Foana ve ny Didifolo ?

41. prime ( 08/11/2006 12:52)
soanja> :°):-D:-D:-D
42. dailynews ( 08/11/2006 13:53)
soanja> ekena.
anisan 'izany koa aky no tsy handehanako any amin ny KFC satria ry zareo mampijaly akoho be mihitsy, asa raha hitandry iny documentaire momba azy iny t@ tele, tsy tadidiko hoe inona moa ilay channel sns....fa tena ataondry zareo tsy misy fotony mihitsy ireo akoho. Toerana feno akoho be mihitsy ary tsy misy ataondreo hafa tsy ny mihinana ireo akoho io, rah atsy diso aho vao roa volana izy ireo dia efa ngeza be sahady sa moa firy herinandro.... dia avy eo ilay olona miditra ao hitsakitsahindry zareo ireo akoho, tsy te hahalala akory izy.::x
43. dailynews ( 08/11/2006 14:19)
ilay fihinanakisoa reto dia tsy te hanazava lava be intsony aho. vao nanoratra lahateny mombamomba io aho ary raha te hijery ny tenin Atra momba io dia mankanesa ao amin ny hoe "kristiana sy ny lalana" ary jereo ery ambany ny resaka momba ny sakafo eo anatrehan ny lalana. http://dailynews.blaogy.com
fomba fijeriko io + ny tenin Atra marobe izay hitako fa mifanaraka aminy koa dia mety ho mety aminao mety tsy ho mety aminao. efa nateraka ho samihafa fijery mantsy isika olombelona koa tsy gaga aho raha misy ny mitovy sy tsy mitovy hevitra.

raha resaka fahasalamana dia aleo tsorina fa ny kisoa dia ny taux ny cholesterol ao aminy betsaka lavitra noho ny hena hafa. raha mihinana izany dia aleo ferana ho kely mihitsy ary alao ny tavy fa aza mihinana akory ireny tavinkenakisoa ireny, na tavin inona koa e. aleo hena mahia no hanina fa tsy mahasoa mihitsy ny hena matavy. ary raha mihinana ihany koa dia aza mihinana matetika. aleo mihinana akoho na trondro. ary ny akoho dia ilay hena fotsy no hohanina aminy, alao ny hodiny raha azo atao indrindra raha mipetraka any andafy ianao. dia araka ny nolzain i soanja etsy ambony...fantaro hoe avy aiza ilay akoho indrindra raha ao amerika avaratra ianao fa ny fomba fitaizany sy ny sakafo homeny izy ireny ihany koa dia mbola zavatra hafa. ny zavatra organic foana no tsara raha possible...raha tsy possible fa lafo be ireny tsinona dia aza aidno mihitsy ilay manala ny tavy rehetra. efa tsy izao taona izao intsony ilay hoe mahazoa ny matavy...ny matavy tsy mahasalama o. tiako be raha afaka roapolo taona isika mpiserasera eto mbola eto daholo....:arrow:
44. dailynews ( 08/11/2006 15:44)
dailynews:

soanja> ekena.
ary tsy misy ataondreo hafa tsy ny mihinana ireo akoho io,

azafady fa tsy mi-colle koa izany fehezan-teniko izany. ny tiako ho lazaina dia=> tsy misy ataon ireo akoho ireo hafa tsy ny mihinana. :-/


45. soanja ( 08/11/2006 16:09)
dailynews:

dailynews:

soanja> ekena.
ary tsy misy ataondreo hafa tsy ny mihinana ireo akoho io,

azafady fa tsy mi-colle koa izany fehezan-teniko izany. ny tiako ho lazaina dia=> tsy misy ataon ireo akoho ireo hafa tsy ny mihinana. :-/





