mahazendana

81. LazaDaddy ( 05/01/2007 01:23)
ikaretsaka:
misy koa ao miteny hoe "ny sainao (stubborn) no mpamitaka anao voalohany indrindra"
LazaDaddy:
aiza izany "ao" izany ry ikaretsaka?
ikaretsaka:
ao anaty baibolinao ao
[size=14]Mandainga ikaretsaka[/size] =))
82. ikaretsaka ( 05/01/2007 01:25)
jereo ao amin'ny proverbs ao e
83. LazaDaddy ( 05/01/2007 01:26)
[size=14]dia mbola tsy menatra ihany[/size] =))
84. ikaretsaka ( 05/01/2007 01:52)
pfff andraso hijereko azy dia alefako eto ary
85. LazaDaddy ( 05/01/2007 01:53)
alefaso fa andrasako :)
86. ikaretsaka ( 05/01/2007 02:01)
za tsy mpitsimpona isan'andalana aloha an.. fa ny ahy ara contexte foana

zay ny tsy maha baibolista ahy

salamo iraika valopolo ary antenantenany ary euh 12 angamba izy zay


ooops kay koa mo laza tsy mamahy baroka!
87. ikaretsaka ( 05/01/2007 02:02)
feno ao @ baroka fa kay moa laza tsy mamaky bokin'i baroka fa apocryphes ireny
88. LazaDaddy ( 05/01/2007 02:05)
aiza re izany no tsy sahy aseho eto vakiana na dia iray monja aza e! :)
ary aziza koa ilay hoe
ikaretsaka:
ao amin'ny proverbs ao e
89. soanja ( 05/01/2007 02:22)
Hoy i Prime:" Fa ny an'ny faharoa no "mahazendana" tokoa satria tsy manana referansa loatra fa izay "bitsihin'ny fanahy" (hoy izy ireo) na ihany koa izay mety ho takatry ny saina ho izy (araka ny fahendrena) dia azo ambara izany fa ny fahalalàna ara-tsaina sy ao am-po ihany no referansa ka azo tsy ifantohana loatra ny baiboly... (hoe isaky ny misy zavatra dia ahoana hoy ny baiboly)"


Ny tena mahazendana ahy ry Prime de hoe ahoana ary ny fomba iresahan'Andriamanitra aminao. sa mbola tsy nisy izany fotoana izany? Ahoana ny fivoakany amin'io vatanao io? Sa ve eo ampamakiana baiboly eo no mitranga ilay communication sa ahoana? tena mba te hahafantatra aho. sa ve tsy misy Andriamaniatra (ilay fanahy) ao anatinao fa dia foana fa dia vatana ary tsy mino an'io ianao.
Tsy izany mantsy fa manaiky tanteraka ny tenin'i Rakaroka aho asa na aiza iny fa mbola hojereko, ilay izy miteny hoe efa hay par coeur le teny ao dia mbola iny ihany no abosesika amin'ilay olon, nefa amin'izao fotoana dia tsy izay intsony no tadiavin'ny olona fa zavatra azo tsapain-tanana ka ahafahany mampifandray ny tenany amin'Andriamanitra ary ahitany vokany mivaingana.
Asa na azonao ny tiako resahina na tsia.
Ny baiboly dia tena azo atao base tsara mihitsy ary raha Kristianina dia io no tokony vakiana voalohany avy eo, izay vao mandalina ny tantaran'i baiboly, izay vao mampihatra azy amin'ny fiainana sns fa tsy hoe isaky ny mamaky baiboly (manonona ilay teny ao)ianareo vao miresaka amin'Andriamanitra fa tsy afaka misy seho hafa ifandraisanareo aminy. Izy manko ny fahitako ity resakao ity satria tena bitsika mangina ao anaty tokoa ny zavatra tsapako rehafa miresaka amiko izy ary mino aho fa ny asan'ny atidoha no manome ahy izany fifandraisana izany. Io no antsoina hoe " Yullyo" ao anatin'i brain stem no misy an'io ao ary isika no mihaoana amin'Andriamanitra. Zany hoe ny resaka finoana rehatra dia ao no mitoetra sy miasa ary mivoaka ety ivelany amin'ny alalan'ny asa sy toetra sns.
Anao indray.

90. cutie ( 05/01/2007 02:41)
Ny tena mahazendana ahy ry Prime de hoe ahoana ary ny fomba iresahan'Andriamanitra aminao. sa mbola tsy nisy izany fotoana izany? Ahoana ny fivoakany amin'io vatanao io? Sa ve eo ampamakiana baiboly eo no mitranga ilay communication sa ahoana? tena mba te hahafantatra aho. sa ve tsy misy Andriamaniatra (ilay fanahy) ao anatinao fa dia foana fa dia vatana ary tsy mino an'io ianao.

io njay tsy mahazendana ahy fa efa zay ny fihevitry ny conservatif:lol:
91. ikaretsaka ( 05/01/2007 05:18)
za koa tsy zendana amin'io loatra intsony . mety tsisy an'io ry zareo ngamba ry soanja ko!
92. pissoa ( 05/01/2007 06:09)
Hihihi, tsy valian'i Prime io fa anontaniany fotsiny hoe ahoana izany hoe miteny Andriamanitra amin'izao.

