mahazendana

1. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:01)
nisy hafatra izay nataoko hoe "ho an'ny mpanenjika Baiboly, inona marina no antony tsy itiavanao an'io Baiboly io?"

Ny nahagaga ahy dia maro be ny hafatra sy mpandray anjara t@ io dinika io tao anatin'ny fotoana fohy dia fohy. :oops: Vitsy ny tena namaly ilay fanontaniana fa ny ankabeazany dia manodikodin-dresaka. Ary mbola mahazendana ihany koa fa "Baibolista" no sahy namaly ilay fanontaniana mivantana (oh: LazaDaddy, Exdadabe,...)
novalian'i cutie ny 26/01/2007 16:41
2. soanja ( 04/01/2007 05:18)
Normal kosa aloha raha izay no hevitr'i LD satria izay valiny andrasanao ihany no hitanao fa marina/nahavaly ka.
That's the trick about asking questions here. We already had the answers in our mind. Sarotra be io fa dia mirary anareo nametra io sokajy io hahazo fahazavana izany.
LD a, ny tsy hampitovy ny hevintsika dia ny hevitro hoe "Betsaka ny lalana natoron'Andriamanitra hamonjentsika azy fa ny tanjona IRAY ihany, ny ahazahonatsika ny fahasoavany izay ho firaisana aminy mandrankizay, dia tsy inona moa fa ny famonjeny." Soanja.
Mahereza hatrany amin'ny niantsoana anao fa tsy hotsinotsinoaviko akory izany.:-*:-*
3. ikaretsaka ( 04/01/2007 05:20)
voavalin'i soanja ny fanontaniana
4. soanja ( 04/01/2007 05:27)
Ikaretsaka homba anao lalandava anie ny Tompo!:-*:-*
5. pissoa ( 04/01/2007 05:29)
Normal kosa aloha raha izay no hevitr'i LD satria izay valiny andrasanao ihany no hitanao fa marina/nahavaly ka.
^:^^:^^:^
6. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:31)
Soanja> ilay fanontaniana hoe inona ny antony? Dia tsy misy sahy mamaly hoe inona fa manova resaka no ahatongavan'ny sasany ao...asa tsy tiana ho fantatry ny namana ve ny antony? Misy aza moa milaza fa tsy misy izany mpanenjika Baiboly izany (izay notsoriko mivantana fa hevitr'i Satana)...
7. ikaretsaka ( 04/01/2007 05:32)
ny tena mainka mahazendana aza dia tsy mahay sy mila ny hevitry ny hafa matoa manontany..
fa ity raha ity mifamadika ambony ambany mihitsy

if you already know the answer, why ask?

any aho no zendana fa aza omena tsiny
8. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:36)
ikaretsaka> mazava be anie ilay fanontaniana ao e.:) araka ilay nambarako an'i Soanja hoe inona ny antony? Dia tsy misy sahy mamaly hoe inona fa manova resaka no ahatongavan'ny sasany ao...asa tsy tiana ho fantatry ny namana ve ny antony? Misy aza moa araka ny fitadidiako nilaza fa tsy misy izany mpanenjika Baiboly izany (izay notsoriko mivantana fa hevitr'i Satana)...
9. soanja ( 04/01/2007 05:37)
Ny mpanejika baiboly tokoa aloha dia fihevitr'i satana. Marina izany.
Fa raha tena mandalina ny resaka ao ianao dia ahita fa tsy manenjika ny baiboly ny hafa fa manamafy ny hoe "tsy ao amin'i baiboly irery no ahitana ny tenin'Andriamanitra." Izay mino aho fa tsy ekenao e! sa ve diso zah?
Eo no misampana ny lalantsika ry LD de any amin'i Kristy isika no mihaona ampifaliana sa ahoana?:D:-*:-*:-*
10. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:40)
soanja> ka ireny dia manova resaka no ahatongavany ao fa tsy mamaly ilay fanontaniana koa :)
11. ikaretsaka ( 04/01/2007 05:41)
saika hiteny aho .. fa ny an'i soanja foana no lasa voalohany... ary ny ambangovangon'ny saika lazaiko no voalazany
misaotra soanja [size=10px](rahoviana aho no mba voalohany?)[/size]
12. soanja ( 04/01/2007 05:45)
LazaDaddy:

soanja> ka ireny dia manova resaka no ahatongavany ao fa tsy mamaly ilay fanontaniana koa :)


