homo

61. cutie ( 15/11/2006 01:52)
Ny fiangonana mankasitraka an'ireny dia tsy fiangonan'Andriamanitra velively. Ireny fiangonana ireny dia "abomination that causes desolation".

ahoan no ilazanao an'zany , enao nga nahita anzany fiangonana zany :roll::roll:
62. LazaDaddy ( 15/11/2006 01:56)
cutie> Ny Tenin'Andriamanitra no ataovy "reference" (standard) dia hisokatra ny masom-panahinao.
63. cutie ( 15/11/2006 01:59)
ny tenin'Atra koa no ataovy reference de ho hitanao fa God loves everybody:lol::lol::lol:
64. LazaDaddy ( 15/11/2006 02:02)
cutie> aza atao reference tapatapany fa ataovy reference feno!
God loves everyone and He is patient for all people to repent of all sins.

Tia antsika rehetra Andriamanitra ka noho izany fitiavany dia halany ny fahotana.
65. cutie ( 15/11/2006 02:08)
ka tsy haiko ny tohiny ka
lasa hifampitory eto njay ve isika e :-D

Tia antsika rehetra Andriamanitra ka noho izany fitiavany dia halany ny fahotana.

nefa tsy zay le laizanareo ery ambony ery

Rom 1: 25-32
Likewise also the men leaving the natural of the woman, burned in their lust for one another, men with men committing what is shameful, and receiving in themselves the penalty of their error which was due.....those who practice such things are worthy to death not only do the same but also approve of those who practice them....


66. LazaDaddy ( 15/11/2006 03:04)
lasa hifampitory eto njay ve isika e
hifampitory fitiavana ve? Za hetero sady Daddy :-D:-D:-D
67. Fiffi ( 15/11/2006 06:20)
cutie:
satria ry zareo mbola miaina an'le lazain'ny baiboly e.
izay no maha-Kristiana azy ireo !


68. tsingy ( 15/11/2006 09:29)


tonga d "NO COMMENT" ami silamo le size:-D:-D:-D:-D
69. Fiffi ( 15/11/2006 09:35)
mahagaga mihintsy ....
70. majesty ( 15/11/2006 09:39)
Hoy tsimiandravola:

Mino aho fa ny kintana no niandohan'ny zava-manan'aina rehetra.Ireo "éléments" (singa) rehetra mirafitra amin'ny zava-miaina sy tsy miaina rehetra dia avy amin'ny kitana nipoaka (cf explosion stellaire,supernova,nébuleuse...)


Dia iza ndray kosa ary zany no namorona an'io kintana niandohan'ny zava-manan'aina rehetra io,d fa maninona no tsy misy zava-manan'aina hafa miforona ntsony nefa ny kintana toa mbola bdb eny ambony eny?8O

Raha ny fiainana kristiana no arahana (izay voalazan'ny baiboly)dia izao no voalaza ao amin'ny genesisy any rehefa nasaina nitady vady sahaza ho azy Adama t@ zava-boahary rehetra dia tsy nahita,ny antony dia nasehon'Atra azy fa tsy misy mendrika ny ho vadiny ny zava-boahary toy ny biby sns ka teo no namoronan'Atra an'i Eva izay vehivavy ho vady sahaza ho azy ary narahany tso-drano hoe "maharoa fara,mihabetsaha ary mamenoa ny tany"

Raha raisina ndray ny hevitry ny fisainan'olombelona (open minded)dia mifanohitra tanteraka amin'ny voalaza eo ambony io satria ohatra amin'ny sasany tsy mampaninona raha misy mpivady hafa mitady couple hafa hiarakana (couple echangiste),na tsy mampaninona amin'ny sasany ny mahita homo na lesbienne,na olona manambady biby tsotr'zao mintsy aza satria zay le hoe "open minded"

Raha fehezina izay voalaza dia izao,aza afangaro ireo zavatra roa voalaza ireo fa samy hafa tanteraka,fa na enao manaraka ny fiainana kristiana na manaraka ny fisainan'olombelona izay lazaina fa efa mivoatra :D
71. LazaDaddy ( 15/11/2006 11:39)
tsingy:
tonga d "NO COMMENT" ami silamo le size:-D:-D:-D:-D
tanjemo midi-kizo fa mety lehilahy ireny mody manao an-kiafina anaty lamba mainty be hatrany an-tapon-doha ka hatrany am-paladia ireny an! hahaha!


