew 6:7

rehefa manao Rainay izay any andanitra ange ianao manao vavaka a repetition ange e e!
Rehefa mamaky baiboly izany ianao dia zavatera a repetition no vakianao ao e, satria ilay andalana efa mandeha foana...
dia maninona anefa ianao no manao foana?

Tsy aleoko lavitra manao vavaka par coeur sady ataoko devoutly toy izay vavaka lazaina am-bava dia tsy tadidy avy akory rehefa avy eo?
ilaina ny persistence hoe omeeo omeo.. ao @ Lioka io (ilay mpinamana nangataka mofo ny anankiray dia nandondona foana hoe omeo mofo aho, nahazo t@ farany_..

Jereo koa ny salamo 136 ohatra fa miverina foana ny teny hoe "ny fitiavany sy ny faharetany dia maharitra mandrakizay" (in 26 raha kamo hanisa ianao)
dia maninona ireny no a repetition dia tsy condammnena?

Ika .aiza izany fanazavana izany fa tsy hitako ato amin'ny baiboly,mila manana raozery daholo izany vao afaka mivavaka sy ho vonjena?
Hoy ianao mantsy hoe manampy antsika amin'ny tantaram-pamonjena
Misaotra

Jereo ny zavatra rehetra atao amin'ny Raozery fa voalaza ao anaty baiboly daholo de A a Z!
Manomboka @ vavaka nampianarin'ny tompo "Rainay any an-danitra" (lioka sy Matio), ny "fiekem-pinoana" (ny voalaza ao anaty baiboly) ny "fiarahaban'ny anjely" (lioka toko voalohany), ny Voninahitra anie ho an'ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina...tahaka ny t@ nihatombohana, ankehitriny, ary ho mandrakizay, tsy mananam-piafarana"

dia mila manana baiboly daholo koa be ny olona vao hovonjena? hmmm

le concept mihitsy no tsy azon'i niryna .. araka ny nolazain'i piste hoe:
manampy antsika @ tantaram-pamonjena yny fandinihana ireo misitery (vakio tsara ny nolazaiko:
-Ny worship sy ny devotion sy ny veneration afangaronao
-ny trust sy ny believing ampifangaroanao


hoe Fa impiry lazaina moa i niryna ny @ faha samihafan'ny mi worship sy ny mi venenrate? ary ny fangataham-vavaka @ maria dia misy resaka Jesoa foana

68. ikaretsaka ( 30/07/2007 13:10)
boraingy:

Nisy lozam-piara-kodia nahafaty olona tao Madagasikara. Anjaranao no mitady azy satria ianao ao anatin'ny Katolika hoy ianao.


Efa nisy lozam-piarakodia nahafaty olona koa fiara iray niverina avy tany Ankaramalaza indray andro izay.. anjaranao no mitady azy!
ary Raha ampitoviana @ fahasoavana azo avy any ireny?

boraingy:
Ny hafatra noresahako dia ialana tsiny raha mandona fo anareo. Fa ny tena vontoatiny dia manomboka eto ny tsy fijerena loko fa ny fitazanana ny hafatr'i Jesoa Zanaka. "Ny ondriko hoy Izy mahalala ny feoko".

Dia Raha hoe Tenenin'ny Maria ve ny ondry hipetraka na manampy Ilay Zanany mpiandry Ondry i Maria, na miteny amin'ny tompon'ondry ny hoe mila izao iry ondry iry dia diso?

Ankehitriny i Jesoa araka ny adi-hevitra rehetra izay mitranga ankehitriny no manao ny sedra farany hoe "Mahalala ny Feoko ve ny ondriko?". Betsaka ny anjely nazera ankehitriny handrodana ny fiangonana isanisany. Izany no mahatonga ny Aramagedona.

mety hoe anjely naka endrika pasitera io an.. ilay mandrodana ilay fiangonana lehibe ...
Raha ampian'ilay Ramatoa amin'ny alalan'ny fisehoany etsy sy eroa ve ny ondry sy ampahalalany ny feony sy ny hoe izoa no nolazain'ny mpiandry ondry anareo... tsy izany ve no tsara
fa tsy ny feon'ilay Rangahy no tatataina sy tsipotsiponina tsy averimberina araka izay itiavana azy eo foana, Tsy manoatra nohon'ny nazi nanao propagandy sy diska loaka ?

