mahazendana

101. xxx ( 05/01/2007 15:56)
zo-etazonia: :wink:
102. xxx ( 05/01/2007 16:20)
1) resaka finoana ve izy ity ry soanja sa resaka "fampirevena" olona @ izay tadiaviny?
2) "Amin'izao fotoana izao": angaha miova araka ny vanom-potoana koa ilay "andriamanitrao"?
3)"Zavatra azo tsapai-tanana": Tsy nitsiky toa an'i Prime aho fa nalahelo nahita fa ianao no manoratra toa io

1) Tsy mampirevy angamba no izy fa mandresy lahatra.
2) Aza malaky mandray antendrony. Misoratra tsara io hoe "nefa amin'izao fotoana dia tsy izay intsony no tadiavin'ny olona". Sarotra be angaha izany no tsy hain'ny olo-mahay hoe ny olona no miova. Ka na manao ahoana na manao ahoana fiovan'ny olona, raha tena Kristianina ianao dia izay hahalalany an'Andriamanitra hatrany no atao fa tsy hoe izy no te hiova any ka tsy raharahako.
3) Eny azo tsapain-tanana. Fa malemy ny nofo, ka izay no ilana zavatra azo tsapain-tanana.

Sady mamaly ny tenin'i zo-etazonia ito.

Tsy voatery hanohitra an'Andriamanitra ny zavatra azo tsapain-tanana. Matetika mahavoa anareo io, rehefa misy teny hoe "nofo" na hoe "hita maso" dia toa midika hatrany hoe "devoly". Ianareo ihany nefa no manohitra ny tenanareo : Jereo ny karazana fijoroana vavolombelona ataonareo na ny sasany aminareo, fa tsy misy hafa tsy resaka ara-nofo. Taloha aho tsy ampy karama, na taloha izahay mivady miady lava, taloha aho narary lava ... Ka raha zavatra azo tsapain-tanana no manampy ny olona iray hino, tsy tokony hino ve izy ?

Tsy resaka materialisma izany io ry zo-etazonia, fa raha zavatra azo tsapain-tanana no isehoan'ny asan'ny Fanahy Masina amin'ny olona iray, dia ianao sy ny teoria "Sola Scriptura"-nao ve no hanohitra ? Inoako fa tsy ianao nefa no ndeha hiteny hoe tsy mahay miasa amin'ny azo tsapain-tanana izany ny Fanahy Masina.

Ny nofo ao amin'ny baiboly, dia tsy midika hoe "azo tsapain-tanana" na hoe "nofo = hena". Raha tsy izany dia ianareo ireo koa no isan'ny levona satria NOFO be mandendeha ianareo. Amin'ny teny anglisy ilay izy dia "human nature" no handikany azy.
103. soanja ( 05/01/2007 17:25)
LazaDaddy:

soanja:
nefa amin'izao fotoana dia tsy izay intsony no tadiavin'ny olona fa zavatra azo tsapain-tanana ka ahafahany mampifandray ny tenany amin'Andriamanitra ary ahitany vokany mivaingana.
1) resaka finoana ve izy ity ry soanja sa resaka "fampirevena" olona @ izay tadiaviny?
2) Amin'izao fotoana izao": angaha miova araka ny vanom-potoana koa ilay "andriamanitrao"?
3)"Zavatra azo tsapai-tanana": Tsy nitsiky toa an'i Prime aho fa nalahelo nahita fa ianao no manoratra toa io :oops:


LD> Inona aloha no famaritana ny "fampirevena" satria raha amiko io tena hafa mihitsy ny fitrangany. Raha izaho no mampirevy dia izao avy no ataoko: mandroso toaka, mividy drug de manome ny olona eo, manafatra mpivarotena na ny vatako no ampiasaiko amin'ny resaka isan-karazany tsy voatanisako eto sns izay ny mampirevy amiko ka , mety tsy mitovy ny fandraisanao ny azy sy ny tiako resahina.
Satria raha io mampirevy io dia alaviriko raha mampita ny tenin'Andriamananitra mba tsy hitenenako hoe "mitory" ny tenin'Andriamanitra satria ny mitory mantsy misy resabe eo anelanelany.
Ny asa, fihetsika ety ivelany, sy ny fahatoniana ety ivelany izay endrika ao anaty koa, sns ka raha io no tsy miasa aminareo dia tsy manahy mihisty fa tsy mitovy zany isika koo. Inona moa no azoko atao. Mahazo menatra sy malahelo ianareo fa zah mahafantatra ny ataoko sady Andriamanitra mahafantatra ny momba ahy any anaty.