Ilay izy koa anie tsy hoe amin'izao ihany no tsy marina ilay "Bible only" na "Sola Scriptura", fa efa hatramin'izay e ! Tamin'ny fiandohan'ny Kristianisma angaha nisy "Bible" izany akory, fa tonga Kristianina ihany, ary tena Kristianina ny olona tamin'izany sy isika amin'izao.

Mahazendana fa "Bible only" ony, nefa nosesefan'i Lotera ny filozofiany diso "fototra" ry zareo dia manaraka daholo. :-D
93. pissoa ( 05/01/2007 06:15)
LazaDaddy:

misy Tenin'i Jesoa izay hoe "tandremo fa betsaka ny mpamitaka"

Io toa tanisainao fotsiny nefa fa tsy arahinao akory. Efa atoro anao ny "sandoka" sy ny "fitaka"
Ny tsy hitovizantsika dia ny sasany manao hoe Baiboly = Andriamanitra/Jesoa,[...]

fa mbola minia mikipy sy tsy mitandrina ihany ianao. Sa moa rehefa hay tsianjery dia ampy fa tsy mila ampiharina akory. :-D:-D:-D

Heveriko fa ny zavatra toy izao tsy ilana ny "lohahevitra lehibe" resahin'i Prime. Efa manao boky ho andriamanitra ve mbola hiadiana hevitra ihany. :-D

94. ikaretsaka ( 05/01/2007 06:15)
zay le lazaiko hoe .. mba dadany kosa iny rangaha iny a
95. Rasiligaoma ( 05/01/2007 10:24)
Nifoha lery dia nampiesoniny ny vavalabemandry...
96. prime ( 05/01/2007 12:25)
soanja:
Ny tena mahazendana ahy ry Prime de hoe ahoana ary ny fomba iresahan\'Andriamanitra aminao. sa mbola tsy nisy izany fotoana izany? Ahoana ny fivoakany amin\'io vatanao io? Sa ve eo ampamakiana baiboly eo no mitranga ilay communication sa ahoana? tena mba te hahafantatra aho. sa ve tsy misy Andriamaniatra (ilay fanahy) ao anatinao fa dia foana fa dia vatana ary tsy mino an\'io ianao.
Tsy izany mantsy fa manaiky tanteraka ny tenin\'i Rakaroka aho asa na aiza iny fa mbola hojereko, ilay izy miteny hoe efa hay par coeur le teny ao dia mbola iny ihany no abosesika amin\'ilay olon, nefa amin\'izao fotoana dia tsy izay intsony no tadiavin\'ny olona fa zavatra azo tsapain-tanana ka ahafahany mampifandray ny tenany amin\'Andriamanitra ary ahitany vokany mivaingana.
... :)
Mitsiky aho satria raha olona tsy mino no manontany an\'ireo dia novaliako fa olona mino ka angamba ianao ihany dia mahavaly azy...
soanja:
Izy manko ny fahitako ity resakao ity satria tena bitsika mangina ao anaty tokoa ny zavatra tsapako rehafa miresaka amiko izy ary mino aho fa ny asan\'ny atidoha no manome ahy izany fifandraisana izany. Io no antsoina hoe \" Yullyo\" ao anatin\'i brain stem no misy an\'io ao ary isika no mihaoana amin\'Andriamanitra. Zany hoe ny resaka finoana rehatra dia ao no mitoetra sy miasa ary mivoaka ety ivelany amin\'ny alalan\'ny asa sy toetra sns.
... dia aiza ny Fanahy Masina no miasa raha ny saina no mibaiko sy mifehy ny tranga sy ny seho rehetra?
pissoa:
Ilay izy koa anie tsy hoe amin\'izao ihany no tsy marina ilay \"Bible only\" na \"Sola Scriptura\", fa efa hatramin\'izay e ! Tamin\'ny fiandohan\'ny Kristianisma angaha nisy \"Bible\" izany akory, fa tonga Kristianina ihany, ary tena Kristianina ny olona tamin\'izany sy isika amin\'izao.
... marina amin\'ny ampahany ny lazainao fa mandaliana kosa aloha vao milaza fa tsy \"sola sriptura\" ihany no fototra iaingàn\'ny protestantisma...:)
aho:
Ilay mahakristiana fotsiny aloha dia efa lohahevitra lehibe mihitsy... ny fandinihana ny mahasandoka na tsia dia mbola vao maika koa dinika lehibe mihitsy... satria na Kristy aza dia nanao fanoharana hafakely izay mikasika izany ka nitantaràny ny any am-parany eo amin\'ny vary sy ny tsiparifary... Matio 13:24-30
... izaho indray dia mahita hoe fototra mihitsy amin\'ny adihevitra tokony hatao io satria miverina foana ilay fomba fiady hevitra hoe inona marina ny toerana misy ny baiboly eo amin\'ny tsirairay...

