sarivongana
101. harilova
(
15/05/2006 13:42)
tsy ny fanalana ny sary no vahaolana satria ho an'ny tsy mahay mamaky teny ilaina ireny... efa voalaza teo ambony teo izany...
fa ny olana dia indraindray tsy ampy fandalinana (lazaiko izany satria raha tsy ampy fanabeazana dia ny Fiangonana no mahazo tsiny) ny "sasany" ka tsy tonga amin'Andriamanitra loharanon'ny fahasoavana...

102. marozevo
(
16/05/2006 21:13)
Na ho aiza isika na ho aiza, na amin'ny fiainana ara-pinoana na amin'ny fiainana an-davan'andro fotsiny izao, dia tsy maintsy hampiasa hatrany ny sary amin'ny endriny mety ho hafa. Ohatra : NY VOLA, sary anie ny vola eh... iza no efa nitelina na efa nihinana vola ? iza no efa nitafy vola ? Nefa taoko fiteny ny hoe mihinam-bola sns...
Ka raha manaja ny vola ve dia mivavaka aminy izay ?
Raha mbola nofo izika dia mila zavatra tsapan'ny nofo (sensible) mba ho afaka hanakatra ny zavatra ambarany dia ny zavatra ara-panahy.

103. Achia
(
17/05/2006 13:06)
Za aloha tsy de manome tsiny be loatra anle ol manao sary vongana na sary fa ny toro hevitro de zao arao ze nolazain'Andriamanitra matoa izy manao we aza manao sary sikotra , na sary misy antony ao satria ny devoly de fetsy lavitra noho isika ol koa aoka isika hitandrina fa tsy entina @ torampo fotsiny akory ny fanompoana an'Andriamanitra
104. harilova
(
18/05/2006 18:42)
Achia:
Za aloha tsy de manome tsiny be loatra anle ol manao sary vongana na sary fa ny toro hevitro de zao arao ze nolazain'Andriamanitra matoa izy manao we aza manao sary sikotra , na sary misy antony ao satria ny devoly de fetsy lavitra noho isika ol
Fa tsy novakianao angaha ny momba ny bibilava varahina tanya n'efitra? sary nasain'Andriamanitra nataon'ny zanak'israely mba hojeren'izay te ho sitrana? jereo Fanisana toko 21 and. 8...
Ny manaja ekeko fa atao, fa ny manaja mila fahalalana fa tsy fanajana...
ho an'ny tsy mahalala na omena taratasim-bola iray alina aza atakalo vola arivo tsy hanaiky...
Lazaiko an'i Marozevo fotsiny e :
Tsy azo afenina ny tantara na tsara na ratsy : nandalo tany an-tanàna ny taolam-balon'i Terezy dia hatramin'ny tsy katolika tonga nitondra voninkazo hakasika ny vatakely nisy azy... fa mbola tsy nahita aho nitondra voninkazo hakasika ny sakramenta masina entin'ny kardinaly mamakivaky an'i Mahamasina... asa angaha amin'ny jiona ho avy izao fa efa niova ny mpitondra ao!!! fa angaha ambony noho iny sakramenta iny i terezy? Mampandinika ahy ihany raha maharesy ny atao hoe : Fitsaohana ["adoration"] ny fanajana ["dévotion"]
105. marozevo
(
18/05/2006 22:08)
Tsy azoko tsara aloha ny tian'i Harilova amin'io ambony io, nefa hovaliako ihany, ka raha tsy mifanaraka amin'izay tianao hambara dia ialana tsiny, ary raha izay no mitranga dia iangaviako ianao hanazava tsara.
Mb Terezy tany Madagasikara - Procession eny Mahamasina : Ireo sy ny fisehon'ny fankalazana an'ireo no tianao hampitahaina.
Mbola tany Madagasikara aho tamin'iny fotoana iny ka azoko tsara ny lazainao, fa maro no maneho fanajana amin'ny endriny samihafa an'i Mb Terezy.
Izao anefa, fakam-panahy lehibe ny fampitahana an'ireo zavatra roa ireo. Tsy misy hoe ambony sy ambany izany...
---...
Aleo tohiziko amin'ny manaraka fa lany ny bateri-ko.
Mba ampitsahivo aho.

