Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?

21. boraingy ( 27/07/2007 15:55)
Tena marina ve izany r'ingahy? (tsy ataoko hoe ise ary). Fanoharana hatrany moa no natao teto ary anisan'izany ny fitaratra sy ny vera, ary eto indray dia mametraka Ikaretsaka ny Conception Renin'Andriamanitra. Tsy mety hovalalanina ihany ve ny mpandinika raha toa ka ny Hazavan'Andriamanitra izay tiany ho taratra ao anatin'ny olombelona aza tsy takany koa mbola ampiana trotraka indray ny concept Raozery ilay izy?

Izaho manokana aloha dia mahita hoe tsy tsotra mihitsy io lalan'ny raozery io e! Tena complique be lilay izy amiko. Marina e! izaho manko badrahodra izay ihany!
22. ikaretsaka ( 27/07/2007 16:19)
tsy conception renin'andriamanitra aloha ilay izy fa conception fijerena an'andriamanitra @ alalan'ny reniny
Tsy mety hovalalanina ihany ve ny mpandinika raha toa ka ny Hazavan'Andriamanitra izay tiany ho taratra ao anatin'ny olombelona aza tsy takany koa mbola ampiana trotraka indray ny concept Raozery ilay izy?


Faly aho fa nentinao any @ ny lojikany:
Izay indrindra: eo indrindra no ilaina ilay Raozery sy ny fanazavan'ilay Reniny hanampy anao hahamora ny fahazoana io Hazavana io:wink:
23. boraingy ( 27/07/2007 16:41)
Mbola tsy niresaka tamiko mihitsy aloha ny Reniny hatramin'izao fa ny Zanany ihany no nampita hevitra tamiko ka izany indrindra no mbola mahavalalanina ahy amin'ny valinteninao.

Efa tena mazava sy ampoka ny resaky ny Zanany ka miala tsiny raha tsy nanontany ny Reniny intsony.:?
24. ikaretsaka ( 27/07/2007 17:11)
misy resaka 2 koa: aza adino
Ny resaka midina sy ny resaka miakatra!
efa hitanao izany izay ny resaka midina
andramo miaraka @ Reniny indray ny resaka miakatra..
tsy mety io raha tsy inoana aloha dia andramana! Ary tsy hita izay maharatsy azy
Afaka manampy anao @ fanandramana an'io aho sy ny namana betsaka ato mpanao an'io raha tianao:wink:
25. mbaliana ( 27/07/2007 17:54)
boraingy> marina fa ampoka ary tena mazava ny resaka momban'i Jesoa...
fa izany akory tsy midika fa tsy azo hajaina koa ny Reniny...io Reniny io mihitsy aza no niseho vatana (fisehoana tany Lourdes sy ny hafa mbola tsy voamarina) tamin'ny olombelona hoe hiaraka mivavaka aminareo aho indrindra eo amin'ny fotoana sarotra iainanareo (mivavaha ho anay mpanota ankehitriny ary amin'ny andro ahafatesanay).. mbola tsy niteny taminao izy fa efa niteny kosa tamin'ny hafa zay nampisehoany koa fa afaka manampy antsika izy...fanetre-tena, fahamasinana ary fahazavana no fomba nentiny niainany nahazoany fahasoavana dia mba zarainy amintsika...atorony antsika...sady raha misy manampy anao mivavaka...eo ampovoany izy ATra...efa nomen'Atra ny fahasoavana lehibe izy dia mba alaina tahaka koa ny fomba fiainany...
Ity mba misy fanontaniana manitikitika ahy: raha mahita olona nahazo fahasoavana be ianao eo anoloanao...ahona ny fomba ifandraisanao amin'io olona io? arabainao izy ...rehefa arabainao izy dia hozy hoe mivavaha miaraka amiko fa efa nomena ahy ny fahasoavana ka ho zaraiko aminareo ihany koa...sa hozy ianao hoe za koa hahita lalana ho ahy manokana hahitako ny fahasoavan'Atra...?
26. fijo ( 27/07/2007 20:31)
za indray milaza hoe enao ihany dia mahita ny tokony hoataonao sy ny tsinety vitanao,fa tsy hoe tsimaintsy mamaky baiboly vao ahita ny tsy tsara.
za izao tsy mino baiboly fa fantako hoe tsy mety ny mamono olona,ratsy ny mangalatra ary tsy dia ilaina loatra ny mandainga.tsy miandry baiboly vao ahafantatra an'izany
27. mbaliana ( 27/07/2007 21:24)
fijo>ndraindray za dia mieritreritra mihitsy hoe ny miara-miaina amin'ny olona tsy mino an'Atra manana an'ireo toetsainao ireo dia milamina kokoa ...satria misy ny code d'honneteté eccc...