Mila manaraka ny antsika Malagasy isika eo amin'ny Fitiavana Voalohany izay tena nambabo ny rehetra raha vao tonga ny Katolika vazaha teto. Ireo hira lazaiko ireo dia tena Fitiavana Voalohany.

tsy azoko ny tian'i boraingy lazaina @ io.. ahoana tsara?

Fitiavan-tena ihany ny manao hoe nahasoa ahy dia arahiko. Fitiavana ny Malagasy no nilazako ny hafatra ho azy.

ary raha hoe tsy izaho ireny no nohasoaviny fa betsaka? hatr@ kristianina voalohany ka hatr@ izao?

Jereo daholo ny zava-miafina raiketin'ny Apokalypsy. Ireo fanomezana omen'i Jesoa ny Fiangonana. Identifieo sy sedrao ianao. Ny tenanao hoy aho fa tsy miankina amin'ny Fiangonana. Tsy milaza aminao aho hoe midira atsy na aroa fa mila mifampahery ny mpiara-mivavaka ankehitriny isam-piangonana hitana ny Satro-boninahiny.

dia hijery ny miafina sy hitabataba momba ny miafina ve ianao raha mahita zavatra mibaribary?

Teny efa voadinika daholo ireo omeko ireo amin'izao taonjato iainantsika izao indrindra ho an'ny Malagasy. Ianareo no tapaka sy namana aloha satria ireo vazaha nitondra ny fivavahana dia fitaovana fotsiny ihany. Anjarantsika ny mamantatra ny Mazava raiketiny.

teny efa voadinika sa teny no interpretena arak'izay foto-kevitra tiana voizina?:wink:

Samy hotahian'Andriamanitra daholo. Ireo singantsingany izay mahalala ny Feon'ny Tompony tsy misy mpanelanelana ankehitriny no hosedraina ka mba mailo fa potika eo daholo anie e! Miala tsiny amin'ny fitenenana!

dia nandritra ny 2000 taona nisy mpanelanelana foana.. dia tsy nosedraina daholo izany ireny olona ireny?

Ifonana raha manafintohina satria i Jesoa raha novonoina dia hoy izy "Raiko o! avelao ny helony fatsy fantany izay ataony!".

dia tsy haiko hoe iza no tian'i jesoa lazaina amin'io @ izao ankehitriny izao!

Hafartra fanampiny tonga ao antsaiko. Hira: Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny Marina, tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo.
Aza miandry fahagagana fa jereo ireo hira Malagasy ireo (indice ny fitiavana voalohany ho an'ny Malagasy Katolika).
O ry tompo tia anay ... aza entina misedra izay tsy zakanay izahay hoy ilay hira izay koa ry Boraingy!

Miady hevitra momba ny Fanahy isika ka mivoaka eto daholo ny hevitry ny Fanahy.

Dia miantso anao izahay ry Tompo fa mitady ny fanahy hanavao ny taninay!


69. ikaretsaka ( 30/07/2007 13:27)
Dia ity koa...
Rehefa omena zavatra tsy hay ka ampiaina ianao dia jerena aloha ny fampiasaina azy vao miteny heo zao io na izao

Nisy tantara izay manko (tsy tadidiko na i piste na i marozevo na i Rasiligaoma na XXX no nilaza azy t@ izay) , dia noraisiko ho fanoharana ilay izy nanaovako toriteny:

Nizara biskleta t@ katesista le any ambanivohitra lavitra be ireny ry mompera t@ izany, dia adino ny nanazava azy fa nalefa fotsiny ...tsy hainy akory ny nampiasa azy
raha omena biskleta ianao dia jerena sy atoro aloha ny fampiasaina azy, fa tsy hay akory dia miteniteny hoe inona koa ity vy sy misy boribory ity

Nizara baiboly tany @ tany tsy mahay mamaky teny akory ny mampiely baiboly, tsy nohazavainy akory fa hoe bokin'andriamanitra fotsiny no nolazainy... tsy nisy nahay mamaky teny tao anefa na 1 aza
Raha omena baiboly ianao dia jerena sy azavaina sy ampianarina mamaky teny ny olona aloha hoe inona no ambaran'ity, fa raha tsy hay akory dia hoe inona koa ity boky ity..bokin'andriamanitra hono e

dia raha omena Sotro ianao raha zatra nihinana t@ tanana dia mijery aloha hoe inona no ampiasaina ity alohan'ny hitenenana hoe inona ity kilavalava ity.