-Ny Andriamanitra miovaova dia diso tanteraka Andriamanitra iray ihany fa multitask be izy. Raha izy no nanamboatra an-DRaolombelona dia fantany ny fomba hataony hifandraisany aminy. Ka raha miresaka global warming ny olona satria io no olana amin'izao fotoana izao dia hisy fomba hampisehoany fa miasa izy amin'zany olana izany ka manezaka ny olona hanova fombafomba sy asa tokony atao manoloana izany.

Ny hoe materialism na tsia dia tsy manahy mihitsy raha io no itsaranareo ahy, ny fantatro dia mila olona toa ahy Andriamanitra hampiseho fa tsy vitan'ny resabe sy toriteny lava any ampiangonana ny hisehoan'ny asatsarany fa amin'ny fiainana andavanandro koa.
Ny amin'ny alalan'ny vatako no hampisehoako ny FANAHY ato anatiko ary io fanahy io no mifandray amin'ilay Andriamanitra iray tsy toha. Ka asa re fa raha misy ny spritualite de zah anisan'ny mivoy an'io eto saingy tsy amin'ny alalan'ny blabala lavareny izay efa hay tsianjery fa ny fampiharana sy fampisehoana azy fa KRISTIANINA ianao.
Ahoana no ilazana (ny olona no mahita satria izy no mijery sy mahatsapa) fa Krstianina ianao?
Ny fitetezana trano ve? sa ny asa soa andanianao ny rondoha mba hanatsarana ny fiainan'ny mpiarabelona no sady hanamafisanao ny fanompoana sy fitiavan'Andriamananitra?

104. niryna ( 05/01/2007 18:46)
Raha resaka baiboly io no asian-tsika teny dia zavatra iray ihany.Andriamanitra telo izay iray.Ny zavatra hiainantsika rehetra dia notovozina tao anaty baiboly daholo,izao zavatra ataon\'ny mpanenjika baiboly izao dia efa nisy hatrany ampiandohan\'ny zanak\'olombelona.Aza gaga isika raha misy olona mitsivalana manohitra ny tenin\'Atra foana.Mbola tsy manana an\'i Jesosy ao am-pony izy ary manaiky ny herin\'ny maizina ao aoriany hanoro-hevidratsy azy.Tadidio fa nisaraka ny fivavahana kristiana noho ny antony tsy nifankahazoana hevitra sy ny antony nampidiran\'ny Romana katolika ny olona tsy mpino,miala tsiny raha miteny izany aho fa matetika sarotra ny milaza ny marina ary tsy maintsy misy hitsangana eo.Tsy ho etina amin\'ny fo tezitra fa ny zava-misy ao anaty baiboly no tenenina.Misy tsy mitovy ny baiboly satria misy ny fiangonana izay tiany ho tenenina ihany no tiany ho tenenina,misy maka ny andininy kely ao ka iny no velabelarany.Raha tsy mandalo fiangonana maro ianao mijery ny an\'ny hafa dia hizinginzina ny azy ihany izy.Ny faniriako sy ny vavaka ataoko dia ny famelankeloka sy ny famonjena izay omen\'Atra ho antsika tsirairay.Raha tsy mahita valiny mahafa-po ianao tsy maninona izany fa mivavaha ho an\'ireo izay manenjika ny tenin\'Atra sy izay mivavaka amin\'ny a/tra tsy izy.Hisy hiteny indray eo hoe inona indray izany a/tra tsy izy izany ry niryna?Aoka isika rehetra samy andinintena,tafiditra amin\'izany koa ny tenako.A/tra dia A/tra velona,raha mandeha miangona ianao ka tsy misy herin\'ny fanahy masina ao dia mitadiava fiangonana,aza misalasala.Tsy ny fiangonana rehetra dia fiangonan\'Atra daholo(Holy church),henoy ny toroteny raha mivoana, jereo ny fandaharana raha vavaka lavareny tsianjery fotsiny,tsy misy toronteny mampanentana mahatonga anao ahatsapa fa tsy mendrika ny hiantso ny anaran\'ilay Jesosy masina akory,jereo raha miantso ny namana hibebaka sy hanantona A/tra ny olona,raha tsy mahita fahitana ianao satria io dia efa toky nomeny ho antsika.Tsy mora io fa isika no mitady fa Izy efa nahalala antsika vao tao ambohoka isika.Koa aza kivy e,enjehina ianareo noho ny amiko hoy jesosy koa misaotra azy noho ny amin\'izany satria manome hery ho antsika izany fa mila azy eo amin\'ny fianantsika isika.Mety mahita taratra fiangonana tsy misy ny herin\'ny fanahy ianao raha ohatra izy ka manaiky ny fanambadian\'ny lahy sy lahy satria tsy nanao fahadisoana mihitsy A/tra raha nanao ny olona...isaky ny mahavita zavatra izy dia niteny hoe tsara.:D:D:D.Oops diso kely aho fa saika lahy ity nataoko kanjo vavy.Toy izany koa ny tsy manome ra ny fianakaviana rehefa marary,jesosy niteny tiava ny namanao tahaka ny tenanao ary raha ny fanomezana ra no andehanana any amin\'ny afobe ,tsy efa lasa any daholo ny olona.
105. xxx ( 05/01/2007 19:57)
Hoy i soanja:

\"Ka asa re fa raha misy ny spritualite de zah anisan\'ny mivoy an\'io eto saingy tsy amin\'ny alalan\'ny blabala lavareny izay efa hay tsianjery fa ny fampiharana sy fampisehoana azy fa KRISTIANINA ianao.


\"blabla lavareny izay efa hay tsianjery\" v no hisokajianao ny tenin\'Andriamanitra avy ao anaty Baiboly izay misy mba tian\'ny sasany hanorona hevitra eto?

safidy ny anao iny ary Andriamanitra izay nampanoratra ny Baiboly no aoka hitsara na marina ny voalazanao na tsia.

Raha atao hoe Kristianina aminao izany dia \"mpanao asa soa ary mpanadany ny rondoha mba hanatsarana ny fiainan\'ny mpiarabelona\"

Ary ahoana ny hevitrao amin\'ito fampianaran\'i Kristy izay lazainao fa arahinao:

\"Tandremo mba tsy hanao ny asan\'ny fahamarinanareo (asa soa) eo imason\'ny olona hahitany izany.
Koa amin\'izany, raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo anolohanao tahaka ny fanaon\'ny mpihatsaravelatsihy eo amin\'ny synagoga sy eny an-dàlambe mba hankalazan\'ny olona azy.
Fa hianao kosa, raha manao fiantrana, dia aoka tsy ho fantatry ny tànanao ankavia izay ataon\'ny tànanao ankavanana\" matio 6:1-3

za tsy milaza hoe ratsy ny asa soa. (e zany izy hoe asa soa) fa tsy hidedadedahana io ka hitenenanan hoe zah no tena Kristianina fa tsy iretsy manaja ny tenin\'Andrimanitra iretsy.







106. soanja ( 05/01/2007 21:09)
xxx>Mijoroa ho vavolombelona mahatoky an'i Kristy Tompoko raha tena Izy tokoa no ijoroanao eto.
Nahoana kay ianao no mifaina eo ambadiky ny xxx nefa ny zavatra tianao ampitaina zava-dehibe. I Kristy aza nanaiky mihitsy nofantsihana tamin'ny fijaliana mba hanavotany antsika. Matao ianao ambadik'io xxx io de mbola matahotra ianao ny momba anao. Tsy Kristianina izany amiko. Io jereo ny sariko io aho Soanja vonona ny hofantsihana koa amin'ny teny entiko ary ny asa ataoko. Mahazo mitsara ahy ianao fa i Kristy no tokiko.

Zava-poana amiko ny finoana tsy arahin'asa. Tsia, ny olona hanaovako soa dia tsy hahalala izay resahiko eto fa any ry zareo lavitra be any. Ny asa no manoloana azy. Adidiko ny mitondra ny hafatra toy ianao mitondra ny hafatra avy amin'Andriamanitra nefa ianao moa mazava fa miafina.

Ity misy teny mahasoa hozaraiko aminao ahafantaranao fa tsy balbala lavareny ny tenin'Andriamanitra rehefa arahinasa satria miditra ary mitoetra ao anaty.
Efa nahita ahy famonoana olona be dia be taty aminay ary tenin'Andriamanitra no netiny namitana izany. Blabala izany. Efa nahita aho olona lany fotoana miresaka ambony latabatra mandany fotoana mifanazava ny fahaizany ny tenin'Andrimanitra nefa ny fiainany andavanandro zara tsy mifanosina amin'ny biby. Izy no blabla lavareny amiko. Teny tsy arahinasa.
Tsy olona tonga hitsara ny hafa no mitondra ny teniny. Ny teniny dia mandaitra ary miasa fa matoa mbola mitsara ianao fa tsy manao ny anjara napetrak'Andriamanitra aminao dia mbola zavapoana izany.

