sarivongana

21. pissoa ( 26/04/2006 18:13)
dadabe:
Fiffi > dia ahoana koa izany ilay rehefa manao lalan'ny hazo fijaliana dia miondrika sy mitsaoka le sary manodidina ny fengonana ??

Raha henon'i dadabe tsara ny tenenina averimberina iny rehefa manao lalan'ny Hazofijaliana dia hoe:

Misaotra Anao sy mitsaoka Anao izahay ry Jesoa fa Ianao no nanavotra ny olombelona tamin'ny mazofijalianao masina.

Tokony mametraka olana ho an'ny Krisitianina ve ny fitsahona sy fisaorana an'i Jesoa noho ny namoizany ny Ainy teo amin'ny hazofijaliany? :roll:
22. Fiffi ( 26/04/2006 18:37)
pissoa: satria manko hoy ndry hoe " Efa hita izao izany fa manompo sampy koa (raha Kristianina ilay miresaka, izaho Kristianina).
sa hoe amin'ny inona le hoe manompo sampy ? :-*
23. pissoa ( 26/04/2006 18:49)
Hay ve e! Tsy azon'i Fiffi ny noteneniko :)

Hoy i dadabe hoe tokony atao ady hevitra be ony ny fanontaniany hoe
manompo sampy ve ny mivavaka sy miresaka @ sarivongana?
Dia hoy aho hoe, raha samy Kristianina no miresaka, inona no tokony ho ady hevitra be amin'io ... Raha hoe mivavaka @ sarivongana dia manompo sampy izay! Notsipihiko tsara ilay hoe raha. :-*:-*
24. Fiffi ( 27/04/2006 08:25)
pissoa: misaotra akia fa mazava tsara an! :-*:-*
25. ndrena ( 27/04/2006 10:59)
Ny olana mantsy dia ny fampianaran'ny fiangonana no tena tazonin'ny olona @ izao andro farany izao fa sty ny fampianaran'ny baiboly na ny Tenin'A/tra.Izay no miteraka ny pb maro isan-karazany hany ka voa hatrany @ doctrinen'ny fiangonana mihintsy.Fampianarana mivoana @ sitrapon'A/tra voarakitra ao baiboly avokoa mantsy izany fiankohofana na fanajana na fivavahana @ sary vongana izany.Noho izany dia ny sitrapon'A/tra no tokony hojerena sy tanterahina fa sty ny fampianaran'ny mpitarika fivavahana na ny fiangonana.
26. pissoa ( 27/04/2006 11:30)
Ndrena tsy izany no olana kah!

Amiko, ny olana voalohany dia tsy vakianareo tsara akory ny zavatra soratan'ny namana mamaly fa terenareo loatra amin'ny hoe mivavaka amin'ny sary vongana ny valinteninareo.

Ny olana faharoa dia tsy hainareo akory ilay fampianaran'ny fiangonana dia avy ianareo mitsara.

ndrena:
Fampianarana mivoana @ sitrapon'A/tra voarakitra ao baiboly avokoa mantsy izany fiankohofana na fanajana na fivavahana @ sary vongana izany.
Mahafantatra fiangonana (Kristianina) mampianatra ny zanany hivavaka amin'ny sary vongana ve ianao? Izaho manokana tsy mahafantatra.
27. Fiffi ( 27/04/2006 11:59)
pissoa: marina mihintsy io lazaindry io an! ka aleo aloha handinika tsara aho.
28. Herimiafina ( 27/04/2006 13:41)
DIALOGUE DE SOURDS be ato izany klé. :@
29. Fiffi ( 27/04/2006 13:52)
Herimiafina: fa ahoana akia ?
30. dadabe ( 27/04/2006 14:27)
zah koa tsy mahazo:roll:
31. Herimiafina ( 27/04/2006 14:40)
Miteny an'io DIALOGUE DE SOURDS io aho rehefa misy mpandray anjara amin'ny resaka ka, tsy mihaino izay lazain'ny namany fa ny azy ihany no fantany.

- Tsy fisian'ny capacité d'écoute.
- Fitenenana hevitra nalaina taman'olona tsy nofakafakaina tsara.
- Degré de resilience ambany be ka miaro hevitra iray tsy misy arguments plausibles.

