Ny firaisan'ny Kristianina eto amin'ny serasera

81. niryna ( 07/03/2007 08:01)
Fiffi:


Eny na dia hamakivaky ny lohasaha halokin'ny fahafatesana aza aho , dia tsy hatahotra ny loza aho fa Ianao no amiko................




Misaotra anao nampahery ny rehetra

82. niryna ( 07/03/2007 08:01)
hery:

Mety hisy hanoratra koa rehefa kelikely eo hoe "Tandremo fa tonga eto @ serasera ny evanjelistra." :-)





=))=))=))=))
83. niryna ( 07/03/2007 08:04)
Rasiligaoma:

fa finoana inona kay ilay manao foana hoe "antikrista" ireo izay tsy mitovy fisainana aminy?
toa tsy sahy milaza mazava foana io rehefa anontaniana fa lasa jongleur theologique foana?
menatra ny finoany ve sanatria?

Samy hafa ny fisainana ka ilay atao hoe anti-krista dia ireo izay mpanohitra An'i kristy.Tsy hiantso ny tenenao ho anti-kristy kosa aloha ianao raha tsy hifanohitra aminy e

84. niryna ( 07/03/2007 08:06)
patrick2002:

io ilay mahatonga ny fandrafesana io ,famaritana ny heriny satana sy ny Andriamanitra io :roll:.
Lazaina fa heriny satana izay rehetra tsy mitovy hevitra .

Amiko tsy mitombona izany hoe herin'ny satana izany rehefa tsy mitovy hevitra ilay olona.Fantatrao ny hoe herin'ny satana=herin'ny maizina.
85. niryna ( 07/03/2007 08:09)
Rasiligaoma:

fa finoana inona kay ilay manao foana hoe "antikrista" ireo izay tsy mitovy fisainana aminy?
toa tsy sahy milaza mazava foana io rehefa anontaniana fa lasa jongleur theologique foana?
menatra ny finoany ve sanatria?

toa mbola tsy naheno anarana finoana milaza hoe antikrista izany aho aloha e.Fomba fiteny fotsiny io ary efa voasoratra ao anaty baiboly fa ho avy ny olona hanohitra an'i kristy dia ireo no antsoina hoe ant-krista.

86. niryna ( 07/03/2007 08:11)
Rasiligaoma:

dia fisainana avy aiza sy antokom-pinoana inona no manao an'io fisainaan io?
aoka mba hisy hanazava fa tsy azonay

Efa nohazavaiko teo fa tsy antoko mpinoana io,izay fantatry ny hafa no tsy haiko.Tsy misy antoko mpinona manao io fisainana io izany fa afaka kosa izay mpitarika ao am-piangonana manambara ny fisian'io.

87. niryna ( 07/03/2007 08:12)
fijo:

za indray dia hiteny hoe tandremo fa efa io i ben laden kristianina ,mitandrema nareo kristianina,fa ireny tsy mahalala izany ady hevitra izany.fa avy dia jinja ,loha tapaka.



=))=))=))mampihomehy ahy mihitsy ianao ity ry fijo
88. niryna ( 07/03/2007 08:13)
LazaDaddy:

fijo> kanefa ianareo toa vao maika mavitrika mandray anjara? :)

Ka izay mampatahotra izay indrindra no hitsiritsirihany eo ambaravarakely:lol:

89. niryna ( 07/03/2007 08:18)
cutie:


kristiana liberal
kristiana conservatif
:lol::lol::lol::lol:

Hatramin'izao tsy mbola nisy nijoro vavolombelona nizara izay nomen'Atra azy.
Kristiana liberal io dia ireo izay tiany ho arahina ihany no arahina(libre (ny) la voix. Misy izany tsy resahiny fa hamavaininy
kristiana conservatif indray dia ireo manaraka ny ao amin'ny baiboly.Manaja izay voalaza.Ireo no fahalalako azy ry cutie

90. niryna ( 07/03/2007 08:20)
fijo:

laza,satria mbola misy maromaro ny tsy toa azy ireo ka.elahy ohatra dia tsy toa ireo.


Aza kosa e kristiana izy koa tsy mitovy ny kristiana aiza
91. niryna ( 07/03/2007 08:21)
Rasiligaoma:

lazadaddy> fa ahoana ity menatra amin'ny finoana ity aloha e..:wink:
za zao kristianina katolika apostolika ortodoksa dia hijoroako tsara!
i masindahy thomas no inoanay fa apostoly tonga nanely ny finoana kristianina taty aminay sy nandrindra ilay rafi-piangonana (ara tantara)

raha any m/kara dia eo behoririka akaikin'ny trano mampiely vaovao (librairie hachette taloha) no misy anay raha mba hijery

Tano ny finoana rasily a,rehefa miaraka aminy ianao tsy ho very mihitsy fa mahita vahaolana amin'ny fiainana foana

92. niryna ( 07/03/2007 08:24)
cutie:

satria ry fijo matahotra ny finoany ry zareo a :-D:-D:-D:-D
hany sisa atao sisa de ny manezingezina ihany sy manao tsianjery :-D

Tsy hany sisa izany aky cutie a izao vao manomboka ny tolona.Izaho koa aloha raha mahay tsianjery ny soratra masina izany dia tena hisaorako an'Atra e.Ny fahalalanao ny tenin'Andriamanitra mantsy dia hery lehibe ho anao hoentinao mitondra ny fiainanao.