ity anefa ho an'ny olona mino dia miaina arak'izany finoany izany...inn ny antony hanohizany an'izany finoany zany aza....? mba isian'ny signification na koa qualité (tsy voatery ho materiel) ny fiainany teto an-tany ka ikirizana hatrany na dia vidiana lafo aza zany (tsy ara-bola akory fa ara-tsaina sy ara-batana)
28. niryna ( 28/07/2007 00:40)
Manaja azy isika raha amiko saingy tena tsy mbola nahita ao anaty baiboly kosa aho aloha hoe lasa any an-danitra izy na nipetraka niaraka ny Zanany e.
Raha tsy mino ny Maria izany ny olona iray dia tsy ho tonga any an-danitra?
Nahita ttsy kely izay koa aho mantsy miteny hoe misaotra anao aho ry Saint... fa ...,misaotra anao aho miaraka amin'Atra ianao,mangataka aminao aho mba ...Dia tena gaga aho fa angaha ireny olona maty ireny (ireo antsoina hoy saint.. ianona ,na masindahy ranona mitondra ny hafatritsika any amin'ATRa?
Fanontaniana ny ahy io a.
Dia ahoana tokoa izany ny hafan'i Jesosy hoe tsy misy afaka mankany amin'ny Ray afatsy avy amin'ny alalako.
Nahoana indray no misy olona velona tety an-tany dia afaka ho any indray?
Fa fantatry ny velona fa ho faty izy,fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona,ary tsy manana valim-pitia intsony izy fa adino ny fahatsiarovana azy.Na ny fitiavany,na ny fankahalany,na ny fialonany,dia dia samy efa levona ela sdy tsy manana anjara intsony mandrakizay amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy Mpitoriteny 9:5-6.Aiza ao amin'ny baiboly izany no milaza fa izy no afaka hiresaka amin'ny Zanany be dia be koakoa noho isika miantso an'ATra direct?
Antsoy aho dia ho valiko ianao,satria hatramin'izao hoy Izy dia mbola tsy niantso na nangataka zavatra taminy tamin'ny Anarany isika.
Dia ao koa ilay hoe afofandiovana(pergutory),na isika miaraka aminy na isika very any amin'ny afobe,izay no fahalalako sy nampianarina ahy.Raha azo vidiam-bola izany ny fanadiovana dia tsy mahatakatra ny mahantra,dia misy fitsarana mitanila izany Atra?Mino aho anefa ary efa noteneniny io fa raha manao tsinotsinona ireny madinika ireny ianareo dia manao tsinotsinona Ahy ihany koa,raha misy vola aloha izany dia tsy tafiditra ny mahantra e.Kanefa ny fahasoavana no nomena antsika ,tsy avy amin'ny asan-tsika hoy Izy izany fa sao misy olona hirehareha, fa io fahasoavana io kosa dia avy amin'Atra Raintsika."For it is by grace you have been saved,through faith-and this is not from yourselves,it is gift of God-not by work,so that no one can can boast " Efe 2:8-9
Ny dikany tsy manao na inona na inona na ny velona indrindra ny maty hamonjena olona iray,ny finoana an'i kristy irery ihany no mahavonjy azy.
29. ikaretsaka ( 28/07/2007 08:44)
dia naninona i niryna no tsy niasa rehefa 15 Aout?

tsy mbola nahita ao anaty baiboly kosa aho aloha hoe lasa any an-danitra izy na nipetraka niaraka ny Zanany e.


