Liban

61. cutie ( 20/07/2006 12:36)
:-D:-D:-D:-D:-D
hilatsahn'ny bomba we ny kibo tsy misy sakafo :-D:-D:-D
62. tsito ( 20/07/2006 13:37)
de tsita ze atao e! tadidio fa ny 20 maty ao israely dia olona daholo fa ny 500 maty libanais ve zany dia kisoa sy omby, ny ahy tsy ny hoe iza no nanao mialoha fa ny hoe tsy zazakely akory ka hoe tsy maintsy zaho no mahavoa farany. jereo fa ny israeliana dia manao ze tiny sy danin'ny kibony satria naoana, izy na ho potika aza israely dia tadidio tsy misy ol de nationnalité isrelienne zany fa double nationnalité daholo reo. Zany hoe maita aleha ary bien venu foana.Ary ty zao totolo zao dia izy daholo no mi-guidé azy, zany no matonga azy tsy iaino ny ONU e! etsetra eetsetra , izy mievitra fa ambonin'ny lalàna reetra.
Zany akory tsy hoe ndao ndray anoana ny atsy fa dia ny hoe. Ny ahy dia SAROBIDY NY AINA, TSISY NAVIDY AINA, ze maty tsisy niverina nilaza fa tsara any na ratsy any, NATAO HO AJAINA NY AINY KA TSY TSARA NY MILALAO AIN'OL.
Dia ho anareo gasy any liban, za manokana tsy malala na iray aza fa dia, izany tsy mahasakana ahy tsy hanome courage ho anareo, aty atanin'ol koa aho dia mahalala fa refa mafy ny ady no tena mahatsiaro hoe lavitra ny tanindrazana koa dia maereza fa tsika gasy tsy mety ripaka zany, sa aoana
63. xxx ( 20/07/2006 14:05)
lazaDaddy, tiko ny adinao:wink:
64. cutie ( 20/07/2006 15:02)
: tsito [ Valio ] 20-07-2006 18:37:26
Lohateny : Re : Liban
de tsita ze atao e! tadidio fa ny 20 maty ao israely dia olona daholo fa ny 500 maty libanais ve zany dia kisoa sy omby, ny ahy tsy ny hoe iza no nanao mialoha fa ny hoe tsy zazakely akory ka hoe tsy maintsy zaho no mahavoa farany. jereo fa ny israeliana dia manao ze tiny sy danin'ny kibony satria naoana, izy na ho potika aza israely dia tadidio tsy misy ol de nationnalité isrelienne zany fa double nationnalité daholo reo. Zany hoe maita aleha ary bien venu foana.Ary ty zao totolo zao dia izy daholo no mi-guidé azy, zany no matonga azy tsy iaino ny ONU e! etsetra eetsetra , izy mievitra fa ambonin'ny lalàna reetra.
Zany akory tsy hoe ndao ndray anoana ny atsy fa dia ny hoe. Ny ahy dia SAROBIDY NY AINA, TSISY NAVIDY AINA, ze maty tsisy niverina nilaza fa tsara any na ratsy any, NATAO HO AJAINA NY AINY KA TSY TSARA NY MILALAO AIN'OL.
Dia ho anareo gasy any liban, za manokana tsy malala na iray aza fa dia, izany tsy mahasakana ahy tsy hanome courage ho anareo, aty atanin'ol koa aho dia mahalala fa refa mafy ny ady no tena mahatsiaro hoe lavitra ny tanindrazana koa dia maereza fa tsika gasy tsy mety ripaka zany, sa aoana
=D
65. cutie ( 20/07/2006 15:03)
Lazadaddy jereo kely ty :-D
http://news.bbc.co.uk/2/hi/middle_east/5199088.stm
66. cutie ( 20/07/2006 16:51)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 20-07-2006 17:01:15
Lohateny : Re : Liban
Hoy i cutie:
za tsy mirahaha ze ataon'ny libanais, syriana sy ny sisa Fa ny ahy le civilians voa mafy no tsy tiako
ka responsabilite an'ny syriana sy iraniana daholo no natonga an'ireny atrany am-boalohany. Dia tsimaintsy ongotana hatr@ fotony raha tiana ho voavaha ny olana. Indrisy fa tsimaintsy misy aina afoy ny vokany.

