Foana ve ny Didifolo ?

21. Achia ( 03/11/2006 07:40)
de ahoan zany mifankatia zany , de manafoana ny didy folo ve zany ary ahoana hoy Jesosy : tsy tonga hanafoana ny didy aho na ny mpaminany fa hanantanteraka de ahoana ndray zany io
22. prime ( 03/11/2006 08:48)
mbelotavao> :lol:
23. belaza ( 03/11/2006 12:55)
tsy manafoana ny didy folo ny didy vaovao fa mandravona ny didy folo!!!
24. Zina ( 03/11/2006 13:36)
mbelotavao [ Valio ] 02-11-2006 17:38:49
Lohateny : Re : Foana ve ny Didifolo ?
Misaotra ny rehetra namaly .
Mahafinaritra fa ny ankabeazantsika dia milaza avokoa fa tsy foana velively ny didifolo ....Manantena antsika izany Jesosy fa rehafa tonga ny Sabata (Sabotsy ) dia hiankohoka @ mpanao ny lanitra sy tany avokoa isika ho mariky ny fankatoavana azy. Sa tsy izany ???


ka ito no tena olana ko...
25. Zina ( 03/11/2006 13:38)
belaza [ Valio ] 02-11-2006 20:32:04
Lohateny : Re : Foana ve ny Didifolo ?
fiffi> ao aminy Jaona toko faha 13 andininy faha 34 ka hatraminy 35 "Didy vaovao no homeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo, eny aoka ho tahaka ny hitiavako anareo ny mba hifankatiavanareo koa; izany no ahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo"


fitiavana=didyfolo tsy izany va?
26. Achia ( 03/11/2006 18:08)
belaza:

tsy manafoana ny didy folo ny didy vaovao fa mandravona ny didy folo!!!


De ahoana moa izany hoe mandravona izany e ! ny zavatra aravona mantsy ra ny fahazoako azy dia fandaminana zavatra mikorontana misy avo misy iva , nefa nga moa ny didy folo misy avo sy iva ?
27. Fiffi ( 03/11/2006 21:22)
belaza:
fiffi> ao aminy Jaona toko faha 13 andininy faha 34 ka hatraminy 35 "Didy vaovao no homeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo, eny aoka ho tahaka ny hitiavako anareo ny mba hifankatiavanareo koa; izany no ahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo"
Eny ! aoka ho tahaka ny fitiavako anareo
Noho , mba hihifahankatiavanareo kosa !
Izany ! no ahafantaran'ny olona rehetra
Fa mpianatro ianareo ......raha mifankatia .


28. xxx ( 04/11/2006 03:15)
Tsy misy mahatandrina ny didy folo satria maro ny didy saingy nofohanana daholo.Ny asan'ny apostoly 15:19-22 manambara i Barnabasy sy Paoly fa tsy mety raha isika manome fahasahirana ny jentilisa izay miverina ho amin'Atra fa aoka hanoratra isika epistily aminy isika mba hifadiany ny hena fahavetavetana aterina amin'ny sampy sy ny fijangajangana ary ny zavatra kendaina sy ny ra. Ny didy folo izany dia efa voafoaka ao anaty ny tenin'i Jesosy. Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Minoa fontsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. Isika malagasy dia mbola miatrika, mihinana ny fanatitra alatsa-dra( asaramanitra). Ny biby maty tsy nasorina ny ra-ny dia tsy azo hohanina satria io ra io dia mitovy ny ra- nalatsak'i jesosy ho antsika hamonjena antsika. Marina fa mahantra ny firene-tsika koa raha maty nodomin'ny fiara, voan'ny barika ny akohonao dia fadio ny mihinana azy satria ao anatin'ny fatiny ny ra fa tsy nikoriana nivoaka.
29. soanja ( 04/11/2006 05:49)
mbelotavao:

Ny Baiboly dia nosoratana araka ny tsindrimandry ; nomena ireo mpaminany sy patriarka tany aloha tany ( 2Tim 3:16-17 ) .
Ny didifolo anefa tsy mba toy izany ; fa nosoratan’Atra tamin’ny ratsan-tanany mihitsy Eks 31:18 .
Mahalasa saina ihany !!!!
Ny fanontaniana dia hoe tsy tokony arahina intsony ve izay voasoratra ao anatin’ny didifolo ?