Voalohany dia samihafa ny ascention sy ny assomption.
Ny ascention (ascent) dia i Jesoa dia niakatra tany an-danitra t@ herin\'ny tenany manokana Jesus ascended to heaven on His own power.
marina fa ny resaka tsy takatry ny eritreritra io. Ny asomption dia nampiakarina any an-danitra.. tsy amin\'ny heriny manokana
Plus ianao nanakaiky an\'Andriamanitra plus ianao masina (Eksodosy 3:5, Deteronomy 23:14)
Nofidin\'Andriamanitra i Masina Maria, Nitoeran\'ny Fanahy Masina ka niteraka Andriamanitra Zanaka (lioka 1:35) io ny principen\'ny Immacule conception na hoe Tsy azon-keloka

Voalaza ao amin\'ny Soratra Masina (Salamo 16:10, Gen 3:19) fa vokatry ny ota no ahasimban\'ny vatana, Izy misy fanahy sy nohasoavina nohon\'ny vehivavy rehetra satria ny Tompo ao aminy... Vokatr\'izay tsy fisiana ota eo aminy izay nonanadratana ny vatany teo no eo aorian\'ny nahafatesany fa tsy lo!
Ao amin\'ny soratra Masina dia bedebe ny milaza an\'io ohatra vitsivitsy: Enoch (Gen 5:24; cf. Heb 11:5), Elisea (2 Mpanjaka 2:11), St. Paul (2 Cor 12:2,4)

(Fanambarana 12, 1-6) Raha i Jesoa ilay zazalahy io. dia iza ilay vehivavy?


Nahita ttsy kely izay koa aho mantsy miteny hoe misaotra anao aho ry Saint... fa ...,misaotra anao aho miaraka amin\'Atra ianao,mangataka aminao aho mba ...Dia tena gaga aho fa angaha ireny olona maty ireny (ireo antsoina hoy saint.. ianona ,na masindahy ranona mitondra ny hafatritsika any amin\'ATRa?

eny... Misaotra an\'ilay Saint izy fa nivaly ny vavaka niarahany natao t@ ilay saint, mino aho fa rariny iznay, ohatranao sy ny namanao miaraka mivavaka io dia raha mahazo valim-bavaka ianao dia misaotra ilay namanao... tsy hitako ny mahadiso an\'izany!
@ teny gasy moa dia raisina sy heverina hoe mitovy ny hoe \"mivavaka\". Samihafa anefa ny \"Worship\" sy ny \"veneration\", ny Saints \"venerer-na\" fa Andriamanitra no atao \"worship\".

tsy misy Bokin\'i Makabeo moa ny baibolin\'i Niryna fa ao @ boky faharoan\'i Makabeo dia misy voalaza hoe i Jeremiah dia nivavaka hoan\'ny Israelita na efa maty aza (2 Maccabees 15:11-16) jereo ny (Jeremia 15:1)
Ny ao amin\'ny Bokin\'i Tobita dia feno be

tsy hoe mitondra ny hafantsika any @ Andriamanitra fa manampy antsika amin\'ny fivavahana.. Tsy tsapanao ve fa tsara kokoa ny 2 miara mivavaka noho ny 1, indrindra moafa ilay 1 miaraka amintsika efa nialoha lalana sy \"efa nahavita ny ady tsarany sy ny fihazakazahany\"? Tahaka anao manao cellule io dia manao hoe ireto aby no mba \"prayer request\" ko

tsy misy afaka mankany amin\'ny Ray afa tsy amin\'ny alalako, ary ny mankany @ Jesosy amin\'ny alalan\'iza? eo no miditra an-tsehatra ny Saints sy i Masina Masina maria

Aiza ao amin\'ny baiboly izany no milaza fa izy no afaka hiresaka amin\'ny Zanany be dia be koakoa noho isika miantso an\'ATra direct?
(ny fampakarambady tany Kana no ohatra tsotra indrindra.. tsy direct tany @ Jesoa no nilaza hoe tsy misy ny divay fa tany @ reniny)

Dia ao koa ilay hoe afofandiovana(pergutory)

Matio 5:26, Matio 18;30
Ny ny toerana fanaovanao an\'ireo

Ary Ny andriamanintsika tia atsika hatramin\'ny farany ary mitady izay fika hanavotana antsika foana, ary miala nenina hatr@ farany izy.. izany no mampisy an\'io.
last chance e!