107. Achia
(
22/05/2006 06:05)
Harivola le bibilava varahina nge ra ny momba azy de natao hitsaboana izay narary fa tsy hoe natao io hivavahana e ary tsy natao tao anaty tempoly akory iny sady Andriamanitra no nanome alalana ny hanaovana azy e !
108. marozevo
(
22/05/2006 20:46)
tsy misy ambany sy ambony, hoy aho, ny hoe Mb Terezy sy ny Sakramenta Masina, fa samy manana ny hanitra ho azy, ary samy manana ny fanajana antonona azy avy.
Efa niresaka Mb Terezy ihany, fa asa na tsaroanareo ny zava-nitranga tany Iraka tamin'ny fotoana namangian'io reliques io tany ? : Nisy vehivavy Silamo mahery fo sy mahery fihetsika iray, tena romotra be izy nahita ny firohotan'ny olona nanaja an'i Mb Terezy, ka nony hitany fa handalo eo amin'ny arabe akaikin'ny tranony ilay reliques dia notondrahany ranomaloto avy eo am-baravaran-keliny. Asa anefa izay fahasoavana niseho fa niova ho vonin-draozy mahafinaritra ilay ranomaloto niraraka avy any ambony. Tsy niandry andro hafa ilay Ramatoa fa teo no ho eo dia niova tsy ho Silamo intsony.

109. Achia
(
24/05/2006 06:10)
ka mba tiana'Andriamanitra ho fantatry ny silamo fa avy @ Kristy no lalana mankany @ fiainana ngamba fa tsy avy @ Mb Therese a
110. prime
(
24/05/2006 10:52)
Ichia :
Tena zavatra anisan\'ny halan\'Andriamanitra indrindra ny mampitovy Azy amin\'ny zavatra nohariany, indrindra ny sary vongana. Ny didy 4 voalohany ao amin\'ny didy folo dia mifototra amin\'izany ka karazana \"crime de lèse-majesté\" mihitsy ny fandikàna izany. Ny tantaran\'ny zanak\'israely dia izany no adiny mafy. Mankato an\'Andriamanitra androany rahampitso manao sary vongana dia faiziny lasa andevo mihitsy aza, dia mifona miverina dia rahampitso manao sary vongana, dia izay foana. Mahasaropiaro Azy io. Samy manana ny fotom-pampianarany ara-pinoana tokoa moa ka samy manaja ny azy. Fa ny baiboly ihany no marina. Miala tsiny aho fa na ny papa aza eo ambanin\'ny tenin\'Andriamanitra, izany hoe ny baiboly ka na inona lazainy na inona notapahina tany aloha tany, izay ao amin\'ny baiboly ihany no marina.
Ny azo anitarana ny dinika dia ny hoe : mahavonjy ny olona ve ny mitoetra eo ambanin\'ny lalàna (didy folo), anisan\'izany ny \"tsy fanajàna sary vongana\"?
Za aloha tsy de manome tsiny be loatra anle ol manao sary vongana na sary fa ny toro hevitro de zao arao ze nolazain\'Andriamanitra matoa izy manao we aza manao sary sikotra , na sary misy antony ao satria ny devoly de fetsy lavitra noho isika ol koa aoka isika hitandrina fa tsy entina @ torampo fotsiny akory ny fanompoana an\'Andriamanitra
Tena zavatra anisan\'ny halan\'Andriamanitra indrindra ny mampitovy Azy amin\'ny zavatra nohariany, indrindra ny sary vongana. Ny didy 4 voalohany ao amin\'ny didy folo dia mifototra amin\'izany ka karazana \"crime de lèse-majesté\" mihitsy ny fandikàna izany. Ny tantaran\'ny zanak\'israely dia izany no adiny mafy. Mankato an\'Andriamanitra androany rahampitso manao sary vongana dia faiziny lasa andevo mihitsy aza, dia mifona miverina dia rahampitso manao sary vongana, dia izay foana. Mahasaropiaro Azy io. Samy manana ny fotom-pampianarany ara-pinoana tokoa moa ka samy manaja ny azy. Fa ny baiboly ihany no marina. Miala tsiny aho fa na ny papa aza eo ambanin\'ny tenin\'Andriamanitra, izany hoe ny baiboly ka na inona lazainy na inona notapahina tany aloha tany, izay ao amin\'ny baiboly ihany no marina.
Ny azo anitarana ny dinika dia ny hoe : mahavonjy ny olona ve ny mitoetra eo ambanin\'ny lalàna (didy folo), anisan\'izany ny \"tsy fanajàna sary vongana\"?
111. marozevo
(
24/05/2006 15:00)
Azo itarina mankany tokoa ny ady hevitra, saingy ny an-tratra tsy lavo Rangahy ah...
112. Achia
(
24/05/2006 17:36)
fa inona no eo antratranao tsy lavonao ao ndray e dinika mitovy ihany ne zany e
113. marozevo
(
25/05/2006 07:24)
Ka izao ary eh...
Mba hamaliana ilay fanontaniana farany io, sy hanohizana ny ady hevitra, raha tsy diso aho dia niteny mitovitovy amin'izao ny Baiboly :
Izay ao amin'i Kristy dia tsy andevozin'ny lalàna, fa mizotra (na mandeha) ao amin'ny fahasoavana.
Hitan'i Fiffi mora foana ny referansin'io.