93. niryna ( 07/03/2007 08:31)
fijo:

be anie rasily ny matahotra mijoro ato e.

Fa maninona no matahotra,mety tsy zakany ny tenin'ny olona dia aleony tsy mamaly, asa aloha e

94. niryna ( 07/03/2007 08:35)
ikaretsaka:

ny voamariko @ niryna indraindray dia rehefa sujet ato dia tsy vakiany mihitsy izay mifanohitra @ heviny... asa maninona angaha?
manao le fisainana hoe "rehefa tsy mitovy amiko dia antikrista " koa ve nirina sanatria


Tsy mitombona mihitsy izany,tsy afaka hitsara olona ianao afaka milaza izay teneniny ny tsirairay.
95. niryna ( 07/03/2007 08:40)
fijo:

ka i niryna anie tsy mpino fa manaraka e.izany hoe tsy misaina firy le hinoany izy,fa manaraka be fahatany izay lazaina sy asaina ataony.eo no loza


Tsy afaka hitsaratsara ny olon-kafa ianao.Toy ianao tsy mino an'Atra anao irery izany fa tsy misy tombony ho ahy.Izay ny finoanao dia tano.Tsy fantatrao izay ,momba ahy ka tsara ny tsy mitsikera ny olona.Kanefa moa efa mahazatra io fa tsy maitsy misy fahavalo ny olona dia izay izy izany.Ny ahy na iza tia ahy na iza tsy tia ahy,tsy manao alahelo ny olona mankahala ahy aho.Ny mivavaka ho azy aza no ataoko
96. niryna ( 07/03/2007 08:42)
naritsimba:

niryna> aiza ho aiza ianao @ ity tenin'ny Soratra Masina ity?

MATIO 5 : 43-48

43 Efa renareo fa voalaza hoe : " Tiava ny namanao" (Lev.19.18), ary mankahalà ny fahavalonao. 44 Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo, 45 mba ho tonga zanaky ny Rainareo Izay any an-danitra hianareo ; fa Izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy ary mampilatsaka ny ranonorana amin’ny marina sy ny tsy marina. 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo ? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va ? 47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va ? 48 Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.


Anjaranao no misafidy ny lalan-kizoranao, miezaha mampiseho toetra mendrika, tsy manaratsy ny hafa, fa kosa mitaona sy mandresy lahatra ireo izay tsapanao fa manana toetra tsy mety aminao.



Efa nandalovako io ary mipoitra izy ato,Ie tsy mankahala na iza na iza aho ary mihezaka ny ho tia ny fahavaloko koa izay ny tanjoko hatramin'izay.
97. niryna ( 07/03/2007 08:45)
rush:

mampandositra ianao ry niryna.


Andositra aiza ianao =))=))
98. niryna ( 07/03/2007 08:48)
lamie:

ny an'i niryna zany zay tsy kristiana dia devoly!samy manana ny finoany ny olona ka aza manambany ny an'ny hafa ianao, ary inona koa ty "manenjika"mananona e" sy ny sisa ty?samy milaza ny fijeriny fa aza terena ny hafa hanaiky ny hevitrao e!mba tianao koa io teny "devoly" io an!

Tsy mitombona ny fiampanganao ahy kanefa izany no fantatrao fa eritreritrao dia tazomy izany.Gy izay tsy kristiana dia devoly aiza koa no misy izany=))=))Samy milaza sy miteny izay fijeriny ny olona fa ny manome teny tsy ampiheverana no teneniko eto.

99. niryna ( 07/03/2007 08:52)
Fiffi:

ikaretsaka:
ny voamariko @ niryna indraindray dia rehefa sujet ato dia tsy vakiany mihitsy izay mifanohitra @ heviny... asa maninona angaha?
manao le fisainana hoe "rehefa tsy mitovy amiko dia antikrista " koa ve nirina sanatria
k'ita fa zay koh ! ny azy hiany no marina..ny an'ny hafa diso daholo...izy hiany no manana ny fahamarinana...




Ny olona kristiana tsy tokony hankahala ny kristiana mitovy aminy na hanenjika ny olona tsy mino ny tenin'Atra dia iny koa fa miaraka aminy.Amiko izany hoe kristiana izany dia manana fitiavana fa tsy fankahalana.Ny hevitra no samy hafa,ny fivavahana samy hafa fa raha mino an'i kristy izy dia izay no mikaonty amiko fa tsy hanana fankahalana izay noheveriny ho namany

100. niryna ( 07/03/2007 08:55)
lamie:

ny an'i niryna zany zay tsy kristiana dia devoly!samy manana ny finoany ny olona ka aza manambany ny an'ny hafa ianao, ary inona koa ty "manenjika"mananona e" sy ny sisa ty?samy milaza ny fijeriny fa aza terena ny hafa hanaiky ny hevitrao e!mba tianao koa io teny "devoly" io an!

odrryy ! Taiza indray izany=))=))=))=))Tiava ny fahavalona,aza manenjika izay manenjika anao,tsy anao ny famaliana hoy ny Tompo

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4662