Kanefa ny fahasoavana no nomena antsika ,tsy avy amin\'ny asan-tsika hoy Izy izany fa sao misy olona hirehareha,

dia nefa hoy i Jakoba 2:14-18 hoe amin\'ny finoana sy ny asantsika no hamonjena antsika
I paoly sa i jakoba no marina?
Misy an\'ilay resaka talenta koa nolazain\'i Jesoa, ataoko fa asa no nampitomboan\'ireo nomena izany ny talenta!
30. mbaliana ( 28/07/2007 09:25)
hozy niryna
Raha tsy mino ny Maria izany ny olona iray dia tsy ho tonga any an-danitra?
: iza no niteny an'io teto? mba noforoninao kosa angamba io....
ohatry ny manaja ny Reninao ihany io... ataovy hoe nisy olona tena tia anao tinao mba namela hafatra na anatra ho anao... hitanao fa tena marina ny nolazainy .. tsy ho tadidinao foana ve? ampiasainao koa aza amin'ny fotona mahamety azy...

Nahita ttsy kely izay koa aho mantsy miteny hoe misaotra anao aho ry Saint... fa ...,misaotra anao aho miaraka amin'Atra ianao,mangataka aminao aho mba ...Dia tena gaga aho fa angaha ireny olona maty ireny (ireo antsoina hoy saint.. ianona ,na masindahy ranona mitondra ny hafatritsika any amin'ATRa?

miaraka mivavaka wa ny teneniko aminareo...asa nareo raha mba naheno hoe mivavaka ho anao ...na koa hoe mivavaha ho ahy ry zareo fa mandalo fotoana sarotra aho zao ecc... ny fahatsiarovanao an'le olona hitanao fa tsara na nahazo fahasoavana no nahatonga an'io ary io choix personnel mety ho tianao mety tsy ho tianao....

31. mbaliana ( 28/07/2007 09:30)
hozy i niryna

Dia ao koa ilay hoe afofandiovana(pergutory),na isika miaraka aminy na isika very any amin'ny afobe,izay no fahalalako sy nampianarina ahy.Raha azo vidiam-bola izany ny fanadiovana dia tsy mahatakatra ny mahantra,dia misy fitsarana mitanila izany Atra?


iza no niteny izany vola zany taminao????....

nisy olona maty zay olona fantatro za nipetraka tao aminy dia ny zanany koa fantatro.. dia niteny ny zanak'ilay olona maty hoe hoe andao isika hiaraka hanao toko saplet (fangatahana amin'i Masina Maria mba hivavahany ho an'n'ny Fanahin'ilay maty) mba tsy hijanona ao amin'ny afo fandiovana ny Fanahin'i Dada.... bon andao ary... dia vita...

entre parenthèse kely aloha anisan'ny zavatra nampatahotra ahy tamin'ny mbola kely ity maheno an'le hoe i ann hono nisehoan'i annn fa ecc... fa fomban'ny bebeanay mihitsy ny miteny an'io dia ohatry ny raikitapisaka ato amiko le hoe sao isehoan'i ann ecc... fa mbola tsy nahita anefa za...

