sarivongana

81. dadabe ( 04/05/2006 01:44)
marozevo > andraso fa hiverenako hovakiana raha mbola hitako dia omeko anao ny andinindiny
82. Fiffi ( 04/05/2006 06:30)
de miandry anao zany ry dadabe .
83. marozevo ( 04/05/2006 14:37)
mahita bibliographie ao amnin'ny bokin'i Jenezy ve ianao?

Dia ianao izao ve dia hampitovy ny soratra ataonao amin'ny soratra nosoratana taon'arivo roa mahery raharilova oh ? Ataoko fa mba olona efa andairan'ny fandrosoana kosa ianao. Tsy isalasalana izany satria efa manana site.
84. Fiffi ( 05/05/2006 08:25)
diniho kely izay fa tsy ity moa no tena resaka eto fa ny sarivongana... sao dia mialona ny voasarotra ao ianao?
ka naninona anefa no noresahana eto ary io ? fa na dia zavatra nosoratana ve dia hisy fihalonana ? fa ahoana ary zany ? raha ny zavatra voasoratra ao fotsiny no hasiana fihalonana , ho aiza ity fiainana ity ?
85. dadabe ( 05/05/2006 10:09)
:roll::roll:
86. harilova ( 05/05/2006 18:39)
Ny manahirana amin\'ny sain\'ny olombelona dia noho izy afaka mandà ankitsirano izao eo anatrehan\'ny hafa ny marina mety ho fantany kanefa tsy tiany hiaikena. mety ho sarotra ny hahazo izay lazaiko, fa mazava kosa ny tiako hatongavana.
Tsy mivavaka amin\'ny sarivongana ny katolika na feno sarivongana hatrany am-piangonana aza. Ny fanajana izay heverin\'ny mpitazana ho fivavahana dia manjary resa-be. Ampy hitoraham-bato ny hadalana kely sasantsasany ataon\'ny mpino vitsivitsy izay mazana tsy mifanaraka akory amin\'ny foto-pinoan\'ialy antokom-pinoana...
Ny manahirana indrindra indrindra dia ny tsy mba manana ny heviny samirery fa manankin-doha amin\'ny hafa mandrakariva...
http://harilova.blaogy.com/post/182/863
87. marozevo ( 05/05/2006 23:08)
Nojereko indray ilay "jerena eto" eo ambony io fa tsy mety convaincu aho. Tsy ny hevitra akory no tsy maha convaincu ahy fa ny méthode. Sarotra be raharilova izany hilaza hevitra tsy misy fondement bibliographique izany ah... Afaka manamarina ianao hoe hevitro, tsy ilàako porofoin'ny hafa ary tsy ilako ny hafa hanohana azy. Azonao atao izany, nefa dia zakao koa izay mety ho vokany... Tsy sanatria aho mirary loza ho an'io site io... tohizo... Fa ny mba atsipy fotsiny dia ny hoe "tsy mbola nisy olona nanoratra zavatra heverina ho serieux, nefa tsy hilaza na zavatra iray aza momba izany amin'ny tahirin-kevitra hafa".
Zao koa ary fanontaniako : Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao.
88. Fiffi ( 06/05/2006 06:23)
Ny manahirana indrindra indrindra dia ny tsy mba manana ny heviny samirery fa manankin-doha amin'ny hafa mandrakariva...
harilova: iza hono no manao an'izany ? Nefa raha ny fijeriko ny site-nao io sy ny zavatra rehetra nolazainao tao dia mitovy hevitra @ marozevo indray aloha zah hoe "Tena siora ve i harilova fa tsy namaky boky hafa mihitsy raha nanoratra ireo hevitra be dia be ireo ? Raha eny dia miarahaba anao fa tena "surdoué" izany ianao.
89. harilova ( 06/05/2006 07:34)
mahagaga ahy ianareo saingy tsy ity no adihevitra eto ka aleo mivoaka.
http://harilova.blaogy.com/post/182/865
Ny olona hoy aho mijery ny ivelany dia mitsara ny ao anatiny,
Ny olona miondrika anolohan'ny sarivongana migaga ny asa sy ny famindram-pon'Andriamanitra ao amin'ireo olomasiny lazaina fa manompo sampy...
asa lahy...
90. Fiffi ( 06/05/2006 09:33)
harilova: nijery ny site-nao aho fa ny zavatra tsapako tokoa aloha de maro dia maro , betsaka dia betsaka ny zavatra voalazanao ao , ary tena marina fa raha ohatra ka tsy naka hevitra tamin'ny boky ianao de tena azo hatao hoe "chapeau" tsara anie zany an ! fa dia tohizo harany ! saingy ny hevitra moa samy manana ny azy ary raha manoratra tahak'izao kosa aloha ianao dia miheritreritra aho hoe diso angamba ny filazanao hoe sao dia mialona ny voasarotra ao ianao? sa diso aho ?
91. marozevo ( 08/05/2006 14:55)
raha tsorina amin'i harilova dia izao no marina eh, momba ny hevitro. Nojereko an-kapobeny aloha ilay site, nony tsy nahita anaram-boky hafa aho dia nanoratra ilay nolazaiko voalohany, noho ny antony efa voalazako.
Dia nasainao nijery teto indray dia nijery, ary mba namaky kely, dia io nanaoratra ny faharoa io.