"we can bomb the world to pieces, but we cannot bomb it into peace":P
67. fijo ( 20/07/2006 17:57)
cutie an,za tsy hiditra amin'ilay resabe nareo sy laza,fa izao:
-io korontan aio,dia ny syrianina sy iranianina no mitady azy.
efa mba nilamindamina tao amin'io faritra io,ary efa niainga ny ekonomia libanais,ka mampatahotra andry zareo syrianina izay,dia nasainy nanao iny fidirana ankeriny tany israel iny ny ezbobola mba hirehetan'ny ady.
mazava wazy,fa israel tsy hijery fotsiny fa tsimaintsy hamaly.
ny tanjon'ny syria dia ny tsy hampiarina ny libanais.
fantatry ny rehetra izay,ka izy no nilazan'i bush hoe,manana zo hamaly israel,fa tsy tokony hanao izay hampalemy kosa an'ny liban.satria ,raha izay no tanteraka,dia syria sy Iran no ahazo laka ao.

ka israel koa mahafantatra an'izay,ka manararaotra be izy aloha izao,fa tsy ela izy dia hidinika amin'izay,satria fantany,fa ny eran tany tsy hitazana foana toa izao.
68. cutie ( 20/07/2006 17:59)
Tsy nojeren'i fijo nga io nataoko eo ambony io we jereo ?
69. Herimiafina ( 20/07/2006 17:59)
Toa efa nanidina tany Iran sy Syrie koa ny warplanes ny israelianina mampitandrina knou. :wink:
70. cutie ( 20/07/2006 18:02)
ny ahy le civilians tsy mana-tsiny ihany no tsy tiako iharan'ny adin;-dry zareo koa, zay ihany , fa za tsy miditra lalina @politika an-dry zareo syriana, libanais sy ny tariny any :-D
71. LazaDaddy ( 20/07/2006 18:06)
cutie> raha BBC aloha no resahinao dia tehirizo any ihany ka! Fady an'io BBC io izany teny hoe "terrorist" izany dia efa mba fantapantatrao hoe "coward" toy ny frantsay ny BBC. hahaha!

fijo> Herimiafina> i Russie mody tsy dia be resaka io aza hadinoina fa manana anjara toerana amin'izao korontana izao.
72. Herimiafina ( 20/07/2006 18:06)
Ampahafirin'ny 22.000.000 de sivily sovietika matin'ny Nazi tamin'ny 2eme guerre retsy io klé.
Nefa jereo ity Hitler mbola mamimbahoaka fotsy hoditra fatratra.
73. cutie ( 20/07/2006 18:13)
Mpandefa : LazaDaddy [ Valio ] 20-07-2006 23:06:13
Lohateny : Re : Liban
cutie> raha BBC aloha no resahinao dia tehirizo any ihany ka! Fady an'io BBC io izany teny hoe "terrorist" izany dia efa mba fantapantatrao hoe "coward" toy ny frantsay ny BBC. hahaha

aza mijery refa tsy te hijery :twisted:
74. cutie ( 20/07/2006 18:13)
: Herimiafina [ Valio ] 20-07-2006 23:06:20
Lohateny : Re : Liban
Ampahafirin'ny 22.000.000 de sivily sovietika matin'ny Nazi tamin'ny 2eme guerre retsy io klé.
Nefa jereo ity Hitler mbola mamimbahoaka fotsy hoditra fatratra

