Foana ve ny Didifolo ?

1. mbelotavao ( 01/11/2006 18:40)
Ny Baiboly dia nosoratana araka ny tsindrimandry ; nomena ireo mpaminany sy patriarka tany aloha tany ( 2Tim 3:16-17 ) .
Ny didifolo anefa tsy mba toy izany ; fa nosoratan’Atra tamin’ny ratsan-tanany mihitsy Eks 31:18 .
Mahalasa saina ihany !!!!
Ny fanontaniana dia hoe tsy tokony arahina intsony ve izay voasoratra ao anatin’ny didifolo ?
répondu par prime le 13/12/2006 09:36
2. cutie ( 01/11/2006 18:44)
Fa manin no tsy arahina:roll::roll::roll::roll:
3. belaza ( 01/11/2006 19:06)
miakina aminy tsirairay ihany io ry sakaiza a, raha tsy notezaina taminizany mo ianao aminy fomba ahoana no hahaizanao hanaraka ny didy folo?
4. Zina ( 01/11/2006 19:11)
ie wa ry cutie, raha tsy narahina io lasa fanjakan'ny barora eto an-tany...
5. Fiffi ( 01/11/2006 19:12)
mbelotavao:
Ny fanontaniana dia hoe tsy tokony arahina intsony ve izay voasoratra ao anatin’ny didifolo ?
fa nahoana no tsy tokony harahina intsony ?
Tadidio tsara fa raha tsy nisy io didy folo io , mba azonao an-tsaina ve hoe nanao ahoana ity fiainana ity ?
Misy manaraka aza ny didy folo efa tsy hita zay hanaovana azy fa hahitana terroriste hatraiza hatraiza sy ny zava-dratsy hita etsy sy eroa ! maika zany raha tsy arahina intsony !!!! tsy vao maika ho loza ????


6. cutie ( 01/11/2006 22:03)
ohtran'ny miakatra be i fiffi :lol:
7. Zina ( 01/11/2006 22:15)
hihihihihi
8. hery ( 01/11/2006 23:32)
Na tsy misy didy folo aza dia misy lalàna tokony harahina foana kah. Ao anaty didy folo ny hoe Aza mangalatra. Kanefa na mpivavaka ianao na tsy mpivavaka, rehefa tratra mangalatra dia voasazy :-) Tsy afaka miteny hoe izaho tsy voafehin'izany Didy izany.