Raha omena ordinatera ianao dia jerena aloha ny fampiasana azy fa tsy hoe inona koa ity tele dia misy masinina a ecrira eto alohanay ity

dia raha omena Saple ianao dia jereo aloha ny fampiasana azy fa tsy hoe
inona koa ity vakana ity.
70. boraingy ( 30/07/2007 14:10)
mbaliana:

boraingy> marina fa ampoka ary tena mazava ny resaka momban\'i Jesoa...
fa izany akory tsy midika fa tsy azo hajaina koa ny Reniny...io Reniny io mihitsy aza no niseho vatana (fisehoana tany Lourdes sy ny hafa mbola tsy voamarina) tamin\'ny olombelona hoe hiaraka mivavaka aminareo aho indrindra eo amin\'ny fotoana sarotra iainanareo (mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin\'ny andro ahafatesanay).. mbola tsy niteny taminao izy fa efa niteny kosa tamin\'ny hafa zay nampisehoany koa fa afaka manampy antsika izy...fanetre-tena, fahamasinana ary fahazavana no fomba nentiny niainany nahazoany fahasoavana dia mba zarainy amintsika...atorony antsika...sady raha misy manampy anao mivavaka...eo ampovoany izy ATra...efa nomen\'Atra ny fahasoavana lehibe izy dia mba alaina tahaka koa ny fomba fiainany...
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy: raha mahita olona nahazo fahasoavana be ianao eo anoloanao...ahona ny fomba ifandraisanao amin\'io olona io? arabainao izy ...rehefa arabainao izy dia hozy hoe mivavaha miaraka amiko fa efa nomena ahy ny fahasoavana ka ho zaraiko aminareo ihany koa...sa hozy ianao hoe za koa hahita lalana ho ahy manokana hahitako ny fahasoavan\'Atra...?


Miala tsiny raha nandingana kely teto fa tsy teo moa.

Ny tao Lourde dia mazava amiko fa ho an\'ny vazaha. Antso ho azy io ary ry zareo no tokony hijery tsara hoe iza no manampy azy.

Resaka Andriamanitra Ray kosa no an\'ny rehetra eran-tany. Mila manomboka eo Aminy isika rehetra raha hivavaka araka ny vavaka nampianarin\'ny Tompo. Tsy misy anampiana, ary tsy misy hanalana. Izany no ilazako hoe tsy mila mpanelanelana aho raha nampianarin\'ny Zanany. Raha fantatro ny Ray amin\'ny alalan\'ny Zanany dia ampy ho ahy izay.

Misy fahitsiam-pisainana eo. Fo resy. Miditra eo amin\'ny tena vontoatin\'ny antso. Antso voalohany nataony.

Tsy nataotao foana akory ny fizarana ny Tenin\'Andriamanitra eran\'izao tontolo izao amin\'ny tenim-pirenena samihafa ho an\'ny olona rehetra. Miantefa amin\'ny tsirairay ny Hafatra. Miteny mivantana amin\'ny Voariny Andriamanitra satria Endriny no namoronany azy. Tokony tsy hitady ohatra intsony isika noho ny Vavolombelona voalohany. Ilay Mpanjakan\'ny Mpanjaka. Tsy misy anampiana, tsy misy analana ny Teniny. Ampy, feno ary ampoka.

Io farany io no fanavaozana.