"God has given gifts to each of you from hie great variety of spiritual gifts. Manage them well so that God's generosity can flow through you." 1 Peter 4:10

"Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samihafa izay an'Andriamanitra. Raha misy olona miteny, dia aoka izy hiteny toy ny milaza ny tenin'Andriamanitra; raha misy olona manompo, dia aoka izy hanao izany araka ny HERY izay omen'Andriamanitra azy; mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra amin'ny alalan'i JK; fa azy ny voninahitra syny fanjakana mandrakizay mandrakizay . Amen." 1 Petera 4:10-11
107. soanja ( 05/01/2007 21:14)
xxx> tadidio fa raha mahay ny tenin'Andriamaniatra ao amin'i baiboly ianao dia tsy vaovao amiko koa ny fahaizana an'io. Tsy tokony ho io ny ifandirantsika satria miova ny endriky ny tenin'Andrimaniatra raha io no atao fitaovana hifandirana sy ifampiderana.

Tia anao Andriamanitra, manaja Azy aho amin'ny fitiavany anao. Zah koa anefa mino fa tia ahy izy ary ato anatiko Izy.
108. rakaroka ( 06/01/2007 15:13)
ikaretsaka:

Dia izay izany no antony tsy itiavan'ny hafa ny Tenin'Andriamanitra


ataoko kosa angamba fa tsy nisy resaka fitiavana tao @ ilay nolazain' i rakaroka fa fandinihina


Tsy voatery volanina 'ngamba hoe ny fitiavana: tsy torina fa efaina, raha mikiry nanazava eto ao, satria
ao am-poko ao ilay Andriamanitra Ray mampianatra ahy
handeha @ lalan'ny fitiavana: fitiava-namana, mpiara-belona, ny tontolo!
T@ décembre teo aza nividy kitapo hoditra faran'izay LAFO mihitsy aho satria izay no tian'ny raiko mba itondrany ny Baiboliny hono, fony izy namangy ahy taty!...
tam-pitiavana tokoa ny nanaovako ny fampianarana sekoly hatrany Mcar fahiny ka hatraty teo aloha aza fa tsapako tokoa ny mahasarotra sy tsy mampiety ny "conception"n'ny fiangonana pour l'instant dia aleoko misintaka @ fiangonana aloha...asa miandry ny toa an-dry Soanja
'ngamba aho vao hiverina !...



109. ikaretsaka ( 06/01/2007 15:32)
mitovy fijery isika rakaroka
110. Zina ( 07/01/2007 00:44)
cutie [ Valio ] 05-01-2007 01:14:09
Lohateny : Re : mahazendana
freako kristian
right wing freako kristian


YOU BETTER WATCH OUT !!!!
111. cutie ( 07/01/2007 00:51)
watch out @ in :roll::roll::roll:
112. ikaretsaka ( 07/01/2007 02:30)
averiko indray fa tsy ny fahaizana baiboly no hitsarana antsika rehefa tonga izay andro izay fa ny fahazantsika mifandray amin'andriamanitra

tsy ny nataontsika izay voasoratra ao anaty baiboly ihany no hitsarana antsika fa ny nataontsika REHETRA

tsy ny maha freako christian antsika no hidirantsika any an-danitra fa ny fanaovantsika ny vantatsika ho tempoly mendrika an'andriamanitra.

" ho mendrika hanaovan'andriamanitra tempoliny ao anatiny ao ve ny nanaovanao ny vatanao ?

io no inoako fa hitsarana anao fa tsy hoe inona ny voalaza ao @ bokin'i anona toko faha anona?
113. Achia ( 07/01/2007 16:28)
Ka tena mino ve i karetsaka fa tena tempolin'ATRA tokoa ny tenantsika , toy ilay tempoly nampanaovina an'i Mosesy ?
114. soanja ( 07/01/2007 19:59)
Achia:

Ka tena mino ve i karetsaka fa tena tempolin'ATRA tokoa ny tenantsika , toy ilay tempoly nampanaovina an'i Mosesy ?


Achia ity ny milaza izany.

"Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Yaveh efa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra. Efa naniraka ahy hahasitrana ny torotoro fo izy. Ary hitory fahafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizaina ho amin'ny mazava." Izaia 61:1


115. soanja ( 07/01/2007 20:10)
Ity ny tena mahalaza azy koa

1 Korintiana 6:19 "Ahoana ary? Moa tsy fanatatrareo fa ny tenanareo dia dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? Ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olomboavidy hianareo, koa dia mankalaza an'Andriamanitra amin'ny tenanareo."
116. Zina ( 07/01/2007 21:31)
oy i Ikaretsaka:
tsy ny maha freako christian antsika no hidirantsika any an-danitra fa ny fanaovantsika ny vantatsika ho tempoly mendrika an'andriamanitra

hummmm:-w:-w:-w:-w lasa hafa ndray zany famaliana izany...angaha lasa isika fa tsy nareo intsony8O8O8O8O8O8O8O
117. Zina ( 07/01/2007 21:33)
cutie [ Valio ] 07-01-2007 01:51:39
Lohateny : Re : mahazendana
watch out @ in

mahaiza manaja olona...
118. soanja ( 08/01/2007 05:46)
rakaroka:

ikaretsaka:

Dia izay izany no antony tsy itiavan'ny hafa ny Tenin'Andriamanitra


ataoko kosa angamba fa tsy nisy resaka fitiavana tao @ ilay nolazain' i rakaroka fa fandinihina


Tsy voatery volanina 'ngamba hoe ny fitiavana: tsy torina fa efaina, raha mikiry nanazava eto ao, satria
ao am-poko ao ilay Andriamanitra Ray mampianatra ahy
handeha @ lalan'ny fitiavana: fitiava-namana, mpiara-belona, ny tontolo!
T@ décembre teo aza nividy kitapo hoditra faran'izay LAFO mihitsy aho satria izay no tian'ny raiko mba itondrany ny Baiboliny hono, fony izy namangy ahy taty!...
tam-pitiavana tokoa ny nanaovako ny fampianarana sekoly hatrany Mcar fahiny ka hatraty teo aloha aza fa tsapako tokoa ny mahasarotra sy tsy mampiety ny "conception"n'ny fiangonana pour l'instant dia aleoko misintaka @ fiangonana aloha...asa miandry ny toa an-dry Soanja
'ngamba aho vao hiverina !...






Any Rakaroka sy Ikaretsaka ary ny hafa,

Hotahian'Andrimanitra anie ianareo ary enga anie ilay Andriamanitra ao anatinareo hanome hery bebe kokoa anareo amin'izay katsahinareo amin'ny fanaparitahana ny teniny sy ny asany.

Tsy mianatra ho mpitandrina na hitory vaovao mahafaly na hitarika fiangoana akory aho fa mianatra tsotra ho famonjena ny fanahiko izay hitako fa mila fikatsahana mafy an'Andriamanitra ary te hahita ny mazava.
Manentana anareo koa aho hanao izany.
Ny asako no mitaky ny fahaizako ny zavatra ianarako. Ka tsy amin'ny alalan'ny religion ny ho fivoakan'ny endriky ny fianarako raha vita fa hifandray amin'ny fampianarana ny zanantsika sy ny tanora ary ny rehetra izay te hahafantatra ny atao hoe Peace Education sy ny spirituality eo anivon'ny sekolim-panjakana na tsy fanjakana izay tsy manaiky ny fidiran'ny fivavahana any an-tsekoly. Aty US moa mazava ho azy no hampiharana azy voalohany. Ka ireo rehetra ireo dia hadika amin'y seho hoe " mandringa ny fampianarana raha tsy mahatsapa fa Fanahy, endrik'Andriamanitra ny zaza ary ny zavatra katsihiny voalohany dia ny fahatsapana izany mahaFanahy azy izany, eo anivon'ity tontolo somary manomboka misahotaka ity. Mila lamina arahiny izy mba ho tontosa izany." Dia amin'io no anjara asako. Tsy mora ary tsy ho lavorary satria zah koa aza tsy lavorary. Saingy mahatoky isika rehetra fa mitantana Andriamanitra sa tsy izay. :-*:-*:-*:-*


119. cutie ( 08/01/2007 15:08)
Mpandefa : Zina [ Valio ] 07-01-2007 22:33:02
Lohateny : Re : mahazendana
Voalaza teo :
cutie [ Valio ] 07-01-2007 01:51:39
Lohateny : Re : mahazendana
watch out @ in

mahaiza manaja olona...

mahatsiaro tsy voahaja nga
sa voalazan'ny baibolinareo koa io :lol:
120. Zina ( 08/01/2007 17:50)
za angaha niteny oe mahaiza manaja ahy???? aza mba maivava otran'io fa
io vavanao io mbola hiverina aminao ndray andro fa tandremo fotsiny....
Ary avelao ny baiboly ipetraka tsara amin;izay toerany...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0676