114. Achia
(
25/05/2006 13:28)
ka inona ary zany lalàna manandevo zany betska ihany mantsy ny lalàna
115. prime
(
26/05/2006 11:57)
"Fa isika tsy ambanin'ny lalàna fa ambanin'ny fahasoavana"...
Eny e! ny an-tratra tsy lavo tokoa angaha, fa ndao ary aloha tohizana! manana hevitra hafa angaha marozevo mikasika ny hoe lavin'ny soratra masina tanteraka ny sary vongana?
Andriamanitra raha ny ao @ soratra masina toa tsy nanavaka mihitsy ny mahay mamaky teny sy ny tsia ka tsy hitoviako hevitra mihitsy @ harilova hoe ho an'ny sasany dia natao ny sary vongana mba hanamora ny fanantonany an'Andriamanitra.

117. marozevo
(
26/05/2006 21:23)
Achia > Ny lalàna lazaina eto dia ireo pitsopitsony nentin'ny farisiana sy ny mpanora-dalana tamin'izany andro izany... Tena mavesatra tokoa ilay izy, ary tena nangeja--- tamin'izany fotoana izany --- Hanala ny olona tao no tadiavin'i Kristy matoa izy tsy nanaja ireo.
prime > Izaho kosa aloha dia tsy dia manaiky hoe lavin'ny soratra Masina tanteraka ny sary vongana eh.. Ny sarin-tsampy no laviny, fa ny sary vongana dia tsy voaresaka ao amin'ny baiboly. Ka ny handraisako ny sarivongana ankehitriny dia izao : Raha raisina ho io sarivongana io no mahavita ny zavatra rehetra, ka ivavahana sy tsàhona sy ny sisa dia tsy izy izay amiko. Fa raha ataoko fitaovana kosa izy hanakarako izay tsy mety

118. prime
(
31/05/2006 03:56)
Izany hoe izany :
Misy tsy azoko indray ny tian'i marozevo ambara,
, inona ilay hoe hanakarana zavatra tsy mety???? manana endrika mianatra, mamantatra, miresaka, manovo fahalalàna...izay mantsy no fahazoako azy...
Raha raisina ho io sarivongana io no mahavita ny zavatra rehetra, ka ivavahana sy tsàhona sy ny sisa dia tsy izy izay amiko.Fa raha ataoko fitaovana kosa izy hanakarako izay tsy mety
Misy tsy azoko indray ny tian'i marozevo ambara,
Fa raha ataoko fitaovana kosa izy hanakarako izay tsy mety
, inona ilay hoe hanakarana zavatra tsy mety???? manana endrika mianatra, mamantatra, miresaka, manovo fahalalàna...izay mantsy no fahazoako azy...
119. deghany
(
02/06/2006 09:46)
harilova:
manompo sampy ve ny manaja ny sari-vongana na sary hafa?
sary v d hajaina r'se a!!:@