miverina amin'le resako teo aloha za... andro vitsy2 taty aoriana dia nanonofy za (za io mbola mipetraka ao amin'ny trano nipetrahan'ilay maty ... ny fahatahorana 1 tonina amin'izay mihinana somnifère mihitsy) ... naneno ny tel dia za hono ao antrano dia tao koa le olona (maty io) fa zany hoe nofisiko hoe mbola velona...dia io hono no nandray ny tel dia avy eo nakao amin'ny chambre-ko dia natolony ahy ny tel , tsy niteny izy fa nitsikitsiky fotsiny ... fa le olona hitako ry zareo dia olona vory nofo be ...(tamin'le olona maty anefa nahia kely) fotsy volo mangatsakangatsaka dia ohatry ny feno hazavana be zany ny tarehiny...gaga be fotsiny za tsy nahateny di lasa izy... taitra aho fa sady tsy natahotra fa lasa eritreritra fotsiny...hatramin'izao tsy niverina intsony le nofy.... tsy haiko hoe inn dikany fa ny zavatra ato antsaiko dia hoe miadana izy any amin'izay misy azy any...
32. mbaliana ( 28/07/2007 09:39)
fa noraisiko le teldia izy lasa ... tohiny kely hihihi

niryna> asa na henonao koa hoe rehefa misy maintso hoe
Saint..... (inona ny tohiny?) mivavaha ho anay
33. ikaretsaka ( 28/07/2007 13:30)
tahaka ny nahazoako Vocation.. ilay mi meditate sy concentre be eo alohan'ny sakramenta masina iny no misy miteny hoe "mandehana fa tsy maninona"
natahotra be aho t@ voalohany... dia tsy nitsilopilopy itsony ilay jiro menakely teo @ tabernakla (matetika iny ohatran'ny mitsilopilopy modeste kely izay) , za tsy mahahetsika dia hoy indray le feo "za no miresaka aminao, mandehana ataovy fa tsy maninona, eo foana aho"

Dia lasa aho, dia izao miresaka amin'i niryna sy manazava sy manitsy momban'ny zavatra samihafa izao , sady mianatra ihany, ny sens de l'humour moa toetrako hatrizay dia ...
34. ikaretsaka ( 28/07/2007 14:03)
Raha tsy mino ny Maria izany ny olona iray dia tsy ho tonga any an-danitra?

Maria manampy tosika sy manoro ny fandehanana any ka...
"Reny mpitari dalana... O ry Kintana ambony"

35. niryna ( 28/07/2007 16:07)
ikaretsaka:

dia naninona i niryna no tsy niasa rehefa 15 Aout?
tsy mbola nahita ao anaty baiboly kosa aho aloha hoe lasa any an-danitra izy na nipetraka niaraka ny Zanany e.

Misaotra anao aho fa nilaza ny marina ianao,fa maninona aho no tsy niasa,niaraka nanao basketball isika dahy dia tsy niasa aho:D
ikaretsaka:

Voalohany dia samihafa ny ascention sy ny assomption.
Ny ascention (ascent) dia i Jesoa dia niakatra tany an-danitra t@ herin'ny tenany manokana Jesus ascended to heaven on His own power.
marina fa ny resaka tsy takatry ny eritreritra io. Ny asomption dia nampiakarina any an-danitra..
tsy amin'ny heriny manokana

Io aloha dia tsy hiadina varotra fa hoy ny fanazavako hoe
niryna:

****Ny rahona no mampiseho ny fiovan'i Jesosy,ny fiakarany nakany an-danitra ary ny fanambarany fa ho avy indray Izy

-Raha mbola niteny izy,indro nisy rahona mazava nanarona azy ireo;ary injao nisy feo avy tao amin'ny rahona nanao hoe:Ity ny Zanako malalako Izay sitrako.Izy no henoy. Mat 17:5
-Ary rehefa nilaza izany Jesosy dia nakarina Izy,raha mbola nijery izy ireo;ary nisy rahona nitondra Azy ka tsy hitan'ny masony intsony Izy.Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin'ny nandehanan'i Jesosy ,indreo nisy roa lahy teo amilany niakanjo fotsy izay nanao hoe :Ry lehilahy Galiliana,nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo?Iny Jesosy Izay nampiakaraina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitareo Azy niakatra ho any an-danitra. Asa 1:9-11
-Ary amin'izany andro izany dia hiseho eo amin'ny lanitra ny famantarana ny Zanak'olona,ka dia hitomany ny firenana rehetra ambonin'ny tany,ary hahita ny Zanak'olona avy aminkery sy voninahitra lehibe eo amin'ny rahon'ny lanitra izy Mat 24:30

io izany ny fanazavana
ikaretsaka:

Plus ianao nanakaiky an'Andriamanitra plus ianao masina (Eksodosy 3:5, Deteronomy 23:14)
Nofidin'Andriamanitra i Masina Maria, Nitoeran'ny Fanahy Masina ka niteraka Andriamanitra Zanaka (lioka 1:35) io ny principen'ny Immacule conception na hoe Tsy azon-keloka

satria nalefan'Atra ny Zanany ho tonga nofo tahaka antsika,izy no nofidiany marina izany fa moa ve izy nijanona teo ihany fa tsy niteraka?
Efa nolazaiko io,toy ny ianao manao fanasana dia tsy ampy ny sakafo dia miresaka ny vadinao hoe tsy ampy ny sakafo ry ika,dia namoaka vola ianao.[u]Jesosy niteny hoe tsy mbola tonga ny androny ary inona ravehivavy no tianao ataoko?
.Jesosy no nanao ny miracle fa tsy izy velively.
Hajaina izy ika marina izany fa ny hoe kosa intermediaire ho any amin'ny Zanany tsy mitombona kosa izany e.Jesus Christ is the only mediator between us and God:arrow:Jesosy irery ihany no teteza-mita andehanantsika any amin'ny Ray.
I am the the way,the truth, and the lifeIzaho no lalana sy fahamarinana ary ny fiainana .Koa raha Izy no lalana nahoana no mbola mitady mpanelanelana ihany isika?

36. ikaretsaka ( 28/07/2007 21:20)

Jesus christ is the mediator between us and god...

and who is the best mediator between us and Jesus? hmm?:wink:

Jesosy no nanao ny miracle fa tsy Masina Maria.. marina fa tsy mpanao miracle izy fa izy no mpiteny sy mpivavaka ary mpiteny any @ janany hanao miracle ary nataon'ny zanany izay nangatahiny!...
"Lany ny divay fa mihetsika ianao Zanako.. alefaso ny miracle" dia nanao i Jesoa

izy no nofidiany marina izany fa moa ve izy nijanona teo ihany fa tsy niteraka?

Aiza no misy mitantara fa nanan-janaka hafa naloaky ny kibony afa tsy ny Tompo i Maria ? Omeo source.

Ny teny hoe Rahalahy na Adelphos (Grika) dia midika hoe (next to kin)
Ny teny Hebrio sy ny teny aramaika dia tsy manana teny mahadika ny hoe "cousins" fa rehefa mifanakaiky sy mpihavana ny lahy dia mpirahalahy aby!

Profo profo! (ataoko Biblika aloha, tia azy manko i niryna)
Testamenta vaovao:
-ny Rahalahy voalaza ao @ Asa 3:17; Rom 9:3 dia ireo olona rehetra mpiray firenena
-Rehefa olona, na mpifanolo-bodirindrina dia natao hoe rahalahy (Mt 5:22; Lk 10:29)
-Olona mitovy tanjona dia natao heo rahalahy (Mt 5:47)
-Iray razambe, dia natao heo rahalahy (Acts 7:23,26; Heb 7:5)
-ny mpino rehetra dia natao hoe rahalahy (Mt 23:8; Acts 1:15; Rom 1:13; 1 Thess 1:4; Rev 19:10)

avadiko testamenta taloha indray!
- tantaran'i Lota: raha ampitoviana ny Genesisy 14:14 sy ny 11:26-7 dia i Lota izay nantsoin' Abrahama ho rahalahiny, dia "neveu-ny"
- i Jakoba dia niantso ny dadatoany, i Labana... ho rahalahiny(Gen 29:10,15)

I am the the way,the truth, and the lifeIzaho no lalana sy fahamarinana ary ny fiainana .Koa raha Izy no lalana nahoana no mbola mitady mpanelanelana ihany isika?

