Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra.Ahoana izany?

141. fijo ( 03/08/2007 21:50)
aza miakatra izany fa ny hevitra akarina e
142. mbaliana ( 04/08/2007 09:26)
ka izy manompa ka...
143. tywa68 ( 04/08/2007 10:19)
tsy misy fisaorana e :-*

fijo : raha namaky h@ voalohany ianao d hazava aminao ny antony :-D

144. todisoa2 ( 04/08/2007 14:16)
Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra, araky ny Epistilin'ny Romana. Ny fitaratra no hany fomba ahafahantsika mijery manoloana antsika. Hita mibaribary eo daholo ny amintsika. Ny tenin'Atra dia lalàna sy fahasoavana. Ny lalàna no tena fitaratra. Io no miampanga antsika, mamandrika antsika @ izay ota ataontsika. Mpanota isika rehetra manoloana ny Lalàna ary tsy misy tafavoaka velona eo izany. Io no hevi-dehibe voalohany ambaran'ny Epistilin'ny Romana.

Misy anefa ny fahasoavana lehibe: Ny fanamarinana maimaim-poana azontsika nohon'ny finoana an'i Kristy Jesosy. Ny finoana dia azo @ alalan'ny fiasam-pahasoavana, dia ny Teny sy ny Sakramenta marina(Batisa sy ny Fanasan'ny Tompo).Ny fanamarinana eto dia midika ho ''isaina ho marina ''. Ny finoana ho voavela heloka marina no miteraka fanamarinana maimaim-poana. Avy eo, fahamasinana. Izany indray no hevi-dehibe faharoan'ny Epistilin'ny Romana. Vakio Rom. 6.

Eto dia hita fa fitaratra mamandrika ny @ntsika ny Tenin'Atra. Satria ny Lalana dia miampanga antsika @ ota vitantsika. Ny fahasoavana kosa, dia ny fanamarinana maimaim-poana hoan'izay mino Azy, ka voavela heloka, no hany fomba enti-manarona an'ilay fitaratra mpiampanga.

Misy tenin'i Lotera izay any, mitovitovy @ izao ilay izy:'' isika dia mpanota 100%, ary marina 100%.''Ny kristianina rehetra ka mino tokoa (izany hoe vita batisa marina, izarana ny sakramentan'ny Fanasan'ny Tompo marina ary voavelan'i Jesosy heloka tokoa dia isaina ho marina, izany hoe entin'i Jesosy am-pelatanany ny fahotantsika (izay enta-mavestra @ntsika). ka rehefa tonga ny faran,'Izao Tontolo Izao dia hisolo vava antsika Jesosy, hoy Izy: ''efa nohamarinina t@izany Izy, efa voavela ny helony. "
145. ikaretsaka ( 04/08/2007 19:52)

. Ny fitaratra no hany fomba ahafahantsika mijery manoloana antsika. Hita mibaribary eo daholo ny amintsika.

.dia ahoana ilay olona miteny anao hoe misy zavatra ny oronao ireny ry todisoa? tsy eo fa ny ilany?
146. niryna ( 06/08/2007 02:13)
niryna:

Ny tenin'Atra dia toy ny fitaratra ,raha mamaky,mijery,mianatra ary mamerimberina ny teniny.Ny tenin'Atra no mampiseho antsika ny zavatra tsy mety ataontsika ary ny fampiasana azy sy ny fianarana azy dia manampy antsika ny hanao ny marina,hiala amin'ny tsy mety.
Indraindray ny olona dia miresaka,miresaka ny tenin'Atra kanefa tsy mampiasa izany ary Jesosy efa nanao fanoharana fa aza miantsaravela-tsihy toy ny fariseo.Izay hafa ny teneniny kanefa lalan-kafa no hizorany.

