Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?
181. niryna
(
09/08/2007 04:56)
[quote=niryna
Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra ,raha mamaky,mijery,mianatra ary mamerimberina ny teniny.Ny tenin'Atra no mampiseho antsika ny zavatra tsy mety ataontsika ary ny fampiasana azy sy ny fianarana azy dia manampy antsika ny hanao ny marina,hiala amin'ny tsy mety.[/quote]
Mbola nanohy niasa ihany ity olona na dia efatapitra ho 4o mn aza ny ora fiasana.Lasa ny eritreritro hoy ity namany ,hay ilay famantaranandro no nijanona ka iny no nahatonga azy nanohy niasa foana.
Raha mba nisy famataranandro mandeha herin-jiro,izay tsy mila soloina,mandeha foana,tsy misy olana moa teo dia tsy ho very ny fotoanany saingy nandeha pile ilay izy dia izay no nahavoa azy.:cry:
Toy izany koa isika raha manao zavatra araka ny herin'ny tenantsika irery isika dia ho mora reraka ary kivy.Fa toy ny famantaranandro izay mandeha amin'ny herin-jiro ka mangataka an'i Kristy mba hitantana izay fiainantsika dia omeny sy atorony izay lalana tokony aleha,izay fandaharana efa namboariny ,ny fanantenana izay nampananteny ary dia hanome hery tokoa Izy.Rehefa manankina ny fiainana amin'ATra isika dia omeny hery ary mahavita zavatra maro izay tsy ampoizina.
Atra o,ny teninao no fitaratra sy hery hiankihinanay,ampio izahay mba hanana fifandraisana Aminao,ampahafantaro anay fa Ianao Irery ihany no loharanom-pamonjena sy fahendrena.Amin'ny anaran'i Kristy Tompo no angatahanay izany vavaka izany
Amena

182. todisoa2
(
09/08/2007 10:38)
ikaretsaka:
. Ny fitaratra no hany fomba ahafahantsika mijery manoloana antsika. Hita mibaribary eo daholo ny amintsika.
.dia ahoana ilay olona miteny anao hoe misy zavatra ny oronao ireny ry todisoa? tsy eo fa ny ilany?
Dia maka ny toeran'ny fitaratra ilay olona @izay fotoana izay. Ny tena dikan'ilay teny hoe fitaratra dia ''fitaovana na fomba entina itarafana'' fa tsy ilay ''mirroir'', araky ny teny vahiny. Ny fitaratra dia maro samihafa: mety zavatra, olona, toetra....
183. niryna
(
13/08/2007 02:19)
ikaretsaka:
Dia ity koa...
Rehefa omena zavatra tsy hay ka ampiaina ianao dia jerena aloha ny fampiasaina azy vao miteny heo zao io na izao
Nisy tantara izay manko (tsy tadidiko na i piste na i marozevo na i Rasiligaoma na XXX no nilaza azy t@ izay) , dia noraisiko ho fanoharana ilay izy nanaovako toriteny:
Nizara biskleta t@ katesista le any ambanivohitra lavitra be ireny ry mompera t@ izany, dia adino ny nanazava azy fa nalefa fotsiny ...tsy hainy akory ny nampiasa azy
raha omena biskleta ianao dia jerena sy atoro aloha ny fampiasaina azy, fa tsy hay akory dia miteniteny hoe inona koa ity vy sy misy boribory ity
Nizara baiboly tany @ tany tsy mahay mamaky teny akory ny mampiely baiboly, tsy nohazavainy akory fa hoe bokin'andriamanitra fotsiny no nolazainy... tsy nisy nahay mamaky teny tao anefa na 1 aza
Raha omena baiboly ianao dia jerena sy azavaina sy ampianarina mamaky teny ny olona aloha hoe inona no ambaran'ity, fa raha tsy hay akory dia hoe inona koa ity boky ity..bokin'andriamanitra hono e
dia raha omena Sotro ianao raha zatra nihinana t@ tanana dia mijery aloha hoe inona no ampiasaina ity alohan'ny hitenenana hoe inona ity kilavalava ity.
Raha omena ordinatera ianao dia jerena aloha ny fampiasana azy fa tsy hoe inona koa ity tele dia misy masinina a ecrira eto alohanay ity
dia raha omena Saple ianao dia jereo aloha ny fampiasana azy fa tsy hoe
inona koa ity vakana ity.
Ato amin'ny hafatra avy tany amin'i hery aho no mamaly azy.Fa ny azy misy hafatra,io ambony hafatr'ika io no farany ary tapaka.Ary ianao koa nahalala izany saingy nampalahelo fa tsy mba nampahafantarinao ny olona ilay izy .Nanome tsiny sy nitsikera indray aza no nataonao.Tsy maninona fa izay no fantatrao ka afaka anao inona moa aho.