IZAO VAO HITAKO SY ANANAKO POROFO FA TENA TSY NAMAKY NY HAFATRA TALOHA TOKOA I NIRYNA FA NY AZY IHANY NO ASESISESINY!
Eny..mila mpanelanelana sy mpanampy sy mpitantana isika hanampy antsika handeha eo amin'ilay lalana
hery t@ izay andro izay:
raha misy mpanosika aho sy mpitantana sy mpanoro lalana aho manampy ahy amin'ny lalam-piainako, inona ny olana?:)


"Raha izay tianao ihany no alainao sy inoanao ao @ Soratra Masina, Fa izay tsy azoazonao dia arianao, Dia tsy ny Soratra masina intsony no ifantohanao sy inoanao fa ny tenanao (Md Thomas d'Aquin)
Izay no andalinana azy rehetra fa tsy anaovana tsimpona baibolista sy izay andalana nomen'i Pasitera ihany no vakiana... ary zahay mamaky baiboly anie fa tsy mitatata be fotsiny e, zahay raha miteny hoe tsy ampy sy tsy ao ihany no andalinana dia hitanay ao fa izany no lazainy ao:-D

ary izahay mandinika sy mamaky tsara vao miteny fa tsy mi wawawa @ porofo tsy marim-pototra!
37. piste ( 29/07/2007 03:24)
Manaja azy isika raha amiko saingy tena tsy mbola nahita ao anaty baiboly kosa aho aloha hoe lasa any an-danitra izy na nipetraka niaraka ny Zanany e.


Hoy i Jesoa t@ ilay jiolahy nivalo : ` anio dia anio ihany ianao dia hiraka amiko any @ fiainana`.
Jiolahy nivalo aza tsaron`ny Jesoa ka ilay reniny ve dia tsy mba ho tsaroany kely akory e.
Ny olana amintsika indray dia tsy mbola tena mino an`i Kristy ho tena lasa olombelona ka esorina aminy mihitsy izay dimension humaine izay. Tadidio fa nanana affection t@ iny reniny malalany iny izy, rah nanana izany t@ Lazara, Maria sy Marta, Joany, Piera, sns.
Ary raha tsy mino ko ianarao fa any an-danitra ireo olon tsara sitra-po ireo dia tsy andriamanitry ny velona intsony ny andriamanitra inoanareo fa andriamnitry ny maty.
Farany hoy Anjely niarahaba an`i Maria : arahaba ilay feno hasoavana
Ary hoy Maria nidera an`Andimanitra : fa indro manomboka ankehitriny dia antsoin`ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria nahavita be tamiko ilay mahefa.
Tsy Andriamnitra i Maria fa mpanompovaviny nahafatoky, ary raha tsy nisy azy dia tsy tonga tety an-tany I jesoa izay inoantsika io.
Tsy terena anefa ianao na hanaja na tsy hanaja azy.

Ny mahasarotra an`ity sujet momba an`i MAria ity koa dia datria tsy manana notion-na devotion ny kritianina tsy katolika sasany.
38. niryna ( 29/07/2007 07:09)
piste:

Manaja azy isika raha amiko saingy tena tsy mbola nahita ao anaty baiboly kosa aho aloha hoe lasa any an-danitra izy na nipetraka niaraka ny Zanany e.


Hoy i Jesoa t@ ilay jiolahy nivalo : ` anio dia anio ihany ianao dia hiraka amiko any @ fiainana`.
Jiolahy nivalo aza tsaron`ny Jesoa ka ilay reniny ve dia tsy mba ho tsaroany kely akory e.
Ny olana amintsika indray dia tsy mbola tena mino an`i Kristy ho tena lasa olombelona ka esorina aminy mihitsy izay dimension humaine izay. Tadidio fa nanana affection t@ iny reniny malalany iny izy, rah nanana izany t@ Lazara, Maria sy Marta, Joany, Piera, sns.
Ary raha tsy mino ko ianarao fa any an-danitra ireo olon tsara sitra-po ireo dia tsy andriamanitry ny velona intsony ny andriamanitra inoanareo fa andriamnitry ny maty.
Farany hoy Anjely niarahaba an`i Maria : arahaba ilay feno hasoavana
Ary hoy Maria nidera an`Andimanitra : fa indro manomboka ankehitriny dia antsoin`ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria nahavita be tamiko ilay mahefa.
Tsy Andriamnitra i Maria fa mpanompovaviny nahafatoky, ary raha tsy nisy azy dia tsy tonga tety an-tany I jesoa izay inoantsika io.
Tsy terena anefa ianao na hanaja na tsy hanaja azy.