Ity misy tantara kely iray:Mijery ny tarehiny eo amin'ny fitaratra izy fa tsy mahita.
Rehefa nijoro teo amin'ny fitaratra aho dia gaga fa tsy nahita ny tenako.Namaky soratra izay nahatonga ahy ahita ny momba ahy aho ka tsy tiako ilay izy.Nitanondrika aho,tsy niteny no tsy nivavaka akory.Nibitsika ahy mangina Atra"tokony hivavaka io olona eo amin'ny fitaratra io ianao."toy izy mivavaka ny hafa.Fantatro ny tiany ho tenenina satria nisy namako iray izay naniry ny mba hivavaka olona toy ny ataoko."tokony hiresaka teny fampaherezana @ io olona io ianao ,hoy Izy izay toy ny firesahany amin'ny hafa.".Toa tsapako ny tanany nihazona ny soroko ary niteny indray hoe"tokony ho tia an'io olona io ianao,tahaka ny itiavako azy".Nijery niatrika aho ary nijery ny tenako teo amin'ilay fitaratra.



Raha mijery eo amin'ny fitaratra isika dia mahita antsika eo foana,raha miala eo amin'ilay fitaratra anefa isika moa mahatadidy ny maha isika antsika?
Amin'ny fiainana anefa dia tokony ahitantsika foana isika,raha ara-pinoana izany dia tokony mila mino Azy sy mino fa na inona na inona manjo dia tsy miala Izy fa miaraka amintsika foana [I]Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafo anao akory [/i] Heb 13:5
Indraindray dia tsy miantehitra Azy fa ny fitadiavana Azy dia heverina fa fahalemena kanefa izay fitadiavana Azy izay indrindra no mahatonga antsika hanana hery sy tanjaka rehefa avy eo,tsy miantehitra amin'ny herin'ny tena irery. Amin'izay rehetra ataonao hoy Izy dia matokisa Azy fa ataony tanteraka izay irin'ny fonao. Sal 37:4-5 Ary miravoravoa an'i Jehovah hianao dia homeny anao izay irin'ny foanao.Ankino amin'i Jehovah ny llalanao ary matokia Azy fa hataony tanteraka.
147. niryna ( 06/08/2007 02:16)
[quote=ikaretsaka]

Jesus christ is the mediator between us and god...

and who is the best mediator between us and Jesus? hmm?:wink:

Jesosy no nanao ny miracle fa tsy Masina Maria.. marina fa tsy mpanao miracle izy fa izy no mpiteny sy mpivavaka ary mpiteny any @ janany hanao miracle ary nataon'ny zanany izay nangatahiny!...
"Lany ny divay fa mihetsika ianao Zanako.. alefaso ny miracle" dia nanao i Jesoa
:roll: nobaikony Izy izany fa tsy nanana fahefana feno tany amin'ny Rainy?
:cry:
148. ikaretsaka ( 06/08/2007 02:43)
niangaviany fa tsy nobaikoiny
149. niryna ( 06/08/2007 03:15)
ikaretsaka:



Voalaza ao amin'ny Soratra Masina (Salamo 16:10, Gen 3:19) fa vokatry ny ota no ahasimban'ny vatana, Izy misy fanahy sy nohasoavina nohon'ny vehivavy rehetra satria ny Tompo ao aminy... Vokatr'izay tsy fisiana ota eo aminy izay nonanadratana ny vatany teo no eo aorian'ny nahafatesany fa tsy lo!
Ao amin'ny soratra Masina dia bedebe ny milaza an'io ohatra vitsivitsy: Enoch (Gen 5:24; cf. Heb 11:5), Elisea (2 Mpanjaka 2:11), St. Paul (2 Cor 12:2,4)

Heb 11:5 mitantara an'i Enoka nalain'Atra inona no hidiran'i Maria amin'io?
Nalain'Atra izy ary tsy nandalo fahafatesana,kanefa ny olona tsy nivavaka taminy satria tsy afaka hivavahana izy .Toy izany koa izay rehetra velona ka maty tety an-tany.Mino moa ianao tsara tsy mino dia anao ny anao.Efa im-betsaka io no nivoaka ary ao anaty baiboly ,ny anao mety tsy misy izany na adinon'ny mpanoratra baiboly no nilaza azy.:D
Raha maty ny olona dia hiverina ho vovoka ary ny fanahy dia hiverina any amin'Atra.ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo,fa ny fanahy kosa hiverina amin'ATra Izay nanome iny Mpit. 12:7
niryna:


Moa ve mahatsiaro ny maty ary mbola afaka midera an'Atra ve izy?