Ekena tanteraka ny hevitran-dry ry Dailynews. :D


46. dailynews ( 09/11/2006 13:55)
:wink:
47. Achia ( 09/11/2006 16:16)
daily a ! mba lazao tsirairay eto hiaraha mahita e ! io lazainao io ao @ bloagy io e ! mba izahana izany e !
48. dailynews ( 09/11/2006 16:28)
izany anie aky no antony nampidirako azy tao amin ny blaogy e satria lava loatra raha tena te hanazava aho. dia anefa raha tapatapahina dia tsy ampy, dia aleo aky anjaran ny tsirairay ny miditra any a.
49. mbelotavao ( 10/11/2006 04:30)
Hoy J.K Mat 5:18-19 < - Car je vous le dis, en vérité : avant que ne passent le ciel et la terre, pas un i, pas un point sur l'i, ne passera de la Loi, que tout ne soit réalisé.
19 - Celui donc qui violera l'un de ces moindres préceptes, et enseignera aux autres à faire de même, sera tenu pour le moindre dans le Royaume des Cieux; au contraire, celui qui les exécutera et les enseignera, celui-là sera tenu pour grand dans le Royaume des Cieux.
Nalaina t@ Bible de Jerusalem io.Hafa ny Didifolo
50. prime ( 10/11/2006 13:32)
"Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana; koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna." Romana 13:10

Ny didy sy ny lalàna dia tsy tanterahina sy ekena mba hahavoavonjy fa raha izany tsy misy voavonjy isika na dia iray aza ary foana ny famonjen'i Kristy... araka ny voasoratra hoe :
"Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota." Mpitoriteny 7:20
51. Achia ( 10/11/2006 18:27)
fa inona moa ny atao hoe ota e !?
52. mbelotavao ( 11/11/2006 04:39)
Prime>> Azo atao ve ny mivavaka @ sary vongana?
Tohano ara-baiboly ny valinteninao. Misaotra
53. Achia ( 11/11/2006 06:35)
Mbelo a ! aleo kalo mba valian'ny tsirairay io fanontaniako io hoe inona no atao hoe ota ? de hazava be ny resaka
54. mbelotavao ( 11/11/2006 16:38)
Ny ota dia fandikan-dalàna
55. dailynews ( 11/11/2006 18:50)
mbelotavao:

Prime>> Azo atao ve ny mivavaka @ sary vongana?
Tohano ara-baiboly ny valinteninao. Misaotra

maninona raha atao resaka vaovao mihitsy ity? manjary mifangaro be eto? misaotra ny amin ny fanontaniana.


56. mbelotavao ( 13/11/2006 03:24)
EO AMBANIN’NY LALANA SA
EO AMBANIN’NY FAHASOAVANA?
Fandre matetika ny hevitra toy izao: < Efa maty teo ambony hazo fijaliana
Jesosy ka tsy manana toerana lehibe intsony ny lalàna , satria tsy eo ambany lalàna isika fa eo ambany fahasoavana > . Ahoana tokoa moa: Eo ambanin’ny lalàna ny Kristianina sa eo ambanin’ny fahasoavana?

1.Iza moa no nanoratra ny didy folo?
Eks 31:18< ary rehefa vita ny teny nataony tamin’I Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny vavolombelona , dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tanan’Atra.>
Antsoina hoe lalàna moraly na lalàm-pitondrantena ihany koa io lalàna io . Antsoina hoe didy ambony indrindra (Jak 2:8 ) ny Didifolo ; tanteraka ihany koa izany (Jak 1:25 ) ary tsy lalàn’i Mosesy izy io.

2-Iza no nanoratra ireo didy hafa t@ andron’i Mosesy ?
Ny lalàna hafa kosa dia Mosesy no nasain’Atra nanoratra azy t@ boky (Deot 31:24) . Mazàna izy io antsoina hoe lalàn’I Mosesy izay lalàm-pisoronana aloky ny zavara ho avy (Heb 9:1;10:1 ) . Hita @ ireo andininy ireo fa tsy natao haharitra andrakizay ny lalàm-pisoronana izay nampiseho ny tena fisoronana ataon’i J.K .Teo anilan’ny fiaran’ny Fanekena no nametrahana azy (Deot 31: 25-26 ) Ny Didifolo kosa dia tsy miova mandrakizay , tao anaty fiaran’ny fanekena no nametrahana azy (Eks 25:16); koa samy hafa mihitsy ireo lalàna roa ireo fa tsy azo akambana.


