sarivongana

41. pissoa ( 28/04/2006 13:55)
harivola:
manompo sampy ve ny manaja ny sari-vongana na sary hafa?
Inona moa no atao hoe manaja sary (na sary vongana)? Amiko, ndeha atao hoe sary vongana le sary, ny manaja ilay sary dia toy ny hoe raha misy vovoka ilay dia dioviko, raha mianjera dia areniko, dia tsy dakadakako, tsy roraiko ... Tsy vitsy koa, raha tsy sary vongana ilay sary, ny manaingo azy, atao amin'ireny cadre lafo vidy ireny. Fanajana daholo izany. Noho izany, tsy manompo sampy mihitsy ny olona manaja sary vongana.
42. marozevo ( 28/04/2006 14:15)
Mivavaka amin'i Masina Maria hoe ?. Raha ny fihetsika azo tsaraina ivelany dia mety ho izany tokoa. Saingy ianareo ve mba efa naheno ny TENY ataon'ireo olona mandohalika ireo "Masina Maria Renin'Andriamanitra, MIVAVAHA ho anay mpanota". Asa izay fandraisana an'izany teny izany.

Manaja sa mivavaka amin'ny sary ? Marina fa sarivongana no loha hevitra, nefa mitovy lenta daholo izay karazana sary rehetra amin'ity resaka ity : Sarivongana, Sary amin'ny taratasy, sary velona, lakroa, hira sns... Raha atao teny tsotra dia heveriko fa tandindona (Symbole) no teny mahalaza azy rehetra.

Eo indrindra no miditra ilay fanazavana atsy ambony. Inona no andraikitry (role) ny tandindona? Ny andraikiny dia manambara zavatra anankiray manan-danja bebe kokoa.

Ohatra : sarin'ny olon-tianao any lavitra any, jerenao sy bikànao sy toa "hohaninao" aza. (Inoako anefa fa tsy mivavaka amin'io ianao akory), rehefa tonga ilay olona tianao, dia any aminy no mifantoka ny fonao sy ny sainao ary ny fitiavanao. Dia ahoana no niafaran'ilay sariny ?
43. Achia ( 28/04/2006 18:37)
Tandindon'ny inona hono izany e ? ary oe ohatra fa nga i Maria no hoavy e . Ary le Maria renin'ATRA de i Josefa zany rain'ATRA a ?
44. Fiffi ( 29/04/2006 06:23)
hoy Achia:
Ary le Maria renin'ATRA de i Josefa zany rain'ATRA a ?
Maria renin'Andriamanitra ? Josefa rain'Andriamanitra ? Fa iza aloha Andriamanitra , ary iza Jesoa ry Achia ? ary iza i Masina Maria ? ary iza i Josefa ?
45. dadabe ( 29/04/2006 14:53)
Fiffi ve mody tsy mahay sa mitsapa e?? zah aza t@ mbola 11eme tao @ sainte chantale dia efa =nahay namaly an'izany :roll:

marozevo>
Maria Renin'Andriamanitra, MIVAVAHA ho anay mpanota". Asa izay fandraisana an'izany teny izany.


ayayayay!!hummm raha azoko tsara dia velona ary mbola maheno sy afaka mitondra vavaka izany i Maria @ finona katolika , sa..diso aho rahalahy marozevo??

(hitohy)
46. Fiffi ( 29/04/2006 15:01)
dadabe aahhhh : tsy hoe mody tsy mahay zah fa jereo kely ange ity eh!
Hoy Achia: ". Ary le Maria renin'ATRA de i Josefa zany rain'ATRA a ? " dadabe koa tsy mamaky tsara an!
47. Achia ( 29/04/2006 17:17)
Hihihi Fiffi ko ka hoe Maria renin'ATRA de iza ary no rainy sa zaza sary ve ? Ny ahy lo refa mivavaka de adresseko @ anaran'i Jesosy foana e satria izy no lalana sy fiainana ary fahamarinana tsy misy mankany @ Ray hoy izy raha tsy @ alalako donc izy no mpisoronabe ho antsika solon'i Mosesy
48. marozevo ( 30/04/2006 08:20)
Tsy diso ny filazanao ry dadabe, tena velona i Masina Maria. Anisan'ny foto-pinoana Katolika io, ary raha vao esorina io dia tsy mety intsony ho antsoina hoe Katolika izy. Tsy manery na iza na iza hino izany akory ny Fiangonana Katolika.
Eto indrindra no hanararaotako hilazana zavatra roa :

1 - Noho ireo foto-pinoana momba an'i Masina Maria, dia tsy azoko veroka velively ny hoe tena ho IRAY ny finoana any aoriana any. Saingy azo atao dia azo atao tokoa ny mifankatia sy mifanaja ao anaty fahasamihafana.

2 - Tsy mbola nisy ary tsy hisy mihitsy ny hoe mivavaka amin' Masina Maria, fa azo atao kosa ny miresaka aminy, na ny marimarina kokoa manankina aminy ny ahiahy, satria reny izy, Renin'Andriamanitra, Renin'i Jesoa, Renintsika rehetra.

49. marozevo ( 30/04/2006 08:24)
Araraotiko eto koa ny manome ireo foto-pinoana efatra ao amin'ny Fiangonana Katolika, momba an'i Masina Maria :
1 - Virjiny mandrakizay i Masina Maria.
2 - Renin'Andriamanitra i Masina Maria.
3 - Tsy azon-keloka hatrany am-bohoka i Masina Maria.
4 - Nampiakarina am-boninahitra any an-danitra i Masina Maria. Ity farany ity ilay nanontanian'i dadabe.