Raha mbola velona ihany isika no mahatsiaro fa rehefa maty dia tsy mahatsiaro intsony,toy izany koa ny maty ,tsy afaka midera an'ATra intsony. Ny maty tsy mba hidera an'i Jehovah.Na izay midina any amin'ny mangingina. Sal 115:17, Miverena,Jehovah o! afaho ny fanahiko;Vonjeo aho noho ny famindramponao.Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana.Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao? Sal 6:4-5
150. niryna ( 06/08/2007 03:32)
ikaretsaka:


Aiza no misy mitantara fa nanan-janaka hafa naloaky ny kibony afa tsy ny Tompo i Maria ? Omeo source.

IZAO VAO HITAKO SY ANANAKO POROFO FA TENA TSY NAMAKY NY HAFATRA TALOHA TOKOA I NIRYNA FA NY AZY IHANY NO ASESISESINY!:D

Hay ve mahafavaly ny fanontanian'ny rehetra ato ianao e.Sambatra izany ianao koa,:roll::D raha hitango ny anantsinahy rehetra aza aho ho tapitra ny valim-panontaniana ato:roll:=))=))
ikaretsaka:

Eny..mila mpanelanelana sy mpanampy sy mpitantana isika hanampy antsika handeha eo amin'ilay lalana

Atra velona no ilaina fa tsy ny olona efa maty ery.Andaho ary antsoina daholo ireo maty ao am-pasana raha izany :
boraingy:

Lohateny : Re : Inona no mitranga rehefa maty ny olona?
Io resaka farany io no tokony hamarana ity adi-hevitra ity. Tsara ny mahalala satria raha ny tena izy dia Endrik'Andriamanitra no faniriany ho azontsika izay mino Ilay nirahiny dia i Jesoa izany. Andriamanitra anefa dia Mandrakizay ary nomeny ohatra i Jesoa. Andriamanitra no mahalala ny endri-tsika rehefa tonga ny ora, koa noho izany dia tsy tokony ho lasa saina amin'izany akory isika Kristiana fa ny anjarantsika dia ny manovo ny Fahalalana ka matoky izany mba tsy hisy ho very na dia iray aza.

Raha manana fahatokisana dia tsy hatahotra ny fahafatesan'ny nofo isika.

Ny Malagasy izay mbola tsy nino aza dia efa nahay nametraka ny fanahiny teo am-pelatanan'ny Nahary ary nanantena fisandratana amin'ny maha-razana ka hangatahan'ireo mbola velona fitahiana (koa izay no araraotin'i Satana hampisehoana ny matoatoa mba hinoan'ny olona ny razana). Mba ialana amin'ity farany ity dia mila miambina isika sao dia lasa ataon'i Satana fitaovana ny vatantsika sy ny fanahintsika an!

Aza afangaro ilay izy fa mampisavorovoro saim-bahoaka fotsiny ianao raha izany.


=D=D^:^
151. ikaretsaka ( 06/08/2007 04:02)
niryna:

[quote=ikaretsaka]
IZAO VAO HITAKO SY ANANAKO POROFO FA TENA TSY NAMAKY NY HAFATRA TALOHA TOKOA I NIRYNA FA NY AZY IHANY NO ASESISESINY!:D
Hay ve mahafavaly ny fanontanian'ny rehetra ato ianao e.Sambatra izany ianao koa,:roll::D raha hitango ny anantsinahy rehetra aza aho ho tapitra ny valim-panontaniana ato:roll:=))=))

ka ny ataonao mahatonga ahy miteny an'io anie dia matetika fanontaniana efa voavaly eo ambony na any @ dinika hafa dia mbola anontanianao ihany e!
mba vakiana ihany aloha ilay lazain'ny olona.. fa tsy modiana atao maso be tsy mahita dia iny ihany no averina anontaniana avy eo.
efa anaovana remarque an'io foana!
152. ikaretsaka ( 06/08/2007 04:06)
Atra velona no ilaina fa tsy ny olona efa maty ery.Andaho ary antsoina daholo ireo maty ao am-pasana raha izany :

inona ny olana? raha inoana fa akaikin'Andriamanitra izy ireny!
fa raha mbola miady ao @ afo fandiovana ny fanahiny.. dia hivavahana@ Andriamanitra sy angatahana Fanampim-bavaka amin'izay efa tsy ao intsony indray mba ho afaka ao!
153. niryna ( 06/08/2007 04:06)
ikaretsaka:


Aiza no misy mitantara fa nanan-janaka hafa naloaky ny kibony afa tsy ny Tompo i Maria ? Omeo source.