Izay izany no fanazavanao azy dia izay izy izany.
184. niryna
(
13/08/2007 02:58)
Enga anie ity tonga any amin'ny hafatra tiako alefa fa mbola ato amin'ny an'i hery ihany aho no mamaly
Efa mazava izany fa tsy mivavaka ry zareo fa manaja dia izay izy izany,misaotra mbaliana,anjaranao ny mampahafantatra izay olona tsy mahalala fa manaja fotsiny ihany fa tsy miankohoka na mivavaka aminy.Anjaranao ny mivavaka ireo izay mbola tsy mifoha ka manara-drenirano.Ny tompo anie hanome hery ho anao hanazava ireo izay tsy mahalala fa any amin'i Tompo irery ihany no misy ny famonjena,any aminy ihany isika no mila vonjy ary Izy irery ihany no tetezana mankany amin'ny rainy.
Marina izany ary efa mahalala ry zareo fa any amin'ny zanany no manantona.
misaotra anao nampianatra anay.
Mino aho fa mahalala izany daholo isika ary raha tsy mahalala moa dia nianatra zava-baovao indray izany.
Sarotra be no hamaly izany fa raha nisy nilaza fa nahita ka marina dia izay izany ary raha nandainga izy fa mamahana lalitra ny mpino dia izy ihany anie no ho tsaraina amin'izany e.Manao fahagagana daholo na satana na Atra ary tsy mitsahatra io fa vao maika aza miroborobo ny asan'ny satana.Saingy amin'ny farany vao hibaribary eo ny marina ary ny asan'ny satana dia hiroboroba saingy ho ringana amin'ny fotoana tsy ampoizina.
Eny,e efa mihezaka kosa ny fiangonana amin'izao fotoana izao ary efa misy fiangonana mifoha,tsy mino na mivavaka na miankohaka izany intsony ary ry zareo koa anie efa nanazava izany e,dia efa vaovao lehibe izany .Atra dia tia antsika rehetra zanany ary raha misy iray na roa ao amin'ny fiangonana tena manantona azy ,midera ny anarany,mitalaho,mangataka famelan-keloka dia ireny olona ireny no ampiasan'Atra hampianatra ny namany ary hanazava azy ny zava-misy.Mino ahy ianao fa efa feno ny fiangonana mifoha,feno ny fanahy masina,mahatsapa ny olona fa tena misy tokoa izany fanahy masina miasa ao am-pony izany sy ao amin'ny fiangonana.^:^^:^
Ny tompo no hisolo vava ho antsika rehetra izay manaradia azy ka,fantany ny ondriny ary mbola misy ondry ihany koa any ivelan'ny vala.Raha manantona azy amin'ny fo tanteraka ny olona dia hamonjy sy hamaly azy izy,ireny indray no hitarika ny hafa izay diso lalana.
Rehefa tonga any an-danitra isika dia tsy misy intsony ny denomination,tsy misy hoe etsy ianareo no mipetraka ary eroa ranona no mipetraka,na ny ray sy ny zanaka,na ny vady ,izay rehetra voavonjy dia samy faly avokoa ary miara mieredona ny hira ^:^^:^ amena.
Manaraka antsika izy ary mangataka azy isika hitari-dalana ny diantsika sa tsy izany?
misaotra anao
Mino aho fa samy mangetaheta ny ho voavonjy daholo ny olona ary tsy isika no nifidy fa Atra no nifidy ny tsirairay,raha mitalaho sy mivavaka aminy isika dia hamaly tokoa izy.Misy olona mbola tsy voaantso ka,misy olona raha mbola tsy manankina ny fony amin'ny tompo izy dia tsy fantany izay lazaina ka.
boraingy:
[quote=mbaliana]
boraingy> marina fa ampoka ary tena mazava ny resaka momban'i Jesoa...
fa izany akory tsy midika fa tsy azo hajaina koa ny Reniny...
Efa mazava izany fa tsy mivavaka ry zareo fa manaja dia izay izy izany,misaotra mbaliana,anjaranao ny mampahafantatra izay olona tsy mahalala fa manaja fotsiny ihany fa tsy miankohoka na mivavaka aminy.Anjaranao ny mivavaka ireo izay mbola tsy mifoha ka manara-drenirano.Ny tompo anie hanome hery ho anao hanazava ireo izay tsy mahalala fa any amin'i Tompo irery ihany no misy ny famonjena,any aminy ihany isika no mila vonjy ary Izy irery ihany no tetezana mankany amin'ny rainy.
