Ny firaisan'ny Kristianina eto amin'ny serasera

41. niryna ( 01/03/2007 08:05)
naritsimba:

Fiffi< ny an'ny sasany ange tsy iainana ilay Soratra Masina fa amboamboarina araka izay mahamety azy @ tenany eh!

niryna> 46 Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valim-pitia azonareo ? Moa na dia ny mpamory hetra aza tsy mba manao izany koa va ? 47 Ary raha ny rahalahinareo ihany no arahabainareo, inona no ataonareo mihoatra noho ny sasany ? Moa na dia ny jentilisa aza tsy mba manao toy izany ihany va ? 48 Koa amin’izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo Izay any an-danitra.
MATIO 5: 46-48

Aiza ho aiza ny toerana misy anao eo anatrehan'io andalan-tsoratra masina io?



Maro dia maro ny size nampidirin'ireo olona tsy mino an'Atra ary mampisavorovoro ny lohan'ireo izay mbola mba te-hihaino ny tenin'Atra.Izay ny votoantin'ny teneniko ary nahatonga ahy hijoro vavolombelona.Satria misy ny manana maso fa tsy mahita ary manakona ny te-hijery.Saingy matetika izy mamaly tsy am-pandinihina no arahan'ny tsy mpino mitovy azy.
42. Fiffi ( 01/03/2007 08:10)
niryna:

Misy milaza fa kristiana kanefa mivavaka amin'i Jesosy sy ny Rainy ary mbola miampy hafa ihany koa.
quoi ? mais je rêve ou quoi ? fa andeha hivavaka @ iza indray raha izany ?

Fa hivavaka @ iza ny kristiana ry niryna ? tsy @ Jesosy sy ny Rainy zay Andriamanitra ve ? :roll:

O! ry zareo an ! mba ampio kely zah hoe andeha hivavaka @ iza kay ny kristiana ?


43. xxx ( 01/03/2007 08:18)
niryna:

Misy milaza fa kristiana kanefa mivavaka amin'i Jesosy
tena mitombona hiany ilay nolazain'ilay ranamana teto hatramin'ny voalohany hoe SECTE i niryna.
Kay tsy mivavaka @ Jesosy tahaka ny kristiana izy.


44. rush ( 01/03/2007 08:53)
maro izy ato no mifandrombaka rehefa voadona ny aty dia marary ny hafero.Rehefa manome hery ny namana tsy manoratra fa rehefa hanisy mitsangana daholo
io indray le fitsara fa mbola mitohy.
Mahazo miady hevitra isika fa raha hitsangana hanodikodina ny sain'ny mpino izay famonjena no tadiaviny dia izay no tiako ho tenenina
mitohy hatrany.
Mitsangana hamotika ,handrava ,hanasavoritaka ny finoantsika ireo anti-krista ato amin'ny serasera.
hatramin'ny voalohany.
Izay rehetra manohitra ny tenin'Atra dia anti=christ
mba jereo kely ity nolazain'i soanja ity
Ny ahy indray de hoe aza mba mino an'izany hoe hisy na misy ny antikrista satria izany hevitra izany dia efa milaza fanavakavahana sy fanilikilihana ary tsy fitiavana ny hafa tsy mitovy hevitra aminy. Manalavitra an'Andriamanitra ny fankahalana ny namana sy ny tsy mitovy fihevitra amin'ny tena.
=D=D=D :-w:-w:-w
Satria misy ny manana maso fa tsy mahita ary manakona ny te-hijery.Saingy matetika izy mamaly tsy am-pandinihina no arahan'ny tsy mpino mitovy azy.
mbola mitohy hatrany.

conclusion: zay tsy mitovy @ nao zany dia diso avokoa satria zao voalazanao rehetra izao no vokany.