ka za nga niaina t@ zany andro zany :roll:
75. LazaDaddy ( 20/07/2006 18:16)
Herimiafina> angaha ny fotsy hoditra ihany (tsy ny fotsy rehetra koa aloha) fa ry "tavany" koa (ny ankabeazany)!
76. fijo ( 20/07/2006 19:09)
cutie,ka ny sivily maty anie staty fotsiny ireny e.ny politika no mandamina an'io.
laza tena tsy azo hadinoina mihintsy rapotine ka.io anie hotra ka mivarotra fitaovana be e.sosy aby io
77. ftma ( 20/07/2006 20:04)
Heveriko fa nahazo vaovao nareo kay resaka lava be no ato :wink:
78. xxx ( 21/07/2006 03:33)
Miarahaba antsika rehetra , zaho anisan'ireo ankizy monina eto liban ka hatramin'izao aloha tsy mbola maninona nohon'ny fitahin'A/tra.Aza atao resa-be ilay izy ry cutie sy tariny a, io adisoan'ny Hezbollah , zareo no ni-excite ny israel voalohany , zareo koa tsy dia ampy fisainana loatra fa voasaron'ireny saron-doha reny foana ny lohany hany ka manaonao foana , tsy mba ataony antsaina akory fa tonga amin'ny tanjona iriany zao ny syrie , fa dia mbola mizizo ny iady hatrany , hany ka izahay mponina no mijaly.
Misaotra an'ireo izay mampita vaovao , fa zaho aloha hatramizao mbola tsy fantako mihintsy izay ataoko , hody any dago ? tsy hay hoe hody aninona any , hijanona eto Liban , matahotra ny ho faty , manahirana ihany izy ity , fa dia apetraka amin'ilay ao ambony izay mahasoa.
Ny mahagaga ahy koa dia ireo gasy eto liban , efa ato anatin'ny sarotra mbola mifankahala sy manohy ny toetra ratsiny ihany , fotoana fifamelan-keloka izao , ka ho an'ireo izay gasy monina aty ka mahita an'ito hafatra ito dia mba diniho ihany , ho an'ireo izay tsy te hody , aoka re mba tsy ifamoky sy hanao laza ratsy marivo tototra mba hanankanana ireo izay te hody , fa samia manaja ny safidiny misy dia mavatra mi-phone ny ankizy tsirairay milaza fa aza mody miaraka am frantsay zany ee, patati patata , satria izy tsy te hody , dia mitady namana.Aleo angamba faranako fa sao dia lazainareo fa be resaka eto :-D. Mba mivavaha ho anay , ary misaotra an'ireo namana izay tsy mitsahatra mampita vaovao , sy mitondra amb-bavaka anay gasy aty .^:^
79. LazaDaddy ( 21/07/2006 03:44)
xxx:
Mba mivavaha ho anay
Eny tompoko! Mahereza dia asio tsiky foana an :)
80. yonikafopl ( 21/07/2006 05:04)
xxx, misaotra aky aaa, tsika njay kourazy fona, le gasy tsy mety miova ny haratsiantsainy.
cutie sy lazadaddy sy ny sisa, aza atao resa be ilay izy eee, lazaiko anareo fa raha ny vaovao sy ny resa be ataon\'ny gazety sy ny tele sns dia samy manao izay ahazoany scoop ry zareo , ny karibonetra mampitombo etsy andaniny.
fijo,misy marina ny voalazanao.

Fa teny kely no tiako hambara hanazava izay fantatro momba izao zava-mitranga izao.