Aza afangaro ny rahalahy ao amin'ny Tompo sy ny rahalahin'ny Tompo:roll:
Ny iray ireo olona miaradia aminy sy manao ny didin'ny Ray hoy Izy:Rahalahy ao amin'ny Tompo,bretherens dia ireo tanisanao ireo.
Ny iray ireo naterak'i maria tao aorian'i Kristy.
Raha tsy manana rahalahy (half- brothers)izany Izy dia tsy manana reny ara-nofo koa.:roll:
Ary avy ny reniny mbamin'ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano,dia naniraka tao aminy hiantso Azy ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe:Indreo ,ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.Ary Izy namaly hoe:Iza no reniko sy ny rahalahiko?(tsy manana reny izy izany,tsy maria izany no reniny:roll:)...Indreo ny reniko sy ny rahalahiko.Fa na iza no manao ny sitrapon'Atra ,dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko[/u] :D:D:D Marka 3:31-34 Iza hono no reniny,ny rahalahiny,ary ny anabaviny?:idea:
Ity indray misy iray:
Ka hoy ny rahalahiny taminy.Miala eto, ka mandehana ho any Jodia ,mba ho hitan'ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao fa tsy misy olona manao zavatra amin'ny takona,nefa ny tenany mitady ho hita miharihary,raha manao izany zavatra izany Hianao,dia miseho amin'izao tontolo izaoFa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy Jaona 7:3
Inona izany teny gasy mazava be izany ,fa na dia ny rahalahiny aza dia tsy nino Azy,tsy niteny izy hoe ireo mpirahalahy ao amin'ny Tompo tsy nino azy,maivana ilay teny raha izany.
Aza afangaro sy atao mandeha any amin'ny HS foana ny resaka fa mampaleholo e.:*

Ity izy amin'ny teny anglisy fa mazava be toy ny volan-tantely. Jesus'brothers said to Him,You ought to leave here and go to Judea,so that your disciples may sii the miracles you.No one who wants to become a public figure acts in secret.Since you are doing these things show yourself to the world.For even his own brothers did not believe in Him. Tampina ny domy.Mino ianao tsara tsy mino moa ianao fa tianao ho taritina any amin'ny hafa ilay sujet toy ny fanaonao ka lasa mivoana izay hafatra nomen'ny Tompo dia anao ihany izany
His own brothers : sady pluriel no mbola misy hoe own.


ikaretsaka:

Profo profo! (ataoko Biblika aloha, tia azy manko i niryna)

Marina mihitsy izany satria tsy ny vava no handresena lahatra ny olona fa ny ao anaty baiboly kanefa moa ny anao mety tsy voasoratra ao dia ahoana izany k'le:roll:

ika:

Testamenta vaovao:
-ny Rahalahy voalaza ao @ Asa 3:17; Rom 9:3 dia ireo olona rehetra mpiray firenena
-Rehefa olona, na mpifanolo-bodirindrina dia natao hoe rahalahy (Mt 5:22; Lk 10:29)
-Olona mitovy tanjona dia natao heo rahalahy (Mt 5:47)
-Iray razambe, dia natao heo rahalahy (Acts 7:23,26; Heb 7:5)
-ny mpino rehetra dia natao hoe rahalahy (Mt 23:8; Acts 1:15; Rom 1:13; 1 Thess 1:4; Rev 19:10)

avadiko testamenta taloha indray!
- tantaran'i Lota: raha ampitoviana ny Genesisy 14:14 sy ny 11:26-7 dia i Lota izay nantsoin' Abrahama ho rahalahiny, dia "neveu-ny"
- i Jakoba dia niantso ny dadatoany, i Labana... ho rahalahiny(Gen 29:10,15)

Ka ireo tanisainao ireo no rahalahy ao amin'ny Tompo,izay kristiana na manara-dia Azy no atao hoe rahalahy sy rahavavy.
154. Rasiligaoma ( 06/08/2007 04:51)
sarotra tena sarotra..
aiza ao anaty baiboly no misy hoe rahalahy aoamin'ny tompo izany?