Io de ekeko ry LD satria misy manana specialite momba an'io ato ary amin'ny hevitra rehetra fa tsy ny eto amin'ny finoana ihany. Nefa atao ahoana fa izay ilay mahasarotra ilay asa fampitana (getting through communications in wise and efficient ways).Maheraza hatrany. Mila mandeha amzay zah fa efa ela loatra teto sao misarabady eto marina.:-*:-*


13. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:46)
soanja> tsy ny manenjika Baiboly ihany no ataoko hoe fihevitr'i Satana fa fitaka ataony koa ny filazana fa "tsy misy izy" na hoe "tsy misy an'izany mpanenjika Baiboly izany".
14. soanja ( 04/01/2007 05:47)
ikaretsaka:

saika hiteny aho .. fa ny an'i soanja foana no lasa voalohany... ary ny ambangovangon'ny saika lazaiko no voalazany
misaotra soanja [size=10px](rahoviana aho no mba voalohany?)[/size]


Ikaretsaka a, you will be in front of me when we are in front of Christ! I will let you first. Trust me! :-*:-*


15. pissoa ( 04/01/2007 05:49)
Misy fanontaniana tsy novalianao tao amin'ilay dinika : Inona ilay mpanenjika baiboly. Dia tokony hahazendana ve raha tsy voavaly ny fanontanianao rehefa tsy mamaly ny hafa ianao amin'ny fanazavana tadiaviny ... zendana amy tsisy dikany :-D:-D:-D
16. LazaDaddy ( 04/01/2007 05:53)
pisoa> raha tsy diso ny fitadidiako @ maha-antitra ahy dia efa novaliako tsara io :) ary hofintiniko eto.

Mpanenjika Baiboly: mankahala sy manenjika an-kolaka ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao @ Baiboly. Misakana na mi-intimider olona tsy hiresaka izay voasoratra ao:-*
17. ikaretsaka ( 04/01/2007 05:55)
zay no nahagaga ahy anie
nanontaniana izy hoe inona no tiany lazaina @ ilay hoe mpanenjika baiboly... io aza tsy voafaritra mazava sy nazavainy misimisy kokoa..

dia tsy azo ilay fanontaniana fa samy manana ny eritreriny ny olona
18. pissoa ( 04/01/2007 06:06)
Diso ny fitadidinao angamba. Ny hitako misoratra farany tao mantsy dia hoe
lazadaddy> za mbola tsy azoko fa izaho tsy dia intelligent be ohatranao.. inona ny tianao lazaina @ ilay hoe "mpanenjika baiboly""?
mbola tsy novalianao anie io


LD:
Mpanenjika Baiboly: mankahala sy manenjika an-kolaka ny Tenin'Andriamanitra voarakitra ao @ Baiboly. Misakana na mi-intimider olona tsy hiresaka izay voasoratra ao

Eto zany le famaritana vao ... Ka ahoana ilay manenjika ... :-D:-D:-D
Raha io indray le famaritana dia tsy mahagaga raha tsy nisy namaly satria isika mpidinika eto dia Kristianina ary manaiky ny Baiboly daholo. Ny tsy hitovizantsika dia ny sasany manao hoe Baiboly = Andriamanitra/Jesoa, moa ny sasany miteny hoe tsia - tsy Andriamanitra ny Baiboly fa Boky manampy antsika hikatsaka an'Andriamanitra.
Izany hoe tsy miantefa aminy ilay fanontaniana fa mba nipasoka ny efa nalama izy.

(Toy ny size nivadika rehetra refa tsy mazava e :-D )
19. pissoa ( 04/01/2007 06:07)
pissoa:
Raha io indray le famaritana dia tsy mahagaga raha tsy nisy namaly satria isika mpidinika eto dia Kristianina ary manaiky ny Baiboly daholo.

Ankoatra ny tsy Kristianina mazava ho azy, fa ry zareo moa efa nalanao tao @ ilay dinika.:-D:-D:-D
20. LazaDaddy ( 04/01/2007 06:10)
pissoa:
Raha io indray le famaritana dia tsy mahagaga raha tsy nisy namaly satria isika mpidinika eto dia Kristianina ary manaiky ny Baiboly daholo.
manaiky ny Baiboly ahoana ry pissoa?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097