Ny mahasarotra an`ity sujet momba an`i MAria ity koa dia datria tsy manana notion-na devotion ny kritianina tsy katolika sasany.



Dia ianao koa izany dia anao ireny olona manozona zanaka maditra ireny hoe raha tsy nisy ahy ianao tsy tonga teto an-tany.
Tsy misy maningavinga an'i Marie mihitsy aloha e,sao dia diso eritreritra ianao,fa ilay izy ataonareo tohatra fiakarana no tena mampalahelo.
Averiko indray fa tsy misy na iray hoy Jesosy mankana amin'ny Ray raha tsy avy amin'ny alalany
Ny tena mampalahelo dia lasa 2 eme class indray Jesosy amin'ny sasany fa lasa ireo masina be dia be ireo no mibahana.
Ahoana izany no ataonao raha hitori-teny ianao?Efa nanafatra mantsy izy fa mandehana ary torio ny filazan-tsara?
Dia hoy ianao izany hoe
Izy no fiainana sy famarinana Tompo,manana finoana Aminy.Saingy raha te ho hiresaka Aminy ianao dia manantona aloha an'i mamany fa izy no reny malalany,dia any aminy no mangataka vavaka?
Sa ahoana no fomba fitorianao teny raha Jesosy no ataona centre d'interet?
39. niryna ( 29/07/2007 07:12)
ikaretsaka:

Raha tsy mino ny Maria izany ny olona iray dia tsy ho tonga any an-danitra?

Maria manampy tosika sy manoro ny fandehanana any ka...
"Reny mpitari dalana... O ry Kintana ambony"





:roll::roll:
40. ikaretsaka ( 29/07/2007 12:44)
ity tsy mbola novalian'i niryna
zahakoJesosy hoy ianao no mediator entre antsika sy ny Ray ....and who is the best mediator between us and Jesus? hmm?[/quote:


Sa ahoana no fomba fitorianao teny raha Jesosy no ataona centre d'interet?

Jesosy no toriana sy centre, fa I masina Maria sy ny olomasina rehetra "efa nahavita ny fihazakazahany" manampy ahyho tonga eo @ ilay Centre, sy manampy @ ilay asa fitoriana na ny fanarahako ny modely nataony fotsiny aza! manginy ny fangatahana amin-dry zareo ireny mba hiara mivavaka amiko koa!

Hoy ny famaranam-bavaka "i confess (Fiapangan-tena)" manko
.. Fahotako aby izany.. fahotako lehibe.....Koa mihanta amin'ny masina Maria Virjiny mandrakizay aho, Amin'ny olomasina rehetra, ary koa amintsika mianakavy mba hivavaka ho ahy any amin'ny Tompo Andriamanitsika.


Jesoa no lalana sy fahamarinana ary fiainana... Fa raha mandeha @ ilay lalana izahay ka misy an'i Masina Maria sy ny Olomasina manao Road sign sy manazava ny lalana ... tsy zaranay aza.. toy izay tsitsapatsapa ao anaty maizina ao!~

[quote=piste]Ny mahasarotra an`ity sujet momba an`i MAria ity koa dia datria tsy manana notion-na devotion ny kritianina tsy katolika sasany.

Marina mihitsy ,,,Dia noho izay amiko no tokony hanazavana azy ny antony mba ho fantany... na tsy inoany aza.
betsaka tokoa manko no tsy mahafantatra akory fahatany, na ny ankamaroany @ isika Katolika aza.

niryna< tsy raharahako ianao na mino na tsy mino, na hino na tsy hino...fa ny nataoko dia ny nampahafantatra fotsiny, anao ny sisa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0094