Ny katolika rehetra dia manana an'ireo ho foto-pinoana momba an'i Masina Maria, ary mazava koa fa tsy raisonnement no hahazoana an'ireo fa finoana. Raha mila raisonnement dia mila mianatra Mariologie mandritra ny taona maro.
50. Achia ( 30/04/2006 15:44)
fa iza no tokony ho mpitsara ireo yelo voalaza voalohany e ?
51. vale ( 30/04/2006 18:47)
"Maria renin'Andriamanitra, dia Josefa izany rain'Andriamanitra?"> raha ny fahalalako aloha dia ny antony hiantsoana an'i Masina Maria hoe Renin'Andriamanitra dia noho izy niteraka an'i Jesoa Kristy! satria i Jesoa Kristy dia Andriamanitra ihany koa fa nasaina naka endrik'olombelona mba hahatsapan'ny olombelona mivantana fa misy Andriamanitra!!
52. LazaRandri ( 01/05/2006 01:16)
lasa resa-be ny lohahevitra. Mba resaka mampitombo fifankatiavana alefa fa izay no baiko nomena antsika e!

Zany resaka "quadrinite" (Ray Zanaka Fanahy Masina, ary Reny) zany mbola .... sigh sigh! hahaha!
53. Fiffi ( 01/05/2006 04:30)
lasa resa-be ny lohahevitra. Mba resaka mampitombo fifankatiavana alefa fa izay no baiko nomena antsika e!
de manjary vao maika mivoaka @ ny lohateny ny hadi-hevitra koh!
54. manantsoa ( 01/05/2006 10:50)
Iray dia iray ihany no marina ary tonga dia azonareo an-tsaina izany na dia tsy tononina eto aza.
Io mantsy no mahavoa ny fiaraha-monina.Efa hita izao fa tsy marina ary tsy mety dia lazaina fa samy manana ny azy...

Ny fanontaniana dia mazava . MANAJA :raha manaja fotsiny dia tsy manompo sampy . Fa raha mivavaka , mangatam-pitahiana , miresaka ,sns ... dia manompo sampy izany.
55. Fiffi ( 01/05/2006 11:18)
Fa raha mivavaka , mangatam-pitahiana , miresaka ,sns ... dia manompo sampy izany.
8O
56. dadabe ( 01/05/2006 13:11)
Mpandefa : marozevo [ Valio ] 30-04-2006 13:24:12
Lohateny : Re : sarivongana
Araraotiko eto koa ny manome ireo foto-pinoana efatra ao amin'ny Fiangonana Katolika, momba an'i Masina Maria :
1 - Virjiny mandrakizay i Masina Maria.
2 - Renin'Andriamanitra i Masina Maria.
3 - Tsy azon-keloka hatrany am-bohoka i Masina Maria.
4


azafady hoe rahalahy marozevo rajha azonao atao dia mba reseho lahatra @ andinitsoratra maisina aho @ ireo andianteny nolazainao ireo , satria namaky ihany aho fa tsy nahita andininy ahazoako manampy sy manamafy ireo hevitrao ireo:roll:
Mpandefa : LazaRandri [ Valio ] 01-05-2006 06:16:28
Lohateny : Re : sarivongana
lasa resa-be ny lohahevitra. Mba resaka mampitombo fifankatiavana alefa fa izay no baiko nomena antsika e!


tena tohin'ny size io ry LazaRandri a , aiza aza nareo izany :°)
57. Fiffi ( 01/05/2006 13:29)
dadabe: ka zay manko , nefa tena mitohy ny sijé. :)
58. sonwin ( 01/05/2006 16:48)
dadabe:

Mpandefa : sonwin [ Valio ] 28-04-2006 13:21:44
Lohateny : Re : sarivongana
tsy misy mivavaka amin'i Masina Maria izany leisy a

zao ary : raha toa ka tsy mivavaka @ i Maria dia aleo hesorina daholo ireo sary vongana rehetra ao @ fengonana ireo , na alaina dia atao any aoriana fa tsy atao manatrika eny aloha , dia ho hitantsika eo anie ny reaction'ny mpiangona e, hanaiky ve izy ??

humm tsia asatria izy mivavaka manonona ny anaran'Andriamanitra saingy ny fisainany tsy mety raha tsy eo iny sary iny



Tsy mivavaka leisy e, za nge no katolika fa tsy ialahy e :°), ka za mpakeny amin'ilay sarivongana aza efa miteny amin'ialahy fa tsy mivavaka, nahoana no forcen'ialahy hoe mivavaka?
59. pissoa ( 01/05/2006 17:37)
:-D:-D:-D
60. harilova ( 01/05/2006 18:00)
ndrena:

Ny olana mantsy dia ny fampianaran'ny fiangonana no tena tazonin'ny olona @ izao andro farany izao fa sty ny fampianaran'ny baiboly na ny Tenin'A/tra.Izay no miteraka ny pb maro isan-karazany hany ka voa hatrany @ doctrinen'ny fiangonana mihintsy.Fampianarana mivoana @ sitrapon'A/tra voarakitra ao baiboly avokoa mantsy izany fiankohofana na fanajana na fivavahana @ sary vongana izany.Noho izany dia ny sitrapon'A/tra no tokony hojerena sy tanterahina fa sty ny fampianaran'ny mpitarika fivavahana na ny fiangonana.

mba porofoy amiko ny tenin'Andriamanitra lazainao fa ny hevitro ity :

http://harilova.blaogy.com/post/182/770

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0103