Tsy hitsara koa aho fa Andriamanitra hiany no mitsara nefa ianao milaza hoe mpiandry sy mpampianatra.
Hivavaka ho anao aho.
45. rakaroka ( 01/03/2007 11:51)
sakaizakely:

hery:

Mety hisy hanoratra koa rehefa kelikely eo hoe "Tandremo fa tonga eto @ serasera ny evanjelistra." :-)


Ny an'i Hery no tonga mialoha =)) =)) =))





Ha!ha!ha:lol::lol:hi!hi!hi!=))=))
Merci Rahery nanokatra ilay site an!...:*:-*
Du moins manamora ny asanay "Evanjelitra"=))=))=))hoe
mitoria any Jodia sy Samaria sy any am-paran'ny tany...et grace à l'internet no ahafahana manatanteraka izany! intelligence mihitsy lé hoe
mampiasa ny fitaovana misy ny Evanjelistra ka!
=))=))=))=))
46. Rasiligaoma ( 01/03/2007 14:49)
rehefa tsy mitovy hevitra sy conviction sy doctrine aminao izy dia ataovy fotsiny hoe "anti-doctrine-ko" na "anti-conviction-ko" "na "anti-hevitro"
fa aza aza tsaratsaraina be fahatany fa tsy mety izany

ilay tenin'andriamanitra manko dia boky efa ho 2000 pejy ary mety samy hafa ny lazain'ny pejy 1200 sy ny 667 ohatra!
ka raha page 667 ianao mo ny sasany page 1200 dia mazava ho azy samy manana ny heviny vokatry ny zavatra novakiany! dia tsy tokony atao mihitsy ny miady hevitra @ izay!
47. prime ( 01/03/2007 16:07)
Fanontaniana goavana tokoa ny hoe ahoana ny firaisan'ny Kristiana eto amin'ny serasera...?
48. xxx ( 01/03/2007 16:24)
mi porna ve ity niryna ity sa ?

ary mety tsy ny sandrinao anie no nila fitsaboana fa ny sainao ? tsy mba nojerenao ve ?

Isan'ny liana amin'ny fomba firesany aho matetika fa ity farany ity toy ny hitako fa miteniteny foana izato izy.

Moramora ve aminao izany antéchrist izany ?

Ce sera pendant ce temps que naîtra l'Antéchrist, d'une religieuse hébraïque, d'une fausse vierge qui aura communication avec le vieux serpent, le maître de l'impureté ; son père sera évêque. En naissant, il vomira des blasphèmes, il aura des dents ; en un mot ce sera le Diable incarné ; il poussera des cris effrayants, il fera des prodiges, il ne se nourrira que d'impuretés.
Il aura des frères qui, quoiqu'ils ne soient pas comme lui des démons incarnés, seront des enfants de mal ; à douze ans, ils se feront remarquer par leurs vaillantes victoires qu'ils remporteront ; bientôt, ils seront chacun à la tête des armées, assistés par des légions de l'Enfer.


Tsy ny fitorianao ny teny Masina no imehezako anao, fa ity ianao hoatra ny tsy ary saina matetika
49. Fiffi ( 01/03/2007 19:49)
ohatran'hoe tsy de novakian'i niryna loha loatra zay voalaza rehetra teto ny fahitako azy......tsy nanakana azy handefa dinika vao2 indray zany......
50. fijo ( 01/03/2007 22:26)
ka izy efa gadra ny finoana ka,loza anie io gadra ny finoana io e
51. soanja ( 02/03/2007 01:50)
Fiffi:

ohatran'hoe tsy de novakian'i niryna loha loatra zay voalaza rehetra teto ny fahitako azy......tsy nanakana azy handefa dinika vao2 indray zany......