Resaka Andriamanitra Ray kosa no an'ny rehetra eran-tany. Mila manomboka eo Aminy isika rehetra raha hivavaka araka ny vavaka nampianarin'ny Tompo. Tsy misy anampiana, ary tsy misy hanalana. Izany no ilazako hoe tsy mila mpanelanelana aho raha nampianarin'ny Zanany. Raha fantatro ny Ray amin'ny alalan'ny Zanany dia ampy ho ahy izay.
Marina izany ary efa mahalala ry zareo fa any amin'ny zanany no manantona.
Misy fahitsiam-pisainana eo. Fo resy. Miditra eo amin'ny tena vontoatin'ny antso. Antso voalohany nataony.
Tsy nataotao foana akory ny fizarana ny Tenin'Andriamanitra eran'izao tontolo izao amin'ny tenim-pirenena samihafa ho an'ny olona rehetra. Miantefa amin'ny tsirairay ny Hafatra. Miteny mivantana amin'ny Voariny Andriamanitra satria Endriny no namoronany azy. Tokony tsy hitady ohatra intsony isika noho ny Vavolombelona voalohany. Ilay Mpanjakan'ny Mpanjaka. Tsy misy anampiana, tsy misy analana ny Teniny. Ampy, feno ary ampoka.
misaotra anao nampianatra anay.
:roll:
Io farany io no fanavaozana.
Raha izaho marivo salosana dia sarotra be amiko hoy aho ny logique Rosary. Mila mianatra zavatra hafa indray ve izany? dia ahoana ireo olona tarihina, i Maria ve no hitany sa ny "Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina?"
Tadidio fa roa arivo taona lasa no nanomboka ny fampianarana nataon'i Kristy ary i Petera sy ny Apostoly no nirahiny ary avy eo Izy Tenany no niseho tamin'i Paoly. I Maria dia nilazany hoe, Ravehivavy, io ny zanakao. Tsy niteny Izy hoe ry Reniko, io ny zanakao.
Raha toa ka ho eo am-pitsarana isika, Ny Zanaka no Mpitsara. Hanontany anao Izy sa hanontany an-dreniny hoe ry Neny a, inona moa no nataon'i Ranona? Arovanao va izy?
Mino aho fa mahalala izany daholo isika ary raha tsy mahalala moa dia nianatra zava-baovao indray izany.
Tena azonao antoka zato isan-jato ve fa io Reniny io Mihitsy no niseho vatana? Ny zanany izay Mpanjaka angaha tsy niseho vatana? Iza no Mpanjakanao, Iza no miantso anao? ny Rainy sa ny Zanany sa Ny Reniny?
Sarotra be no hamaly izany fa raha nisy nilaza fa nahita ka marina dia izay izany ary raha nandainga izy fa mamahana lalitra ny mpino dia izy ihany anie no ho tsaraina amin'izany e.Manao fahagagana daholo na satana na Atra ary tsy mitsahatra io fa vao maika aza miroborobo ny asan'ny satana.Saingy amin'ny farany vao hibaribary eo ny marina ary ny asan'ny satana dia hiroboroba saingy ho ringana amin'ny fotoana tsy ampoizina.
Farany, antso io hoy aho. Jereo ny fahafainganan'ny fotoana, tsy mila ny reniny intsony izao. Avaozy ny Fiangonana fa sao matimaty daholo eo ny anaran'ny rehetra efa nilofosana roa arivo taona izay no nanombohana nanaovana ny batisany.
Eny,e efa mihezaka kosa ny fiangonana amin'izao fotoana izao ary efa misy fiangonana mifoha,tsy mino na mivavaka na miankohaka izany intsony ary ry zareo koa anie efa nanazava izany e,dia efa vaovao lehibe izany .Atra dia tia antsika rehetra zanany ary raha misy iray na roa ao amin'ny fiangonana tena manantona azy ,midera ny anarany,mitalaho,mangataka famelan-keloka dia ireny olona ireny no ampiasan'Atra hampianatra ny namany ary hanazava azy ny zava-misy.Mino ahy ianao fa efa feno ny fiangonana mifoha,feno ny fanahy masina,mahatsapa ny olona fa tena misy tokoa izany fanahy masina miasa ao am-pony izany sy ao amin'ny fiangonana.^:^^:^
Efa betsaka ny vitanao ry Katolika tamin'ny fanaovana ny Batisa amin'ny Anaran'ny Ray sy Zanaka ary ny Fanahy Masina. Efa eo am-pijinjana ny Masaka izao ny Mpanjaka. Ireo vita sedra no hojinjaina. Efa resy ilay mpiampanga ny tsirairay. Efa tsy misy vavolombelona hisolo vava anao intsony.