97. LazaDaddy ( 05/01/2007 13:26)
soanja:
nefa amin'izao fotoana dia tsy izay intsony no tadiavin'ny olona fa zavatra azo tsapain-tanana ka ahafahany mampifandray ny tenany amin'Andriamanitra ary ahitany vokany mivaingana.
1) resaka finoana ve izy ity ry soanja sa resaka "fampirevena" olona @ izay tadiaviny?
2) Amin'izao fotoana izao": angaha miova araka ny vanom-potoana koa ilay "andriamanitrao"?
3)"Zavatra azo tsapai-tanana": Tsy nitsiky toa an'i Prime aho fa nalahelo nahita fa ianao no manoratra toa io :oops:
98. pissoa ( 05/01/2007 14:31)
prime:
... marina amin'ny ampahany ny lazainao fa mandaliana kosa aloha vao milaza fa tsy "sola sriptura" ihany no fototra iaingàn'ny protestantisma...:)

Izaho angaha moa miteny oe io na tsy io no iorenan'ny Protestantisma ! Mandaliana kosa aloha vao mamaly :°)
Tsy "Sola Scriptura" izany no hitenenan'Andriamanitra ary tsy "Sola Scriputra" izany no mahaKristianina tsara ny olona. :-D:-D:-D
99. mimich ( 05/01/2007 14:33)
LazaDaddy:

nisy hafatra izay nataoko hoe "ho an'ny mpanenjika Baiboly, inona marina no antony tsy itiavanao an'io Baiboly io?"

Ny nahagaga ahy dia maro be ny hafatra sy mpandray anjara t@ io dinika io tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy. :oops: Vitsy ny tena namaly ilay fanontaniana fa ny ankabeazany dia manodikodin-dresaka. Ary mbola mahazendana ihany koa fa "Baibolista" no sahy namaly ilay fanontaniana mivantana (oh: LazaDaddy, Exdadabe,...)


Ianao milaza fa tsy nisy namaly ny fanontanianao ny olona fa izaho ko dia mametraka hoe tsy mbola voavalinao ny fanontaniako we " inn no tianao holazaina amin'ny hoe "manenjika Baiboly" , ny mpandoroi , sa ny mpanitankitsaka , sa ny tsy mpino sa inn?? omeo aloha ny famaritana mazava an'iodia miainga avy amin'ny famaritana iombonana avy aminao ny mpandray anjara rehetra eto amin'ny dinika no hanome ny valin-teniny fa raha voafaritra mazava io dia hita hoe namaly na tsy namaly ny fanontanianao ny olona , ary hita soritra avy hatrany ihany koa hoe iza avy no mety azo lazaina ho mpanenjika Baiboly taminay namaly ny dinika.
Dia mbola averiko ihany hoe h@ zay aloha raha ny fahitako ny hevitra narosonao , na ny teto , na ny teo aloha dia "izay rehetra tsy mitovy hevitra aminao ny amin'ny fampiasana sy fiheverana momba ny Baiboly no ataonao hoe mpanenjika Baiboly" ka raha izay ilay famaritana dia maro zany ny mpanenjika Baiboly ato satria maro ny tsy mitovy hevitra aminao.

100. xxx ( 05/01/2007 15:16)
Hoy soanja:

\"nefa amin\'izao fotoana dia tsy izay intsony no tadiavin\'ny olona fa zavatra azo tsapain-tanana \"


Raha ny amiko dia izao no maharesy lahatra ahy izay hitako ao amin\'ny tenin\'ilay Andriamanitro velona:

\"fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.\" IIKorintiana 4:18

Mazava be izany teny izany amiko ary ny zavatra katsahiko sy izay mitovy hevitra amiko dia zavatra maharitra satria zavatra tsy hita ary tsy azo \"tsapain-tanana\".

Izahay tsy manohana ny \"Materialisma\".

Hoy Soanja :

\"..ary mino aho fa ny asan\'ny atidoha no manome ahy izany fifandraisana izany. Io no antsoina hoe \" Yullyo\" ao anatin\'i brain stem no misy an\'io..


Asa mety ho diso angamba aho, tsy maninona, fa amiko ny maha resy lahatra ahy dia ito voalazan\'ny tenin\'Andriamanitra ito:

\" Ary izay ao amin\'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon\'Andriamanitra.\" rom 8:8

>> Farany ho antsika izay manaiky fa ny voalazan\'ny Baiboly no hamantarana ny sitrapon\'Andrimanitra dia izao:

\"tsy mety raha miady ny mpanompon\'ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin\'ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin\'ny fahamoram-panahy; fa angamba Andriamanitra hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina, ka hody ny sainy ho afaka amin\'ny fandriky ny devoly, izay nanao azy sambo-belona hanao ny sitrapony.\" 2 tim 2:25-26

zo-etazonia.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0466