Vao nisy ny fandroahana ny syrie hiala teto Liban tam herintaona, dia efa nanao menace ry zareo fa tsy maintsy hanapotika an\'i Liban, niezaka ry zareo handrangitra ny adim-poko, guerre de religion tamin\'ny alalan\'ny hezbollah saingy tsy nahavanona satria ny kristiana niezaka foana ny handamina, misy tonga de avy zany ry zareo be sarondoha mandeha aty am tanin\'ny kristiana mandoro fiara sy migafy tsotra izao, noho ny antony tsy misy antony akory, emission am tele ohatra.Tsy nisy vokany anefa izany rehetra izany. Efa hitan\'ny syriana ny zava-nanjo an\'i palestine tamin\'ilay miaramila iray no-kidnapenjareo iny, dia hitan\'ny syriana ny fika fa ny israely tsy hanaiky lembenana raha vao misy maka ankeriny ny miaramilany, dia novokisany ry be sarondoha isany hanao izay azo atao hahazoana miaramila alaina ankeriny, de izao tonga ny tanjona ilain\'i syrie.
Mbola tsy nanomboka ny ady fa nampitandrina fotsiny ny israeliana, dia nilaza ireo lohandohan\'ny mpisorona kristiana fa fara faharatsiny tokony nifampidinika sy naka ny hevitry ny governemanta , sy ny namana hafa ny hezbollah alohan\'ny hanapahany hevitra sy hanaovany zavatra, satria mitondra ny firenena ho amin\'ny guerre pour rien hanapotika ny efa niarina izy ireo. Ny valinteny azo dia hoe tsy misy tokony hilany hevitra amin\'iza na iza hono fa izay tiany ihany io. Ny gouvernemanta anefa tsy afaka hampiasa hery, tsy manana koa anefa, ary tsy sahy hi affronter ny hezbollah mba hiarovana ny guerre de religion sy ny guerre civile mba tsy hiverina, dia ny miantso ny internationnal no hataony sisa, miandry ny fiantran\'ny any ivelany.
Marina fa ireo sivily no mizaka ny vokany, nefa ry zareo mpanohana ny hezbollah nge reny voa be ireny ee, aiza ka ny sasany efa vaky loha sy vaky tratra mbola mivazavaza ihany hoe ny hezbollah tsy maintsy miady ary tsy maintsy mandresy, manaohana azy ireo izahay, tsy lahy tsy vavy ann.
Efa izany no zava mitranga mboka ratsy loha ihany ry zareo, manao izay rehetra fomba hi bombardern ny israeliana ny kartier misy ny kristiana, ny ataony amzany, dia maniraka ireny kamion ireny handalondalo ety am faritry ny kristiana ety, satria ny israeliana vao mahita kamion de boummmmm, misy an ze mametraka kamion eny rehetra eny hi exciter na ny israely.Ny aty am faritra misy anay izao, tsy nisy kamion niakatra nandalo izany hatramzay, amzao fotoana izao misy mandalondalo foana, dia roahan\'ny fokon\'oll.
Izao ry syriana faly mibitaka ery fa voa indray libanona, manararaotra be tsy misy ohatranzany, fa izay libanais mitonatonana any syrie dia mahazo latsa sy ompa, hararaotiny am 200$ isanandro ny hotely , amzay tsy misy plasy fa am tany matory, betsaka ireo niverina nilaza izany, aleony mijanona matin\'ny baomba.
Ny momba ny israely indray, manana ny tanjony hafa koa ry zareo, fa aiza ve, de noho ny miaramila 2 no ndeha hamonoana sivily sy miaramila hafa?

Aleo kalou faranana fa lava loatra le izy.

Ho an\'ny gasy izao dia ny hanavotany ny tenany no tadiaviny, misy ireo trsy te hody, mieritreritra ny hoe inona no hatao any Dafo, hampitombo ny tsy manana asa any koa, hijanona sao matin\'ny bomba, hody ho fatin\'ny hanohanana, tsy hita izay atao, misy koa anefa ireo izay te hody, aleony maty any anilan\'ny havany. Samy manana ny safidiny, tsy hisy ankanerinery, fa ho an\'izay te hody, dia mba mangataka ny fanampian\'ny gouvernemanta malagasy izany, milaza ry zareo fa be ireo tsyt en regle , manahirana ny fampodiana sy ny sisa, raha ny marina dia ilay consule mihintsy no tsy mandray andraikitra, betsaka ireo firenena manana olona tsy en regle, toy ny filipina sy ny indiana, nefa ry zareo mampilaza ny terataniny avy fa na dia tsy manana pasipaoro aza dia mandeha any am ambasady raha te hody.
Misy koa mantsy cas tena manahirana eto Liban, ry zareo libanais efa en guerre ny pays ny, mbola rsty toetra ihany, tsy avelany mijery tele izay miasa ao aminy , dia lazainy fa tsy misy nininn, milamina ee sy ny sisa, tsy omeny ny pasipaoro raha mba mangataka ka milaza fa hody,misy ireo izay manana nationalite hafa dia lasa ry zareo, ilay mpiasany ao avelany amin\'ny RAD niny sy ny havany, io no ilana ny consule hiasa, marina fa be ireo tsy misoratra anarana any aminy, fa kosa amanana ny taratasiny ara-dalana, tokony tsy hiala izy,nefa de lazainy fa tsy asany hono izany, grrrrrrrrrrrrrrrr:evil:

ooppssss lava be, fa aleo am manaraka indray.

asa kalou fa de we herinandro na 10 sisa dia hisy ny fitsaharan\'ny ady ka dia miandry izany.

Misaotra, ary manantena anareo any frantsa mba hiantso tsy tapaka ilay 0800174174 hanontany foana izay vaovao momba anay aty, sy izay fanapahakeviny am fampodiana ireo izay te hody.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6355