Ny tompo no hisolo vava ho antsika rehetra izay manaradia azy ka,fantany ny ondriny ary mbola misy ondry ihany koa any ivelan'ny vala.Raha manantona azy amin'ny fo tanteraka ny olona dia hamonjy sy hamaly azy izy,ireny indray no hitarika ny hafa izay diso lalana.
Aza jerena ny lokonao, jereo ny fonao nodondonin'i Jesoa fa ho azonao ny Loka Lehibe tsy misy mahalala afa-tsy ny tenanao tsirairay avy izay Tempoliny.
Rehefa tonga any an-danitra isika dia tsy misy intsony ny denomination,tsy misy hoe etsy ianareo no mipetraka ary eroa ranona no mipetraka,na ny ray sy ny zanaka,na ny vady ,izay rehetra voavonjy dia samy faly avokoa ary miara mieredona ny hira ^:^^:^ amena.
Tonga ve dia miteny ny fanahy masina? Toa mbola mangataka aminy isika vao tonga izy sa tsia?
Izay manan-tsofina aoka hiaino ny lazain'ny Fanahy!
Manaraka antsika izy ary mangataka azy isika hitari-dalana ny diantsika sa tsy izany?
Hafatra farany amin'izao androntsika izao. Ny Malagasy no iantefan'ny Hafatra ary manaraka ny sisa. Ianao io ankehitriny no jereo fa tsy ny hafa. Aza mierikerika etsy sy eroa mitady hoe ny an'iza no marina ka mampetipety anao. Tempolin'Andriamanitra ianao fa tsy vato aman-kazo akory. Tiany hiaraka hanjaka Amin'ny Zanany ianao io satria zanany ihany koa. Tiany hidera Azy ianao marobe ireo. Izay mangataka amin'ny Ray amin'ny Anarako hoy Izy no omeko fa tsy izay mangataka amin-dreniko hanoro Ahy.
misaotra anao
Ahirato ny maso fa efa omena anao ny odi-maso.
Sokafy ny Fo ary ampandrosoy Izy.
Efa feno ny valin-teny ary aza manontany sy mitady an'i boraingy fa arak'izany anarana izany izy "he izany izy hoe boraingy!" Jesoa iresahana fa mamaly Izy.
Amin'ny Anaran'i Jesoa Ilay Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana. Amen.
Mino aho fa samy mangetaheta ny ho voavonjy daholo ny olona ary tsy isika no nifidy fa Atra no nifidy ny tsirairay,raha mitalaho sy mivavaka aminy isika dia hamaly tokoa izy.Misy olona mbola tsy voaantso ka,misy olona raha mbola tsy manankina ny fony amin'ny tompo izy dia tsy fantany izay lazaina ka.
185. niryna
(
13/08/2007 03:01)
ikaretsaka:
1) mba nahatonga olombelona an\'Andriamanitra dia nifidy intermediaire Andriamanitra: Maria
2) Tsy voatery nanao an\'izany koa anefa izy, afaka tonga dia naka endrika rangahy 30 taona izy dia nataon\'i Joany Batista batemy
4) I Maria dia Eva vaovao, Raha nanao TSIA an\'Andriamanitra i Eva dia i Maria kosa nanao ENY foana, hatr@ ny niharaban\'ny anjely azy nanaovany ENY ka hatraminy ny fanekeny ny sitrapon\'Andriamanitra nanaovany eny, raha nijery an\'i Jesoa maty teny @ Lakroa, hoe izao no nahazo ity zanako ity! Iz ano tsy ontsa amin\'izany? nefa neken\'i masina Maria koa ilay izy! Mba hahatanteraka ny famonjena antsika! tsy misy finoana sy fanekena ohatran\'izany.
5) Vokatr\'izany dia ilaina i Maria ary mi participer be teo @ tantaram-pamonjena foana! hatr@ izao!
anjaran'ny tsirairay maka izay tandrifiny avy
186. niryna
(
13/08/2007 03:17)
ikaretsaka:
nefa tsy io no nataon'i Andriamanitra fa nila an'i Maria izy!
Inona ny antony? nisy raha tao! amiko dia hoe nila mediatrice izy fa tsy nisafidy ny amin'izao fotsiny
sa ovaina ny tantara dia hoe: HOy i jehova! misia i Jesosy... booom ....dia iny nisy Rangahy 30 taona niteny an'i Palestinina nitory ny vaovao mahafaly, Jesosy no anarany!
Raha izay no nitranga dia manaiky aho hoe tsy mila intermediaire izany!
na koa hoe iny Andriamanitra fa mamory vahoaka ao Atsahamanitra dia midina avy any dia hoe Izao no lazaiko anareo fa miainoa tsara aby!
fa tsy nila izany baiboly sy bokin'i paoly sy piera sy lotera sy pasitera izany?!
dia izay aho dia nanaiky heo tsy ilaina ny intermediaire
Nila ireny anefa izy izy!
