bokin'ny Salamo

141. cutie ( 28/06/2007 22:29)
io ihany no tiako :D
142. marozevo ( 28/06/2007 22:33)
Ary raha hira protestant dia inona no tianao ?
143. cutie ( 28/06/2007 22:35)
le we "Maniry mafy ao " iny
hain'i marozevo ve ?
144. marozevo ( 28/06/2007 22:36)
Toa ohatran'ny tsy haiko indray io kooo...
145. cutie ( 28/06/2007 22:39)
hihihihihi
eric manana koa toa mihira an'io :lol:
alefako ao ao @ rvg raha misy ao @manaraka :lol:
146. cutie ( 28/06/2007 22:41)
misy ao @ rvg le izy fa refa hitako eto i marozevo @ manaraka de alefako e :lol:
147. marozevo ( 28/06/2007 22:49)
Mbola tsy haiko ny mampiasa ilay RVG.
148. cutie ( 28/06/2007 22:54)
http://radiovazogasy.com/
149. marozevo ( 29/06/2007 19:11)
Mbola tsy haiko ihany e...nandramako fa eh he...

Tsy olana ny amin'iny fa hay miadana eo ihany.

Aleo andro iray Andriamanitra ô
Aty an-tranonao, ho eto akaikinao
Toy izay arivo taona miaraka amin'ny olon-dratsy
Ps 84
150. cutie ( 29/06/2007 20:13)
in aza no sarotra @io ry marozevo fa tonga de cliquer-o daholo ny iray @ reo real player reo de maheno :lol:
151. marozevo ( 29/06/2007 21:02)
Efa henoko ilay RVG fa ilay mihaino Ankalazao ny Tompo tsy mety eh...
152. cutie ( 29/06/2007 21:06)
hay ve e
tsy haiko njay ny @ zany :lol:
153. marozevo ( 29/06/2007 21:18)
Efa mihaino RVG aho izao. Efa misy hira mandeha fa miandry kely hono vao mandeha ilay Ankalazao ny Tompo.
154. cutie ( 29/06/2007 21:25)
ah ok :lol:
ha ve le hira ankalazao ny tompo no alefa ao @ rvg e :lol:
155. marozevo ( 30/06/2007 21:42)
Ity ndray aza hira protestant eh... tiako be koa :

Onena anao ny Tomponao ry Adama sy Eva vaovao.
Voankazo efa nandrarana
indro fa mbola nangalana.
Sady ianareo anie tena sahy,
Fanahy iniana fa tsy hoe tsy nahy.
Efa voalaza hoe ratsy izany, atao ihany?

I Adama sy Eva anie tao an-tsaha
Raha vao nivoha ny masom-panahy,
ka nahita fa niboridana
dia lasa nandositra niridana.
Ianao kosa efa mihanjaka,
Hita fa tena mitanjaka.
Tsy miery fa vao maika mivoaka ho hitam-bahoaka.

sns.....

Dia miresaka Zakaiosy sy Saoly koa io hira io...

Tsara io anh...
156. cutie ( 30/06/2007 21:46)
tsy haiko io hira io :oops:
157. marozevo ( 30/06/2007 21:51)
Ao amin'ny hira fanampiny amin'ny FFPM io. Ho avy ny maraina no anaran'ilay Album. Misy diska efatra izy izay ka ny iray amin'ireo no misy azy. Asa na ao anaty RVG io na tsia.... OVAY no titre ary Laurent Rakotomamonjy no mihira azy.
158. cutie ( 30/06/2007 21:54)
njaso aza handramamko jerena ao @ rvg:lol:
ohtran'ny tadidiko tampoka :-D raha hiraina
159. marozevo ( 30/06/2007 22:19)
Ry Adama sy Eva vaovao,
Ovay ny fomba fanaonao.
Manàna fahatsiarovan-tena re
Ialao ilay nahavoa tao Edena.
Ndeha ka mitafia fiainam-baovao,
miankajoa fa aza manao toy izao.
Itafio Jesoa malala,
lamba fotsy toa oram-panala.

.....

Ry Zakaiosy vaovao,
Ovay ny fomba fanaonao,
Ihantona ambony fahotana foana ve ?
Hianjera eo ianao fa etsy ange.
Midina faingana, ampiantranoy Jesoa.
Lay nandalo tan-dàlan'i Jerikao.
Hitanao ny fahasambarana,
anio izy vohay varavarana.

.....

Ry Ngah' Saoly vaovao,
Ovay re ny fomba fanaonao.
Aza manenji-dava ny Tompo,
ialao io fa asa maloto.
Jesosy anie tia anao,
Ka izao re no tokony hatao,
Raiso izy anio fa tsy manavaka
Sa hiandry ho jamba ve ianao vao hivavaka ?




160. cutie ( 30/06/2007 22:28)
haiko ka :lol:
merci :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.8141