:-D:-D:-D:-D


52. ikaretsaka ( 02/03/2007 03:42)
ny voamariko @ niryna indraindray dia rehefa sujet ato dia tsy vakiany mihitsy izay mifanohitra @ heviny... asa maninona angaha?
manao le fisainana hoe "rehefa tsy mitovy amiko dia antikrista " koa ve nirina sanatria
53. naritsimba ( 02/03/2007 06:07)
niryna> ny tena tsara indrindra dia ny miezaka manantona an'ireo tsy mpino tahaka an'i fijo, satria tsy ho resinao lahatra mihitsy ny olona tahaka ireny raha tsy ampisehoanao ny toetra mendrika ny maha kristiana.
Zavatra efa niainako io ary mbola iainako hatramin'izao , iezahako foana ny mitaona olona hiditra any am-piangonana aloha na dia tsy mpino aza izy avy eo anjaran'ny fiangonana sy ny mpitondra fivavahana no manohy ny asa fa tsy avy hatrany dia hoe: tsy mpino iny ka aleo ho any, ampidirina ao am-bala aloha ny ondry dia avy eo miasa ny mpiandry ondry mba tsy ampihahaka azy.
54. fijo ( 02/03/2007 06:32)
raha misy zavatra mahaliana ahy anie any ampiangonana mety hoany ihany aho e.raha any soanja mety hoany aho.
ika an,tsyhoe sanatria fa efa izay mihintsy izy ka
55. Fiffi ( 02/03/2007 06:33)
ikaretsaka:
ny voamariko @ niryna indraindray dia rehefa sujet ato dia tsy vakiany mihitsy izay mifanohitra @ heviny... asa maninona angaha?
manao le fisainana hoe "rehefa tsy mitovy amiko dia antikrista " koa ve nirina sanatria
k'ita fa zay koh ! ny azy hiany no marina..ny an'ny hafa diso daholo...izy hiany no manana ny fahamarinana...

soanja: ka tena marina ange akia io eh ! raha zah aloha no nanao fahadisoana tahak'zao de voalohany indrindra dia miala-tsiny @ rehetra zah....mahatsiaro-tena fa nanao fahadisoana...iza nefa no tsy manao fahadisoana ? indrindra raha jerena ireo volazany ireo....de ny fandraisako azy de mbola ny azy hiany no marina fa ny an'ny hafa diso avokoa......


56. niryna ( 02/03/2007 07:29)
[quote=niryna]
Mitsangana hamotika ,handrava ,hanasavoritaka ny finoantsika ireo anti-krista ato amin'ny serasera.

Inona no atao hoe anti-krista? Izay olona manohitra an'i kristy.Izay milaza fa tsy misy Atra, omeo porofo
ny fisiany,ny tsy finoana an'i Jesosy,ny tsy manao na manaraka ny didiny.Ireo izay mamorona zavatra tsy mifanaraka ny baiboly (man made not God made),izay zavatra hinoana kanefa tsy ao anaty baiboly ary milaza hoe tsy izay voasoratra ao anaty baiboly ihany no tokony ho arahina fa misy tsy voasoratra ao dia mila manaraka izahay:P:P.

'James 4:7"Submit yourselves therefore to God .Resist the devil and he will free from you." Jakoba 4:5 Ka dia maneke an'Atra hianareo ary manohera any devoly,dia handositra anareo izy.






















57. niryna ( 02/03/2007 08:04)
[quote=niryna]
:P:P:P:P
Tsy misy miverindalana eo,efa tao anaty ny maizina izahay no navotan'ny tompo.NA IZA MILAZA FA TSY MISY A/TRA,EO AMINY TSY MISY FA AMINAY IZY EFA NISY,MISY ARY HISY FOANA IZY NO ATAO HOE ALAFA SY OMEGA ,NY VOALOHANY SY NY FARANY.
Tsy izaho mihitsy no tiako arahinareo izay manenjika ahy ato fa Jesosy no araho.Isika no mitady azy fa tsy izy no mitady antsika.Tia antsika tsy misy an-kanavaka izy saingy isika minia tsy mahita ny fahasoavana nomeny.HISAORY AZY NY FAHASOAVANA NOMENY AHY SY IANAO FA AZA FINARITRA NY MANENJIKA.MISY RAHA VAO MAHITA NY ANARANA NIRYNA DIA TENA ROMOTRA ARY MIANDRY NY FAHAVALO HANAFIKA.:roll:
Na rahoviana ianareo na rahoviana no hanenjika ahy tsy mampihontsona ahy izany satria aho manana an'i Jesosy tompoko sy mpanavotra ahy.Hoy ny teny manantona an'Atra dia hanantona anareo izy."Come near to God and he will come near to you."
Ity tompoko ny fampanantenana nomeny anay izay enjehina tsy avela hitory ny falazan-tsara ato amin'ny serasera.[u]SAMBATRA IZAY ENJEHINA NOHO NY FAHAMARINANA FA AZY NY FANJAKAN'NY LANITRA.MIFALIA SY MIRAVORAVOA IANAREO FA LEHIBE NY VALIM-PITIANAREO ANY AN-DANITRA ..[/U].
Ho antsika izay henjehina noho ny fanarahana an'i Kristy dia io Matio 5:11-12 io no fampaherezana iray nomeny antsika.Tadidio fa tsy eto ihany ireo mpanohitra sy milaza ny hoe tompoko,tompoko fa hatrany amin'izay alehantsika.Ny alika hono no manenjika fa tsy enjehina.Io koa dia hilazana ny olona izay tsy tia sy manaratsy ary mankahala.Tsy misy fantatro na iray aza ireo miaramilan'ny satana saingy faly aho namoaka ny tao am-pony sy nahitako izany hoe misy hery hafa fa tsy ny herin'ny ray ihany.Tsy manana fankahalana anareo aho fa mamela anareo rehetra izay manenjika ahy.Ny rano raraka hono tsy azo raofina ,vereno vakio daholo ny latsa,ny eso, ny fanebahana nataonareo ahy fa tsy nampirototra ahy ankory.Nalahelo fotsiny ihany aho ary malahelo anareo izay hiditra hianatra ny tenin'Atra kanefa nanaiky ny hery hanosika anareo hiverin-dalana.:*:*:*hoy niryna.