ary efa nisy nanazava teo
Ny teny hoe Rahalahy na Adelphos (Grika) dia midika hoe (next to kin)
Ny teny Hebrio sy ny teny aramaika dia tsy manana teny mahadika ny hoe "cousins" fa rehefa mifanakaiky sy mpihavana ny lahy dia mpirahalahy aby!

dia manampy kely aho:
Ny teny hoe reny koa toy izany! ny Tantine amin'ny Jiosy dia reny ihany no iantsoany azy (manontania namana Jiosy raha tsy mahatoky)

Raha mijery ny Joany 19:26-27 dia napetrak'i Jesoa tamin'ny mpianany ny Reniny fa tsy tamin'ny Rahalahiny, Raha nanan-jandry izy naninona no tsy napetrany tany @ zandriny?
155. Mandefitra ( 06/08/2007 10:52)
Raha mijery ny Joany 19:26-27 dia napetrak'i Jesoa tamin'ny mpianany ny Reniny fa tsy tamin'ny Rahalahiny, Raha nanan-jandry izy naninona no tsy napetrany tany @ zandriny?

Ndeha hatao hoe tsy nanana zandry Jesosy, fa iza ndray no afaka hilaza ary fa tsy nanambady Maria? "ary Nofo iray ihany izy roroa" (Josefa sy Maria io)
156. tywa68 ( 06/08/2007 11:22)
f'izany angaha manala sa mampitombo ny finoan'i Mandefitra an'i Jesoa ? mitady porofo vosoratra anaty baiboly hoe i Masina Maria ve nanambady sns ... :lol:
157. Mandefitra ( 06/08/2007 11:46)
ho ahy ve?tsy mampiova ka, fa mba mandinika ny tantara zay tsy voasoratra araky ny lazainareo kou ... mba fitia te hahalala zany e ... kely sisa zao de tonga ny 15 aout, de tsara ny hahafantarana ny zavatra rehetra : - tena Virijiny h@ farany ve Maria, sa fony nitondra an'i Jesosy tao ambohoka ihany?
- le assomption mo hoe ahoana tsara?
Toy le fanontaniana tatsy @ dinika hafa e ... tsy fanenjehana akory sanatria, fa mba fanontaniana manitikitika.
158. tywa68 ( 06/08/2007 12:24)
Ao ambadika ao ny sujets hafa mi-traiter-an'ireo fa avereno vakiana e :lol: mazotoa e
159. ari.malala ( 06/08/2007 12:58)
niryna, ary tsy novalianao mintsy mantsy ny fanotaniako?? sa tsy hitanao? ndraso alo averiko,

Dia inona kay ny atoan'i niryna eto? tsy manelanelana ny olona @ ATra v enao zao? enoa mitory sns, nefa d hoe JEsoa irery no lalnaa mankany am Ray... ts mila anoa anie zany ra i JEsoa IRERYa o lalana e!!! ary refa miteny ianao fa hivavaka hoan'olona iray d ts manelanelana koa v enao fa tonga d le ol mivantana no miresaka @ ATra? sa enao miteny hoe ndana tonga d Atra mivantana tenenina sa hoe ndana JEsoa mivantana tenenina fa izy no lalana mankany @ Ray??? fa manin refa izahay Katolika no mangataka @ olomasina hivavaka hoanay d ts mety ny intermediaire? ary hono hoa ry niryna, ts finoan'ny gasy v kay ny hoe mitahy ny razana??? sa nareo efa ts mino anzany tsony??? d zay hoa, averiko iany ny fanontaniako ts nasinao valiny hoe manin refa miteny enao hoe hivavaka hoan'olona iray, hitondra am-bavaka olona iray ts manin, fa manin refa ny Renin'Andriamanitra na ireo olomasina sy olon-tsambatra no angatahina hivavaka d ts mety, fa raha ny samy mbola mpanota aza milaza fa mifampivavaka mino fa handaitra iny vavaka iny d manin ny olona masina sy efa any anilan'ny Tompo no tsy mety??? mba valio azafady!!!
160. tywa68 ( 06/08/2007 13:46)
ari.malala : :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3161