Izay voasoaratra dia voasoratra. Andriamanitra mihitsy no nanome an-tanana an'iny tamin'i Moizy. Noho izany iny ny didy lehibe indrindra. Ankoatr'izay mbola vinavina daholo hoe ahoana sy ahoana. Ohatra ny didy tsy fihinana kisoa ohatra.:wink:


30. prime ( 06/11/2006 07:31)
:wink:
31. Achia ( 06/11/2006 09:09)
ka @ soanja azo atao ve ny mihinana ilay kisoa ohatra
32. prime ( 06/11/2006 10:20)
achia> fa ahoana kosa aloha no tonga dia ferana hoe "tsy azo atao ny mihinan-kisoa"?...
33. Achia ( 06/11/2006 18:47)
fa za nga manao heo tsy azo atao e ! fa hoe azo sa tsy azo , de samy manazava izay fahazoany ny baiboly eto , ra manao ianao hoe azo hanina de mba azavao ary ra hoy ianao hoe tsy azo hanina de mba azavao koa :-D:-D
34. Zina ( 06/11/2006 18:53)
tamin'i Moizy.

Mosesy aky a
35. soanja ( 07/11/2006 04:51)
Achia> Zah manko tsy fady kisoa fa tsy mihinana e. Fa tsy avy amle baiboly akory fa ho fanajako ny biby. :D

Zina > Poika Moizy no izy.:D:D:D
36. Achia ( 07/11/2006 10:11)
zavatra efa tsara zany ka ary soavaly , amalona ve enao mihinana ? :D
37. soanja ( 07/11/2006 16:57)
Achia:

zavatra efa tsara zany ka ary soavaly , amalona ve enao mihinana ? :D


nohaniko daholo reo taloha fa efa nitombo fitiavana aho izao de tafiditra ao koa ny biby isan-karazany. Mihinana ihany anie aho fa zany hoe misy fomba e. De le kisoa indraika aloha de tena tsy mahasalama.


38. Achia ( 07/11/2006 17:14)
Tsy azoko le hoe mihinana ihany aho fa misy fomba , inona kay zany ry Soanja raha tsy mahadiso e ! :wink:
39. prime ( 08/11/2006 12:06)
zina, soanja> aza miady hevitra @ izany nareo fa olona iray ihany izany resahinareo izany...
Mosesy fanononana protestanta
Moizy fanononana katolika
,ny dikan-teny ara-baiboly no nahatonga an'izany, sahala ny hoe Zezo sy Jesosy teo aloha, Piera sy Petera, Joany sy Jaona sns... betsaka...
40. soanja ( 08/11/2006 12:45)
prime:

zina, soanja> aza miady hevitra @ izany nareo fa olona iray ihany izany resahinareo izany...
Mosesy fanononana protestanta
Moizy fanononana katolika
,ny dikan-teny ara-baiboly no nahatonga an'izany, sahala ny hoe Zezo sy Jesosy teo aloha, Piera sy Petera, Joany sy Jaona sns... betsaka...


Prime> De tsy mba asiana sangisangy kosa ary ve eto? Tsy adihevitra izany amiko satria raha ny tena anarany amin'ny Jiosy de hafa mihitsy ny fihainona azy e. Fa isika hoa le tandrefana no nampisarabazana antsika.

Achia> Ny biby amiko de zavadehibe toy ny fitivako ny olombelona ihany. Mihinana omby, ondry, trondro sns aho fa eo mila fantantro hoe nompiana taiza ary inona avy no sakafo nifahanana azy. Nobezaina izy mab hisian'ny tanjona hamelomana ny aina fa tsy hamonoana ny aina. Ny sakafo aty dia be zavta tsy mamelon'aina. Ny aty an-dafy no resahiko an.
Ny any Mada kosa dia hafa mihitsy koa ny handraisako azy.
Ka rehefa mamono omby de mila eo aho raha omby hohaniko ary mila misaotra an'Andriamanitra aho tamin'ny nanomezany ahy io sakafo io ary tiako ho vetivety de maty le biby fa tsy ampijalina be loatra. Thus, sarotra be ny ahita an'io fomba io aty sady be zavatra takiana aho de aleoko tsy mihinana e.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0192