Raha izaho marivo salosana dia sarotra be amiko hoy aho ny logique Rosary. Mila mianatra zavatra hafa indray ve izany? dia ahoana ireo olona tarihina, i Maria ve no hitany sa ny \"Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?\"

Tsarovy ity Teny ity: \"Hosoratako ao am-pony ny Lalako\". Efa ampy ireo Apostoly nizara ny Teny. Tsy mila hanampiana, tsy mila hanesorana. Tsy mila vavolombelona hafa. Efa antso ankehitriny izany satria efa antomotra ny fetr\'andro.

Tadidio fa roa arivo taona lasa no nanomboka ny fampianarana nataon\'i Kristy ary i Petera sy ny Apostoly no nirahiny ary avy eo Izy Tenany no niseho tamin\'i Paoly. I Maria dia nilazany hoe, Ravehivavy, io ny zanakao. Tsy niteny Izy hoe ry Reniko, io ny zanakao.

Raha toa ka ho eo am-pitsarana isika, Ny Zanaka no Mpitsara. Hanontany anao Izy sa hanontany an-dreniny hoe ry Neny a, inona moa no nataon\'i Ranona? Arovanao va izy?

Tena azonao antoka zato isan-jato ve fa io Reniny io Mihitsy no niseho vatana? Ny zanany izay Mpanjaka angaha tsy niseho vatana? Iza no Mpanjakanao, Iza no miantso anao? ny Rainy sa ny Zanany sa Ny Reniny?

Inona no narotsaky ny Zanany hanazava anao, ny Reniny sa ny Fanahy Masina iraisany amin\'Andriamanitra Rainy izay tsy nofo aman-dra?

Farany, antso io hoy aho. Jereo ny fahafainganan\'ny fotoana, tsy mila ny reniny intsony izao. Avaozy ny Fiangonana fa sao matimaty daholo eo ny anaran\'ny rehetra efa nilofosana roa arivo taona izay no nanombohana nanaovana ny batisany.

Efa betsaka ny vitanao ry Katolika tamin\'ny fanaovana ny Batisa amin\'ny Anaran\'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Efa eo am-pijinjana ny Masaka izao ny Mpanjaka. Ireo vita sedra no hojinjaina. Efa resy ilay mpiampanga ny tsirairay. Efa tsy misy vavolombelona hisolo vava anao intsony. Aza jerena ny lokonao, jereo ny fonao nodondonin\'i Jesoa fa ho azonao ny Loka Lehibe tsy misy mahalala afa-tsy ny tenanao tsirairay avy izay Tempoliny.

Izay manan-tsofina aoka hiaino ny lazain\'ny Fanahy!

Hafatra farany amin\'izao androntsika izao. Ny Malagasy no iantefan\'ny Hafatra ary manaraka ny sisa. Ianao io ankehitriny no jereo fa tsy ny hafa. Aza mierikerika etsy sy eroa mitady hoe ny an\'iza no marina ka mampetipety anao. Tempolin\'Andriamanitra ianao fa tsy vato aman-kazo akory. Tiany hiaraka hanjaka Amin\'ny Zanany ianao io satria zanany ihany koa. Tiany hidera Azy ianao marobe ireo. Izay mangataka amin\'ny Ray amin\'ny Anarako hoy Izy no omeko fa tsy izay mangataka amin-dreniko hanoro Ahy.

Ahirato ny maso fa efa omena anao ny odi-maso.

Sokafy ny Fo ary ampandrosoy Izy.

Efa feno ny valin-teny ary aza manontany sy mitady an\'i boraingy fa arak\'izany anarana izany izy \"he izany izy hoe boraingy!\" Jesoa iresahana fa mamaly Izy.

Amin\'ny Anaran\'i Jesoa Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Amen.
71. ikaretsaka ( 30/07/2007 15:35)
Hoy i mbaliana ...
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy: raha mahita olona nahazo fahasoavana be ianao eo anoloanao...ahona ny fomba ifandraisanao amin'io olona io? arabainao izy ...rehefa arabainao izy dia hozy hoe mivavaha miaraka amiko fa efa nomena ahy ny fahasoavana ka ho zaraiko aminareo ihany koa...sa hozy ianao hoe za koa hahita lalana ho ahy manokana hahitako ny fahasoavan'Atra...?



de

boraingy:
Miala tsiny raha nandingana kely teto fa tsy teo moa.