Misy antony izy fa nanao sy nisafidy ireny olona ireny izy ho intermediaire-ny!
IZAY NO INOAKO HOE ILAINA NY INTERMEDIAIRES
Inoanao ve sa voalaza ao amin'ny baiboly,toa mampisavoritaka ny lohan'ny olona kosa ianao e.
Ahoana ny tantaran'i Davida?Ilay nanofy lanitra sy totohatra mahita anjely miakatra sy midina?
Ilay totohotra dia teteza-mita ho antsika kristiana izay mpanara-dia an'i kristy,izy no totohatra hifandraisan-tsika amin'ny ray.Izany no antony nahatonga antsika manatona azy,inona fotsiny izany no antony hidradradrana ny hazofijaliana lava eto?Ny nitsanganany tamin'ny maty,ny fahafatesana noreseny,ary ny mbola hiverenany.mba atoroy ny marina ny olona ry ika fa aza omenao zavatra tsy mitombona.Tena tsy nisy nilana azy izany ny fahafatesan'ny tompo raha izao fanazavanao ny olona izao no jerena.:cry::cry::cry::cry::cry::cry:
Rehefa mivavaka izany isika ka miantso ny anarany dia izy no mankany amin'ny ray mitalaho,efa nanaiky aho ray fa ho voavelanao ny fahotan'ireo ondriko noho ny rako,efa voasasan'ny ran'i kristy izany ny otan'izy mibebaka sy mitalaho aminy ary izy no hanafaka azy,izy no avocat mpisolo-vava antsika any amin'ny ray.Izay no antony iray nahatonga an'ny ray nanome ny zanany izay tsy foiny ho antsika.
niryna::*:*
mety hatreto aho no afaka mamaly fa nanjavona indray ny hafatra tao aorian'ity. Mampalahelo ,miezaka ihany aho fa aza omena tsiny raha tsy mahavaly.
187. niryna
(
13/08/2007 04:28)
ikaretsaka:
Dia mbola mivavaka amin'ny olona maty tsy mamaly intsony indray izany ,vao maika mitombo ny olanatsy mivavaka hoa fa miaraka mivavaka, sy mangataka amin'ny alalany
Ny tenin'Atra efa manambara saingy ny anao ihany moa no hasesinao koa inona no hiadina hevitra amin'izany?
:roll:dia ahoana ,tsy tsofon'ny rivotra ve izany,rahoviana vao tonga any
Ary ny fofon'ny ditin-kazo manitra mbamin'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan'ny anjely ho eo anatrehan'Andriamanitra.
[/i]
niryna momban'ny fisian'ny mpanelanelana:.
Nobody,tsy misy na iray aza,fa aza fahanana lalitra ny olona fa mijaly,samy tiana ho voavonjy daholo ny namana
Inona izany no antony namatsihana an'i tompo teo amin'ny hazofijaliana?Foana daholo izany ny fanomezana sy ny fitiavandrainy ny olona raha izany.
Manana anarana mihoatra ny zato izy na inona na inona manjo antsika izy antsoina,marary ianao he is healer(psalm 103:3),Redeemer(Isaiah 59:20),deliverer(psalm 70:5),my strengh(psalm 43:2),shelter(joel 3:16),friend(john 15:15),mbola ampiko mba ahafahana mana-porofo fa efa nomen'Atra ho azy ny fahefana rehetra ety an-tany ,advocate(I john 15:15,mbola ao koa ny fitiavana,ny mpanelanelana (mediator I Tim 2:5-6),mofon'aina, jiro mpanazava mandrakizay,toerana hiadanana,fanahy marina,fiainana mandrakizay sy ny sisa tsy voatanisa.
Fehiny efa nomen'Atra azy daholo izay zavatra tadiavin'ny olona,mitady mpanasitrana ianao ,antsoy izy fa hanasitra,mitady mpamonjy antsoy izy fa hamonjy anao.Tsy misy mpanelananelana,io no fantatro.Raha mbola tsy nanandrana sy te ahita porofo ianao dia antsoy izy ary tadiavo sy hivavao izay tadiavinao fa omeny tokoa,Na inona na inona.
Nobody?Says who?