Izany hoe izao, tokony hitohitohy ilay resaka fa tsy tapatapaka na miverina ary amin,ny voalohany sy ny fanontaniana voalohany foana.

Ny tena izy: Misy fanontaniana mipetraka dia mitohy, dia mitohy dia na hevitra mifanohitra aza dia mety ho lasa hevitra mitovy ny farany.

Ny fandehany: mihitatra ny resaka dia misy karazana ujet kely be dia be lasa mipoitra eny afovoany dia tsy mitohitohy ny hevitra fa lasa misandrahaka ka tsy tafaverina intsonya ry amin,ilay problematika tamin,ny voalohany.

Ohatran'ny resaka Politika entre fitondranha sy mpanohitra any amin'ny tanàna io e!

Tsy manameloka na iza na iza aho fa ny resaka no melohiko.

Ny sosokevitro dia VAKIO DAHOLO RY ZAREO NY ZAVATRA SORATAN'NY NAMANA HAFA fa aza manao SKIMMING fa tsy mampandroso resaka le izy.

facillitateur kely klou zah eto an! :@
32. pissoa ( 27/04/2006 14:58)
Herimiafina :oops::oops::oops:
33. Fiffi ( 27/04/2006 16:43)
Herimiafina: :oops::oops::oops:
34. Herimiafina ( 27/04/2006 17:59)
Tsy fibedesana io na fantsy fa facillitation kah! Mba hizotra tsara le resaka!

Raha dinihina izany ka aravona ny resaka dia izao:
"manompo sampy ve ny mivavaka amin'ny sarivongana?"

Dia nisy problematika maromaro nivoaka avy tao:
-Ivavahana angaha ny fiheverana ny sarivongana?
-Ao ambadik'izany rehetra izany dia misy ny antsoina hoe facteur humain (olombelona) sy izay ao antsainy rehetra, raha mandoalika ve izy ka manoloana sarivongana dia mivavaka amin,iny sarivongana izy, sa inona no ao antsainy? Tsy misjnkina kokoa amin'izay heritreretiny ve ilay izy?".

Amiko, tsy voatery manompo sampy foana ny olona amnao toy izany ary miankkina amin'izay intention ao antsainy izany fa tsy miankina amin'ny fihetsiny.

Raha mihinankanina ianao ohatra dia miditra any ambavanao miaraka amin'ny sotro izany saingy tsy midika velively fa mihinana sotro ianao na mivelona amin'ny sotro.

Raha mandoalika ianao no mivavaka ka manoloana seza tsy midika fa mivavaka amin'ny seza ianao tsy akory.

Dia torak'izany ihany koa, apetrako ny fanontaniana: inona no ataonao rehefa mivavaka, inona no ao antsainao?

-Maka hefitra mangina: tsy midika izany fa mivavaka amin'ny fahanginana ianao na manompo fahanginana.
-Maka concentration.
-Manao ny "Rainay izay any andanitra..".
-Mifona, misaotra mangataka, sns.

Sarotra anefa ny hakana concentration sy ny mivavaka amin'ny fo manontolo rehefa revon'ny izao tontolo izao sy ny olany ny saina. feno tebiteby ao antsaina, olana ara-bola sns.

Rehefa hiresaka amin'Andriamanitra dia mila alana aloha ireny tebiteby ireny, vider-na ny saina ary mifantoka tanteraka amin'ny vavaka izay atao satria hiresaka amin'ny Tompo.

Misy fitaovana maromaro afaka ampiasainao amin'izany, ny FIangonana na ny Hefitrano mihidy, ny tenin'Andriamanitra na ny Baiboly.
Ilaina ihany koa ny Sary Masina, ny Labozia, sns mba hahafahana maka izany concentration izany hisian'ny aingampanahy sy ny fo.