Ny tao Lourde dia mazava amiko fa ho an'ny vazaha. Antso ho azy io ary ry zareo no tokony hijery tsara hoe iza no manampy azy.

Resaka Andriamanitra Ray kosa no an'ny rehetra eran-tany. Mila manomboka eo Aminy isika rehetra raha hivavaka araka ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Tsy misy anampiana, ary tsy misy hanalana. Izany no ilazako hoe tsy mila mpanelanelana aho raha nampianarin'ny Zanany. Raha fantatro ny Ray amin'ny alalan'ny Zanany dia ampy ho ahy izay.

Ka manomboka eo aminy anie ilay izy e... efa io ilay lazaiko foana hoe maria no arofanina .. fa i jesoa no lalana mankany
fa ity ange tsy mbola nisy namaly hatr@ izao e:
Ekena fa i Jesoa no intermediaire entre antsika sy ny Ray... ary mba iza no intermediaire entre antsika sy i Jesoa?




Tsy nataotao foana akory ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra eran'izao tontolo izao amin'ny tenim-pirenena samihafa ho an'ny olona rehetra. Miantefa amin'ny tsirairay ny Hafatra
.

Ekena.. fa zaraina dia atao inona? jerena eo fotsiny? atao hoe heno izay?
amin'ny Raozery izao ohatra dia meditena be
boraingy ihany:

Miteny mivantana amin'ny Voariny Andriamanitra satria Endriny no namoronany azy. Tokony tsy hitady ohatra intsony isika noho ny Vavolombelona voalohany. Ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka. Tsy misy anampiana, tsy misy analana ny Teniny. Ampy, feno ary ampoka

dia miverina t@ ilay fanontanianatany taloha be izay.. dia voafetra ao amin'ny baiboly ve io fitenenana io, baiboly ve no miteny dia tsy miteny intsony izy ? mivantana foana ve? nefa ao anaty baiboly aza t@ alalan' i Isaia, Moizy sy ireo mpaminany, Apostoly, sns...Andriamanitra no miteny?


Raha izaho marivo salosana dia sarotra be amiko hoy aho ny logique Rosary. Mila mianatra zavatra hafa indray ve izany? dia ahoana ireo olona tarihina, i Maria ve no hitany sa ny "Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?"

Ny Ray sy Zanaka sy ny Zanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'i Maria no hitany ka...
eto koa ianao no manafangaro ilay "devotion" sy "worship" (miala tsiny fa tsy mahalaza azy ny teny gasy fa lazain'ny gasy fa "mivavaka" aby izy 2 ireo nefa samihafa be)

Mitovy tanteraka @ hoe Ray sy Zanaka sy Fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovan'ny Baiboly, ny mivavaka @ Ray sy zanaka sy fanahy masina amin'ny alalan'ny fitsilovana azo @ alalan'ny raozery, @ baiboly aza mety teny vitsivitsy no tsimpontsiponina arakarak'izay inspiraka eo, fa ny raozery dia izy 1 manontolo isaky ny mihetsika sady miampy meditation lalina

Tsarovy ity Teny ity: "Hosoratako ao am-pony ny Lalako". Efa ampy ireo Apostoly nizara ny Teny. Tsy mila hanampiana, tsy mila hanesorana. Tsy mila vavolombelona hafa. Efa antso ankehitriny izany satria efa antomotra ny fetr'andro.

Tadidio fa ireo apostoly tsy nizara ny TENINY ihany , dia nizara ny TENANY koa, ary nandray an'i Maria ho reniny foana izy ireo, ary nila ny intervention sy nanaja an'io reny masina io foana Ary tsy nisy aposoly niteny mihitsy hoe ratsy izany!

Tadidio fa roa arivo taona lasa no nanomboka ny fampianarana nataon'i Kristy ary i Petera sy ny Apostoly no nirahiny ary avy eo Izy Tenany no niseho tamin'i Paoly. I Maria dia nilazany hoe, Ravehivavy, io ny zanakao. Tsy niteny Izy hoe ry Reniko, io ny zanakao.