Ekeko fa somary tafahoatra angamba ny filazako hoe tsy misy horaisina. Nefa tsy dia diso 100% koa izany akory. Ny ho raisina mety misy ihany, nefa tsarovy fa ny olona mamaky hoy aho, na iza na iza, na i harilova aza, dia izao no fombany : Hitany ilay boky, (titre sns), avy eo fantariny ny auteur sy ny taona nanoratana sns.. Izay izy vao manapaka hevitra hamaky na tsia ilay boky.
92. harilova ( 09/05/2006 18:30)
Sarivongana!
93. Rainikarabo ( 10/05/2006 12:47)
harilova> tohizo ny famoahana ny hevitrao fa mahafinaritra. Tsy voatery hisy "référence" akory ireo zavatra soratanao ireo. Mahafinaritra ny mamaky ny site-nao na dia tsy misy fomba fijery tsy dia hitoviantsika aza.
94. marozevo ( 10/05/2006 19:06)
Ka milaza sarivongana daholo ary ve ireo nasain'i harilova "nojerena teto"?
95. harilova ( 13/05/2006 14:25)
Ny tena loza amin'ity resaka ity dia izao :
Indraindray tokoa ny olona manaja bebe kokoa ny sarivongana noho ilay zavatra ambaran'ny sarivongana.
Ny mpilaza no lasa ambony kokoa noho ny zavatra asaina lazainy...
amin'ny teny frantsay dia hoe ny "signifiant" no noraisiny fa ny "signifié" navelany...
Amin'izay tsy manaja sary vongana intsony izy fa manompo... sampy.
96. Rainikarabo ( 13/05/2006 14:39)
harilova> sao dia mba tsy izany? tsy fantatrao ange ny tena any anatin'ny fo sy ny sain'ireny olona ireny e, ny fahitanao ny fihetsika ivelany tsy azonao velively hitsarana ny any am-po tsy miloaka. Manaja ilay sary izy ireo satria mitahiry fahatsiarovana tsy maty ao ampony ilay sary, mitahiry embona sy hafaliana, mitahiry zavatra maro...eny fa na ny sarinao io aza dia hajainao sy kolokoloinao fatratra satria sarobidy.
Za aloha mieritreritra hoe tsy misy olona sahala amin'io lazainao io.
97. dadabe ( 14/05/2006 02:15)
rainikarabo > ka raha manaja izy dia tokony apetrany antranony fa tsy any ampiangonana , sinon manana tendence ny hiondrika manolona an'iny foana izy rehefa mivavaka

mba andramo anie hoe " esoriana avokoa ireo sary rehetra ao ampiangonana satria tsy mivavaka @ sary ny olona ao , de hanao ahoana ny fitsarana ataon'ny olona aminao ?? hummm
98. Rainikarabo ( 14/05/2006 14:42)
dadabe> azoko tsara ny tian'ise lazaina fa ny ahy ny tiako hatongavana dia ny hoe, tsy afaka ny hitsara izay any am-po tsy miloaka ny tsirairay any isika, izy ihany no mahafantatra angamba hoe iza no hivavahany. Fa ny loha-dinika sahala amin'itony koa ange sarotra e, satria samy manana ny fomba fijeriny ny tsirairay, arakaraka ny fiangonana misy sy nanabezana azy,dadabe izao hitako hoe tsy mankasitraka ireny mihitsy, tsy misy maharatsy izany, ny olona mivavaka mila ny presence n'ireny kosa anefa tsy tokony hokianina fa izay no afahany miresaka amin'Andrimanitra bebe koakoa.Ny sary ange ka mitovy amin'ny soratra ihany e, samy "moyen de communication". Ho an'ny olona kamo mamaky sy mihaino ohatra dia ny sary no fomba haingana indrindra hahalalany ny Vaovao Mahafaly. Aleo hatreto fa lava loatra.
99. marozevo ( 14/05/2006 21:28)
dadabe:

rainikarabo > ka raha manaja izy dia tokony apetrany antranony fa tsy any ampiangonana , sinon manana tendence ny hiondrika manolona an'iny foana izy rehefa mivavaka

mba andramo anie hoe " esoriana avokoa ireo sary rehetra ao ampiangonana satria tsy mivavaka @ sary ny olona ao , de hanao ahoana ny fitsarana ataon'ny olona aminao ?? hummm



Efa mamaly io moa i rainikarabo, fa mba hanampy kely fotsiny aho. Voalohany aloha dia itovizako hevitra izay efa voalazan'i Rainikarabo anh. Manaraka izany dia izao fotsiny no tiako hanampiana kely . fantatr'i dadabe fa ny Fiangonana anie ka trano koa eh... tranon-na mpianakavy. Ka raha miteny i dadabe hoe tokony hataony any an-tranony fa tsy any am-piangonana, dia tsy inona akory ny Fiangonana fa trano iombonana, ary efa mipetraka ao an-trano izany ireo sary ireo.

100. dadabe ( 15/05/2006 09:14)
eny e, manaiky aho fa saingy ilay sary anie no miteraka ady hevitra e, noho izany amiko maninona raha esorina ao @ ilay toerana fivavahana ireo sary ireo ??dia atao efitra tsotra tsy misy sary fa efitra madio sy milamina no hivavahana

humm asa anefa...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0086