The bible ve ? Tsia ry Mpisandoka!8O:!:
dia mpisandoka izany koa inona moa no azo atao,aleo ny teny izay avoakan'ny vava no hitsarana azy,ary tsy isika fa Atra irery ihany.Truth hurts,eny marina tokoa izany ,marary ny marina saingy rehefa maka ny baiboly,io ihany hoy aho fa toa misy tsy nahazo na tsy nampianarina baiboly ny olona sasany .Efa nomen'i hery ny rehetra ny fitadiavana ny ao anaty baiboly dia aza miala pas intsony hoe tsy nampianarina izany izahay.
dia diso indray izany ny baiboly nilaza fa Mpitsara izy(I John 2:1),mpanelanelana izy mediator (I Tim 2:5-6)
Efa betsaka anie ry ika no tonga saina sao mbola lazainao fa dontrona ihany ny olona e,efa betsaka ny mahalala ny ataony fa dia fahano lalitra ihany izy ireo fa ianao ihany no hifafa ny kihony.Mivavaka ho anao aho na izany aza.Enga anie NY TOMPO no hitantana ny dianao ary Hampahiratra ny masonao Ka hilazanao ireo Ondry very ny Fahamarinana Hatrany.
dia tsy miady hevitra aho fa diso ilay tenin'ny baiboly ireo izany fa ny an'ika no marina.
valio ary ireto fanontaniana ireto:
mba valionao fa ianao no mametraka an'io fa tsy izaho.
1) iza no nindramin'andriamanitra nanoratra ny tantaran'i jesoa ho vakianao?
2)iza no nanazava anao ny tantaran'Andriamanitra sy ny baiboly?
ka na ny nanoratra ny genesisy aza tsy hinoanao ka izay ho lazaiko ve hinoanao? Iza tokony ry ika=))=))
3)Amin'ny fomba ahoana no nidinan'ny Fanahy masina tao aminao? tsy t@ nanoroana'i Pasitera anao ve?
Vao maika very amin'ny katesizy satria ianao tsy mino ny fanahy masina midina aty amin'ny olona koa valio koa fa tsy fantatro raha izany =))
Ahoana tokony ry ika fa toa tsy fantatray sady mivoana ilay sujet:?:=))
Koa ianao aza moa tsy mino ny fianarana ny soratra masina,sa tsy mba nahazo nianatra soratra masina ny olona,dia izay teneninareo ihany na diso na marina no henoiny,misaotra ny tompo fa efa betsaka no mifoha ary raha mitady porofo ianao dia omeko anao tokoa ireo vavolombelona.Eo indray no misy ny olana fa tsy mila mijoro vavolombelona ihany koa ny olona dia ie,ie ,lany eto ny andro fa nivoana indray ny sujet.Tsy mahazo mianatra pli-vava koa hoy ianao dia vao maika lasa any anaty lavaka daholo izahay rehetra satria raha mamotraka ny satana tsy hita izay teny ho sarangotona sy vava atao satria tsy mahazo mianatra an'ireny teny ireny,dia mitohy mivoana hatrany.
Aza hovaina ny hafatra fa ny lelantsika ihany no hamandrika antsika,ianao mahalala zavatra maro noho ny hafa koa ny hiangaviako anao dia toroy ny marina ny olona,tsy maty antoka ianao fa mahavonjy aina maro,na iray ihany aza no voavonjinao dia ny tenanao izany.Rehefa mahafantatra ny marina ianao dia misoritra eo amin'ny fiainanao izany ary manampy ny manodidina sy ny tontolo hiainana.Ao aminao no miainga voalohany,raha manohitra ny tenin'Atra koa dia toy izany,izay tazana manangasanga ao aminao dia mamotika ny manodidina sy ny tontolo hiainana.
Porofo
Nila olona foana Andriamanitra ka, Nila an'i Abrahama izy hanehoany ohatra ny finoana amin'olombelona , nila ny mpaninany izy hampitany ny hafatra ho an'ny vahoaka, nila niova ho olona izy rehefa tena tsisy hevitra intsony , nila olona izy hiteny @ ilay hiteraka an-janany, nila olona izy hiteraka an-janany nila olona izy namono azy, nila ..olona izy nanoro anao ny momba azy ... (tohiziko ihany??:wink:)
Intermediaire daholo izany tompoko o
Ee! sambatra ny olona izay nahita kanefa mbola sambatra lavitra izay olona tsy nahita kanefa mino ny tenin'ny tompo
3) iza no tena mamahana lalitra amin'izany? Ry Mpiatsaravelatsihy! mpivavava-poana!8)
toa lasa miakatra ny fo-nao izany,mila mampiseho modely isika, fa ahoana moa no hinoan'ny olona izay Atra tsy hita maso asiana ho tiavina kanefa ny mpihavana ao amin'ny tompo manana fankahalana ny rahalahiny na ny anabaviny:@:@:@
Tiako mba valian'i niryna ireo fanontaniako ireo ary raha manohitra dia iangaviako azy mba ho avy miaraka @ porofo
Tsy ny hamaliako izao zavatra tsy mitombina rehetra izao no tena ilaina fa ny fomba hanantanterahana ny hafatry ny tompo,fahano ny ondriko,andraso ny ondriko,moa tia ahy ve ianao?Tiavo ny ondriko.
