sarivongana

1. harilova ( 25/04/2006 18:46)
manompo sampy ve ny manaja ny sari-vongana na sary hafa?
novalian'i harilova ny 08/07/2006 05:55
2. Fiffi ( 25/04/2006 19:01)
tsy azoko !
3. Fiffi ( 25/04/2006 19:05)
ohatra hoe "La Sainte Vierge Marie" ve no tianao lazaina na le Totem ao Inosy ?
4. marozevo ( 25/04/2006 19:05)
Inona aloha no hevitr'i harilova ?
5. bichette ( 26/04/2006 06:25)
raha hajaina tsy haloto de amiko tsy maninona, otran'ny manaja ny akanjo tsy haloto, manaja ny fanaka tsy ho simba fa raha manaja manompo, mivavaka, manamasina no tsy mety
6. sariaka ( 26/04/2006 07:59)
Araka ny intention-n'ny tsirairay ihany io araka ny hevitro, ary miankina amin'ilay sary koa (sarin-tsampy sa sari-mivongan'olomasina na olom-pantatra sns). Raha manaja ilay tena izy tarafin'ny sary (Tsy ilay sampy an)dia ataoko fa tsy manompo sampy izany. Mila signe ihany manko ny olona itodihana amin'ilay tena izy e.
7. franckie ( 26/04/2006 08:00)
@ko aloa tsd mety loatra ny fivavahana @sarivongana eh!mba tsilazàko oe tena tsy mety mitsy satria fanompoan-tsampy mitsy lé izy.
Ny tsirairay koa moa samy manana ny heviny sa tszany?
8. Fiffi ( 26/04/2006 08:08)
Dia ahoana hoy ianareo izany rehefa mankany Lourdes ohatra , mankao amin'ilay "grotte" misy koa ny sarivongana Masina Maria , na eny am-piangonana ka mandohalika eo anolohan'ny sarivongana Masina Maria ?
Mivavaka aloha io an!
9. dadabe ( 26/04/2006 08:08)
raha hoe manaja kosa aloha ry harilova tsy manomp[o izany a,zah izao manaja ilay sarin'i masina maria an'ny finoana katolika ireny

toy izao ny fomba fanajako azy :zah tsy manao maloto eo akaikin'ny toerana misy an'ireny.


fa raha somary avadiko angamba ilay fanotanin'i harilova dia hoe "manompo sampy ve ny mivavaka sy miresaka @ sarivongana "raha io ny fanotanianao dia ady hevitra lava be efa teto io aloha e

sa..ahoana rahalahy marozevo (efa miandry io ny rahalahiko fa masaka eo i harilova io androany :wink: )
10. pika ( 26/04/2006 08:09)
manaja na mivavaka mitovy ve ireo?
ny mivavaka mantsy hafa ny fahazoako azy; io arakarak'ilay olona ihany raha io moa no ivavahany dia tsy dia mety angamba
ao koa ilay tandidona araka ny voalazan'ny namana ilaina izany toy ireny mijery sary ireny ahafantarana hoe hay ve oh izao izany, na ny nisy taloha e §.......

ny manaja dia maninona moa raha kolokoloina ny fanaka ao an-trano aza kajiana tsy ho simba
11. pissoa ( 26/04/2006 09:50)
dadabe:
fa raha somary avadiko angamba ilay fanotanin'i harilova dia hoe "manompo sampy ve ny mivavaka sy miresaka @ sarivongana" raha io ny fanotanianao dia ady hevitra lava be efa teto io aloha e
Io indray ve no ady hevitra lava!!! Efa hita izao izany fa manompo sampy koa (raha Kristianina ilay miresaka, izaho Kristianina).

Fa ilay fanontaniana voalohany no tokony ho ady hevitra lava:
harivola:
manompo sampy ve ny manaja ny sari-vongana na sary hafa?
12. Achia ( 26/04/2006 13:42)
13. dadabe ( 26/04/2006 14:35)
hummm !!!!de ahoana izany ny sarin'i masina maria ry pissoa ??
14. Fiffi ( 26/04/2006 14:43)
pissoa: dia ahoana akia zany ny olona mandohalika sy mivavaka eo anolohan'ny Masina Maria nefa Kristianina ireny olona ireny ?
15. dadabe ( 26/04/2006 14:56)
io ary fa hanomboka ny ady hevitra???aiza aza i marozevo amizao.

Fiffi > dia ahoana koa izany ilay rehefa manao lalan'ny hazo fijaliana dia miondrika sy mitsaoka le sary manodidina ny fengonana ??:wink:
16. mandalo ( 26/04/2006 16:06)
samy manana ny finoany ny tsirairay ary saortra be ny manambany na mitsikera fomba fijery toy izao ka mila fitandremana be satria tsy mitovy nykarzam-pinoana arahina ka mety manafitohina ny hafa ,izay fahotana tokoa. Ny didy folo mazava ny zvt lazainy momban'ny sarin-javatra voasikotra; samy manana ny fandikany azy ny karazam-pinoana eto amintsika.
ny tiako hoantitraterina fotsiny dia manoloana ireny sari-vongana ireny; aiza ny fahatokianao ilay maty ho anao teo ambony hazo fijaliana? ny tsirairay no mahay mamaly ny toeran'ny fony .
hoy paoly hoe:"tsy mahazo tombiny aho na maty antoka raha mihinana na tsia ny hena avy amin'ny sampy fa raha miteraka fanafitohina ho an'ny hafa izany dia tsy hokasiako akory".
toy izany koa isika raha miresaka ity loha-hevitra ity, tandremo sao manafitohina ny hafa ny tsikeranao ka miteraka ota anao; tsy mmitovy mantsy ny degré-mpinoana sy ny degré fahaizana mamela.
17. Achia ( 26/04/2006 16:37)
Le hoe samy manana ny finoana klo ngamba tsy dia finoana loatatra , satria ny finoana de Kristiana ary samy Kristiana no resahana eto ary ny baiboly vakiana dia mitovy daholo eto samy misy didy folo daholo . Ra ny dinidinika eto de tsy misy tokony handraisana azy ho fanaratsiana na fanasoketana fa ny fanambarana zay marina ao anaty baiboly ka tokony ho alavirina ny toempanahy milaza ho fanaratsiana fa fanoroana sy fifampianarana no eto . Ka ra jerena ny tenin'ATRA manambara we : ho anareo mahalala ka tsy milaza @ tsy mahalala de ho adinoko @ areo ny ran'ireo . Koa ho antsika de zao tsisy fanaratsiana eto fa hoe fanaratsiana de ilay baiboly zany no manaratsy antsika
18. Fiffi ( 26/04/2006 17:09)
fa nahoana aloha no tonga dia misy miheritreritra fa hisy fifanafitohana ny sasany izay lazaina ?
ary saortra be ny manambany na mitsikera fomba fijery toy izao ka mila fitandremana be
fa iza aloha no mananmbany sy mitsikera ? na iza no hanambany sy hitsikera ?
dadabe: de misokatra zany ny adi-hevitra ka!
19. Herimiafina ( 26/04/2006 17:27)
harilova:

manompo sampy ve ny manaja ny sari-vongana na sary hafa?

Arakarak'izay ao antsainao ihany io kah.

Mitovy amin'ny hoe: manompo ny Fiangonana ve aho raha any no mandeha mivavaka?

ny Fiangonana tsinona fitaovana entina mivavaka.

20. pissoa ( 26/04/2006 18:07)
Maninona ny sarin'i Masina Maria ry dadabe sy Fiffi? Tsy azoko tsara ilay tianareo anontaniana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0081