Niteny T@ joany izy kosa izy hoe Indro ny Reninao ka (Joany 19:26-27) oooops diso ianao!
rehefa tsy niteny izy izany dia vita hatreo? @ izao fotoana izoa izy tsy miteny intsony dia vita hatreo? Izy tsy niteny t@ Piera, nony avy nanda azy i Piera, fa tonga de azon'i Piera ny tiany holazaina... sa nila niteny t@ Piera izy hoe .. "tsy efa niteny an'ialahy aho Ry Piera fa ialahy mafy loha" izay vao nibebaka i Piera?

Raha toa ka ho eo am-pitsarana isika, Ny Zanaka no Mpitsara. Hanontany anao Izy sa hanontany an-dreniny hoe ry Neny a, inona moa no nataon'i Ranona? Arovanao va izy?

Eny, isika no tsaraina.. fa Maria no avocate. . .
Raha miditra fitsarana ianao ka fantatrao fa manana mpiaro, tsy hahatsapa tena ho maivamaivana kokoa ve ny sedra noho ianao ilay miatrika irery?
Raiso ohatra @ fiainana andavan'andro fotsiny fa aza mandeha lavitra, raha tsy takatrao ! Jereo ireo ao Antanimora, betsaka ny na nanana ny marina aza ka tsy nanana avocat dia tany dia tany!

Tena azonao antoka zato isan-jato ve fa io Reniny io Mihitsy no niseho vatana? Ny zanany izay Mpanjaka angaha tsy niseho vatana? Iza no Mpanjakanao, Iza no miantso anao? ny Rainy sa ny Zanany sa Ny Reniny?

Azo antoka satria rehefa ireny fisehoana ireny dia mbola dinihina lalina sy angalana porofo be dia be , misy aza efa aman-jatony taona aty afara mihitsy vao ekena! miseho vatana koa ny zanaka, fa azon'Andriamanitra natao, ary efa nataony ny maniraka olona hafa hampita ny hafany, (arakanjely Gabriely, ny Anjely, ireo mpivahiny tao amin'ny Abrahama nilazat@ Sara fa hiteraka izy...)
nataony sy ataony iznay ary voalaza ao anaty Soratra masina Izany, ary izany no ataony mandrak'izao!
Ahoana no azonao antoka izanytamin'izany fotoana izany fa tsy azonao antoka izao?
Izany ve dia lojika?

Inona no narotsaky ny Zanany hanazava anao, ny Reniny sa ny Fanahy Masina iraisany amin'Andriamanitra Rainy izay tsy nofo aman-dra?


Izy rehetra... ny teniny , ny tenany, ny fanahiny ny olomasina.. ny mpampita hafatra rehetra! hanampy ahy hanaraka ny fahazavany @ fisian'ny tenany ao amiko , ny olomasina manodidina ahy!
Tahakan'ny hoe mandeha @ "Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana aho"
Dia nahazo jiro (ny fanahy masina)
Nahazo lasantsy (Ny vatany sy ny teniny)
Misy poteaux sy signes isan-karazany (Maria sy ny olomasina) manoro ahy ny lalana sy manazava ilay lalana...
tsy zarako aza?
toy izay hitsilopilopy ao anaty maizina ao tsy mahalala ny atsimo sy avaratra, mijery carte (baiboly) nefa tsy hita akory hoe aiza aho izao?
Farany, antso io hoy aho. Jereo ny fahafainganan'ny fotoana, tsy mila ny reniny intsony izao. Avaozy ny Fiangonana fa sao matimaty daholo eo ny anaran'ny rehetra efa nilofosana roa arivo taona izay no nanombohana nanaovana ny batisany.

Izay indrindra ary no vao mainka ilana ny intervention aza amin'izay resaka fanavaozana izay..
Fa ny mahagaga ahy: nety ilay izy 2000 taona, talohan'izaaaaay elaaaabe aza...
dia maninona no izay olonolom-poana tonga taty afara no miteny hoe tsy mety ilay izy? diniho ihany!