9. Fiffi ( 02/11/2006 06:39)
Hery: marina fa na tsy nisy aza ny didy folo , misy koa ireo lalàna mifehy ! fa miheritreritra aho hoe tsy ny nisian'io didy folo io indrindra ve no nahatonga ny nanaovana ny lalàna ?
cutie: an3 kah ! tsy hoe miakatra be aho fa tena gaga ! :)
10. little ( 02/11/2006 07:33)
Tsy foana ny didy folo ka fa niova endrika fotsiny arakarakin'ny fizoatran'ny tantaran'ny finoana refa tonga ny testamenta vaovao.
rehefa tena mamaky ny didy folo sy ireo hafatra navalan'i Jesosy Kristy tsara ianao dia ho hotanao fa ireo didy folo ireo ihany no ao saingy amin'ny fisehony tena tsy araka ny ahitanao azy. asa "reformulations plus diplomatiques" fotsiny e saingy ny vontoatiny dia ny didy folo ihany. avereno vakiana anie e! de mazotoa mamaky sy mandinika.
11. rabaradaka ( 02/11/2006 07:59)
Ny didy folo dia natao ho arofanina ho antsika olombelona mba tsy hisian'ny ady sy fifamionoana. Ny ady sy fifamonoana anefa misy etsy sy eroa. Mila miverina manatona an'Andriamanitra ny olona.
12. jentilisa ( 02/11/2006 08:01)
Satria isika no nanao azy hoe didy folo fa ami'ny teny hebreo io dia miteny hoe, ny lalana tokony arahina!
13. majesty ( 02/11/2006 08:14)
Za zao ato miandry kendry tohina fotsiny fa raha vao misy milaza hoe tsy ilaina ntsony ny mitandrina ny didy folo,tonga d ataoko avokoa ireo voarara ao ireo,indrindra fa le didy faha-6 :D
Amiko ny didy folo dia toetran'Atra,ary raha tsy nisy ny didy folo dia tsy nisy ny fahotana satria hoy ny voasoratra hoe "fa ny ota no fandikana ny lalana..." sy ny hoe "Tsy nahalala ny ota aho raha tsy ny lalana no nanambara izany...sns".
Lalam-panorenan'ny lanitra koa izy io satria na rehefa tonga any an-danitra aza ny voavonjy dia mbola hita any ny original an'izy io satria tandindona fotsiny ny tety an-tany,ka ny fandikana azy io dia midika ho fandravana ny fanjakan'ny lanitra sy fanaovana tsinotsinona an'ilay Atra nanoratra azy.
Ary farany,na i Jesoa aza dia nilaza fa" TSY TONGA AHO HANDRAVA NY LALANA NA NY MPAMINANY,TSY TONGA AHO HANDRAVA FA HANANTANTERAKA sy ny hoe FA TSY MISY HO FOANA @ LALANA NA DIA TENDRON-TSORATRA IRAY AZA...":D:D
14. raval ( 02/11/2006 09:02)
Taloha dia niasa Andriamanitra @ maha RAY azy.Dia nanao ny lalàna izy (didy 10) itondrany ny zanak'Israely.Niasa t@ maha Zanaka Azy Izy t@ nidinan'i Jesosy Kristy tety an-tany.Dia nofeheziny t@ didy ROA lehibe ny didy 10.Dia ny hoe " Tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny sainareo rehetra ary ny fanahinao rehetra" sy ny hoe " Tiava ny namanao tahaka ny tenanao".Voafehin'ireo didy roa ireo ny didy folo, zany hoe ao anatin'ireo ny didy folo.@ zao fotoana izao ndray dia miasa @ maha FANAHY azy Andriamanitra.Ka izay mandray io FANAHY MASINA io dia tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra tsy andeha any @ lalan'ny fahaverezana, zany hoe lasa mankahala ota.Satria io Fanahy io no mitarika ny olona tsy handika ny didin'Andriamanitra.
Rehefa mamaky tsara ny Baiboly isika ka mangataka ny fitarihin'io Fanahy io, dia hazava amintsika daholo ny tiany ambara amintsika.Hitantsika ao ny lasa, ny ankehitriny, ary ny zavatra tsy maintsy ho avy.
15. prime ( 02/11/2006 12:48)
Mahaliana... tohizo fa tsara...
16. belaza ( 02/11/2006 12:58)
tsy foana velively ny didy folo fa fatatr'Andriamanitra fa mavesatra loatra ho any olombelona ny fanarahana izany, ka nahatonga azy hamoaka didy vaovao "mifankatiava dia mameno ny tany, fa izany no ahafantarany olona fa pianatro ianareo"...amen!!
17. prime ( 02/11/2006 13:50)
belaza> mitandrema ihany fa mihamanakaiky ny blasfemia enao raha mitohitohy kely...
18. mbelotavao ( 02/11/2006 16:38)
Misaotra ny rehetra namaly .
Mahafinaritra fa ny ankabeazantsika dia milaza avokoa fa tsy foana velively ny didifolo ....Manantena antsika izany Jesosy fa rehafa tonga ny Sabata (Sabotsy ) dia hiankohoka @ mpanao ny lanitra sy tany avokoa isika ho mariky ny fankatoavana azy. Sa tsy izany ???
19. Fiffi ( 02/11/2006 17:02)
belaza:
ka nahatonga azy hamoaka didy vaovao "mifankatiava dia mameno ny tany, fa izany no ahafantarany olona fa pianatro ianareo"...amen!!
heu....aiza ho aiza anaty baiboly no ahitana an'zany didy vao2 zany ?


20. belaza ( 02/11/2006 19:32)
fiffi> ao aminy Jaona toko faha 13 andininy faha 34 ka hatraminy 35 "Didy vaovao no homeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo, eny aoka ho tahaka ny hitiavako anareo ny mba hifankatiavanareo koa; izany no ahafantaran'ny olona fa mpianatro ianareo"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1734