Eo ambany lalàna ve isika ?
Rom 1:17
Rom 11:6
Be dia be ny Kristianina no mitady fanamarinana @ alalan’ny asa soa dia manantena fa hamonjy azy Atra . Diso anefa izany .Tsy eo ambany lalàna isika fa eo ambany fahasoavana . Gal 5:4
Tsy nohamarinina @ asa sy ny fitandremana ny lalàna isika. Ny antony dia samy tsy tanteraka na ny asantsika na ny fitandremana ny lalàna . Eny , na dia ny fahamarinantsika aza dia toy ny lamba mihosin-drà. Atra anefa dia mitaky asa madio mangarangarana feno, ary asa tsy misy tomika. Inona no atao? Soa ihany fa eo J.K nanolotra ny tenany Izy mba ho faty ho antsika (Isaia 53:4-6) Ary izany no ahazoana manamarina antsika (Efs 2:8-9) . Amin’ny fotoana izay andraisantsika Azy ho Mpamonjy ny tenantsika manokana dia isaina ho marina isika ka eo anatrehan’ny lanitra dia tsy isika no hita fa J.K (Rom5:17 ; 8:2 ;6:22) . Tanterak’ I J.K ny fitakian’ny lalàna . Marina eo aminy isika . Raiso ho mpamonjy Izy ary misaora azy mandrakizay.

Moa manafoana ny lalàna ve izany ny fahasoavana ?
Rom 3:31 Koa mahafoana ny lalàna @ finoana va isika? Sanatria izany ! fa mampiorina tsara isika.
Rom 6:14-15 Fa ny ota tsy manankery @nareo ; fa tsy mba eo ambany lalàna ianareo fa eo ambany fahasoavana. Ahoana ary? Hanota va isika, saingy tsy eo ambany lalàna fa ambanin’ny fahasoavana ? sanatria izany!

Mbola mitandrina ny lalàna ve izany isika ?
Jao 14:15< Raha tia ahy ianareo dia hitandrina ny didiko>

Fehiny
Tsy mitandrina ny lalàna mba ho vonjena isika fa mitandrina izany satria tia Azy ary efa novonjeny. Tsy mahavonjy ny fitandremana ny lalàna fa mahavery kosa ny fanitsakitsahana azy satria maneho izany fa ilay tompon’ny didy mihitsy no ato-boho-tanana. Tsy ambanin’ny lalàna isika fa eo ambany fahasoavana miaraka @ lalàna ary ho tsaraina @ lalàna.
Ahoana ary ny @ olona milaza fa mahafantatra an’Atra kanefa m
ilaza fa foana ny Didiny. ?
1Jao2:3,4 (Ary izao no ahafantarantsika fa mahalala azy isika, dia ny fitandremana ny didiny , Izay manao hoe fantatro izy ,nefa tsy mitandrina ny didiny , dia mpandainga, ary ny tsy marina tsy ao anatiny.)
Apôk 14:12 ( Indro ny faharetan’ny olo-masina dia izay mitandrina ny didin’ Atra sy ny finoana an’i J.K )
57. Fiffi ( 13/11/2006 06:21)
(lavabe fa aleo dinihina mora2 aloha)
58. prime ( 13/11/2006 09:11)
mbelo:
Prime>> Azo atao ve ny mivavaka @ sary vongana?
Tohano ara-baiboly ny valinteninao. Misaotra

Fa maninona ry mbelo no io manokana no anontanianao fa tsy izy rehetra na ny hafa ohatra hoe : azo atao ve ny tsy manaja ray aman-dreny?... na koa ohatra hoe : azo atao ve ny mijangajanga?... toa mila anokafana lohahevitra vao2 marina tokoa izany kanoo...

Mikasika ity lohahevitra ity :
aho:
Ny didy sy ny lalàna dia tsy tanterahina sy ekena mba hahavoavonjy
... fa ny finoana ihany no mahavonjy... araka ny voasoratra hoe : "[Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina]" Marka 16:16
59. Achia ( 13/11/2006 17:14)
ka mety possible ve oe mino natao batisa de mandika lalana ? :lol:
60. prime ( 14/11/2006 14:16)
Fa izay mino sy atao batisa ve dia tanteraka ka tsy mandika lalàna intsony @ achia? raha ny lalàna no iheverana hanamarinana ny olona dia tsy misy marina na dia iray aza hoy ny soratra masina, araka ny voasoratra hoe : \"Fa tsy misy olona marina ambonin\'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.\" Mpitoriteny 7:20 ...fa tsy ny lalàna no anamarinana ny olona fa ny finoana an\'i Jesosy Kristy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1485