72. Fiffi ( 15/11/2006 11:44)
possible mihintsy zany ...
73. dailynews ( 15/11/2006 17:13)
Ota ve ny maha homo ny olona iray ?
Eny, ( jereo ny TA nomen ny namana etsy ambony)
Ny tananan ‘i Sodoma dia nopotehin’Atra ihany noho io fahotana io .
Ota ve ny mankasitraka ny fiainana tahaka ireny?
Eny,(Rom 1:32) eo anatreha ny mason Atra dia mitovy na nanao na tsy nanao ilay fahotana fa rehefa mankasitaraka fahotana dia ota ihany koa izay, izany no mila hitandremana amin ny zavatra rehetra raha te handeha araka an Atra . Raha tery saina no hiantsoana azy dia tsy maninona, aloe tery saina miaraka amin Atra toy izay malalatsaina tsy miaraka aminy.
Inona no tambin ny ota?
Fahafatesana ny tambin ny ota(Rom6:23)=> ny fahafatesana dia voalohany fahaverezana any amin ny fiainana mandrakizay rehefa maty ny olona iray ka miala amin’ ny tenany ny fanahiny. Azoko tsy hinoana io fa ny consequence- ny dia tsy azoko sakanana.
Ny fahafatesana izay mety hitranga ihany koa dia ny fahafatesana izay mety hitranga eo amin ny fianinan ny olona iray eto antany, ny fahafatesana izay misy eo amin ny mariage ny, ny fahafatesana misy eo amin ny fahasalamany: tsy mety salama mihitsy fa marary lava sns.., ny fahafatesana misy eo amin ny fitadiavana asany, ny fahafatesana eo ami ny fifandraisany ami ny zanany, ny fianakaviany, ny fahafatesana eo amin ny zavatra samihafa eo ami ny fiainana+ fahafatesana mandrakizay raha tsy mibebaka ami ny Tompo izy rehefa tafiala eto antany.
Fisarahana amin Atra ihany koa no tambin ny ota=> indro ny tanan Atra tsy fohy fa mahavonjy ary ny sofiny tsy lalondalovana fa mahare fa ny fahotanareo no efitra mampisaraka anareo amin I Jehovah dia tsy mihaino Izy ( tsy tadidiko hoe aiza io andininy io-mialatsiny)=> gaga ny olona iray fa mivavaka mivavaka anefa tsy mety mahita valimbavaka mihitsy ary tsy mba mety manana izany hoe experience Atra mamaly vavaka izany: inona no antony, diniho ny tena, sao dia misy ota any ho any, ota ankasitrahana na ota tsy nibebahana….
74. dailynews ( 15/11/2006 17:14)
tohiny....
Koa nahoana aza misy ny fiangonana milaza fa tsy maninona ny homo?
I Jesoa no lohan ny fiangonana donc Jesoa no jerena fa tsy ny mpitondra fiangonana na ny olona vitsivitsy izay nivadika t@ Atra ka namorona fiangonana izay mitovy fomba fihevitra amin izy ireo fa tsy mitovy fomba fihevitra amin ny soratra masina.
Izay taritin ny fanahin Atra no zanak Atra ( Rom 8:14). Tsy mino aho fa fanahin’Atra no mitondra io fiangonana io na dia mandeha araka ny endrikendrika sy fombafomba rehetra ivelany aza izy . Efa nanda ny hery sy ny fanahin Atra izany fiangonana izany.
Mila ampandaloviko eo ami ny tenin Atra ny zavatra toriany vao tokony hohaniko ny teny eny fa na dia ao amin ny fiangonana izay misy ahy aza, rehefa tsy mifanaraka amin ny TA dia tsy tokony hohaniko, izany no mila hahafantarako ny soratra masina fa tsy ho an ny mpitondra fivavahana ihany izany.
Tadidio fa ny kristiana dia tsy miady amin ny nofo amandra fa ireo fanahy eny ami ny rivotra dia tsy iza fa ny fanahi ny demonia izany. Misy karazany be dia be ireo satria ny devoly dia manana tafika ary manana ny anjeliny ihany koa ary samy manana ny mission –ny izy ireo ary ao ny fanahy ny fijangangajangana, fanahy ny fankahalana, fanahy ny famonoana olona, fanahy mitondra aretina( yes m’am, yes sir), fanahy maro dia maro. Ary ny fanahy manafika ny olona tahaka itony dia ny atao hoe perverse spirit…( tsy haiko hoe inona io amin ny teny gasy mialatsiny). Ho fanamafisana ihany izany fa tsy fanahi nAtra no mitondra io fiangonana io, Raha fanahin Atra io dia nanaiky ny tenin Atra.
Ahoana ilay resaka tolerance sy fitiavana?
Ny fitiavana lazain ny tenin Atra dia fitiavana an Atra sy fitiavana ny namana…ny fitiavana an Atra dia fanajana Azy sy manao ny sitrapony: ohatra tiako Izy dia tsy hanao na hankasitraka ny fomba fiainana homo aho…. , ny fitiavana ny namana dia fanajana azy ihany koa ary milaza aminy izay tsy mety ataony raha diso izy mba tsy hahavery azy any amin ny fiainana mandrakizay fa tsy hoe mitsaratsara fotsiny. Tsy ady amanofo amandra izy ity tsinona…. Raha tia anao aho dia tsy ianao izay homo no hankahalaiko sy hiadivako fa kosa hazavaiko aminao fa tsy mety io ary ny hiadivako kosa ( combat spiritual)any anaty vavaka izay ataoko dai ny fi attaquer ko ny fanahy izay mamatotra anao dia ny perverse spirit izany. Azoko atao izany satria efa nomena ny mpino ny fahefana hanao izany. Jesoa nilaza hoe=> ary ireto famantarana ireto no hanaraka izay mino ( fa tsy ny mpitondra fivavahana fotsiny ihany) ..hamoaka demonia amin ny anarako sns..izy….( resaka lava be indray izany)
Ny tolerance..dia izao, namako ianao ary hiresaka aminao aho fa izaho kosa tsy hanaiky fa mety ny fahotana izay lalaovinao sy hiainanao, mila miteny aminao aho fa tsy mety izany. Safidinao kosa anefa ny handray izay lazaiko.
Azo atao ve ny miala amin io fomba fiainana io?
Eny tompoko. Izay manana io fomba fiaina io dia mila mifona amin Atra aloha manaiky hoe tsy mety ilay izy ary mangataka azy hanasitrana azy. Ny zavatra rehetra hain Atra atao ( Mat 19:26) , Ary Atra tsy hangataka zavatra izay tsy azontsika atao fa matoa izy nilaza fa tsy tiany io ary fahotana dia misy ihany koa izany lalana nomeny hialana amin io.
Izaho nantsoin Atra hiova hanaraka ny teniny fa kosa tsy hoe hanova ny teniny hanaraka ny filako. Atra dia tsy miova fa izaho olombelona no mila miova hifanaraka Aminy.