Tsy resaka izay tenenin'ny vavantsika no porofo fa izay voasoratra ao anaty baiboly,averiko indray fa tezitra ianao satria anontanianao ny kristaly aho izay fanompoantsam-py amiko,asan'ny satana izany amiko koa asa izay mamahan-dalitra ary asa izay mpihatsaravelatsihy,raha izaho dia tsy maninona fa izay izany no hitsaranao ahy,ny hiangaviako anao ary averiko indray fa aza fahanana lalitra ny olona,mofon'aina fahanana azy ireo fa efa manomboka misokatra sy mahalala ny marina ny olona.:*:* ba mamikely ho an'ika:*:*:*
188. niryna
(
13/08/2007 04:31)
Ireto no fehiny fa averiko indray satria mety tsy hitanao ry ika
Ireo izany no voasoratra ao anaty soratra masina ka diniho kely mikasika ny olona efa maty.
niryna:
ndefa : niryna [ Valio ] 18-07-2007 06:49:30
Lohateny : Re : Inona no mitranga rehefa maty ny olona?
Hoy i niryna:
Ny lainga nataon'i Satana voalohany indrindra tamin'i Eva dia ny hoe "tsy ho faty ianao"(Gen 3:4)
Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy;Tsy ho faty akory hianareo fa fantatra'Atra fa amin'izay andro hihinanareo azy dia hahiratra ny masonareo,ka ho tahaka an'ATra hianare,hahalala ny tsara sy ny ratsy. Gen 3: 4-5
Vovo-tany no namoroanan'i Jehovah Atra ny olona ,ary nofofoniny fofoanaina mahavelona ny vavorony ;dia tonga olombelona izy (Gen 2:7)
Voalaza teo :
Raha maty izany ny olona dia mifanohitra an'izany,ahoana?
Raha maty ny olona dia hiverina ho vovoka ary ny fanahy dia hiverina any amin'Atra.ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,fa ny fanahy kosa hiverina amin'ATra Izay nanome iny Mpit. 12:7
Voalaza teo :
Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?
Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5
Voalaza teo :
Mino ve isika fa tsy mety maty ny fanahintsika?
Ny tenantsika azon'ny olona vonoina fa ny fanahintsika kosa tsy azony,(toy ny vola sy ny harena azon'ny olona alaina amintsika fa ny fahaizana ao anaty saina tsy azony ho rombahana na alainy.HS kely ity farany ity fa miala-tsiny)Ary aza matahotra izay mamono ny tena,nefa tsy mahay mamono ny fanahy;fa aleo matahotra Izay mahay mahavery ny fanahy sy ny tena ao amin'ny helo.
Voalaza teo :
Inona izany no mety hitranga rehefa maty ny olona?
Tsy mitovy izao vatantsika izao intsony isika fa manana endrika hafa rehefa tonga ety an-tany indray i Kristy.Mba azontsika antsaina ve izany fihovana izany?
Ny nofo aman-dra antsika dia tsy mandova ny fanjakan'Atra,rehefa tonga indray Jesosy dia haka ireo maty rehetra izy ary izay velona kosa dia hiova endrika ao anatin'iray segondra.[i]Fa izao no lazaiko ry rahalahy:Ny nofo aman-dra tsy mahazo mandova ny fanjakan'Atra,ary ny fahalovana tsy mandova ny tsi-fahalovana.Indro ,zava-miafina no ambarako aminareo:tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra,fa vetivety,toy ny indray mipi-maso ,dia hovana isika rehetra fa hotsofina ny trompetra ary ny maty
hatsangana tsy ho lo intsony,ary isika hovana 1 Kor 15:50-52
Ireo izany no voasoratra ao anaty soratra masina ka diniho kely mikasika ny olona efa maty.
189. ikaretsaka
(
13/08/2007 05:18)
voalohany aloha: afangaron\'i Niryna foana ny Mivavaka sy ny mangata-bavaka!
dia diniho ny tenin\'Andriamanitra manambara izany lazainao izany dia diniho koa ny tenin\'andriamanitra nomeko anao nanazava izany (eo ambony)
Efa voazavako teo ambony daholo moa fa lazain\'i Niryna fa simba ny ordinaterany ka averiko indray:
Ny lainga nataon\'i satana voalohany t@ Eva dia hoe tsy ho faty ianao: ekena
fa ao anaty fiekem-pinoana koa misy hoe : inoana ny fiainana mandrakizay (everlastin life)
novalian\'i niryna hoe:
maninona tsy ny fanontaniako no novalianao fa naolakao?? honestly?:wink:
mba honest hoa fa izay no mahavoana anareo \"kristianitianim-poana\" itony
ny ahy aloha olona no nanazava ahy hoe inona ny atao hoe baiboly sns... fa tsy tonga dia amin\'izao fotsiny e!