Efa betsaka ny vitanao ry Katolika tamin'ny fanaovana ny Batisa amin'ny Anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Efa eo am-pijinjana ny Masaka izao ny Mpanjaka. Ireo vita sedra no hojinjaina. Efa resy ilay mpiampanga ny tsirairay. Efa tsy misy vavolombelona hisolo vava anao intsony. Aza jerena ny lokonao, jereo ny fonao nodondonin'i Jesoa fa ho azonao ny Loka Lehibe tsy misy mahalala afa-tsy ny tenanao tsirairay avy izay Tempoliny.

Dondomin'i jesoa tokoa ny fo...
fa tsy zara aza miara mihoraka be daholo izaho sy ny fiombanan'ny olomnasina rehetra miteny hoe .. ity zaaaaahay

Izay manan-tsofina aoka hiaino ny lazain'ny Fanahy!

ekena... izay no nolazain'ny fanahiko ahy nahatonga ahy ho convaincu tanteraka!


Hafatra farany amin'izao androntsika izao. Ny Malagasy no iantefan'ny Hafatra ary manaraka ny sisa. Ianao io ankehitriny no jereo fa tsy ny hafa. Aza mierikerika etsy sy eroa mitady hoe ny an'iza no marina ka mampetipety anao. Tempolin'Andriamanitra ianao fa tsy vato aman-kazo akory. Tiany hiaraka hanjaka Amin'ny Zanany ianao io satria zanany ihany koa. Tiany hidera Azy ianao marobe ireo. Izay mangataka amin'ny Ray amin'ny Anarako hoy Izy no omeko fa tsy izay mangataka amin-dreniko hanoro Ahy.

ary raha atao hoe miara mangataka amin-drenmiko hanoro ahy?
Raha miteny ianao hoe omeo , dia misy manampy hoe eo moa mba omeo izy!
inona ny olana?

Ahirato ny maso fa efa omena anao ny odi-maso.

ary raha sady efa mahiratra aho no voatantana sy tsilovina hoe aty ny lalana?
tsy vao mainka tsara ve?


Efa feno ny valin-teny ary aza manontany sy mitady an'i boraingy fa arak'izany anarana izany izy "he izany izy hoe boraingy!" Jesoa iresahana fa mamaly Izy.

Dia raha miaraka miresaka sy misy manampy anao hiresaka amin'i jesoa .. tsy vao mainka hamaly lavitra izy?
raha misy 2 na telo.... hoy izy!
ity tafika 1 manontolo, no miaraka mangataka sy miresaka aminy ho an'ilay tsy nahavita na ny efa "nahavita ny fihazakazahany" na ny tsy mbola nahavita!
tsy vao mainka tsara?

Amin'ny Anaran'i Jesoa Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Amen
.
Miampy ny fanazavana rehetra azo avy amin'ny n'ny Fanahy masina sy ny Olomasina rehetra mba hirosoako mamindra mamikavika amin-kafaliana eo @ ilay lalana, sady misy mitarika no misy manazava no misy mpanosika avy ato afara handroso lalindalina kokoa!
izay vao tena Amen!
AMDG
72. boraingy ( 30/07/2007 16:59)
Hoy ianao hoe>

Ekena fa i Jesoa no intermediaire entre antsika sy ny Ray... ary mba iza no intermediaire entre antsika sy i Jesoa?

sao dia novolena io fa tsy sitrapon'Andriamanitra? Sao dia manampy ny brouillard io intermediaire io?

Ny ondriko mahalala ny feoko hoy ny Tompo. Fa tsy hoe mahalala ny feon'ny intermediaire-ko.
73. ikaretsaka ( 30/07/2007 18:33)
mahonena ahy ity ianao, te hiady hevitra moa ka andao:
Paoly izao intermediaire satria t@ taratasy nosoratany no nahalalan\'ny kristianina tany @ ireo tany maro nolazainy tany @ epistily ny \"feon\'ny tompon\'ondry\"
dia ahoana? nefa ianao mamaky ny lazain\'i Paoly sy lazainao hoe \"feon\'ny tompon\'ondry\" e? k\'hony? sa Handa an\'i paoly isika de samy vita?

izao ary
1) mba nahatonga olombelona an\'Andriamanitra dia nifidy intermediaire Andriamanitra: Maria