58. Fiffi ( 02/03/2007 08:35)
Tsy izaho mihitsy no tiako arahinareo izay manenjika ahy ato fa Jesosy no araho.
iza nefa no manenjika anao ? mba mahaiza fotsiny mahatsapa-tena rehefa manao hadisoana satria tsy olombelona enao!
MISY RAHA VAO MAHITA NY ANARANA NIRYNA DIA TENA ROMOTRA ARY MIANDRY NY FAHAVALO HANAFIKA
hay moa fahavalonao daholo zany ny olona zay tsy mitovy hevitra @ nao an ? Ary raha ohatra ka hitanao hoe raha vao mahita ny anarana niryna ny olona de rombotra...heu......inona ny antony ?
Na rahoviana ianareo na rahoviana no hanenjika ahy tsy mampihontsona ahy izany
raha mahatsapa tena fa enao fa misy manenjika , maninona nefa raha mba jerena kely ny antony ? sady IZA NO MANENJIKA ANAO ? ny rehetra eto lazainao fahavalonao ? satria enao hiany no masina ? tsy azo hahitsy ? tsy mba manao fahadisoana fa tonga lafatra ?
Ity tompoko ny fampanantenana nomeny anay izay enjehina tsy avela hitory ny falazan-tsara ato amin'ny serasera
fa iza no manenjika anao ? fa iza no tsy mamela anao hitory teny eto @ sera2 ? TADIDIO FOTSINY FA TSY ZAY LAZAINAO DE MARINA AVOKOA .....ka hany raha vao misy manohitra ny zavatra lazaiano tondé hoe MANENJIKA ???
.Ny alika hono no manenjika fa tsy enjehina.
DE NY OLONA ZAY MBA MILAZA NY HEVINY TSY MITOVY @ NAO KA RAISINAO HO MPANENJIKA ANAO ZANY DE ALIKA ???????????????????????
kanefa nanaiky ny hery hanosika anareo hiverin-dalana
hiverin-dalana ahoana zany ? SATRIA TSY NANAIKY NY ZAVATRA NATAONAO VE ??????
59. Fiffi ( 02/03/2007 08:40)
niryna:

Ny alika hono no manenjika fa tsy enjehina.Io koa dia hilazana ny olona izay tsy tia sy manaratsy ary mankahala.
GRAVE BE ZANY FITSARANAO NY OLONA ZAY TSY MITOVY HEVITRA AMINAO ZANY AN !!!!!!!
SADY MPANEJIKA , NO FAHAVALO , NO ALIKA , NO DEVOLY...


60. rush ( 02/03/2007 14:22)
mampandositra ianao ry niryna.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0822