Fa tsy hoe ireny fitaovana ireny akory no hivavahana. de toute façon an'Andriamanitra daholo ihany ireny. :@


35. marozevo ( 27/04/2006 20:41)
Za aloha te mba hanontany izay mahay an'ity eh : Ahoana ny fika fanokafana ny pejy efa nivadika ao aloha ao ?
Efa tena resaka lava teto tokoa io, araka ny lazain'i dadabe, ary raha mba azo atao dia jereo fa misy hevitra be dia be ao ambany ao.
Raha fintinina dia izao ihany : Vatana isika, ary mila zavatra azo tsapain-tanana sy hitan'ny maso mba hanakatra ny tsy hitamaso sy ny tsy azo tsapain-tanana. Tsy mbola nisy hatrizay, ary tsy hisy mandrakizay ny olona mivavaka amin'ny saryvongana, raha ny Kristianina no resahina. Saingy mila ny sary izy hahitan'ny finoany ny tena izy.
Mbola tsy mazava !!... fantatro fa tsy mazava fa amin'ny manaraka indray.
36. Fiffi ( 28/04/2006 04:55)
Tsy mbola nisy hatrizay, ary tsy hisy mandrakizay ny olona mivavaka amin'ny saryvongana, raha ny Kristianina no resahina.
tsy mazava fa aleo miandry ny fanazavanao tokoa .
-dia ahoana izany ireo Kristianina mandohalika mivavaka eo anoloan'ny Masina Maria ? Ny eo anoloan'ny Hazo fijaliana ? rehefa mankany Lourdes ?
37. dadabe ( 28/04/2006 07:24)
humm andraso klou zah hamaly kely sao lazain'i sasany manao dialogy deeee souuuurr eto

Mpandefa : Herimiafina [ Valio ] 27-04-2006 22:59:00
Lohateny : Re : sarivongana
Tsy fibedesana io na fantsy fa facillitation kah! Mba hizotra tsara le resaka!

Raha dinihina izany ka aravona ny resaka dia izao:
"manompo sampy ve ny mivavaka amin'ny sarivongana?"


ngah moa mivavaka no voalaza eo raha tsy hoe manajaaza manova size a!

Ilaina ihany koa ny Sary Masina, ny Labozia, sns mba hahafahana maka izany concentration izany hisian'ny aingampanahy sy ny fo.


humm indriondra isika izao ,midika izany fa hisintona (clientelisme)tsikelikely ny vahoaka i HM mba hahatonga ny vahoka hampiasa fitaovana toy ny sary ahafahana manao concentration
tsy mazava fa aleo miandry ny fanazavanao tokoa .
-dia ahoana izany ireo Kristianina mandohalika mivavaka eo anoloan'ny Masina Maria ? Ny eo anoloan'ny Hazo fijaliana ? rehefa mankany Lourdes ?


raha ny fahafantarako azy (ahitsio zah raha diso a)dia Mivavaka indirect @ Maria ny mpino Katolika, eny fa na dia efa maty aza i Maria dia mbola hinondry zareo ihany fa hoe mbola mihaino ny vavaka izay ataony .
de..dee....andraso kalou hiandry reply aho sao dia lava be eo :roll:
38. sonwin ( 28/04/2006 08:21)
tsy misy mivavaka amin'i Masina Maria izany leisy a
39. ndrena ( 28/04/2006 09:06)
Ny zavatra atao mantsy rehefa heverin\'ny tena ho mety dia arovana e!Fa tokony jerena lavitra ihany ilay izy.Raha misy tsangambato miorina izao hitantsika,inona ny tsara kokoa,ny mandeha eo ka miankohoka na manaja iny sary vongana iny ve ohatra sa ny tena fanajana na fisaorana ilay tena izy (fa tsy ny sariny)any anatin\'ny tena any?Noho izany tsy manery ny olona mihintsy aho hoe hanao izao sy izao fa kosa ny mandeha @ finoana dia lasa lavitra nohon\'ny mandeha @ fahitana.
40. dadabe ( 28/04/2006 13:39)
Mpandefa : sonwin [ Valio ] 28-04-2006 13:21:44
Lohateny : Re : sarivongana
tsy misy mivavaka amin'i Masina Maria izany leisy a

zao ary : raha toa ka tsy mivavaka @ i Maria dia aleo hesorina daholo ireo sary vongana rehetra ao @ fengonana ireo , na alaina dia atao any aoriana fa tsy atao manatrika eny aloha , dia ho hitantsika eo anie ny reaction'ny mpiangona e, hanaiky ve izy ??

humm tsia asatria izy mivavaka manonona ny anaran'Andriamanitra saingy ny fisainany tsy mety raha tsy eo iny sary iny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0085