2) Tsy voatery nanao an\'izany koa anefa izy, afaka tonga dia naka endrika rangahy 30 taona izy dia nataon\'i Joany Batista batemy

3) Tsy izany anefa no niseho fa nisafidy olona izy natao ho \"intermediaire\"! nila olona izy \"niteraka\" an\'i Jesoa, \"nakan\'i Jesoa nofo\" fa tsy \"nahary fotsiny\":

4)Misy antony be dia be ny nahatonga izany fa tsy nataotaon\'Andriamanitra fotsiny:\"Ao raha\", fa ny tsy azo lavina dia \"nila olombelona izy\"

4) I Maria dia Eva vaovao, Raha nanao TSIA an\'Andriamanitra i Eva dia i Maria kosa nanao ENY foana, hatr@ ny niharaban\'ny anjely azy nanaovany ENY ka hatraminy ny fanekeny ny sitrapon\'Andriamanitra nanaovany eny, raha nijery an\'i Jesoa maty teny @ Lakroa, hoe izao no nahazo ity zanako ity! Iz ano tsy ontsa amin\'izany? nefa neken\'i masina Maria koa ilay izy! Mba hahatanteraka ny famonjena antsika! tsy misy finoana sy fanekena ohatran\'izany.

5) Vokatr\'izany dia ilaina i Maria ary mi participer be teo @ tantaram-pamonjena foana! hatr@ izao!
74. cutie ( 30/07/2007 18:40)
izao ary
1) mba nahatonga olombelona an'Andriamanitra dia nifidy intermediaire Andriamanitra: Maria

:roll::roll::roll::roll::roll::roll:
Tsy izany anefa no niseho fa nisafidy olona izy natao ho "intermediaire"! nila olona izy "niteraka" an'i Jesoa, "nakan'i Jesoa nofo" fa tsy "nahary fotsiny

tsy aleo ve tonga de io toy zay Maria :roll:
75. ikaretsaka ( 30/07/2007 18:55)
nefa tsy io no nataon'i Andriamanitra fa nila an'i Maria izy!

Inona ny antony? nisy raha tao! amiko dia hoe nila mediatrice izy fa tsy nisafidy ny amin'izao fotsiny

sa ovaina ny tantara dia hoe: HOy i jehova! misia i Jesosy... booom ....dia iny nisy Rangahy 30 taona niteny an'i Palestinina nitory ny vaovao mahafaly, Jesosy no anarany!
Raha izay no nitranga dia manaiky aho hoe tsy mila intermediaire izany!

na koa hoe iny Andriamanitra fa mamory vahoaka ao Atsahamanitra dia midina avy any dia hoe Izao no lazaiko anareo fa miainoa tsara aby!
fa tsy nila izany baiboly sy bokin'i paoly sy piera sy lotera sy pasitera izany?!
dia izay aho dia nanaiky heo tsy ilaina ny intermediaire
Nila ireny anefa izy izy!
Misy antony izy fa nanao sy nisafidy ireny olona ireny izy ho intermediaire-ny!

IZAY NO INOAKO HOE ILAINA NY INTERMEDIAIRES
76. cutie ( 30/07/2007 19:18)
IZAY NO INOAKO HOE ILAINA NY INTERMEDIAIRES

@ fomba gasy zao de ny razana no intermediaire
Sa tsy zany :roll:
77. ikaretsaka ( 30/07/2007 19:27)
zay mampita hafatra aminao rehetra ka.
78. cutie ( 30/07/2007 19:33)
afaka bdb zany le intermediaires :lol:
79. ikaretsaka ( 30/07/2007 20:08)
Pasitera mopera, baiboly, saple, olomasina, meditations, nenilava, mpiandry, vady aman-janaka, mpiara mivavaka, radio, tele, boky, Internet, fijerena Rahona, orana, nofy, famangiana sy fitsahoana (venerer) ny sakramenta masina,Pelerinage, recollecion, retraite, sns...
izay ampiasainao rehetra manampy anao hanatonana an'Andriamanitra
80. cutie ( 30/07/2007 20:17)
:lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6119