75. simplex ( 15/11/2006 17:44)

:D:D:D
tratran'ny syndrome soanja koa i dailynews zany :°):oops::D:D
version resume plizy;-):-*
76. pissoa ( 15/11/2006 17:48)
:-D:-D:-D:-D:-D
77. dailynews ( 15/11/2006 17:52)
ka tsy maninona ary izany e. :D
aza adino anefa ny tena mamaky ny votoatiny. :wink:
78. nikopol ( 15/11/2006 18:17)
xxx 1 , assumer-ou ny maha -homo anao dia assumer-ou koa ny maha- mpivavaka anao dia zay. :lol:

79. booboo ( 15/11/2006 18:22)
simplex > :-D:-D:-D:-D ekena
80. Zina ( 15/11/2006 19:49)
oi i cutie:

tena tsy azoko mitsy we manin alou no lazaina fa asan'ny devoly sy ny tariny izy io
ry zareo aza mba manatona an'Atra


Ny ahy dia tsy misy zavatra par "in my opinion" ny ahy dia mi-baser ao @ ny baiboly foana.
ity misy zavatra ampiseko anjy dia ahona no heverin-njy azy:
These people draw near to Me(God) with their mouth and Honor Me with their lips but their heart is far from Me, teaching as doctrines the commandments of MEN... Mat. 15: 7
ity ko misy iray.
Isaia: 4:1
We will eat our own food and wer our own apparel, Only let us be called by your NAME to TAKE AWAY OUR REPROACH...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2306