ianao aza tsy nahafantatra akory hoa inona izany Fanahy Masina izany raha tsy nisy nanoro ko!:roll:duh! sa koa mazii mazii de nahay ny fanahy masina i niryna
efa maty efa ela Josefa ... ary efa kamboty ela i jesoa ary nanampy an-dreniny nanohy ny asan\'i Josefa .. izay izy vao nitory teny sy maty koa... ary naninona tao anaty baiboly tsy nisy hoe niteraka hafa na ni se remarier i Maria?
i niryna :
Ny tenin\'Atra efa manambara saingy ny anao ihany moa no hasesinao koa inona no hiadina hevitra amin\'izany?
dia diniho ny tenin\'Andriamanitra manambara izany lazainao izany dia diniho koa ny tenin\'andriamanitra nomeko anao nanazava izany (eo ambony)
Efa voazavako teo ambony daholo moa fa lazain\'i Niryna fa simba ny ordinaterany ka averiko indray:
Ny lainga nataon\'i satana voalohany t@ Eva dia hoe tsy ho faty ianao: ekena
fa ao anaty fiekem-pinoana koa misy hoe : inoana ny fiainana mandrakizay (everlastin life)
izaho :
Ary ny fofon\'ny ditin-kazo manitra mbamin\'ny vavaky ny olona masina dia niakatra avy eo an-tànan\'ny anjely ho eo anatrehan\'Andriamanitra.
novalian\'i niryna hoe:
niryna:ao anaty soratra masina io ry niryna.. jereo ny baibolinao na klikeo eto Apokalipsa 8:3-4
dia ahoana ,tsy tsofon\'ny rivotra ve izany,rahoviana vao tonga any
ikaretsaka:
2)iza no nanazava anao ny tantaran\'Andriamanitra sy ny baiboly?
niryna:
ka na ny nanoratra ny genesisy aza tsy hinoanao ka izay ho lazaiko ve hinoanao? Iza tokony ry ika
maninona tsy ny fanontaniako no novalianao fa naolakao?? honestly?:wink:
mba honest hoa fa izay no mahavoana anareo \"kristianitianim-poana\" itony
ny ahy aloha olona no nanazava ahy hoe inona ny atao hoe baiboly sns... fa tsy tonga dia amin\'izao fotsiny e!
aho:
3)Amin\'ny fomba ahoana no nidinan\'ny Fanahy masina tao aminao? tsy t@ nanoroana\'i Pasitera anao ve?
ianao aza tsy nahafantatra akory hoa inona izany Fanahy Masina izany raha tsy nisy nanoro ko!:roll:duh! sa koa mazii mazii de nahay ny fanahy masina i niryna
Ndeha hatao hoe tsy nanana zandry Jesosy, fa iza ndray no afaka hilaza ary fa tsy nanambady Maria? \"ary Nofo iray ihany izy roroa\"
efa maty efa ela Josefa ... ary efa kamboty ela i jesoa ary nanampy an-dreniny nanohy ny asan\'i Josefa .. izay izy vao nitory teny sy maty koa... ary naninona tao anaty baiboly tsy nisy hoe niteraka hafa na ni se remarier i Maria?
190. niryna
(
14/08/2007 20:06)
boraingy:
Hoy ianao hoe>
Ekena fa i Jesoa no intermediaire entre antsika sy ny Ray... ary mba iza no intermediaire entre antsika sy i Jesoa?
sao dia novolena io fa tsy sitrapon'Andriamanitra? Sao dia manampy ny brouillard io intermediaire io?
Ny ondriko mahalala ny feoko hoy ny Tompo. Fa tsy hoe mahalala ny feon'ny intermediaire-ko.
Averiko indray fa tsy afaka mamaly ny namana aho ka hiangaviako ianareo mba hamaly ny ankizy raha misy fanontaniana mba tiany ho fantatra.Antsasan'ny hafatra no voaraiko eto ary eto indray no mifarana.
:cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry::cry:
191. ikaretsaka
(
14/08/2007 21:49)
vakio ao ambony ao ny valin'io ry niryna fa efa voavaly io fa aza averimberina intsony
192. niryna
(
15/08/2007 12:49)
Ny anaran'ikaretsaka fotsiny no hitako eo fa izay nosoratanao dia fotsy hatramin'izao.Mba afaka hafindranao any amin'ny hafa ve izay nosoratanao fa tsy fantatro?